Categories
Levitika

Levitika 1

Ny sorona dorana

1 Ary i Iaveh niantso an’i Môizy ka niteny taminy tao an-trano lay fihaonana, nanao hoe:

2 Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy aminareo hanao fanatitraamin’i Iaveh dia biby fiompy no ataovy, na ny vaventy na ny madinika.

3 Raha biby vaventy no aterina ho sorona dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; ka eo anoloan’ny trano lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahina eo anatrehan’i Iaveh.

4 Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona dorana izy, dia horaisina izany mba ho soa ho azy, mba hanaovana fanonerana ho azy.

5 Izy no hamono ny vantotr’ombalahy eo anatrehan’i Iaveh; ary ireo mpisorona zanak’i Aarôna kosa, hanolotra ny ra sy handraraka azy manodidina eo ambonin’ny ôtely izay ao amin’ny fidirana amin’ny trano lay fihaonana.

6 Endahana ny sorona dorana dia raisina ho didiny.

7 Ary hanisy afo eo ambony ôtely ny zanak’i Aarôna mpisorona sy hanohoka kitay hazo eo ambonin’ny afo;

8 izay vao halahatry ny mpisorona zanak’i Aarôna eo ambonin’ny kitay hazo, eo amin’ny afo, ny didin-kena mbamin’ny lohany sy ny momba ny atiny rehetra.

9 Sasana amin’ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia indray doran’ny mpisorona hanetona eo ambony ôtely avokoa izy rehetra. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.

10 Raha biby madinika no ataony fanatitra, zanak’ondry na osy hatao sorona dorana, dia izay lahy tsy misy kilema no hateriny,

11 dia hovonoiny izy io eo amin’ny lafiny avaratry ny ôtely, eo anatrehan’i Iaveh, ary ny mpisorona zanak’i Aarôna handraraka ny ra manodidina eo ambonin’ny ôtely.

12 Horasaina araka ny didiny izy, mbamin’ny lohany sy ny momba ny atiny rehetra, dia halahatry ny mpisorona eo ambony kitay hazo voatohoka eo amin’ny afon’ny ôtely.

13 Hosasany amin’ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia indray hatolotry ny mpisorona sy hodorany hanetona eo ambony ôtely avokoa izy rehetra. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.

14 Raha vorona hatao sorona dorana no ateriny amin’i Iaveh, dia domohina na vanto-boromahailala no hateriny.

15 Hoentin’ny mpisorona eo amin’ny ôtely ny vorona, ka hofolahiny amin’ny hohony ny lohany, dia hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely, ary hofiazany amin’ny rindrin’ny ôtely ny rany.

16 Hoesoriny ny takorobabony mbamin’izay rehetra maloto eo aminy, dia hariana eo akaikin’ny ôtely amin’ny atsinanany, eo amin’ny fitoeran-davenona.

17 Izay vao hosamahiny amin’ny elany ny vorona, tsy hatao hentitra, dia hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny kitay hazo voatohoka amin’ny afo. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.

Categories
Levitika

Levitika 2

Ny fanatitra

1 «Raha misy olona manolotra zavatra amin’i Iaveh hatao fanatitra, dia lafarina tsara indrindra no hateriny, ka horarahany diloilo eo amboniny sy hampiany emboka.

2 Hoentiny amin’ny mpisorona zanak’i Aarôna izany, dia angalan’ny mpisorona eran-tanana ila miaraka amin’ny lafarina tsara indrindra voararaka diloilo ny emboka rehetra, ka hodorana hanetona eo ambonin’ny ôtely izany, ho fahatsiarovana. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.

3 Izay sisa amin’ny fanatitra dia ho an’i Aarôna sy ny zanany; zava-masina dia masina amin’ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh izany.»

4 «Raha zavatra endin-dafaoro no atolotrao ho fanatitra, dia ho mofo mamy vita amin’ny lafarina tsara indrindra tsy misy lalivay, voadity amin’ny diloilo, sy mofo manify, tsy misy lalivay, voararaka diloilo.»

5 «Ary raha mofo endin-dapoaly no atolotrao ho fanatitra, dia mofo lafarina tsara indrindra voadity amin’ny diloilo, tsy misy lalivay.

6 Hovakinao ho tapatapany izy, dia horarahanao diloilo; fanatitra izany.

7 Raha mofo mamy nandrahoina tamin’ny kasirôlina no atolotrao ho fanatitra dia hatao amin’ny lafarina tsara indrindra miharo diloilo.

8 Hoentinao ho ao amin’i Iaveh ny fanatitrao, rehefa voavoatra toy izany; ary rehefa voatolotra amin’ny mpisorona izy, dia hoentiny ao amin’ny ôtely.

9 Havahan’ny mpisorona izay tsy maintsy aterina ho fahatsiarovana, dia hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely; sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.

10 Izay sisa amin’ny fanatitra dia ho an’i Aarôna sy ny zanany; fa zava-masina dia masina amin’ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.»

11 «Ny fanatitra rehetra aterinao ho an’i Iaveh dia amboarina tsy asiana lalivay; fa tsy azonareo dorana hanetona ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh rehefa zavatra misy lalivay na tantely.

12 Fa azonareo atolotra an’i Iaveh ho fanatitra voaloham-bokatra izany; nefa tsy hisy apetraka eo ambonin’ny ôtely ho fanatitra misy hanitra ankasitrahina.

13 Asiana sira avokoa ny fanatitra aterinao; aza avela tsy hisy siran’ny fanekem-pihavanan’ny Andriamanitrao ny fanatitrao: hanolotra sira ao amin’ny fanatitrao rehetra ianao.»

14 «Raha fanatitra atao santa-bokatra no entinao amin’i Iaveh, dia salohim-bary voaendy amin’ny afo, lango voatoto, no haterinao ho fanatitra hatao santa-bokatrao.

15 Handrarahanao diloilo eo amboniny ary hampianao emboka; fanatitra izany.

16 Ny sasany amin’ny vary voatoto sy ny diloilo ary ny emboka rehetra, dia hodoran’ny mpisorona hanetona ho fahatsiarovana. Sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh izany.»

Categories
Levitika

Levitika 3

Sorona fihavanana

1 «Raha misy olona manatitra sorom-pihavananaka biby vaventy, lahy na vavy, no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan’i Iaveh.

2 Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona izy, sy hamono azy eo am-baravaran’ny trano lay fihaonana; ary ny mpisorona, zanak’i Aarôna, handraraka ny ra manodidina ny ôtely.

3 Ny hatolony ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh amin’io sorom-pihavanana io, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy,

4 ny voany roa mbamin’ny fonom-boany, izay miraikitra amin’ny faritry ny voany, ny saron’atiny izay hoendahany ao akaikin’ny voany.

5 Hodoran’ny zanak’i Aarôna izany hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny sorona dorana voapetraka eo ambony kitay hazo eo amin’ny afo. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.»

6 «Raha biby madinika, lahy na vavy, no aterina ho sorom-pihavanana amin’i Iaveh, dia izay tsy misy kilema no aterina.»

7 «Raha zanak’ondry no ateriny ho sorona, dia hatolony eo anatrehan’i Iaveh.

8 Hametra-tanana eo ambony lohan’ny sorona izy sy hamono azy eo anoloan’ny trano lay fihaonana, ary ny zanak’i Aarôna handraraka ny ra manodidina ao amin’ny ôtely.

9 Ny hatolony ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh amin’io sorom-pihavanana io dia ny saborany, ny hofany manontolo faranana hatreo amin’ny hazon-damosiny, ny sabora saron-tsinainy sy ny sabora rehetra miraikitra amin’ny tsinainy;

10 ny voany roa mbamin’ny fonom-boany, izay miraikitra amin’ny faritry ny voany; ny saron’atiny izay hoendahany eo akaikin’ny voany.

11 Hodoran’ny mpisorona izany hanetona eo ambonin’ny ôtely. Faham-pisoronana atao amin’ny afo ho an’i Iaveh izany.»

12 «Raha osy vavy ny fanatiny, dia hatolony eo anatrehan’i Iaveh.

13 Hametraka ny tanany eo ambonin’ny lohan’ny sorona izy sy hamono azy eo anoloan’ny trano lay fihaonana, ary ny zanak’i Aarôna handraraka ny ra manodidina eo amin’ny ôtely.

14 Ny hatolony ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh, amin’ny sorona, dia ny sabora saron-tsinainy sy ny sabora rehetra miray amin’ny tsinainy,

15 ny voany roa mbamin’ny fonom-boany izay miraikitra amin’ny faritry ny voany, ny saron’atiny izay hoendahany ao akaikin’ny voany.

16 Hodoran’ny mpisorona izany hanetona eo ambonin’ny ôtely. Faham-pisoronana atao amin’ny afo, ho fofona ankasitrahina izany. An’i Iaveh ny sabora rehetra.

17 Lalàna tsy tapaka hatrany amin’ny taranakareo izany. Na aiza na aiza honenanareo, aza mihinana sabora na ra akory.»

Categories
Levitika

Levitika 4

Sorona noho ny ota

1 Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy nanao hoe:

2 Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy olona manota tsy nahy, mandika ny iray amin’ny didin’i Iaveh momba ny zavatra tsy tokony hatao, ka nanatanteraka zavatra anankiray amin’ireny izy,

A. Otan’ny mpisorona

3 Raha mpisorona efa voahosotra no nanota, ka nahameloka ny vahoaka amin’izany, dia vantotr’ombalahy iray tsy misy kilema no hatolony amin’i Iaveh, noho ny otany, ho sorona fanonerana.

4 Hitondra ny vantotr’ombalahy ho eo anoloan’ny trano lay fihaonana izy, eo anatrehan’i Iaveh, dia hametraka ny tanany eo ambony lohan’ny ombalahy sy hamono azy eo anatrehan’i Iaveh.

5 Ny mpisorona efa voahosotra haka amin’ny ran’ny ombalahy sy hitondra izany ho ao an-trano lay fihaonana,

6 hanoboka ny rantsan-tanany ao amin’ny ra, hamafy izany impito eo anatrehan’i Iaveh, tandrifin’ny efitra lamban’ny fitoerana masina.

7 Ny mpisorona hanentina ra ny tandroky ny ôtely fandoroan-java-manitra, izay eo anatrehan’i Iaveh ao an-trano lay fihaonana, ary hanidina ny ra rehetra avy amin’ny ombalahy eo ambodin’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, izay eo amin’ny fidiran’ny trano lay fihaonana.

8 Halana avokoa ny saboran’ny ombalahy natao sorona noho ny ota, dia ny sabora saron-tsinainy, ny sabora miray amin’ny tsinainy,

9 ny voany roa sy ny fonom-boany izay miraikitra amin’ny faritry ny voany, ary ny saron’atiny izay hoendahany eo akaikin’ny voany,

10 toy ny fanalana izany amin’ny ombalahy atao sorom-pihavanana, hodorany izany hanetona eo ambonin’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana.

11 Fa ny hoditry ny ombalahy, ny henany rehetra, mbamin’ny lohany, ny tongony, ny taovany, ny tain-drorohany,

12 ary ny ombalahy manontolo havoakany any ivelan’ny toby, amin’ny fitoerana madio, fanariana ny lavenona, dia hodorany amin’ny afo eo ambony kitay hazo; ka eo ambonin’ny antontan-davenona no handorany azy.

B. Otan’ny vahoaka Israely

13 Raha ny fiangonan’i Israely rehetra no nanota tsy nahy, fa tsy voatandrin’ny masony izany, ka nahavita zavatra noraran’i Iaveh tsy hatao izy, ary tonga meloka tamin’izany,

14 rehefa fantatra ny ota nataony, dia vantotr’ombalahy iray no haterin’ny fiangonana, ho sorona fanonerana, hoentiny eo anoloan’ny trano lay fihaonana.

15 Ka ny lohafiangonana hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny ombalahy, eo anatrehan’i Iaveh, ary ny ombalahy dia hovonoina eo anatrehan’i Iaveh.

16 Ny mpisorona voahosotra hitondra amin’ny ran’ny ombalahy ho ao an-trano lay fihaonana;

17 dia hanoboka ny rantsan-tanany ao amin’ny ra, hamafy izany impito, eo anatrehan’i Iaveh, tandrifin’ny efitra lamba;

18 hanentina ra ny tandroky ny ôtely, izay eo anatrehan’i Iaveh ao an-trano lay fihaonana, ary hanidina ny ra rehetra eo ambodin’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, izay eo anoloan’ny trano lay fihaonana.

19 Raha efa izany, halaina daholo ny saboran’ny vantotr’ombalahy, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely.

20 Toy ny anaovana ny ombalahy natao sorona noho ny ota no hanaovany izany ombalahy izany; toy izany no hanaovany azy; dia izany no hahavitan’ny mpisorona fanonerana ho azy ireo; ka ho voavela ny helony.

21 Havoakany ho any ivelan’ny toby ny ombalahy, dia hodorany toy ilay ombalahy voalohany teo. Izany no sorona noho ny otan’ny fiangonana.

D. Otan’ny mpifehy

22 Raha mpifehy no nanota, nanao tsy nahy zavatra anankiray amin’izay noraran’i Iaveh Andriamaniny tsy hatao, ka tonga meloka tamin’izany,

23 rehefa fantany ny fahotana nataony, dia osilahy tsy misy kilema no fanatitra hoentiny;

24 hametra-tanana eo ambonin’ny lohany izy sy hamono azy eo amin’ny fitoerana famonoana ny sorona dorana, eo anatrehan’i Iaveh, fa fanatitra noho ny ota izany.

25 Ny mpisorona haka amin’ny rantsan-tanany amin’ny ran’ny sorona noho ny ota, dia hanentina amin’izany ny tandroky ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, sy hanidina ny ra eo an-tongotr’io ôtely io.

26 Raha efa izany, hodorany daholo eo ambonin’ny ôtely ny sabora, toy ny fandoroany ny sabora amin’ny sorom-pihavanana. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ny fahotana ho azy, dia ho voavela ny otany.

E. Otan’ny olona sarambabem-bahoaka

27 Raha ny iray amin’ny sarambabem-bahoaka no nanota tsy nahy, nanao ny iray amin’ny zavatra noraran’i Iaveh tsy hatao, ka tonga meloka izy,

28 rehefa fantany ny helony, dia osy vavy lava volo, tsy misy kilema, no hatolony hatao fanatitra noho ny fahotana nataony.

29 Hametra-tanana eo ambonin’ny sorona noho ny ota izy sy hamono azy eo amin’ny fitoerana fanolorana ny sorona dorana.

30 Ny mpisorona haka amin’ny rantsan-tanany amin’ny ran’ny sorona, hanentina amin’izany ny tandroky ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, ary hanidina ny ra rehetra eo an-tongotry ny ôtely.

31 Halàny daholo ny sabora, toy ny fanalana ny sabora amin’ny sorom-pihavanana ka hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ho an’izany olona izany, dia ho voavela ny otany.

32 Raha zanak’ondry no entiny hatao sorona noho ny ota, dia izay vavy tsy misy kilema no hoentiny.

33 Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona noho ny ota izy sy hamono azy ho sorona fanonerana, eo amin’ny fitoerana fanolorana ny sorona dorana.

34 Ny mpisorona haka amin’ny rantsan-tanany amin’ny ran-tsorona, hanentina ny tandroky ny ôtely fanaovan-tsorona dorana amin’izany, ary hanidina ny ra rehetra eo an-tongotry ny ôtely.

35 Dia halàny daholo ny sabora toy ny fanalana ny saboran’ny zanak’ondry amin’ny sorom-pihavanana dia hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny sorona atao amin’ny afo, ho an’i Iaveh. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ho an’izany olona izany noho ny ota nataony, dia ho voavela ny otany.

Categories
Levitika

Levitika 5

Sorona manokana noho ny ota

1 Raha misy olona manota noho izy efa nandre ny didin’ny mpitsara, amin’ny maha vavolombelona azy, nefa tsy milaza izay hitany na izay fantany, dia hivesaran’ny helony izy.

2 Raha misy olona tsy nahita, ka nahakasika zavatra maloto, toy ny fatim-biby dia tsy madio, na fatim-biby fiompy tsy madio, na fatim-biby mandady tsy madio, dia tonga tsy madio koa izy amin’izany, ka nahazo fahotana;

3 toy izany koa izy, raha nahakasika tsy nahy fahalotoan’olona, na inona na inona izany, izay mety hahatonga ho maloto, ka mahita nony avy eo, dia mahazo fahotana izy.

4 Raha misy olona latsa-bava, mianiana hanao soa na ratsy, na inona na inona voalazany amim-pianianana tsy voahevitra, nefa tsy nahafantatra izany izy, fa atỳ aoriana vao fantany, dia mahazo fahotana izy amin’ny iray amin’ireo zavatra ireo.

5 Koa izay nahazo fahotana tamin’ny iray amin’ireo zavatra ireo, dia hiaiky amin’izay nahadiso azy tamin’ireo,

6 ary hitondra ho an’i Iaveh ho fanonerana noho ny ota nataony, ny vavy iray amin’ny biby fiompy madinika, na ondry na osy, hatao sorona noho ny fahotany, ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy noho ny otany.

Otan’ny olona sarambabem-bahoaka (tohiny)

7 Raha tsy manan-katao izy hahazoany ondry vavy na osy vavy, dia domohina roa na vanto-boromahailala roa no hateriny ho an’i Iaveh ho fanonerana ny otany; ny iray ho sorona noho ny ota; ny iray ho sorona dorana.

8 Hoentiny ireo ho eo amin’ny mpisorona izay hamono ny atao sorona noho ny ota aloha. Hofolahin’ny mpisorona tsy ataony tangarana eo akaikin’ny hatony, ny lohany;

9 hofafazany amin’ny ran-tsorona noho ny ota ny lafiny amin’ny ôtely, ary hofiazany eo an-tongotry ny ôtely ny ra sisa; sorona noho ny ota io.

10 Ary ny vorona anankiray hanaovany sorona dorana araka ny fombany. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ho an’izany olona izany, ny fanonerana ny fahotana nataony; dia ho voavela ny otany.

11 Raha tsy manan-katao hahazoany domohina roa na vanto-boromahailala roa izy, dia lafarina tsara indrindra ampahafolon’ny efah no hoentiny ho fanatitra noho ny otany, hatao sorona noho ny ota; tsy horarahany diloilo eo amboniny, na ampiany emboka, fa sorona noho ny ota izany.

12 Hitondra izany ho eo amin’ny mpisorona izy, ary ny mpisorona haka eran-tanana ila amin’izany ho fahatsiarovana, dia handoro azy hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny sorona atao amin’ny afo, ho an’i Iaveh; sorona noho ny ota izany.

13 Toy izany no hanaovan’ny mpisorona fanonerana ho an’izany olona izany, noho ny ota nataony amin’ny iray amin’ireny zavatra ireny; dia ho voavela ny otany. Izay sisa dia ho an’ny mpisorona, toy ny amin’ny fanatitra.

Sorona fanonerana

14 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

15 Raha misy olona manao ny tsy marina, ka manota tsy nahy ny amin’ny fanatitra masina fanao amin’i Iaveh, dia ondralahy iray tsy misy kilema avy amin’ny andian’ondry izay hotombananao sikla volafotsy araka ny sikla masina no hatolony amin’i Iaveh, hatao sorona fanoneranaizany.

16 Ary izay tokony ho anjaran’ny fitoerana masina ka notanany, dia haveriny mitongoa ny ampahadiminy, ka homeny ny mpisorona. Ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy amin’ny ondralahy natolony ho sorona fanonerana; ka dia ho voavela ny otany.

17 Raha misy olona manota, fa nahavita tsy nahy ny anankiray amin’ny zavatra noraran’i Iaveh tsy hatao, dia ho meloka izy sady hivesatra ny otany.

18 Ka ondralahy iray, tsy misy kilema, avy amin’ny andian’ondriny izay hotombananao, no hoentiny ho eo amin’ny mpisorona hatao sorona fanonerana ho azy noho ny ota nataony tsy nahy, fa tsy fantany, dia ho voavela ny otany.

19 Sorona fanonerana izany; tena meloka teo anatrehan’i Iaveh izany olona izany.

20 Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy nanao hoe:

21 Raha misy olona manota, sy manao ny tsy marina amin’i Iaveh, fa mandainga amin’ny namana izy ny amin’ny zavatra napetraka taminy, na amin’ny zavatra natao eo an-tanany ho antoka, na amin’ny zavatra nangalariny, na amin’ny zavatra nalainy an-keriny tamin’ny namana,

22 na nandainga amin’ny zava-bery hitany, na nanao fianianana tsy marina amin’ny iray amin’ireo zavatra mety hanotan’ny olona ireo:

23 raha nanota tamin’izany izy ka mahazo heloka, dia hamerina ny zavatra nangalariny na nalainy an-keriny, ny zavatra napetraka hotahiriziny, ny zava-bery hitany;

24 na izay zavatra rehetra nanaovany fianianana tsy marina. Hamerina ny zavatra manontolo izy, no sady hanampy ampahadimin-tombany koa ambonin’izany; ary androtry ny hanaterany ny sorony fanonerana ihany no hanomezany izany an’izay tompon-javatra.

25 Ondralahy iray tsy misy kilema, avy amin’ny andian’ondriny, izay hotombananao, no hoentiny eo amin’ny mpisorona, haterina ho an’i Iaveh, hatao sorona fanonerana.

26 Ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy eo anatrehan’i Iaveh, dia ho voavela ny otany, na inona na inona ota nahadiso azy.

Categories
Levitika

Levitika 6

A. Sorona dorana

1 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

2 Omeo an’i Aarôna sy ny zanany izao didy izao, lazao azy hoe: Izao no lalàna momba ny sorona dorana: Hirehitra mandritra ny alina, mandra-pahamaraina, eo am-patan’ny ôtely ny sorona dorana; ary velomina eo mandrakariva ny afon’ny ôtely.

3 Isa-maraina ny mpisorona, rehefa niakanjo ny tonîka rongony madinika, sy nanao ny kalisaona rongony madinika manolo-koditra azy, dia handraoka ny lavenona avy amin’ny afo nandorana ny sorona dorana eo ambonin’ny ôtely, ka hametraka azy eo anilan’ny ôtely.

4 Raha efa izany, havelany ny fanamiana, dia hosoloiny hafa, hitondrany ny lavenona any ivelan’ny toby, amin’ny fitoerana madio.

5 Hovelomina tsy havela ho faty ny afo eo ambonin’ny ôtely. Isa-maraina ny mpisorona no hampirehitra ny kitay hazo eo, dia handahatra ny sorona dorana eo amboniny, sy handoro ny saboran’ny sorom-pihavanana hanetona eo.

6 Tsy maintsy misy afo tsy maty, mirehitra mandrakariva, eo ambonin’ny ôtely.

B. Fanatitra

7 Izao no lalàna momba ny fanatitra: Hatolotr’ireo zanak’i Aarôna eo anatrehan’i Iaveh, eo anoloan’ny ôtely izy.

8 Dia hangalan’ny mpisorona eran-tanana ila ny lafarina tsara indrindra mbamin’ny diloilo ao aminy miaraka amin’ny emboka rehetra eo ambonin’ny fanatitra, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely izany ho hanitra ankasitrahina, ho fahatsiarovana an’i Iaveh.

9 Izay sisa amin’ny fanatitra dia hohanin’i Aarôna sy ny zanany; ka hohaniny tsy misy lalivay, eo amin’ny fitoerana masina, amin’ny kianjan’ny trano lay fihaonana.

10 Tsy handrahoina amin’ny lalivay izany. Izany no anjarany natokako ho azy, avy amin’ny fanatitra hodorana amin’ny afo ho Ahy. Zava-masina dia masina izany, toy ny sorona noho ny ota sy ny sorona fanonerana.

11 Ny lahy rehetra amin’ny zanak’i Aarôna no hihinana an’izany. Lalàna tsy tapaka hatrany amin’ny taranakareo izany, ny amin’ny fanatitra atao amin’ny afo, ho an’i Iaveh. Ho masina izay rehetra mikasika izany.

12 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

13 Izao no fanatitra hataon’i Aarôna sy ny zanany amin’i Iaveh, amin’ny andro handraisany ny fanosorana: lafarina tsara indrindra ampahafolon’ny efah ho fanatitra tsy tapaka, antsasany maraina, antsasany hariva.

14 Amin’ny lapoaly no handrahoana azy, ka hasiana diloilo; ary rehefa mendy izy, dia hoentinao ka haterinao voavakivaky, ho fanatitra ankasitrahin’i Iaveh.

15 Hanao izany fanatitra izany koa izay mpisorona voahosotra ka handimby amin’ny taranany: lalàna tsy tapaka eo anatrehan’i Iaveh izany. Hisondro-ko etona avokoa izy.

16 Ny fanatitra rehetra avy amin’ny mpisorona dia hodorana avokoa, fa tsy hohanina.

D. Sorona noho ny ota

17 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

18 Mitenena amin’i Aarôna sy ny zanany, ka lazao hoe: Izao no lalàna momba ny sorona noho ny ota: eo amin’ny fitoerana famonoana ny sorona dorana no amonoana ny sorona noho ny ota, eo anatrehan’i Iaveh; zava-masina dia masina izany.

19 Izay mpisorona hanolotra ny sorona noho ny ota no hihinana azy, ka ho eo amin’ny toerana masina, amin’ny kianjan’ny trano lay fihaonana no hihinanana azy.

20 Ho masina avokoa izay hikasika ny nofony. Raha misy fitafiana nipitihan’ny rany, dia hosasanao eo amin’ny toerana masina izay faritra nipitihan’ny ra.

21 Izay vilany tany nandrahoana azy, dia homontsanina, fa raha vilany varahina no nandrahoana azy, dia hodiovina sy hontsanan-drano.

22 Ny lehilahy rehetra amin’ny mpisorona no hihinana amin’izany zava-masina dia masina izany.

23 Tsy hisy hohanina anefa ny sorona rehetra noho ny ota, izay hangalana ny rany hoentina ao an-trano lay fihaonana, hanaovam-panavotana ao amin’ny fitoerana masina, fa hodorana amin’ny afo.

Categories
Levitika

Levitika 7

E. Sorona fanonerana

1 «Izao no lalàna momba ny sorona fanonerana: Zava-masina dia masina izany.

2 Ao amin’ny fitoerana famonoana ny sorona dorana no amonoana ny sorona fanonerana. Hararaka manodidina amin’ny ôtely ny rany.

3 Hatolotra daholo ny saborany, ny hofany, ny sabora saron-tsinainy,

4 ny voany roa mbamin’ny fonom-boany izay miraikitra amin’ny faritry ny voany, ny saron’atiny izay hoendahana ao akaikin’ny voany.

5 Hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely izany, ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh. Sorona fanonerana izany.

6 Ny lehilahy rehetra amin’ny mpisorona no hihinana amin’izany, ka eo amin’ny toerana masina no hihinanany azy; zava-masina dia masina izany.»

Anjaran’ny mpisorona

7 «Sahala amin’ny sorona noho ny ota, ny sorona fanonerana; iray ny lalàna amin’izy roa: an’izay mpisorona manao ny fisoronana ny sorona.

8 Ny mpisorona manolotra ny sorona dorana avy amin’ny olona, dia hanana ny hoditry ny zavatra natao sorona dorana avy aminy.

9 Ny fanatitra rehetra nendasina tamin’ny lafaoro, na nandrahoina tamin’ny kasirôlina, na tamin’ny lapoaly, dia an’izay mpisorona manolotra azy.

10 Ny fanatitra rehetra voadity tamin’ny diloilo, na maina, dia an’ny zanak’i Aarôna rehetra, ka hiara-misalahy izy.»

a) sorona misy fiderana

11 «Izao no lalàn’ny sorom-pihavanana haterina ho an’i Iaveh:

12 Raha fisaorana no hanaterana izany, dia izao no hatolotra miaraka amin’ny sorom-pisaorana: mofo mamy tsy misy lalivay voadity tamin’ny diloilo, mofo manify tsy misy lalivay voararaka diloilo, ary lafarina nendasina ho mofomamy voadity tamin’ny diloilo.

13 Ary hampiana mofomamy misy lalivay, ny fanatitra izay haterina miaraka amin’ny sorom-pisaorana hanaovana sorom-pihavanana.

14 Dia samy hanolorana anankiray avy ireo fanatitra ireo natokana ho an’i Iaveh, dia ho an’ny mpisorona izay hamafy ny ran’ny sorom-pihavanana izany.

15 Amin’ny andro hanaterana azy ihany no hihinanana ny henan’ny sorom-pisaorana amin’ny sorom-pihavanana, fa tsy avela hisy tra-maraina.»

b) Sorona an-tsitrapo

16 Raha sorona aterina ho fanalam-boady na ho fanatitra an-tsitrapo dia hohanina amin’ny andro hanaterana azy ny sorona, ary izay sisa tavela dia hohanina ny ampitso;

17 izay henan-tsorona tavela hatramin’ny andro fahatelo, dia hodorana amin’ny afo.

Fitsipika ankapobeny

18 Raha misy olona mihinana amin’ny andro fahatelo ny hena avy amin’ny sorom-pihavanana nateriny, dia tsy hankasitrahina ny sorona nateriny, tsy ho isaina ho azy nanatitra, ho fahavetavetana izany; ary izay rehetra hihinana amin’izany dia hivesatra ny otany.

19 Tsy fihinana ny hena nikasi-java-maloto, fa hodorana amin’ny afo. Fa ny henan’ny sorom-pihavanana, samy mahazo mihinana amin’izany izay madio rehetra.

20 Fa izay ao anatin’ny fahalotoana kosa, raha mihinana amin’ny hena avy amin’ny sorom-pihavanana, izay an’i Iaveh, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.

21 Ary izay nikasi-java-maloto, na loton’olona na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto, raha mihinana amin’ny henan’ny sorom-pihavanana, izay an’i Iaveh, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny izany olona izany.

22 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

23 Mitenena amin’ny zanak’i Israely, ka izao no lazao azy: Aza mihinana saboran’omby, na ondry, na osy, ianareo.

24 Ny saboram-biby maty ho azy na voaviravira, dia azo anaovan-javatra hafa ihany, fa tsy azonareo hanina velively.

25 Fa na zovy na zovy no mihinana saboram-biby izay aterina amin’i Iaveh hatao sorona amin’ny afo, dia hofongorana amin’ny fireneny.

26 Aza mihinana ram-borona, na ram-biby efa-tongotra, na aiza na aiza hitoeranareo.

27 Izay mihinan-dra, na ran’inona na ran’inona, dia hofongorana amin’ny fireneny.

Anjaran’ny mpisorona

28 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

29 Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao hoe: Izay hanatitra sorom-pihavanana ho an’i Iaveh dia hitondra ho an’i Iaveh fanatitra navahana amin’io sorom-pihavanana io.

30 Hitondra ao an-tanany izay tsy maintsy haterina atao amin’ny afo, ho an’i Iaveh, izy, dia hitondra ny sabora mbamin’ny tratrany, ka ny tratrany hahevaheva eo anatrehan’i Iaveh;

31 ny sabora hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely; ary ny tratrany dia ho an’i Aarôna mbamin’ny zanany.

32 Omeo ny mpisorona koa ny feny ankavanana, ho fanatitra nalaina avy amin’ny sorom-pihavananareo.

33 Ny feny ankavanana dia ho anjaran’izay iray amin’ireo zanak’i Aarôna hanolotra ny ra aman-tsaboran’ny sorom-pihavanana.

34 Fa efa natokako avy amin’ny sorom-pihavanan’ny zanak’i Israely, ny tratrany ahevaheva, sy ny sorona avahana, ka atolotra ho an’i Aarôna sy ny zanany ho anjara asain-kaloan’ny zanak’i Israely ho azy hatrany hatrany.

Famaranana

35 Izany no raikitra ho anjaran’i Aarôna noho izy voahosotra, avy amin’ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.

36 Izany no nasain’i Iaveh nomen’ny zanak’i Israely azy ireo, hatramin’ny andro nanosorana azy, ka tsy maintsy aloa tsy tapaka hatrany amin’ny taranany.

37 Izany no lalàna momba ny sorona dorana, ny fanatitra, ny sorona noho ny ota, ny sorona fanonerana, ny fanokanana, ary ny sorom-pihavanana,

38 izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy tany an-tendrombohitra Sinaia, tamin’ny andro nandidiany ny zanak’i Israely hanatitra ny fanatiny amin’i Iaveh tany an’efitra Sinaia.

Categories
Levitika

Levitika 8

Fomba fanamasinana

1 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

2 «Alao i Aarôna sy ny zanany miaraka aminy, ny fanamiana, ny diloilo fanosorana, ny ombalahy hatao sorona noho ny ota, ny ondralahy roa, ary ny sobika misy ny mofo tsy misy lalivay;

3 ka vorio ny fiangonana rehetra, ho eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana.»

4 Dia nataon’i Môizy izay nandidian’i Iaveh azy, ka vory teo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana ny fiangonana,

5 dia hoy i Môizy tamin’ny fiangonana; «Izao no nasain’i Iaveh atao.»

6 Nasain’i Môizy nanatona i Aarôna sy ny zanany, ka nodioviny tamin’ny rano.

7 Ary i Aarôna nampiakanjoiny ny akanjo anatiny, noetràny ny fehikibo, nampiakanjoiny ny akanjo lava, nosalorany ny efôda izay nogiaziny tamin’ny fehin’efôda, ary nafatony teo aminy.

8 Napetany taminy ny saron-tratra, ary nakambany tamin’ny saron-tratra ny Orima sy ny Tomima,

9 nasatrony ny lohany ny hamama, dia nataony teo anoloan’ny hamama ny takela-bolamena, ilay diadema masina, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

10 Ary nalain’i Môizy ny diloilo fanosorana dia nohosorany ny Fonenana mbamin’izay rehetra tao anatiny, ka nohamasininy.

11 Nofafazany izany impito ny ôtely; nohosorany avokoa ny ôtely sy ny fanaka rehetra momba azy mbamin’ny tavy amam-paladiany, mba hahamasina azy.

12 Dia norotsahany diloilo fanosoranany lohan’i Aarôna, ka nohosorana izy, mba hahamasina azy.

13 Nasain’i Môizy nanatona koa ireo zanak’i Aarôna dia nampiakanjoiny ny tonîka, nohetràny fehikibo, ary nafatony teo amin’ny mitra, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

14 Dia nasainy naroso ny ombalahy hatao sorona noho ny ota, ka i Aarôna sy ny zanany nametra-tanana teo ambonin’ny lohan’ny ombalahy hatao sorona noho ny ota.

15 Namono azy i Môizy dia naka tamin’ny ra dia notentenany manodidina tamin’ny rantsan-tanany ny tandroky ny ôtely ary nanadio ny ôtely izy, naidiny teo an-tongotry ny ôtely ny ra ary nanamasina azy izy, nanao ny fanonerana ao aminy.

16 Manaraka izany nalainy avokoa ny sabora, ny saron-tsinainy, ny saron’atiny, ary ny voany roa mbamin’ny sabora momba azy ka nodorany hanetona teo ambony ôtely.

17 Fa ny tenan’ny ombalahy kosa, ny hodiny, ny nofony, ary ny tain-drorohany, dia nodorany tany ivelan’ny toby, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

18 Dia nasainy naroso ny ondralahy hatao sorona dorana, ka i Aarôna sy ny zanany nametra-tanana teo ambonin’ny lohan’ny ondralahy.

19 Dia novonoina izy, ary i Môizy nanidina ny rany manodidina tamin’ny ôtely.

20 Raha efa izany norasainy ho voatetika ny ondralahy, dia nodoran’i Môizy hanetona ny lohany mbamin’ny tetiny ary ny saborany.

21 Nosasany tamin’ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia nataon’i Môizy indray mandotra hanetona ny ondralahy manontolo; sorona dorana ho hanitra ankasitrahina izany, sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

22 Nasainy naroso koa ny ondralahy anankiray, ny ondralahy fanokanana; ka i Aarôna sy ny zanany nametra-tanana teo ambonin’ny lohan’ny ondralahy aloha,

23 izay vao namono azy i Môizy, dia naka tamin’ny rany, nanentenany ny tendron-dravintsofin’i Aarôna ankavanana, ny ankiben-tanany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana.

24 Nampanatoniny koa ny zanak’i Aarôna, dia notentenany ra ny tendron-dravin-tsofin’izy ireo ankavanana, ny ankiben-tanany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana, vao naidiny manodidina ny ôtely ny ra.

25 Raha efa izany nalainy ny sabora, ny hofany, ny sabora saron-tsinainy rehetra, ny saron’atiny, ny voany roa mbamin’ny saborany ary ny feny havanana.

26 Ny sobika nisy ny mofo tsy misy lalivay izay napetraka teo anatrehan’i Iaveh, nangalany mofomamy tsy misy lalivay iray, mofomamy misy diloilo iray, ary mofo manify iray, napetrany teo ambonin’ny sabora sy ny fe havanana,

27 nataony teo an-tanan’i Aarôna sy ny zanany ireo zavatra ireo, dia nahevahevany ho fanatitra teo anatrehan’i Iaveh.

28 Dia nesorin’i Môizy avy teo an-tanany indray ireo ka nodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely teo ambonin’ny sorona dorana, fa sorona fanokanana izany, ho hanitra ankasitrahina, sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.

29 Dia nalain’i Môizy ny tratran’ny ondralahy fanokanana, ka nahevahevany ho fanatitra eo anatrehan’i Iaveh; io no anjaran’i Môizy araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

30 Dia nakan’i Môizy ny diloilo fanosorana sy ny ra teo ambonin’ny ôtely, nafafiny tamin’i Aarôna sy tamin’ny fanamiany, ary tamin’ireo zanak’i Aarôna sy tamin’ny fanamiany, ka nohamasininy avokoa i Aarôna sy ny fanamiany, ary koa ny zanany sy ny fanamiany.

31 Ary hoy i Môizy tamin’i Aarôna sy ny zanany: «Andrahoy eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana ny hena, fa eo no hihinananareo azy, miaraka amin’ny mofo ao anaty sobika fanokanana, araka ny nandidiako hoe: i Aarôna sy ny zanany no hihinana azy.

32 Ary dory amin’ny afo izay sisa tsy lany amin’ny hena sy ny mofo.

33 Tsy hiala eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana ianareo, mandritra ny hafitoana, dia mandra-pahatapitra ny andro fanokanana anareo, fa haharitra hafitoana ny fanokanana anareo.

34 Izao atao anio izao, dia nodidian’i Iaveh hatao mandritra ny hafitoana hanaovana ny fanonerana ho anareo.

35 Hijanona hafitoana andro aman’alina, eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana ianareo, ka hitandrina ny didin’i Iaveh mba tsy ho faty ianareo, fa izany no didy azoko.»

36 Dia nataon’i Aarôna sy ny zanany ny zavatra rehetra nandidian’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy.

Categories
Levitika

Levitika 9

Fanombohan’ny mpisorona ny raharahany

1 Nony mby amin’ny andro fahavalo, nampanalain’i Môizy i Aarôna sy ny zanany ary ny loholon’i Israely,

2 ka hoy izy tamin’i Aarôna: «Makà ianao zanak’omby tanora hatao sorona noho ny ota, sy ondralahy iray hatao sorona dorana izay samy tsy manan-kilema, ka atolory eo anatrehan’i Iaveh.

3 Ary mitenena amin’ny zanak’i Israely lazao hoe: Makà ianareo osy lahy iray, hatao sorona noho ny ota; ary zanak’omby iray, sy zanak’ondry iray, samy efa iray taona sy tsy misy kilema avy, hatao sorona dorana;

4 omby iray sy ondralahy iray hatao sorom-pihavanana, hovonoina eo anatrehan’i Iaveh, ary fanatitra voaharo diloilo. Fa hiseho aminareo anio i Iaveh.»

5 Dia nentin’izy ireo, ho eo anoloan’ny trano lay fihaonana izay rehetra nandidian’i Môizy azy, ary nanatona avokoa ny fiangonana rehetra ka nijanona teo anatrehan’i Iaveh.

6 Ary hoy i Môizy: «Ataovy izay nandidian’i Iaveh anareo, ka hiseho aminareo ny voninahitr’i Iaveh.»

7 Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Manatòna ny ôtely ka atolory ny sorona noho ny ota sy ny sorona dorana, ka manaova ny fanonerana ho an’ny tenanao sy ho an’ny vahoaka; atolory koa ny fanatitry ny vahoaka, ary manaova ny fanonerana ho azy araka ny nandidian’i Iaveh.»

8 Dia nanatona ny ôtely i Aarôna, namono ny zanak’omby hatao sorona noho ny ota, hatolotra ho an’ny tenany.

9 Ary natolotr’ireo zanak’i Aarôna azy ny ra, ka natsobony tao ny rantsan-tanany, notentenany ny tandroky ny ôtely, ary naidiny teo an-tongotry ny ôtely ny ra.

10 Nodorany hanetona teo ambonin’ny ôtely ny saborany, ny voany, ny saboran’atiny, tamin’ny sorona noho ny ota, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

11 Fa ny nofony aman-kodiny kosa, nodorany tamin’ny afo tany ivelan’ny toby.

12 Novonoiny koa ny sorona dorana ka nony natolotr’ireo zanak’i Aarôna azy ny ra, dia naidiny manodidina ny ôtely.

13 Natolotr’ireo azy indray, ny sorona dorana voatetika, mbamin’ny lohany, dia nodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely.

14 Ary nosasany ny tsinainy aman-tongony, dia nodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely tambonin’ny sorona dorana.

15 Nanolotra ny fanatitry ny vahoaka izy. Nalainy ny osilahy hatao sorona noho ny ota atolotra ho an’ny vahoaka, dia novonoiny ary natolony ho fanonerana torak’ilay sorona voalohany.

16 Natolony koa ny sorona dorana, ary novonoiny araka ny fomba fanaovana azy.

17 Ary natolony ny fanatitra; nakany eran-tanana ila, nodorany ambonin’ny ôtely fanampin’ny sorona dorana masina.

18 Novonoiny ny ombalahy aman’ondralahy hatao sorom-pihavanana ho an’ny vahoaka. Natolotr’ireo zanak’i Aarôna azy ny ra, ka dia naidiny manodidina amin’ny ôtely.

19 Natolony koa ny tavin’ombalahy aman’ondralahy, ny hofany, ny sabora saron-tsinainy, ny voany, ary ny saron’atiny;

20 napetrany teo ambonin’ny tratran’izy ireo ny saborany; dia nodoran’i Aarôna hanetona eo ambonin’ny ôtely ny sabora.

21 Raha efa izany dia nahevahevan’i Aarôna teo anatrehan’i Iaveh ny tratran’ireo amam-peny havanana, ho fanatitra ahevaheva, araka ny nandidian’i Môizy.

22 Dia nasandratr’i Aarôna manandrify ny vahoaka ny tanany, ka nitso-drano azy izy; ary nidina izy, nony avy nanolotra ny sorona noho ny ota sy ny sorona dorana ary ny sorom-pihavanana.

23 Niditra tao an-trano lay fihaonana i Môizy sy i Aarôna; nony nivoaka avy ao izy ireo, dia nitso-drano ny vahoaka. Ary niseho tamin’ny vahoaka rehetra ny voninahitr’i Iaveh.

24 Ary nisy afo nivoaka avy eo anatrehan’i Iaveh nandevona ny sorona dorana mbamin’ny sabora teo ambonin’ny ôtely. Ary nahita izany daholo ny vahoaka rehetra, dia nihoby an-kafaliana sady rafitra niankohoka.

Categories
Levitika

Levitika 10

I Nadaba sy i Abiò

1 Ary i Nadaba sy i Abiò, zanak’i Aarôna, samy naka ny fanembohany avy dia nanisy afo tao anatiny, sy nametraka zava-manitra teo amboniny, dia nitondra afo hafateo anatrehan’i Iaveh, nefa tsy nahazo didy momba izany izy.

2 Ka nisy afo nivoaka teo anatrehan’i Iaveh nandevona azy ireo, hany ka maty teo anatrehan’i Iaveh izy ireo.

3 Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Efa voalazan’i Iaveh izany tamin’izy nanao hoe: Hohamasinina Aho ao amin’izay manakaiky Ahy, ary homem-boninahitra eo anatrehan’ny vahoaka rehetra.» Sina i Aarôna.

B. Fibatana ny faty

4 Ary i Môizy niantso an’i Misaely sy Elisafôna, zanak’i Oziela, rahalahin-drain’i Aarôna, nilaza tamin’ireo hoe: «Manatòna ianareo ka ento ny rahalahinareo hanalavitra ny fitoerana masina any ivelan’ny toby.»

5 Dia nanatona ireo ka nitondra azy mbola miakanjo ny tonîkany, nankany ivelan’ny toby, araka ny nandidian’i Môizy azy.

D. Fitsipika fisaonan’ny mpisorona

6 Hoy i Môizy tamin’i Aarôna sy i Eleazara ary i Itamara: «Aza avelanareo hirakaraka foana ny volon-dohanareo, ary aza triarinareo ny fanamianareo, fandrao dia maty ianareo, ary ho tratry ny hatezeran’i Iaveh ny fiangonana rehetra. Ny rahalahinareo sy ny taranak’i Israely rehetra no aoka hitomany noho izao fandoroana narehitr’i Iaveh izao.

7 Fa ianareo kosa aza mivoaka ny varavaran’ny trano lay fihaonana akory, fandrao dia maty ianareo, satria efa mby ao aminareo ny diloilo fanosoran’i Iaveh.» Dia nataon’izy ireo izay nolazain’i Môizy.

E. Fandrarana tsy hisotro divay

8 Ary i Iaveh niteny tamin’i Aarôna nanao hoe:

9 «Aza misotro divay na fisotro mahamamo ianao, sy ny zanakao koa, rehefa hiditra ao an-trano lay fihaonana, mba tsy hahafaty anareo,

10 sady hahaizanareo manavaka ny masina sy ny tsy masina, ny madio sy ny tsy madio,

11 ary mba hahaizanareo mampianatra ny zanak’i Israely ny lalàna rehetra nomen’i Iaveh azy ireo, tamin’ny alalan’i Môizy.»

F. Anjaran’ny mpisorona amin’ny fanatitra

12 Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna sy tamin’ireo zanak’i Aarôna, roa lahy sisa, i Eleazara sy i Itamara: «Alao ny fanatitra sisa avy amin’ny sorona natao tamin’ny afo ho an’i Iaveh, ka hano tsy misy lalivay, eo akaikin’ny ôtely, fa zava-masina dia masina izany.

13 Hano eo amin’ny fitoerana masina izany, fa anjaranao sy anjaran’ireo zanakao, avy amin’ny fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Iaveh, araka ny didy azoko.

14 Eo amin’izay toerana madio koa no hihinananao sy ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ny tratrany nahevaheva sy ny feny navahana, fa ireo didiny ireo dia omena ho anjaranao sy anjaran’ny zanakao, avy amin’ny sorom-pihavanana ataon’ny zanak’i Israely.

15 Hoentin’izy ireo ho fanampin’ny sabora voatokana hodorana amin’ny afo, ny feny avahana sy ny tratrany ahevaheva, mba hahevaheva eo anatrehan’i Iaveh; dia ho anjaranao sy ny zanakao izany, noho ny lalàna tsy tapaka araka ny didin’i Iaveh.»

G. Fitsipika amin’ny sorona noho ny ota

16 Ary hoy i Môizy nanadina ny amin’ny osy lahy natao sorona noho ny ota, ka indro efa voadotra izany; ka tezitra tamin’i Eleazara sy i Itamara hany sisa zanaka lahin’i Aarôna izy, sy nanao tamin’izy ireo hoe:

17 «Nahoana no tsy nohaninareo, teo amin’ny fitoerana masina, ny sorona noho ny ota? Fa zava-masina dia masina izany, ary nomen’i Iaveh anareo, mba hitondranareo ny otan’ny fiangonana sy hanaovanareo ny fanonerana ho azy, eo anatrehan’i Iaveh?

18 Ka indro izao fa ny ran’ny sorona tsy nentina tao anatin’ny fitoerana masina; ianareo koa, tokony ho nihinana azy, teo amin’ny toerana masina, araka ny nandidiako azy.»

19 Fa hoy i Aarôna tamin’i Môizy: «Izy ireo androany dia efa nanatitra ny sorona noho ny ota sy ny sorona dorana, teo anatrehan’i Iaveh; fa izaho kosa, noho ny nanjò ahy, moa ho nankasitrahina teo anatrehan’i Iaveh aho, raha nihinana ny sorona noho ny ota androany?»

20 Nony nandre izany teny izany i Môizy dia nankasitraka izany.