Ny «Pater»
1 Indray andro nivavaka tao amin’ny fitoerana anankiray i Jesoa, ka nony nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy: «Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko, tahaka ny nampianaran’i Joany ny mpianany.»
2 Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka ianareo, manaova hoe:
Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao.
3 Omeo anay anio ny hanina ilainay isan’andro.
4 Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay.
Ilay sakaiza manelingelina
5 Dia hoy indray koa Izy taminy: «Raha misy aminareo manan-tsakaiza mankao aminy misasaka alina ka manao aminy hoe: ‹Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho,
6 fa misy sakaizako nandeha nivahiny ka tonga ao amiko, nefa tsy manan-katolotra azy aho›,
7 ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: ‹Aza manahirana ahy, fa ny varavarana efa mihidy; izaho sy ny zanako efa tafandry, ka tsy afaka hifoha hanome anao aho.›
8 Lazaiko aminareo, fa raha maharitra mandondòna izy, na dia tsy hifoha hanome azy noho ny fisakaizany aza ilay ao an-trano, dia hifoha hanome izay ilainy noho ny fanaovany lemozy.»
Ny vavaka mandaitra
9 «Ary hoy Izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita; mandondòna, dia hovohana.
10 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no vohaina.
11 Iza aminareo no ray hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny, na hanome bibilava azy, raha hazandrano no angatahiny,
12 na hanome maingoka azy raha atody no angatahiny?
13 Koa raha ianareo, na dia ratsy toy inona aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masinaho an’izay mangataka aminy?»
I Jesoa sy i Belzeboba
14 Ary nandroaka demony i Jesoa, ka moana izany demony izany. Nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana, ka gaga ny vahoaka;
15 fa ny sasany tamin’izay teo nanao hoe: «I Belzeboba lehiben’ny demony no androahany ny demony.»
16 Ary ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana avy any an-danitra taminy.
17 Fa i Jesoa nahalala ny heviny ka nanao taminy hoe: Rava izay fanjakana miady an-trano; mianjera mifanongoa ny trano;
18 ka raha miady an-trano àry i Satana, ahoana no haharetan’ny fanjakany? satria lazainareo fa i Belzeboba no androahako ny demony.
19 Ary raha amin’ny herin’i Belzeboba àry no androahako ny demony, amin’ny herin’iza kosa no androahan’ny zanakareo azy? Koa izy ireo ihany no ho mpitsara anareo.
20 Fa raha ny rantsan-tanan’Andriamanitra no androahako ny demony, dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra.
21 Raha lehilahy matanjaka sy àry fiadiana tsara no miambina ny tranony, dia voaaro ny fananany rehetra;
22 fa raha tonga kosa ny mahery noho izy ka mandresy azy, dia sady hahalasa ny fiadiany rehetra izay nitokiany no hizara izay nobaboiny.
Ny tsy ileferan’i Jesoa
23 «Izay tsy momba Ahy, dia manohitra Ahy, ary izay tsy miara-mamory amiko, dia manahaka.»
Miverina mamely mafy ny fanahy maloto
24 «Raha mivoaka amin’ny olona ny fanahy maloto, dia mandehandeha mitady fialan-tsasatra eny amin’ny tanety maina izy, ka nony tsy mahita dia manao hoe: ‹Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.›
25 Ary nony tonga izy dia mahita azy voadio sy voaravaka,
26 ka mandeha maka fanahy fito ratsiratsy kokoa noho izy, dia miditra ireo ka mitoetra eo. Ary ny faran’izany olona izany dia tonga ratsiratsy kokoa noho ny voalohany.»
Ny tena hasambarana
27 Raha nilaza izany Izy, dia nisy vehivavy anankiray niantso teo afovoan’ny vahoaka ka nanao taminy hoe: «Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao!»
28 «Fa vao mainka sambatra aza, hoy i Jesoa, izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy.»
I Jônasy famantarana
29 Ary nitangorona betsaka ny vahoaka, dia nilazany hoe: «Taranaka ratsy ity taranaka ity; mitady famantarana izy, nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasy mpaminany.
30 Fa tahaka ny naha-famantarana an’i Jônasy tamin’ny olona tany Niniva no haha-famantarana ny Zanak’olona koa amin’ity taranaka ity.
31 Hiara-mitsangana amin’ny olona amin’ity taranaka ity ny mpanjakavavy avy any atsimo amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria niala avy tany amin’ny fara vazantany izy hihaino ny fahendren’i Salômôna, nefa indro misy mihoatra noho i Salômôna eto.
32 Hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity ny olona tany Niniva amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria nibebaka tamin’ny toritenin’i Jônasy izy ireny, nefa indro misy mihoatra noho i Jônasy eto.»
Mbola fanoharana amin’ny jiro arehitra
33 «Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-katakonana na ao ambanin’ny vata famarana, fa eo amin’ny fanaovan-jiro izy no apetrany mba hahitan’izay miditra ny mazava.
34 Ny maso no jiron’ny tenanao, ka raha tsara ny masonao dia hazava ny tenanao rehetra; fa raha ratsy kosa izy, dia ho maizina koa ny tenanao.
35 Tandremo àry fandrao zary haizina ny fahazavana ao anatinao.
36 Fa raha ao amin’ny mazava tsy mifangaro haizina ny tenanao manontolo, dia hazava avokoa izy rehetra, mova tsy ny hazavain’ny jiro tsara firehitra ianao.»
Fanoherana ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna
37 Raha mbola niteny Izy, dia nisy Farisianina anankiray nanasa Azy hisakafo ao aminy, ka niditra Izy dia nipetraka nihinana.
38 Fa velona eritreritra ilay Farisianina nahita ity Izy tsy nisasa alohan’ny hihinana,
39 ka hoy ny Tompo taminy: Ianareo Farisianina kosa iky mandio ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia, kanefa ao anatinareo feno halatra sy faharatsiana.
40 Ry adala, moa izay manao ny vohony tsy nanao ny atiny koa?
41 Izao ihany e: manaova fiantrana araka izay anananareo, dia hadioho anareo ny zavatra rehetra.
42 Fa mila loza ianareo, ry Farisianina, satria ny fahafolon’ny solila sy ny rota ary ny anana rehetra aloanareo, ary ny rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra tsy asianareo raharaha akory; nefa tsy maintsy atao izany, ary tsy azo ajanona koa ny sisa.
43 Mila loza ianareo, ry Farisianina, fa tia ny toerana voalohany ao amin’ny sinagoga sy ny arahaba eny an-kianja ianareo.
44 Mila loza ianareo, fa toy ny fasana tsy hita ianareo, ka hitsahin’ny olona fa tsy fantany.
45 Dia niteny ny mpampiana-dalàna anankiray ka nanao taminy hoe: «Ry Mpampianatra ô, raha izany no ataonao, dia manala baraka anay koa Ianao.»
46 Fa hoy i Jesoa: «Mila loza ianareo, ry mpampianatra ny Lalàna, fa mampitondra ny tsy zaka ny olona ianareo, nefa na dia ny rantsan-tananareo iray aza tsy akasikareo an’izany akory.
47 Mila loza ianareo, fa manao fasana ho an’ny mpaminany ianareo, kanefa ny razanareo ihany no namono azy!
48 Koa mitsangan-ko vavolombelona sy mpankasitraka ny nataon’ny razanareo ianareo, fa izy moa namono ny mpaminany, ianareo kosa manao fasana ho azy.
49 Izany no nanaovan’ny Fahendren’Andriamanitra hoe: Haniraka mpaminany sy apôstôly ho any aminy Aho, ka ny sasany hovonoiny ary ny sasany hoenjehiny,
50 mba hampamoahina an’ity taranaka ity avokoa ny ran’ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin’ny nahariana an’izao tontolo izao,
51 dia hatramin’ny ran’i Abela ka hatramin’ny ran’i Zakaria izay novonoina tanelanelan’ny ôtely sy ny Tempoly. Eny, lazaiko aminareo fa hampamoahina an’izany tokoa ity taranaka ity.
52 Mila loza ianareo, ry mpampianatra ny Lalàna, fa nalainareo ny fanalahidin’ny fahalalana, ka ianareo tsy niditra, ny te hiditra nosakananareo.»
53 Raha mbola niteny izany Izy, dia nododonan’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna, ary nozezehany fanontaniana maro,
54 mba hamandrihany Azy sy hahazoany vava latsaka hiampangana Azy.