Categories
Jodita

Jodita 11

Fihaonana voalohan’i Jodita tamin’i Hôlôferina

1 Tamin’izay dia hoy i Hôlôferina taminy: «Matokia ianao, ary foany ny tahotra ao am-ponao, fa tsy mba fanaoko na oviana na oviana, ny manisy ratsy an’izay rehetra manaiky ny hanompo an’i Nabokodonozora mpanjaka.

2 Raha tsy naneso ahy ny firenenao, dia tsy nanainga ny lefoko hamely azy aho.

3 Ary ankehitriny lazao ahy kely, izay antony nialanao tamin’izy ireo, sy nanapahanao hevitra hankatỳ aminay.»

4 Dia hoy i Jodita namaly: «Raiso ny tenin’ny ankizivavinao, fa raha manaraka ny tenin’ny ankizivavinao ianao, dia hotanterahin’ny Tompo an-tsakany sy an-davany ny hevitra voakasany aminao.

5 Marina izany toy ny mahavelona an’i Nabokodonozora mpanjakan’ny tany sy ny maha-velona ny fahefany, dia ilay fahefany napetraka aminao hamaizana izay mivilivily, satria tsy ny olombelona ihany no entinao hanompo azy, fa manoa azy hatramin’ny biby eny an-tsaha aza.

6 Koa mandeha lazao eran’ny firenena rehetra tokoa ny fahendren’ny sainao, fantatry ny olona rehetra fa ianao no hany tsara sy mahefa ao amin’ny fanjakany rehetra, ary deraina amin’ny faritany rehetra ny fitondranao.

7 Fantatra koa ny zavatra nolazain’i Akiora ary tsy miafina amin’ny olona ny nasainao nanaovana azy.

8 Marina fa efa voatsiratsira loatra tamin’ny fahotan’ny vahoakany ny Andriamanitray, ka efa nasainy nilazan’ny mpaminany izy, fa efa hatolony amin’ny fahavalony noho ny fivadihany.

9 Ary satria fantatry ny zanak’i Israely fa efa naniratsira ny Andriamaniny tokoa izy ireo, dia mangovitry ny tahotra anao izy izao.

10 Fanampin’izany, ny mosary mamoritra azy, ny fitahirizan-drano efa tankina, ka dia naman’ny maty sahady izy.

11 Efa nanapa-kevitra aza izy fa hamono ny biby fiompiny ary hisotro ny rany.

12 Hatramin’ny zavatra voatokana ho an’ny Tompo Andriamaniny aza, izay noraran’Andriamanitra tsy hokasihiny, toy ny vary, ny divay sy ny diloilo avy amin’ny ampahafolom-bokatra sy santatra, dia efa nokasainy hoentin-kamelon-tena ka sahy hihinana ny zavatra voarara tsy hokasihiny tanana aza izy. Raha efa izany no ataony dia tsy isalasalana fa hatolotra ho amin’ny faharavana mihitsy izy.

13 Izany no hitako, izaho ankizivavinao, ka nandositra lavitra azy ireo aho, ary nirahin’ny Tompo hilaza izany aminao.

14 Fa izaho ankizivavinao, dia manompo an’Andriamanitra, na izao aho atỳ aminao izao aza, ary dia hivoaka ny toby hivavaka amin’Andriamanitra ny ankizivavinao.

15 Ka hampahafantariny ahy ny fotoana hamaizany azy ireo noho ny fahotany, dia hiverina hilaza izany aminao aho. Amin’izay, hotarihiko hamaky an’i Jodea hatrany Jerosalema ianao, ka hahita ny vahoaka rehetra amin’i Israely toy ny ondry tsy misy mpiandry intsony, tsy hisy na dia alika iray hivovò anao aza.

16 Ny fahalalan’Andriamanitra ny ho avy no nanambara izany zavatra izany tamiko,

17 ary noho izy tezitra amin’izy ireo, dia nirahiny aho hanambara izany aminao.»

18 Nankasitrahin’i Hôlôferina sy ireo mpanompony izany teny rehetra izany. Nigagan’izy ireo ny fahendren’i Jodita, ary nifampilaza izy ireo hoe:

19 «Tsy misy vehivavy tahaka an’ity eto ambonin’ny tany, na amin’ny bika, na amin’ny hatsaran-tarehy, na amin’ny fahendrem-pitenenana.»

20 Ary hoy i Hôlôferina taminy: «Tsara ny nanirahan’Andriamanitra anao, hialoha ireo vahoaka ireo, hanolotra azy eo an-tananay.

21 Ka noho ny hatsaran’ny hevitra aposakao, raha manao izany ho ahy ny Andriamanitrao, dia izy koa no ho Andriamanitro, ary ianao kosa ho be voninahitra ao an-tranon’i Nabokodonozora sady halaza eran’ny tany rehetra ny anaranao.»

Categories
Jodita

Jodita 12

1 Dia ao amin’ilay nisy ny rakinyno nasain’i Hôlôferina nampandrosoina i Jodita, hipetraka ao ary tenany no nandahatra izay homena azy avy amin’ny sakafony.

2 Fa hoy i Jodita: «Tsy azoko atao izao ny mihinana ny zavatra nasainao nomena ahy, fandrao tratry ny ota aho, fa ny zavatra efa nentiko ho ahy ihany no hohaniko.»

3 «Ka inona no hataonay ho anao», hoy i Hôlôferina taminy, «raha lany ny hanina nentinao?»

4 «Tompokolahy, hoy i Jodita, mianiana amin’ny ainao aho, fa tsy hahalany ireto vatsy rehetra ireto ny ankizivavinao, alohan’ny hanatanterahan’Andriamanitra amin’ny tanako, ny hevitra voakasako.» Dia nampidirin’ireo mpanompony tao amin’ny lay voalazany, ravehivavy.

5 Nony niditra tao izy, dia nangata-dalana mba hahazo mivoaka amin’ny alina alohan’ny vaky masoandro, hivavaka sy hiantso ny Tompo.

6 Ka nandidy ireo mpanompony i Hôlôferina hamela azy hivoaka sy hiditra araka izay tiany, mandritra ny hateloana, mba hivavaka amin’ny Andriamaniny.

7 Koa nivoaka isan’alina izy, nankao amin’ny lohasahan’i Betolia sy nandroteo amin’ny loharano anankiray.

8 Nony niakatra avy any izy, dia nivavaka tamin’ny Tompo Andriamanitr’i Israely mba hitarika ny diany ho amin’ny famonjena ny vahoakany.

9 Raha efa izay dia niditra ao an-dainy izy, dia nitoetra ho madio ao, mandra-pisakafony amin’ny hariva.

I Jodita teo amin’ny fanasan’i Hôlôferina

10 Tamin’ny andro fahefatra, nanao fanasana ho an’ireo mpanompony i Hôlôferina, ka nilaza tamin’i Vagaoeonòkany hoe: «Mandehana taomy io Jody vavy iohanaiky an-tsitrapo ny hiara-mipetraka amiko,

11 fa fahafaham-baraka ho an’ny lehilahy amin’ny Asirianina raha vehivavy no hamazivazy azy sy handao azy tsy nanaiky ny faniriany.»

12 Dia niditra tao amin’i Jodita i Vagao, ka nilaza taminy hoe: «Aoka ny zazavavy soa, tsy hatahotra ny hankany anilan’ny tompoko, homem-boninahitra eo anatrehany, ary hiara-mihinana aminy ary hisotro divay amin-kafaliana.»

13 «Zinona moa aho, hoy ny navalin’i Jodita, no handà ny tompoko?

14 Izay soa sy lavorary eo imasony dia hataoko avokoa, ary izay rehetra tiany indrindra no tsara indrindra ho ahy koa, amin’ny andro rehetra iainako.»

15 Dia nitsangana izy, ary rehefa niravahany avokoa ny fihaingoany rehetra, dia niditra sy nankeo anatrehan’i Hôlôferina izy.

16 Niontana ny fon’i Hôlôferina, fa main’ny fitsiriritana azy.

17 Hoy i Hôlôferina taminy: «Misotroa ary mihinànaan-kafaliana, fa nahita fitia eo imasoko ianao.»

18 Ary hoy i Jodita: «Hisotro aho, tompoko, fa ity no andro nahazoan’ny fanahiko voninahitra indrindra, mihoatra noho ny tamin’ny andro rehetra niainako.»

19 Ny efa nomanin’ny ankizy vaviny no noraisiny dia nihinana sy nisotro teo anatrehany izy.

20 Nentanin-kafaliana noho ny aminy loatra i Hôlôferina ka nisotro divay tsy anerany; tsy mbola nisy andro nisotroany be toy izany hatrizay niainany.

Categories
Jodita

Jodita 13

1 Nony hariva ny andro, samy niverina faingana nankany an-dainy avy ny mpanompon’i Hôlôferina. I Vagao koa nanakatona ny varavaran’efitra, dia lasa.

2 Doroky ny divay daholo ry zareo

3 ary i Jodita irery sisa tao amin’ny efitra.

4 I Hôlôferina izany nivalandòtrateo am-pandriany, renoky ny torimason-kamamoana mafy.

5 Efa nilazan’i Jodita ny ankizivaviny mba hitsangana eo ivelany, anoloan’ny efitra, sy hanao antilitily.

6 I Jodita kosa nitsangana teo anoloan’ny fandriana, nivavaka kelikely tamin-dranomaso, nanetsika mangigina ny molony:

7 «Ry Tompo Andriamanitr’i Israely, hoy izy, hatanjaho aho, ary topazo fijery mitahy amin’izao ny asan’ny tanako, mba hanangananao indray an’i Jerosalema tanànanao, araka ny teny napetrakao, sy hanatontosako izay noheveriko ho mety ho vitako amin’ny fanampianao ahy.»

8 Nony avy niteny izany izy, dia nankeo amin’ny andry teo an-doha fandrian’i Hôlôferina, novahany ny sabany nihantona teo,

9 ka nony notsoahany avy ao amin’ny tranony, dia nandray ny volon’i Hôlôferina izy nanao hoe: «Tompo Andriamanitra ô, herezo aho amin’ity fotoana ity!»

10 Dia nojanjanany indroa teo amin’ny hatony izy, ka tapaka ny lohany; ary notsoahany ny elom-pandriana teo amin’ny andry, dia nakodiany tamin’ny tany ity vatana tapa-doha;

11 ary dia nivoaka tsy nijanonjanona izy, ka natolony an’ilay ankizivaviny ny lohan’i Hôlôferina, nasainy natao ao an-kitapony

12 Niara-nandeha, araka ny fanaony, hoatra ny handeha hivavaka izy roa ka rehefa namaky ny toby sy nahodidina ny lohasaha izy dia tonga tao am-bavahadin’ny tanàna.

Nentin’i Jodita tany Betolia ny lohan’i Hôlôferina

13 Mbola lavitra, dia niantso ny mpiambina ny manda i Jodita nanao hoe: «Vohay ny vavahady, fa momba antsika Andriamanitra, ary naneho ny fahefany nanasoavany an’i Israely.»

14 Raha nandre ny teniny ny mpiambina, dia niantso ny loholon’ny tanàna.

15 Niaraka tamin’izay, nirohotra nanatona azy ny olona rehetra hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra fa efa saika namoy fo ny hiverenany izy ireo.

16 Nandrehitra fanilo sady nitangorona nanodidina azy izy rehetra. Niakatra teo amin’ny toerana avoavo i Jodita, nampangina ny olona; ka nony nangina avokoa izy ireo, dia hoy izy:

17 «Miderà ny Tompo Andriamanitsika, fa tsy nandao izay manantena Azy Izy.

18 Izaho, ankizy vaviny, no nanatanterahany ny teny famindram-po napetrany hanasoavany ny vahoakan’i Israely, fa novonoiny halina tamin’ny tanako ilay fahavalon’ny vahoakany.»

19 Teo dia notsoahany avy ao an-kitapo ny lohan’i Hôlôferina, nasehony azy ireo, sy nolazainy hoe: «Ity ny lohan’i Hôlôferina, komandin’ny tafiky ny Asirianina; ary ity ny elom-pandriana nanaloka azy nandry efa renoky ny hamamoana izay namonoan’ny Tompo azy tamin’ny tanam-behivavy.

20 Marina toy ny maha-velona ny Tompo ny niambenan’ny Anjeliny ahy, na tamin’ny nandehanako, na tamin’ny nijanonako teo amin’izy ireo, na tamin’ny niverenako, ary tsy navelan’ny Tompo ho voaloto ny ankizivaviny, fa naveriny aminareo tsy voapentin’ny ota na kely akory aza, sady faly amin’ny fandreseny, sy ny fiarovany ahy, ary ny fanafahany anareo.

21 Koa mihirà fiderana Azy ianareo rehetra, fa tsara Izy, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony.»

22 Dia nitsaoka ny Tompo ny olona rehetra, sady nanao taminy hoe: «Ny Tompo nitahy anao tamin’ny heriny, fa ianao no nampanjariany ho tsinontsinona ny fahavalontsika rehetra.»

23 Hoy koa i Oziasa lehiben’ny vahoakan’i Israely taminy: «Anaka, nosoavin’ny Tompo Andriamanitra Avo Indrindra ianao, mihoatra ny vehivavy rehetra eto ambonin’ny tany.

24 Hisaorana anie ny Tompo, mpahary ny lanitra sy ny tany, izay nitondra ny tananao hanapa-doha ny lehibe indrindra amin’ny fahavalontsika.

25 Ary akory ity voninahitra nanandratany ny anaranao androany, fa ny fiderana anao tsy ho afaka am-bavan’ny olona izay hahatsiaro mandrakizay ny fahefan’ny Tompo; satria tsy nandala ny ainao ianao, hanasoavanao azy ireo, nony nahita ny fijaliana amam-pahorian’ny firenenao, fa namonjy anay tsy ho levona tamin’ny nandehananao araka ny fahamarinana, teo anatrehan’ny Andriamanitsika.»

26 Dia indray namaly ny vahoaka rehetra nanao hoe: «Ho tanteraka anie izany! Ho tanteraka anie izany!»

27 Raha efa izany, nantsoina hankeo i Akiora ka hoy i Jodita taminy: «Ny Andriamanitr’i Israely izay nambaranao hoe mahavaly ny fahavalony, dia nanapaka halina tamin’ny tanako, ny lohan’ilay lehiben’ny tsy mpino rehetra.

28 Ary mba hampiaiky anao fa tò tokoa izany, dia indro ny lohan’i Hôlôferina, izay nentin’ny fiavonavonana midaondaona ka naniratsira ny Andriamanitr’i Israely, ary nandrahona ny hamono anao ho faty, nanao hoe: Raha avy izay handreseko ny vahoakan’i Israely, dia hovonoiko amin’ny lelan-tsabatra koa ianao.»

29 Nony nahita ny lohan’i Hôlôferina i Akiora, dia nihoron-koditra natahotra, ka lavo nihohoka tamin’ny tany sady torana.

30 Nony nahatsiaro tena sy nody saina izy, nihohoka teo an-tongotr’i Jodita nanao taminy hoe: «Aoka hantsoina ho nosoavin’ny Andriamanitrao anie ianao, eo ambanin’ny lain’i Jakôba rehetra. Ary ianao no hahazoan’ny Andriamanitr’i Israely voninahitra eny amin’ny firenena rehetra handre ny anaranao.»

Categories
Jodita

Jodita 14

Nanihin’ny Jody ny lasin’ny Asirianina

1 Tamin’izay dia hoy i Jodita tamin’ny vahoaka rehetra: «Mihainoa ahy, ry havako, ahantòny eny an-tampon’ny mandantsika ity loha ity.

2 Ary rehefa vaky masoandro, samia mandray ny fiadiany, dia mirimorimo mivoaka, tsy hoe hidina ho eo an-dohasaha fotsiny, fa toy ny manao rodobe hamely.

3 Tsy maintsy hitsoaka ho any amin’ny Jeneraliny amin’izay ny mandry tsy aman’afon’izy ireo, hamoha azy hiady.

4 Ary rehefa hidodododo ho any an-dain’i Hôlôferina ny lehiben’izy ireo ka hahita azy voatapa-doha, mihosinkosina amin’ny rany, dia ho raiki-tahotra mafy.

5 Nony injay hitanareo mandositra izy, dia mirosoa hanenjika azy an-kasahiana fa homontsanin’ny Tompo eo imasonareo ireo.»

6 Rehefa hitan’i Akiora tamin’izay, ny fahefana ampiasain’ny Andriamanitr’i Israely, dia nialany ny fombam-pivavahan’ny firenena, dia nino an’Andriamanitra izy, ary noforàna sy voakambana amin’ny vahoakan’i Israely, hatramin’ny taranany rehetra mandrak’izao.

7 Vao nipoaka ny andro, dia nahanton’ny mponina tao Betolia teny amin’ny manda ny lohan’i Hôlôferina, ka samy nandray ny fiadiany ny lehilahy, sy nivoaka nirodorodo mafy, tamin’antsoantso nikotrokotroka.

8 Nahatsinjo izany ireo mandry tsy aman’afo, dia nidodododo nankany an-dain’i Hôlôferina.

9 Izay efa tao an-day kosa indray nankeo am-baravaran’efitra fandriany, nanao tabataba be hamoha azy, ary niniany nampitomboina ny tabataba mba hahatsiarovan’i Hôlôferina amin’ny torimaso, azon’izany tabataba izany, tsy hilana ny hamohan’ny fehiny azy.

10 Fa tsy nisy sahy nandom-baravarana na niditra ka namoha ny varavaran’efitra fandrian’ity lehilahy ambony indrindra amin’ny Asirianina.

11 Tonga avokoa anefa ny jeneraliny sy ny lehibe mbamin’ny manamboninahitra amin’ny tafiky ny mpanjakan’ny Asirianina, ka nilaza tamin’ireo tonian-tranony hoe:

12 «Midira, fohazy izy, fa tafavoaka ny lavany ireo voalavoireo, ka sahy mihaika antsika hiady.»

13 Tamin’izay dia niditra ny efitrano i Vagao, nijanona teo anoloan’ny elom-pandriana, nitehaka tamin’ny tanany, fa nataony ho miara-mandry amin’i Jodita ihany ny tompony.

14 Kanjo raha nanongilan-tsofina izy ka tsy nandre izay fihetsik’olona mandry teo velively, dia nohatoniny ny elom-pandriana, dia noaingainy, ka indro ny fatin’i Hôlôferina, hitany nitsitra tamin’ny tany, tsy nisy loha, nihosin-dra. Niaraka tamin’izay, nidradraka nitomany izy, sy nandriatra ny fitafiany,

15 dia niditra tao an-dain’i Jodita, ka tsy nahita azy tao. Nivoaka faingana izy nankeo amin’ny vahoaka,

16 nanao hoe: «Vehivavy jody iray iny monja nampisafotofoto ny ankohonan’i Nabokodonozora mpanjaka; mitsitra amin’ny tany ao i Hôlôferina, ary tsy misy loha intsony ny vatany!»

17 Vao nandre ireo teny ireo ny lehibe rehetra amin’ny tafiky ny Asirianina, dia nandriatra ny fitafiany, sady azon-tahotra aman-korohoro lozan-tany, nikorontana mafy ny sainy.

18 Ka horakoraka tsy hita holazaina, no nihohahoha tao an-tobin’izy ireo.

Categories
Jodita

Jodita 15

1 Nony ren’ny foloalindahy rehetra fa hoe tapa-doha i Hôlôferina, dia veriny avokoa ny heviny amam-pahamalinany, fa ny tahotra amam-badi-po no nanindry azy mafy, ka ny hanavotra aina amin’ny lositra no nalehany.

2 Tsy nifampiteny indraimbava akory izy ireo, fa samy niondri-doha sy namela teo ny zavatra rehetra fa dodona hitsoaka tsy ho tratry ny Hebrio, izay reny tamy mitam-piadiana hamely azy, ka dia vaky nandositra namakivaky ny saha izy sy namonjy ny sakeli-dalana amin’ny tendrombohitra.

3 Nony hitan’ny zanak’i Israely fa nandositra izy ireo, dia notanahiny nenjehina, nirotsahany tamim-pitsofan-trômpetra, ary nohorakorahany mafy avy ato aoriany.

4 Noho ny Asirianina niparitaka sady nikoropaka mafy teo am-pandosirana, ary ny zanak’i Israely kosa nikambana ho antokony iray monja teo am-panenjahana azy, dia nataony jinja fary avokoa izay rehetra tratrany.

5 Tamin’izay koa nolefasan’i Oziasa iraka avokoa ny tanàna aman-tsahan’i Israely rehetra;

6 ka isam-bohitra sy isan-tanàna, samy nampandray fiadiana ny tovolahy voafantina teo aminy avy, sy nandefa ireo hanaraka ny Asirianina, ka nanenjika azy tamin’ny lelan-tsabatra ireo hatrany amin’ny faran’ny sisin-taniny.

7 Izay tafajanona tany Betolia kosa, niditra tao an-tobin’ny Asirianina nandraoka ny babo rehetra nilaozan’ny Asirianina nandositra, ka niverina mavesatr’izany.

8 Etsy an-daniny koa izay avy nandresy ka niverina ho any Betolia, nifaoka izay rehetra nananan’ny Asirianina, dia biby fiompy tsy hita isa, sy biby mpitondra entana mbamin’ny entany rehetra, ka samy nahazo harena tamin’ny babo azony avokoa, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.

Fisaorana sy fankasitrahana

9 Avy ao Jerosalema i Jôakima mpisoron-dehibe dia tonga tao Betolia niaraka amin’ny loholona rehetra hamangy an’i Jodita.

10 Nony nivoaka hitsena azy izy, indray niredona nisaotra azy izy rehetra nanao hoe: «Ianao no tabihan’i Jerosalema; ianao no fifalian’i Israely; ianao no voninahitry ny firenentsika.

11 Satria nitomban-dahy ny fanahinao, ary feno herim-po ny fonao; satria tia fahadiovana ianao, fa nony maty ivadinao tsy nety nahalala hafa ianao, fa ny tanan’ny Tompo nanafy hery anao, ka hisaorana mandrakizay ianao.»

12 Dia indray namaly hoe, ny vahoaka: «Ho tanteraka anie izany! Ho tanteraka anie izany!»

13 Saika tsy ampy ny telopolo andro, hanangonan’i Israely ny babo tamin’ny Asirianina.

14 Nomen’ny vahoaka an’i Jodita avokoa ny volamena amana volafotsy, sy ny fitafiana amana vatosoa, mbamin’ny zavatra rehetra fantatra fa an’i Hôlôferina.

15 Ary niara-nifaly avokoa ny vahoaka mbamin’ny vehivavy, ny zatovovavy, ny zatovolahy tamin’ny feon’ny harpa aman-dokanga.

Categories
Jodita

Jodita 16

1 Tamin’izay i Jodita dia nihira izao hira izao tamin’ny Tompo:

2 «Mankalazà ny Tompo, amin’ny fidoboky ny amponga. Mihirà ny Tompo amin’ny kipantsona; Miraisa feo hanaovana hira vaovao ho voninahiny, ankalazao sy hobio ny anarany.

3 Ny Tompo manapitra ny ady; Tompo no anarany!

4 Niorin-toby eo afovoan’ny vahoaka Izy, mba hamonjy antsika amin’ny tanan’ny fahavalontsika rehetra.

5 Tonga i Asora avy amin’ireo tendrombohitra, avy any amin’ny lafin-tany Avaratra nomban’ny miaramilany alinalina: nahatohana ny riana ny hamaroany, ary naharakotra ny lohasaha ny soavaliny.

6 Nanampò handevona ny faritaniko tamin’ny afo izy, sy hamono ireo zatovo lahiko amin’ny sabatra, hifaoka ny zanako ho babo, ary ny virjiny zanako ho sambo-belona.

7 Kanjo ny fahafaham-baraka no natolotry ny Tompo tsy toha azy, natolony ho eo an-tanam-behivavy izy, ka resiny.

8 Tsy mba tovolahy mamely no nandavo ny maheriny, tsy mba zanaky ny mahery no namely azy, tsy ny lehilahy rangavina no niady taminy, fa i Jodita ihany, zanakavavin’i Merarì, no nampitsingidina azy, tamin’ny hatsaran-tarehiny.

9 Napetrany ny akanjo-mpitondratena teny aminy, niramatra ny fitafiany fanao amin’ny fety izy, mba ho fandresen’ny zanak’i Israely.

10 Notsotsorihany diloilo manitra ny tavany, naolanolany tsara teo ambany lamba fehiloha ny volon-dohany. Akanjo vaovao no nentiny hamandrihany azy

11 Ny famirapiratry ny kapany nahajamba ny mason’itsy, ny hatsaran-tarehiny nahababo ny fony, notapahiny tamin’ny sabatra ny lohany.

12 Ny Persa nangovitra tamin’ny faherezam-panahiny; ary ny Meda, tamin’izato hasahiany.

13 Finaonaonana indray no nanakoako tao an-tobin’ny Asirianina; nony nitranga ny nomba ahy, efa trotraka sy mainan’ny hetaheta.

14 Zanaka lahin’ny vantotr’olona no nitomboka azy sy namono azy efa toy ny ankizy mandositra; ka maty an’ady teo anatrehan’ny Tavan’ny Tompo Andriamanitro izy ireo.

15 Miventesa hira ho an’ny Tompo, mihirà hira vao ho an’ny Tompo:

16 Ry Tompo ambony indrindra, lehibe Ianao ry Tompo, ary fatratra amin’ny fahefanao Ianao, ary tsy misy mahahoatra Anao!

17 Aoka anie hanompo Anao avokoa ny arin-tananao, fa niteny Ianao, dia vita ny zavatra rehetra, naniraka ny fanahinao Ianao, dia àry ny zavatra rehetra ary tsy misy mahatohitra ny feonao.

18 Ny tendrombohitra mbamin’ny rano mihovotrovotra hatrany am-potony, ny vato miempo toy ny savoka eo anoloan’ny Tavanao;

19 fa izay matahotra Anao kosa anefa, dia lehibe eo anatrehanao, amin’ny zavatra rehetra.

20 Loza ho an’ny firenena mitsangan-kamely ny vahoakako! Fa ny Tompo, ny tsy toha no hamaly izay ataony, hanadina azy Izy amin’ny andro fitsarana.

21 Hatolony amin’ny afo aman-kankana ny nofon’ireny, mba ho may sy hahatsiaro mangirifiry mandrakizay.»

22 Taorian’izany fandresena izany, nankany Jerosalema avokoa ny vahoaka, mba hitsaoka ny Tompo, ka vantany vao nidio izy ireo, dia nanatitra ny sorona dorana rehetra sy nanefa ny voadiny amam-bava nataony avy.

23 I Jodita kosa nanatitra ny fiadian’i Hôlôferinarehetra nomen’ny vahoaka azy, mbamin’ny elom-pandriana nalainy teo amin’ny farafara, ho anatemafanadinoana.

24 Nanao fifalian-dehibe teo anoloan’ny fitoerana masina ny vahoaka rehetra, ary naharitra telo volana no nifaliana tamin’izany fandresena izany, niaraka tamin’i Jodita.

Fahanteran’i Jodita sy ny nahafatesany

25 Nony tapitra izany andro fety izany, samy nody any an-tranony avy ny olona; nomem-boninahitra tao Betolia i Jodita, ary nahazo laza lehibe eran’ny tanin’i Israely izy.

26 Ny herim-po nampombainy fahadiovana, ka tsy nahalala lahy intsony izy, tamin’ny andro sisa niainany, taorian’ny nahafatesan’i Manasesa vadiny.

27 Niseho tamin-kaingo kanto izy isaky ny andro fety.

28 Nony efa 105 ny andro nitoerany tao an-tranon’ny vadiny, ary efa novotsorany ilay ankizy vaviny, dia maty izy, ka nalevina tao Betolia, tao amin’ny vadiny,

29 ary nitomany azy hafitoana ny vahoaka rehetra.

30 Tsy nisy olona nanabataba an’i Israely, tamin’ny andro rehetra niainany, sy taona maro taorian’ny nahafatesany.

31 Nataon’ny Hebrio anisan’ny andro masina, ny andro fety naorina ho fahatsiarovana io fandresena io, ka nankalazain’ny Jody hatramin’izany andro izany, ka mandrak’androany.