Categories
Levitika

Levitika 11

A. Biby etỳ an-tany

1 Ary niteny tamin’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh nanao tamin’izy ireo hoe:

2 «Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao hoe: Izao no ho biby fihinanareo amin’ny biby rehetra eto ambonin’ny tany:

3 Ny biby rehetra mivaky kitro sy misampan-tongotra ary mandinika no hohaninareo;

4 fa ny mandinika fotsiny na ny mivaky kitro fotsiny tsy hohaninareo. Ohatra ny rameva, izay mandinika nefa tsy mivaky kitro, dia ho maloto eo aminareo.

5 Ohatra ny zerboaza, izay mandinika fa tsy mivaky kitro, dia ho maloto aminareo.

6 Ohatra ny bitro, izay mandinika fa tsy misampan-tongotra, dia ho maloto aminareo.

7 Ohatra ny kisoa, izay mivaky kitro sy misampan-tongotra nefa tsy mandinika, dia ho maloto aminareo.

8 Koa aza mihinana ny henany, na mikasika izay fatiny akory, fa maloto aminareo ireny.»

B. Biby anaty rano

9 «Izao kosa no ho biby fihinanareo, amin’ny biby rehetra ao anaty rano: izay rehetra misy vombony sy misy kirany ao anaty rano, na ao an-dranomasina, na ao an-drenirano, no hohaninareo.

10 Fa ho fahavetavetana ho anareo kosa izay tsy misy vombony na kirany, na ny ao an-dranomasina, na ny ao an-drenirano, amin’ny biby rehetra mihetsiketsika ao anaty rano, sy amin’ny zava-manana aina rehetra misy ao.

11 Ho fahavetavetana aminareo ireny, ka aza mihinana ny henany, ary ataovy zava-betaveta ny fatiny.

12 Izay tsy misy vombony na kirany ao anaty rano, dia ho zava-betaveta avokoa aminareo.»

D. Ny vorona

13 «Amin’ny vorona kosa, dia ireto no ho zava-betaveta ho anareo ka tsy hohanina, fa zava-betaveta:

14 ny egla, ny arofiray, ny papango, ny fanindry, ny voromahery isan-karazany,

15 ny goaika isan-karazany,

16 ny aostritsa, ny tararaka, ny vorondriaka, ny hitsikitsika isan-karazany,

17 ny vorondolo, ny manarana, ny vorondolobe,

18 ny gisabe, ny pelikano, ny zipaety,

19 ny vanobe, ny vano isan-karazany; ny lavasanga, ny ramanavy.»

E. Biby madinika manana elatra

20 «Ny biby madinika rehetra manana elatra, mandia tongotra efatra, ho zava-betaveta aminareo.

21 Amin’ny biby madinika manana elatra mandia tongotra efatra anefa, hano ihany izay manam-pingotra ambony faladia, hitsipihany eo amin’ny tany.

22 Ireto no ho fihinanareo amin’ireny: ny valala isan-karazany, ny solama isan-karazany, ny hargôla isan-karazany.

23 Fa ny biby hafa manana elatra mandia tongotra efatra, dia ho zava-betaveta aminareo avokoa.»

Fikasihana biby maloto

24 «Izao koa no hahaloto anareo, ka na zovy na zovy no hikasika ny fatiny, dia haloto mandra-paharivan’ny andro;

25 ary na zovy na zovy hitondra tapaky ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan’ny andro.

26 Ny biby rehetra mivaky kitro, nefa tsy misampan-tongotra sy tsy mandinika, dia haloto aminareo, ka haloto izay rehetra mikasika azy.

27 Amin’ny biby mandia tongotra efatra, izay mandeha amin’ny faladiany dia haloto aminareo, ka haloto mandra-pahariva ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny;

28 ary izay rehetra nitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan’ny andro. Ho zava-maloto aminareo ireo biby ireo.»

F. Biby madinika mandady

29 «Amin’ny biby madinika mandady amin’ny tany, ireto no ho maloto aminareo: ny kionkiona, ny totozy, ny androngo isan-karazany;

30 ny mosaraina, ny tanalahy, ny salamandry, ny tsàtsaka, ary ny taopy.»

Fitsipika hafa momba ny fikasihana biby maloto

31 Ireo no ho maloto aminareo amin’ny biby mandady; ka haloto mandra-paharivan’ny andro izay rehetra mikasika ny fatin’ireo.

32 Haloto avokoa ny zavatra ilatsahan’ny fatin’ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasàka, na inona na inona zavatra ampiasaina; ka hapetraka ao anaty rano izany ary haloto mandra-paharivan’ny andro, vao hadio.

33 Ary raha misy zavatra amin’ireny sendra tafalatsaka ao anatin’ny vilany tany, dia haloto avokoa izay rehetra ao anaty vilany, ka homontsaninareo ny vilany.

34 Haloto ny zava-pihinana rehetra nandrahoina tamin’ny rano, haloto ny zava-pisotro izay isotroana na inona na inona tavy misy azy.

35 Haloto avokoa ny fanaka ilatsahan-javatra avy amin’ny fatin’ireny, ka ravana ny lafaoro mbamin’ny vilany aman-tsarony, fa haloto izy, ka hataonareo ho zava-maloto.

36 Ny loharano anefa mbamin’ny lavaka fantsakana izay fiangonan-drano, dia hitoetra ho madio ihany, fa izay mikasika ny fatin-javatra no haloto.

37 Raha voa hafafy no hilatsahan-javatra avy amin’ny fatin’ireny, dia hitoetra ho madio ihany;

38 raha nasian-drano anefa ny voa nafafy, no nianjeran-javatra avy amin’ny fatin’ireny, dia hataonareo zava-maloto.

39 Raha biby azonareo hanin-kena no maty, izay mikasika ny fatiny haloto mandra-paharivan’ny andro,

40 ary izay mihinana ny fatiny, hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan’ny andro; izay hitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan’ny andro.

Fampianarana fahamasinana

41 Ny biby rehetra mandady amin’ny tany dia ho zava-betaveta aminareo, ka tsy hohanina.

42 Aza misy haninareo rehefa mety ho biby mandady amin’ny tany, na ireo mikisaka amin’ny kibony, na ireo mandia tongotra efatra, na ireo manana tongotra maro, fa ho zava-betaveta ireny aminareo.

43 Aza mametaveta ny tenanareo amin’ireny biby mandady rehetra ireny; aza mandoto ny tenanareo amin’ireny fa hahazo loto avy amin’ireny ianareo.

44 Fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo, ka hanamasina ny tenanareo ianareo dia ho masina satria masina Aho; aza mandoto ny tenanareo amin’izay biby rehetra mandady amin’ny tany.

45 Fa Izaho no Iaveh nampiakatra anareo avy amin’ny tany Ejipta, mba ho Andriamanitrareo. Aoka ho masina ianareo satria masina Aho.

Famaranana

46 Izany no lalàna momba ny biby mandia tongotra efatra, ny vorona, ny zava-miaina rehetra mihetsiketsika ao anaty rano, ary izay rehetra mandady amin’ny tany,

47 mba hanavahanareo izay maloto sy izay madio ary ny biby fihinana sy izay tsy fihinana.

Categories
Levitika

Levitika 12

Fidiovan’ny vehivavy velom-bao

1 Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy nanao hoe:

2 «Mitenena amin’ny zanak’i Israely ataovy hoe: ny vehivavy miteraka, raha tera-dahy, dia haloto hafitoana, haloto tahaka ny amin’ny andro aharariany amin’ny fadim-bolany izy.

3 Amin’ny andro fahavalo ny zaza hoforàna;

4 fa izy mbola haharitra telo amby telopolo andro amin’ny ra hidiovany, ka tsy hikasika zava-masina, na ho any amin’ny fitoerana masina, mandra-pahatapitry ny andro fidiovany.

5 Fa raha tera-bavy kosa izy, dia haloto tapa-bolana, toy ny amin’ny andro aharariany amin’ny fadim-bolany; ary haharitra enina amby enimpolo andro amin’ny ra hidiovany.

6 Rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka izay zaza naterany, na lahy na vavy, dia izao no hateriny amin’ny mpisorona ao anoloan’ny trano lay fihaonana, zanak’ondry iray efa iray taona, hatao sorona dorana; ary vanto-boromahailala iray, na domohina iray, atao sorona noho ny ota.

7 Ny mpisorona hanolotra izany eo anatrehan’i Iaveh ka hanao ny fanonerana ho azy, dia hadio amin’ny nandehanan’ny rany izy. Izany no lalàna momba ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.

8 Raha tsy manan-kamidy ny zanak’ondry izy, dia domohina roa na vanto-boromahailala roa no hoentiny: ny iray hatao sorona dorana, ny iray hatao sorona noho ny ota, hanaovan’ny mpisorona fanonerana ho azy, dia hadio izy.»

Categories
Levitika

Levitika 13

A. Mivonto, anakandro, hodi-potsy

1 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

2 «Raha mamontsina ny hoditry ny nofon’ny olona anankiray na misy anakandro na miseho hodi-potsy, ka tonga misy fery toy ny habokana amin’ny hoditry ny nofony dia hoentina mankeo amin’i Aarôna mpisorona izy, na eo amin’ny iray amin’ireo zanany, mpisorona.

3 Dia hozahan’ny mpisorona ny aretina eo amin’ny hoditry ny nofony, ka raha manjary fotsy ny volon-koditra amin’ny fery sady latsaka lalina noho ny hodi-nofo no fijery ny fery, dia fery habokana izany, ka rehefa avy nizaha izany olona izany ny mpisorona, dia hilaza fa maloto izy.

4 Fa raha misy hodi-potsy ao amin’ny hoditry ny nofony, nefa tsy latsaka lalina noho ny hoditry ny nofony no fijery azy, sady tsy nanjary fotsy ny volon-koditra, dia hanokan-toerana ilay mararin’ny fery, hafitoana, ny mpisorona.

5 Amin’ny andro fahafito hozahan’ny mpisorona indray izy; ka raha tsy nitombo ny aretina araka ny fijeriny azy, tsy nanitatra eo amin’ny hoditra, dia hatokan’ny mpisorona toerana hafitoana fanindroany izy.

6 Amin’ny andro fahafito hozahan’ny mpisorona indray izy ka raha mihamatromatroka ny fery, sady tsy nanitatra eo amin’ny hoditra, dia holazain’ny mpisorona fa madio izany olona izany; anakandro izany, ka hanasa ny lambany izy, dia ho madio.

7 Raha manitatra eo amin’ny hoditra anefa ny anakandro taorian’ny nisehoany teo anatrehan’ny mpisorona mba hilazany azy hoe madio, dia hiseho amin’ny mpisorona indray izy

8 ka hozahan’ny mpisorona; ary raha nanitatra eo amin’ny hoditra ny anakandro dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izy; fa habokana izany.»

B. Habokana

9 «Raha misy ferin’ny habokana amin’ny olona anankiray, dia hoentina eo amin’ny mpisorona izy ka hozahan’ny mpisorona.

10 Raha misy mamontsina fotsifotsy eo amin’ny hodiny, sady nanjary fotsy azon’izany ny volon-koditra ary nofo mihena velona no hita eo amin’ny mamontsina,

11 dia habokana efa latsa-paka amin’ny hoditry ny nofony izany, ka holazain’ny mpisorona fa maloto izy, fa maloto izany olona izany.

12 Raha niely amin’ny hodiny anefa ny habokana, ka manenika ny hoditr’ilay marary, hatrany amin’ny lohany ka hatrany amin’ny tongony, araka izay rehetra hitan’ny mason’ny mpisorona, dia hozahan’ny mpisorona izy;

13 ka raha manenika ny tenany rehetra ny habokana, dia holazainy hoe: madio ilay marary; fa tonga fotsy ny tenany manontolo, ka dia madio izy.

14 Amin’ny andro hahitana nofo mihena velona aminy anefa dia haloto izy;

15 ka rehefa hitan’ny mpisorona ny nofony mihena velona, dia holazainy hoe maloto izy, dia habokana izany.

16 Raha miova ka manjary fotsy ny nofo mihena velona, dia ho any amin’ny mpisorona izy,

17 ka hozahan’ny mpisorona, ary raha nanjary fotsy ny fery, dia holazain’ny mpisorona hoe madio ilay marary; madio izy.»

D. Vay

18 «Raha misy olona efa voan’ny fery tao amin’ny tavany, tao amin’ny hodiny, ary efa sitrana izany,

19 nefa misy mamontsina fotsy na fotsy somary mena, eo amin’ny faritra misy izany fery izany, dia hiseho amin’ny mpisorona izany olona izany. Hozahan’ny mpisorona izy.

20 Raha toa lalina latsaka ambanin’ny hoditra ilay hodi-potsy, sady nanjary fotsy ny volon-koditra eo dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izy; fa fery habokana nipoitra ao amin’ilay fery izany.

21 Raha hitan’ny mpisorona kosa fa tsy misy fotsy ny volon-koditra eo amin’ilay hodi-potsy ary tsy latsaka ambany noho ny hoditra izany, sady nihamatromatroka, dia hatokany toerana hafitoana izany olona izany.

22 Raha nanitatra eo amin’ny hoditra ilay hodi-potsy dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izy, fa fery habokana izany.

23 Fa raha nijanona amin’izay nisy azy ihany kosa ilay hodi-potsy fa tsy nanitatra, dia hola-pery izany, ka holazain’ny mpisorona hoe madio izy.»

E. May

24 Raha misy olona main’ny afo amin’ny vatany, amin’ny hodiny, ka misy hodi-potsy na fotsy somary mena miseho amin’ny faritra main’ny afo, dia hozahan’ny mpisorona izany.

25 Raha nanjary fotsy ny volon-koditra eo amin’ilay hodi-potsy, sady toa lalina latsaka ambanin’ny hoditra izy, dia habokana izany; nipoitra avy amin’ny may izany, ka holazain’ny mpisorona hoe maloto izany olona izany, dia fery habokana izany.

26 Raha hitan’ny mpisorona kosa fa tsy fotsy ny volon-koditra eo amin’ny hodi-potsy, tsy latsaka ambany noho ny hoditra izy, sady efa nihamatromatroka, dia hotanany hitokan-toerana hafitoana izany olona izany. Hozahan’ny mpisorona indray izy amin’ny andro fahafito;

27 raha nanitatra eo amin’ny hoditra ilay hodi-potsy, dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izy, satria fery habokana izany.

28 Fa raha nijanona amin’izay nisy azy ihany ilay hodi-potsy, fa tsy nanitatra eo amin’ny hoditra, sady nihamatromatroka, dia ny mamontsina avy amin’ny may izany, ka holazain’ny mpisorona hoe madio izy, satria holatry ny may izany.

F. Fery amin’ny loha na saoka

29 Raha misy lehilahy na vehivavy voan’ny fery amin’ny lohany na amin’ny saokany, dia hozahan’ny mpisorona ny fery.

30 Raha hita fa latsaka ambany noho ny hoditra no fijery azy, sady misy volo madinidinika tomamotamo eo, dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izany olona izany, satria kimavo izany, habokàn-doha na habokàn-tsaoka.

31 Raha hitan’ny mpisorona anefa fa tsy latsaka ambany noho ny hoditra no fijery ny fery kimavo, ary tsy misy volo mainty eo, dia hatokan’ny mpisorona hafitoana, izay voan’ny fery kimavo.

32 Ary hozahan’ny mpisorona ny fery amin’ny andro fahafito. Raha tsy nanitatra ny kimavo sady tsy misy volon-koditra tomamotamo ary tsy latsaka noho ny hoditra no fijery azy,

33 dia hiharatra ilay voan’ny kimavo, afa-tsy amin’izay misy ny fery, ary hanokan-toerana azy hafitoana indray ny mpisorona;

34 ka amin’ny andro fahafito ny mpisorona hizaha ny fery kimavo indray: raha tsy nanitatra eo amin’ny hoditra ny kimavo, sady tsy latsaka ambany noho ny hoditra no fijery azy, dia holazain’ny mpisorona hoe madio izany olona izany, ka hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.

35 Raha efa nolazainy hoe madio anefa izy, no nanitatra eo amin’ny hoditra ny kimavo,

36 dia hozahan’ny mpisorona izy, ka raha nanitatra eo amin’ny hoditra ny fery kimavo dia tsy ilaina intsony izay hizahan’ny mpisorona raha misy volon-koditra tomamotamo; fa maloto izany olona izany.

37 Fa raha tsy nitatra ny fery kimavo araka ny fijery azy sady misy volon-koditra mainty maniry koa eo, dia sitrana ny kimavo, ka madio ilay olona ary holazain’ny mpisorona hoe madio izy.

G. Hodi-potsy

38 Raha misy lehilahy na vehivavy misy mamaritra fotsifotsy ny hoditry ny nofony, dia hozahan’ny mpisorona izy.

39 Raha mamaritra fotsy matromatroka ny hodiny ao amin’ny nofony, dia foròfotra maniry amin’ny hodiny izany, ka madio izy.

H. Sola

40 Raha misy lehilahy mihintsam-bolon-doha, dia sola ny lohany, madio ihany izy.

41 Raha ny volony anoloana no mihintsana dia mazavaray izy, madio ihany.

42 Fa raha misy fery mangia-potsy somary mena eo amin’ny faritra sola, na anoloana na an-damosina, dia habokana mipoitra eo amin’ny faritra sola, na an-damosina na anoloana izany.

43 Hozahan’ny mpisorona izy. Raha mamontsina mangia-potsy somary mena ny faritra sola na an-damosina na anoloana, ka miendrika habokana amin’ny hoditry ny nofo,

44 dia olona boka izy, ka maloto, ary holazain’ny mpisorona hoe maloto: eo amin’ny lohany ny feriny.

Ny hatao amin’ny boka

45 Izay boka ferena dia hanao fitafiana norovitina, ny volony harakarakany, ny volombavany hosaronany, ary izy hiantsoantso hoe: Maloto e! Maloto e!

46 Ho maloto izy mandritra ny andro rehetra haharetan’ny feriny. Maloto izy ka hitokana irery, any ivelan’ny toby.

Habokana amin’ny akanjo

47 Raha misy fery habokana eo amin’ny fitafianarongony na volon’ondry,

48 amin’ny kofehy rongony na volon’ondry, hatao tenany na fahany, amin’ny hoditra na amin’ny zavatra natao tamin’ny hoditra,

49 raha maitsomaitso na menamena ny fery eo amin’ny fitafiana, na amin’ny hoditra, na amin’ny kofehy hatao tenany na fahany, na amin’ny zavatra natao tamin’ny hoditra, na inona na inona izany, dia fery habokana izany, ka haseho ny mpisorona.

50 Rehefa voazahan’ny mpisorona ny fery, dia hatokany toerana hafitoana ilay zavatra voa.

51 Amin’ny andro fahafito hozahany ny fery, ka raha nanitatra ny fery amin’ny hoditra, na amin’ny zavatra natao tamin’ny hoditra, na inona na inona izany, dia habokana ratsy izany ka maloto io zavatra io.

52 Hodorana ny fitafiana, ny kofehy rongony madinika na volon’ondry hatao tenany na fahany, ny zavatra natao tamin’ny hoditra na inona na inona, izay misy ny fery, fa habokana ratsy izany, hodorana amin’ny afo ny zavatra.

53 Raha hitan’ny mpisorona anefa fa ny fery tsy nanitatra amin’ny fitafiana, na amin’ny kofehy natao tenany na fahany, na amin’ny zavatra natao tamin’ny hoditra na inona na inona izany,

54 dia asaina sasany ilay zavatra voa, vao hatokany toerana hafitoana indray.

55 Raha efa izany, hozahan’ny mpisorona ny fery amin’ilay zavatra efa nosasana, ka raha tsy niova toetra izy, sady tsy nanitatra, dia maloto ilay zavatra, ka dory amin’ny afo; fa efa nasian’ny habokana ny lafitsarany na ny lafiratsiny.

56 Raha hitan’ny mpisorona anefa fa mihamatromatroka ny fery nony efa nosasana, dia hoesoriny amin’ny fitafiana na amin’ny hoditra na amin’ny kofehy natao tenany na fahany.

57 Raha miseho amin’ny fitafiana indray izy, na amin’ny kofehy natao tenany na fahany, na amin’ny zavatra natao tamin’ny hoditra na inona na inona izany, dia habokana mipoitra, ka dory amin’ny afo ilay zavatra voan’ny fery.

58 Fa raha nosasana ny fitafiana, ny kofehy natao tenany na fahany, ny zavatra natao tamin’ny hoditra na inona na inona, ka levona ny fery, dia sasao indray izy, dia ho madio.

59 Izany no lalàna momba ny fery habokana amin’ny fitafiana volon’ondry na rongony, ny kofehy natao tenany na fahany, ary ny zavatra natao tamin’ny hoditra, na inona na inona izany, mba hilazana azy hoe madio na maloto.

Categories
Levitika

Levitika 14

Fanadiovana ny boka

1 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

2 Izao no lalàna momba ny boka, amin’ny andro hidiovany:

3 Hoentina ho ao amin’ny mpisorona izy, dia hivoaka ny toby ny mpisorona hizaha azy. Ka raha sitrana ny ferin’ny habokan’ilay boka,

4 dia hodidian’ny mpisorona halaina ho an’ilay hodiovina ny vorona roa velona sady madio, ny hazo sedera, ny lamba mena antitra, ary ny hisopa.

5 Ny iray amin’ireo vorona no hasain’ny mpisorona vonoina eo ambony vilany tany misy rano avy amin’ny rano velona;

6 vao halainy ilay vorona sisa velona, ny hazo sedera, ny lamba mena antitra, ary ny hisopa, hatsobony mbamin’ny velona ao amin’ny ran’ilay vorona novonoina eo ambonin’ny rano velona,

7 ka fafazany amin’izany impito ilay hodiovina amin’ny habokany, dia holazainy hoe madio izy, ary halefany ho any an-tsaha ilay vorona velona.

8 Izay midio hanasa ny fitafiany, hanaratra ny volon-kodiny rehetra ary handro amin’ny rano, dia hadio izy, ka hahazo miditra an-toby, nefa mbola hijanona eo ivelan’ny lainy hafitoana.

9 Amin’ny andro fahafito hoharatany avokoa ny volon-kodiny rehetra, ny volon-dohany, ny volombavany, ny manja-masony, hoharatany ny volon-kodiny rehetra; ary hosasany ny fitafiany, hampandroiny amin’ny rano ny tenany, dia hadio izy.

10 Amin’ny andro fahavalo izy hitondra zanak’ondry tsy misy kilema roa, ondrivavy vao iray taona, tsy misy kilema, iray, lafarina tsara indrindra telo ampahafolon’ny efah, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra, ary diloilo iray loga.

11 Izay mpisorona manao ny fanadiovana hanolotra an’izay olona midio, mbamin’ireo zavatra rehetra ireo eo anatrehan’i Iaveh, anoloan’ny trano lay fihaonana.

12 Halain’ny mpisorona ny iray amin’ireo zanak’ondry, ka hatolony ho sorona fanonerana, mbamin’ny diloilo iray loga koa, ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh.

13 Eo amin’ny toerana famonoana ny sorona noho ny ota, sy ny sorona dorana, no hamonoany ny zanak’ondry, dia eo amin’ny fitoerana masina; fa amin’ny sorona fanonerana, dia an’ny mpisorona, toy ny amin’ny sorona noho ny ota, ny zavatra atao sorona: zava-masina dia masina izany.

14 Hangalan’ny mpisorona ny ran’ny sorona fanonerana, dia hanentenany an’ilay midio amin’ny tendron’ny ravin-tsofiny havanana, sy ny ankiben-tanany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana.

15 Dia halain’ny mpisorona ny diloilo iray loga, ka haidiny amin’ny felatanany havia.

16 Hatsoboky ny mpisorona amin’ny diloilo izay eo am-pelatanany havia, ny rantsan-tanany ankavanana, hanaovany famafazana impito eo anatrehan’i Iaveh amin’ny rantsan-tanany.

17 Ary ny diloilo sisa eo an-tanany, dia hatentiny an’ilay midio amin’ny tendron’ny ravin-tsofiny havanana, sy ny ankiben-tanany havanana ary ny ankiben-tongony havanana, dia eo ambonin’ny ran’ny sorona fanonerana.

18 Izay diloilo sisa mbola eo an-tanany kosa, dia hataony amin’ny lohan’ilay midio, ary hanao ny fanonerana ho azy, eo anatrehan’i Iaveh, ny mpisorona.

19 Raha efa izany hatolotry ny mpisorona ny sorona noho ny ota, sy hataony ny fanonerana ho an’ilay midio ho afaka amin’ny lotony.

20 Dia hovonoiny ny sorona dorana, hatolony eo ambonin’ny ôtely miaraka amin’ny fanatitra, ka hanao ny fanonerana ho an’izany olona izany izy, dia hadio ilay olona.

Ny hataon’ny boka mahantra

21 Raha mahantra izy, ka tsy ampy ny fananany, dia haka zanak’ondry iray monja ihany izy, hatolotra ho sorona fanonerana, fanatitra ahevaheva, hanaovana ny fanonerana ho azy. Haka lafarina tsara indrindra izy, ampahafolon’ny efah ihany voadity amin’ny diloilo, hatao fanatitra, ary diloilo iray loga,

22 mbamin’ny domohina roa, na vantom-boromahailala roa, araka izay azony atao, ny iray ho sorona noho ny ota, ny iray ho sorona dorana.

23 Hoentiny ho eo amin’ny mpisorona ireo ho fidiovany, amin’ny andro fahavalo, dia eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, eo anatrehan’i Iaveh.

24 Dia horaisin’ny mpisorona ny zanak’ondry hatao sorona fanonerana sy ny diloilo iray loga, ka hahevahevany eo anatrehan’i Iaveh.

25 Ary rehefa avy namono ny zanak’ondry hatao sorona fanonerana ny mpisorona, dia hangalany ny ra avy amin’ny sorona fanonerana, hatentiny amin’ilay midio eo amin’ny tendron’ny ravin-tsofiny havanana sy ny ankiben-tanany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana.

26 Raha efa izany dia haidin’ny mpisorona eo am-pelatanany havia ny diloilo.

27 Ny rantsan-tanany havanana no hanaovan’ny mpisorona ny famafazana impito amin’ny diloilo izay eo an-tanany ankavia, eo anatrehan’i Iaveh.

28 Hotentenan’ny mpisorona amin’ny diloilo eo an-tanany ilay midio, dia eo amin’ny tendron’ny ravin-tsofiny havanana, sy ny ankiben-tanany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana, amin’izay nasiany ny ran’ny zavatra natao sorona fanonerana.

29 Ilay diloilo sisa eo an-tanany, dia hataon’ny mpisorona amin’ny lohan’ilay midio, hanaovana ny fanonerana ho azy, eo anatrehan’i Iaveh.

30 Raha efa izany, dia hatolony ny iray amin’ny domohina na iray amin’ny vanto-boromahailala, izay azony novonoina,

31 ny iray ho sorona noho ny ota, ny iray ho sorona dorana, ombam-panatitra. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ho an’izay midio, eo anatrehan’i Iaveh.

32 Izany no lalàna momba ny fidiovan’izay nanana fery habokana ka tsy ampiampy fananana.

Habokana amin’ny trano

33 Ary niteny tamin’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh nanao hoe:

34 Rehefa tafiditra any amin’ny tany Kanaana izay homeko anareo ho fanananareo ianareo, raha asiako fery habokana ny tranoanankiray amin’ny tany hanananareo,

35 dia handeha hilaza izany amin’ny mpisorona, ny tompon’ilay trano, hanao hoe: Hitako misy tahaka ny fery habokana ao amin’ny tranoko.

36 Alohan’ny hidiran’ny mpisorona ao hizaha ilay fery dia hasainy foanany aloha ny trano mba tsy haloto izay zavatra rehetra ao, vao hiditra hizaha ny trano izy.

37 Dia hozahan’ny mpisorona ilay fery, ka raha hitany fa misy lavaka maitsomaitso na menamena izay toa tafalentika amin’ny rindrina, ao amin’ny fery, eo amin’ny rindrin-trano,

38 dia hivoaka ny trano ny mpisorona hatreo am-baravarana ka asainy hidiana ny trano, mandritra ny hafitoana.

39 Amin’ny andro fahafito hiverina ao indray ny mpisorona. Raha hitany fa nanitatra eo amin’ny rindrin-trano ny fery:

40 ny vato voan’ny fery hasainy esorina hariana any ivelan’ny tanàna, amin’ny toerana maloto;

41 ny ati-trano manontolo hasainy kikisana, hariana any ivelan’ny tanàna amin’ny toerana maloto ny vovoka rehetra voakiky;

42 ary vato hafa no halaina hasolo ilay teo, ary feta hafa no halaina handalorana ny trano indray.

43 Raha mipoitra ao amin’ny trano indray ny fery atỳ aorian’ny nanesorana ny vato sy ny nikikisana amana nandalorana ny trano, dia hiverina hizaha azy indray ny mpisorona;

44 ka raha nanitatra ao amin’ny trano ny fery dia habokana ratsy amin’ny trano izany, ka maloto izy.

45 Horavana ny trano, ny vato, ny hazo, ny lalotra rehetra amin’ny trano, dia hoentina any ivelan’ny tanàna avokoa, amin’ny toerana maloto, izany rehetra izany.

46 Izay niditra tao an-trano mandritra ny fotoana nilazana azy hoe mihidy, dia haloto mandra-paharivan’ny andro.

47 Izay nandry tao an-trano hanasa ny fitafiany, izay nihinana tao an-trano hanasa ny fitafiany.

48 Nefa raha hitan’ny mpisorona nony efa niverina tao an-trano izy, fa tsy nanitatra ilay fery taorian’ny nandalorana ny trano, dia holazaina fa madio ny trano satria sitrana ny fery.

49 Ka izao no halainy ho fanadiovana ny trano: vorona roa, hazo sedera, lamba mena antitra ary hisopa.

50 Dia hovonoiny eo ambony vilany tany, ambony rano velona, ny vorona iray.

51 Ary halainy ny hazo sedera sy ny hisopa, mbamin’ny lamba mena antitra, sy ny vorona mbola velona, hatsobony ao anatin’ny ran’ilay vorona novonoina sy ao anatin’ny rano velona ka hamafazany ny trano impito.

52 Dia handiovany ny trano ny ran’ilay vorona, ny rano velona, ny vorona velona, ny hazo sedera, ny hisopa, ny lamba mena antitra;

53 ary halefany ho any ivelan-tanàna any an-tsaha ilay vorona velona. Toy izany no hanaovana ny fanonerana ho an’ny trano, dia hadio izy.

54 Izany no lalàna momba ny fery habokana, sy ny kimavo,

55 ny habokana amin’ny fitafiana sy ny trano,

56 ny mamontsina, ny anakandro, ary ny hodi-potsy.

57 Izany no hahalalana na maloto na madio ny zavatra anankiray. Izany no lalàna momba ny habokana.

Categories
Levitika

Levitika 15

A. Loton’ny lehilahy

1 Ary niteny tamin’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh nanao hoe:

2 «Mitenena amin’ny zanak’i Israely ary lazao aminy hoe: Ny lehilahy rehetra marary mitsîka, dia maloton’izany.

3 Ary izao no loto avy amin’ny fitsihany: na mandeha avy amin’ny nofo ny fitsihany, na mijanona ao, dia loto izany.

4 Haloto avokoa ny fandriana handrian’izay mitsîka, haloto ny zavatra hipetrahany.

5 Izay mikasika ny fandriany dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.

6 Izay mipetraka amin’ny zavatra nipetrahan’ny olona mitsîka, dia hanasa ny fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.

7 Izay mikasika ny tenan’ny marary mitsîka dia hanasa ny fitafiana sy handro amin’ny rano.

8 Izay olona madio raha voaroran’ny marary mitsîka dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro io olona io.

9 Haloto avokoa ny lasely nitaingenan’ny marary mitsîka.

10 Izay mikasika ny zavatra natao teo ambaniny, haloto mandra-paharivan’ny andro, ary izay mitondra izany, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ny andro.

11 Izay voakasiky ny marary mitsîka ka tsy nanasa tanana tamin’ny rano, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.

12 Ny vilany tany rehetra voakasiky ny marary mitsîka, hovakina, ary ny tavy hazo rehetra kosa hosasana amin’ny rano.

13 Rehefa sitrana amin’ny fitsihany ilay marary mitsîka, hanisa andro fito aloha amin’ny fidiovany, vao hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano velona, dia hadio.

14 Amin’ny andro fahavalo hitondra domohina roa na vanto-boromahailala roa izy, ka hankeo anatrehan’i Iaveh, eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, ary homeny ny mpisorona izany.

15 Ary ny mpisorona hanatitra azy ireo, ny iray hatao sorona noho ny ota, ny iray hatao sorona dorana. Ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy, eo anatrehan’i Iaveh noho ny fitsihany.

16 Raha misy lehilahy mandeha rano maloto, dia hampandro amin’ny rano ny tenany manontolo, ary haloto izy mandra-paharivan’ny andro.

17 Ny fitafiany rehetra sy ny hoditra voakasik’izany koa hosasana amin’ny rano sy haloto mandra-paharivan’ny andro.

18 Raha misy vehivavy nandry tamin-dehilahy sy niray taminy, dia handro amin’ny rano izy sy ralehilahy, ary haloto izy ireo mandra-paharivan’ny andro.»

B. Loton’ny vehivavy

19 Raha misy vehivavy mararin’ny fadim-bolana, fitsihan’ny ra amin’ny tenany, dia haloto hafitoana izy. Ny olona rehetra hikasika azy, haloto mandra-paharivan’ny andro;

20 ny zavatra rehetra handriany mandritra ny fotoana ahalotoany dia haloto, ary ny zavatra rehetra hipetrahany dia haloto koa;

21 izay rehetra hikasika ny fandriany, hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.

22 Izay rehetra hikasika zavatra nipetrahany, hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.

23 Raha misy zavatra eo amin’ny fandriany, na eo amin’ny seza nipetrahany, dia haloto mandra-paharivan’ny andro izay mikasika izany.

24 Raha misy lehilahy mandry aminy, ka mankeo amin’ny fahalotoan’io vehivavy io, dia haloto hafitoana izy ary izay farafara rehetra handriany dia haloto avokoa.

25 Raha misy vehivavy mitsi-dra mandritra ny andro maro, ivelan’ny fotoan’ny fadim-bolana, na ny fadim-bolany no mandeha lava, mihoatra ny fotoana fahalotoana, dia haloto mandritra izay andro rehetra itsîhany izy, toy ny amin’ny fotoana aharariany isam-bolana ihany.

26 Ny fandriana rehetra handriany mandritra izany fitsîhany izany, ho toy ny fandriana amin’ny fitsîhany isam-bolana ihany; ny zavatra rehetra hipetrahany, haloto toy ny amin’ny fotoan’ny fahalotoany amin’ny fadim-bolana.

27 Izay rehetra hikasika izany, haloto ka hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.

28 Rehefa sitrana amin’ny fitsîhany izy, dia hanisa andro fito aloha, ary rehefa afaka izany dia hadio izy.

29 Amin’ny andro fahavalo haka domohina roa izy, na vanto-boromahailala roa, ka hitondra ireo amin’ny mpisorona eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana.

30 Dia hatolotry ny mpisorona ireo: ny iray hatao sorona noho ny ota, ny iray hatao sorona dorana, ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy, eo anatrehan’i Iaveh, noho ny fitsihana izay nahaloto azy.

Famaranana

31 Ampianaro hidio amin’ny fahalotoany ny zanak’i Israely, sao ho faty noho ny fahalotoany izy, amin’ny fandotoany ny Fonenako izay eo afovoany.

32 Izany no lalàna momba ny lehilahy mitsîka na voaloton’ny fandehanan’ny rano malotony,

33 sy momba ny vehivavy mararin’ny fadim-bolana, mbamin’ny olona rehetra mitsîka, na lahy na vavy, sy ny lehilahy mandry amim-behivavy maloto.

Categories
Levitika

Levitika 16

Ny andro lehibe fanonerana

1 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh taorian’ny nahafatesan’ireo zanak’i Aarôna roa lahy, izay novonoina tamin’izy nanatona ny Tavan’i Iaveh.

2 Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ilazao i Aarôna rahalahinao, mba tsy hiditra lalandava ao amin’ny fitoerana masina, anatin’ny efitra lamba, eo anoloan’ny fanaovam-panavotana izay eo ambonin’ny fiara, sao ho faty izy, satria miseho eo amin’ny rahona eo ambonin’ny fanaovam-panavotana Aho.

3 «Ary izao no fomba harahin’i Aarôna raha miditra ao amin’ny fitoerana masina izy: Haka vantotr’ombalahy iray izy, hatao sorona noho ny ota, ary ondralahy iray hatao sorona dorana.

4 Ny tonîka masina vita amin’ny rongony madinika no hiakanjoany, kalisaona rongony madinika no hataony manolo-koditra, fehinkibo rongony madinika no hietràny ary hamama rongony madinika no hisatrohany; ireo fanamiana masina ireo no hitafiany rehefa avy nandro tamin’ny rano izy.

5 Handray osy lahy hatao sorona noho ny ota izy sy ondralahy iray hatao sorona dorana avy amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely.

6 Hatolotr’i Aarôna ny ombalahy noho ny ota, ary hanao fanonerana ho an’ny tenany sy ny ankohonany izy.

7 Raha efa izany, halainy ny osy lahy roa, ka hapetrany eo anatrehan’i Iaveh, eo amin’ny varavarana fidirana amin’ny trano lay fihaonana.

8 Dia hanaovany loka ireo: ny loka iray ho an’i Iaveh ary ny loka iray ho an’i Azazela.

9 Hampanatonin’i Aarôna ny osy lahy iray niharan’ny loka ho an’i Iaveh, ka hatolony ho sorona noho ny ota.

10 Fa ny osilahy iray niharan’ny loka ho an’i Azazela kosa, hapetrany velona eo anatrehan’i Iaveh, hanaovana ny fanorenana ao aminy, dia halefany any an’efitra ho an’i Azazela.

11 «Koa hatolotr’i Aarôna ny ombalahy atao sorona noho ny ota, izay ho azy, dia hanaovany ny fanonerana ho azy sy ny ankohonany. Rehefa avy namono ny ombalahy sorona noho ny ota izy,

12 dia haka fanembohana feno vain’afo avy eo ambonin’ny ôtely, eo anatrehan’i Iaveh sy vovo-java-manitra eran-tanan-droa; ka hitondra izany zavatra izany mankao anatin’ny efitra lamba.

13 Hataony eo ambonin’ny afo, eo anatrehan’i Iaveh ny zava-manitra, mba ho voasaron’ny setroky ny zava-manitra ny fanaovam-panavotana, eo ambonin’ny vavolombelona, mba tsy hahafaty azy.

14 Ary hangalany ny ran’ny ombalahy, hafafin’ny rantsan-tanany amin’ny fanaovam-panavotana amin’ny lafiny atsinanana ary hafafin’ny rantsan-tanany impito eo anoloan’ny fanaovam-panavotana.

15 Dia hovonoiny ny osy lahy, sorona noho ny ota, izay ho an’ny vahoaka, ka hoentiny miditra ao amin’ny efitra lamba ny rany, hataony tahaka ny nanaovany ny ran’ny ombalahy; dia hafafiny amin’ny fanaovam-panavotana.

16 Toy izany no hanaovany ny fanonerana ho an’ny fitoerana masina, noho ny fahalotoan’ny zanak’i Israely sy noho ny fahadisoany rehetra, araka ny fahotany. Torak’izany koa no hataony ho an’ny trano lay fihaonana, izay mipetraka ao amin’izy ireo eo afovoan’ny fahalotoany.

17 Aza avela hisy olona ao an-trano lay fihaonana, raha miditra izy hanao ny fanonerana ao amin’ny fitoerana masina, mandra-pivoakany. Hanao ny fanonerana ho an’ny tenany sy ny ankohonany ary ny fiangonan’i Israely rehetra izy.

18 Rehefa hivoaka, dia ho eo amin’ny ôtely eo anatrehan’i Iaveh izy, hanao ny fanonerana ho an’ny ôtely, hangalany ny ran’ny ombalahy sy ny ran’ny osy lahy, anentenany ny tandroky ny ôtely, manodidina;

19 hofafazan’ny rantsan-tanany impito amin’ny ra ny eo ambonin’ny ôtely, ka hodioviny sy hohamasininy ho afaka amin’ny fahalotoan’ny zanak’i Israely.

20 «Rehefa vita ny fanonerana ho an’ny fitoerana masina sy ny trano lay fihaonana ary ny ôtely, dia hateriny ny osy lahy velona;

21 hapetrak’i Aarôna eo ambonin’ny lohan’ny osy lahy velona ny tanany roa, dia holazainy eo amboniny avokoa ny otan’ny zanak’i Israely sy ny fahadisoany rehetra araka izay fahotana nataony, hataony eo ambonin’ny lohan’ilay osy lahy izany ota izany, vao halefany ho any an’efitra izy, hoentin’ny olona efa voaomana.

22 Dia hoentin’ity osy lahy amin’ny tenany ho any amin’ny tany tsy misy mponina ny otan’izy rehetra, ka halefan’ilay olona any an’efitra ny osy lahy.

23 «Ary i Aarôna hiditra amin’izay ao an-trano lay fihaonana: havelany ny fanamiana rongony niakanjoany hoentiny miditra ao amin’ny fitoerana masina, ka rehefa voapetrany ao,

24 dia handro amin’ny rano izy, vao hiakanjo ny fanamiana indray.

25 Izay izy vao hivoaka hanolotra ny sorona dorana sy ny an’ny vahoaka, hanao ny fanonerana ho an’ny tenany sy ho an’ny vahoaka, ary hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely ny saboran’ny sorona noho ny ota.

26 Ilay nandefa ny osy lahy ho an’i Azazela, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano aloha, vao hiditra ao an-toby.

27 Ary ny ombalahy noho ny ota sy ny osy lahy noho ny ota, izay nentin-dra tao amin’ny fitoerana masina hanaovana ny fanonerana dia hoenti-mivoaka any ivelan’ny toby, dia hodorany amin’ny afo ny hodiny, ny tenany ary ny tain-drorohany.

28 Hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano izay nandoro azy izy, vao hiditra ny toby.

29 «Izao no lalàna tsy tapaka ho anareo: amin’ny volana fahafito, andro fahavalon’ny volana, hampijaly tena ianareo, sady tsy hanao taozavatra akory, na ny tompon-tany na ny vahiny mitoetra eo aminareo.

30 Fa amin’izany andro izany no hanaovana ny fanonerana ho anareo, mba hanadiovana anareo, ka hadio ho afaka amin’ny fahotanareo rehetra, eo anatrehan’i Iaveh ianareo.

31 Sabata ho anareo izany, andro fitsaharana; ary hampijaly tena ianareo. Lalàna tsy tapaka io.

32 «Ny hanao ny fanonerana dia izay mpisorona efa nandray ny fanosorana sy efa voatokana hanao ny raharahan’ny fisoronana mandimby an-drainy. Hitafy fanamiana rongony madinika, fanamiana masina izy.

33 Hanao ny fanonerana ho an’ny fitoerana masin’ny fahamasinana izy, hanao ny fanonerana ho an’ny trano lay fihaonana sy ho an’ny ôtely; hanao ny fanonerana ho an’ny mpisorona, ary ho an’ny vahoakan’ny fiangonana rehetra.

34 Lalàna tsy tapaka ho anareo izao: hatao indray mandeha isan-taona ny fanonerana ho an’ny zanak’i Israely noho ny fahotany.»

Dia nataon’ny olona izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Categories
Levitika

Levitika 17

Fandatsahan-dra sy sorona

1 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

2 Mitenena ianao amin’i Aarôna sy ny zanany ary ny zanak’i Israely rehetra. Lazao aminy hoe: Izao ny didin’i Iaveh:

3 Na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely mamono omby na ondry na osy, ao an-toby na any ivelan’ny toby,

4 nefa tsy nitondra azy teo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an’i Iaveh, eo anoloan’ny fonenan’i Iaveh, dia hahameloka azy izany, fa nandatsa-dra izy, ka hofongorana amin’ny fireneny izany olona izany;

5 mba tsy ho eny an-tsaha no hamonoan’ny zanak’i Israely ny zavatra vonoiny, fa hoentiny amin’ny mpisorona, eo anatrehan’i Iaveh, ao anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, hateriny ho sorona fihavanana amin’i Iaveh.

6 Ny ra, hatopin’ny mpisorona amin’ny ôtelin’i Iaveh, eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana; ny sabora, hodorany hanetona ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.

7 Ka dia tsy hanatitra intsony ny sorona ataony ho an’ny satiraizay tompoiny izy. Lalàna tsy tapaka ho azy ireo hatrany amin’ny taranaka mifandimby izany.

8 Izao koa no lazao amin’izy ireo: Na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely na amin’ny vahiny mitoetra eo afovoany hanatitra sorona dorana na fanatitra,

9 ka tsy mitondra ny sorona eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, hatolotra ho sorona ho an’i Iaveh, dia hofongorana amin’ny fireneny izany olona izany.

10 Na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely, na amin’ny vahiny mitoetra eo afovoany, hihinana ram-biby, na biby inona na biby inona, dia hanandrina izay olona mihinan-dra ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy;

11 satria ny ain’ny nofo dia amin’ny ra, ka ny hanolorana azy eo amin’ny ôtely hanaovana fanonerana ho an’ny ainareo, no nanomezako azy anareo, fa noho ny aina ao aminy no ahavitan’ny ra fanonerana.

12 Izany no nilazako tamin’ny zanak’i Israely hoe: Aza misy mihinan-dra ianareo, ary ny vahiny mitoetra eo aminareo aza misy mihinan-dra.

13 Na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely, na amin’ny vahiny mitoetra eo afovoany, mihaza ka mahazo biby na vorona fihinana, dia hararany ny ra, sy hototofany tany,

14 satria ny rany no ain’ny nofo rehetra: izy no ainy. Izany no nilazako tamin’ny zanak’i Israely hoe: Aza mihinana ny ran’ny nofo, na nofon’inona na nofon’inona, fa ny ain’ny nofo rehetra, dia ny rany; ka hofongorana izay mihinana izany.

15 Ny olona rehetra na tompon-tany na vahiny, mihinana biby maty ho azy na voaviravira, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ny andro, vao hadio.

16 Fa raha tsy manasa ny fitafiany sy ny tenany izy, dia hivesatra ny otany.

Categories
Levitika

Levitika 18

Fahamasinan’ny fanambadiana

1 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

2 Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

3 Aza manao toy ny ataon’ny any amin’ny tany Ejipta izay nonenanareo, ary aza manao toy ny ataon’ny any amin’ny tany Kanaana, izay hitondrako anareo; aza manaraka ny lalàn’ireny ianareo.

4 Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny lalàko no hotandremanareo, ka harahinareo izany, fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

5 Tandremo ny lalàna aman-pitsipiko, fa ny olona manaraka izany, no ho velona amin’izany. Izaho no Iaveh.

6 Aza misy manatom-behivavy, havany akaiky, mba hanokatra ny fitanjahany. Izaho no Iaveh.

7 Aza manokatra ny fitanjahan-drainao, na ny fitanjahan-dreninao, fa reninao izy, ka aza manokatra ny fitanjahany.

8 Aza manokatra ny fitanjahan-drenikelinao, fa fitanjahan-drainao izany.

9 Aza manokatra ny fitanjahan’ny anabavinao, zana-drainao na zana-dreninao, teraka tao an-trano na teraka tany ivelany; aza manokatra ny fitanjahany.

10 Aza manokatra ny fitanjahan’ny zanaka vavin’ny zanakao lahy na ny zanaka vavin’ny zanakao vavy, fa fitanjahanao izany.

11 Aza manokatra ny fitanjahan’ny zanaka vavin’ny vadin-drainao natera-drainao, fa anabavinao izy.

12 Aza manokatra ny fitanjahan’ny anabavin-drainao, fa nofon-drainao izany.

13 Aza manokatra ny fitanjahan’ny rahavavin-dreninao, fa nofon-dreninao izany.

14 Aza manokatra ny fitanjahan’ny rahalahin-drainao amin’ny fakàna ny vadiny, fa anabavin-drainao izy.

15 Aza manokatra ny fitanjahan’ny vinanto vavinao, fa vadin-janakao izy. Aza manokatra ny fitanjahany.

16 Aza manokatra ny fitanjahan’ny vadin-drahalahinao, fa fitanjahan’ny rahalahinao izany.

17 Aza manokatra ny fitanjahan’ny vehivavy aman-janany vavy, aza maka ny zanaka vavin’ny zanany lahy, na ny zanaka vavin’ny zanany vavy, mba hanokatra ny fitanjahany, fa mpihavana akaiky izy, ka mahameloka.

18 Aza maka ny rahavavin’ny vadinao ho rafiny, amin’ny fanokafana ny fitanjahany sy ny an’ny vadinao izay mbola velona.

19 Aza manatom-behivavy mandritra ny fahalotoam-padim-bolany mba hanokatra ny fitanjahany.

20 Aza mikambana amin’ny vadin’ny namanao, handoto tena aminy.

21 Aza misy omenao hatolotra hodorana hankalazana an’i Môlôkany zanakao; aza mametaveta ny Anaran’ny Andriamanitrao. Izaho no Iaveh.

22 Aza mandry amin-dehilahy toy ny fandry amim-behivavy, fa fahavetavetana izany.

23 Aza mandry amin’ny biby handoto tena aminy. Aoka ny vehivavy tsy hijanona eo anoloan’ny biby handoto tena aminy, fa zava-mahamenatra izany.

24 Aza mandoto tena amin’ireo zavatra ireo, na dia iray aza, fa tamin’ireo no nandoto tena ny firenena horoahiko eo anoloanareo.

25 Voaloto ny tany, ka hovaliako ny helony, ary haloan’ny tany ny mponina eo aminy.

26 Fa ianareo kosa hitandrina ny lalàna amam-pitsipiko, ka tsy hanao amin’ireo fahavetavetana ireo, na dia iray aza, na ianareo tompon-tany na ny vahiny mitoetra eo afovoanareo.

27 Fa ireo fahavetavetana rehetra ireo, no nataon’ny olon’izany tany izany, izay nonina tao talohanareo, ka izany no nahaloto ny tany.

28 Ary ianareo tsy mba haloan’ny tany amin’ny fandotoana azy, toy ny nandoavany an’ireo firenena izay tao talohanareo;

29 satria hofongorana amin’ny fireneny izay rehetra manao ireo fahavetavetana ireo, na dia iray aza.

30 Tandremo ny didiko mba tsy hanatanterahanareo na inona na inona amin’ireo fomba vetaveta fanao talohanareo, ka tsy handotoanareo ny tenanareo amin’izany. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

Categories
Levitika

Levitika 19

Fitsipika momba ny fitondran-tena

1 Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy nanao hoe:

2 Mitenena amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, lazao aminy hoe:

Aoka ho masina ianareo satria masina Aho, Iaveh Andriamanitrareo.

3 Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny sabatako. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

4 Aza mitodi-doha amin’ny sampy; ary aza manao andriamanitra anidina ho anareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

5 Raha manatitra sorom-pihavanana amin’i Iaveh ianareo, ataovy araka izay hahazoanareo sitraka aminy, izany.

6 Izay andro hamonoana ny sorona, na ampitson’izay, no hihinanana azy; izay sisa tratry ny andro fahatelo dia hodorana amin’ny afo.

7 Raha sendra misy mihinana amin’izany, dia fahavetavetana izany, ka tsy hankasitrahina ny sorona.

8 Ary izay mihinana azy amin’izany, dia hilonjy ny helony, fa mametaveta ny zava-boahasina ho an’i Iaveh, ka hofongorana amin’ny fireneny izany olona izany.

9 Raha mijinja ny vokatry ny taninareo ianareo, aza mijinja ny sahanao hatrany am-paran’ny sisiny indrindra, ary aza fakoinao izay mbola hotsimponin’ny hafa amin’ny varinao.

10 Aza mioty ny salohiny tavela amin’ny voalobokao; ary aza mitsimpona ny voankazo latsaka amin’ny sahanao; fa avelao izany ho an’ny mahantra sy ny vahiny. Izaho no Iaveh Andriamanitrao.

11 Aza mangalatra, aza mifamitaka na mifandainga ianareo.

12 Aza mianian-tsy tò amin’ny Anarako, fa fanamavoana ny Anaran’Andriamanitrao izany. Izaho no Iaveh.

13 Aza mampahory ny namanao, na manendaka azy. Aza tananao miloaka alina ny karaman’ny mpikarama.

14 Aza manozona ny marenina, na mametraka eo alohan’ny jamba izay zavatra mety hamotraka azy, fa matahora ny Andriamanitrao. Izaho no Iaveh.

15 Aza manao ny tsy rariny amin’ny fitsarana: ny mahantra aza ananana tombom-pitia, ny manan-karena aza ananana fankasitrahana, fa ny rariny ihany no hitsaranao ny namanao.

16 Aza manely fanaratsiana eo amin’ny firenenao. Ary aza mitsangan-ko vavolombelona handatsaka ny ran’ny namanao. Izaho no Iaveh.

17 Aza mankahala ny rahalahinao ao am-ponao, fa mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.

18 Aza mamaly ratsy, na manao an-dolompo amin’ny zanaky ny firenenao. Fa tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Izaho no Iaveh.

19 Tandremo ny didiko.

Aza mampivady biby samy hafa karazana; aza mamafy voan-javatra roa karazana amin’ny tanimbolinao, ary aza mitafy fitafiana voatenona tamin’ny kofehy roa karazany.

20 Raha misy lehilahy mandry sy miray amim-behivavy andevon’olona ka efa voafofon-dehilahy hafa, nefa mbola tsy voaavotra na afaka, dia hofaizina izy roaroa, nefa tsy hoheloin-ko faty, satria tsy olona afaka ravehivavy.

21 Ary ho sazin’ny fahotana dia hoentin-dralehilahy amin’i Iaveh ny ondralahy iray eo anoloan’ny trano lay fihaonana hatao sorona fanonerana.

22 Ny mpisorona dia hanao fanonerana ho azy, eo anatrehan’i Iaveh amin’ny ondralahy fisoronam-panonerana, noho ny fahotana nataony, ka dia havela ny fahotana nataony.

23 Raha afaka izay hahatafidiranareo any amin’ny tany, ka efa namboly hazo mamoa isan-karazany ianareo, dia ataovy ho toy ny tsy voafora ny voany; mandritra ny telo taona dia ho tsy voafora ho anareo izany, ka aza ihinanana.

24 Ary amin’ny taona fahefatra, atokàny ho fiderana an’i Iaveh ny voany rehetra.

25 Fa amin’ny taona fahadimy vao hihinana ny voany ianareo, ka hitohy ny fahavokaran’ny hazo ho anareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

26 Aza mihinan-javatra miharo ra. Aza manao sikidy na fankatoavana.

27 Aza hetezana hatao vorivory ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza haratana ny sisim-bolom-bavanareo.

28 Aza mitetika ny tenanareo raha misy maty, na manao sary tombo-kavatsa amin’ny tenanareo. Izaho no Iaveh.

29 Aza mandoto ny zanaka vavinao amin’ny fampijangajangana azy, fandrao mivarilavo amin’ny fijangajangana ny tany, ka feno heloka.

30 Tandremo ny sabatako ary hajao ny fitoerako masina. Izaho no Iaveh.

31 Aza manatona an’izay mpamoha angatra na mpisikidy, aza maka hevitra aminy, mba tsy ho voalotony ianareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

32 Mitsangàna raha manoloana ny fotsy volo, hajao ny olona efa tratra antitra; ary matahora an’Andriamanitra. Izaho no Iaveh.

33 Raha misy vahiny tonga miara-monina aminareo, eo amin’ny taninareo, aza mampahory azy.

34 Fa ataovy toy ny tompon-tany ihany no fitondra ny vahiny mitoetra eo afovoanareo, tiavo toy ny tenanareo izy; fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

35 Aza manao ny tsy marina na amin’ny fitsarana na amin’ny fandrefesana, na amin’ny fandanjàna, na amin’ny famarana.

36 Fa mizàna marina, vato-mizàna marina, efah marina, ary hina marina no tano. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo, Izay namoaka anareo tany amin’ny tany Ejipta.

37 Tandremo avokoa ny lalàna amam-pitsipiko rehetra, ka araho izany. Izaho no Iaveh.

Categories
Levitika

Levitika 20

A. Hadisoana ara-pivavahana

1 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

2 Izao no lazao amin’ny zanak’i Israely: Na zovy na zovy amin’ny zanak’i Israely, na amin’ny vahiny mitoetra eo amin’i Israely, manolotra ny iray amin’ny zanany ho an’i Môlôka, dia hoheloin-ko faty, ka hotorahin’ny vahoaka tompon-tany vato.

3 Ary hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy, fa nanolotra ny iray amin’ny zanany ho an’i Môlôka, handoto ny fitoerako masina, sy hanavetaveta ny Anarako.

4 Na mody tsy mahita izany olona izany aza ny vahoaka, amin’ny anolorany ny zanany ho an’i Môlôka, ka tsy mamono azy,

5 dia hanandrina izany olona izany mbamin’ny fianakaviany ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy mbamin’izay rehetra mivadika amiko toa azy ka mitolo-tena hanompo an’i Môlôka.

6 Raha misy olona manatona izay mpamoha angatra na mpisikidy, ka mivadika amiko hanaraka ireny, dia hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy.

7 Hamasino ny tenanareo, ary aoka ho masina ianareo, fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

B. Hadisoana ara-pianakaviana

8 Tandremo ny didiko ka araho izany. Izaho no Iaveh Izay manamasina anareo.

9 Na zovy na zovy manozona ny rainy na ny reniny, dia hohelohin-ko faty; fa efa nanozona an-drainy na an-dreniny izy, ka dia aminy ny rany.

10 Raha misy lehilahy maka vadin’olona, ka mandry amin’ny vadin’ny namany, dia hatao maty izy ireo ho valin’izany, na ralehilahy naka vadin’olona na ravehivavy nalainy.

11 Raha misy lehilahy mandry amin’ny vadin-drainy, ka manokatra ny fitanjahan-drainy dia hoheloin-ko faty izy roaroa, ka dia amin’izy ireo ny rany.

12 Raha misy lehilahy mandry amin’ny vinanto vaviny, dia hohelohin-ko faty izy roaroa, fa nanao zava-mahamenatra; ka dia amin’izy ireo ny rany.

13 Raha misy lehilahy mandry amin-dehilahy toy ny fandry amim-behivavy, dia nanao zava-betaveta izy roaroa, ka dia hohelohin-ko faty; ka dia amin’izy ireo ny rany.

14 Raha misy lehilahy mampirafy vehivavy mianaka, dia heloka be vava izany, ka samy hodorana amin’ny afo izy sy iretsy vehivavy, mba tsy hisian’izany heloka izany eo aminareo.

15 Raha misy lehilahy miray amin’ny biby, izy hohelohin-ko faty ary ilay biby koa hovonoinareo.

16 Raha misy vehivavy manota hijangajanga amin’ny biby, dia hovonoina na ravehivavy na ilay biby, dia hatao maty izy ireo, ka dia amin’izy ireo ny rany.

17 Raha misy lehilahy maka ny anabaviny zanaka vavin-drainy, na zanaka vavin-dreniny ka izy nahita ny fitanjahany, ravehivavy koa nahita ny fitanjahany, dia haratsiana lozan-tany izany, ka hofongorana eo imason’ny taranaky ny fireneny izy, fa nanokatra ny fitanjahan’ny anabaviny, ka hilonjy ny helony.

18 Raha misy lehilahy mandry amim-behivavy mararin’ny fadim-bolana ka manokatra ny fitanjahany, dia nanokatra ny fandehanan’ny rany izy, ary hofongorana amin’ny fireneny izy roaroa.

19 Aza manokatra ny fitanjahan’ny rahavavin-dreninao, na ny anabavin-drainao, fa manokatra ny fitanjahan’ny tenany izay manao izany, ka hilonjy ny helony izy ireo.

20 Raha misy lehilahy mandry amin’ny vadin-drahalahin-drainy, dia nanokatra ny fitanjahan-drahalahin-drainy izy, ka hilonjy ny helony izy roaroa.

21 Raha misy lehilahy maka ny vadin-drahalahiny, dia fahalotoana izany, fa manokatra ny fitanjahan-drahalahiny izy, ka ho momba izy roaroa.

D. Fanampiny momba ny madio sy ny maloto

22 Tandremo avokoa ny lalàna amam-pitsipiko, ka araho izany, mba tsy haloan’ny tany hitondrako anareo honenanareo ianareo.

23 Aza manaraka ny fanaon’ny firenena izay horoahiko eo anoloanareo, fa nanao izany rehetra izany izy, ka maharikoriko Ahy izy.

24 Efa voalazako taminareo fa ianareo no handova ny tanin’ireny; homeko anareo hanananareo azy, ary tany tondra-dronono aman-tantely izany. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo Izay nanavaka anareo tamin’ny firenena hafa.

25 Hanavaka ny biby madio amin’izay maloto ianareo, sy ny vorona madio amin’izay maloto, ka tsy hametaveta ny tenanareo amin’izay biby, na vorona, na izay zava-mihetsiketsika rehetra ambonin’ny tany, nasaiko navahanareo ho zava-maloto.

Famaranana

26 «Ho masina ho Ahy ianareo, fa Izaho Iaveh dia masina sy efa nanavaka anareo tamin’ny firenen-kafa mba ho Ahy.

27 Hatao maty avokoa izay lehilahy na vehivavy mamoha angatra na manao hatsaràna, hotoraham-bato izy, ka dia amin’izy ireo ny rany.»