Categories
Lioka

Lioka 1

I

1 Noho ny maro efa nanoratra ny tantaran’ny zavatra inoana tokoa amintsika

2 sy noraisintsika tamin’ny vavolombelona sady nahita masono mpitory teny hatramin’ny voalohany,

3 dia nataoko fa mety koa, rehefa niala nenina aho hahalala tsara ny zavatra rehetra hatramin’ny niandohany, ny hanoratra azy milamina tsara ho anao, ry Teôfilymanan-kaja,

4 mba ho fantatrao fa marina tokoa izay nampianarina anao.

Ny nanambaràna ny hahaterahan’i Joany Batista

5 Tamin’ny andron’i Herôda mpanjakan’i Jodea, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria isan’ny fianakavian’i Abià, ary ny vadiny dia taranak’i Aarôna sy natao hoe Elizabeta.

6 Samy marina teo imason’Andriamanitra izy mivady, sady nitondra tena tsy nanan-tsiny tamin’ny didy sy ny tenin’ny Tompo rehetra.

7 Tsy nanan-janaka izy, fa momba i Elizabeta, ary efa samy zokiolona ihany izy mivady.

8 Indray andro, nony nanao ny raharahan’ny mpisorona teo anatrehan’Andriamanitra i Zakaria araka ny anjaran’ny antokony,

9 dia voatendrin’ny loka araka ny fanaon’ny mpisorona hiditra ao amin’ny Tempolin’ny Tompo, hanolotra ny emboka,

10 ary ny vahoaka rehetra dia tao alatrano no nivavaka, tamin’ny ora fanolorana ny emboka.

11 Fa nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy, nitsangana teo ankavanan’ny ôtely fanolorana ny emboka.

12 Taitra i Zakaria nony nahita azy ka raiki-tahotra.

13 Fa hoy ny Anjely taminy. «Aza matahotra, ry Zakaria, fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka i Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Joanyno hataonao anarany:

14 dia ho faly sy ho ravo ianao, ary maro koa no ho faly amin’ny hahaterahany.

15 Fa ho lehibe eo imason’ny Tompo izy: tsy hisotro divayna zava-mahamamo izy, sady ho fenon’ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny;

16 maro amin’ny zanak’i Israely no hampodiny amin’ny Tompo Andriamanitra,

17 dia hialoha azy amin’ny fanahy sy ny herin’i Elia izyhampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanakaary ny tsy manoa ho amin’ny fahendren’ny olo-marina, hamboatra firenena voavonona ho an’ny Tompo.»

18 Dia hoy i Zakaria tamin’ny Anjely:«Inona no hahafantarako izanyfa izaho efa antitra, ary koa efa zokiolona ny vadiko?».

19 Namaly ny Anjely nanao taminy hoe: «Izaho no Gabriely, ilay mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra, ary nirahina aho hiteny aminao hampandre anao izany teny mahafaly izany;

20 fa indro ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan’izany, noho ianao tsy nino ny teniko, izay ho tanteraka amin’ny fotoan’androny.»

21 Niandry an’i Zakaria anefa ny olona ka gaga noho izy naharitra ela tao amin’ny Tempoly;

22 kanjo nony nivoaka izy, dia tsy nahay niteny taminy, ka fantatry ny olona fa nahita fahitana tao anatin’ny Tempoly izy: dia baikon’ny moana no nitenenany taminy, fa moanatokoa izy.

23 Ary nony tapitra ny anjara androny amin’ny raharahany, dia nody tany an-tranony izy.

24 Ary taorian’izany andro izany dia nitoe-jaza i Elizabeta vadiny, ary niery dimy volana ka nanao hoe:

25 «Izao no nataon’ny Tompo tamiko, tamin’ny andro nitsinjovany ahy hahafa-tondro-maso ahy amin’ny olona.»

Ny Filazana

26 Ary rehefa nandray enina izy, dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely Gabriely ho any amin’ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta,

27 ho any amin’ny Virjiny anankiray fofom-badin’ilay lehilahy atao hoe Josefa, taranak’i Davida, ary ny anaran’ilay Virjiny dia Maria.

28 Ary nony niditra tao aminy ilay Anjely dia nanao hoe: «Arahaba, ry ilay feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy ianao.»

29 Taitra izy nahare izany, ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany.

30 Fa hoy ny Anjely taminy: «Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak’Andriamanitra ianao.

31 Ary indro, hitoe-jaza ianao, ka hiteraka zazalahy, ary Jesoa no hataonao Anarany.

32 Ho lehibe Izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra; dia homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy, ka hanjaka mandrakizay amin’ny taranak’i Jakôba,

33 ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.»

34 Fa hoy i Maria tamin’ilay Anjely: «Ahoana no hahatongavan’izany, fa tsy mahalala lahyaho?»

35 «Ny Fanahy Masina, hoy ny Anjely namaly azy, no ho tonga ao aminao, ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.

36 Ary indro, i Elizabeta rahavavinao dia efa mitoe-jaza koa na dia efa antitra aza, ary efa mandray enina izy izao ilay natao hoe momba,

37 fa tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao.»

38 Dia hoy i Maria: «Inty aho ankizivavin’ny Tompo, aoka anie ho tanterakaamiko araka ny teninao.» Dia niala teo aminy ny Anjely.

Ny Famangiana

39 Niainga i Maria tamin’izany andro izany, ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra, ho any an-tanàna anankiray any Jodà,

40 ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta.

41 Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta,

42 ka nanandra-peo niantso mafy hoe: «Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosoavina ny hateraky ny kibonao.

43 Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompokoaho?

44 Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko.

45 Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy!»

46 Ary hoy i Maria:

Ny «Magnificat»

«Mankalaza ny Tompo ny fanahiko,

47 ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko,

48 fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizy vaviny.Fa indro, hatramin’izao, dia hataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho,

49 satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa. Arymasina ny Anarany,

50 sady amin’izay matahotra Azy hatramin’ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony.

51 Nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy: dia nampihàfiny izay niavonavona tamin’ny fisainan’ny fony;

52 Naongany hiala tamin’ny fiketrahany ny mpanapaka, fa ny ambany kosa nasandrany;

53 ary ny noana novokisany soa,fa ny mpanan-karena kosa dia nampodiny mitondra tanam-polo.

54 Niahy an’i Israely mpanompony Izy, fa tsy hadinony ny famindram-pony

55 tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay, araka ny efa voalazany tamin’ny razantsika.»

56 Nitoetra tokony ho telo volana tao amin’i Elizabeta i Maria vao nody tany an-tranony.

Ny nahaterahan’i Joany Batista sy ny famangian’ny mpiara-monina

57 Ary nony tonga ny andro hiterahan’i Elizabeta dia tera-dahy izy.

58 Ary nahare ny mpiara-monina aminy sy ny havany fa efa nankalazain’ny Tompo ny famindram-pony taminy, ka dia niara-nifaly taminy.

Ny namoràna an’i Joany Batista

59 Nony afaka havaloana, dia tonga izy hamora ny zaza, ary Zakaria, araka ny anaran-drainy no ndeha hataony anarany.

60 Fa niteny reniny nanao hoe: «Tsia, tsy izany, fa hatao hoe Joany izy.»

61 Fa hoy izy ireo taminy: «Tsy misy na dia iray aza amin’ny havanao manana izany anarana izany.»

62 Ary nanao baikon’ny moana tamin’ny rainy izy ireo nanontany izay tiany hatao anarany.

63 Dia nangataka fàfana izy, ary nanoratra hoe: «Joany no anarany»; ka gaga daholo izy rehetra.

64 Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny vavany, ary nivaha ny lelany, dia niteny izy ka nisaotra an’Andriamanitra.

65 Azon’ny tahotra avokoa ny mponina rehetra teny manodidina, ary niely hatraiza hatraiza tany amin’ny tendrombohitr’i Jodea izany zava-mahatalanjona rehetra izany.

66 Ary izay rehetra nahare dia nandatsaka izany tao am-pony ka nanao hoe: «Ho inona re ity zaza ity? Fa nomba azy ny tanan’ny Tompo.»

Ny «Benedictus»

67 Ary dia feno ny Fanahy Masina i Zakaria rainy, ka naminany hoe:

68 «Hisaorana anie ny Tompo Andriamanitr’i Israely,noho Izy namangy synanavotra ny olony,

69 ary nanangana tandro-pamonjenaho antsika tao amin’ny fokon’i Davida mpanompony,

70 araka ny nolazainy tamin’ny vavan’ireo mpaminaniny masina hatramin’ny andro tany aloha,

71 mba hamonjy antsika amin’nyfahavalontsika sy amin’ny tanan’izay rehetra mankahala antsika.

72 He izany nanaovanyfamindram-po tamin’ny razantsika sy nahatsiarovany ny fanekeny masina,

73 dia ilay fianianana nataony tamin’i Abrahama razantsika hanome antsika

74 fahafahana amin’ny tanan’ny fahavalontsika, mba hanompoantsika Azy tsy aman-tahotra,

75 amim-pahamasinana sy fahamarinana, eo anatrehany amin’ny andro rehetra hiainantsika.

76 Ary ianao kosa, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin’ny Avo indrindra, fa hialoha ny Tompo ianaohamboatra ny halehany,

77 mba hanome ny olony ny fahalalàm-pamonjena amin’ny famelana ny helony.

78 Noho ny halehiben’ny famindram-pon’ny Andriamanitsika nampiposaka ny Masoandrohamangy antsika avy any ambony,

79 mba haniloizay rehetra mipetraka ao amin’ny maizina sy amin’ny aloky ny fahafatesana,ka hitarika ny diantsika ho amin’nylàlam-piadanana.»

Ny fiainana miafin’i Joany Batista

80 Dia nitombo sy nihanahery fanahy ny zaza, ary nitoetra tany an’efitra, ambara-pahatongan’ny andro hisehoany amin’i Israely.

Categories
Lioka

Lioka 2

Ny nahaterahan’i Jesoa sy ny famangian’ny mpiandry ondry

1 Tamin’izany andro izany dia namoaka didy i Sezara Aogosta hampanoratra ny anaran’ny vahoakany amin’ny tany rehetra:

2 dia fony i Sirinosy no governoran’i Siria no natao izany fanoratana voalohany izany.

3 Dia samy nankany amin’ny tanàna niaviany avy izy rehetra mba hosoratana.

4 Ary i Josefa koa niakatra avy tany Galilea avy tao an-tanàna Nazareta hankany Jodea ho ao an-tanànan’i Davida atao hoe Betlehema, fa taranaka sy fianakavian’i Davida izy,

5 mba hosoratana izy sy i Maria vadiny izay bevohoka.

6 Fa raha tao izy, dia tonga ny fotoana hiterahan’i Maria,

7 ary niteraka ny Zanany lahy matoa izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriany teo amin’ny fihinanam-bilona, fa tsy nisy hitoerany tao an-tranom-bahiny.

8 Ary tamin’izany tany izany nisy mpiandry ondry nitoetra tany an-tsaha niambina ny ondriny nandritra ny alina.

9 Ary nisy Anjelin’ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitr’Andriamanitra nanelatrelatra manodidina azy ireo ka natahotra dia natahotra izy.

10 Fa hoy ny Anjely taminy: «Aza matahotra ianareo, fa indro fifaliana lehibe ho an’ny vahoaka rehetra no lazaiko aminareo:

11 fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia i Kristy Tompo.

12 Ary izao no ho famantarana ho anareo: dia hahita zaza kely voahodidina lamban-jaza, sady mandry ao amin’ny fihinanam-bilona, ianareo.»

13 Ary niaraka tamin’izay nisy antokon’ny tafika any an-danitra tonga teo amin’ilay Anjely, ka nidera an’Andriamanitra, nanao hoe:

14 «Voninahitra anie ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra, ary fiadanana anie ho an’ny olona etỳ ambonin’ny tany, fa nanehoany ny hatsaram-pony.»

15 Ary rehefa nandao azy ireo ny Anjely ka nankany an-danitra, dia niresaka ny mpiandry ondry nanao hoe: «Andeha isika ho any Betlehema hizaha izany zavatra vao tonga nampahafantarin’ny Tompo antsika izany.»

16 Dia nankany haingana izy, ka nahita an’i Maria sy i Josefa ary ny Zaza kely mandry amin’ny fihinanam-bilona;

17 ary rehefa nahita izy ireo, dia nampiely ny teny nolazaina taminy ny amin’izany Zaza izany.

18 Ary izay rehetra nandre dia gaga avokoa tamin’izay nolazain’ny mpiandry ondry taminy;

19 fa i Maria kosa nitadidy izany zavatra rehetra izany, ka nieritreritra azy tao am-pony.

20 Ary nody ny mpiandry ondry nidera sy nankalaza an’Andriamanitra noho ny zavatra rehetra reny sy hitany, araka izay nolazaina taminy.

Ny namoràna an’i Jesoa

21 Ary rehefa afaka ny havaloan’andro ka hoforàna ny Zaza, dia natao hoe Jesoa no Anarany, araka ilay nataon’ny Anjely fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo izy.

Ny nanolorana an’i Jesoa tany an-Tempoly

22 Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany araka ny lalàn’i Môizy, dia nentiny ho any Jerosalema izy mba hatolotra amin’ny Tompo,

23 araka ny voasoratra ao amin’ny Lalàn’ny Tompo hoe: «Ny lahy voalohan-teraka rehetra dia hatao hoe masina ho an’ny Tompo,

24 ary mba hanatitra fanatitradomohina roa, na zana-boromahailala roa,araka ny voalaza ao amin’ny Lalàn’ny Tompo.»

25 Ary indro, nisy lehilahy atao hoe Simeôna tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fanalana alaheloan’i Israely, ary tao aminy ny Fanahy Masina,

26 sady efa nanambaràn’ny Fanahy Masina izy fa tsy hahita fahafatesana mandra-pahitany an’i Kristin’ny Tompo.

27 Dia nentin’ny Fanahy Masina izy hankao amin’ny Tempoly, ka nony nitondra an’i Jesoa zazakely ny rainy aman-dreniny hanao araka ny voadidin’ny Lalàna ny aminy,

28 dia nitrotro Azy izy ka nisaotra an’Andriamanitra nanao hoe:

Ny «Nunc dimittis»

29 «Ankehitriny, ry Tompo, vao alefanaoam-piadanana araka ny teninao ny mpanomponao,

30 fa ny masoko nahita ny famonjenaavy aminao,

31 izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra,

32 dia fahazavana hanilo ny Jentily sady voninahitr’i Israely olonao.»

Ny faminanian’i Simeôna

33 Dia gaga ny rayaman-drenin’ny Zaza noho ny zavatra nolazaina ny aminy.

34 Ary nitso-drano azy ireo i Simeôna, ka nilaza tamin’i Maria renin’ny Zaza hoe: «Indro, ity Zaza ity no voatendry ho fandavoanasy ho fananganana ny maro amin’i Israely ary ho famantarana hotoherina,

35 – ary ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra – mba hiseho ny hevitry ny fo maro.»

Faminanian’i Ana

36 Ary nisy koa mpaminany vavy anankiray dia i Ana, zanak’i Fanoela fokon’i Asera; efa antitra dia antitra izy, dia fito taona no nanambadiany taorian’ny nahavirjiny azy,

37 ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona, sady tsy niala tao amin’ny Tempoly, fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana.

38 Tonga koa izy tamin’izany fotoana izany, ka nidera an’Andriamanitra, ary nilazalaza ny Zaza tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Jerosalema.

Fiainana miafin’i Jesoa tany Nazareta

39 Ary nony tanterak’izy ireo ny zavatra rehetra araka ny Lalàn’ny Tompo, dia nody tany Galileatao Nazareta tanànany izy.

40 Ary nitombo sy nihanatanjaka ny Zaza sady feno fahendrena, ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra.

I Jesoa niaraka amin’ireo mpampiana-dalàna

41 Ary isan-taona ny ray aman-dreniny dia nankany Jerosalema amin’ny andro fetin’ny Paka;

42 ka nony efa roa ambin’ny folo taona Izy, dia niakatra araka ny fanao amin’izany fety izany izy ireo,

43 ary nony tapitra ny andro fety ka nody izy, dia nijanona tany Jerosalema i Jesoa Zazakely, nefa tsy fantatry ny rainy aman-dreniny izany.

44 Nataon’izy ireo ho niaraka tamin’ny niray dia taminy Izy, ka nandeha lalana indray andro vao nitady Azy tamin’ny havany sy ny olom-pantany;

45 ary nony tsy nahita Azy, dia niverina tany Jerosalema indray nitady Azy.

46 Ary nony afaka hateloana, dia hitany tao anatin’ny Tempoly Izy nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy,

47 ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahendreny sy ny famaliny.

48 Ary nony nahita Azy izy ireo dia gaga, ary hoy ireniny taminy: «Anaka, nahoana Ianao no nanao toy izany taminay? Inty rainao sy izaho malahelo nitady Anao.»

49 Fa hoy Izy taminy: «Nahoana no nitady Ahy ianareo? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko Aho?»

50 Faingy tsy azon’izy ireony teny nolazainy taminy.

Mbola ny fiainana miafina tao Nazareta

51 Dia niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy, ary dia nanaiky azy; fa ireniny kosa nandinika tsara izany zavatra rehetra izany tao am-pony.

52 Ary i Jesoa nitombofahendrena sy tena, ary nandroso nahatehotia tamin’Andriamanitra sy ny olona.

Categories
Lioka

Lioka 3

Toritenin’i Joany Batista

1 Tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folon’ny nanjakan’i Tibera Sezara, fony i Pôntsy Pilaty no governora tany Jodea, i Herôda no tetrarka tany Galilea, i Filipo rahalahiny no tetrarka tany Itorea sy Trakônitida, i Lisanià no tetrarka tany Abilena,

2 ary i Ana sy i Kaifa no lehiben’ny mpisorona, dia tonga tamin’i Joany zanak’i Zakaria tany an’efitra ny tenin’Andriamanitra.

3 Dia nankany amin’ny tany rehetra amoron’i Jordany izy, nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka,

4 araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny tenin’i Izaia mpaminany hoe: «Re ny feon’ilay miantso any an’efitra hoe: Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany;

5 ny lohasaha rehetra hototofana, ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, ny melomeloka hahitsy, ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina,

6 dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.»

7 Ary hoy izy tamin’ireo vahoaka be nidodododo hataony batemy: «Ry taranaky ny menarana, iza no nanorohevitra anareo handositra ny hatezerana ho avy?

8 Manaova asa mendrika vokatry ny fibebahana, ary aza manao anakampo hoe: ‹I Abrahama no rainay›; fa lazaiko marina aminareo fa azon’Andriamanitra atao ny manangana zanaka ho an’i Abrahama na dia amin’ireto vato ireto aza.

9 Efa mby eo am-poto-kazo sahady ny famaky: koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.»

10 Ary hoy ny vahoaka nanontany azy: «Inona àry no hataonay?»

11 Dia namaly izy ka nanao hoe: «Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ny tsy manana; ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa.»

12 Ary nisy poblikanina nanatona hataony batemy koa, ka nanao taminy hoe: «Inona no hataonay, ry mpampianatra ô?»

13 Dia hoy izy taminy: «Aza mampandoa mihoatra noho izay nasaina halainareo.»

14 Ary nisy miaramila koa nanontany azy hoe: «Ary izahay kosa, inona no mba tokony hataonay?» Dia hoy ny navaliny azy: «Fadio ny fanaovana an-keriny sy ny fitorohana, ary mahaiza mianina amin’izay karamanareo.»

15 Ary raha mbola niandry ny olona, sy samy nisaina tao am-pony fa i Joany angaha no Kristy,

16 dia niteny i Joany ka nanao tamin’izy rehetra hoe: «Izaho manao Batemy anareo amin’ny rano, fa avy Ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aho: Izy no hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;

17 eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny ny famoloany, ka ny vary hangoniny ao an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty.»

18 Fananarana maro hafa koa no nentiny nitory ny Evanjely tamin’ny olona.

Natao an-tranomaizina i Joany Batista

19 Fa i Herôda tetrarka, izay nanariny noho ny amin’i Herôdiada vadin-drahalahiny sy noho ny ratsy rehetra nataony,

20 dia nanampy heloka indray ka nanidy an’i Joany tao an-tranomaizina.

Natao batemy i Jesoa

21 Tamin’ilay natao batemy iny ny vahoaka rehetra dia natao batemy koa i Jesoa, ka raha mbola nivavaka Izy dia nisokatra ny lanitra;

22 ary nidina teo amboniny ny Fanahy Masina naka endri-batana toy ny an’ny voromahailala dia nisy feo re avy any an-danitra nanao hoe: «Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko indrindra.»

Ireo razam-ben’i Jesoa

23 Tokony ho telopolo taona i Jesoa tamin’Izy nanomboka nitory ny Evanjely, dia nataon’ny olonaho zanak’i Josefa, izay zanak’i Helỳ, zanak’i Matata,

24 zanak’i Levì, zanak’i Melkì, zanak’i Janè, zanak’i Josefa,

25 zanak’i Matatiasa, zanak’i Amôsa, zanak’i Nahoma, zanak’i Heslỳ, zanak’i Nagè,

26 zanak’i Mahata, zanak’i Matatiasa, zanak’i Semeì, zanak’i Josefa, zanak’i Jodà,

27 zanak’i Jôanàna, zanak’i Rezà, zanak’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, zanak’i Nerì,

28 zanak’i Melkì, zanak’i Adì, zanak’i Kôsama, zanak’i Elimadama, zanak’i Hera,

29 zanak’i Jesosa, zanak’i Eliezera, zanak’i Jôrima, zanak’i Matata, zanak’i Levì,

30 zanak’i Simeôna, zanak’i Jodà, zanak’i Josefa, zanak’i Jônàna, zanak’i Eliakima,

31 zanak’i Meleà, zanak’i Menà, zanak’i Matatà, zanak’i Natàna, zanak’i Davida,

32 zanak’i Jese, zanak’i Obeda, zanak’i Booza, zanak’i Salmôna, zanak’i Naasôna,

33 zanak’i Aminadaba, zanak’i Arama, zanak’i Esrôna, zanak’i Faresa, zanak’i Jodà,

34 zanak’i Jakôba, zanak’i Isaaka, zanak’i Abrahama, zanak’i Tare, zanak’i Nakôra,

35 zanak’i Saroga, zanak’i Reo, zanak’i Falega, zanak’i Hebera, zanak’i Sale,

36 zanak’i Kainàna, zanak’i Arfaksada, zanak’i Sema, zanak’i Nôe, zanak’i Lameka,

37 zanak’i Matosale, zanak’i Enôka, zanak’i Jareda zanak’i Malaleela, zanak’i Kainàna,

38 zanak’i Enôsa, zanak’i Seta, zanak’i Adama, zanak’Andriamanitra.

Categories
Lioka

Lioka 4

Fakam-panahy tany an’efitra

1 Ary feno ny Fanahy Masina i Jesoa, dia niverina avy tany Jordany ka nentin’ny Fanahy tany an’efitra efapolo andro,

2 sady nalain’ny devoly fanahy Izy, no tsy nihinana na inona na inona nandritra izany andro izany; ka noana nony tapitra izany.

3 Dia hoy ny devoly taminy: «Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, asaovy tonga mofo io vato io.»

4 Fa hoy i Jesoa taminy: «Efa voasoratra hoe:Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona,fa ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra»

5 Dia nentin’ny devoly niakatra tany amin’ny tendrombohitra avo anankiray Izy, ka nanehoany indray mipy maso ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao,

6 ary hoy izy taminy: «Homeko Anao avokoa izao fanapahana rehetra izao sy ny voninahiny, satria nomena ahy ka mba omeko izay tiako kosa.

7 Koa izao àry: raha mitsaoka ahy Ianao, dia ho Anao avokoa izy.»

8 Fa izao no navalin’i Jesoa azy: «Efa voasoratra hoe:Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao»

9 Dia nentiny tany Jerosalema indray Izy, ka napetrany teo an-tampon’ny Tempoly, ary nilazany hoe: «Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mianjerà any ambany any;

10 fa efa voasoratra hoe:‹Nomeny didy hiambina Anao ny Anjeliny,

11 ary hitondra Anao eo an-tanany izy ireo fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.› »

12 Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Efa voasoratra hoe:‹Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao ianao.› »

13 Nony tapitra nanao izao fakam-panahy Azy rehetra izao ny devoly, dia nandao Azy aloha mandra-piavin’ny fotoana indray.

I Jesoa nisantatra nitory teny

14 Tamin’izay i Jesoa dia nentin’ny herin’ny Fanahy niverina tany Galilea indray, ary niely tamin’ny tany manodidina rehetra ny lazany.

15 Nampianatra tao amin’ny sinagogan’izy ireo izy, ka nankalazain’izy rehetra.

I Jesoa tany Nazareta

16 Nony tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy Izy, dia niditra tao amin’ny sinagoga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata, ary nitsangana hanao ny famakian-teny.

17 Natolotra Azy ny bokin’i Izaia mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe:

18 «Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo,

19 hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahoriana ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana.»

20 Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina ka nipetraka Izy; ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagoga.

21 Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe: «Androany no efa tanterakaeo amin’ny sofinareo izany Soratra izany.»

22 Ary nankalaza Azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy ireo: «Tsy ny zanak’i Josefa va ity?»

23 Ary hoy kosa i Jesoa taminy: «Marina raha tsy ataonareo amiko ilay ohabolana hoe: ‹Dokotera, sitrano aloha ny tenanao? Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaoma mba ataovy eto amin’ny tany nahabe Anao koa.› »

24 Dia notohiziny hoe: «Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy.

25 Ary lazaiko marina aminareo koa fa maro no mpitondratena tamin’i Israely tamin’ny andron’i Elia, raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra,

26 nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’i Elia na dia anankiray aza, fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sareptà any amin’ny tany Sidona ihany;

27 ary be koa no boka tao amin’i Israely tamin’ny andron’i Elisea mpaminany, nefa tsy nisy sitrana na iray aza, fa i Naamàna Sirianina ihany.»

28 Dia tezitra mafyizay rehetra tao amin’ny sinagoga raha nandre izany,

29 ka tafatsangana nandroaka Azy hiala ao an-tanàna, sady nitondra Azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany mba hazerany any an-tevana;

30 fa namaky teo afovoan’izy ireo Izy dia lasa.

I Jesoa nampianatra tao Kafarnaoma ary nanasitrana ilay azon’ny demony

31 Ary nidina tany Kafarnaoma tanànan’i Galilea Izy, ka nampianatra ny olona tamin’ny sabata,

32 ary gaga ny olona tamin’ny fampianarany, satria niteny toy ny manam-pahefana Izy.

33 Tao amin’ny sinagoga dia nisy lehilahy azon’ny demony maloto, ka niantso mafy

34 nanao hoe: «Aoka re, fa mifandraharaha inona aminao izahay, ry Jesoa avy any Nazareta ô? Tonga handringana anay va Ianao? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra.»

35 Fa notenenin’i Jesoa mafy izy nataony hoe: «Mangina, ary mialà amin’io lehilahy io.» Dia nandavo azy tamin’ny tany teo afovoan’ny olona teo ny demony vao nivoaka niala taminy, nefa tsy nandratra azy akory.

36 Talanjona izy rehetra, ka nifampilaza hoe: «Teny manao ahoana re izany? fa mandidy ny fanahy maloto amin-kery sy fahefana Izy, dia miala ireny.»

37 Ary niely tamin’izany tany rehetra izany ny lazany.

Ny nanasitranana ny rafozam-bavin’i Simôna

38 Nony nitsangana niala tao amin’ny sinagoga i Jesoa dia niditra tao an-tranon’i Simôna. Sendra azon’ny tazo mahery ny rafozam-bavin’i Simôna tamin’izay, ka niangavian’ny olona Izy hanasitrana azy.

39 Niondrika teo amin’ny marary Izy nandidy ny tazo, dia niala ny tazo, ka nitsangana niaraka tamin’izay ravehivavy ary nampihinana azy ireo.

Fanasitranana maro

40 Nony maty ny masoandro, izay nanana marary na inona na inona aretiny dia samy nitondra ny azy teo aminy, ka nametra-tanana tamin’izy ireo tsirairay avy Izy, dia nahasitrana azy.

41 Nisy demony nivoaka tamin’ny olona maro koa niantso hoe: «Ianao no Zanak’Andriamanitra,» fa norahonany tsy hiteny izy ireo noho izy nahalala Azy ho Kristy.

I Jesoa niala mangingina tao Kafarnaoma ary nitety an’i Jodea

42 Raha vao naraina ny andro, dia lasa nankany amin’ny toerana mangingina anankiray Izy. Vahoaka maro no nandeha nikaroka Azy, ka nony tonga tao aminy dia nitady hihazona azy tsy hisaraka aminy intsony;

43 fa hoy Izy taminy: «Tsy maintsy mitory ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny tanàna maro hafa koa Aho, fa izany no nanirahana Ahy.»

44 Dia nitory teny tao amin’ny sinagogan’i Galilea manontolo Izy.

Categories
Lioka

Lioka 5

Ny niantsoana an’ireo mpianatra efatra voalohany

1 Ary indray andro raha nijoro teo amoron’ny farihin’i Genezareta Izy, dia nifanesika taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’Andriamanitra.

2 Nahita sambo kely roa niantsona teo amoron-drano Izy (fa niala hanasa ny haratony ny mpanarato),

3 dia niditra tamin’ny sambo kely anankiray izay an’i Simôna ka nangataka taminy mba hihataka kely amin’ny tany, vao nipetraka teo an-tsambo kely nampianatra ny vahoaka.

4 Rehefa nitsahatra niteny Izy, dia nanao tamin’i Simôna hoe: «Mandrosoa eny amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano,»

5 fa hoy ny navalin’i Simôna Azy: «Tompoko, efa niasa mafy nandritra ny alina izahay, fa tsy nahazo na inona na inona; nefa noho ny teninao dia halatsako ihany ny harato.»

6 Nony nanao izany izy, dia nahazo hazandrano be dia be ka nisy rovitra ny haratony.

7 Ary nanàtsika ny namany izay teny amin’ny sambo kely hafa izy ireo mba ho avy hanampy azy; dia tonga ireo, nofenoiny ny sambo kely roa ka efa nilentika ny sambo.

8 Nony nahita izany i Simôna Piera dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa ka nanao hoe: «Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho»;

9 fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy, noho ny habetsahan’ny hazandrano azony;

10 ary toy izany koa i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede izay iray raharaha tamin’i Simôna. Dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna: «Aza matahotra, fa hatramin’izao dia hanarato olona ianao.»

11 Dia nampiantsona ny sambo kely tamin’ny tany niaraka tamin’izay izy ireo, ka namoy ny zavatra rehetra ary nanaraka Azy.

Ny nanasitranana ilay boka

12 Raha tao amin’ny tanàna anankiray Izy, dia indro nisy lehilahy rakotry ny habokana nahita Azy, niankohoka nitaraina taminy nanao hoe: «Tompoko, raha mety Ianao, mahay manadio ahy.»

13 Dia naninjitra ny tanany Izy nanendry azy, sy nanao hoe: «Mety Aho, madiova ianao,» ka afaka niaraka tamin’izay ny habokany.

14 Noraran’i Jesoa tsy hilaza izany na amin’iza na amin’iza izy; «fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona, hoy Izy, ary manatera ny fanatitra noho ny fahasitrananao, araka ny voadidin’i Môizy, mba ho vavolombelona amin’ny olona.»

15 Fa mainka niely ny lazany, ka nirohotra be dia be ny vahoaka mba hihaino Azy sy mba hositraniny amin’ny aretiny;

16 Izy kosa anefa amin’izany dia nihataka nankany an’efitra ka nivavaka tao.

Ny nanasitranana ilay malemy

17 Indray andro raha nampianatra Izy, dia nipetraka manodidina Azy teo koa ny Farisianina sy ny mpampiana-dalàna sasany avy tamin’ny tanàna rehetra tany Galilea sy Jodea mbamin’i Jerosalema, ary tao aminy hanasitranany ny marary ny herin’ny Tompo.

18 Dia indro nisy olona nitondra lehilahy malemy anankiray tamin’ny fandriany ka nitady hampiditra sy hametraka azy teo anatrehany;

19 fa tsy nahita izay hampidirany azy izy ireo noho ny habetsahan’ny olona, ka niakatra teo ambonin’ny tafon-trano izy, ary nanesorany ny tafo, dia nampidininy teo afovoan’ny olona teo anatrehan’i Jesoa ralehilahy mbamin’ny fandriany.

20 Nony nahita ny finoan’izy ireo i Jesoa, dia nanao hoe: «Ralehilahy, voavela ny helokao.»

21 Tamin’izany ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina dia nisaintsaina anakam-po nanao hoe: «Iza moa ity miteny ratsy toy izao ity? Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery?»

22 Fa fantatr’i Jesoa ny heviny, ka hoy Izy taminy: «Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo?

23 Inona no mora holazaina kokoa, ny hoe: ‹Voavela ny helokao› sa ny hoe: ‹Mitsangàna ka mandehana?›

24 Ary mba ho fantatrareo fa manam-pahefana hamela heloka etỳ an-tany ny Zanak’olona, dia izao no lazaiko aminao, hoy Izy tamin’ilay malemy: mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.»

25 Niaraka tamin’izay dia nitsangana teo imason’ny olona izy, ary nitondra ny farafara nandriany, ka lasa nody tany an-tranony nankalaza an’Andriamanitra.

26 Nitolagaga avokoa izy rehetra, ka sady nankalaza an’Andriamanitra no raiki-tahotra nanao hoe: «Nahita zava-mahagaga isika androany.»

Ny niantsoana an’i Levi

27 Taorian’izany, dia nandeha Izy ka nahita poblikanina anankiray atao hoe Levi nipetraka teo amim-pamorian-ketra, ary hoy Izy taminy: «Manaraha Ahy.»

28 Dia nafoiny ny zavatra rehetra, ka nitsangana nanaraka Azy izy.

Sakafo niaraka tamin’ny mpanota tao amin’i Levi

29 Nanao fanasana lehibe ho Azy tao an-tranony i Levi, ary nisy Poblikanina sy olon-kafa betsaka koa niara-nihinana taminy teo.

30 Nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna ka nanao tamin’ny mpianany hoe: «Nahoana no miara-mihinana sy misotro amin’ny Poblikanina sy ny mpanota ianareo?»

31 Fa novalian’i Jesoa hoe: «Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary.

32 Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota hibebaka.»

Ady hevitra momba ny fifadian-kanina

33 Dia hoy indray ry zareo taminy: «Nahoana no ny mpianatr’i Joany sy ny an’ny Farisianina mifady hanina matetika sy mivavaka lalandava, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany?»

34 Ary hoy Izy tamin’ireo: «Moa ianareo mahazo mampifady hanina ny zatovon’ny mpampakatra, raha mbola eo aminy koa ny mpampakatra?

35 Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra aminy, ka amin’izany vao hifady hanina izy ireo.»

36 Dia nanao fanoharana taminy indray Izy nanao hoe: «Tsy misy olona manampina lamba tonta amin’ny tapa-damba notriarina tamin’ny vaovao, fa raha izany, ny vaovao moa rovitra, ny tonta koa tsy hifanendrika amin’ny tapa-damba vaovao.

37 Tsy misy manisy divay vaovao amin’ny hoditra tonta koa, fa raha izany dia ho rovitry ny divay vaovao ny siny hoditra ka ny divay moa raraka, ny siny hoditra koa very maina;

38 fa siny hoditra vaovao no tokony hasiana ny divay vaovao, dia samy haharitra izy roroa.

39 Ary tsy misy olona vao avy nisotro divay tranainy ka hangataka ny vaovao, satria hoy izy hoe: ‹Ny tranainy no tsaratsara kokoa›.»

Categories
Lioka

Lioka 6

Ny mpianatra nioty salohim-bary

1 Indray sabata raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa, dia nioty salohim-bary ny mpianany, ka nohaniny nony efa nokosokosehiny tamin’ny tanany.

2 Dia hoy ny Farisianina sasany taminy: «Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin’ny sabata?»

3 Ary i Jesoa namaly azy hoe: «Tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha noana izy mbamin’izay nanaraka azy,

4 fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy ka naka ny mofo alahatra, dia nihinana izany sy nanome izay nanaraka azy koa, nefa tsy misy mahazo mihinana azy afa-tsy ny mpisorona ihany?»

5 Sady nampiany hoe: «Ny Zanak’olona no tompon’ny sabata.»

Ny nanasitranana ilay lehilahy maty tanana anila

6 Indray sabata hafa koa dia niditra tao amin’ny sinagoga izy ka nampianatra, ary nisy lehilahy anankiray maty tanana ankavanana teo.

7 Tamin’izay dia nitsikilo Azy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina na hanasitrana amin’ny andro sabata Izy na tsia, mba hahitany antony hiampangana Azy.

8 Fa fantatr’i Jesoa kosa ny hevitr’izy ireo, ka hoy Izy tamin’ilay maty tanana: «Mitsangàna ka mijoroa etsy afovoany.» Dia nitsangana ilay io ka nijoro,

9 ary hoy i Jesoa tamin’izy ireo: «Manontany anareo Aho, inona no mety hatao amin’ny sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy; ny mamonjy aina sa ny manala aina?»

10 Dia noherikerehiny nojerena daholo izy rehetra teo, ka hoy Izy tamin-dralehilahy: «Ahinjiro ny tananao.» Dia nahinjiny ka sitrana terỳ ny tanany.

11 Fa iretsy kosa safotry ny hatezerana, ka nioko ny amin’izay hanaovany an’i Jesoa.

Ny nifidianana ny 12 lahy

12 Ary tamin’izany andro izany, dia lasa tany an-tendrombohitra Izy mba hivavaka, ka nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina.

13 Nony maraina ny andro dia niantso ny mpianany Izy ka nifidy roa ambin’ny folo lahy tamin’izy ireo, izay nomeny anarana hoe Apôstôly:

14 dia i Simôna izay nataony hoe Piera, sy i Andre rahalahiny, i Jakôba sy i Joany, i Filipo sy i Bartelemy,

15 i Matio sy i Tomà, i Jakôba zanak’i Alfe, sy i Simôna izay atao hoe Zelôty,

16 ary i Jodà rahalahin’i Jakôba, sy i Jodasy IsKariota ilay namadika.

Ireo vahoaka nanaraka an’i Jesoa

17 Dia niara-nidina tamin’izy ireo Izy ka nankeo amin’ny tany lemaka izay nijanonan’ny mpianany maro sy ny vahoaka betsaka avy tany Jodea rehetra sy Jerosalema, ary ny tanin’i Tira sy i Sidona amorontsiraka,

18 izay tonga teo mba hihaino Azy, sy mba hositraniny amin’ny aretiny: dia nositraniny izay nampijalin’ny fanahy maloto,

19 ary nitady hanendry Azy ny vahoaka rehetra, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.

Toriteny santatra: ireo foto-kasambarana

20 Tamin’izay, dia niatrana nijery an’ireo mpianany Izy, ka nanao hoe: Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan’Andriamanitra.

21 Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo.

22 Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ny Zanak’olona.

23 Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa, fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra; fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany.

Fanambànan-doza

24 Mila loza kosa ianareo, ry mpanan-karena, fa manana ny fahafaham-ponareo ianareo.

25 Mila loza ianareo izay voky ankehitriny, fa ho noana ianareo. Mila loza ianareo izay mihomehy ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo ianareo.

26 Mila loza ianareo raha ataon’ny olona tsara laza, fa tahaka izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany sandoka.

Fitiavana ny fahavalo

27 Fa izao no lazaiko aminareo izay mihaino Ahy: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa an’izay mankahala anareo,

28 misaora an’izay manozona anareo ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo.

29 Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny ilany; ary raha misy maka ny lambanao, aza sakanana na halainy mbamin’ny akanjonao aza.

30 Omeo izay rehetra mangataka aminao, ary raha misy mifaoka ny anananao dia aza mitaky izany aminy intsony.

31 Izay tianareo hataon’ny olona aminareo, no mba ataovy amin’ny olona koa.

32 Raha izay tia anareo ihany no tianareo, fankasitrahana inona no tokony ho anareo? Fa na dia ny mpanota aza tia izay tia azy koa.

33 Raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo? Fa na dia ny mpanota aza mba manao toraka izany ihany koa.

34 Ary raha izay antenainareo hanonitra ihany no ampisamborinareo, fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo? Fa na dia ny mpanota koa aza, mampisambotra ny mpanota ihany, mba handraisany toraka izany.

35 Fa ianareo kosa, tiavo ny fahavalonareo, manaova soa ary mampisambora tsy manantena valiny: dia ho lehibe ny valisoanareo, ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra, dia Ilay tsara fo amin’ny tsy mpankasitraka sy ny ratsy fanahy.

Famindram-po sy fanasoavana

36 Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo.

37 Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà dia havela ianareo.

38 Manomeza, dia homena ianareo; fatra tsara, mifatratra, sady mihintsana no avo loha no homena ho ao ampofoanareo: fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa.

Aza mazoto fotsiny, fa mandiniha tena

39 Ary izao koa no fanoharana nataony tamin’izy ireo: «Moa ny jamba mahatari-dàlana ny jamba va? Moa tsy hiara-mianjera any an-kady va izy roa?

40 Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, fa izay mpianatra tapi-pianarana no hoatra ny mpampianatra azy ihany.»

41 «Nahoana no ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao jerenao, nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao tsy hitanao?

42 Ary hataonao ahoana no filaza amin’ny rahalahinao hoe: ‹Ry rahalahy, aoka hoesoriko ny sombim-bozaka amin’ny masonao›, nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao aza tsy hitanao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby amin’ny masonao, izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao.»

43 Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, na hazo ratsy mamoa voa tsara.

44 Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo, na voaloboka amin’ny voaroitsilo.

45 Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka ny ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony; fa ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany.

Ilaina ny mampihatra ny teny amin’ny fiainana

46 Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko?

47 Hasehoko anareo izay azo anoharana ny olona rehetra manatona Ahy ka mihaino ny teniko sy manatanteraka azy:

48 tahaka ny olona anankiray manao trano izy, izay nihady lalina aloha vao nandatsaka ny fototra eo ambonin’ny vatolampy, ka nony tondraka ny rano dia nasian’ny riaka mafy izany trano izany, nefa tsy nampihontsina azy akory izany, satria tsara orina tambony vatolampy izy.

49 Fa izay mihaino ihany kosa nefa tsy manaraka, dia tahaka ny olona anankiray nanorina ny tranony eo ambonin’ny tany tsy àry fototra, ka vao nasian’ny riaka, dia nirodana niaraka tamin’izay, ary loza ny faharavan’izany trano izany.

Categories
Lioka

Lioka 7

Fanasitranana ny mpanompon’ilay mpifehy zato

1 Rehefa tapitra nampandre ny vahoaka izany toriteniny rehetra izany i Jesoa, dia niditra tao Kafarnaoma.

2 Ary nisy kapiteny anankiray nanana ankizilahy tiany tokoa, narary efa ho faty.

3 Nony nahare ny amin’i Jesoa ilay kapiteny, dia naniraka loholon’ny Jody ho any aminy mba hangataka Azy ho avy hanasitrana ilay ankizilahiny.

4 Ary rehefa tonga tany amin’i Jesoa izy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: «Mendrika hanaovanao izany izy,

5 fa sady tia ny firenentsika no nanao ny sinagogantsika aza.»

6 Dia niara-nandeha tamin’izy ireo i Jesoa. Fa nony mby teo akaikin’ny trano Izy, dia nampaniraka ny sasantsasany tamin’ny sakaizany ilay kapiteny hilaza aminy hoe: «Tompo ô, aza dia misahirana toy izao re, fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko akory aho;

7 ary na dia ny tenako aza dia noheveriko ho tsy mendrika hanatona Anao akory, fa manonòna teny iray monja, dia ho sitrana ny ankiziko.

8 Fa izaho olona manan-dehibe mba mifehy miaramila koa, ka ny anankiray ilazako hoe: ‹Mandehana›, dia mandeha; ny anankiray ataoko hoe: ‹Avia›, dia avy; ary ny mpanompoko koa hoe: ‹Ataovy izany›, dia manao izy.»

9 Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka nitodika ny vahoaka nanaraka Azy nanao hoe: «Lazaiko marina aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’i Israely aza.»

10 Ary nony tafaverina tao an-tranon’ilay kapiteny ireo iraka, dia nahita fa sitrana ilay ankizilahy narary.

Fananganan-ko velona ny zanaka lahin’ilay mpitondratena tao Naima

11 Taorian’izany, dia nankany amin’ny tanàna anankiray atao hoe Naìma Izy, ary mpianany maro sy vahoaka betsaka no niaraka taminy.

12 Rehefa mby teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy, dia indro nisy fatin’ny zazalahy anankiray nentina halevina, zanak’olona lahy tokana sady mpitondratena indray ireniny, ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy.

13 Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy, ka nanao taminy hoe: «Aza mitomany.»

14 Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona; dia nijanona ny mpilanja, ary hoy i Jesoa: «Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mitsangàna.»

15 Dia niarina niaraka tamin’izay ny maty, sady niteny,ary nomen’i Jesoa an-dreniny.

16 Raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo, sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: «Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony.»

17 Dia niely eran’i Jodea sy ny tany manodidina rehetra izany teny fankalazana Azy izany.

Fanontanian’i Joany Batista, sy filazan’i Jesoa azy

18 Nambaran’ny mpianatr’i Joany taminy izany rehetra izany,

19 ka dia niantso roa lahy tamin’izy ireo izy nalefany ho any amin’i Jesoa hanao aminy hoe: «Ianao va no Ilay ho avy, sa mbola hafa no handrasantsika?».

20 Nony tonga tany aminy ireo dia nanao hoe: «Nirahin’i Joany Batista hankatỳ aminao izahay hanontany raha Ianao no Ilay ho avy, na mbola hafa no handrasantsika?»

21 Tamin’izay indrindra i Jesoa dia nanasitrana olona maro niferin’aina tamin’ny aretina sy ny rofy ary ny fanahy ratsy, sady nampahiratra jamba maro koa,

22 ka izao no navaliny an’ireto iraka: «Mandehana lazao amin’i Joany izay zavatra renareo sy hitanareo: mahiratra ny jamba, mandeha ny mandringa, madio ny boka, malady ny marenina, mitsangan-ko velona ny maty, torina amin’ny mahantra ny Evanjely,

23 ary sambatra izay rehetra tsy ho tafintohina noho ny Amiko.»

24 Nony lasa ny irak’i Joany, dia nambaran’i Jesoa tamin’ny vahoaka ny aminy ka hoy Izy: Hizaha inona no nalehanareo tany an’efitra? Volotara hozongozonin’ny rivotra va?

25 Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Lehilahy tsara fitafiana va? Raha izay tsara fitafiana sy manao fiainana, dia any an-tranon’ny mpanjaka no itoerany.

26 Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, ary ambony noho ny mpaminany aza.

27 Fa izy no ilay voasoratra hoe:Indro Aho maniraka ny Anjeliko eo anoloanao mba hamboatra lalana eo alohanao.

28 Koa lazaiko aminareo fa amin’izay natera-behivavy tsy misy mpaminany lehibe noho i Joany Batista; nefa izay kely indrindra amin’ny fanjakan’Andriamanitra no lehibe noho izy.

29 Ary ny vahoaka rehetra izay nandre Azy mbamin’ny poblikanina aza dia nanamarina an’Andriamanitra, tamin’ny nandraisany ny batemin’i Joany;

30 fa ny Farisianina sy ny mpampiana-dalàna kosa nanatsinontsinona ny fikasàn’Andriamanitra ny aminy, tamin’ny nandàvany ny batemin’i Joany.

Fitsaran’i Jesoa ireo mpiara-belona taminy

31 Ary hoy ny Tompo: Hohariko amin’iza re ny olona amin’ity taranaka ity, ary tahaka an’iza izy?

32 Tahaka ny ankizy mipetraka eny an-kianja izy, izay mifampilaza hoe: Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo! Nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.

33 Fa tonga i Joany Batista tsy nihinana mofo na nisotro divay, lazainareo hoe: Azon’ny demony izy.

34 Tonga indray ny Zanak’olona mihinana sy misotro, ataonareo hoe: Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io, sady sakaizan’ny poblikanina sy ny olon-dratsy fiaina.

35 Fa ny Fahendrena efa nohamarinin’ny zanany rehetra.

Ilay vehivavy mpanota navela heloka sy be fitiavana

36 Nisy Farisianina anankiray nanasa an’i Jesoa hiara-mihinana aminy, ka niditra tao an-tranon’ilay Farisianina Izy, dia nipetraka nihinana.

37 Ary indro nisy vehivavy anankiray ratsy fitondran-tenatao an-tanàna nahalala fa nihinana tao an-tranon’ilay Farisianina i Jesoa, ka dia nivimbina tavoara alabastra feno diloilo manitra,

38 dia nijanona teo ivohonytanilan’ny tongony sady nitomany ka kotsan’ny ranomasony ny tongony, fa nofaohiny tamin’ny volon-dohany sy norohany, ary nohosorany diloilo manitra.

39 Nony nahita izany ilay Farisianina nanasa Azy, dia nanao anakam-po hoe: «Raha mpaminany Izy dia ho nahalala ny toetran’ity vehivavy mikasika Azy, fa hoe mpanota io.»

40 Ary i Jesoa niteny taminy nanao hoe: «Ry Simôna, misy zavatra holazaiko aminao.» Dia hoy izy: «Lazao, ry Mpampianatra.»

41 «Nisy olona roa lahy nananan’ny mpampanjana-bola anankiray trosa, ny iray nananany denie dimanjato, ary ny iray dimampolo.

42 Noho izy ireo samy tsy nanan-kaloa, dia nafoiny ny trosa tamin’izy roa lahy. Koa iza amin’ireo no ho tia azy kokoa?»

43 «Ataoko fa ilay namoizany bebe kokoa,» hoy i Simôna namaly Azy. «Marina ny anao,» hoy Izy taminy.

44 Dia nitodika an-dravehivavy Izy ka nanao tamin’i Simôna hoe: «Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho, fa ianao tsy nanome rano hanasako tongotra, izy kosa nanondraka ny tongotro tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany.

45 Ianao tsy nanoroka Ahy, izy kosa tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro hatrizay nidirako.

46 Ianao tsy nanosotra diloilo ny lohako, izy kosa nanosotra diloilo manitra ny tongotro.

47 Noho izany dia lazaiko aminao fa voavela ny heloka be nataony satria be fitiavana izy; fa izay amelana kely no kely fitiavana.»

48 Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: «Voavela ny helokao.»

49 Ary izay niara-nihinana taminy nanao anakampo hoe: «Iza moa ity no mamela na dia ny heloka aza?»

50 Fa hoy Izy tamin-dravehivavy: «Ny finoanaono nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana.»

Categories
Lioka

Lioka 8

Ireo vehivavy nanaraka an’i Jesoa

1 Taorian’izany, dia lasa nitety ny tanàna sy ny vohitra Izy nampianatra sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra. Nanaraka Azy ny roa ambin’ny folo lahy

2 sy ny vehivavy sasany nositraniny tamin’ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia i Maria atao hoe Madelenina izay nivoahana demony fito,

3 i Joana vadin’i Kozà mpitandrina ny fananan’i i Herôda, ary i Sozana mbamin’ny maro hafa koa izay nanampy Azy tamin’ny fananany.

Fanoharana amin’ny mpamafy

4 Ary nisy vahoaka betsaka tafavory tonga avy tamin’ny tanàna maro hanatona Azy, dia nanao fanoharana Izy hoe:

5 «Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voany; ary nony namafy izy, ny sasany latsaka tany amoron-dalana ka sady voahitsakitsaka no notsindrohin’ny voromanidina;

6 ny sasany latsaka tamin’ny vato ka nalaky nitsimoka, nefa nalazo satria tsy nisy mando;

7 ny sasany latsaka tamin’ny tsilo ka niara-naniry tamin’ny tsilo, dia voagejany;

8 ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara ka naniry, dia namoa injato heny.» Rehefa nilaza izany Izy dia niantso hoe: «Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.»

Nahoana no fanoharana no nitenenan’i Jesoa?

9 Nanontanian’ny mpianany Azy izay hevitr’izany fanoharana izany,

10 ka izao no navaliny azy: «Ianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra, fa ny hafa kosa dia fanoharana no atao aminy,mba hijery izy fa tsy hahita, ary handre fa tsy hahafantatra.»

Filazana ny hevitry ny fanoharana amin’ny mpamafy

11 «Ka izao àry no hevitr’izany fanoharana izany: ‹Ny voa dia ny tenin’Andriamanitra.

12 Ireo teny an-dalambe no izay nandre, fa avy ny devoly ka manesotra ny teny ao am-pony, sao mino izy ka voavonjy.

13 Ireo latsaka tamin’ny vato no izay nandre sady nandray ny teny an-kafaliana, nefa tsy latsa-paka izy ka tsy maharitra amin’ny finoana, fa miala nony mby amin’ny andron’ny fakam-panahy.

14 Ireo latsaka tamin’ny tsilo no izay nandre, fa nony mandeha izy dia poritin’ny fiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao, ka tsy mahavanom-boa.

15 Fa ireo latsaka amin’ny tany tsara kosa no izay mihaino ny teny amin’ny fo marina sy tsara, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.› »

Fanoharana amin’ny jiro arehitra

16 «Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na mametraka azy ao ambany farafara; fa eo ambony fanaovan-jiro no apetrany, mba hahitan’izay miditra ny mazava.

17 Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra sy haharihary.

18 Koa tandremo àry ny fihainonareo, fa izay manana no homena, ary izay tsy manana dia halaina aminy hatramin’izay heveriny ho ananany aza.»

Ireo tena havan’i Jesoa

19 Ary tonga hankao amin’i Jesoa ny reniny sy ny rahalahiny, fa tsy afa-nihaona taminy noho ny habetsahan’ny vahoaka,

20 ka nisy nilaza taminy hoe: «Ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao te-hihaona aminao.»

21 Dia novaliany hoe: «Ny reniko sy ny rahalahiko, dia izay mihaino sy mankatò ny tenin’Andriamanitra.»

Ny nampitoniana ny tafio-drivotra

22 Indray andro dia niditra tao amin’ny sambo kely anankiray i Jesoa mbamin’ny mpianany, ka hoy Izy tamin’ireo: «Andeha isika hiampita eny an-dafin’ny farihy,» dia niainga izy ireo.

23 Teny am-pandehanan’ny sambo dia natory Izy; kanjo nasian’ny tafio-drivotra kosa ny farihy, ka nihafeno rano ny sambo ary efa am-bava loza izy ireo.

24 Dia nanatona namoha Azy izy ireo ka nanao hoe: «Ry Mpampianatra! Ry Mpampianatra! maty izahay!» Dia nitsangana Izy, nandidy ny rivotra sy ny onjan-drano, ka nitsahatra ireo ary nitony tsara ny andro.

25 Ary hoy Izy taminy: «Aiza ny finoanareo?» Fa raiki-tahotra sy ankona teo izy ireo, ka nifampilaza hoe: «Iza moa Ity no mandidy ny rivotra sy ny ranomasina, sy eken’izy ireo?»

Ilay azon’ny demony tao Gerasena

26 Dia nitody tany amin’ny tanin’ny Gerasena tandrifin’i Galilea izy ireo.

27 Nony tafakatra tany an-tanety i Jesoa, dia inty nisy lehilahy anankiray nitsena Azy avy ao an-tanàna, izay azon’ny demony hatry ny ela ka tsy nitafy akory, na nanana antom-ponenana afa-tsy ny fasana.

28 Raha vao nahatazana an’i Jesoa izy, dia nikiakiaka sy niankohoka teo an-tongony ary niantso mafy hoe: «Misy inona raharahainao amiko, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra Avo indrindra ô? Mifona re, aza dia mampijaly ahy!»

29 Fa i Jesoa efa nandidy ny fanahy maloto hiala amin-dralehilahy. Fa matetika no nasian’ny fanahy maloto izy io, ka na nofatorana rojo vy sy nogadràn-tongotra aza, dia tapany ny fatorany, ka nentin’ny demony niriorio foana tany an’efitra tany izy.

30 Nanontanian’i Jesoa izy nataony hoe: «Iza no anaranao?» «Lejiona no anarako,» hoy izy, satria be ny demony tafiditra tao aminy,

31 sady niangavy tamin’i Jesoa ireo mba tsy handidy azy hivarina any amin’ny hantsana.

32 Fa nisy kisoa maro, iray dia kosa, nihinana teny an-tendrombohitra, ka nangata-dalana hiditra amin’ireo ny demony, dia nekeny.

33 Tamin’izay, dia niala tamin-dralehilahy ny demony ka niditra tamin’ny kisoa, ary nirifatra ny andian-kisoa ka nivarina tamin’ny kisolosolo mideza ho any anaty farihy, dia maty tany.

34 Nandositra ny mpiandry nony nahita izany, ka lasa nilaza izany tany an-tanàna sy tany an-tsaha.

35 Dia nivoaka hizaha izany ny olona, ka nony tonga tany amin’i Jesoa izy ireo, dia nahita ity lehilahy nivoahan’ny demony nipetraka teo amin’ny tongony, sady nitafy no nody saina, ka raiki-tahotra,

36 sady notantarain-dry zareo nanatri-maso tamin’izy ireo koa moa ny nahafahan’ilay azon’ny demony.

37 Tamin’izay ny mponina rehetra tao amin’ny tanin’ny Gerasena nangataka Azy hiala teo aminy, satria natahotra mafy loatra izy ireo; ka dia niditra tao an-tsambo i Jesoa fa ndeha hiverina.

38 Ary nangataka hanaraka Azy ilay lehilahy nivoahan’ny demony, fa nasainy nody ihany nataony hoe:

39 «Modia any an-tranonao, ary tantarao ny zava-dehibe nataon’Andriamanitra taminao.» Dia lasa izy nitory eran’ny tanàna ny soa nataon’i Jesoa taminy.

Ny nanasitranana ilay vehivavy nitsi-dra sy ny nananganana ny zanakavavin’i Jaîra ho velona

40 Rehefa tafaverina i Jesoa dia nandray Azy tsara ny vahoaka, fa niandry Azy rahateo izy rehetra.

41 Ary indro nisy lehilahy anankiray atao hoe Jaîra, izay lehiben’ny sinagoga, nanatona Azy, dia niankohoka tamin’ny tongony sy nangataka Azy hiditra ao an-tranony,

42 fa nanan-janaka vavy tokana tokony ho roa ambin’ny folo taona, narary ho faty izy. Nony nandeha i Jesoa dia nifanety tamin’ny vahoaka;

43 ary nisy vehivavy anankiray nitsì-dra hatramin’ny roa ambin’ny folo taona, efa nandany ny fananany rehetra tamin’ny dokotera, fa tsy nisy nahasitrana azy na dia iray aza,

44 nanatona avy ao ivohony, dia nanendry ny morontongotr’akanjony, ka nijanona niaraka tamin’izay ny fitsìhany.

45 Dia hoy i Jesoa: «Iza moa no nanendry Ahy?» Samy nandà avokoa izy rehetra, fa i Piera sy ny namany no nanao hoe: «Ry Mpampianatra ô! vahoaka be no mifanety sy mifanizina aminao, ka Ianao manontany hoe: ‹Iza no nanendry Ahy?› »

46 Ary hoy i Jesoa: «Nisy nanendry Ahy, satria reko fa nisy hery nivoaka tamiko.»

47 Nony hitan-dravehivavy fa tsy takona Azy izy, dia tera-kovitra izy ka inty tamy niankohoka teo amin’ny tongony, sady nanambara teo imason’ny vahoaka ny anton’ny nanendreny Azy sy ny nahasitranany niaraka tamin’izay.

48 Ary hoy i Jesoa taminy: «Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana.»

49 Raha mbola niteny Izy, dia nisy olona anankiray avy any amin’ilay lehiben’ny sinagoga tonga nilaza taminy hoe: «Efa maty ny zanakao vavy, fa aza manasatra ny Mpampianatra.»

50 Ren’i Jesoa izany ka hoy Izy tamin’ny rain’ilay zazavavy: «Aza matahotra fa minoa fotsiny ihany, dia ho velona ny zanakao.»

51 Nony tonga tao an-trano Izy, dia tsy nisy navelany hiara-miditra aminy afa-tsy i Piera sy i Jakôba ary i Joany, mbamin’ny ray aman-drenin-drazazavavy.

52 Nitomany sy ory azy ny olona rehetra, fa hoy i Jesoa: «Aza mitomany ianareo; tsy maty izy fa matory.»

53 Dia nihomehezan’izy ireo Izy, satria fantany tsara fa maty razazavavy.

54 Ary i Jesoa nandray ny tanany ka niantso hoe: «Ry zazavavy, mitsangàna.»

55 Dia nody indray ny ainy, ka nitsangana niaraka tamin’izay izy, ary nasainy nomena hanina.

56 Talanjona ny ray aman-dreniny, fa i Jesoa nandrara azy tsy hilazalaza amin’olona izay natao.

Categories
Lioka

Lioka 9

Ny nanirahana ny 12 lahy

1 Ary namory ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy i Jesoa ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demony rehetra sy hanasitrana ny aretina.

2 Ary naniraka azy hitory ny Fanjakan’Andriamanitra sy hanasitrana ny marary.

3 Dia hoy Izy taminy: «Aza mitondra na inona na inona any amin’izay halehanareo any, na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa.

4 Ary na aiza na aiza trano hidiranareo, dia itoero mandra-pialanareo amin’izany tanàna izany.

5 Ary raha misy mandà tsy handray anareo, dia mialà amin’izany tanàna izany, ka na ny vovoka amin’ny tongotrareo aza dia ahintsano mba ho fiampangana azy ireo.»

6 Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra, ka nitory ny Evanjely sy nanasitrana hatraiza hatraiza.

I Herôda sy i Jesoa

7 Ary i Herôda tetrarka nandre izay rehetra nataon’i Jesoa ka tsy hitany be ihany izay hevitra,

8 fa ny sasany nanao hoe: «I Joany no nitsangan-ko velona avy any amin’ny maty,» ny sasany nilaza hoe: «I Elia no niseho,» ary ny sasany nanao hoe: «Ny anankiray tamin’ny mpaminany taloha no efa nitsangan-ko velona.»

9 Dia hoy kosa i Herôda: «Raha ny amin’i Joany, dia efa nasaiko notapahin-doha izy, ka iza indray àry izao olona reko manao zava-dehibe izao?» Dia naniry hahita Azy izy.

Ny niverenan’ny Apôstôly sy ny nampitomboana ny mofo

10 Ary rehefa niverina ny Apôstôly ka nilaza tamin’i Jesoa ny nataony rehetra, dia nentiny hitokana tany amin’ny tany mangingina akaikin’i Betsaida izy ireo.

11 Nony nahare izany ny vahoaka dia nanaraka Azy. Noraisin’i Jesoa tsara izy ireo, notorotoroany ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra, sady nositraniny ny marary.

12 Efa ho hariva ny andro ka nanatona ny roa ambin’ny folo lahy nanao taminy hoe: «Ravao ny vahoaka handeha hitady fandriana sy hanina any amin’ny vohitra sy ny saha manodidina, fa atỳ an’efitra isika izao.»

13 Fa hoy Izy taminy: «Omeonareo hanina izy.» Dia namaly ireo nanao hoe: «Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy hoe handeha hividy angaha izahay mba hisy hohanin’ireo vahoaka be ireo.»

14 Fa tokony ho dimy arivo lahy izy ireo. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: «Asaovy mipetraka mitsitokotoko dimampolo avy ny olona.»

15 Dia nataony izany, ka nasainy nipetraka daholo izy ireo.

16 Tamin’izay noraisin’i Jesoa ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano azy, ary novakiny sy nozarainy tamin’ny mpianany, mba harosony eny anoloan’ny vahoaka.

17 Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nentina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo.

Fiekem-pinoana nataon’i Piera

18 Indray andro, raha nivavaka tany amin’ny toerana mangingina Izy ka teo aminy koa ny mpianany, dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe: «Ataon’ny vahoaka ho iza moa Aho?»

19 Ary namaly ireo ka nanao hoe: «Ny sasany manao hoe i Joany Batista, ny sasany milaza hoe i Elia, ary ny sasany manao hoe: ny anankiray amin’ny mpaminany taloha no nitsangana avy any amin’ny maty.»

20 «Fa ianareo kosa, hoy Izy, mba manao Ahy ho iza?» Dia namaly i Piera ka nanao hoe: «I Kristin’Andriamanitra.»

Voalohany nanambaràn’i Jesoa ny hijaliany

21 Nefa norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza izany amin’olona,

22 sady nampiany hoe: «Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona, ka harian’ny loholona sy ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna ary hovonoiny; fa hitsangan-ko velona avy any amin’ny maty amin’ny andro fahatelo.»

Ny tsy maintsy atao hanarahana an’i Jesoa

23 Ary hoy koa Izy tamin’ny olona rehetra: «Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny Hazofijaliany isan’andro ka hanaraka Ahy.

24 Izay te hamonjy ny ainy dia hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy.

25 Ary inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao aza izy, nefa very ny tenany ka voaheloka izy?

26 Fa izay menatra Ahy sy ny teniko, ho menatra azy koa ny Zanak’olona raha avy amin’ny voninahiny sy ny an’ny Rainy, ary ny an’ny Anjely masina.»

Efa ho avy ny Fanjakan’Andriamanitra

27 «Izaho milaza marina aminareo fa ny sasany amin’izay eto dia tsy hanandrana ny fahafatesana, raha tsy efa mahita ny fanjakan’Andriamanitra.»

I Jesoa niova tarehy

28 Rehefa tokony ho havaloana taorian’ny nilazany an’izany, dia nitondra an’i Piera sy i Jakôba ary i Joany Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka.

29 Raha mbola nivavaka Izy, dia niova toetra ny Tarehiny sady tonga fotsy manjopiaka ny fitafiany.

30 Ary indro nisy roa lahy niresaka taminy, dia i Môizy sy i Elia,

31 izay niseho tamim-boninahitra sy nilaza ny hahalasanany izay tsy maintsy ho tanteraka any Jerosalema.

32 Navesatry ny tory ny mason’i Piera sy ny namany, nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr’i Jesoa mbamin’izy roalahy teo aminy.

33 Ary tamin’izy roa lahy nihataka, dia hoy i Piera tamin’i Jesoa: «Ry Mpampianatra ô, mahafinaritra ny mitoetra atỳ, ka andeha hanangana lay telo eto, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia»; tsy fantany anefa izay nolazainy.

34 Raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona nanarona azy ireo, ka natahotra izy telolahy tamin’ny nidirany tao anatin’ny rahona.

35 Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe: «Ity no Zanako malalako, henoy Izy.»

36 Ilay niteny iny ny feo, dia i Jesoa irery ihany no hita. Ary nangina ireo mpianany ka tsy nilazalaza na tamin’iza na tamin’iza, tamin’izany andro izany, izay zavatra hitany teo.

Ilay voan’ny androbe azon’ny demony

37 Nony ampitso, raha nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo, dia notsenain’ny vahoaka be i Jesoa.

38 Dia nisy lehilahy anankiray tao amin’ny vahoaka niantso hoe: «Ry Mpampianatra ô, mihanta aminao aho, mba iantrao lahy ny zanako, dia ny zanako lahy tokana,

39 fa azon’ny fanahy ratsy izy, ka vantany vao tongany dia midradradradra sady akapokapony mafy dia mafy ataony mandoa vory, ary tsy avelany raha tsy efa torovana erỳ.

40 Nangataka tamin’ny mpianatrao aho mba handroaka azy, fa tsy nahafaka izy ireo.»

41 Ary namaly i Jesoa ka nanao hoe: «Ry taranaka tsy minosady ratsy fanahy, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo sy handeferako aminareo? Ento atỳ ny zanakao.»

42 Nony nanatona ilay zaza, dia nazeran’ny demony ka nakapony izaitsizy;

43 fa norahonan’i Jesoa ny fanahy maloto, dia nositraniny ilay zazalahy ka nomeny an-drainy.

44 Dia talanjona izy rehetra noho ny halehiben’Andriamanitra.

Fanindroany nanambaràn’i Jesoa ny hijaliany

Ilay mbola gaga tamin’izay rehetra nataon’i Jesoa iny izy rehetra, dia hoy Izy tamin’ny mpianany: «Alatsaho tsara ao amin’ny sofinareo izao rehetra izao, satria tsy maintsy atolotraao am-pelatanan’ny olona ny Zanak’olona.»

45 Fa tsy azon’izy ireo izany teny izany, fa takona taminy ka tsy fantany, sady tsy sahy nanontany Azy ny amin’izany izy.

Iza no lehibe indrindra?

46 Ary nisy hevitra tonga tao an-tsain’ireo, dia ny amin’izay lehibe aminy.

47 Fantatr’i Jesoa ny hevitra tao am-pony, ka naka zaza kely anankiray Izy napetrany teo anilany,

48 dia hoy Izy tamin’izy ireo: «Na iza na iza mandray itony zazakely itony amin’ny Anarako dia mandray Ahy, ary na zovy na zovy mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra eo aminareo rehetra dia izy no lehibe.»

Fampiasana ny Anaran’i Jesoa

49 Dia niteny i Joany nanao hoe: «Ry Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony tamin’ny Anaranao izahay, ka noraranay, satria tsy namantsìka izy»;

50 fa hoy i Jesoa taminy: «Aza rarana, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.»

Ratsy fandray, ilay vohitra tao Samaria

51 Ary nony efa antomotra ny andro tsy maintsy hanalana Azy, dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema Izy,

52 ka nandefa iraka nialoha Azy. Dia nandeha ireo ka niditra tao amin’ny tanàna anankiray tany amin’ny Samaritanina, mba hanomana ny fandraisana Azy;

53 fa tsy nisy nandray azy ny olona, satria olona hankany Jerosalema no fijeriny Azy.

54 Nony nahita izany i Jakôba sy i Joany mpianany dia nanao hoe: «Tompoko, tianao va raha asainay ilatsahan’ny afo avy any an-danitra izy handevona azy?»

55 Fa nitodika Izy ka nananatra azy mafy hoe: «Tsy fantatrareo mantsy izay tokony ho fanahinareo.

56 Ny Zanak’olona anie tsy tonga hamery olona fa hamonjy azy.» Dia nankany amin’ny vohitra hafa izy ireo.

Ny takin’ny fiantsoana ho Apôstôly

57 Raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia nisy olona anankiray nilaza taminy hoe: «Hanaraka Anao aho, na aiza na aiza halehanao.»

58 Fa hoy i Jesoa taminy: «Ny amboadia manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany; fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany.»

59 Ary hoy Izy tamin’ny anankiray hafa: «Manaraha Ahy.» Dia izao no navalin’io: «Aoka aloha, Tompoko, handevina ny raiko aho.»

60 Fa hoy i Jesoa taminy: «Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy, fa ianao kosa mandehana mitory ny fanjakan’Andriamanitra.»

61 Dia nisy iray hafa koa nanao taminy hoe: «Hanaraka Anao aho, Tompoko, fa aoka aloha hanao veloma ny ao an-tranoko aho.»

62 Fa hoy i Jesoa taminy: «Rehefa mety ho mpitana angadin’omby miherika, dia tsy sahaza ny fanjakan’Andriamanitra.»

Categories
Lioka

Lioka 10

Ny nanirahana ny mpianatra 72 lahy

1 Nony afaka izany dia nifidy roa amby fitopolo lahy hafakoa ny Tompo ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy, any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany.

2 Ary hoy Izy tamin’izy ireo: Be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy; koa mangataha amin’ny tompom-bokatra mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany.

3 Mandehana; indro Aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia.

4 Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa, na kiraro, ary aza miarahabaolona akory any an-dalana.

5 Amin’izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe: Fiadanana anie ho amin’ity trano ity;

6 ka raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo; fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo ihany izany.

7 Ary mitoera amin’izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay misy ao, fa mendrika ny karamany ny mpiasa. Aza mifindrafindra trano.

8 Ary amin’izay tanàna idiranareo, raha mandray anareo ny olona, dia hano izay atolony anareo;

9 ary sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.

10 Fa amin’izay tanàna idiranareo kosa nefa tsy mandray anareo ny olona, dia mankanesa eny an-kianja ka lazao hoe:

11 Na ny vovoky ny tanànanareo nipetraka tamin’ny tongotray aza dia ahintsanay hiampanga anareo; fantaro anefa fa efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.

12 Lazaiko aminareo fa amin’izay andro izay, dia ho moramora kokoa ny ho amin’i Sôdôma, noho ny ho amin’izany tanàna izany.

13 «Mila loza ianao, ry Kôrôzaina, ry Betsaida! fa raha izay no natao tany Tira sy Sidona ny fahagagana natao taminareo, dia ela no ho efa nibebahany tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona.

14 Noho izany, amin’ny andro fitsarana dia ho moramora kokoa ny ho amin’i Tira sy Sidona noho ny ho aminareo.

15 Ary ianao, ry Kafarnaoma izaymisondrotra hanakatra ny lanitra, dia haetry hatrany amin’ny afobe ianao.»

16 «Izay mihaino anareo mihaino Ahy, ary izay manamavo anareo manamavo Ahy; izay manamavo Ahy anefa dia manamavo Izay naniraka Ahy.»

Ny tokony hifalian’ny mpianatra

17 Ary niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe: «Tompo ô, na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny Anaranao.»

18 Dia hoy i Jesoa taminy: «Nahita an’i Satana latsaka avy tany an-danitra toy ny varatra Aho.

19 Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka mbamin’ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny.

20 Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo, fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio.»

Ny Evanjely ambara amin’ny tso-po. Ny Ray sy ny Zanaka

21 Tamin’izay nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina Izy ka nanao hoe: «Misaotra anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, noho Ianao nanafina izany tamin’ny mahay sy ny hendry, fa nanambara azy tamin’ny zaza madinika kosa. Eny, Raiko, fa izany no sitraponao.

22 Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanambaràna Azy.»

Soa manokana ho an’ny mpianatra

23 Dia nitodika tamin’ny mpianany Izy ka nilaza taminy manokana hoe: «Sambatra ny maso mahita izay hitanareo;

24 fa lazaiko aminareo fa maro ny mpaminany sy ny mpanjaka naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary handre izay renareo, fa tsy nandre.»

Ny didy lehibe

25 Ary indro mpampiana-dalàna anankiray nitsangana haka fanahy Azy ka nanao hoe: «Tompo ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?»

26 Dia hoy i Jesoa taminy: «Inona no voasoratra ao amin’ny Lalàna ary ahoana no famakinao azy?»

27 Ary namaly izy ka nanao hoe:«Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo, sy ny herinao manontolo, ary ny sainao manontolo, ary ny namanao tahaka ny tenanao.»

28 Dia hoy i Jesoa taminy: «Marina ny navalinao, manaova izany dia ho velona ianao.»

Fanoharana amin’ny Samaritanina tsara fanahy

29 Fa nitady hanamarin-tena ralehilahy ka nanao tamin’i Jesoa hoe: «Iza àry no namako?»

30 Ary hoy i Jesoa taminy:

«Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikô, azon’ny jiolahy, ka nendahany ny lambany, nokapohiny ny tenany ary saika maty vao navelany.

31 Dia nisy kosa mpisorona anankiray nidina tamin’izany lalana izany ka nahita azy, nefa nandalo ihany.

32 Toy izany koa ity levitaanankiray izay tonga teo, nahita azy, nefa nandalo ihany.

33 Fa nisy kosa Samaritanina anankiray nivahiny tonga teo aminy, ka nangoraka nony nahita azy.

34 Nanatona azy izy, dia namehy ny feriny ary nanisy diloilo sy divay azy, vao nampitaingina azy ny soavaliny, sy nitondra azy tany an-tranom-bahiny ka nitsabo azy.

35 Nony ampitso, dia naka denie roa izy ka nomeny ny tompon-trano, ary nataony hoe: ‹Tsaboy izy, ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireny, dia honerako rahefa miverina aho.›

36 Iza amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy?»

37 Dia hoy ilay mpampiana-dalàna: «Ilay niantra azy» «Mandehana àry, hoy i Jesoa taminy, ka manaova toy izany koa.»

I Marta sy i Maria

38 Raha mbola nandeha izy ireo dia niditra tamin’ny vohitra anankiray i Jesoa, ary nisy vehivavy atao hoe Marta nandray Azy tao an-tranony.

39 Nanan-drahavavy anankiray atao hoe Maria izy, izay nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo nihaino ny teniny;

40 fa i Maria kosa sahirana tamin’ny fanompoana be. Dia niato kely izy ka nanao hoe: «Tompoko, tsy mampaninona anao va ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery? Mba asaovy manampy ahy re izy.»

41 Fa namaly ny Tompo ka nanao taminy hoe: «Marta, Marta, maro tadiavina sy be tebiteby ianao,

42 nefa zavatra iraymonja no ilaina; fa i Maria no nifidy ny anjara tsara indrindra izay tsy halana aminy.»