Categories
Jôsoe

Jôsoe 1

Asain’Andriamanitra mankany amin’ny Tany Nampanantenaina

1 Rehefa maty i Môizy, mpanompon’i Iaveh, dia niteny tamin’i Jôsoe zanak’i Nona, mpanompon’i Môizy, i Iaveh nanao hoe:

2 «Efa maty i Môizy, mpanompoko, koa mitsangàna ianao ankehitriny, mità an’io Jordany io, ianao sy izao vahoaka rehetra izao, ho any amin’ny tany izay omeko ny zanak’i Israely.

3 Efa nomeko anareo avokoa, araka ny voalazako tamin’i Môizy, ny tany rehetra hodiavin’ny faladianareo.

4 Hatramin’ny efitra sy hatramin’io Libàna io ka hatramin’ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, dia ny tanin’ny Heteanina rehetra, ary hatramin’ny ranomasina lehibeany amin’ny fisitrihan’ny masoandro, no ho faritaninareo.

5 Tsy hisy olona hahatohitra anao amin’ny andro rehetra hiainanao: tahaka ny nombako an’i Môizy no hombako anao koa; tsy hahafoy anao Aho na handao anao.»

Manaraka ny lalàna vao ampian’Andriamanitra

6 «Matanjaha ary mahereza fo, fa ianao no hampanana ity firenena ity ny tany efa nianianako tamin’ny razany homena azy.

7 Fa matanjaha kosa ary mahereza fo tokoa, sady mitandrema tsara mba hanao araka ny lalàna rehetra nandidian’i Môizy mpanompoko anao. Aza mivily amin’izay na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia, mba hahombyianao amin’izay rehetra hataonao.

8 Aoka tsy ho afaka am-bavanao ny bokin’ity lalàna ity, fa hosaintsaininao andro aman’alina sady hotandremanao ny hanao araka izay rehetra voasoratra ao, fa amin’izany dia hiadana amin’ny lalanao rehetra sy hahomby tsara ianao.

9 Tsy efa nodidiako ianao va amin’ny hoe: matanjaha ary mahereza fo; aza matahotra na manam-badi-po, fa i Iaveh Andriamanitrao no momba anao na aiza na aiza halehanao.»

Fihaonam-ben’ireo foko tany andafin’i Jordany

10 Dia nanome izao didy izao tamin’ny manamboninahitry ny vahoaka i Jôsoe: «Mandehana mitety ny toby ianareo, ka mandidia ny olona hoe:

11 Manomàna vatsy ianareo, fa raha afaka hateloana dia hita an’ity Jordany ity ianareo, handeha haka ny tany omen’Andriamanitrareo ho fanananareo.»

12 Ary izao no teny nataon’i Jôsoe, tamin’ny Robenita sy ny Gadita, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase:

13 «Tsarovy ny nandidian’i Môizy, mpanompon’i Iaveh, anareo nanao hoe: Efa nomen’i Iaveh fitsaharana ianareo, sy nomeny ity tany ity.

14 Koa ny vady aman-janakareo madinika, mbamin’ny biby ompianareo, dia hijanona amin’ny tany nomen’i Môizy anareo, etỳ an-dafin’i Jordany. Fa ianareo lehilahy matanjaka sy mahery fo rehetra kosa, dia hita mitondra fiadiana eo alohan’ny rahalahinareo,

15 ary hanampy azy ianareo mandra-panomen’i Iaveh fitsaharana toa anareo koa amin’ny rahalahinareo, ka efa mahazo ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrareo azy koa izy ireo; izay vao hiverina ianareo amin’ny tany izay anareo, atỳ an-dafin’i Jordany, fiposahan’ny masoandro.»

16 Dia namaly an’i Jôsoe izy ireo, ka nanao hoe: «Hataonay avokoa izay rehetra nandidianao anay, ary halehanay avokoa izay rehetra hanirahanao anay.

17 Toy ny nanekenay an’i Môizy tamin’ny zavatra rehetra, no hanekenay anao koa. Fa aoka kosa anie homba anao i Iaveh Andriamanitrao tahaka ny nombany an’i Môizy.

18 Na zovy na zovy mandà ny didinao, ka tsy manaiky amin’izay rehetra andidianao, dia hatao maty. Fa matanjaha kosa ary mahereza fo.»

Categories
Jôsoe

Jôsoe 2

1 Nandefa mpisafo tany roalahy mangingina avy tany Setima i Jôsoe zanak’i Nona, nataony hoe: «Mandehana, zahao ny tany, sy i Jerikô.» Dia niainga izy roa lahy, ka tonga tao amin’ny tranon’ity vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ary nandry tao.

2 Nisy kosa nampandre izany tamin’ny mpanjakan’i Jerikô, nanao hoe: «Injao misy olona avy amin’ny zanak’i Israely, tonga alina atỳ hisafo ny tany.»

3 Dia naniraka ny mpanjakan’i Jerikô hilaza amin-dRahaba hoe: «Avoahy ireo lehilahy izay tonga tao aminao tafiditra ny tranonao, fa hisafo ny tany no nahatongavan’ireo atỳ.»

4 Fa nalain-dravehivavy kosa izy roa lahy ka nafeniny, dia hoy izy: «Tonga teto amiko tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro na avy aiza na avy aiza izy;

5 ary nony ndeha hanidy ny vavahady ny olona tamin’ny hariva dia nivoaka izy ka tsy fantatro izay nalehany. Enjeho faingana fa tratranareo izy.»

6 Kanjo nasainy niakatra any ambony tafon-tranoizy ireo, dia nafeniny tao ambony tafon-trano.

7 Nanenjika azy ireo olona nihazo ny lalana mankany amin’ny fitàna an’i Jordany, ary vao tafavoaka ireny mpanenjika ireny dia nohidiana ny vavahady.

Fifaneken-dRahaba sy ireo mpisafo tany

8 Talohan’ny handrian’ireto mpisafo tany, dia niakatra tao aminy tao ambony tafon-trano i Rahaba, ka nanao taminy hoe:

9 «Fantatro fa efa nomen’i Iaveh anareo ity tany ity, satria izahay efa raiki-tahotra ny anaranareo; ny mponina rehetra amin’ity tany ity efa ketraka eo anoloanareo.

10 Renay ny nanamainan’i Iaveh ny Ranomasina Mena teo anoloanareo, fony ianareo nivoaka avy tany Ejipta; sy ny nanaovanareo ny mpanjakan’ny Amôreana roa lahy, tany an-dafin’i Jordany, dia i Sehôna sy i Oga, izay nataonareo anatema.

11 Ka nony nandre izany izahay dia samy rera-po sy nanary toky avokoa tamin’ny fiavianareo, satria i Iaveh Andriamanitrareo ihany no Andriamanitra, any ambony amin’ny lanitra ary etỳ ambany amin’ny tany.

12 Koa ankehitriny, mihanta aminareo aho, mba hianiana amin’i Iaveh ianareo, fa toy ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin’ny ankohonan’ny raiko koa; ary omeo famantarana mahatoky aho,

13 fa hovelominareo ny raiko aman-dreniko, sy ny anadahy aman-drahavaviko, mbamin’ny olona rehetra momba azy, ka hamonjy anay tsy ho faty ianareo.»

14 Dia hoy izy roa lahy taminy: «Raha tsy ambaranao izao raharahanay izao dia aoka ho faty ho anareo izahay; ary rehefa omen’i Iaveh anay ny tany dia famindram-po amam-pahamarinana no hataonay aminao.»

15 Dia nampidininy tamin’ny mahazaka avy eo am-baravarankely izy ireo, fa nanolotra ny manda indrindra ny tranony, ary teo ambony manda no nitoerany.

16 Ka hoy izy taminy: «Mankanesa any an-tendrombohitra, fandrao tojo ny mpanenjika ianareo, ary miere any hateloana, mandra-piveriny; fa rehefa afaka izany vao mandehana amin’ny lalanareo.»

17 Dia hoy ireo lehilahy taminy hoe: «Izao no mba hanatanterahana ny fianianana nasainao nataonay:

18 Rehefa hiditra amin’ity tany ity izahay dia afehezo eo amin’ny varavarankely nampidinanao anay ity kofehy mena mangatrakatraka ity, ary vorio ato aminao, ato an-tranonao, avokoa ny ray aman-dreninao sy ny anadahinao mbamin’ny ankohonan-drainao rehetra.

19 Ary izay mivoaka ny varavaran’ny tranonao ho any ivelany, dia azy ho azy ny rany, fa tsy anananay tsiny. Fa raha mikasi-tanana ny anankiray amin’izay rehetra ao an-tranonao, dia anay ho anay ny rany.

20 Raha ianao koa no manambara izao raharahanay izao, dia afaka amin’ny fianianana nampanaovinao anay izahay.»

21 Hoy ny navaliny azy: «Aoka ho araka ny teninareo.» Dia nalefany izy roa lahy ka nandeha, ary nafehiny teo amin’ny varavarankely ilay kofehy mena mangatrakatraka.

Fiverenan’ireo mpisafo tany

22 Nony nandeha ireo mpisafo tany dia nankany an-tendrombohitra sy nijanona hateloana tao, mandra-piverin’ny mpanenjika azy. Nikaroka azy tany an-dalana rehetra tany ireo mpanenjika azy, fa tsy nahita azy.

23 Dia niverina izy roalahy, ka nidina ny tendrombohitra sy nita an’i Jordany.

24 Tonga tany amin’i Jôsoe zanak’i Nona izy, dia nilaza ny zavatra rehetra nihatra taminy.

25 Hoy izy tamin’i Jôsoe: «Efa natolotr’i Iaveh eo an-tanantsika tokoa ny tany rehetra, ary efa ketraka ny mponina rehetra amin’ny tany eo anoloantsika.»

Categories
Jôsoe

Jôsoe 3

Ireo zavatra mialoha ny nitana

1 Dia nifoha maraina koa i Jôsoe, ka niala tany Setima izy mbamin’ny zanak’i Israely rehetra; nony tonga tao Jordany izy ireo dia nijanona teo, alohan’ny hitana azy.

2 Nony afaka hateloana, dia nitety ny toby ny manamboninahitra,

3 ka nandidy ny vahoaka hoe: «Rehefa hitanareo ny fiaran’ny faneken’i Iaveh Andriamanitrareo, entin’ny mpisorona Levita, dia mialà eo amin’ity toerana ity, ka miaingà manaraka azy.

4 Asio elanelany sahabo ho arivo hakiho anefa aminareo sy izy, mba hahitanareo ny lalana hombanareo, fa lalana mbola tsy nalehanareo na oviana na oviana izany.»

5 Ary hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka: «Hamasino ny tenanareo, fa hanao fahagagana eo afovoanareo i Iaveh rahampitso.»

6 Dia niteny tamin’ny mpisorona i Jôsoe ka nanao hoe: «Ento ny fiaran’ny fanekena ka mità eo alohan’ny vahoaka.» Dia nentin’izy ireo ny fiaran’ny fanekena, ka nandroso teo alohan’ny vahoaka izy.

Fifamarafaràna faramparany

7 Hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Indro aho hanomboka hanandratra anao eo imason’i Israely rehetra mba ho fantany fa toy ny nombako an’i Môizy no ombako anao koa.

8 Ary ianao dia manomeza izao didy izao amin’ny mpisorona mitondra ny fiaran’ny fanekena: Rehefa tonga eo amoron’ny ranon’i Jordany ianareo, dia mijanona ao anatin’i Jordany.»

9 Ary i Jôsoe nilaza tamin’ny zanak’i Israely hoe: «Manatòna ianareo, ary mihainoa ny tenin’i Iaveh Andriamanitrareo.»

10 Dia hoy i Jôsoe: «Izao no hahafantaranareo fa eo afovoanareo tokoa ny Andriamanitra velona, ka tsy maintsy horoahina eo anoloanareo tokoa ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Heveanina, ny Ferezeanina, ny Gergeseanina, ny Amôreana, ary ny Jeboseanina:

11 Indro handroso eo alohanareo ao anatin’i Jordany ny fiaran’ny faneken’ilay Tompon’ny tany rehetra;

12 koa ankehitriny mangalà roa ambin’ny folo lahy amin’ny fokon’i Israely, dia lehilahy iray avy isam-pokony.

13 Ary raha vao miroboka ao anatin’ny ranon’i Jordany ny faladian-tongotry ny mpisorona mitondra ny fiaran’i Iaveh, Tompon’ny tany rehetra, dia ho tapaka ny ranon’i Jordany, ny midina avy any ambony, ka hihandrona hoatra ny antontan-javatra.»

Ny nitana ny ony

14 Nony efa nivoaka ny lainy ny vahoaka hita an’i Jordany dia nialoha ny vahoaka ny mpisorona mitondra ny fiaran’ny fanekena.

15 Raha vao tonga teo Jordany ny mpitondra ny fiara, ary niroboka ny sisin-drano ny tongotry ny mpisorona mpitondra ny fiara – fa tondraka mihoatra ny morony rehetra i Jordany mandritra ny fararano,

16 dia nihandrona ny rano midina avy any ambony, ka niavosa hoatra ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, akaikin’ny tanànan’i Adoma, izay anilan’i Sartàna, ary tapaka mihitsy ny midina mankany amin’ny Ranomasina Arabaha, dia ny Ranomasin-tSira, ka nita tandrifin’i Jerikô ny vahoaka.

17 Nitsatoka tsy nihetsika tamin’ny tany maina teo afovoan’i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, nandritra ny nitan’i Israely rehetra tamin’ny tany maina, mandra-pahatafitan’ny firenena an’i Jordany.

Categories
Jôsoe

Jôsoe 4

Ireo vato 12 fahatsiarovana

1 Nony tafita an’i Jordany avokoa ny firenena rehetra, dia hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe:

2 «Mangalà roa ambin’ny folo lahy amin’ny vahoaka, dia lehilahy iray avy isam-pokony,

3 ka omeo didy izy ireo: Makà vato roa ambin’ny folo, avy eo amin’ity fitoerana ity, eo afovoan’i Jordany, amin’ilay fitoerana nitsatohan’ny tongotry ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo, sy apetraho eo amin’izay fitoerana hitobianareo anio alina.»

4 Dia nantsoin’i Jôsoe ny lehilahy iray avy asam-pokony,

5 ka nilazany hoe: «Mandehana eo alohan’ny fiaran’i Iaveh Andriamanitrareo, eo afovoan’i Jordany, ka samia maka vato iray avy, hatao an-tsoroka, araka ny isan’ny fokon’ny zanak’i Israely,

6 mba ho famantarana eo afovoanareo izany. Raha manontany anareo ny zanakareo indray andro any, manao hoe: Inona, hoy ianareo, no hevitr’ireo vato ireo?

7 dia valio hoe: Tapaka teo anoloan’ny fiaran’ny faneken’i Iaveh ny ranon’i Jordany, fa nony nita an’i Jordany ny fiara dia tapaka ny ranon’i Jordany; ka fahatsiarovana mandrakizay ho an’ny zanak’i Israely ireto vato ireto.»

8 Notanterahin’ny zanak’i Israely ny didin’i Jôsoe, dia naka vato roa ambin’ny folo teo afovoan’i Jordany, araka ny isan’ny fokon’i Israely, nentiny teo amin’ny fitoerana tsy maintsy handriany amin’ny alina dia napetrany teo.

9 Nanangana vato roa ambin’ny folo i Jôsoe, teo afovoan’i Jordany, teo amin’ilay toerana nijanonan’ny tongotry ny mpisorona nitondra ny fiaran’ny fanekena; ka nipetraka tao mandrak’androany izany.

Faran’ny fitàna

10 Nijanona teo afovoan’i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiara, mandra-pahatanteraky ny zavatra nasain’i Iaveh nolazain’i Jôsoe tamin’ny vahoaka, araka izay rehetra nandidian’i Môizy an’i Jôsoe; dia nita faingana ny olona.

11 Nony tapitra avokoa ny vahoaka rehetra dia nandeha teo anoloan’ny vahoaka ny fiaran’i Iaveh sy ny mpisorona.

12 Ary nandroso samy nitam-piadiana teo alohan’ny zanak’i Israely, araka ny tenin’i Môizy taminy, ny tarana-dRobena sy ny taranak’i Gada, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase.

13 Lehilahy sahabo ho 40.000 voaoman-kiady no nita teo anatrehan’i Iaveh teo amin’ny tany lemak’i Jerikô.

14 Nasandratr’i Iaveh teo imason’i Israely rehetra i Jôsoe, tamin’izany andro izany, ka toy ny natahoran’izy ireo an’i Môizy no natahorany azy koa, tamin’ny andro rehetra niainany.

15 Ary niteny tamin’i Jôsoe i Iaveh nanao hoe:

16 «Omeo didy ny mpisorona mitondra ny fiaran’ny Vavolombelona, hiala eo Jordany.»

17 Dia nomen’i Jôsoe ny mpisorona izao didy izao: «Mialà eo Jordany ianareo.»

18 Nony niala teo afovoan’i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh ka vao nikasika ny tany maina ny faladian-tongony, dia nody amin’ny toerany ny ranon’ny ony, toy ny taloha nihoatra ny morona indray.

Ny nahatongavana tany Galgalà

19 Tamin’ny andro fahafolon’ny volana voalohany no niala teo Jordany ny vahoaka dia nitoby tao Galgalà, teo amin’ny sisin-tanin’i Jerikô farany atsinanana.

20 Natsangan’i Jôsoe teo Galgalà, ny vato roa ambin’ny folo nalain’izy ireo tao Jordany,

21 ka hoy izy tamin’ny zanak’i Israely: Rehefa hanontany an-drainy ny zanakareo indray andro any hoe:

22 «Inona no hevitr’ireo vato ireo? dia atoroy ny zanakareo ataovy hoe: Nandia tany maina i Israely nita io Jordany io.

23 Satria nataon’i Iaveh Andriamanitrareo maina ny ranon’i Jordany teo anoloanareo mandra-pitanareo, toy ny nataon’i Iaveh Andriamanitrareo tamin’ny Ranomasina Mena, izay nataony maina teo anoloantsika, mandra-pitantsika,

24 mba ho fantatry ny firenena rehetra eto an-tany, fa mahery ny tanan’i Iaveh, ary mba hatahoranareo mandrakariva an’i Iaveh Andriamanitrareo.»

Categories
Jôsoe

Jôsoe 5

Nihorohoro ny mponina andrefan’i Jordany

1 Nony ren’ny mpanjakan’ny Amôreana rehetra any an-dafin’i Jordany any andrefana sy ny mpanjakan’ny Kananeanina rehetra akaikin’ny ranomasina fa nataon’i Iaveh maina ny ranon’i Jordany teo anoloan’ny zanak’i Israely mandra-pitantsika, dia kivy ny fony ka nanary toky teo anoloan’ny zanak’i Israely izy.

Famorana ny Hebrio tao Galgalà

2 Tamin’izany andro izany hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Manaova antsy vato ho anao, ka ataovy fanindroany ny famorana ny zanak’i Israely.»

3 Dia nanao antsy vato ho azy i Jôsoe, ka namory ny zanak’i Israely teo an-kavoana Aralota.

4 Izao no antony namoran’i Jôsoe azy: Ny vahoaka rehetra nivoaka avy tany Ejipta, ny lehilahy, ny mpiantafika rehetra dia efa maty tany an’efitra avokoa, teny an-dalana, taorian’ny nivoahany avy tany Ejipta.

5 Fa efa voafora daholo ny vahoaka rehetra nivoaka, fa ny vahoaka rehetra teraka tany an’efitra, teny an-dalana kosa, hatramin’izay nivoahana tany Ejipta dia tsy voafora.

6 Satria efapolo taona no nandehanan’ny zanak’i Israely tany an’efitra, mandra-pahalàny ritra ny firenena rehetra, dia ny mpiantafika rehetra nivoaka avy tany Ejipta, fa tsy nihaino ny feon’i Iaveh, ka efa nianianan’i Iaveh taminy fa izy ireo tsy havelany hahita ny tany izay nianianany tamin’ny razanay homena antsika, tany tondra-dronono sy tantely.

7 Ary ny zanany no natsangany handimby azy, ka ireo no noforàn’i Jôsoe, satria mbola tsy voafora avokoa, noho izy tsy noforàna teny an-dalana.

8 Nony tapitra voafora avokoa ny firenena rehetra dia nijanona teo amin’izay nitoerany tao an-toby izy aloha, mandra-pahasitrany.

9 Ary hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Noesoriko ho afaka taminareo androany ny fahafaham-baraka tany Ejipta.» Dia natao hoe Galgalà mandraka androany izany toerana izany.

Ny nankalazana ny Paka

10 Nitoby tao Galgalà ny zanak’i Israely, dia nanao ny Paka, tamin’ny andro faha-14n’ny volana, rehefa harivariva ny andro, teo an-tany lemak’i Jerikô.

11 Ny ampitson’ny Paka ihany no efa nihinanany mofo tsy misy lalivay sy lango, tamin’ny vokatry ny tany.

12 Ary ny ampitson’ny Paka, rehefa nihinana tamin’ny vokatry ny tany izy, dia nitsahatra ny mana; ary tsy nahazo mana intsony ny zanak’i Israely, ka dia ny vokatry ny tany Kanaana no nohaniny tamin’izany taona izany.

Zavatra mialoha: Fisehoan’Andriamanitra

13 Efa mby akaiky an’i Jerikô i Jôsoe, no nanopy maso nijery, ka indro nisy lehilahy anankiray nitana sabatra voatsoaka nijoro teo anatrehany; dia nanatona azy i Jôsoe, ka nanao taminy hoe: «Momba anay va ianao sa momba ny fahavalo?»

14 «Tsia», hoy ny navaliny, «fa filohan’ny tafik’i Iaveh no tonga eto ankehitriny aho.»

15 Nidaboka tamin’ny tany sy niankohoka i Jôsoe, ka nanao taminy hoe: «Inona no lazain’ny Tompoko amin’ny mpanompony?»

16 Ary hoy ilay filohan’ny tafik’i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Esory hiala amin’ny tongotrao ny kapanao, fa masina io tany ijanonanao io.» Dia nataon’i Jôsoe izany.

Categories
Jôsoe

Jôsoe 6

Fakàna an’i Jerikô

1 Nihidy i Jerikô, ka nirindrina hatraiza hatraiza noho ny amin’ny zanak’i Israely: tsy nisy nivoaka, tsy nisy niditra ny olona.

2 Ary hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Jereo, efa natolotro eo an-tananao i Jerikô, mbamin’ny mpanjakany sy ny olo-maheriny.

3 Koa mandehana manodidina ny tanàna ianareo rehetra, dia ny lehilahy mpiantafika, mandehana ianareo manodidina indray makany tanàna, ka henemana ianareo hanao toy izany ihany.

4 Mpisorona fito no hitondra trômpetra fitomafy faneno eo alohan’ny fiara, ary amin’ny andro fahafito ianareo handeha manodidina impito ny tanàna, ary ny mpisorona hitsoka ny trômpetra.

5 Rehefa mitsoka ny trômpetra mafy faneno izy ka renareo ny feon’ny trômpetra, dia hanao akoralava ny vahoaka, ka hirodana ho azy ny mandan’ny tanàna, ary samy hiakatra amin’ny hitsiny avy ny vahoaka.»

6 Dia niantso ny mpisorona i Jôsoe, zanak’i Nona, ka nanao taminy hoe: «Ento ny fiaran’ny fanekena, ka aoka ny mpisorona fito hitondra trômpetra fito mafy faneno eo alohan’ny fiaran’i Iaveh.»

7 Ary hoy izy tamin’ny vahoaka: «Mandrosoa ianareo mandehana manodidina ny tanàna, ary aoka handeha eo alohan’ny fiaran’i Iaveh ny lehilahy mitam-piadiana.»

8 Nony efa niteny tamin’ny vahoaka i Jôsoe, dia nandeha ireo mpisorona fito, nitondra ny trômpetra fito mafy faneno, teo alohan’i Iaveh sy nitsoka trômpetra, ary ny fiaran’ny faneken’i Iaveh dia nandroso teo aoriany.

9 Ny lehilahy àry fiadiana nandeha teo alohan’ny mpisorona nitsoka trômpetra, ary ny vody lalana kosa nanarakaraka ny fiara; teo am-pandehanana dia notsofina ny trômpetra.

10 Izao no didy efa nomen’i Jôsoe ny vahoaka: «Aza manakora na miloa-peo, ary aza miloaka teny indraimbava akory ny vavanareo, mandra-pahatongan’ny andro hilazako aminareo hoe: Manakorà. Fa amin’izay vao hanakora ianareo.»

11 Dia nandroso nanodidina ny tanàna ny fiaran’i Iaveh, dia nanodidina azy indray mandeha; ka rehefa izany dia niverina tany an-toby ny olona, dia nandry tao.

12 Ny ampitson’iny, dia nifoha i Jôsoe, ary nitondra ny fiaran’i Iaveh ny mpisorona.

13 Niainga ny mpisorona fito nitondra ny trômpetra fito mafy faneno, teo alohan’ny fiaran’i Iaveh ary nitsoka ny trômpetra. Ny lehilahy àry fiadina nandeha teo alohan’ireo, ary ny vodilalana nanarakaraka ny fiaran’i Iaveh. Teo am-pandehanana dia notsofina ny trômpetra.

14 Nandeha nanodidina ny tanàna indray mandeha koa izy tamin’ny andro faharoa, dia niverina tany an-toby; ka henemana izy nanao izany ihany.

15 Tamin’ny andro fahafito vao mangiran-dratsy ny andro dia nifoha izy ireo, ka nandeha manodidina ny tanàna araka ny fanaony, nataony impito; androtr’io ihany no nandehanany impito manodidina ny tanàna.

16 Nony tamin’ny fanimpitony raha nitsoka ny trômpetra ny mpisorona, dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka: «Manakorà, fa efa natolotr’i Iaveh anareo ny tanàna.»

Atokana ho an’i Iaveh i Jerikô

17 «Hatao anatema ho an’i Iaveh ny tanàna, dia izy mbamin’izay rehetra eo aminy; fa i Rahaba janga irery no hovelomina, dia izy sy izay rehetra miaraka aminy ao an-trano, noho izy nanafina ny iraka nirahintsika.

18 Tandremonareo anefa ny amin’ny zavatra natao anatema, fandrao mahatonga ny tobin’i Israely ho anatema ka mampitabataba azy ianareo, raha maka zavatra amin’izay nataonareo anatema.

19 Ny volafotsy amam-bolamena rehetra, mbamin’ny fanaka varahina sy vy, dia hatokana ho an’i Iaveh avokoa, ka hiditra amin’ny rakitr’i Iaveh.»

20 Dia nanakora ny vahoaka, ary nitsoka trômpetra ny mpisorona. Nony nandre ny feon’ny trômpetra ny vahoaka dia nanakora mafy dia mafy, ary nirodana ny manda; koa samy niakatra ny tanàna tamin’ny hitsiny avy ny vahoaka.

21 Nony azo ny tanàna dia natolotra ho anatema tamin’ny lelan-tsabatra avokoa izay rehetra tao amin’ny tanàna, na lahy na vavy, na tanora na antitra, ary na dia hatramin’ny omby aman’ondry sy ny ampondra aza.

Notsimbinina ny tranon-dRahaba

22 Ary hoy i Jôsoe tamin’izy roa lahy izay nisafo ny tany: «Midira ao an-tranon’ilay vehivavy janga, ka ento mivoaka ravehivavy sy izay rehetra azy, araka ny efa nianiananareo taminy.»

23 Dia niditra ireo zatovo ireo mpisafo tany, ka nentiny nivoaka i Rahaba sy ny ray aman-dreniny ary ny anadahiny mbamin’izay rehetra azy; nentiny nivoaka ny olona rehetra amin’ny fianakaviany, dia nataony any ivelan’ny tobin’i Israely.

24 Dia nodoran’ny zanak’i Israely ny tanàna mbamin’izay rehetra tao aminy, afa-tsy ny volafotsy amam-bolamena, mbamin’ny fanaka rehetra varahina sy vy, izay napetrany ao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh.

25 Novelomin’i Jôsoe i Rahaba janga, sy ny ankohonan-drainy mbamin’izay rehetra azy, ka mitoetra eo amin’i Israely mandraka androanyizy, noho izy nanafina ny iraka nirahin’i Jôsoe hisafo an’i Jerikô.

Hozonina izay hanorina an’i Jerikô rava

26 Tamin’izany andro izany i Jôsoe nianiana nanao hoe: «Ho voaozona eo anatrehan’i Iaveh izay olona hitsangana hanorina indray ity tanànan’i Jerikô ity; ny lahimatoany no hanefanyny sazin’ny hanorenany ny fotony, ary ny faralahiny no hanefany ny sazin’ny hananganany ny vavahadiny.»

27 Nomban’i Iaveh i Jôsoe, ka niely tamin’ny tany rehetra ny lazany.

Categories
Jôsoe

Jôsoe 7

Fandikana ny efa natokana ho an’Andriamanitra

1 Nanao fahadisoana momba ny anatema ny zanak’i Israely; fa naka tamin’ny zavatra natao anatema i Akàna zanak’i Karmì zanak’i Zabdỳ zanak’i Zare tamin’ny fokon’i Jodà, ka nirehitra tamin’ny zanak’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh.

Faharesena tao Haia, ny nanasaziana ny fanimbazimbana

2 Naniraka olona i Jôsoe niala tao Jerikô ho any Haia, ka nanao tamin’ireo hoe: «Miakara hisafo ny tany.» Dia niakatra ireo olona ireo, ka nisafo an’i Haia.

3 Nony tafaverina tao amin’i Jôsoe izy ireo, dia nilaza taminy hoe: «Aoka tsy ny vahoaka rehetra no hiakatra; olona roa na telo arivo ihany no hiakatra dia ho resiny i Haia, ka aza manasatra ny vahoaka rehetra any amin’izany tanàna izany, fa vitsy izy ireo.»

4 Tokony ho telo arivo lahy tamin’ny vahoaka no niakatra, kanjo vaky nandositra teo anoloan’ny mponina tao Haia ireo.

5 Nahafaty tokony ho enina amby telopolo lahy tamin’izy ireo ny olona tao Haia, sady nanenjika azy hatrany am-bavahady ka hatrany Sabarima, sy namely azy teny am-pidinana. Ka nivarahontsana terỳ ny fon’ny vahoaka, ary nanary toky izy.

Vavak’i Jôsoe

6 Dia notriarin’i Jôsoe ny fitafiany ka nihohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny fiaran’i Iaveh izy sy ny loholon’i Israely, mandra-paharivan’ny andro, sady nandraraka vovoka tamin’ny lohany izy ireo.

7 Ary hoy i Jôsoe: «Andray, ry Iaveh Tompo ô, nahoana re no dia nampitainao an’i Jordany ity vahoaka ity, hanoloranao anay eo an-tanan’ny Amôreana, mba handringana anay? Inay anie izahay mba nahay nipetraka tany an-dafin’i Jordany ihany.

8 Mifona re aho, ry Tompo ô. Inona no holazaiko, fa i Israely ity no niamboho ny fahavalony.

9 Handre izany ny Kananeanina sy ny mponina rehetra amin’ny tany, dia hanemitra anay sy hamono ny anaranay eto an-tany. Ka hataonao ahoana ity Anaranao lehibe?»

Valy nomen’i Iaveh

10 Dia hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Mitsangàna ianao, nahoana no miankohoka toy izao?

11 Efa nanota i Israely, fa ny fanekeko nasaiko notandremany, nivadihany, ka nangalany ny zavatra natao anatema, norobainy izany, sady namitahany fa nafeniny tany anaty entany.

12 Ka tsy natahotra ny fahavalony ny zanak’i Israely fa niamboho teo anoloan’ny fahavalony izy, satria tonga anatema. Tsy homba anareo intsony Aho amin’ny sisa, raha tsy esorinareo hiala aminareo ny anatema.

13 Koa mitsangàna ianao, hamasino ny vahoaka, ka lazao aminy hoe: Hamasino ny tenanareo ho amin’ny rahampitso, fa izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Misy anatema eo afovoanao, ry Israely; ka tsy hahatoha ny fahavalonao ianao, mandra-panaisotrareo ny anatema hiala eo afovoanareo.

14 Ny maraina dia hanatona isam-pokony ianareo, ka ny foko izay hotanan’i Iaveh dia hanatona isam-pianakaviana, ary ny fianakaviana izay hotanan’i Iaveh dia hanatona isan-trano, ary ny trano izay hotanan’i Iaveh dia hanatona isam-batan’olona;

15 ary izay voatana ho azon’ny anatema dia hodorana amin’ny afo, izy mbamin’izay rehetra mety ho azy; satria mivadika ny faneken’i Iaveh sy manao izay fady indrindra amin’i Israely.»

Hita ilay meloka dia nosazina

16 Nony ampitso nifoha vao maraina koa i Jôsoe, dia nampanatona an’i Israely isam-pokony, ka ny fokon’i Jodà no voatana.

17 Nampanatoniny i Jodà isam-pianakaviany, ka ny fianakavian’i Zare no voatana. Nampanatoniny isan-trano ny fianakavian’i Zare, ka i Zabdỳ no voatana.

18 Ary nampanatoniny isam-batan’olona ny tao an-tranon’i Zabdỳ, ka i Akàna zanak’i Karmì zanak’i Zabdỳ zanak’i Zare avy amin’ny fokon’i Jodà no voatana.

19 Dia hoy i Jôsoe tamin’i Akàna: «Akàna, mihanta aminao aho, omeo voninahitra i Iaveh Andriamanitr’i Israely sy omeo haja Izy. Lazao amiko izay nataonao, fa aza afenina ahy izany.»

20 Ary hoy i Akàna namaly an’i Jôsoe: «Marina izany, izaho tokoa no nanota tamin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, ary izao no nataoko:

21 Hitako tamin’ny babo, ny kapaoty tsara anankiray avy any Senaara, volafotsy lanjan-droan-jato sikla, ary anja-bolamena lanjan-dimampolo sikla, nitsiriritra ireo aho ka naka azy; voaafina any ambanin’ny tany ao an-daiko izany, ka ny vola no ao ambany.»

22 Dia nampandeha iraka i Jôsoe, ka nankany an-day faingana izy ireo, ka indreo ny zavatra voaafina tao an-dain’i Akàna, ary ny volafotsy tao ambany;

23 dia nalainy avy tao afovoan’ny lainy ireny ka nentiny tany amin’i Jôsoe sy ny zanak’i Israely rehetra, ary napetrany teo anatrehan’i Iaveh.

24 I Jôsoe sy i Israely rehetra niaraka taminy dia naka an’i Akàna zanak’i Zare, mbamin’ny volafotsy, ny kapaoty, ny anjam-bolamena, ny zanaka lahy aman-janaka vavin’iAkàna, ny ombiny, ny ampondrany, ny ondriny, ny lainy, mbamin’ny ananany rehetra, ka nentiny niakatra tany an-dohasaha Akora.

25 Dia hoy i Jôsoe: «Nahoana no dia nampikorontana anay ianao? Mba hokorontanin’i Iaveh koa ianao.» Dia nitora-bato azy i Israely rehetra. Nodorana tamin’ny afo izy ireo ary notoraham-bato,

26 ary nanangana antontam-bato lehibe teo ambonin’i Akàna ny olona, ka mbola maharitra ao mandraka androany izany. Dia nitony i Iaveh tamin’ny firehetan’ny fahatezerany. Noho izany zava-nitranga izany no iantsoana io toerana io mandraka androany hoe Lohasaha Akora.

Categories
Jôsoe

Jôsoe 8

Didy nomen’Andriamanitra an’i Jôsoe

1 Ary hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Aza matahotra na manam-badi-po, fa ento miaraka aminao ny mpiantafika rehetra, dia mitsangàna ka miakara hamely an’i Haia. Jereo efa natolotro eo an-tananao ny mpanjakan’i Haia, mbamin’ny vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny.

2 Koa tahaka ny nanaovanao an’i Jerikô sy ny mpanjakany no hanaovanao an’i Haia sy ny mpanjakany koa; saingy ny babo avy aminy sy ny biby ompiny kosa no alao ho anareo. Asio otrika ao ivohon’ny tanàna.»

Fihetsehana nataon’i Jôsoe

3 Dia niainga i Jôsoe sy ny mpiantafika rehetra hiakatra hamely an’i Haia. Nifidy lehilahy mahery 30.000 i Jôsoe, nalefany tamin’ny alina,

4 ka izao no baiko nomeny azy: «Mahìna ianareo, dia aoka hanotrika ao ivohon’ny tanàna ianareo, ka aza manalavitra ny tanàna loatra ary samia mivonona hatrany.

5 Fa hanatona ny tanàna aho sy ny vahoaka rehetra izay miaraka amiko, ka nony mivoaka mitsena anay izy ireo toy ny tamin’ny teo, dia handositra eo anoloany izahay.

6 Ary hivoaka hanenjika anay izy ireo mandra-pahatarikay azy lavitra ny tanàna fa hanao hoe: Mandositra antsika toy ny teo izy. Ka dia handositra eo anoloany izahay.

7 Amin’izay kosa ianareo dia hivoaka avy ao amin’ny fanotrehanareo, ka haka ny tanàna; hatolotr’i Iaveh Andriamanitrareo eo an-tananareo izy.

8 Ary rehefa azonareo izy dia doroy, ataovy araka ny tenin’i Iaveh. Indro efa nomeko didy ianareo izao.»

9 Dia nalefan’i Jôsoe izy ireo ka lasa naka toerana hiotrika tao anelanelan’i Betela sy i Haia, tao andrefan’i Haia. Ary i Jôsoe kosa nitoetra teo amin’ny vahoaka ihany tamin’iny alina iny.

10 Dia nifoha maraina koa i Jôsoe, ka nony efa nijery ny toetry ny vahoaka, dia nandroso izy mbamin’ny loholon’i Israely, nitarika ny vahoaka hamely an’i Haia.

11 Niakatra sy nanatona tao avokoa ny lehilahy mpiantafika rehetra teo aminy; nony tonga teo an-tandrifin’i Haia izy, dia nitoby teo avara-tanàna, ka ny lohasaha no nanelanelana azy sy i Haia.

12 Dia naka lehilahy sahabo ho dimy arivo i Jôsoe, napetrany ho otrika eo anelanelan’i Betela sy i Haia, teo andrefan-tanàna.

13 Nony voalahatry ny vahoaka ny toby rehetra teo avara-tanàna, sy ny otrika teo andrefan-tanàna dia nandroso eo am-pamatonan-dohasaha iny alina iny ihany i Jôsoe.

Ady tao Haia

14 Vao nahita izany ny mpanjakan’i Haia dia nifoha maraina koa faingana ny lehilahy tao an-tanàna ka nivoaka hitsena an’i Israely. Nandroso niaraka tamin’ny vahoaka rehetra ny mpanjaka nankeo amin’ny toerana nifanekena tandrifin’ny lohasaha, fa tsy nahalala hoe misy otrika hamely azy ao ivohon’ny tanàna.

15 Nody resy teo anoloan’izy ireo i Jôsoe sy i Israely rehetra, ka nandositra tamin’ny lalana mankany an’efitra.

16 Tamin’izay ny vahoaka rehetra tao an-tanàna, nifamory hanenjika azy ireo. Dia nanenjika an’i Jôsoe izy ireo, ka dia voatarika lavitra ny tanàna.

17 Tsy nisy lehilahy sisa tao Haia sy tao Betela fa nivoaka nanenjika an’i Israely izy rehetra. Navelany nivoha ny tanàna, ka lasa nanenjika an’i Israely izy.

18 Ary hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Atsory mankany Haia ny lefona eny an-tananao, fa efa natolotro ho eo ambany fahefanao izy.» Dia natondron’i Jôsoe ny tanàna ny lefona teny an-tanany.

19 Vao nanatsotra ny tanany izy, dia niroatra faingana avy eo amin’izay nitoerany ny otrika, ka nihazakazaka niditra ny tanàna sy naka azy, ka nodorany faingana ny tanàna.

Loza nanjò ireo mponina tao Haia

20 Niherika kosa ny tompon-tanànan’i Haia ka nahita ny setroky ny tanàna nisavoana any an-danitra, ary izy ireo tsy afa-nandositra intsony, na ho aiza na ho aiza, fa ny vahoaka nandositra nankany an’efitra nifontina namely azy nanenjika.

21 Ary nony hitan’i Jôsoe sy i Israely rehetra ity tanàna efa azon’ny otrika, sy ny setroka nisavoana, dia nifotitra izy ka namely ny mponina tao Haia;

22 ry zareo kosa nivoaka tao an-tanàna hitsena azy ka tonga voalafatry ny Israelita ny mponina tao Haia, ny sasany avy ao andaniny iray, ny sasany koa avy ao ankilany iray; ka noresen’ny Israelita izy, ka tsy nasiany olona iray sisa velona na afa-nandositra.

23 Nataony sambo-belona ny mpanjakan’i Haia, ka nentiny teo amin’i Jôsoe.

24 Nony tapitra matin’i Israely ny mponina rehetra tao Haia, na teny an-tsaha, na tany an’efitra nanenjehany azy, ka efa lavon’ny lelan-tsabatra daholo hatramin’ny farany indrindra, dia niverina tao an-tanàna indray i Israely rehetra ka novonoiny tamin’ny lelan-tsabatra ny olona tao.

25 Ary nisy 12.000 no totalin’ny maty tamin’izany andro izany, na lahy na vavy, samy mponina tao Haia avokoa.

Fanaovana anatema sy fandravana

26 Tsy nahemotr’i Jôsoe ny tanany natsotrany sy ny lefona mandra-panaovany anatema ny mponina rehetra tao Haia.

27 Ny biby fiompy sy ny zavatra babo tao an-tanàna ihany no nalain’ny Israelita, araka ny didin’i Iaveh, izay nandidiany an’i Jôsoe.

28 Nodoran’i Jôsoe i Haia ary nofongorany nataony antontan-trano rava mandrakizay, izay mbola ao mandraka androany.

29 Nasainy nahantona tamin’ny hazo anankiray ny mpanjakan’i Haia, ka navelany teo mandra-paharivan’ny andro. Nony maty ny masoandrodia nasain’i Jôsoe nesorina teo amin’ny hazo ny fatiny, ka natsipy tao am-bavahadin’ny tanàna, sy notsindriana antontam-bato lehibe izay mbola ao mandraka androany.

5. SORONA SY FAMAKIANA NY LALANA TAO AN-TENDROMBOHITRA HEBALA

30 Tamin’izay i Jôsoe dia nanangana ôtely ho an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely tao an-tendrombohitra Hebala,

31 araka ny didy nomen’i Môizy mpanompon’i Iaveh ny zanak’i Israely, araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalànan’i Môizy, dia ôtely vato tsy voavoatra, izay tsy voavely vy. Ary nanolotra sorona dorana teo amboniny ho an’i Iaveh izy ireo sy nanao sorom-pihavanana koa.

Ilay ôtely natao tamin’ny vato tsy voavoatra

32 Nosoratan’i Jôsoe tamin’ny vato teo koa, ny dikan’ny lalàna efa nosoratan’i Môizy teo anatrehan’ny zanak’i Israely.

33 Nitsangana teo an-daniny roa amin’ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, i Israely rehetra, ny loholony, ny manamboninahiny, ny mpitsarany, na ny vahiny na ny zanak’i Israely, ny antsasany teo anilan’ny tendrombohitra Garizima, ny antsasany teo anilan’ny tendrombohitra Hebaka, araka ny didy nomen’i Môizy mpanompon’i Iaveh fahiny, mba hitso-drano ny vahoakan’i Israely.

34 Raha efa izany novakin’i Jôsoe ny tenin’ny lalàna rehetra dia ny tso-drano sy ny fanozonanaaraka izay rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna.

35 Tamin’izay rehetra nandidian’i Môizy dia tsy nisy teny iray tsy novakin’i Jôsoe teo anatrehan’ny fiangonan’i Israely rehetra, ny vehivavy sy ny zaza ary ny vahiny nitoetra teo afovoany.

Categories
Jôsoe

Jôsoe 9

Fiandaniana nanoherana an’i Israely

1 Nony nandre izany ny mpanjaka rehetra atỳ an-dafin’i Jordany, na ny eny amin’ny tendrombohitra na ny eny amin’ny tany lemaka na ny amoron-tsiraky ny ranomasina lehibe, tandrifin’i Libàna, ny Amôreana, ny Kananeanina, ny Ferezeanina, ny Heveanina, ary ny Jeboseanina,

2 dia niray hina hiara-miady amin’i Jôsoe sy i Israely.

Hafetsena nataon’ny Gabaônita

3 Fa ny mponina tao Gabaôna kosa, nony nandre ny nanaovan’i Jôsoe an’i Jerikô sy i Haia,

4 dia nanao hafetsena. Niainga handeha izy ka nitondra vatsy ho eny an-dalana; lasàka tonta sy siny hoditra fasian-divay efa rovitra sy mizaitra no nataony teo ambonin’ny ampondrany,

5 kapa tranainy sy mitampitampina no teo amin’ny tongony, lamba tonta no teo an-kodiny, ny mofo hohaniny dia maina sy efa potipotika avokoa.

6 Dia nankany amin’i Jôsoe tao an-toby tany Galgalà izy ireo, ka niteny taminy sy tamin’ny lehilahy rehetra tamin’i Israely hoe: «Avy any an-tany lavitra izahay; koa ankehitriny, aoka mba hanao fanekena aminay ianareo.»

7 Fa namaly ireto Heveanina ny lehilahy tamin’i Israely: «Sao dia monina eto aminay ihany ianareo, ka ahoana no hanaovanay fanekem-pihavanana aminareo?»

8 Dia hoy ireo tamin’i Jôsoe: «Mpanomponao izahay.» Ary hoy i Jôsoe taminy: «Iza moa ianareo, ary avy aiza?»

9 Dia hoy izy ireo: «Tonga avy any an-tany lavitra indrindra ny mpanomponao noho ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrareo, fa nandre ny lazany izahay sy izay rehetra nataony tany Ejipta,

10 ary ny nanaovany ny mpanjakan’ny Amôreana roa lahy tany an-dafin’i Jordany, dia i Sehôna mpanjakan’i Hesebona sy i Oga mpanjakan’i Basàna, izay nonina tany Astarôta.»

11 Ka hoy ny loholonay sy ny mponina rehetra amin’ny taninay taminay: Mitondrà vatsy ho any an-dalana, ka mandehana mitsena azy ireo, ary lazao aminy hoe: Mpanomponareo izahay, koa ankehitriny aoka mba hanao fanekem-pihavanana aminay ianareo.

12 Jereo ny mofonay, vao nafana itony no nalainay tany an-tranonay hatao vatsy, tamin’ny andro niainganay ho atỳ aminareo, ary izao kosa dia indro fa efa maina sy potipotika.

13 Mbola vao ireto siny hoditra fasiana divay ireto no nofenoinay azy, nefa he, rovitra izy ankehitriny, ary ny lamba aman-kapanay dia mihatonta, fa lavitra dia lavitra ny dia nalehanay.

14 Dia nangalan’ny lehilahy tamin’i Israelyny vatsin’izy ireo, nefa tsy nanontany izay tenin’i Iaveh izy;

15 ary nanaiky hihavana amin’izy ireo i Jôsoe, sy nanao fanekem-pihavanana taminy fa hovelominy izy; sady nianiana taminy araka izany koa ny lohan’ny fiangonana.

16 Kanjo, hateloana taorian’ny nanaovana ny fanekem-pihavanana dia re fa mifanakaiky aminy sy monina eo aminy ihany ireo.

17 Koa niainga ny zanak’i Israely dia tonga tany an-tanànan’izy ireo nony afaka hateloana; ny tanànany dia i Gabaôna, i Kafira, i Berôta ary i Kariatiarima.

18 Noho ny fianianana nataon’ny lohan’ny fiangonana taminy tamin’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely dia tsy namely azy ireo izy, nefa nimonomonona tamin’ny filohany, ny fiangonana rehetra.

Ny nanovana ny Gabaônita

19 Ka hoy ny filohany rehetra tamin’ny fiangonana rehetra: «Efa nanao fianianana taminy izahay tamin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, ary izao tsy mahazo mikasika azy isika.

20 Fa izao no hanaovantsika azy: Havelantsika ho velona ihany izy, mba tsy hitarika ny fahatezeran’i Iaveh amintsika noho ny fianianana efa nataonay taminy.»

21 «Ka aoka ho velona àry izy», hoy ireto filohany tamin’izy ireo. Dia natao mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana rehetra ireo, araka ny voalazan’ny filohany taminy.

22 Ary nampiantso ny Gabaônita i Jôsoe ka niteny taminy hoe: «Ahoana no namitahanareo anay hoe: Lavitra anareo indrindra izahay, nefa ianareo monina atỳ afovoanay ihany?

23 Koa ankehitriny, voaozona ianareo, ka tsy misy aminareo tsy ho andevo, hikapa hazo sy hantsaka rano ho an’ny tranon’Andriamanitra».

24 Dia izao no navalin’izy ireo an’i Jôsoe: «Nambara tamin’ny mpanomponao ny didy nomen’i Iaveh Andriamanitrao an’i Môizy mpanompony mba hanolotra anareo avokoa ny tany rehetra ary mba handringananareo eo anoloanareo ny mponina rehetra amin’ny tany. Nony mby akaiky ianareo, dia natahotra mafy ny ho faty izahay, ka izany no nanaovanay toy izao.

25 Indreto izahay ankehitriny eo an-tananao, ka ataovy aminay izay ataonao ho mety sy marina hanaovana anay.»

26 Nataon’i Jôsoe tamin’izy ireo ny voalazany: nanafaka azy teo an-tanan’ny zanak’i Israely izy mba tsy hataony maty.

27 Hatramin’izay andro izay ihany, dia naraikitr’i Jôsoe izy ho mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana sy ny ôtelin’i Iaveh any amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh, ary mbola nanao izany mandraka androany izy.

Categories
Jôsoe

Jôsoe 10

Ireo mpanjaka dimy miady amin’i Gabaôna

1 Ren’i Adônisedeka, mpanjakan’i Jerosalema, fa i Haia dia efa azon’i Jôsoe, ka nataony anatema; toy ny nanaovany an’i Jerikô sy ny mpanjakany, no nanaovany an’i Haia sy ny mpanjakany koa, ary ny mponina ao Gabaôna efa nanao fihavanana tamin’i Israely ka mitoetra eo aminy.

2 Dia raiki-tahotra mafy izy, satria i Gabaôna dia tanàna lehibe toy ny iray amin’ny tanànan’andriana, lehibe aza noho i Haia, sady lehilahy mahery avokoa ny ao aminy.

3 I Adônisedeka, mpanjakan’i Jerosalema dia nampitondra teny tamin’i Ohama mpanjakan’i Hebrôna, sy i Farama mpanjakan’i Jerimota, sy tamin’i Jofià mpanjakan’i Lakisa, ary tamin’i Dabira mpanjakan’i Eglôna, nanao hoe:

4 «Miakara atỳ amiko ianareo, avia hanampy ahy hamelezantsika an’i Gabaôna, satria nanao fihavanana tamin’i Jôsoe sy ny zanak’i Israely izy.»

5 Dia niangona ny mpanjakan’ny Amôreana dimy lahy, ny mpanjakan’i Jerosalema, ny mpanjakan’i Hebrôna, ny mpanjakan’i Jerimota, ny mpanjakan’i Lakisa ary ny mpanjakan’i Eglôna, ka niakatra niaraka tamin’ny mpiantafika rehetra, ary nanorina ny tobiny teo akaikin’i Gabaôna sy nanao fahirano azy.

I Jôsoe mamonjy an’i Gabaôna

6 Dia naniraka olona ny mponina ao Gabaôna nilaza tamin’i Jôsoe tao an-tobin’i Galgalà hoe: «Aza manohon-tanana tsy manampy ny mpanomponao, fa miakara faingana ho atỳ aminay, afaho izahay, fa nikambana hamely anay ny mpanjakan’ny Amôreana rehetra monina amin’ny tendrombohitra.»

7 Dia niakatra avy any Galgalà i Jôsoe sy ny mpiantafika rehetra niaraka taminy, mbamin’ny mpiady mahery rehetra.

8 Hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Aza matahotra azy, fa efa natolotro eo an-tananao izy, ka tsy hahatoha anao na dia iray aza.»

9 Nirotsaka tampoka tamin’izy ireo i Jôsoe: fa nanao lava alina izy no niakatra avy any Galgalà.

Ny vonjy avy any ambony

10 Sady nampifanaritahin’i Iaveh teo anoloan’i Israely izy ireo, ka nataon’i Israely kila hotohoto tao akaikin’i Gabaôna sy nenjehiny tamin’ny lalana mankany Betôrôna, ary nasiany hatrany Azekà sy Makedà.

11 Tamin’ny nandosiran’izy ireo teo anatrehan’ny zanak’i Israely teo amin’ny fidinan’i Betôrôna dia nampianjeran’i Iaveh vato vaventyizy ireo hatrany Azekà, ka maty; be lavitra ny matin’ny havandra vato noho ny matin’ny sabatry ny zanak’i Israely.

12 Dia niteny tamin’i Iaveh i Jôsoe tamin’ny andro nanoloran’i Iaveh ny Amôreana tamin’ny zanak’i Israely, ka hoy izy teo imason’ny zanak’i Israely:

«Ry masoandro, mijanònaeo ambonin’i Gabaôna

ary ianao, ry volana, ambonin’ny lohasaha Ajalôna.»

13 Dia nijanona ny masoandro ary tsy nandroso koa ny volana

Mandra-pamalin’ny firenena ny fahavalony.

14 Tsy nisy andro toy izany, na tany aloha na tatỳ aoriana, izay nihainoan’i Iaveh ny feon’ny olona anankiray, fa niady momba an’i Israely i Iaveh.

15 Dia niverina nankany an-toby any Galgalà i Jôsoe sy i Israely rehetra niaraka taminy koa.

Ireo mpanjaka dimy tao amin’ny zohy ao Makedà

16 Nandositra niery tao anaty zohy tao Makedà ny mpanjaka dimy lahy;

17 ka nolazain’ny olona tamin’i Jôsoe hoe: «Hita miery ao anatin’ny zohy ao Makedà, ny mpanjaka dimy.»

18 Dia hoy i Jôsoe: «Kodiavo vato lehibe ny vava zohy, dia asio olona hiambina azy.

19 Ary ianareo aza mijanona fa enjeho ny fahavalonareo, asio izy amin’ny vodilalany, aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotr’i Iaveh Andriamanitrareo eo an-tananareo.»

20 Nony efa nasian’i Jôsoe sy ny zanak’i Israely ireny tamin’ny nandreseny azy mafy dia mafy ka naringany, izay mba nety ho afaka kosa dia nandositra tamin’ny tanàna mimanda;

21 ary ny vahoaka rehetra niverina tsy amin’ahiahy tao an-toby any amin’i Jôsoe any Makedà, ary tsy nisy olona sahy niteny indraimbava akory manohitra ny zanak’i Israely.

22 Dia hoy i Jôsoe: «Sokafy ny vava zohy, ka avoahy ao ireo mpanjaka dimy hoentina mankatỳ amiko.»

23 Nataony izany, nentiny nankany aminy ny mpanjaka dimy izay navoakany avy ao an-johy, ny mpanjakan’i Jerosalema, ny mpanjakan’i Hebrôna, ny mpanjakan’i Jerimota, ny mpanjakan’i Lakisa, ary ny mpanjakan’i Eglôna.

24 Nony efa navoakany ho eo anatrehan’i Jôsoe, ireo mpanjaka ireo, dia nantsoin’i Jôsoe ny lehilahy rehetra amin’i Israely ka hoy izy tamin’ireo filohan’ny lehilahy mpiantafika, izay niaraka taminy: «Manatòna ianareo, ka ataovy eo amin’ny vozon’ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo.» Dia nanatona ireo ka nanitsaka ny vozon’ireo mpanjaka tamin’ny tongony.

25 Ary hoy i Jôsoe taminy: «Aza matahotra na manam-badi-po fa matanjaha ka mahereza, fa toy izao avokoa no hanaovan’i Iaveh ny fahavalonareo rehetra izay hiadianareo.»

26 Raha efa izany dia nasian’i Jôsoe ireo, ka nataony maty, ary nahantony tamin’ny hazo dimy, ka nihantona teo mandra-paharivan’ny andro.

27 Nony efa ho faty ny masoandro, dia nasain’i Jôsoe nampidirina amin’ilay zohy niereny, ary teo am-bava zohy nasiana vato lehibe mbola ao mandraka androany.

Ny nahazoana an’ireo tanàna vakiny atsimo amin’i Kanaana

28 Afak’i Jôsoe androtr’izay ihany koa i Makedà, ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany, ary naringany nataony anatema ny tanàna mbamin’ny manana aina rehetra tao, fa tsy nasiany niangana na dia iray aza, ary tahaka ny nanaovany ny mpanjakan’i Jerikô no nanaovany ny mpanjakan’i Makedà koa.

29 Niala tao Makedà i Jôsoe sy i Israely rehetra niaraka taminy, dia nankany Lebnà, ary namely an’i Lebnà izy.

30 Natolotr’i Iaveh teo an-tanan’i Israely koa izy sy ny mpanjakany, ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy mbamin’ny manana aina rehetra tao, tsy nasiany niangana na dia iray aza, ary toy ny nanaovany ny mpanjakan’i Jerikô no nanaovany ny mpanjakany koa.

31 Niala teo Lebnà i Jôsoe sy i Israely rehetra niaraka taminy, dia nankany Lakisa, ka nanorina ny tobiny teo anoloany sy namely azy.

32 Natolotr’i Iaveh teo an-tanan’i Israely i Lakisa, ka tamin’ny andro faharoa dia afany, ary nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny manana aina rehetra tao, toy ny nataony tamin’i Lebnà.

33 Niakatra hamonjy an’i Lakisa i Horama mpanjakan’i Gazera tamin’izay, fa nasian’i Jôsoe izy sy ny vahoakany ka tsy navelany hisy afa-nandositra akory.

34 Niala tao Lakisa i Jôsoe sy i Israely rehetra niaraka taminy dia nankany Eglôna, ka nitoby teo anoloany sy namely azy.

35 Androtr’izay ihany dia afany izy ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra; ny manana aina rehetra tao dia nataony anatema iny andro iny, araka izay rehetra nataony tamin’i Lakisa.

36 Niakatra avy eo Eglôna i Jôsoe sy i Israely rehetra niaraka taminy, dia nankany Hebrôna, ka namely azy izy ireo.

37 Nony afany dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany ary ny tanàna momba azy rehetra mbamin’izay manana aina rehetra tao, tsy navelany hisy afa-nandositra akory, tahaka ny nanaovan’i Jôsoe an’i Eglôna, fa nataony anatema izy sy ny manana aina rehetra tao.

38 Dia nitodika nankany Dabira i Jôsoe sy i Israely rehetra niaraka taminy.

39 Azony izy sy ny mpanjakany ary ny tanàna rehetra momba azy dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra, ary nataony anatema avokoa ny manana aina rehetra tao, fa tsy navelany hisy afa-nandositra akory. Toy ny nanaovan’i Jôsoe an’i Hebrôna sy ny nanaovany an’i Lebnà sy ny mpanjakany, no nanaovany an’i Dabira sy ny mpanjakany koa.

Fitanisana ny tanàna azon’i Jôsoe

40 Nasian’i Jôsoe avokoa ny tany manontolo, ny tendrombohitra, ny Negeba, ny tany lemaka sy ny tanety, mbamin’ny mpanjakany rehetra; tsy navelany hisy afa-nandositra, fa nataony anatema avokoa rehefa mety ho manana aina koa, araka izay nandidian’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.

41 Nasian’i Jôsoe ireny, hatrany Kadesa-Barne ka hatrany Gazà ary ny tany Gôsena rehetra hatrany Gabaôna.

42 Fanafihana indray mandeha monja no nahazoan’i Jôsoe ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny rehetra, satria i Iaveh Andriamanitr’i Israely no niady ho an’i Israely.

43 Raha efa izany dia niverina nankany an-toby any Galgalà i Jôsoe, sy i Israely rehetra niaraka taminy koa.