Categories
Jôsoe

Jôsoe 11

Fiandanian’ireo mpanjaka tany Avaratra

1 Nony nandre izany i Jabìna, mpanjakan’i Asôra, dia nandefa iraka, nankany amin’i Jôbaba mpanjakan’i Madôna, sy amin’ny mpanjakan’i Semerona, sy amin’ny mpanjakan’i Aksafa,

2 amin’ireo mpanjaka amin’ny tendrombohitra any avaratra sy any amin’ny Arabaha any atsimon’i Kenereta, any amin’ny tany lemaka sy ny havoan’i Dôra any andrefana,

3 amin’ny Kananeanina atsinanana sy andrefana, amin’ny Amôreana, ny Heteanina, ny Ferezeanina, ny Jeboseanina, any an-tendrombohitra, ary amin’ny Heveanina any ambodin’i Hermôna, dia any amin’ny tany Masfà.

4 Dia nivoaka ireny, dia nomban’ny tafiny rehetra, vahoaka tsy hita isa toy ny fasika any amoron-dranomasina, sy ny soavaly aman-kalesiny be dia be indrindra.

Fandresena tao Merôma

5 Nivory avokoa ireo mpanjaka ireo, dia tonga niara-nitoby teo akaikin’ny ranon’i Merôma, mba hanafika an’i Israely.

6 Ary hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Aza matahotra an’ireo fa rahampitso toy izao dia hatolotro eo anoloan’i Israely izy ireo, ka hatolotro izy efa voagorobaka avokoa, ka traingoy ny soavaliny, ary dory ny kalesiny.»

7 Dia nirotsaka tampoka tamin’izy ireo teo akaikin’ny ranon’i Merôma i Jôsoe sy ny mpiantafika rehetra niaraka taminy ka niantoraka aminy.

8 Natolotr’i Iaveh teo an-tanan’i Israely izy ireo, ka nasiany sy nenjehiny hatrany Sidona lehibe sy hatrany amin’ny lohasahan’i Masfà any atsinanana; nasiany ireny ka tsy navelany hisy afa-nandositra na dia iray aza.

9 Dia nataon’i Jôsoe tamin’izy ireo araka izay nolazain’i Iaveh azy, ka ny soavaliny notraingoiny, ny kalesiny nodorany tamin’ny afo.

Ny nakana an’i Asôra sy ireo tanàna hafa any Avaratra

10 Tamin’izany andro izany ihany i Jôsoe dia niverina naka an’i Asôra, ka namono ny mpanjakany, fa i Asôra no renivohitr’ireny fanjakana ireny fahiny.

11 Nasiany tamin’ny lelan-tsabatra ny manana aina rehetra tao, ka nataony anatema, tsy nisy niangana rehefa mety ho manana aina koa, ary i Asôra dia nodorana.

12 Azon’i Jôsoe avokoa ny tanànan’ireny mpanjaka ireny, sy ny mpanjakany; nasiany tamin’ny lelan-tsabatra ireny, dia nataony anatema, araka ny didin’i Môizy, mpanompon’i Iaveh.

13 Tsy nisy nodoran’i Israely anefa ny tanàna niorina teny an-kavoana, afa-tsy i Asôra ihany, izay nodoran’i Jôsoe.

14 Ary ny zavatra rehetra mety ho babo tamin’ireny, sy ny biby fiompiny dia norobain’ny zanak’i Israely ho azy; fa ny lehilahy rehetra kosa dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra mandra-paharingany, tsy nisy niangana rehefa manana aina.

Tanterahin’i Jôsoe ny nandidiana an’i Môizy

15 Izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy mpanompony dia nandidian’i Môizy an’i Jôsoe koa, ka notanterahin’i Jôsoe, tsy nisy namelany izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

16 Toy izany no nahazoan’i Jôsoe izany tany rehetra izany, dia ny Tendrombohitra, ny Negeba manontolo, ny faritanin’i Gôsena rehetra, ny tany lemaka, ny Arabaha, ny tany havoana sy ny tany lemak’i Israely,

17 hatramin’ny tendrombohitra mangadihady misondrotra mankany Seira, ka hatrany Baala-Gada, amin’ny lohasahan’i Libàna, ao ambodin’ny tendrombohitra Hermôna; nosamboriny ny mpanjakany rehetra, ka novonoiny sy nataony maty.

18 Naharitra andro maro no niadian’i Jôsoe tamin’ireo mpanjaka rehetra ireo.

19 Tsy nisy tanàna iray akory nanao raharaham-pihavanana tamin’ny zanak’i Israely afa-tsy ny Heveanina izay nonina tao Gabaôna, fa tamin’ny fiadiana avokoa no nahazoany azy.

20 Satria hevitra nokendren’i Iaveh no nanamafisan’ireo vahoaka ireo ny fony, hiady amin’i Israely mba hanaovan’i Iaveh azy ho anatema, ka tsy hanaovany famindram-po aminy fa handringanany azy, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Ny nandringanana ny Anakima

21 Tamin’izany andro izany ihany koa no nandehanan’i Jôsoe sy nandringanany ny Enakimatany amin’ny Tendrombohitra, tany Hebrôna, tany Dabira ary tany Anaba, tany amin’ny tendrombohitr’i Jodà rehetra sy tany amin’ny tendrombohitr’i Israely rehetra. Nataon’i Jôsoe anatema avokoa ireo mbamin’ny tanànany;

22 ka tsy nisy Enakima intsony, teo amin’ny tanin’ny zanak’i Israely; fa tany Gazà sy Geta ary Azota no sisa nisy.

23 Azon’i Jôsoe avokoa ny tany rehetra, araka ny voalazan’i Iaveh tamin’i Môizy, ka nomen’i Jôsoe ho lovan’i Israely, natokony araka ny fokony avy. Dia natsahatra tamin’ny ady ny tany.

Categories
Jôsoe

Jôsoe 12

Ireo mpanjaka resy, tao atsinanan’i Jordany

1 Ireto no mpanjakan’ny tany resin’ny zanak’i Israely, ary nalainy ny taniny any an-dafin’i Jordany any atsinanana, hatramin’ny ranon-driakan’i Arnôna ka hatramin’ny tendrombohitra Hermôna, sy ny Arabaha manontolo any atsinanan’ny ony:

2 i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, izay nonina tao Hesebona; ny takatry ny fahefany dia hatrany Arôera, eo amin’ny ranon-driakan’i Arnôna, ary hatreo am-pamatonan’ny lohasaha amin’ny antsasak’i Galaada, ka hatramin’ny ranon-driakana Jaboaka, faritry ny tanin’ny taranak’i Amôna,

3 amin’ny Arabaha, hatrany amin’ny ranomasina Kenereta any atsinanana, sy amin’ny ranomasin’ny Arabaha dia ny Ranomasin-tSiraany atsinanana, amin’ny lalana mankany Betisimota; ary amin’ny ilany atsimo dia hatrany am-pototry ny kisolosolon’i Fasgà.

4 Ny tanin’i Oga, mpanjakan’i Basàna, isan’ny sisan’ny Refaimanonina tao Aztarôta sy Edraia:

5 ny takatry ny fahefany dia ny tendrombohitra Hermôna, Salekà, Basàna rehetra, hatramin’ny faritry ny tanin’ny Gesorima sy ny Makatianina ary ny antsasak’i Galaada, faritanin’i Sehôna mpanjakan’i Hesebona.

6 I Môizy mpanompon’i Iaveh sy ny zanak’i Israely no nandresy an’ireo; ary ny Robenita sy ny Gadita, mbamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase no nomen’i Môizy mpanompon’i Iaveh ny tanin’izy ireo mba ho fananany.

Ireo mpanjaka resy, tao andrefan’i Jordany

7 Ireto kosa ny mpanjaka resin’i Jôsoe sy ny zanak’i Israely atỳ an-dafin’i Jordany, atỳ andrefana, hatramin’i Baala-Gada, amin’ny lohasahan’i Libàna, ka hatramin’ny tendrombohitra mangadihady misondrotra mankany Seira. Nomen’i Jôsoe ny fokon’i Israely, araka ny fianakaviany avy, izany tany izany, ho fananany,

8 dia ny any amin’ny tendrombohitra, ny any amin’ny tany iva, ny any amin’ny havoana, ny any an’efitra ary ny any amin’i Negeba, izay tanin’ny Heteanina, ny Amôreana, ny Kananeanina, ny Ferezeanina, ny Heveanina, ary ny Jeboseanina.

9 Ny mpanjakan’i Jerikô, iray; ny mpanjakan’i Haia akaikin’i Betela, iray;

10 ny mpanjakan’i Jerosalema, iray; ny mpanjakan’i Hebrôna, iray;

11 ny mpanjakan’i Jerimota, iray; ny mpanjakan’i Lakisa, iray;

12 ny mpanjakan’i Eglôna, iray; ny mpanjakan’i Gazera, iray;

13 ny mpanjakan’i Dabira, iray; ny mpanjakan’i Gadera, iray;

14 ny mpanjakan’i Hermà, iray; ny mpanjakan’i Hedera, iray;

15 ny mpanjakan’i Lebnà, iray; ny mpanjakan’i Odolama, iray;

16 ny mpanjakan’i Makedà, iray; ny mpanjakan’i Betela, iray;

17 ny mpanjakan’i Tafnà, iray; ny mpanjakan’i Ofera, iray;

18 ny mpanjakan’i Afeka, iray; ny mpanjakan’i Lasarôna, iray;

19 ny mpanjakan’i Madôna, iray; ny mpanjakan’i Asôra, iray;

20 ny mpanjakan’i Semerona, iray; ny mpanjakan’i Aksafa, iray;

21 ny mpanjakan’i Tanàka, iray; ny mpanjakan’i Magedao, iray;

22 ny mpanjakan’i Kadesa, iray; ny mpanjakan’i Jakanàna any Karmela, iray;

23 ny mpanjakan’i Dôra, eo amin’ny havoanan’i Dôra, iray, ny mpanjakan’i Gôjima, ao Galgalà, iray; ny mpanjakan’i Tersà, iray;

24 totaliny, mpanjaka 31.

Categories
Jôsoe

Jôsoe 13

Ny tany mbola tokony halaina

1 Efa antitra sy efa nandroso fahanterana i Jôsoe: ka hoy i Iaveh taminy: «Ianao ity efa antitra, efa mandroso fahanterana nefa ny tany lehibe dia lehibe no mbola sisa halaina.»

2 Fa izao no tany sisa: ny faritanin’ny Filistinina rehetra sy ny an’ny Gesorianina rehetra,

3 hatramin’i Sikôra, izay eo atsinanan’i Ejipta ka hatrany amin’ny faritanin’i Akarôna eo avaratra, izay tokony hatao ho tany Kananeanina; ny andrian’ny Filistinina dimy, ny an’i Gazà, ny an’i Azota, ny an’i Askalôna, ny an’i Geta, ny an’i Akarôna;

4 any atsimo, ny Heveanina, ny tanin’ny Kananeanina rehetra, sy i Maara izay an’ny Sidonianina, hatrany Afeka, hatrany amin’ny faritanin’ny Amôreana,

5 ny tanin’ny Gebalitasy i Libàna rehetra, any atsinanana, hatrany Baala-Gada, eo ambodin’ny tendrombohitra Hermôna, ka hatrany am-bavan’i Hamata;

6 ny mponina rehetra amin’ny tendrombohitra hatrany Libàna ka hatrany amin’ny ranon’i Maserefôta dia ny Sidonianina rehetra: horoahiko eo anoloan’ny zanak’i Israely ireo. Nefa zarao amin’ny filokana ireo tany ireo ho lovan’i Israely, araka ny efa nandidiako izany.

7 Ary ankehitriny zarao izany tany izany amin’ny foko sivy, sy ny antsasaky ny fokon’i Manase, mba ho lovany.

Ambangovangon’ny fitambarany

8 Fa ny antsasany efa niara-nahazo ny lova tamin’ny Robenita sy ny Gadita, izay nomen’i Môizy azy tany an-dafin’i Jordany any atsinanana, araka ny nomen’i Môizy mpanompon’i Iaveh azy;

9 hatrany Arôera eo amoron’ny ranon-driaka Arnôna, sy ny tanàna eo afovoan’ny lohasaha, ny tany lemaka Medabà rehetra hatrany Dibôna,

10 ny tanàna rehetra an’i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, izay nanjaka tao Hesebona, hatrany amin’ny faritanin’ny taranak’i Amôna,

11 Galaada, ny faritanin’ny Gesorianina sy ny Makatianina, ny tendrombohitra Hermôna rehetra ary i Basàna rehetra hatrany Sakelà;

12 ny fanjakana rehetra tany Basàna an’i Oga, izay nanjaka tany Astarôta sy tany Edraia; izy io no hany sisa tamin’ny Refaima: resin’i Môizy ireo mpanjaka ireo ka noroahiny.

13 Ny Gesorianina sy ny Makatianina anefa tsy mba noroahin’ny zanak’i Israely ka samy mbola mitoetra eo amin’ny zanak’i Israely mandraka androany i Gesora sy i Makata.

14 Ny fokon’i Levì tokana no tsy mba nomen’i Môizy lova, fa ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely no lovany araka ny voalazany taminy.

Ny fokon’i Robena

15 Nomen’i Môizy lova ny fokon’ny tarana-dRobena, araka ny fianakaviany avy,

16 ka izao no faritaniny, hatrany Arôera, eo amoron’ny ranon-driaka Arnôna, sy ny tanàna eo afovoan’ny lohasaha, ny tany lemaka rehetra akaikin’i Medabà,

17 i Hesebona sy ny tanànany rehetra amin’ny tany lemaka, Dibôna, Bamôta-Baala, Bety-Baala-Maona,

18 Jasà, Kedimôta, Mefaata,

19 Kariataima, Sabamà, Sarat-Asara amin’ny tendrombohitra ao an-dohasaha,

20 Bety-Fôgôra, ny kisolosolon’i Fasgà, Bety-Jesimôta,

21 ny tanàna rehetra amin’ny tany lemaka sy ny fanjakana rehetra an’i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, izay nanjaka tao Hesebona, fa resin’i Môizy izy sy ireo andrian’i Madiàna, dia i Evì, i Rekema, i Sora, i Hora, ary i Rebe, mpandoa hetra amin’i Sehôna, monina amin’ny tany.

22 Anisan’ireo novonoin’ny zanak’i Israely tamin’ny sabatra koa i Balaama, mpanao hitsakandro, zanak’i Beôra.

23 Koa tonga hatrany Jordany ka hatramin’ny faritaniny ny faritanin’ny tarana-dRobena. Izany no lovan’ny tarana-dRobena sy ny fianakaviany dia ny tanàna aman-jana-bohiny.

Ny fokon’i Gada

24 Nomen’i Môizy anjara ny fokon’i Gada, ny taranak’i Gada, araka ny fianakaviany avy;

25 ka izao no faritaniny: Jasera, ny tanànan’i Galaada rehetra, ny antsasaky ny tanin’ny taranak’i Amôna, hatrany Arôera tandrifin’i Rabà,

26 hatrany Hesebona ka hatrany Rabôta-Masfe sy Betônima, ary hatrany Manaima ka hatrany amin’ny faritr’i Dabira,

27 ary eo amin’ny lohasaha, Bety-Harama, Bety-Nemrà, Sokôta sy Safôna, sisa tamin’ny fanjakan’i Sehôna mpanjakan’i Hesebona; ary Jordany sy ny tany momba azy, hatramin’ny tendron’ny ranomasina Kenerata an-dafin’i Jordany any atsinanana.

28 Izany no lovan’ny taranak’i Gada, araka ny fianakaviany, dia ny tanàna aman-jana-bohiny.

Ny antsasa-pokon’i Manase

29 Nomen’i Môizy anjara ny antsasaky ny fokon’i Manase, ny taranak’i Manase, araka ny fianakaviany,

30 ka izao no faritaniny, hatrany Manaima: Basàna rehetra, ny fanjakana rehetra an’i Jaira any Basàna, dia tanàna enimpolo.

31 Ny antsasak’i Galaada sy Astarôta ary Adraia, tanàna amin’ny fanjakan’i Oga, any Basàna, dia nomena ny taranak’i Makira zanak’i Manase, dia ny antsasaky ny taranak’i Makira, araka ny fianakaviany.

32 Izany no lova nozarain’i Môizy fony izy tany amin’ny tany lemak’i Moaba, any an-dafin’i Jordany tandrifin’i Jerikô any atsinanana.

33 Tsy mba nomen’i Môizy lova ny fokon’i Levì, fa i Iaveh Andriamanitr’i Israely no lovany, araka ny voalazany taminy.

Categories
Jôsoe

Jôsoe 14

Teny mialoha

1 Izao no noraisin’ny zanak’i Israely ho lova, tany amin’ny tany Kanaana, izay nozarain’i Eleazara mpisorona sy i Jôsoe zanak’i Nona, ary ny loham-pianakaviana amin’ny fokon’i Israely.

2 Filokana no nahazoany ny lovany, araka ny nandidian’i Iaveh ho an’ny foko sivy sy ny antsasa-poko;

3 fa ny foko roa sy ny antsasa-poko efa nomen’i Môizy lova tany an-dafin’i Jordany, fa tsy mba nomeny lova teo amin’izy ireo ny Levita.

4 Fa mizara ho foko roa ny taranak’i Josefa dia i Manase sy i Efraima, fa tsy mba nomena anjara tamin’ny tany ny Levita afa-tsy ny tanàna honenany sy ny tany manodidina ho an’ny biby ompiany sy ny fananany.

5 Nanatanteraka ny didy nomen’i Iaveh an’i Môizy ny zanak’i Israely, ka nizara ny tany izy.

Ny zara nomena an’i Kaleba

6 Nanatona an’i Jôsoe ny taranak’i Jodà tany Galgalà, ary i Kaleba zanak’i Jefone, Kenezeanina, nanao taminy hoe: «Fantatrao izay nolazain’i Iaveh tamin’i Môizy olon’Andriamanitra ny amiko sy ny aminao tany Kadesa-Barne.

7 Efapolo taona aho, no nirahin’i Môizy, mpanompon’i Iaveh, avy tao Kadesa-Barne, hisafo ny tany; ary araka izay tao am-poko tokoa no nanaovako filazana taminy.

8 Ireo rahalahiko niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon’ny olona; fa izaho kosa nanaraka an-tsakany sy an-davany an’i Iaveh Andriamanitro;

9 ka nianiana i Môizy tamin’izany andro izany, nanao hoe: Ho lovanao sy ny taranakao mandrakizay ny tany izay nohitsahin’ny tongotrao, fa nanaraka an-tsakany sy an-davany an’i Iaveh Andriamanitrao ianao.

10 Koa ankehitriny, efa nitahiry ny aiko araka ny voalazany i Iaveh hatramin’ny 45 taona nilazany izany teny izany tamin’i Môizy, fony i Israely nandeha tany an’efitra, ary 85 taona aho izao.

11 Mbola matanjaka aho anio toy ny fony nirahin’i Môizy, ny heriko ankehitriny sahala amin’ny fahizàny, na hiady, na hivoaka sy hiditra.

12 Koa omeo ahy io tendrombohitra voalazan’i Iaveh tamin’izany andro izany io; ny tenanao no nandre tamin’izany andro izany, fa ny Enakima no ao, mbamin’ny tanàna lehibe sy mimanda. Angamba homba ahy i Iaveh ka hahavatra mandroaka azy ireo aho, araka ny tenin’i Iaveh.»

13 Dia nitso-drano an’i Kaleba, zanak’i Jefone, i Jôsoe, ary nomeny ho lovany i Hebrôna.

14 Koa i Kaleba zanak’i Jefone, Kenezeanina, no tompon-dova an’i Hebrôna mandraka androany, satria nanaraka an-tsakany sy an-davany an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely izy.

15 Kariat-Arbe no anaran’i Hebrôna fahiny; i Arbe dia lehilahy goavam-be indrindra tamin’ny Enakima.

Ary nitsahatra tamin’ny ady ny tany.

Categories
Jôsoe

Jôsoe 15

Ny fokon’i Jodà

1 Ny anjara lasan’ny fokon-taranak’i Jodà, araka ny fianakaviany, tamin’ny filokana, dia nitatra hatrany amin’ny faritanin’i Edôma hatrany amin’ny efitra Sina any atsimo any amin’ny farany atsimo.

2 Ny faritry ny taniny amin’ny atsimo dia niantomboka avy amin’ny faran’ny Ranomasin-tSira dia amin’ny tendrony mitodika atsimo,

3 ka nitohy ao atsimon’ny fiakarana Akrabima, dia mahazo an’i Sina, sy miakatra any atsimon’i Esrôna, niakatra mankany Adara, niolaka any Karkaà,

4 avy eo dia nahazo an’i Asmôna, nitohy hatramin’ny ranon-driakan’i Ejipta, dia nihatra hatrany amin’ny ranomasina ny faritry ny taniny. Izany no ho faritry ny taninareo any atsimo.

5 Ary ny Ranomasin-tSira hatramin’ny vavaranon’i Jordany no faritry ny tany atsinanana.

Ny faritry ny tany avaratra dia hatreo amin’ny helo-dRanomasin-tSira, amin’ny vavaranon’i Jordany,

6 ka niakatra hatrany Bety-Aglà ny faritry ny tany, dia nihazo any avaratr’i Bety-Arabà, ary niakatra hatramin’ny vaton’i Bôena, zana-dRobena, ny faritry ny tany;

7 niakatra any Debera, nony mby eo amin’ny lohasaha Akora ny faritry ny tany dia nihodina mianavaratra mankany Galgalà, izay manandrify ny fiakaran’i Adomima, atsimon’ny ranon-driaka, ary ny faritry ny tany nihazo tao akaikin’ny ranon’i En-Semesa, ka nihatra hatrany En-Rôgela.

8 Ary ny faritry ny tany niakatra eo amin’ny lohasahan’i Ben-Enôma, hatrany amin’ny kisolosolo atsimon’ny Jeboseanina, dia i Jerosalema; avy eo dia nisondrotra ny faritry ny tany hatrany an-tampon’ny tendrombohitra manandrify ny lohasaha Enôma eo andrefany, sy amin’ny faran’ny tany lemaky ny Refaima eo avaratra.

9 Avy eo an-tampon’ny tendrombohitra dia nizotra ny faritry ny tany hatrany amin’ny lohan’ny ranon’i Neftoà, nihatra amin’ny tanàna ao an-tendrombohitra Efrôna; nandroso ny faritry ny tany mankany Baala, dia Kariata-Jearima izany.

10 Avy eo Baala ny faritry ny tany dia niolaka miankandrefana mankany amin’ny tendrombohitra Jarima, dia i Keslôna izany, nidina mankany Bety-Samesa nihazo an’i Tamà.

11 Ny faritry ny tany nipaka amin’ny kisolosolo avaratr’i Akarôna, ary nizotra ny faritry ny tany mankany Sekrôna, nihazo amin’ny tendrombohitra Baala ary nipaka amin’i Jebneela ary nihatra amin’ny ranomasina.

12 Ary ny faritry ny tany andrefana dia ny ranomasina lehibe sy ny taniny.

Izany no faritry ny tanin’ny taranak’i Jodà, araka ny fianakaviany, amin’ny lafiny rehetra.

Ny taranak’i Kaleba monina eo amin’ny faritra misy an’i Hebrôna

13 Araka ny didin’i Iaveh tamin’i Jôsoe, nomena anjara teo afovoan’ny taranak’i Jodà i Kaleba zanak’i Jefone, dia ny tanànan’i Arbe, rain’i Enaka, dia i Hebrôna izany.

14 Noroahin’i Kaleba hiala tao izy telo lahy, zanak’i Enaka, dia i Sesaia, i Ahimàna ary i Tolmaia taranak’i Enaka.

15 Avy tao, dia niakatra namely ny mponina tao Dabira indray izy. Kariata-Sefera no anaran’i Dabira taloha.

16 Hoy i Kaleba: «Homeko an’i Aksà zanako vavy ho vadiny izay handresy an’i Kariata-Sefera, ka hahafaka azy.»

17 Otoniela zanak’i Keneza, rahalahin’i Kaleba, no nahafaka azy ka nomen’i Kaleba azy i Aksà zanany vavy, ho vadiny.

18 Nony nankany amin’i Otoniela ravehivavy, dia namporisika azy hangataka saha amin-drainy; nidina niala tamin’ny ampondrany izy, ka hoy rainy taminy: «Inona no ilainao?»

19 Ary izao no navaliny: «Mba omeo fanomezana aho, tany tsy misy rano no namponenanao ahy; ka mba omeo loharano koa aho.» Dia nomeny ny loharano ambony sy ny loharano ambany izy.

20 Izany no lovan’ny fokon-taranak’i Jodà, araka ny fianakaviany.

Anaran’ireo toerana nisy ny fokon’i Jodà

21 Ny tanàna izay ao amin’ny fara sisin’ny fokon-taranak’i Jodà, manolotra ny faritanin’i Edôma, ny tao amin’i Negeba, dia i Kabseela, i Edera, i Jagora,

22 i Kinà, i Dimônà, i Adadà,

23 i Kadesa, i Asora, sy i Jetnama,

24 i Zifa, i Telema, i Balôta,

25 i Asora vaovao sy i Kariota-Hesrona, dia i Asora izany,

26 i Amama, i Samà, i Moladà,

27 i Asergadà, i Hasemôna, i Betfeleta,

28 i Hasersoala, i Bersabe, sy i Baziotià,

29 i Baalà, i Jima, i Esema,

30 i Eltolôda, i Kasila, i Harmà,

31 i Sikelega, i Medemenà, i Sensenà,

32 i Lebaôta, i Selima, i Aena, ary i Remôna: totaliny, tanàna 29 ary ny zana-bohiny.

33 Ny tao amin’ny Seeflà dia: i Estaôla, i Sarea, i Asenà,

34 i Zanôe, i Aen-Ganima, i Tafoaha, i Enaima,

35 i Jerimota, i Odolama, i Sôfoaha, i Enaima,

36 i Saraima, i Aditaïma, i Gederà ary i Gederôtaima: tanàna 14 ary ny zana-bohiny.

37 I Sanana, i Hadasà, i Magdala-Gada,

38 i Deleana, i Masefa, i Jektela,

39 i Lakisa, i Baskata, i Eglôna,

40 i Kebôna, i Lehemàna, i Ketsila,

41 i Giderôta, i Bet-Dagôna, i Naamà, ary i Makedà: 16 ary ny zana-bohiny;

42 i Labàna, i Etera, i Asana,

43 i Jeftà, i Esnà, i Nesiba,

44 i Keilà, i Aleziba, ary i Maresà, tanàna sivy ary ny zana-bohiny,

45 i Akarôna, sy ny tanàna momba azy, ary ny zana-bohiny.

46 Hatreo Akarôna no ho miankandrefana, dia ny tanàna rehetra akaikin’i Azota, mbamin’ny zana-bohiny,

47 i Azota sy ny tanàna momba azy ary ny zana-bohiny; i Gazà sy ny tanàna momba azy, mbamin’ny zana-bohiny, hatramin’ny ranon-driakan’i Ejipta, sy hatramin’ny Ranomasina Lehibe izay fariny.

48 Ny tao amin’ny tendrombohitra dia: i Samira, i Jetera, i Sokôta.

49 I Danà, i Kariata-Senà, dia i Dabira izany,

50 I Anaba, i Isremao, i Anima,

51 i Gôsena, i Olôna ary i Gilô: tanàna 11 ary ny zana-bohiny.

52 I Araba, i Domà, i Esaàna,

53 i Janoma, i Bety-Tafoà, i Afekà,

54 i Atmatà, i Kariat-Arbe, dia i Hebrôna izany, ary i Siôra: tanàna sivy, ary ny zana-bohiny.

55 I Maona, i Karmela, i Zifa, i Jotà,

56 i Jezraela, i Jôkadama, i Zanôe,

57 i Akaïna, i Gabaà, i Tamnà: tanàna folo sy ny zana-bohiny;

58 i Halola, i Bety-Sora, i Gedôra,

59 i Mareta, i Bety-Anôta sy i Eltekôna, tanàna enina sy ny zana-bohiny.

60 I Kariat-Baala, dia i Kariat-Jearima izany ary i Arebà: tanàna roa sy ny zana-bohiny.

61 Ny tao amin’ny efitra: I Bet-Aralà, i Medina, i Sakakà,

62 i Nebsana, i Ir-Hamelàka ary i En-Gadi: tanàna enina sy ny zana-bohiny.

63 Tsy naharoaka ny Jeboseaninaizay monina ao Jerosalema ny taranak’i Jodà, ka niara-nitoetra tamin’ny taranak’i Jodà ao Jerosalema ny Jeboseanina mandraka androany.

Categories
Jôsoe

Jôsoe 16

Ny fokon’i Efraîma

1 Ny an’ny taranak’i Josefa araka ny filokana: Ny any atsinanana dia niantomboka avy eo amin’i Jordany ao Jerikô; avy eo dia tonga amin’ny efitra izay miakatra avy any Jerikô hatramin’i Betela mihazo ny tendrombohitra.

2 Avy ao Betela ny faritry ny tany nihatra tamin’ny Lozy, ary nihazo tamin’ny faritry ny tanin’ny Arkeanina ao Atarôta,

3 dia nidina ao andrefana mankany amin’ny tanin’ny Jefletianina, hatramin’ny tanin’ny Betôrôna ambany ka hatrany Gazera, dia nihatra amin’ny ranomasina.

4 Izany no lova noraisin’ny taranak’i Josefa, dia i Manase sy i Efraima.

5 Izao no faritry ny tanin’ny taranak’i Efraima araka ny fianakaviany: ny faritry ny lovany dia izao: amin’ny atsinanana, Ataret-Adara hatrany Betôrôna ambony.

6 Amin’ny lafiny andrefana ny faritry ny tany dia nipaka tamin’i Makmetata any avaratra, ary miolaka ny faritry ny tany atsinanana mankany Tanata-Selao, dia nihazo teo anoloany mankamin’ny atsinanan’i Janôe.

7 Avy eo Janôe dia nidina nankany Atarôta sy Naaratà, nikasika an’i Jerikô, ka nihatra an’i Jordany.

8 Avy eo Tafohà dia nandroso any amin’ny lafiny andrefana ho any amin’ny ranomasina. Izany no lovan’ny taranak’i Efraima araka ny fianakaviany.

9 Nisy tanàna koa samy omban’ny zana-bohiny avy nitokana teo afovoan’ny lovan’ny taranak’i Manase, ka an’ny taranak’i Efraima.

10 Tsy nandroaka ny Kananeanina nonina teo Gazera izy ireo, ka niara-nonina tamin’i Efraima mandraka androany ny Kananeanina, nefa ampanaoviny fanompoana kosa.

Categories
Jôsoe

Jôsoe 17

Ny fokon’i Manase

1 Mbola nisy zara tany koa ho an’ny fokon’i Manase araka ny filokana noho izy lahimatoan’i Josefa. I Makira lahimatoan’i Manase sy rain’i Galaada dia nahazo an’i Galaada sy i Basana, satria lehilahy mpiantafika izy.

2 Ny taranak’i Manase sisa koa dia samy nomena anjara araka ny fianakaviany avy, dia ny taranak’i Abiezera, ny taranak’i Sekema, ny taranak’i Hefera, ary ny taranak’i Semidà; ireo no zanaka lahin’i Manase zanak’i Josefa, araka ny fianakaviany.

3 I Salfaada zanak’i Hefera zanak’i Galaada zanak’i Makira zanak’i Manase, tsy nanan-janaka lahy, fa zanaka vavy no nananany; ka ireto no anaran’ny zanany vavy: Maalà, Nôà, Heglà, Melkà, ary Tersà.

4 Nankeo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy teo anatrehan’i Jôsoe zanak’i Nona, sy teo anatrehan’ny filohany izy ireo, ka nanao hoe: «Nandidy an’i Môizy i Iaveh hanome zara tany anay eo amin’ny anadahinay.» Dia nomena zara tany teo amin’ny rahalahin-drainy izy ireo, araka ny didin’i Iaveh.

5 Koa nahazo anjaram-polo i Manase, afa-tsy ny tany Galaada sy Basàna, any an-dafin’i Jordany,

6 satria ny zanaka vavin’i Manase dia nahazo lova teo afovoan’ny zanaka lahiny: ny tanin’i Galaada ho an’ny zanaka lahiny: ny tanin’i Galaada ho an’ny zanaka lahin’i Manase sisa.

7 Ny faritry ny tanin’i Manase, dia hatrany Asera no mankany Makmetata, izay tandrifin’i Sikema, ka nandroso niankavanana ny faritry ny tany mankany amin’ny mponina ao En-Tafoà:

8 An’i Manase ny tany momba an’i Tafoà; fa i Tafoà any amin’ny vava tanin’i Manase, no an’ny taranak’i Efraima.

9 Dia nidina ny faritry ny tany ho ao amin’ny ranon-driaka; ny tanàna amin’io tany io, izay lasan’i Efraima, dia tao afovoan’ny tanànan’i Manase, ary ao avaratry ny ranon-driaka ka mipaka amin’ny ranomasina, no faritry ny tanin’i Manase.

10 Koa ny ao atsimo dia an’i Efraima, fa ny ao avaratra no an’i Manase, ary ny ranomasina no mamaritra azy. Eo avaratra izy manolotra an’i Asera, ary ao atsinanana, an’i Isakara.

11 Izao no lasan’i Manase tao amin’ny tanin’i Isakara sy i Asera: i Bety-Sàna sy ny tanàna momba azy, i Jeblaama sy ny tanàna momba azy, ny mponina ao Dôra sy ny tanàna momba azy, ny mponina ao Tenàka sy ny tanàna momba azy, ny mponina ao Magedao sy ny tanàna momba azy: ireo no faritan’i Havoan-telo.

12 Tsy nahazo an’ireo tanàna ireo ny zanak’i Manase, ka sahy nipetraka tamin’izany tany izany ny Kananeanina.

13 Nony efa nihamahery ny zanak’i Israely dia nampandoaviny hetra ny Kananeanina fa tsy noroahiny.

Ny taranak’i Josefa miditra ny ala

14 Ary niteny tamin’i Jôsoe, ny taranak’i Josefa ka nanao hoe: «Efa tonga vahoaka be izahay izao, ary notahin’i Iaveh mandraka androany izahay, ka nahoana no dia loka iray sy anjara iray ihany no nomenao anay?»

15 Dia hoy i Jôsoe taminy: «Raha vahoaka be àry ianareo miakara any an’ala, ka miteveza any amin’ny tanin’ny Ferezeanina sy ny Refaima honenanareo, rehefa ety tsy omby anareo ny tendrombohitr’i Efraima.»

16 Fa hoy ny taranak’i Josefa: «Ny tendrombohitra dia tsy omby anay, nefa samy manan-kalesy vy avokoa ao amin’ny Kananeanina rehetra monina amin’ny tany lemaka, na ireo any Bety-Sàna sy ny tanàna momba azy, na ireo amin’ny lohasahan’i Jezraela.»

17 Izao no navalin’i Jôsoe ny fianakavian’i Josefa, dia i Efraima sy i Manase: «Vahoaka be ianao; ka be hery koa; dia tsy anjara iray ihany no anao;

18 fa ho anao koa ny tendrombohitra; ala izany ka dia hotevenao dia ho anao ny sisiny, satria horoahinao ny Kananeanina na manan-kalesy vy sy mahery aza azy.»

Categories
Jôsoe

Jôsoe 18

Fanoratana ny tanin’ireo foko fito

1 Nivory ny fiangonan’i zanak’i Israely rehetra tao Silô, ka nanangana ny trano lay fihaonana. Efa resy teo anoloany ny tany.

2 Fito ny foko sisa tsy mbola nahazo ny lovanytamin’ny fokon’ny zanak’i Israely.

3 Hoy i Jôsoe tamin’ny zanak’i Israely: «Mandra-pahoviana ianareo no hanao tsikamokamo amin’ny fakana ny tany izay nomen’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo anareo?

4 Koa mifidiana telo lahy isam-pokoianareo, dia hirahiko izy, ary hiainga ka hitety ny tany ireo, ka handahatra ny toetry ny tany hizarana azy, ary hiverina atỳ amiko indray.

5 Hozarainy fito toko ny tany; i Jodà hitoetra amin’ny faritaniny ao atsimo, ary ny taranak’i Josefa hitoetra amin’ny faritaniny ao avaratra.

6 Ianareo àry handahatra ny toetry ny tany hataonareo fito toko, ka hoentinareo mankatỳ amiko, dia hanao filokana ho anareo eto anatrehan’i IavehAndriamanitsika aho.

7 Fa ny Levita dia tsy mba hanana anjara, ary I Gada sy i Robena mbamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase dia efa nahazo ny lovany tany an-dafin’i Jordany any atsinanana, izay nomen’i Môizy mpanompon’i Iaveh azy.»

8 Dia niainga ireo lehilahy ireo, ka lasa nandeha, ary nomen’i Jôsoe didy izy ireo raha nandeha mba handaharany ny toetry ny tany ka nataony hoe: «Mandehana ianareo tetezo ny tany, ka alaharo ny toetrany dia miverena atỳ amiko, amin’izay aho hanao filokana ho anareo eto Silao eto anatrehan’i Iaveh.»

9 Nandeha ireo lehilahy ireo, ary noteteziny ny tany, nalahany tamin’ny boky ny toetrany isan-tanàna, nataony fito toko, dia niverina tany amin’i Jôsoe tao an-toby tao Silao izy.

10 Dia nanao filokana ho azy ireo, teo anatrehan’i Iaveh, i Jôsoe tao Silao, ka tao no nizaran’i Jôsoe ny tany tamin’ny zanak’i Israely araka ny anjarany.

Ny fokon’i Benjamina

11 Ny fokon-taranak’i Benjamina araka ny fianakaviany no azon’ny loka, ary ny faritany lasany tamin’ny filokana dia ao anelanelan’ny an’ny taranak’i Jodà sy ny taranak’i Josefa.

12 Amin’ny lafiny avaratra ny faritry ny taniny dia nanomboka eo Jordany dia niakatra ny faritra nianavaratra amin’ny kisolosolon’i Jerikô, dia niakatra indray tamin’ny tendrombohitra any andrefana, ary nipaka tamin’ny efitra Bety-Avena.

13 Avy eo ny faritra dia nahazo an’i Lozy amin’ny kisolosolon’i Lozy any atsimo, dia i Betela izany; dia nidina indray ny faritry ny tany mankany Atarôt-Adara, nihazo tamin’ny tendrombohitra ao atsimon’i Betôrôna ambany.

14 Amin’ny lafiny andrefana dia nandroso ny faritry ny tany ary niolaka hatramin’ny tendrombohitra ao anoloan’i Betôrôna eo atsimo, ka nipaka tamin’i Kariata-Baala, dia i Kariata-Jearima izany, tanànan’ny taranak’i Jodà; izany no lafiny andrefana.

15 Amin’ny lafiny atsimo, nanomboka eo amin’ny tendron’i Kariata-Jearima ny faritry ny tany, ary nandroso niankandrefana nipaka tamin’ny lohan’ny ranon’i Neftoà,

16 dia nidina ny faritra avy any amin’ny faran’ny tendrombohitra izay tandrifin’ny lohasahan’ny taranak’i Enôma, ao amin’ny tany lemaky ny Rafaima, eo avaratra; dia nidina indray nandeha amin’ny lohasahan’i Enôma, mankamin’ny kisolosolo atsimon’i Jeboseanina, dia nidina hatrany amin’ny loharanon’i Rogela;

17 nandroso any avaratra ary nipaka tamin’i En-Semesa, nipaka tamin’i Gelilôta izay eo an-tandrifin’ny fiakaran’i Adomima, ary nidina mankamin’ny vaton’i Bôena zana-dRobena,

18 nihazo tamin’ny ilany avaratra ny tendrombohitra eo anoloan’ny Arabaha, nidina tamin’ny Arabaha,

19 nihazo tamin’ny kisolosolo avaratr’i Bety-Haglà ny faritry ny tany, ary nipaka tamin’ny farany avaratra amin’ny Ranomasin-tSira ny faritry ny tany eo amin’ny vava ranon’i Jordany ao atsimo: izany no farany atsimo.

20 Ary ny farany atsinanana dia i Jordany.

21 Izany no lovan’ny taranak’i Benjamina amin’ny faritra manodidina azy manontolo, araka ny fianakaviany.

22 Ary ny tanànan’ny fokon’ny taranak’i Benjamina araka ny fianakaviany dia: i Jerikô, i Bety-Heglà, i Eneka-Kaisy, i Bety-Arabà, i Samaraïma,

23 i Beteta, i Avîma, i Afarà, i Ofera,

24 i Kefara-Emôna, i Ofnì ary i Gabe: tanàna 12 sy ny zana-bohiny.

25 I Gabaôna, i Ramà, i Berôta,

26 i Mesfe, i Kafarà, i Amôsa,

27 i Rekema, i Jarefela, i Tarelà,

28 i Selà, i Elefa, i Jebosy, dia i Jerosalema izany, i Gabaata ary i Kariata: tanàna 14, sy ny zana-bohiny.

Categories
Jôsoe

Jôsoe 19

Ny fokon’i Simeôna

1 I Simeôna no nahazo ny anjara faharoa tamin’ny loka, dia ny fokon-taranak’i Simeôna, araka ny fianakaviany: ny lovany dia tao afovoan’ny lovan’ny taranak’i Jodà.

2 Ary izao no tao amin’ny lovany: i Bersabe, i Sabea, i Môladà,

3 i Hasersoala, i Balà, i Asema,

4 i Eltôladà, i Betola, i Harmà,

5 i Sikelega, i Bety-Harkabota, i Harsersosa,

6 i Bety-Lebaota, ary i Sarohena: tanàna 13 sy ny zana-bohiny.

7 I Aina, i Bemôna, i Atera, ary i Asàna: tanàna efatra sy ny zana-bohiny,

8 mbamin’ny zana-bohitra rehetra manodidina ireo tanàna ireo, hatrany Baalata-Beera, dia i Ramata atsimo. Izany no lovan’ny fokon-taranak’i Simeôna, araka ny fianakaviany.

9 Ny anjaran’ny taranak’i Jodà no nangalana ho lovan’ny taranak’i Simeôna, satria ny anjaran’ny taranak’i Jodà dia lehibe loatra ho azy ireo, ka tao afovoan’ny taniny no nahazoan’ny taranak’i Simeôna ny lovany.

Ny fokon’i Zabolôna

10 Ny taranak’i Zabolôna, araka ny fianakaviany, no nahazo ny anjara fahatelo tamin’ny loka, tonga hatrany Sarida ny faritry ny lovany,

11 niakatra niankandrefana mankany Meralà, ny faritra, nipaka tamin’i Dabaseta, nipaka tamin’ny ranon-driaka ao anoloan’i Jekônama.

12 Avy eo Sarida dia niolaka niantsinanana manandrify ny masoandro miposaka hatrany amin’i faritr’i Keseleta-Tabôro, nihatra hatrany Dabereta, ary niakatra hatrany Jafie.

13 Avy eo dia nihazo tamin’i Gata-Hefera sy Takasîna, any atsinanana, manandrify ny masoandro miposaka ary nihatra tamin’i Remôna izay mifanolotra amin’ny Nôà.

14 Dia niolaka ny faritry ny tany mianavaratra mankany Hanatôna, sy nihatra tamin’ny lohasaha Jeftahela.

15 Ny tanàna dia i Kateta, i Naalôla, i Semerona, i Jedalà, sy i Betlehema, tanàna 12sy ny zana-bohiny.

16 Izany no lovan’ny taranak’i Zabolôna, araka ny fianakaviany, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.

Ny fokon’i Isakara

17 I Isakara no nahazo ny anjara fahefatra tamin’ny loka; dia ny taranak’i Isakara, araka ny fianakaviany.

18 Ka ny faritry ny taniny dia i Jezraela Kasalôta, i Sonema,

19 i Hafaraïma, i Seôna, i Anaharata,

20 i Rabôta, i Kesiôna, i Abesy,

21 i Rameta, i En-Ganima, i En-Haddà, i Bety-Sefesa.

22 Ary ny faritry ny taniny dia nikasika ny tany Tabôra sy Sedesema ary Bety-Samesy, ka tafapaka hatrany Jordany, tanàna 16 sy ny zana-bohiny.

23 Izany no lovan’ny fokon’ny taranak’i Isakara araka ny fianakaviany, dia ny tanàna sy ny zana-bohiny.

Ny fokon’i Asera

24 Ny fokon-taranak’i Asera araka ny fianakaviany, no nahazo ny anjara fahadimy tamin’ny loka.

25 Ny faritry ny taniny dia i Halkata, i Kalì, i Betena, i Aksafa,

26 i Elmeleka, i Amaala sy i Mesaby; ary eo andrefana, dia nipaka tamin’i Karmela sy i Sihôra-Labànata,

27 dia niolaka mankany Bety-Dagôna, nipaka tamin’i Zabolôna sy ny lohasaha Jeftahela eo avaratr’i Bety-Emeka sy i Nahiela ary nihatra tamin’ny tanin’i Kabola, eo ankavia,

28 sy i Abrana, i Rohoba, i Hamôna ary i Kanà, hatrany Sidona lehibe,

29 dia niolaka ny faritry ny tany mankany Ramaha hatrany Tira, tanàna mimanda, ary niolaka ny faritra mankany Hosa, ka nihatra tamin’ny ranomasina, akaikin’ny faritanin’i Akziba,

30 fanampin’izany i Amà, i Afeka, ary i Rohoba; tanàna 22 sy ny zana-bohiny.

31 Izany no lovan’ny fokon-taranak’i Asera, araka ny fianakaviany, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.

Ny fokon’i Neftalì

32 Ny taranak’i Neftalì, araka ny fianakaviany, no nahazo ny anjara fahenina, tamin’ny loka.

33 Ny faritry ny taniny dia hatrany Helefa avy eo amin’ny aoka ao Saananima no nankany Adamy-Nekeba sy Jebnaela ka hatrany Lekoma, dia nihatra tao Jordany.

34 Niolaka niankandrefana any Azanôta-Tabôra ny faritra, ary avy ao dia nihatra tany Hokôkà, nipaka tamin’i Zabolôna eo atsimo, sy tamin’i Asera eo andrefana, ary tamin’i Jodà, teo akaikin’i Jordany, eo atsinanana.

35 Ny tanàna mimanda dia i Asedima, i Sera, i Emata, i Rekata, i Kenereta,

36 i Edemà, i Aramà, i Asora,

37 i Kedesy, i Edraïa, i En-Hasôra,

38 i Jerôna, i Magdalela, i Hôrema, Bet-Anata, ary Bety-Samesy; tanàna 19 sy ny zana-bohiny.

39 Izany no lovan’ny fokon-taranak’i Neftalì, araka ny fianakaviany, ny tanàna sy ny zana-bohiny.

Ny fokon’i Dana

40 Ny fokon-taranak’i Dana, araka ny fianakaviany, no nahazo ny anjara fahafito tamin’ny loka.

41 Izao no tao anatin’ny faritry ny lovany: i Saraà, i Estaôla, i Hira-Semesy,

42 i Selebima, i Ajalôna, i Jetela,

43 i Elôna, i Temnà, i Akrôna,

44 i Elteke, i Gebetôna, i Balaata,

45 i Jodà Bene-Baràka, i Geta-Remôna,

46 i Mejarkôna, ary i Arekôna, mbamin’ny faritany tandrifin’i Jôpe.

47 Nitatra ho eo ivelan’ny azy ireo ny faritanin’ny taranak’i Dana; fa niakatra niady tamin’i Lesema ny taranak’i Dana, ka nahafaka azy sy namely azy tamin’ny lelan-tsabatra, ka nahazo azy sy nanorim-ponenana tao, ary niantso azy hoe Dana, rain’izy ireo.

48 Izany no lovan’ny fokon-taranak’i Dana, araka ny fianakaviany, ny tanàna sy ny zana-bohiny.

49 Nony vitan’izy ireo ny fizaràna ny tany araka ny faritra mamaritra azy avy, dia nomen’ny zanak’i Israely lova, teo afovoan’izy ireo, i Jôsoe, zanak’i Nona.

50 Noho ny didin’i Iaveh dia nomen’izy ireo azy ny tanàna nangatahiny dia i Tamnata-Sare amin’ny tendrombohitr’i Efraima. Naoriny indray ny tanàna, dia nonina tao izy.

51 Ireo no lova nozarain’i Eleazara mpisorona, sy i Jôsoe zanak’i Nona, ary ny loham-pianakaviana amin’ny fokon’ny zanak’i Israely, tamin’ny filokana, tany Silô, teo anatrehan’i Iaveh, teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana. Izany no nanaperany ny fizaràna ny tany.

Categories
Jôsoe

Jôsoe 20

Ireo tanàna fialofana

1 Niteny tamin’i Jôsoe i Iaveh nanao hoe: «Mitenena amin’ny zanak’i Israely, ka lazao hoe:

2 Anendreo tanàna fialofanaianareo araka izay nandidiako anareo tamin’ny alalan’i Môizy,

3 hahazoan’ny mpanompo mandositra, dia izay nahafaty olona tsy nahy, fa tsy nahalala, ka hatao fialofana ho anareo tsy ho azon’ny mpamaly ra.

4 Handositra amin’ny anankiray amin’ireo tanàna ireo izay namono olona, dia hijanona eo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna, ka hanambara ny mahazo azy amin’ny loholon’izany tanàna izany, dia horaisin’ireo ho ao aminy ao an-tanàna izy, ka homeny trano mba hipetrahany eo amin’izy ireo.

5 Raha manenjika azy ny mpamaly ra, dia tsy hatolony ho eo an-tanany ny mpamono, satria tsy fahalalana no nahafatesany ny namany, fa tsy nankahala azy taloha izy.

6 Hitoetra amin’izany tanàna izany izay nahafaty olona, mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan’ny fiangonana, mandra-pahafatin’izay mpisorona lehibe amin’izany andro izany. Fa amin’izay dia hody ilay nahafaty olona ary hiverina any an-tanànany sy any an-tranony, dia any amin’ny tanàna nialany nandositra.»

7 Ny natokany dia i Kadesy any Galilea amin’ny tendrombohitr’i Neftalì; i Sikema amin’ny tendrombohitr’i Efraima, ary i Kariat-Arbe, dia i Hebrôna izany, amin’ny tendrombohitr’i Jodà.

8 Any an-dafin’i Jordany tandrifin’i Jerikô any atsinanana dia ireto no nofidiny: i Bosora, any an’efitra, any amin’ny tany lemaka, an’ny fokon-dRobena; i Ramôta, any Galaada, an’ny fokon’i Gada, ary i Gaolôna, any Basàna, an’ny fokon’i Manase.

9 Ireo no tanàna natokana ho an’ny zanak’i Israely rehetra, sy ny vahiny mitoetra eo aminy, hialofan’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin’ny tanan’ny mpamaly ra izy, alohan’ny hisehoany eo anatrehan’ny fiangonana.