Categories
Jônasy

Jônasy 1

Nandà ny nanirahana azy i Jônasy

1 Ary tonga tamin’i Jônasy zanak’i Amatì, ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

2 «Mitsangana ianao, ka mankanesa any Niniva,tanàna lehibe, hitory ny hamelezana azy, fa tafakatra hatraty Amiko ny haratsian’izy ireo».

3 Dia nitsangana i Jônasy handositra ho any Tarsisa, lavitra ny tavan’i Iaveh. Nidina tany Jôpeizy, dia nahita sambo ho any Tarsisa, ka naloany ny saran-tsambo, dia niditra tao izy, hiaraka amin’izy ireoho any Tarsisa, lavitra ny tavan’i Iaveh.

4 Fa i Iaveh kosa nampifofofofo ny rivo-mahery teny amin’ny ranomasina, ka nisy tafio-drivotra teny amin’ny ranomasina; ny sambo efa nila ho vaky.

5 Raiki-tahotra ny matilò ka samy nitaraina tamin’izay andriamaniny avy, sady nanary ny zavatra tao an-tsambo tany anaty ranomasina, mba hanamaivana azy; fa i Jônasy kosa nidina tao ambodi-sambo, dia nandry ka renoka natory tao.

6 Avy nanatona azy ny kapitenin-tsambo, ka nanao taminy hoe: «Inona ity ataonao no matory foana? Mitsangàna antsoy ny Andriamanitrao, ndrao mba mihevitra antsika Andriamanitra, ka tsy ho faty isika».

7 Ary nifampilaza izy ireo nanao hoe: «Avia, hanao filokàna isika, mba hahafantarantsika izay mahatonga izao loza izao amintsika». Dia nanao filokana izy dia i Jônasy no voan’nyfilokana.

8 Izay izy ireo nanao taminy hoe: «Lazao aminay re, izay mahatonga izao loza izao amintsika! Inona no raharahanao; avy aiza ianao; aiza no taninao; ary inona no firenenao?»

9 Ka izao no navaliny azy ireo: «Hebrio aho, ary i Iaveh, Andriamanitry ny lanitra, izay nanao ny tany aman-dranomasina, no ivavahako».

10 Dia raiki-tahotra mafy ireo olona ireo, ka nanao taminy hoe: «Inona izany ataonao izany!» Satria fantatr’ireo olona ireo fa nandositra lavitra ny tavan’i Iaveh izy, fa efa nambarany taminy izany.

11 «Hataonay ahoana ianao, hoy ireo taminy, dia hitony amintsika ny ranomasina?» Fa mbola nihananonja, nihananonja mafimafy kokoa ny ranomasina.

12 Ka hoy ny navaliny azy: «Raiso aho ka atsipazo any anaty ranomasina, ka hitony aminareo ny ranomasina; satria fantatro fa noho ny amiko, no mahatonga izao tafio-drivotra mafy izao aminareo».

13 Nivory ny olona mba hitondra ny sambo hitody amin’ny tany maina, fa tsy afaka; satria nihananonja mafimafy kokoa nanohitra azy ny ranomasina.

14 Koa dia niantso an’i Iaveh izy nanao hoe: «Endrey! ry Iaveh ô! aoka tsy ho faty noho ny amin’ny ain’ity lehilahy ity izahay na ataonao milonjo ny ra tsy manan-tsiny, satria Ianao no nanao araka izay sitrakao, ry Iaveh ô!»

15 Dia noraisiny i Jônasy, natsipiny tany amin’ny ranomasina, ka nitony ny fisafoakan’ny ranomasina. Ary raiki-tahotra mafy an’i Iaveh ny olona, ka nanatitra sorona ho an’i Iaveh, sy raki-boady.

Categories
Jônasy

Jônasy 2

Voavonjy i Jônasy

1 Naniraka hazandrano lehibe anankiray i Iaveh hitelina an’i Jônasy; ka tao an-kibon’ny hazandrano i Jônasy, hateloana andro sy hateloana alina.

2 Dia nivavaka tamin’i IavehAndriamaniny i Jônasy, tao an-kibon’ny hazandrano,

3 ka nanao hoe:

«Niantso an’i Iaveh tao anatin’ny fahoriako aho,

ary namaly ahy Izy;

nitaraina aho tao an-kibon’ny Seoly,

ka nihaino ny feoko Ianao.

4 Natsipinao tany amin’nyhantsana aho,

dia tany anatin’ny ranomasina,

ka ny riaka nanodidina ahy;

ny alon-dranonao aman’onjanao rehetra

nandeha teo amboniko.»

5 Dia hoy aho hoe:

Voaroaka tsy ho eo imasonao aho;

nefa mbola hibanjina ny Tempolinao masina.

6 Ny rano nanery ahy hatramin’ny aiko;

ny hantsana be nanodidina ahy;

ny ahi-dranomasina nangeja ny lohako.

7 Tafalentika hatrany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra aho;

ny hidin’ny tany efa voahidy tamiko mandrakizay.

Kanjo Ianao kosa, nampiakatra ny aikoavy any an-davaka,

ry Iaveh Andriamanitro ô!

8 Raha rerakatao anatiko ny fanahiko,

dia nahatsiaro an’i Iaveh aho;

ka tonga hatrany aminao ny fivavahako,

hatrany an-tempolinao masina.

9 Izay miraiki-po amin’ny zava-poana tsinontsinona

dia mandao ilay fototry ny famonjena.

10 Fa izaho kosa, dia amin’ny feo fiderana Anao,

no hanolorako sorona Aminao;

ary ny voady nataoko hoefaiko.

An’i Iaveh ny famonjena!

11 Dia nandidy ilay hazandrano i Iaveh,

ka naloan’ny hazandrano teny amin’ny tany i Jônasy.

Categories
Jônasy

Jônasy 3

Nibebaka i Niniva ka navelan’Andriamanitra

1 Tonga fanindroanytamin’i Jônasy ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

2 «Mitsangàna ianao mandehana mankany Niniva, tanàna lehibe, hitory aminy ny toriteny lazaiko aminao».

3 Dia nitsangana i Jônasa, ka nankany Niniva, araka ny tenin’i Iaveh. Ary i Niniva dia tanàna lehibe teo anatrehan’Andriamanitra, fa lalan-kateloana.

4 Nanomboka niditra tao anatin’ny tanàna, lalana indray andro aloha i Jônasy, ka nitory izy nanao hoe: «Rehefa afaka efapolo andro, dia horavana i Niniva!»

5 Nino an’Andriamanitrany olona tao Niniva, ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasàkaavokoa, hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra.

6 Dia nampandrenesina izany ny mpanjaka, ka niala teo amin’ny seza fiandrianany, nanesotra ny kapaotiny, mirakotra lasàka, ary nipetraka teo amin’ny lavenona.

7 Ary nantsoina tao Niniva sy nolazaina araka ny didin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka aminy izao teny izao: «Aza misy manandrana zavatra akory na miraotra sy misotro rano, na olona na biby, na omby aman’ondry;

8 aoka samy hirakotra lasàka ny olona sy ny biby; ary aoka izy ireo hitaraina mafy amin’Andriamanitra, samy hiala amin’ny lalan-dratsiny sy ny asa fahasiahana fanaon’ny tanany avy.

9 Ndrao mba avy ihany izay hanenenan’Andriamanitrasy hitonen’ny hatezerany mirehitra, ka mba tsy haripaka isika».

10 Nahita ny nataon’izy ireo, sy ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny Andriamanitra, ka nanenina tamin’ny loza voalazany hamelezana azy ireo Andriamanitra, ka dia tsy notanterahiny indray izany.

Categories
Jônasy

Jônasy 4

Sosotra i Jônasy fa novalian’Andriamanitra

1 Nampalahelo mafy an’i Jônasy izany ka tezitra terỳ izy.

2 Nanao fivavahana tamin’i Iaveh izy hoe: «Indrisy Iaveh ô! Tsy izao indrindra va no nolazaiko, fony aho mbola tany amin’ny taniko. Koa izany no nandosirako tany Tarsisa aloha, satria fantatro fa Andriamanitra mamindra fo sy miantra, malain-kitezitra, be fitiavana Ianao, ary manenina amin’ny loza voalazanao.

3 Koa ankehitriny, Iaveh ô, esory amiko ny fanahiko, fa aleoko maty toy izay velona».

4 Fa hoy ny navalin’i Iaveh: «Mety va ny hatezeranao?»

5 Dia nivoaka ny tanàna i Jônasy, ka nipetraka teo atsinanan-tanàna, nanao trano rantsan-kazo ho azy, sy nipetraka nialokaloka teo ambonin’io mandra-pahitany izay hanjò ny tanàna.

6 Ary i Iaveh Andriamanitra, nampaniry tanantanamanga, izay nisondrotra teo ambonin’i Jônasy, mba hialokalofan’ny lohany mba hanafahana azy amin’ny alahelony; ka nahatsiaro faly erỳ i Jônasy tamin’ny tanantanamanga.

7 Kanjo nony ampitso raha vao niposaka ny mazava atsinanana, dia nandefa fositra i Iaveh hamely ilay tanantanamanga, ka tonga maina izy.

8 Nony niposaka indray ny masoandro, nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana i Iaveh sady nasiany masoandro ny lohan’i Jônasy, ka efa ana mihitsy izy. Nangataka ny ho faty izy ka nanao hoe: «Aleoko maty toy izay ho velona».

9 Fa hoy i Iaveh tamin’i Jônasy: «Mety va izao hatezeranao noho ny amin’ny tanantanamanga izao?». Ka hoy ny navaliny: «Mety ny hatezerako mandra-pahafatiko».

10 Dia hoy i Iaveh: «Ianao malahelonoho ny amin’ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao, tsy nampanirianao, izay naniry tamin’ny indray alina monja, dia maty tanatin’ny indray alina koa;

11 ka Izaho va tsy mba halahelo noho ny amin’i Niniva, tanàna lehibe, izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy, tsy mahay manavaka ny havanany amin’ny haviany, ary biby be dia be!»