Categories
Kôlôsianina

Kôlôsianina 1

Fiarahabana

1 Izaho Paoly Apôstôlin’i Jesoa Kristy, noho ny sitrapon’Andriamanitra, sy i Timote havana,

2 mamangy ny olona masina sy ny mpino havana ao amin’i Kristy Jesoa, any Kôlôsy:

3 ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika!

Fisaorana an’Andriamanitra sy vavaka

Tsy tapaka ny misaotra an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika izahay, amin’ny fivavahana ataonay ho anareo,

4 hatramin’ny nandrenesanay ny finoanareo an’i Kristy Jesoa sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,

5 noho ny fanantenanareo ny valisoa miandry anareo any an-danitra, araka ny renareo tamin’ny teny marin’ny Evanjely.

6 Ny Evanjely efa tonga atỳ aminareo, dia tonga amin’izao tontolo izao mihitsy, sady vokatra sy mitombo toy ny atỳ aminareo koa, hatramin’ny andro nandrenesanareo azy sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan’Andriamanitra ao anatin’ny marina,

7 araka ny fampianarana noraisinareo tamin’i Epafrasy, izay namanay malalanay amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, sy mpandraharahan’i Kristy mahatoky tokoa, ao aminareo.

8 Izy no nandrenesanay ny fitiavanareo ara-panahy.

9 Koa hatramin’ny andro nandrenesanay izany, dia tsy tapaka ny mivavaka ho anareo izahay; ary izao no angatahinay: mba hofenoina ny fahalalana tsara ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina rehetra ara-panahy ianareo,

10 ka handeha mendrika ny Tompo, sy mahafa-po Azy amin’ny zavatra rehetra; mba hahavokatra amin’ny asa soa rehetra ianareo, sady hitombo fahalalana an’Andriamanitra,

11 mba hampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny fahefany be voninahitra ianareo, ka handefitra ny zavatra rehetra amim-paharetana sy an-kafaliana;

12 ary misaotra ny Ray Izay nahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olo-masina any amin’ny mazava,

13 tamin’Izy nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina, ka namindra antsika ho ao amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany,

14 dia Izy kosa no ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika.

Fahambonian’i Kristy tapitra ohatra

15 Izy no endrik’ilay Andriamanitra tsy hita; Izy no teraka talohan’izao voaary rehetra izao;

16 tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fiamboniana, na fifehezana, na fahefana; taminy sy ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra.

17 Izy no talohan’ny zavatra rehetra, ary ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra.

18 Izy no Lohan’ny tena, izany hoe ny Eglizy; Izy no voalohany, dia ny voalohan-teraka tamin’ny maty, mba ho Loha amin’ny zavatra rehetra Izy;

19 satria ao aminy no sitraky ny Ray hitoeran’ny hafenoana rehetra;

20 ary tamin’ny alalany no tiany hampihavanana ny zavatra rehetra aminy indray, rehefa nampihavaniny tamin’ny Rany teo amin’ny Hazofijaliana, dia tamin’ny Tenany, na ny etỳ an-tany na ny any an-danitra.

Nomena anjara amin’ny famonjena ny Kôlôsianina

21 Ianareo koa fahiny, dia lavitra Azy sy fahavalony, tamin’ny hevitra aman’asa ratsinareo,

22 fa ankehitriny kosa dia nampihavaniny amin’ny Tenany nofo tamin’ny nahafatesany, mba hatsangany masina sy madio ary tsy manan-tsiny eo anatrehany,

23 raha tahiny ianareo maharitra sy miorina mafy amin’ny fanantenana avy amin’ny Evanjely, izay efa renareo sy notorina taminareo ary nanendrena ahy, Paoly, ho mpandraharaha.

Fisasaran’i Paoly tamin’ny Jentily

24 Ary ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako fahoriana ho anareo aho, fa mameno ao amin’ny nofoko izay tsy ampy amin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny Tenany, dia ny Eglizy;

25 fa voatendry ho mpandraharaha Azy aho noho ny nanomezan’Andriamanitra ahy ny fiadidiana anareo, mba hitoriako ny tenin’Andriamanitra an-tsakany sy an-davany,

26 dia ilay hevi-miafina tsy nambara taloha hatramin’ny taranaka maro nifandimby, fa naseho kosa ankehitriny tamin’ny olona masina,

27 dia ireo tian’Andriamanitra ho nampahafantarina ny maha-sarobidy amin’ny Jentily ny voninahitr’izany hevi-miafina izany, dia i Kristy fanantenana ny voninahitra ho anareo.

28 Izy no torinay, ary ny olon-drehetra samy ampandrenesinay sy ampianarinay avokoa araka ny fahendrena rehetra mba hahatongavanay ny olon-drehetra ho lavorary ao amin’i Kristy Jesoa;

29 ary izany indrindra no iasako sy iadiako mafy, araka ny heriny izay iasàny fatratra ato amiko.

Categories
Kôlôsianina

Kôlôsianina 2

Fiahian’i Paoly ny finoan’ny Kôlôsianina

1 Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin’ny ady iadiako ho anareo sy ho an’ny any Laodisea mbamin’izay rehetra mbola tsy nahita maso ahy,

2 mba hahafaka alahelo ny fon’izy ireo, sy hiraisany fatratra amin’ny fitiavana ary hananany fieken-tsaina mazava tsara, ka hahalala ny hevi-miafin’Andriamanitra izy, dia i Kristy,

3 Izay iafenan’ny rakitry ny fahendrena amam-pahalalana rehetra.

4 Izaho no milaza izany aminareo, dia ny mba tsy hahavoafitaka anareo amin’ny fandrebireben’ny sasany:

5 fa na dia tsy atỳ aminareo amin’ny vatana aza aho, dia atỳ aminareo amin’ny fanahy ihany, ka faly mijery izato filaminanareo sy hamafin’ny finoanareo an’i Kristy.

Miaina araka ny tena finoana an’i Kristy

fa tsy araka izay fampianaran-diso foana

6 Araka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesoa Tompo àry, no aoka handehananareo ao aminy koa.

7 ka hamàka tsara sy hiorina ao aminy, ary hohamafisin’ny finoana sy handroso hatrany hatrany amim-pisaorana Azy.

8 Mitandrema fandrao dia lasan-ko babon’ny sasany, amin’izany hoe fahaizan-dalina, izay famitahana foana, avy amin’ny hevitr’olombelona sy araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.

I Kristy irery no Filoha tokan’ny olombelona sy ny Anjely

9 Ao aminy anefa no itoeran’ny hafenoan’ny fomban’Andriamanitra an-davany sy an-tsakany;

10 ao aminy no anananareo ny zavatra rehetra, fa Izy no lohan’izay rehetra mety ho fanapahana sy fahefana;

11 tao aminy no namoràna anareo tamin’ny famorana tsy nataon-tanana, izay manala ny tena nofo, dia tamin’ny famoràn’i Kristy;

12 fa niara-nilevina taminy ianareo tamin’ny Batemy, ary niara-nitsangana taminy tamin’ny Batemy ihany koa, noho ny finoanareo ny herin’Andriamanitra izay nanangana Azy ho velona.

13 Koa ianareo izay matin’ny fahotanareo sy ny tsy fiforàn’ny vatanareo, dia novelomin’Andriamanitra niaraka taminy indray, nony efa navelany ny fahotantsika rehetra.

14 Fa novonoinyny sora-tanan’ny didy niampanga antsika sy namely antsika, sady nesoriny tsy hisy intsony aza izany, tamin’ny nanohomboany Azy tamin’ny Hazofijaliana;

15 ary naongany ny fifehezana sy ny fahefana, sady nasehony miharihary ho fizàhan’ny olona ka nampombainy ny mpandresy tao amin’ny Hazofijaliana.

Halavirina ny famolahan-tena fitak’izao tontolo izao

16 Koa aoka ianareo tsy hotsarain’olona ny amin’ny fihinana amam-pisotro, na ny amin’ny andro fety aman-tsinam-bolana, na ny amin’ny andro sabata,

17 satria aloky ny zavatra ho avy fotsiny ireny, fa ao amin’i Kristy ny tena zavatra.

18 Aoka ianareo tsy ho voasakan’olona tsy hahazo ny lokan’ady, amin’ny fitaomana anareo ho amin’ny fanetren-tena tsy izy, sy amin’ny fanompoana ny Anjely, dia olona mitompo amin’ny zavatra hitany, hono, sady feno fiavonavonana erỳ ao amin’ny fisainany manaraka ny nofo,

19 nefa olona tsy mikambana amin’ny Loha, Izay iveloman’ny tena manontolo, sy iraisany tsara amin’ny hozatra amam-pamavàny, ka ahazoany ny fitomboana tian’Andriamanitra homena azy.

20 Raha niara-maty tamin’i Kristy ny amin’ireny abidim-pianaran’izao tontolo izao ireny àry ianareo, nahoana no hoatra ny mbola velona amin’izao tontolo izao ihany, ka mety hodidiana foana hoe:

21 «Aza mandray! Aza manandrana! Aza manendry!»

22 Nefa zavatra manjary levona foana avokoa amin’ny fomba fampiasana azy fotsiny izany zavatra rehetra izany! – Eisy! didy sy fampianaran’olombelona foana izany;

23 sady toa misy fahendrena no fijery azy, raha araka izato fombam-panompoana noforoniny, sy izato fanetrena amam-panivàna ny tena asehony, kanjo tsy misy na inona na inona akory, fa fampanaranana ny nofo foana no tadiavina aminy.

Categories
Kôlôsianina

Kôlôsianina 3

Ny fiombonana amin’i Kristy efa any an-danitra,

fototry ny fiainam-baovao

1 Koa raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho;

2 ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany.

3 Fa maty ianareo, ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo;

4 fa rehefa hiseho i Kristyizay fiainantsika, vao hiara-miseho aminy amim-boninahitra koa ianareo

Fitsipi-piainana kristianina ankapobeny

5 Koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo, dia ny an’ny etỳ an-tany, izany hoe: ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fahavetavetana, ny fanirian-dratsy, ary ny filàn-dratsin’ny nofo izay fanompoan-tsampy;

6 fa izany rehetra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitraamin’ny zanaky ny tsy finoana;

7 niara-nandeha tamin’ireny koa ianareo taloha fony ianareo nanaraka izany fiainana izany.

8 Fa ankehitriny kosa, ario koa izao zavatra izao: dia fahatezerana, fahavinirana, fahasomparana, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra aloaky ny vavanareo;

9 aza mifandainga ianareo.

Fa efa narianareo ny olombelona talohambamin’ny asany,

10 ary efa notafinareo ny olom-baovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana lavorary araka ny endrik’Ilay nahary azy,

11 ka tsy mahalala intsony izay hoe Jentily na Jody, voafora na tsy voafora, barbarianina na Sita, mpanompo na olona afaka, fa izao ihany: i Kristy no zavatra rehetra ao amin’izy rehetra.

12 Olom-boafidin’Andriamanitra àry ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana.

13 Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa.

14 Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.

15 Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray; ary hahay mankasitraka anie ianareo.

16 Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina.

17 Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amin-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.

Fitsipi-piainana kristianina ao an-tokantrano

18 Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka ny mety ao amin’ny Tompo.

19 Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo, ary aza sosotsosotra aminy.

20 Ianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra, fa ankasitrahin’ny Tompo izany.

21 Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fandrao dia mamoy foy izy.

22 Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ny zavatra rehetra, tsy eo imasony ihany, toy ny mpila sitraka amin’olombelona, fa amim-pahatsoram-po sy amim-pahatahorana ny Tompo.

23 Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo tokoa, toy ny amin’ny Tompo, fa tsy amin’olombelona,

24 satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny valiny, dia ny lova any an-danitra; koa manompoa an’i Kristy Tompo ianareo.

25 Sady izay manao ny tsy marina anie, ka handray araka ny tsy marina nataony e! fa tsy mba misy fizahan-tavan’olona.

Categories
Kôlôsianina

Kôlôsianina 4

1 Ianareo tompo, manaova ny marina sy ny mety amin’ny mpanomponareo; fa fantatrareo fa manan-Tompo any an-danitra koa ianareo.

Toe-tsain’apôstôly

2 Mahareta amin’ny fivavahana; ataovy amim-piambenana sy fisaorana izany.

3 Ary mangataha koa ho anay, mba hamohan’Andriamanitra varavarana hitorianay teny, sy hanambaràko ny zava-miafina ny amin’i Kristy, izay hany ifatorako izao,

4 ary hampahafantarako Azy araka ny tokony hilazako Azy.

5 Mahaiza mitondra tena amin’izay eo ivelany; ary mahaiza manararaotra ny fotoana.

6 Aoka ny fiteninareo ho mahatehotia mandrakariva, sy ho mamy sira, dia ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra tsirairay avy.

Vaovao momba ny tenany

7 Ny amin’ny zavatra rehetra momba ahy, dia i Tisìko, namana malala, sy mpandraharaha mahatoky, ary mpiara-manompo amiko ao amin’ny Tompo, hampahafantatra izany aminareo;

8 fa ny handrenesanareo ny toetray indrindra, sy ny hanafaka alahelo ny fonareo no nanirahako azy ho atỳ aminareo.

9 I Onesimo, rahalahy malala sy mahatoky, izay avy atỳ aminareo koa, dia miaraka aminy; ka dia izy roa lahy no hampahalala anareo ny zavatra rehetra atỳ.

Veloma sy firariana farany

10 Manao veloma anareo i Aristarka, mpiara-mifatotra amiko, sy i Marka, zanak’anabavin’i Barnabe (efa nahazo didy ny amin’izany ianareo, ka raiso tsara izy raha tonga atỳ aminareo).

11 Manao veloma anareo koa i Jesoa ilay atao hoe Jostosy: izy telo lahy ireo no hany voafora amin’izay miara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra; nanafaka alahelo ahy fatratra ireo.

12 Manao veloma anareo i Epafrasy, mpanompon’i Kristy, avy atỳ aminareo; miady ho anareo mandrakariva izy amin’ny fivavahany, mba ho lavorary sy hatoky tsara ianareo ka hitoetra mafy amin’izay rehetra mety ho sitrapon’Andriamanitra;

13 izaho no vavolombelona fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an’ny any Laodisea ary ho an’ny any Hierapôlisy izy.

14 Manao veloma anareo i Lioka malala, dokotera, sy i Demasy.

15 Veloma any amin’ny havana iray finoana any Laodisea sy any amin’i Nimfa mbamin’ny Eglizy ao an-tranony.

16 Rehefa voavaky atỳ aminareo ity taratasy ity, asaovy vakìny any amin’ny Eglizy any Laodisea koa; dia hovakinareo kosa ilay avy any Laodisea.

17 Lazao amin’i Arkipo izao: «Tandremo ny fandraharahana noraisinao tao amin’ny Tompo, mba hahatanterahanao azy tsara.»

18 Veloma, hoy izaho Paoly, amin’ity sora-tanako ity. Tsarovy ny fifatorako. Ho ao aminareo anie ny fahasoavana. Amen.