Categories
Jôsoe

Jôsoe 21

Ireo tanànan’ny fokon’i Levỳ

1 Nanatona an’i Eleazara, mpisorona, sy i Jôsoe, zanak’i Nona ary ny loham-pianakaviana amin’ny fokon’ny zanak’i Israely, ny loham-pianakavian’ny Levita,

2 ka niteny tamin’izy ireo, tao Silô, amin’ny tany Kanaana, nanao hoe: «Didy nomen’i Iaveh an’i Môizy ny hanomezana tanàna honenanay sy ny tany manodidina azy ho an’ny bibinay.»

3 Dia izao no tanàna sy ny tany manodidina azy, nomen’ny zanak’i Israely, avy amin’ny lovany, ho an’ny Levita, araka ny didin’i Iaveh.

4 Ny fianakavian’ny Kaatita aloha no nanaovana ny loka, ka tanàna 13 tamin’ny fokon’i Jodà sy ny fokon’i Simeôna, ary ny fokon’i Benjamina no azon’ny taranak’i Aarôna, mpisorona, anisan’ny Levita, tamin’ny filokana,

5 ary tanàna 10 tamin’ny fianakaviana, fokon’i Efraima sy fokon’i Dana, ary antsasa-pokon’i Manase, no azon’ny taranak’i Kaata sisa, tamin’ny loka.

6 Tanàna 13, tamin’ny fianakaviana fokon’i Isakara sy fokon’i Asera ary fokon’i Neftalì, sy antsasa-pokon’i Manase, any Basàna, no azon’ny taranak’i Gersôna tamin’ny loka.

7 Tanàna 12 tamin’ny fokon-dRobena, sy fokon’i Gada, ary fokon’i Zabolôna, no azon’ny taranak’i Merarì, araka ny fianakaviany.

8 Ireo sy ny tany manodidina azy no nomen’ny zanak’i Israely tamin’ny loka, ho an’ny taranak’i Levỳ, araka ny didy nomen’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy.

Zara tanin’ny Kaatita

9 Ny tanàna nomeny avy tamin’ny fokon-taranak’i Jodà, sy fokon-taranak’i Simeôna, dia ireto voatondro amin’ny anarany avy;

10 dia ho an’ny taranak’i Aarôna, izay anisam-pianakavian’ny Kaatita amin’ny taranak’i Levì, fa izy ireo no nanaovana ny loka voalohany.

11 Dia nomeny azy, tao amin’ny tendrombohitr’i Jodà, ny tanànan’i Arbe, rain’i Enàka, dia i Hebrôna izany, ary ny tany manodidina azy.

12 Fa ny saha momba izany tanàna izany sy ny zana-bohiny kosa anefa dia nomeny an’i Kaleba, zanak’i Jefone, ho fananany.

13 Ny taranak’i Aarôna mpisorona dia nomeny ny tanàna fialofan’ny mamono olona, dia i Hebrôna sy ny manodidina azy, ary koa i Lebnà sy ny manodidina azy,

14 i Jetera sy ny manodidina azy, i Estemao sy ny manodidina azy,

15 i Hôlôma sy ny manodidina azy, i Dabira sy ny manodidina azy,

16 i Aina sy ny manodidina azy, i Jeta sy ny manodidina azy, i Betsamesy sy ny manodidina azy, tanàna sivy no azy amin’ireo foko roa ireo.

17 Ny avy amin’ny fokon’i Benjamina, dia i Gabaôna sy ny manodidina azy, i Gabaà sy ny manodidina azy,

18 i Anatôta sy ny manodidina azy, i Almôna sy ny manodidina azy, dia tanàna efatra.

19 Totalin’ny tanànan’ny mpisorona, taranak’i Aarôna, 13 omban’ny manodidina azy.

20 Ny amin’ny fianakavian’ny zanak’i Kaata izay Levita, dia ny zanak’i Kaata sisa kosa, dia tanàna avy amin’ny fokon’i Efraima, no azony tamin’ny loka.

21 Nomena azy i Sikema, tanàna fialofan’izay namono olona, mbamin’ny tany manodidina azy, amin’ny tendrombohitr’i Efraima;

22 ary koa i Gazera sy ny manodidina azy, i Kibsama sy ny manodidina azy, i Bety-Hôrôna sy ny manodidina azy: tanàna efatra.

23 Ny avy amin’ny fokon’i Dana, i Eltekao sy ny manodidina azy, i Gabatôna sy ny manodidina azy,

24 i Ajalôna sy ny manodidina azy; i Geta-Remôna sy ny manodidina azy: tanàna efatra.

25 Ny avy amin’ny antsasaky ny fokon’i Manase dia i Tanàka sy ny manodidina azy ary i Geta-Remôna sy ny manodidina azy: tanàna roa.

26 Folo no totalin’ny tanàna omban’ny manodidina azy no an’ny fianakavian’ny zanak’i Kaata sisa.

Zara tanin’ny taranak’i Gersôna

27 Izao no nomena ny taranak’i Gersôna, anisan’ny fianakavian’ny Levita: avy amin’ny antsasaky ny fokon’i Manase, ilay tanàna fialofan’izay namono olona, dia i Gaolôna, any Basàna, sy ny manodidina azy; ary koa i Bôsrà sy ny manodidina azy: tanàna roa.

28 Avy amin’ny fokon’i Isakara: i Kesiôna sy ny manodidina azy;

29 i Dabereta sy ny manodidina azy; i Jaramota sy ny manodidina azy, i En-Ganima sy ny manodidina azy: tanàna efatra.

30 Avy amin’ny fokon’i Asera: i Masàla sy ny manodidina azy, i Abdôna sy ny manodidina azy,

31 i Helkata sy ny manodidina azy, i Rohaba sy ny manodidina azy: tanàna efatra.

32 Avy amin’ny fokon’i Neftalì ilay tanàna fialofan’izay namono olona, i Kadesy any Galilea sy ny manodidina azy, i Kartàna sy ny manodidina azy, tanàna telo.

33 Totalin’ny tanànan’ny Gersônita, araka ny fianakaviany: tanàna 13 omban’ny manodidina azy.

Zara tanin’ny taranak’i Merarỳ

34 Izao no nomena ny fianakavian’ny taranak’i Merarỳ, Levita sisa; avy amin’ny fokon’i Zabolôna: i Jeknama sy ny manodidina azy; i Kartà sy ny manodidina azy;

35 i Damnà sy ny manodidina azy, i Naalôla sy ny manodidina azy: tanàna efatra.

36 Avy amin’ny fokon’i Gada: ilay tanàna fialofan’izay namono olona, dia i Ramôta avy any Galaada sy ny manodidina azy,

37 ary koa i Manaïma sy ny manodidina azy, i Hesebona sy ny manodidina azy, i Jazera sy ny manodidina azy: tanàna efatra izy rehetra.

38 Totalin’ny tanàna azon’ny taranak’i Merarì, araka ny fianakaviany tamin’ny loka, dia ny fianakavian’ny Levita sisa: tanàna 12.

39 Ny totalin’ny tanànan’ny Levita teo amin’ny fananan’ny zanak’i Israely dia 48 sy ny manodidina azy.

40 Samy manana ny tany manodidina azy avokoa ireo tanàna ireo; toy izany daholo ireo tanàna rehetra ireo.

Famaranana ny fizaràna tany

41 Dia nomen’i Iaveh an’i Israely avokoa izany, ny tany rehetra nianianany homena ny razany, ka nalain’izy ireo ho fananany sy nonenany.

42 Nampandry fahalemana azy tamin’ireo manodidina azy i Iaveh, araka ny efa nianianany tamin’ny razany, ka tsy nisy nahatoha azy ny fahavalony na dia iray aza, ary natolotr’i Iaveh teo an-tanany izy.

43 Tsy nisy foana akory, na dia iray aza, ny teny soa rehetra nolazain’i Iaveh tamin’ny taranak’i Israely, fa tanteraka avokoa.

Categories
Jôsoe

Jôsoe 22

Fampodiana any an-dafin’i Jordany

1 Dia nantsoin’i Jôsoe tamin’izay ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase,

2 ka hoy izy tamin’izy ireo: «Efa notovinareo ny zavatra rehetra nandidian’i Môizy mpanompon’i Iaveh anareo efa nohenoinareo tamin’izay rehetra nandidiako anareo ny feoko.

3 Tsy nandao ny rahalahinareo ianareo, hatramin’izay andro lava izay ka mandraka androany, ka nitandrina tsara ny didin’i Iaveh Andriamanitrareo.

4 Ary ankehitriny, efa nomen’i Iaveh Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinareo, araka ny efa nolazainy taminy; koa modia ary mankanesa any amin’ny lainareo, any amin’ny tany izay anareo, izay nomen’i Môizy mpanompon’i Iaveh anareo, any andafin’i Jordany.

5 Kanefa tandremo tsara ny hanaraka ny fitsipika aman-dalàna nandidian’i Môizy mpanompon’i Iaveh anareo, ka tiava an’i Iaveh Andriamanitrareo, mandehana amin’ny lalany rehetra, mitandrema ny didiny, miraiketa fo aminy, ary manompoa Azy amin’ny fonareo rehetra sy amin’ny fanahinareo rehetra.»

6 Dia nitso-drano azy ireo i Jôsoe ary nandefa azy, ka lasa nankany amin’ny lainy izy ireo.

7 I Môizy no nanome faritany, any amin’i Basàna, ho an’ny antsasaky ny fokon’i Manase, ary i Jôsoe kosa no nanome faritany ny antsasany sisa amin’ny rahalahiny atỳ an-dafin’i Jordany atỳ andrefana. Nony nampody azy ireo ho any an-dainy i Jôsoe dia nitso-drano azy,

8 ka nanao taminy hoe: «Hody eny an-dainareo ianareo, mitondrà harena be, biby fiompy sesehena, volafotsy, volamena, varahina, sy vy ary fitafiana be dia be, koa zarao amin’ny rahalahinareo ny babo azo avy tamin’ny fahavalonareo».

Nananganana ôtely teo amoron’i Jordany

9 Dia nandao ny zanak’i Israely tao Silô amin’ny tany Kanaana ny fokon-dRobena sy ny fokon’i Gada, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nody nankany amin’ny tany Galaada izay efa noraisiny ho zara taniny araka ny nandidian’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy.

10 Nony tonga teo amin’ny faritanin’i Jordany, izay anisan’ny tany Kanaana, ny tarana-dRobena, sy ny taranak’i Gada, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, dia nanorina ôtely teo amoron’i Jordany, ary lehibe no fijery izany ôtely izany.

11 Ren’ny zanak’i Israely, fa nisy nilaza hoe: «Indreo fa nanorina ôtely eo amin’ny faritanin’i Jordany, eo anoloan’ny tany Kanaana, amin’ny lafin-tanin’ny zanak’i Israely, ny tarana-dRobena, ny taranak’i Gada, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase.»

12 Nony nandre izany ny zanak’i Israely dia nivory tao Silô ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra mba hiakatra hamely azy sy hanafika azy.

Nomena tsiny ireo foko tany Atsinanana

13 Nirahin’ny zanak’i Israely ho any amin’ny tarana-dRobena sy ny taranak’i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, any amin’ny tany Galaada, i Finea zanak’i Eleazara mpisorona,

14 nomban’ny loholona folo lahy, dia loham-pokom-pianakaviana tamin’ny isan’arivon’i Israely.

15 Nony tonga tany amin’ny tarana-dRobena sy ny taranak’i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase any amin’ny tany Galaada izy ireo dia niteny taminy nanao hoe:

16 «Izao no lazain’ny fiangonan’i Iaveh rehetra: ‹Inona izato fahotana nataonareo tamin’ny Andriamanitr’i Israely, fa niala tamin’i Iaveh androany ianareo, tamin’ny nanorenanareo ôtely hiodinanareo amin’i Iaveh androany?›

17 Tsy ampy ho antsika va ny heloka tamin’i Fogôra, nefa mbola tsy nahadio tena ho afaka amin’izany isika mandraka androany, na dia efa nasian’ny loza aza ny fiangonan’i Iaveh,

18 no dia miodina miala amin’i Iaveh koa ianareo anio? Raha miodina amin’i Iaveh anefa anio, dia ho tezitra amin’ny fiangonan’i Israely rehetra Izy rahampitso.

19 Koa raha ny tany fanananareo no heverinareo ho maloto dia mankanesa any amin’ny tany izay fananan’i Iaveh, izay ipetrahan’ny fonenan’i Iaveh, ka monena any aminay; fa aza miodina amin’i Iaveh ary aza miodina aminay, amin’ny fanorenana ôtely hafa noho ny ôtelin’i Iaveh Andriamanitsika.

20 Moa tsy i Akànazanak’i Zare va no nanao fahotana, ny amin’ny zavatra natao anatema, moa tsy ny fiangonan’i Israely va no nipoahan’ny hatezeran’i Iaveh? Ka dia tsy izy irery no maty noho ny heloka nataony?»

Fanomezana rariny ireo foko tany an-dafin’i Jordany

21 Dia namaly ny tarana-dRobena ny taranak’i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, ka nanao tamin’ireo mpifehy isan’arivon’i Israely hoe:

22 «Ny Tsitoha Andriamanitra, i Iaveh, ny Tsitoha Andriamanitra i Iaveh: mahalala, ary i Israely koa hahalala raha fiodinana sy fivadihana amin’i Iaveh izany, dia aza mamonjy anay akory Ianao anio, ry Andriamanitra ô!

23 Raha ny hiala amin’i Iaveh no nanorenanay, sy ny hanatitra sorona dorana sy fanatitra ary ny hanao sorom-pihavanana eo amboniny, dia aoka hampamoahin’i Iaveh izany izahay.

24 Raha tsy tahotra ny hihatra aminay kosa no nanaovanay izany, fa hoy izahay: Indray andro any, ny taranakareo hilaza amin’ny taranakay hoe: Mifaninona akory moa ianareo sy i Iaveh Andriamanitr’i Israely?

25 I Jordany no faritra nataon’i Iaveh hanelanelana anay sy ianareo, ry tarana-dRobena sy taranak’i Gada, ka tsy manana anjara amin’i Iavehakory ianareo? Amin’izany ny taranakareo dia hampitsahatra ny taranakay tsy hatahotra an’i Iaveh;

26 ka nifampilaza izahay hoe: Andeha isika hanorina ôtely anankiray, tsy hanaterana sorona dorana, na sorona,

27 fa mba ho vavolombelona ho anay sy ianareo, sy ny fara mandimby antsika, fa izahay dia manompo an’i Iaveh eo anatrehany amin’ny sorona doranay, sy ny soronay, ary ny sorom-pihavananay, mba tsy hilazan’ny taranakareo amin’ny taranakay rahatrizay hoe: Tsy manana anjara amin’i Iaveh ianareo.

28 Ary hoy izahay: Raha avy izay hilazany amintsika na amin’ny taranatsika indray andro any, dia izao no havalintsika azy: Jereo ny endriky ny ôtelin’i Iaveh naorin’ny razanay, tsy hanaterana sorona, fa ho vavolombelona ho anay sy ianareo.

29 Koa lavitra anay izay hikomy amin’i Iaveh na hiala amin’i Iaveh anio, ka hanorina ôtely hanaterana sorona dorana, sy fanatitra ary sorona, afa-tsy ny ôtelin’i Iaveh Andriamanitsika, izay eo anoloan’ny fonenany.»

Niverina ny fifanarahana

30 Nony ren’i Finea, mpisorona sy ny lohan’ny fiangonana, mpifehy ny isan’arivon’i Israely izay niaraka taminy ny teny nolazain’ny tarana-dRobena, sy ny taranak’i Gada ary ny taranak’i Manase dia afa-po izy ireo.

31 Ary hoy i Finea zanak’i Eleazara mpisorona tamin’ny tarana-dRobena sy ny taranak’i Gada ary ny taranak’i Manase: «Fantatray izao fa eto afovoantsika i Iaveh, satria tsy nanao izany fahotana izany tamin’i Iaveh ianareo; koa amin’izany, dia efa nanafaka ny zanak’i Israely tamin’ny tanan’i Iavehianareo.»

32 Dia nandao ny tarana-dRobena sy ny taranak’i Gada, i Finea, zanak’i Eleazara mpisorona sy ny loholona, ka niverina, avy amin’ny tany Galaada, ho any amin’ny tany Kanaana, ao amin’ny zanak’i Israely, ka nanao ny filazany tamin’izy ireo.

33 Sitraky ny zanak’i Israely izany zavatra izany, ka nisaotra an’Andriamanitra izy, ary tsy nihevitra intsony izay hiakatra amin’ireny mba handrava ny tany nonenan’ny tarana-dRobena sy ny taranak’i Gada.

34 Nomen’ny tarana-dRobena sy ny taranak’i Gada anarana hoe: «Ed» ilay ôtely, satria io, hoy izy, no vavolombelona amintsika roa tonta fa i Iaveh no Andriamanitra.

Categories
Jôsoe

Jôsoe 23

Fintinin’i Jôsoe ny asany

1 Efa ela no nanomezan’i Iaveh fitsaharana an’i Israely, sy nanafahany azy tamin’ny fahavalony rehetra amin’ny manodidina, ka efa zokiolona sy nandroso fahanterana i Jôsoe.

2 Koa nantsoin’i Jôsoe avokoa i Israely rehetra, ny loholony, ny lehibeny, ny mpitsara azy, ary ny manamboninahiny, ka hoy izy taminy:

«Efa zokiolona sy mandroso fahanterana aho.

3 Efa hitanareo izay rehetra nataon’i Iaveh Andriamanitrareo tamin’ny firenena rehetra teo anoloanareo, fa i Iaveh Andriamanitrareo no niady ho anareo.

4 Indro efa nozaraiko taminareo mba ho lova ho an’ny fokonareo, tamin’ny filokana, ireo firenena izay mbola eo ihany sy ireo rehetra efa nofongorako hatrany Jordany ka hatrany amin’ny ranomasin-dehibe any andrefana any.

5 I Iaveh Andriamanitrareo hampandositra ireny eo anoloanareo sy handroaka azy eo anoloanareo, ka ho lasanareo ny taniny, araka ny efa voalazan’i Iaveh Andriamanitrareo taminareo».

Ny tokony ho fitondran-tena eo anivon’ny hafa firenena

6 Koa misehoa ho be herim-po amin’ny fitandremana amam-panarahana izay rehetra eo amin’ny bokin’ny lalàn’i Môizy, fa aza mivily na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia;

7 aza miharo amin’ireo firenena izay mbola tavela eo aminareo, aza miantso ny anaran’izay andriamanitr’ireo na mianiana na miankohoka eo anoloan’ireny ianareo,

8 fa miraiketa amin’i Iaveh Andriamanitrareo, araka ny nataonareo mandraka androany.

9 Firenena lehibe sy mahery no noroahin’i Iaveh teo anoloanareo, ka tsy nisy olona nahatoha anareo mandraka androany.

10 Iray taminareo no nanenjika arivo fa i Iaveh Andriamanitrareo no niady ho anareo, araka ny efa voalazany taminareo.

11 Koa mitandrema tena ianareo hitiavanareo an’i Iaveh Andriamanitrareo.

12 Fa raha mivily ianareo, ka miray amin’ireo firenena sisa tafatoetra eo aminareo sy mifanambady amin’izy ireo, ianareo miharo aminy izy miharo aminareo,

13 dia fantaro tsara fa tsy hotohizan’i Iaveh Andriamanitrareo ny fandroahana ireo firenena ireo eo anoloanareo; ka ho harato amam-pandrika ho anareo ireo, ary ho rotsakazo amin’ny lanivoanareo, mandra-pahalàny ritra anareo tsy ho eo amin’ity tany soa, nomen’i Iaveh Andriamanitrareo anareo ity.

14 Ary inty aho, efa handeha amin’ny falehan’ny tany rehetra, koa fantaro amin’ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra, fa tsy misy foana akory na dia iray aza, ny teny rehetra nolazain’i Iaveh ny aminareo; tanteraka avokoa ho anareo izany, tsy nisy latsaka na dia iray aza.

15 Koa toy ny nahatanterahan’ny teny soa rehetra nolazain’i Iaveh Andriamanitrareo taminareo no hanatanterahan’i Iaveh eo aminareo koa ny teny fandrahonana rehetra mandra-paharinganareo, tsy ho amin’ity tany soa nomen’i Iaveh Andriamanitrareo anareo.

16 Raha mandika ny faneken’i Iaveh Andriamanitrareo izay nandidiany anareo ianareo ka mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anoloan’ireny dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’i Iaveh, ka vetivety dia ho lany ringana tsy ho eo amin’ny tany soa nomeny anareo ianareo.

Categories
Jôsoe

Jôsoe 24

Fampahatsiarovana ny fiantsoana an’i Israely

1 Novorin’i Jôsoe, tao Sikema, ny fokon’i Israely rehetra; nantsoiny avokoa ny loholon’i Israely, ny lehibeny, ny mpitsarany ary ny manamboninahiny; ka niseho teo anatrehan’i Iaveh izy ireo:

2 dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka rehetra. Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Taloha dia tany an-dafin’ny ony no nonenan’ny razanareo, Tare rain’i Abrahama sy rain’i Nakôra, ary andriamani-kafano notompoin’izy ireo.

3 Nalaiko tany an-dafin’ny ony i Abrahama razanareo ary nentiko ho amin’ny tany Kanaana rehetra; nampitomboiko taranaka, ary nomeko an’i Isaaka izy.

4 I Isaaka dia nomeko an’i Jakôba sy ny zanany nidina nankany Ejipta.

5 Taorian’izany dia nirahiko i Môizy sy i Aarôna ary nasiako i Ejipta araka izay nataoko teo afovoany; ary raha efa izany dia nentiko nivoaka ianareo.

6 Nentiko nivoaka avy tany Ejipta ny razanareo, ka tonga teo amin’ny ranomasina ianareo. Ny Ejiptianina an-kalesy sy ny an-tsoavaly nanenjika ny razanareo, hatreo amin’ny Ranomasina Mena.

7 Velon-taraina tamin’i Iaveh izy ireo, ka nasian’i Iaveh haizina teo anelanelanareo sy ny Ejiptianina, nakatony tamin’izy ireny ny ranomasina ka nanafotra azy, ary masonareo no nahita izay nataoko tany Ejipta; dia nitoetra ela tany an’efitra ianareo.

8 Nentiko ho any amin’ny tanin’ny Amôreana izay monina any an-dafin’i Jordany ianareo, ka niadian’ireny. Natolotro teo an-tananareo izy, nahazo ny taniny ianareo, ary naringako teo anoloanareo izy.

9 Nitsangana i Balàka, zanak’i Sefôra, mpanjakan’i Moaba, ka niady tamin’i Israely; nampiantso an’i Balaama zanak’i Beôra izy hanozona anareo.

10 Fa tsy nety nihaino an’i Balaama aho, ka nitso-drano anareo izy, dia voavonjiko tamin’ny tanan’i Balàka ianareo.

11 Nita an’i Jordany ianareo, dia tonga tao Jerikô; niady taminareo ny mponina tao Jerikô, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Gergeseanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina; ka natolotro teo an-tananareo ireny.

12 Nalefako teo alohanareo ny fanenitra izay nandroaka an’ireny teo anoloanareo, mbamin’ny mpanjaka roa tamin’ny Amôreana: tsy tamin’ny sabatra aman-tsipìkanareo no nahatanterahan’izany.

13 Nomeko tany tsy nasainareo ianareo sy tanàna tsy naorinareo, ary monina ao, tanimboaloboka aman’ôliva izay tsy nambolenareo, ka mihinana ny vokany ianareo.

I Israely mifidy an’i Iaveh

14 Koa matahora an’i Iaveh ary manompoa Azy amim-pahitsiana sy fahamarinana; ario ny andriamanitra notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny ony sy tany Ejipta, ka manompoa an’i Iaveh.

15 Raha tsy sitrakareo kosa ny hanompo an’i Iaveh dia fidionareo anio izay tianareo hotompoina, na ny andriamanitra notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny ony; na ny andriamanitry ny Amôreana izay onenanareo ny taniny. Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo an’i Iaveh.

16 Dia namaly ny vahoaka, ka nanao hoe: Lavitra anay izay handao an’i Iaveh ka hanompo andriamani-kafa.

17 Fa i Iaveh Andriamanitsika no nampiakatra antsika mbamin’ny razantsika avy tany amin’ny tany Ejipta, amin’ny trano fanandevozana azy nanao ireo fahagagana lehibe teo imasontsika, ary niaro antsika tamin’ny lalana nalehantsika sy tamin’ny firenena rehetra nandalovantsika.

18 I Iaveh nandroaka ny vahoaka rehetra sy ny Amôreana nonina tamin’ity tany ity. Izahay koa hanompo an’i Iaveh fa Andriamanitsika Izy.

19 Dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka: «Tsy mahatompo an’i Iaveh ianareo, fa Izy dia Andriamanitra masina, Andriamanitra saro-piaro; tsy hamela ny fahadisoana amam-pahotanareo.

20 Raha mahafoy an’i Iaveh ianareo, ka manompo andriamani-kafa dia hifotitra Izy sy hampahory anareo ary handringana anareo, Izy izay efa nanao soa anareo».

21 Fa hoy ny vahoaka tamin’i Jôsoe: «Tsia, fa hanompo an’i Iaveh izahay.»

22 Ka hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka: «Vavolombelona amin’ny tenanareo ianareo, fa nifidy an’i Iaveh hotompoina.» Hoy ny navaliny: «Vavolombelon’izany izahay.»

23 «Ario àry amin’izao ny andriamani-kafa eo aminareo, ary avereno amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely ny fonareo.»

24 Ka hoy ny vahoaka tamin’i Jôsoe: «I Iaveh Andriamanitsika no hotompoinay, ary ny feony no hohenoinay.»

Fifanekena tao Sikema

25 Nanao fanekena tamin’ny vahoaka i Jôsoe tamin’izany andro izany ka nanome didy aman-dalàna azy ireo tao Sikema.

26 Nosoratan’i Jôsoe tamin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra ireo teny ireo. Naka vato lehibe izy, ka natsangany teo ambanin’ny oaka, teo amin’ny fitoerana voatokana ho an’i Iaveh.

27 Dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka rehetra: «Indro ity vato ity no ho vavolombelona amintsika, fa efa nandre ny teny rehetra nolazain’i Iaveh tamintsika io; ho vavolombelona aminareo koa io, mba tsy handavanareo ny Andriamanitrareo.»

28 Dia nampodin’i Jôsoe ny vahoaka samy ho any amin’ny lovany avy.

Ny nahafatesan’i Jôsoe

29 Nony afaka izany dia maty i Jôsoe, zanak’i Nona, mpanompon’i Iaveh, tamin’ny faha 110n’ny taonany.

30 Nalevina tao amin’ny faritany azony ho zara taniny izy; dia tao Tamnata-Sare, amin’ny tendrombohitr’i Efraima avaratry ny tendrombohitra Gaasa.

31 I Israely nanompo an’i Iaveh, tamin’ny andro rehetra niainan’i Jôsoe, sy tamin’ny andro rehetra niainan’ireo loholona, velona taorian’i Jôsoe, izay nahalala ny asa rehetra nataon’i Iaveh nanambinany an’i Israely.

Ny nahafatesan’i Eleazara.

32 Ary ny taolan’i Josefa, izay nentin’ny zanak’i Israely avy tany Ejipta, dia nalevina tao Sikema, amin’ilay saha novidin’i Jakôba, nomeny zato kesitasy, tamin’ny taranak’i Hemora, rain’i Sikema, ary tonga fananan’ny taranak’i Josefa ny taolany.

33 Dia maty i Eleazara zanak’i Aarôna, ka nalevina tao Gabaà, tanànan’i Finea zanany, izay nomena azy ao amin’ny tendrombohitr’i Efraima.