1. LOZA AVY AMIN’NY VALALA
1 Tenin’i Iaveh tonga tamin’i Joelyzanak’i Fatoely.
A. Hira fitomaniana amin’ny loza manjò ny tany
2 Mihainoa an’izao ianareo anti-panahy;
mitongilàna sofina ianareo rehetra monina amin’ny tany!
Mba efa nisy toy izao va tamin’ny andronareo,
na tamin’ny andron’ny razanareo?
3 Aoka hilaza izao ianareo amin’ny zanakareo,
ny zanakareo amin’ny zanany,
ary ny zanak’izy ireo, amin’ny taranaka mandimby azy.
4 Ny sisan’ny Gazànanohanin’ny valala;
ny sisan’ny valala nohanin’ny ieleka
ny sisan’ny ieleka nohanin’ny kasila.
5 Mifohazaianareo mpimamo, ka mitomania;
ianareo rehetra mpisotro divay dia midradradradrà,
noho ny amin’ny divay vaovao;
izay notapahina tsy ho amin’ny vavanareo intsony.
6 Fa misy firenena niakatra tamin’ny taniko
sady mahery no tsy hita isa;
ka ny nifiny dia nifin-diona;
ary ny vazany vazan-diom-bavy.
7 Nosimbany ny voaloboko;
notapatapahiny ny aviaviko;
dia nataony makiky sady nazerany ireny;
ary tonga tena fotsy mihitsy ny rantsany.
8 Midradradradrà ianao toy ny virjiny mitafy lasàka
hitomany ny vadin’ny fahatanorany.
9 Tapaka tsy misy intsony ny fanatitra amam-panatitra araraka, ao an-tranon’i Iaveh;
misaona ny mpisoronampanao raharahan’i Iaveh!
10 Simba ny saha; misaona ny tany, fa levona ny vary,
mangaihay ny divay vaovao, reraka ny diloilo.
11 Mangaihaiza, ry mpiasa tany,
midradradradrà ry mpamboly voaloboka,
noho ny amin’ny vary sy ny orja;
satria majifa ny vary hojinjaina any an-tsaha.
12 Mangaihay ny voaloboka, ary reraka ny aviavy;
ny ampongabendanitra mbamin’ny antrendry sy ny paoma,
dia ny hazo rehetra any an-tsaha, no efa maina avokoa;
menatra ny hafaliana ka nihataka
lavitra ny zanak’olombelona.
B. Fiantsoana hibebaka sy hivavaka
13 Mietrà, mitolokoa, ianareo mpisorona;
midradradradrà ianareo mpanao ny fanompoana momba ny ôtely!
Avia hiari-tory mitafy lasàka,
ianareo mpandraharahan’ny Andriamanitro,
fa ny fanatitra amam-panatitra araraka
dia voatana lavitra ny tranon’ny Andriamanitrareo.
14 Miantsoa fifadian-kanina; mamoria ny fiangonana;
vorio ny loholona, izay rehetra monina amin’ny tany,
ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrareo,
15 ka mitaraina amin’i Iaveh hoe: «Indrisy, ity andro ity!
Fa efa antomotra ny andron’i Iaveh!
Tamy toy ny fandravana avy amin’ny Tsitoha!»
16 Tsy efa noesorina teo imasontsika va ny hanina
mbamin’ny fifaliana amam-piravoravoana izay voaesotra
tao an-tranon’ny Andriamanitsika?
17 Maina tao ambany bainga ny voa nafafy;
foana ny sompitra;
mirodana ny trano fitahirizana,
satria mangaihay ny vary.
18 Endrey izany fitolokon’ny biby;
Mihoalahoala ny andian’omby,
satria tsy manan-kanina izy,
miferinaina mbamin’ny andian’ondry.
19 Mitaraina aminao aho, Iaveh ô,
fa levon’ny afo ny kijana an’efitra,
voadoron’ny lelafo ny hazo rehetra any an-tsaha.
20 Mimamamama miantso Anao hatramin’ny biby dia,
satria ny renirano ritra;
ny kijana an’efitra levon’ny afo.