Categories
Levitika

Levitika 21

A. Ireo mpisorona

1 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: Mitenena amin’ny mpisorona zanak’i Aarôna ka lazao azy ireo hoe:

«Aza misy mandoto tena raha misy maty eo amin’ny fireneny,

2 afa-tsy amin’ny havany miray ra aminy, ny reniny, ny rainy, ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny rahalahiny,

3 ary ny anabaviny, virjiny miray trano aminy fa mbola tsy manam-bady; raha izy io no maty dia mahazo mandoto tena izy.

4 Filohany amin’ny fireneny izy ka tsy handoto tena na hanamavo ny fiamboniany.

5 Ny mpisorona tsy hanaratra ny lohany, tsy hanala ny sisin’ny volombavany, ary tsy hanisy tetika amin’ny tenany.

6 Ho masina ho an’ny Andriamaniny izy, ary tsy hanevateva ny Anaran’ny Andriamaniny, satria izy ireo dia manolotra amin’i Iaveh ny sorona dorana amin’ny afo, ny mofon’ny Andriamaniny, ho masina izy.

7 Tsy hanambady vehivavy janga na efa afa-baraka izy; tsy hanambady vehivavy efa voasaotran’ny lahy, fa masina ho an’ny Andriamaniny ny mpisorona.

8 Hataonao masina izy, fa manolotra ny mofon’ny Andriamanitrao, ka ho masina ho anao, satria masina Aho Iaveh, izay manamasina anareo.

9 Raha zanaka vavin’ny mpisorona no manala barà-tena mijangajanga, dia manala baraka an-drainy izy, ka hodorana amin’ny afo.»

B. Ny mpisorom-be

10 «Ny mpisorona lehibe izay ambonin’ireo rahalahiny, izay nampidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sy voatokana hitafy ny fanamiana masina, tsy hanala satroka ny lohany, na handriatra ny fitafiany.

11 Tsy hiditra am-paty izy ka tsy handoto ny tenany, na amin’ny rainy na amin’ny reniny.

12 Tsy hivoaka ny fitoerana masina izy, tsy hametaveta ny fitoerana masin’ny Andriamaniny, fa fehiloha voninahitra eo aminy ny diloilo masin’ny Andriamaniny. Izaho no Iaveh.

13 Izay mbola virjiny no halainy ho vady.

14 Tsy haka ho vady ny efa maty vady, na ny vehivavy efa voasaotra, na ny vehivavy efa afa-baraka, na ny mpijangajanga, fa izay mbola virjiny eo amin’ny fireneny ihany, no halainy ho vady.

15 Tsy hanao izay hanala baraka ny taranany eo amin’ny fireneny izy, fa Izaho no Iaveh manamasina azy.»

D. Ny tsy azo atao mpisorona

16 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

17 Mitenena amin’i Aarôna ka lazao hoe:

Tsy hisy hanatona hanolotra ny mofon’ny Andriamanitrao, izay olona rehetra manan-kilemam-batana, amin’ny taranakao hatramin’ny fara mandimby.

18 Fa izay manan-kilemam-batana na iza na iza, dia tsy hanatona; na olona jamba, na mandringa, na izay nahafahana, na izay manana amby;

19 na olona misy tapaka amin’ny tongony na amin’ny tanany,

20 izay vokoka, na zeny, na mipentina ny masony, izay hatenina, izay anakandroana, ny torotoro vihy.

21 Tsy hisy hanatona hanolotra ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh ny olon-drehetra amin’ny taranak’i Aarôna mpisorona, izay manan-kilemam-batana; fa manan-kilemam-batana izy, ka aza manatona hanolotra ny mofon’ny Andriamaniny.

22 Azony hanina ihany ny mofon’ny Andriamaniny, ny zava-masina dia masina, ny zava-masina.

23 Fa tsy handroso amin’ny efitra lamba izy, tsy hanatona ny ôtely, satria manan-kilemam-batana izy; tsy handoto ny toerako masina, fa Izaho no Iaveh manamasina azy ireo.

24 Dia nolazain’i Môizy izany tamin’i Aarôna sy ny zanany ary ny zanak’i Israely rehetra.

Categories
Levitika

Levitika 22

A. Ny mpisorona

1 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

2 «Mitenena amin’i Aarôna sy ny zanany mba hifadiany ny zava-masina atokan’ny zanak’i Israely ho Ahy sy tsy hanamavoany ny Anarako masina. Izaho no Iaveh.

3 Lazao aminy hoe: Ny olona rehetra amin’ny taranakareo hatramin’ny fara mandimby izay mbola manam-pahalotoana ao aminy, nefa manakaiky ny zava-masina atokan’ny zanak’i Israely ho an’i Iaveh, dia hofongorana eo anatrehako. Izaho no Iaveh.

4 Ny olona rehetra amin’ny taranak’i Aarôna, izay azon’ny habokana na marary mitsîka dia tsy hihinana ny zava-masina mandra-pahadiony. Torak’izany koa izay nikasika olona voaloto, nikasika fasika, izay nandeha rano maloto,

5 izay nikasika biby mandady nahaloto azy, na olona maloto namindra fahalotoana taminy, na fahalotoana inona na fahalotoana inona,

6 haloto mandra-paharivan’ny andro izay nikasika ireo zavatra ireo, ka tsy hihinana ny zava-masina, handro amin’ny rano izy,

7 ka hadio, rehefa maty ny masoandro, dia hahazo mihinana ny zava-masina, fa fihinany izany.

8 Tsy hihinana biby maty ho azy na voaviravira izy mba tsy ho voaloton’izany. Izaho no Iaveh.

9 Hitandrina ny didiko izy ireo, sao hahazo ota ny amin’izany, na ho fatin’ny fanamavoan’ny zava-masina. Izaho no Iaveh manamasina azy.»

B. Ny olona tsotra

10 «Tsy hisy olon-kafa hihinana zava-masina, na ny mipetraka ao amin’ny mpisorona, na ny mpikarama, dia samy tsy hihinana ny zava-masina.

11 Mahazo mihinana ihany anefa, izay mpanompon’ny mpisorona novidiny vola, toy izany koa izay teraka tao an-tranony; azon’ireny hanina izay fihinany.

12 Tsy hihinana ny navahana tamin’ny zava-masina ny zanaka vavin’ny mpisorona, nanambady olon-kafa.

13 Fa raha maty vady na voasaotra tsy mbola niteraka, ny zanaka vavin’ny mpisorona, ka mody any an-tranon-drainy, toy ny fony mbola kely, dia mahazo mihinana izay fihinan-drainy; fa ny olon-kafa tsy hihinana izany.

14 Raha misy olona nihinana tsy nahy tamin’ny zava-masina, dia honerany amin’ny mpisorona ny zava-masina, ka hotongoavany ny ampahadiminy.

15 Aoka ny mpisorona tsy hametaveta ny zava-masin’ny zanak’i Israely, izay natokany ho an’i Iaveh,

16 sy tsy hampivesatra azy ny heloka ataony amin’ny fihinanana ny zava-masina avy aminy; fa Izaho no Iaveh manamasina azy.»

D. Ny biby atao sorona

17 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

18 «Mitenena amin’i Aarôna sy ny zanany mbamin’ny zanak’i Israely rehetra, ka lazao aminy hoe: Na zovy na zovy amin’ny zanak’i Israely, na amin’ny vahiny eo amin’i Israely manatitra ny fanatiny, na ho fanalam-boady, na ho fanomezana an-tsitrapo, ka hateriny amin’i Iaveh ho sorona dorana,

19 dia aoka ho lahy tsy manan-kilema no hatao sorona, na omby izany, na ondry, na osy, mba hankasitrahana anareo.

20 Aza manatitra izay manan-kilema fa tsy hankasitrahina izany.

21 Raha misy olona manatitra biby fiompy vaventy na madinika amin’i Iaveh, hatao sorom-pihavanana, na ho fanalam-boady izany, na ho fanomezana an-tsitrapo, dia tsy maintsy ho tsara mihitsy ny hatao sorona mba hankasitrahana azy, tsy tokony hanan-kilema akory izy.

22 Izay biby jamba, na mandringa, na tapaka, na ferena, na hatenina, na tsingoahina, dia tsy haterinareo ho an’i Iaveh, tsy hanaovanareo sorona amin’ny afo eo ambonin’ny ôtely, ho an’i Iaveh.

23 Raha hatao fanatitra an-tsitrapo, dia azo vonoina ihany ny omby na ondry, diso lava na fohy rantsan-tanana; fa raha fanalam-boady, tsy ankasitrahina ny sorona toy izany.

24 Aza aterinareo ho an’i Iaveh izay biby voaporitra, na voatoro, na voaombotra, na voadidy ny vihiny; aza manao izany amin’ny taninareo.

25 Rehefa mety ho sorona toy ireny, dia aza raisinareo haterina ho fàhan’ny Andriamanitrareo ireny, na dia avy eo an-tanan’ny olon-kafa firenena aza, fa efa simba ireny fa manan-kilema, ka tsy hahazoanareo sitraka.»

26 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy:

27 «Na omby, na ondry, na osy, raha vao teraka, dia hitoetra amin-dreniny hafitoana izy, fa rehefa hatramin’ny andro fahavalo no ho miakatra, vao hankasitrahina ny hanaterana azy ho sorona hatao amin’ny afo amin’i Iaveh.

28 Aza atao indray mamono amin’ny indray andro ny biby sy ny zanany, na omby izany, na ondry.

29 Raha manatitra sorom-pisaorana amin’i Iaveh ianareo, dia atolory araka izay ankasitrahana azy.

30 Izay andro amonoana azy ihany no ihinanana azy, fa tsy hisy havela ho tra-maraina. Izaho no Iaveh.»

E. Famporisihana farany

31 «Tandremo ny didiko, ka araho izany. Izaho no Iaveh.

32 Aza manevateva ny Anarako masina, fa hohamasinina eo afovoan’ny zanak’i Israely Aho. Izaho no Iaveh manamasina anareo,

33 sy namoaka anareo avy any amin’ny tany Ejipta, mba ho Andriamanitrareo. Izaho no Iaveh.»

Categories
Levitika

Levitika 23

Ireo fety mandritra ny taona

1 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

2 «Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Ireto no fety lehibeho an’i Iaveh izay hantsoinareo mba ho fivoriana masina; fetiko lehibe izany.»

A. Ny sabata

3 «Andro enina no hiasana, fa ny andro fahafito dia sabata, fitsaharana amin’ny asa rehetra, hasiana fivoriana masina. Tsy hanao asa na inona na inona ianareo, fa fitsaharana voatokana ho an’i Iaveh io, any amin’izay tany rehetra honenanareo.»

4 Ireto no fetin’i Iaveh, ny fivoriana masina izay hantsoinareo amin’ny fotoany avy:

B. Ny Paka sy ny Azima

5 «Amin’ny volana voalohany, andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana amin’ilay àty takariva iny, dia Pakan’i Iaveh.

6 Ary ny andro fahadimy ambin’ny folon’io volana io, dia fetin’ny mofo tsy misy lalivay, fankalazana an’i Iaveh; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy lalivay.

7 Amin’ny andro voalohany hisy fivoriana masina ho anareo, ary tsy hanao asa-mpanompona inona na inona ianareo.

8 Mandritra ny hafitoana, hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh ianareo. Ary amin’ny andro fahafito, hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asa-mpanompo ianareo, na inona na inona.»

D. Ny santa-bokatra

9 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

10 «Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha avy izay hahatafidiranareo any amin’ny tany omeko anareo, ka mijinja ny vokatrareo ianareo, dia hitondra amboaram-bary iray amin’ny mpisorona ho santatry ny vokatrareo.

11 Hahevahevany eo anatrehan’i Iaveh io amboara io, hahitanareo sitraka aminy; ary ny ampitson’ny sabata no hanevahevan’ny mpisorona azy.

12 Amin’ny andro hanevahevanareo ny amboaram-bary, dia manatera zanak’ondry iray, efa iray taona, tsy misy kilema, hatao sorona ho an’i Iaveh.

13 Ny fanatitra hampombaina an’io, dia lafarina tsara indrindra roa ampahafolon’ny efah voadity tamin’ny diloilo, ho fanatitra atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh; ary ny fanatitra araraka dia divay ampahefatry ny hina.

14 Tsy hihina-mofo, na salohim-bary voaendy, na salohim-bary maitso hatramin’izany andro izany mandra-pitondrànareo ny fanatitra ho an’ny Andriamanitrareo. Lalàna tsy tapaka ho an’ny taranakareo izany, any amin’ny tany rehetra honenanareo.»

E. Fetin’ny herinandro

15 Ary miantomboka amin’ny ampitson’ny sabata amin’ny andro nitondranareo ny amboara hahevaheva dia hanisa herinandro fito mipaka ianareo.

16 Hanisa andro dimampolo ianareo aloha mandra-pahatongan’ny ampitson’ny sabata fahafito, dia hanatitra fanatitra vaovao amin’i Iaveh.

17 Mitondrà, avy any an-tranonareo, mofo roa, ho fanatitra hahevaheva natao tamin’ny lafarina tsara indrindra roa ampahafolon’ny efah, sy nandrahoina nasiana lalivay; santa-bokatra ho an’i Iaveh izany.

18 Miaraka amin’ireo mofo ireo, ny haterinareo amin’i Iaveh ho sorona dorana dia zanak’ondry fito, samy efa iray taona, tsy misy kilema, vantotr’ombalahy iray, ondralahy roa; ampiarahina amin’ireo koa ny fanatitra sy ny fanatitra araraka; sorona atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh izany.

19 Dia mamonoa koa osy lahy iray ho sorona noho ny ota, sy zanak’ondry roa, efa iray taona, ho sorom-pihavanana.

20 Hahevahevan’ny mpisorona ireny miaraka amin’ny mofo santa-bokatra ho fanatitra ahevaheva, eo anatrehan’i Iaveh, mbamin’ny zanak’ondry roa, dia ho voatokana ho an’i Iaveh, ka ho anjaran’ny mpisorona.

21 Amin’io andro io indrindra no hiantsoanareo ny fety, ary hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo. Lalàna tsy tapaka ho an’ny taranakareo izany, any amin’izay tany rehetra honenanareo.

22 Rehefa nijinja ny vokatrareo ianareo any amin’ny taninareo, aza dia jinjaina hatrany an-tsisiny indrindra ny sahanareo, ary aza dia fakoina amin’ny vokatrareo ny hotsimponin’ny hafa, fa avelao izany ho an’ny mahantra sy ny vahiny. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

F. Ny andro voalohan’ny volana fahafito

23 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

24 «Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao hoe: Amin’ny volana fahafito, andro voalohan’ny volana, dia hisy fitsaharana lehibe ho anareo, hantsoina amin’ny feon’ny anjomara, fivoriana masina.

25 Tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo, ary hanolotra sorona hatao amin’ny afo ho an’i Iaveh.»

G. Ny andron’ny fanonerana

26 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

27 «Ny andro fahafolon’io volana fahafito io no andron’ny fanonerana; hanao fivoriana masina ianareo, hampijaly tena, ary hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.

28 Tsy hanao asa na inona na inona, amin’izany andro izany ianareo, fa andro fanonerana io, eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo.

29 Hofongorana amin’ny fireneny ny olona rehetra tsy nampijaly tena amin’izany andro izany;

30 ary holevoniko amin’ny fireneny ny olona rehetra manao asa na inona na inona amin’izany andro izany.

31 Tsy hanao asa na inona na inona ianareo. Lalàna tsy tapaka ho an’ny taranakareo izany, any amin’izay tany rehetra honenanareo.

32 Sabata ho anareo izany, fitsaharana amin’ny asa rehetra, ary hampijaly tena ianareo. Ny andro fahasivin’ny volana amin’ny hariva, hatramin’ny harivan’iny ka hatramin’ny ampitso dia hitandrina ny sabatanareo ianareo.»

Fetin’ny trano lay

33 Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy nanao hoe:

34 «Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao hoe: Amin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’io volana fahafito io, no fetin’ny tabernakla, mandritra ny hafitoana, ho fankalazana an’i Iaveh.

35 Amin’ny andro voalohany, hisy fivoriana masina. Tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo;

36 mandritra ny hafitoana dia hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh ianareo. Ary amin’ny andro fahavalo, hisy fivoriana masina ho anareo, ary hanatitra sorona hatao amin’ny afo ho an’i Iaveh ianareo, famaranam-pety izany: tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo.»

Famaranana

37 «Ireo no fetin’i Iaveh hantsoinareo hanaovana fivoriana masina, hanaterana amin’i Iaveh sorona atao amin’ny afo, sorona dorana, fanatitra, sorona sy fanatitra araraka, samy amin’ny fotoany avy;

38 afa-tsy ny fanomezanareo, afa-tsy ny fanalam-boadinareo rehetra, afa-tsy ny fanatitra an-tsitraponareo rehetra izay hatolotrareo an’i Iaveh.»

Momba ny trano lay indray

39 «Amin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana fahafito, rehefa manangona ny vokatry ny tany ianareo dia hankalaza ny fetin’i Iaveh, mandritra ny hafitoana; ny andro voalohany ho fitsaharana lehibe, ny andro fahavalo koa ho fitsaharana lehibe.

40 Amin’ny andro voalohany haka voan’ny hazo tsara tarehy ianareo, sampan-drofia, rantsan’ny hazo mikirindro, ary hazo malahelo eny amoron-drenirano, ka hifaly eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo mandritra ny hafitoana.

41 Hafitoana isan-taona no hanaovanareo izany fety izany ho fankalazana an’i Iaveh, lalàna tsy tapaka ho an’ny taranakareo izany; amin’ny volana fahafito no hanaovanareo izany.

42 Trano rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana, trano rantsan-kazo avokoa no hitoeran’ny tompon-tany rehetra amin’i Israely,

43 mba hahafantaran’ny taranakareo fa trano rantsan-kazo no nampitoerako ny zanak’i Israely, fony Aho namoaka azy avy any amin’ny tany Ejipta. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.»

44 Dia nampahalalain’i Môizy ny zanak’i Israely ny fetin’i Iaveh.

Categories
Levitika

Levitika 24

A. Ny jiro mirehitra lalandava

1 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

2 «Omeo didy ny zanak’i Israely hanatitra aminao diloilo madio avy amin’ny ôliva voatoto, hamelomana ny jiro lalandava.

3 I Aarôna no hamboatra azy, eo ivelan’ny efitra lamba, anoloan’ny vavolombelona, ao an-trano lay fihaonana, mba hirehetany lalandava eo anatrehan’i Iaveh, hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina. Lalàna tsy tapaka ho an’ny taranakareo izany.

4 Halahany eo amin’ny fanaovan-jiro volamena madio ny lalampy eo anatrehan’i Iaveh lalandava.»

B. Ny mofo alahatra eo amin’ny latabatra volamena

5 «Haka lafarina tsara indrindra ianao ka handrahoanao mofomamy roa ambin’ny folo, samy ho roa ampahafolon’ny efah avy ny mofomamy.

6 Hapetrakao mifanongoa amin’ny antontany roa ireo, enina isan’antontany, eo ambonin’ny latabatra volamena madio, eo anatrehan’i Iaveh.

7 Hasianao emboka madio eo ambonin’ny isan’antontany avy, ho fahatsiarovana, eo amin’ny mofo atolotra amin’ny afo ho an’i Iaveh.

8 Halahatra tsy tapaka isan’andro sabata ireo mofo ireo avy amin’ny zanak’i Israely, eo anatrehan’i Iaveh: fanekem-pihavanana maharitra lalandava izany.

9 Ho anjaran’i Aarôna sy ny zanany ireo; ary eo amin’izay toerana masina no hihinanany azy, satria zava-masina dia masina ho azy ireo izany, amin’ny fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Iaveh. Lalàna maharitra lalandava izany.»

Fanevatevana sy lalàna momba ny valy araka ny natao

10 Nisy zanaka lahin’ny vehivavy Israelita anankiray, nefa zanaky ny lehilahy Ejiptianina, nankeo afovoan’ny zanak’i Israely; ary nifampila akisa teo an-toby ny zanaka lahin’ilay vehivavy Israelita sy ny lehilahy anankiray amin’i Israely.

11 Ny zanaka lahin’ny vehivavy Israelita nanevateva ny Anarana masina sady nanozona; ary ny anaran-dreniny dia Salômita, zanak’i Dabrỳ, avy amin’ny fokon’i Dana;

12 ka nambenan’ny olona izy mandra-pilaza amin’izy ireo ny tenin’i Iaveh.

13 Dia niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

14 Asaovy mivoaka ny toby ilay mpanevateva, ka aoka hametra-tanana eo ambonin’ny lohany izay rehetra nandre azy, dia aoka ny fiangonana rehetra hitora-bato azy.

15 Ary hiteny amin’ny zanak’i Israely ianao hanao hoe: Izay rehetra manozona ny Andriamaniny, dia hilonjy ny helony;

16 ary izay manevateva ny Anaran’i Iaveh, dia hohelohin-ko faty, ka hitora-bato azy ny fiangonana rehetra. Na vahiny, na tompon-tany, rehefa manevateva ny Anarana masina, dia ho faty.

17 Izay mamono mahafaty olona, dia hovonoin-ko faty.

18 Izay mamono mahafaty biby fiompy, dia hanonitra mihoatra azy: aina solon’ny aina.

19 Izay mandratra ny namany, dia hasiana toraky ny nataony:

20 tapaka efain-tapaka, maso efai-maso, nify efai-nify, izay ratra nafitsony ny namany dia mba hafitsoka azy koa.

21 Izay mahafaty biby fiompy hanonitra hoatra azy; fa izay mahafaty olona kosa, dia hatao maty koa.

22 Hofehezin’izany lalàna iray izany avokoa ianareo na vahiny na tompon-tany, fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

23 Nony voalazan’i Môizy tamin’ny zanak’i Israely izany, dia navoakan’izy ireo ilay mpanevateva, ka notorahany vato. Notanterahin’ny zanak’i Israely ny didy nomen’i Iaveh an’i Môizy.

Categories
Levitika

Levitika 25

A. Ny taona sabatìka, faha-50

1 Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy tany an-tendrombohitra Sinaia nanao hoe:

2 «Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Rehefa tafiditra any amin’ny tany omeko anareo ianareo, hisy fitsaharana ho an’ny tany; ho sabata fankalazana an’i Iaveh izany.

3 Mandritra ny taona enina no hamafazanao ny sahanao, mandritra ny taona enina no handrantsananao ny voalobokao sy hitoazanao ny vokany.

4 Fa ny taona fahafitokosa dia ho sabata fitsaharana lehibe ho an’ny tany, sabata fankalazana an’i Iaveh, ka tsy hamafy amin’ny taninao ianao na handrantsana ny voalobokao.

5 Aza mijinja izay maniry, avy amin’ny voa nihintsana tamin’ny fijinjana lasa, na hioty ny salohim-boaloboka avy amin’ny voaloboka tsy norantsanana: taona fitsaharana ho an’ny tany izany.

6 Izay ho vokatry ny tany mandritra ny sabatany dia hatao fivelomana ho anao, mbamin’ny ankizy lahinao, ny ankizy vavinao, ny mpikaramanao, ny vahiny miara-monina aminao;

7 ary ho an’ny biby fiompinao koa sy ny biby dia, eo amin’ny taninao, dia hatao fivelomana ny vokany rehetra.»

B. Ny taona jobily

8 Hanisa taon-tsabata fito impito fito taona ianao: fotoana mahalany sivy amby efapolo taona no faharetan’izany taona sabatafito izany.

9 Ny andro fahafolon’ny volana fahafito dia tsofy ataovy manakoako ny feon’ny trômpetra; amin’ny andron’ny fanonerana dia tsofy hatraiza hatraiza eo amin’ny taninareo ny trômpetra.

10 Ary ankamasino ny taona fahadimampolo, ataovy antso avo ny fahafahana ho an’ny mponina rehetra amin’ny tany. Fa jobily ho anareo izany, ka samia ianareo mody amin’ny taniny avy, samia mody ao amin’ny fianakaviany avy.

11 Jobily ho anareo ny taona fahadimampolo: tsy hamafy ianareo, tsy hijinja izay maniry ho azy amin’ny tany; ary tsy hioty ny voaloboka tsy norantsanana,

12 fa Jobily izany, ka masina ho anareo. Izay ho vokatry ny taninareo no hohaninareo.

13 Amin’izany taona Jobily izany, samia ianareo mody amin’ny taninareo avy.

14 Raha misy varotra hifanaovanareo amin’ny namanareo, na misy zavatra vidinareo aminy, dia aza misy mamono antoka ny rahalahiny.

15 Araka ny isan-taona isaina hatramin’ny Jobily lasa teo no hividiananao amin’ny namanao, ary araka ny isan’ny fotoam-pahavokarana no hivarotany aminao.

16 Araka ny hamaroan’ny taona mbola ho avy no hanondrotanao ny vidiny, ary araka ny havitsian’ny taona no hampihenanao ny vidiny: satria ny isan’ny vokatra isan-taom-pijinjana no ivarotany aminao.

17 Aza misy mamono antoka ny rahalahinareo ianareo, fa matahora an’Andriamanitra, satria Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

18 Araho ny didiko; tandremo ny fitsipiko, ary tanteraho izany, ka handry feizay amin’ny tany ianareo.

19 Ny tany hahavokatra, ianareo hihinana amim-panaranam-po, ka dia handry feizay ianareo.

Antoka omen’Andriamanitra

20 Ndrao manao hoe ianareo: Inona no hohaninay amin’ny taona fahafito, fa tsy hamafy izahay, na hampakatra ny vokatray?

21 Hampidina aminareo ny fanambinako amin’ny taona fahenina aho, dia hahavokatra ho ampy anareo telo taona izy;

22 amin’ny taona fahavalo no hamafazanareo, ka hihinana ny tranainy ianareo, ary hatramin’ny taona fahasivy, mandra-pahavokaran’ny taona dia hihinana ny tranainy ianareo.

a) Ny tany: fanavotana ny tanàna

23 Tsy azo amidy varo-maty ny tany, fa Ahy ny tany; ary ianareo hipetraka atỳ amiko toy ny vahiny sy olona mpiavy fotsiny.

24 Avelao ho azo avotana avokoa ny tany ao amin’ny tany rehetra hanananareo.

25 Raha tonga mahantra ny rahalahinao ka ivarotany ny sasany amin’ny taniny, dia ny solony, ny havany akaiky, no ho avy ka hanavotra izay namidin’ny rahalahiny.

26 Raha tsy manana olona ho solony ralehilahy, fa ny tenany ihany no mba mahita izay ampy hanavotana azy,

27 hisainy ny taona hatramin’ny nivarotany azy, ka izay ankevitry ny taona sisa no haloany amin’ilay nivarotany azy, dia hody amin’ny taniny indray izy.

28 Ary raha tsy mahazo izay ampy handoavany izany onitra izany izy, dia hitoetra eo an-tanan’ilay nividy ihany aloha ny tany namidiny, mandra-pahatongan’ny taona Jobily, fa amin’ny Jobily dia afaka izy, ka hody amin’ny fananany indray.

29 Raha misy olona mivarotra trano ao anaty tanàna mimanda dia azony avotana izany, mandritra ny herintaona hatramin’ny nivarotany azy, ka maharitra herintaona maninjitra no ahazoany manavotra azy.

30 Fa raha tsy voaavotra mandra-pahatapitry ny herintaona maninjitra kosa ilay trano ao anaty tanàna mimanda, dia tapaka varo-maty ho an’ilay nividy azy sy ho an’ny taranany, ka tsy ho afaka aminy amin’ny Jobily.

31 Fa ny trano ao amin’ny tanàna tsy voaisy manda manodidina kosa, dia hatao momba ny tany ihany: azo avotana ireny, ary ho afaka amin’ny Jobily.

32 Ny amin’ny tanànan’ny Levita kosa, ny amin’ny trano hananany ao an-tanàna, dia azony avotana hatrany hatrany.

33 Raha misy mividy trano amin’ny Levita, dia ho afaka amin’ny Jobily ny trano namidy ao amin’ny tanàna efa nomena azy ireo; satria ny trano ao an-tanànan’ny Levita dia fananany eo afovoan’ny zanak’i Israely.

34 Ny saha manodidina ny tanànan’ny Levita, dia tsy hamidy fa fananany mandrakizay izany.

Ny olona: ampisamborina, afahana

35 Raha misy rahalahinao mihamahantra sy mihaòsa tanana eo akaikinao, na dia izay hafa firenena na vahiny aza, dia tohano izy, mba hivelona eo akaikinao.

36 Aza maka zana-bola na tombony aminy, fa matahora ny Andriamanitrao, ka aoka hivelona eo akaikinao ny rahalahinao.

37 Aza mampanàna vola aminy, na mampisambotra hanina hilàn-tombony aminy.

38 Izaho no Iaveh Andriamanitrareo, Izay namoaka anareo tany amin’ny tany Ejipta, hanomezako anareo ny tany Kanaana, mba ho Andriamanitrareo.

39 Raha mihamahantra ny rahalahinao eo akaikinao, ka mivaro-tena aminao, aza dia ampanaovina asan’andevo izy,

40 fa ataovy toy ny mpikarama, na vahiny an-trano, ary mandra-pahatongan’ny taona Jobily no hanompoany anao.

41 Amin’io dia ho afaka izy mbamin’ny zanany miaraka aminy, ka hody any amin’ny fianakaviany sy hiverina amin’ny fananan-drazany indray.

42 Fa mpanompoko nentiko nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta izy ireo ka tsy hamidy toy ny fivarotra andevo.

43 Tsy hizaka azy amin-kalozana ianao, fa hatahotra ny Andriamanitrao.

44 Ireo firenena manodidina anao no azonao angalana andevo lahy na vavy, mba ho anao; amin’ireo no hividiananareo ankizy lahy aman’ankizy vavy.

45 Ireo zana-bahiny mitoetra eo aminareo koa no azonareo ividianana, na ireo fianakavian’izy ireo, izay miara-monina aminareo, sy naterany teo amin’ny taninareo; ka dia ho fanananareo ireny.

46 Havelanareo ho lovan’ny zanakareo mandimby anareo ireny, mba hizakany azy ireo toy ny fananana; ho andevonareo mandrakizay izy. Fa raha ny amin’ny rahalahinareo, ny zanak’i Israely kosa, dia aza misy aminareo mizaka ny rahalahiny amin-kalozana.

47 Raha misy olon-kafa firenena na vahiny tonga manan-karena teo akaikinao ary misy rahalahinao nihanahantra teo akaikiny, ka nivaro-tena tamin’ilay hafa firenena vahiny eo akaikinao, na amin’ny taranaky ny fianakaviana hafa firenena,

48 dia azo avotana izy, rehefa nivaro-tena; ny iray amin’ny rahalahiny no mahazo manavotra azy;

49 na ny rahalahin-drainy, na ny zana-drahalahin-drainy mahazo manavotra azy; na ny iray amin’ny havany akaiky mahazo manavotra azy; na ny tenany, rehefa mba mahazo harena izy, dia hiavo-tena.

50 Izy sy ilay nividy azy no hiara-manisa ny taona hatramin’ny nivarotany tena tamin’izy io, ka hatramin’ny taona Jobily; dia hatao araka izay isan’ny taona ny vola nivarotany ny tenany; hotombanana toy ny fanao amin’ny mpikarama izay andro niasany.

51 Raha mbola maro ny taona sisa, dia haloany araka izay isan’izany taona izany ny vola avony, atao ara-kevitry ny vola nividianana azy ihany.

52 Ary raha vitsy sisa ny taona hatramin’ny taona Jobily, dia isaina izany: hatao araka izany taona izany ny vola avony haloany.

53 Ho toy ny mpikarama an-taona no ho fitoetrany ao aminy; ary tsy ho an-kalozana no hitondrany azy, eo imasonao.

54 Raha tsy misy hanavotana azy akory, dia ho afaka amin’ny taona Jobily izy mbamin’ny zanany miaraka aminy.

55 Satria amiko ny zanak’i Israely no mpanompo; mpanompoko nentiko nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta izy. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

Categories
Levitika

Levitika 26

Famintinana sy famaranana

1 «Aza manao sampy; aza manangan-tsary voasikotra, na tsangam-baton-tsampy, na manorona vato voaravaka sarin-javatra eo amin’ny taninareo, hiankohofanareo eo anatrehany; fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

2 Tandremo ny sabatako, ary hajao ny fitoerako masina. Izaho no Iaveh.»

Tso-drano

3 «Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo, ka mankatò izany,

4 dia halatsako amin’ny fotoany ny orana ho anareo; hahavokatra ny tany; hamoa ny hazo eny an-tsaha.

5 Ny fivelezam-bary haharitra hatramin’ny fitoazam-boaloboka; ny fitoazam-boaloboka hahatratra ny famafazana; dia hihinana ianareo ka ho voky tsara, ary handry feizay eo amin’ny taninareo.

6 Hasiako fiadanana eo amin’ny tany, ka handry tsy hisy hanaitra ianareo. Ny biby masiaka hofongorako amin’ny tany; ary ny sabatra tsy hamakivaky ny taninareo.

7 Hanenjika ny fahavalonareo ianareo; ary ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy.

8 Dimy aminareo no hanenjika zato, ary zato aminareo no hanenjika iray alina; ho lavon-tsabatra eo anoloanareo ny fahavalonareo.

9 Hitodika anareo Aho, ka hahamaro anaka anareo sy hampitombo anareo ary hanorina ny fanekeko aminareo.

10 Hihinana ny vokatra tranainy ianareo, dia ny tranainy dia tranainy tokoa, ary hanary ny tranainy hahitana toerana ho an’ny vao.

11 Hanorina ny fonenako eo afovoanareo Aho, ary tsy ho tofoka aminareo ny fanahiko.

12 Handeha eo afovoanareo Aho, ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo ho vahoakako.

13 Izaho no Iaveh Andriamanitrareo izay namoaka anareo hiala any amin’ny tany Ejipta, mba tsy ho andevo any intsony; nanapaka ny baran’ny jioganareo Aho, dia nandefa anareo handeha misolanandrana.»

Ozona

14 Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo, ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo,

15 raha manamavo ny lalàko ianareo ka boboky ny fitsipiko ny fanahinareo, ka tsy hankatoavinareo ny didiko rehetra sy hivadihanareo ny fanekena amiko,

16 dia izao no hataoko aminareo: hanirahako tebiteby sy areti-mihinana ary tazo ianareo, izay hahalali-maso anareo, sy handreraka aina anareo; hafafinareo foana ny voa afafinareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy.

17 Hanandrina anareo ny Tavako, ka ho resin’ny fahavalonareo ianareo; izay mankahala anareo no hanapaka anareo, ary handositra tsy enjehina ianareo.

18 Raha mbola tsy mihaino Ahy amin’izany ihany ianareo, dia hofaiziko impito mihoatra izany, noho ny fahotanareo.

19 Horavako ny reharehan’ny herinareo; hataoko toy ny vy ny lanitrareo, ary toy ny varahina ny taninareo.

20 Ho lany maina ny herinareo, fa ny taninareo tsy hahavokatra, ny hazo amin’ny tany tsy hamoa ny voany.

21 Raha mandroso manohitra Ahy ihany ianareo, fa tsy mety mihaino Ahy, dia hokapohiko impito mihoatra, araka ny fahotanareo.

22 Halefako hamely anareo ny biby dia, hifaoka ny zanakareo, hamiravira ny biby fiompinareo, hahavitsy isa anareo, ka hanjary efitra ny lalanareo.

23 Rehefa voan’ireo sazy ireo ianareo, ka mbola tsy mety hanariko ianareo fa mandroso manohitra Ahy ihany,

24 dia Izaho kosa no handroso hamely anareo, ka hikapoka anareo koa Aho impito mihoatra, noho ny fahotanareo.

25 Hampiditra sabatra hamely anareo Aho, ho valin’ny nivadihanareo ny fanekeko; hiangona ao an-tanànanareo ianareo, dia hanirahako ny pesta ho eo aminareo ary ho voatolotra eo an-tanan’ny fahavalo ianareo,

26 rehefa hotapahiko ny mofo tohan’ainareo, ka lafaoro fanendasana iray no hanendasan’ny vehivavy folo ny mofonareo, ary an-danjany no hizarany ny mofonareo, dia hihinana ianareo fa tsy ho voky.

27 Raha efa izany ka mbola tsy mihaino Ahy ianareo, fa mbola mandroso manohitra Ahy,

28 dia handroso hanohitra anareo amin-katezerana mafy koa Aho, ka hofaiziko impito mihoatra ianareo, noho ny fahotanareo.

29 Hihinana ny mofon’ny zanakareo lahy ianareo, hihinana ny mofon’ny zanakareo vavy ianareo.

30 Horavako ny fitoerana avonareo, hazerako ny tsangam-bato natokanareo ho an’ny masoandro; hampifanongoaviko amin’ny fatin-tsampin-dozanareo ny fatinareo, ary harian’ny fanahiko amim-paharikorikoana ianareo.

31 Ny tanànanareo hampanjariko efitra, ny fitoerana masinareo horavako, ary ny hanitra ankasitrahinareo avy amin’ny zava-manitrareo tsy hamboloiko intsony.

32 Hosimbako ny tany, ka ho talanjona ny fahavalonareo izay honina eo aminy.

33 Ianareo haparitako any amin’ny firenen-kafa, hoenjehiko amin’ny sabatra avy eo aoriana; ny taninareo ho lao ary ny tanànanareo ho zary efitra.

34 Amin’izany, hanana ny sabatany ny tany, mandritra ny fotoana hahafoana azy, rehefa any amin’ny tanim-pahavalonareo ianareo, amin’izany, dia hitsahatra ny tany, ary hanana ny sabatany.

35 Hananany mandritra ny fotoana hahafoana azy, ny fitsaharana tsy nananany tamin’ny sabatanareo, fony ianareo nonina teo aminy.

36 Izay ho sisa velona aminareo, hampidirako tebiteby ny fony any amin’ny tanim-pahavalony, ka ny fipikan’ny ravin-kazo iray monja voahetsika, dia ampy hahavaky mandositra azy; handositra toy ny enjehin-tsabatra izy, ary ho lavo tsy misy mpanenjika.

37 Hifampigona toy ny enjehin-tsabatra izy, nefa tsy iza tsy iza manenjika azy eo; ka dia tsy hahatoha ny fahavalonareo ianareo.

38 Ho lany ringana any amin’ny firenen-kafa ianareo, ary ho lanin’ny tanim-pahavalonareo.

39 Izay sisa velona aminareo dia hihalany ritra noho ny heloky ny tenany any amin’ny tanim-pahavalony; ary ho levona koa noho ny heloky ny razany izay ao aminy.

40 Fa hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy ireo, noho ny fahadisoana nataony tamiko; hiaiky izy fa noho ny nandrosoany nanohitra Ahy,

41 no nandrosoako nanohitra azy sy nandefasako azy tany an-tanim-pahavalony. Ary amin’izay, rehefa mietry tena ny fony tsy voafora, ka manaiky ny sazin’ny hadisoany,

42 dia hotsarovako koa ny fanekeko tamin’i Jakôba, hotsarovako koa ny fanekeko tamin’i Isaaka ary ny fanekeko tamin’i Abrahama, dia hotsarovako ny tany.

43 Ny tany nilaozany, ka hanana ny sabata mandritra ny fotoana hahafoana azy, nialan’izy ireo lavitra; izy ireo koa hanaiky ny sazin’ny hadisoany, noho izy efa nanamavo ny fitsipiko, sady boboky ny lalàko ny fanahiny.

44 Na dia amin’izany aza anefa, rehefa mby any an-tanim-pahavalony izy ireo, tsy dia hariako na ho halako hataoko levona mihitsy sy hahatapaka ny fanekeko taminy; fa Izaho no Iaveh Andriamaniny.

45 Hotsarovako hanasoavako azy ny fanekena nataoko tamin’ny razany, izay navoakako tany amin’ny tany Ejipta, teo imason’ny firenen-kafa, mba ho Andriamaniny Aho. Izaho no Iaveh.

46 Ireo no didy amam-pitsipika ary lalàna nataon’i Iaveh ho fifaneken’ny Tenany sy ny zanak’i Israely tao an-tendrombohitra Sinaia, tamin’ny alalan’i Môizy.

Categories
Levitika

Levitika 27

A. Ny olona

1 Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy nanao hoe:

2 «Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao amin’izy ireo hoe: Raha misy olona mivoady, dia an’i Iaveh ny olona, araka izay anombananareo azy.

3 Raha lehilahy no hotombanana ny hatramin’ny roapolo taona, dia tombano volafotsy dimampolo sikla araka ny sikla masina;

4 ary raha vehivavy, dia telopolo sikla no hanombananao azy.

5 Ny hatramin’ny dimy taona ka hatramin’ny roapolo taona, raha zazalahy dia roapolo sikla no hanombananao azy, ary raha zazavavy dia folo sikla.

6 Ny hatramin’ny iray volana hatramin’ny dimy taona, raha zazalahy dia dimy sikla no hanombananao azy, ary raha zazavavy dia telo sikla.

7 Ny hatramin’ny enimpolo taona no ho miakatra dia dimy ambin’ny folo sikla raha lehilahy, ary folo sikla raha vehivavy.

8 Raha mahantra loatra izay olona mivoady ka tsy mahaloa ny tombana nataonao, dia hoentina mankeo amin’ny mpisorona izay hanombana azy izy, ka dia hoferan’ny mpisorona araka ny teo-pananan’ny olona nivoady ny tombany.»

B. Ny biby

9 «Raha biby fanao fanatitra ho an’i Iaveh no nivoadiana, dia zava-masina izay rehetra homena an’i Iaveh toy izany.

10 Tsy hosoloana izany, ny ratsy tsy hasolo ny tsara, ny tsara tsy hasolo ny ratsy; ary raha soloina biby anankiray ny biby anankiray hafa, dia ho samy zava-masina izy roaroa.

11 Ary raha biby maloto tsy fanao fanatitra amin’i Iaveh kosa, dia hoentina mankeo amin’ny mpisorona,

12 ka ny mpisorona no hanombana azy araka ny hatsarany na haratsiany, dia izay tombany ataon’ny mpisorona no ekena.

13 Raha tiana havotana izy dia hotongoavana ny ampahadimin’izay nanombananao azy.»

D. Ny trano

14 «Raha misy olona manamasina ny tranony, manokana azy ho an’i Iaveh, dia hotombanan’ny mpisorona araka ny hatsarany na ny haratsiany ny trano, ka izay tombany ataon’ny mpisorona no harahina.

15 Raha te hanavotra ny tranony ilay nanamasina azy, hotongoaviny ny ampahadiminy izay nanombananao azy, dia ho azy ny trano.»

E. Ny tany fambolena

16 «Raha misy olona manokana ho an’i Iaveh ny sasany amin’ny zara taniny, dia ho araka ny voa famafy aminy no hanombananao azy, ka volafotsy dimampolo sikla no hanombananao ny tany mifafy orja iray gômera.

17 Raha miantomboka amin’ny taona Jobily no anokanany ny taniny dia io tombany nataony io no arahina,

18 fa raha atỳ aorian’ny Jobily kosa no hanokanany ny taniny, dia ho araka ny isan’ny taona sisa mandra-piavin’ny Jobily no hanombanan’ny mpisorona ny vidiny, ka hahenany ny tombany nataonao.

19 Raha te hanavotra ny taniny ilay nanokana azy, hotongoaviny ny ampahadiminy izay vidiny nanombananao azy, dia hipetraka ho azy ny tany.

20 Raha tsy avotany ny tany na amidiny amin’olona hafa dia tsy azo avotana intsony;

21 fa rehefa afaka amin’ny Jobily ny tany dia hatokana ho an’i Iaveh toy ny tany nivoadiana, ka ho tonga fananan’ny mpisorona.

22 «Raha misy olona manokana ho an’i Iaveh ny tany novidiny tsy anisan’ny zara taniny,

23 dia hoferan’ny mpisorona izay vidiny, araka ny anombananao azy mandra-piavin’ny taona Jobily, dia haloan’izany olona izany androtr’io ihany izay voafetra ho vidiny, ho zavatra voatokana ho an’i Iaveh.

24 Amin’ny taona Jobily dia hiverina amin’izay nividianana azy sy tompon-jara tany azy ilay tany.

25 Ny tombana rehetra hataonao araka ny sikla masina; roapolo gerà ny sikla iray.»

a) Ny lahy voalohan-teraka

26 «Tsy misy anefa mahazo manokana voalohan-teraky ny biby fiompiny, fa efa an’i Iaveh rahateo izany noho ny mahavoalohan-teraka azy, ka na omby na ondry dia efa an’i Iaveh izany.

27 Ary ny amin’ny biby maloto dia havotana araka izay tombany hataonao izy, hotongoavina ny ampahadiminy, fa raha tsy avotana izy dia hamidy araka izay hanombananao azy.»

b) Ny natokana ho anatema

28 «Izay rehetra natokan’ny olona nataony anatema ho an’i Iaveh amin’izay rehetra ananany, na olona na biby, na tany zara lovany, dia tsy ho azo amidy na avotana, fa zava-masina dia masina an’i Iaveh avokoa izay rehetra natokana natao anatema.

29 Tsy misy azo avotana izay olona natao anatema, fa atao maty.»

d) Ny fahafolon-karena

30 «Ny ampahafolon’ny vokatra rehetra avy amin’ny tany, na ny avy amin’ny voa famafy amin’ny tany, na ny avy amin’ny voan’ny hazo, dia an’i Iaveh avokoa, zava-boatokana ho an’i Iaveh izany.

31 Raha misy olona te hanavotra amin’ny ampahafolon’ny vokany, dia hotongoaviny ny ampahadiminy izay vidiny.

32 Ny ampahafolon’ny biby fiompy, na vaventy na madinika, amin’izay biby fiandry rehetra, dia atokana ho an’i Iaveh avokoa ny ampahafolony.

33 Tsy azo ifidianana izay tsara na ratsy izany, ary tsy azo takalozana koa; fa raha takalozana dia ho samy zava-masina avokoa, na ny biby natakalo, na izay natakalo azy, sady samy tsy ho azo avotana.»

34 Ireo no didy nomen’i Iaveh an’i Môizy ho an’ny zanak’i Israely, tao an-tendrombohitra Sinaia.