Categories
Lioka

Lioka 21

Ny rakitr’ilay mpitondra tena

1 Ary nanopy ny masony i Jesoa ka nahita ny mpanan-karena nanatitra vola tao amin’ny fandatsahan-drakitra.

2 Dia nahita mpitondratena mahantra anankiray nanatitra farantsa kely varahina roa tao koa Izy,

3 ka nanao hoe: «Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka bebe kokoa noho izy rehetra;

4 satria ireo rehetra ireo dia nanatitra ny ambim-bavany ho an’Andriamanitra, fa io kosa, dia tamin’ny fahantrany indrindra izy no nanatitra ny fivelomana rehetra nananany.»

Filazana mialoha

5 Ary nisy nilaza ny Tempoly ho voaravaka vato tsara sy fanatitra sarobidy, fa hoy i Jesoa:

6 «Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo, ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana.»

7 Dia nanontany Azy izy ireo nanao hoe: «Ry Mpampianatra, rahoviana no ho tonga izany, ary inona no famantarana hahalalana fa efa akaiky izany?»

Ireo famantarana mialoha

8 Ka hoy i Jesoa hoe: «Tandremo sao voafitaka ianareo, fa maro no ho avy hisandoka ny Anarako hanao hoe: Izaho no izy, ary efa akaiky ny andro, ka aza manaraka azy.

9 Ary raha mandre ady sy fikomiana ianareo, aza taitra: fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy mbola ho tonga miaraka amin’izay akory ny farany.»

10 Dia hoy koa Izy tamin’izy ireo: Hisy firenena hitsangana hiady amin’ny firenena, sy fanjakana hiady amin’ny fanjakana;

11 hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana ary mosary amin’ny tany samihafa; eny an-danitra koa, dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe.

12 Fa alohan’izany rehetra izany ianareo dia hosamborina, hoenjehina, hoentina any amin’ny sinagoga sy an-tranomaizina, ary hatolotra amin’ny mpanjaka sy ny mpifehy noho ny Anarako.

13 Izany no ho tonga aminareo, dia mba ho vavolombeloko ianareo.

14 Koa alatsaho ao am-ponareo ny mba tsy hihevitra mialoha izay havalinareo akory;

15 fa Izaho ihany no hanome vava anareo, sy fahendrena tsy ho azon’ny fahavalonareo toherina na lavina velively.

16 Na ny ray aman-dreny sy ny rahalahinareo aza, mbamin’ny havana aman-tsakaizanareo dia hanolotra anareo koa, ka hovonoiny ny maro aminareo,

17 ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako;

18 nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza.

19 Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo.

I Jerosalema ho voahodidina

20 «Ary rehefa hitanareo voahodidin’ny miaramilai Jerosalema, dia fantaro amin’izany fa efa antomotra ny fandravana azy,

21 ka amin’izany, izay any Jodea aoka handositra any an-tendrombohitra, izay ao an-tanàna aoka hivoaka any ivelany, ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony,

22 satria izany andro izany no ho andro famaizana sy hahatanterahan’izay rehetra voasoratra.

23 Loza no hanjò ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany, fa ho lehibe tokoa ny fahoriana eto an-tany ary ho mafy ny hatezeran’Andriamanitra amin’ity firenena ity:

24 haringana amin’ny lela sabatra izy, sy ho lasan-ko babo any amin’ny firenena rehetra, ary hohitsakitsahin’ny Jentily i Jerosalema mandra-pahafenon’ny andron’ny Jentily.»

Antambo handrava sy ny hahatongavan’ny Zanak’olona

25 «Hisy famantarana koa eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany;

26 ho ankona foana ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay loza hanjò an’izao tontolo izao, fa hihozongozona ny herin’ny lanitra.

27 Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy any ambonin’ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe.

28 Raha vao miantomboka izany zavatra izany, dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo.»

Ny fotoana hiavian’ny Zanak’olona

29 Ary Izy nanao fanoharana taminy hoe: «Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra:

30 raha vao hitanareo fa manaroka izy, dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra.

31 Toy izany koa raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.

32 Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity ambara-pahatongan’izany rehetra izany.

33 Ho levona ny lanitra sy ny tany fa ny teniko tsy mba ho levona.»

Miambena mba tsy hotampohina

34 «Tandremo àry fandrao vesaran’ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo, ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e!

35 Fa ho sahala amin’ny fandrika hahavoa ny olona rehetra mitoetra eto ambonin’ny tany izany.

36 Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo, ka hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’olona.»

Ireo andro faramparany niainan’i Jesoa

37 Tamin’ny antoandro no nampianatra tao an-Tempoly i Jesoa, fa nony avy ao dia lasa nivoaka nandritra ny alina tany amin’ny tendrombohitra Oliva.

38 Ary vao maraina koa dia nanatona azy tao an-Tempoly ny vahoaka rehetra mba hihaino Azy.

Categories
Lioka

Lioka 22

Tetika hamelezana an’i Jesoa ary famadihan’i Jodasy

1 Efa mby akaiky ny fetin’ny Azima atao hoe Paka,

2 ary ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia nikaroka izay hevitra hamonoana an’i Jesoa, fa natahotra ny vahoaka izy ireo.

3 Nidiran’i Satana kosa i Jodasy, ilay atao hoe IsKariota, anisan’ny roa ambin’ny folo lahy,

4 ka lasa izy nankany amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny manam-pahefana niraharaha ny amin’izay hanolorany Azy amin’izy ireo.

5 Dia faly izy ireo ka nanaiky hanome vola azy.

6 Ary nanaiky izy ka nikendry izay fotoana tsy hisy olona, hanolorany Azy.

Fanomanana ny sakafo Paka

7 Dia tonga ny andron’ny Azima izay tsy maintsy hamonoana ny zanak’ondrin’ny Paka,

8 ka naniraka an’i Piera sy i Joany i Jesoa nanao hoe: «Mandehana manamboatra ny Paka hohanintsika.»

9 «Aiza no tianao hanamboaranay azy?» hoy ireo.

10 Dia hoy Izy taminy: «Indro, rehefa miditra ao an-tanàna ianareo, dia hifanena amin’ny lehilahy anankiray mitondra siny feno rano, ka manaraha azy any amin’izay trano hidirany,

11 dia lazao amin’ny tompon-trano hoe: ‹Izao no asain’ny Mpampianatra lazaina aminao: Aiza ny efitrano hihinanako ny Paka miaraka amin’ny mpianatro?›

12 Dia hotoroany efitrano malalaka àry fanaka ianareo, ka ao no amboary izay ilaina.»

13 Dia nandeha izy ireo ka nahita araka izay nolazainy taminy, ary nanamboatra ny Paka.

Ny sakafo Paka

14 Nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy sy ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy.

15 Ary hoy Izy tamin’izy ireo: «Naniry dia naniry hiara-mihinana ity Paka ity aminareo Aho alohan’ny hijaliako,

16 fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana azy intsony aho mandra-pahatanteranyany amin’ny fanjakan’Andriamanitra.»

17 Dia nandray kalisyIzy ka nisaotra, ary nanao hoe: «Raiso ity, ka zarao aminareo;

18 fa lazaiko aminareo fa hatramin’izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan’ny fanjakan’Andriamanitra.»

Ny namoronana ny Eokaristia

19 Raha efa izany, dia nandray mofo Izy, ka nony efa nisaotra dia namaky azy, sy nanome azy ireo nanao hoe: «Vatako ity izay atolotra ho anareo; manaova izany ho fahatsiarovana Ahy.»

20 Dia nataony toy izany koa ny kalisy rehefa avy nihinana, ka hoy izy: «Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny Rako, izay alatsaka ho anareo.»

Fanambaràna ny hamadihan’i Jodasy

21 «Kanefa indro ny tanan’izay mamadika Ahyefa mby eto amiko ambony latabatra.

22 Raha ny Zanak’olona, dia mandeha araka ny lahatra; fa loza no hanjò an’izay lehilahy hamadika Azy.»

23 Dia nifanontany ny mpianatra hoe iza re no dia hahavita izany amin’izy ireo.

Iza no lehibe indrindra

24 Ary velona koa ny ady hevitra tamin’izy ireo, momba ny hahalalany izay lehibe indrindra amin’izy ireo,

25 ka hoy i Jesoa taminy: Amin’ny Jentily ny mpanjaka no mizaka azy rehetra, ary izay mandidy azy no atao hoe mpanao soa;

26 fa aminareo kosa tsy mba toy izany, fa aoka izay lehibe aminareo no ho toy ny zandry, ary izay mandidy no ho toy ny mpanompo.

27 Fa iza moa no lehibebe kokoa, ny mihinana amin’ny latabatra va sa ny manompo? Moa tsy ny mihinana amin’ny latabatra va? Ary Izaho anefa eto aminareo dia toy ny mpanompo.

Valisoa nampanantenaina ny Apôstôly

28 Ianareo moa, naharitra nanaraka Ahy tamin’izay nanjò Ahy,

29 Izaho kosa hanamboatra fanjakana ho anareo, tahaka ny nanamboaran’ny Raiko fanjakana ho Ahy,

30 mba hihinananareo sy hisotroanareo eo amin’ny latabatro any amin’ny fanjakako, ary hipetrahanareo amin’ny seza fiandrianana hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’i Israely.

Fanambaràna ny hiverenan’i Piera sy ny handavany

31 Ary hoy ny Tompo: «Ry Simôna, ry Simôna, indro i Satana nitady hikororòka anareo tahaka ny vary,

32 fa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho lavo ny finoanao, ary rehefa mibebaka ianao dia hamafiso ny rahalahinao.»

33 Ary hoy i Piera taminy: «Vonon-kanaraka Anao aho, Tompoko, na ho ao an-tranomaizina, na ho any amin’ny fahafatesana aza.»

34 Fa hoy i Jesoa: «Lazaiko aminao, ry Piera, fa mbola tsy haneno ny akoho anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao.»

Ny fotoanan’ny ady hahatapaka ny zavatra rehetra

35 Ary hoy koa Izy tamin’ny mpianany: «Raha naniraka anareo tsy nitondra kitapom-bola na kitapom-batsy na kiraro Aho, moa orin-javatra va ianareo?»

36 «Tsy orin’inon’inona izahay» hoy izy ireo. Dia hoy Izy taminy: «Fa amin’izao kosaizay manan-kitapom-bola aoka hitondra azy; toy izany koa izay manan-kitapom-batsy, ary izay tsy manan-tsabatra aoka hivarotra ny akanjony ka hividy iray;

37 fa lazaiko aminareo fa ity teny voasoratra ity koa tsy maintsy ho tanteraka amiko, dia ilay hoe:Natao lasitra iray amin’ny ratsy fanahy Izy;fa efa ho tapitra daholo ny amiko.»

38 Dia hoy izy ireo: «Tompoko, indreto misy sabatra roa» Dia hoy i Jesoa taminy: «Ampy izay.»

Tao an-tendrombohitr’ôliva

39 Dia nivoaka nankany an-tendrombohitra Oliva araka ny fanaony Izy, ka nanaraka Azy koa ny mpianany.

40 Nony tonga tany Izy dia nanao tamin’izy ireo hoe: «Mivavaha mba tsy ho azon’ny fakam-panahy ianareo.»

41 Dia nihataka tamin’izy ireo tokony ho tra-toraka Izy ka nandohalika, dia nivavaka,

42 nanao hoe: «Raiko ô! raha sitrakao, halaviro Ahy ity kapoaka ity; ny sitraponao anefa no aoka ho tanteraka, fa tsy ny Ahy.»

43 Tamin’izay dia nisy Anjely anankiray avy tany an-danitra niseho taminy sy nankahery Azy. Dia voan’ny fiadiana aina Izy, fa vao mainka nivavaka mafimafy kokoa.

44 Ary nanjary toy ny ra ny hatsembohany sady nipotrapotraka tamin’ny tany.

45 Nony nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankeo amin’ny mpianany ka nahita azy matory noho ny alahelo,

46 ary nilaza taminy hoe: «Nahoana no matory ianareo? Mifohaza, ka mivavaha mba tsy ho azon’ny fakam-panahy ianareo.»

Ny nisamborana an’i Jesoa

47 Raha mbola niteny Izy, dia indro nisy andian’olona maromaro nitranga, ka ilay atao hoe Jodasy, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy, no loha lalana, ary nanatona an’i Jesoa ilay io mba hanoroka Azy.

48 Ary hoy i Jesoa taminy: «Ry Jodasy, dia fanorohana lahy no amadihanao ny Zanak’olona?»

49 Nony hitan-dry zareo teo amin’i Jesoa izay hanjò, dia hoy izy taminy: «Tompoko, mba hamely amin’ny sabatra va izahay?»

50 Dia nasian’ny anankiray taminy tokoa ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona, ka afaka terỳ ny sofiny ankavanana.

51 Fa hoy i Jesoa: «Aoka izay» Dia nanendry ny sofin-dralehilahy Izy, ka nahasitrana azy.

52 Ary hoy i Jesoa tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpandraharaha amin’ny Tempoly ary ny loholona izay tonga teo handray Azy: «Mova tsy ny hisambotra jiolahy izato fiavinareo, mitondra sabatra sy langilangy!

53 Teo aminareo isan’andro tao an-Tempoly Aho, nefa tsy nikasi-tanana Ahy akory ianareo; fa izao tonga ny fotoanareo sy ny herin’ny maizina.»

Ny fandavan’i Piera

54 Dia nisambotra Azy izy ireo ka nitondra Azy tany an-tranon’ny lehiben’ny mpisorona. I Piera izany nanaraka teny lavidavitra eny ihany.

55 Ary nampirehitra afo teo afovoan’ny tokotany ny olona, dia nipetraka nanodidina, ka mba niara-nipetraka taminy teo koa i Piera.

56 Nisy ankizivavy anankiray kosa nahita azy nipetraka tao akaikin’ny afo, ka nijery azy, dia nanao hoe: «Ity koa niaraka taminy.»

57 Fa nandà i Piera nanao hoe: «Ravehivavy, tsy mahalala Azy akory aho.»

58 Nony afaka kelikely dia nisy lehilahy anankiray koa nahita azy ka nanao hoe: «Ianao koa lahy naman’irony olona irony.» Fa hoy i Piera: «Ry sakaiza, tsy namany akory aho.»

59 Ora iray taorian’izany, dia nisy hafa nilaza tamim-pitokiana hoe: «Tena marina raha tsy namany koa ralehilahy ity, satria Galileanina izy.»

60 Dia hoy i Piera: «Ry sakaiza, tsy fantatro izay lazainao.» Niaraka tamin’izay raha mbola niteny izy, dia naneno ny akoho.

61 Ary nitodika nijery an’i Piera ny Tompo, ka tsaroan’i Piera ilay tenin’ny Tompo nanao hoe: Alohan’ny maneno akoho anio, dia handà Ahy intelo ianao;

62 dia nivoaka tany ivelany izy ka nitomany fatratra.

Ireo faniratsirana voalohany

63 Dia nataon’ireo olona nitana Azy fihomehezana i Jesoa sady nokapohiny,

64 notampenany ny masony, notehafiny ny tavany, dia hoy izy taminy: «Vinanio hoe izay namely Anao?»

65 Ary maro ny teny ratsy hafa nanaratsiany Azy.

I Jesoa eo anatrehan’ny Sanedrìna

66 Nony vao maraina ny andro, dia nivory ny loholona sy ny lohandohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, ka nentiny tao amin’ny Sanedrìna i Jesoa, ary hoy izy taminy: «Raha Ianao no i Kristy, dia lazao aminay.»

67 Fa hoy Izy taminy: «Na hilaza aminareo aza Aho, tsy hinoanareo akory;

68 ary raha hanontany anareo aza Aho, tsy hovalianareo na halefanareo akory.

69 Fa hatramin’izao ny Zanak’olona diahipetraka eo ankavanan’ny herin’Andriamanitra.»

70 Dia hoy izy rehetra: «Zanak’Andriamanitra izany Ianao?» Ary hoy Izy taminy: «Voalazanareo, izy Aho.»

71 Ka hoy izy ireo: «Inona indray no ilàntsika vavolombelona? Tenantsika no nandre tamin’ny vavany.»

Categories
Lioka

Lioka 23

1 Tamin’izay dia nitsangana izy rehetra ka nitondra an’i Jesoa tany amin’i Pilaty,

I Jesoa eo anatrehan’i Pilaty

2 Ary ry zareo niampanga Azy toy izao: «Azonay nampiodina ny firenenay Ilay io, sy nandrara tsy handoa hetra ho an’i Sezara, ary nilaza ny Tenany ho Kristy mpanjaka.»

3 Dia nanontany Azy i Pilaty nanao hoe: «Moa mpanjakan’ny Jody va Ianao?» ka novaliany hoe: «Voalazanao.»

4 Ary hoy i Pilaty tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny vahoaka: «Tsy hitako izay mahameloka io Lehilahy io.»

5 Fa vao mainka nanao letrezana izy ireo nanao hoe: «Mampiodina ny vahoaka Izy, aeliny eran’i Jodea manontolo ny fampianarany, dia hatrany Galilea izay nanombohany ka hatraty.»

6 Nony nandre ny teny hoe Galilea i Pilaty, dia nanontany raha olona avy any Galilea Izy,

7 ka nony fantany fa hoe avy any amin’ny tany fehezin’i Herôda Izy, dia nampanateriny tany amin’i Herôda, izay tao Jerosalema koa tamin’izany andro izany.

I Jesoa eo anatrehan’i Herôda

8 Faly dia faly i Herôda nony nahita an’i Jesoa, fa ela no naniriany hahita Azy, noho ny fandrenesany Azy efa maresaka erỳ, sady nanantena izy fa hahita Azy hanao fahagagana.

9 Nanao fanontaniana maro taminy izy, fa tsy namaly na inona na inona kosa i Jesoa.

10 Eo izany ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna efa nikiribiby erỳ miampanga Azy.

11 Dia notebahin’i Herôda sy ny miaramilany Izy, ka nony efa nampiakanjoiny akanjo fotsysy nolalaoviny, dia naveriny tany amin’i Pilaty indray.

12 Tamin’izay andro izay dia tonga nisakaiza terỳ i Herôda sy i Pilaty, ilay efa nifandrafy teo iny.

I Jesoa averina eo anatrehan’i Pilaty

13 Nasain’i Pilaty novorina ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpifehy ary ny vahoaka,

14 dia nilazany hoe: «Nentinareo tatỳ io Lehilahy io, fa hoe mandrendri-bahoaka hikomy, ary efa nanadina Azy teo anatrehanareo aho, nefa tsy hitako velively izay helony amin’izay iampanganareo Azy.

15 Tahaka izany koa i Herôda, fa namerina Azy ho atỳ amintsika Izy; ary indro tsy misy na inona na inona tokony hanamelohana Azy ho faty.

16 Koa hofaiziko Izy, dia halefako.»

17 Fa tsy maintsy mandefa mpifatotra iray ho an’ny vahoaka rahateo izy amin’ny andro fety.

18 Kanjo indray niredona ny vahoaka niantso hoe: «Vonoy io, fa i Barabasy alefaso ho anay.»

19 I Barabasy anefa dia natao an-tranomaizina, satria sendra nisy fikomiana tao an-tanàna, ka namono olona izy.

20 Dia mbola niteny ihany i Pilaty, fa te handefa an’i Jesoa;

21 nefa niantso mafy ny vahoaka nanao hoe: «Fantsiho! fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy!»

22 Fa niteny tamin’izy ireo fanintelony indray i Pilaty nanao hoe: «Inona àry no ratsy nataony? Tsy hitako izay heloka tokony hahafaty Azy; ka hofaiziko Izy, dia halefako.»

23 Nefa nikiry izy ireo niantso mafy nangataka Azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana, ka nitombo nitombo ihany ny horakoraka.

24 Dia nasain’i Pilaty hatao izay nangatahiny;

25 ilay notadiaviny ho afaka sy natao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy vonoana olona moa nalefany, ary i Jesoa kosa natolony hanaovany izay sitrapony.

Eny an-dalana mankany amin’ny Kalvery

26 Ary raha nitondra Azy izy ireo, dia nisy lehilahy Sireneanina anankiray avy any an-tsaha atao hoe Simôna notanany, dia nampitondrainyny Hazofijaliana nanaraka an’i Jesoa.

27 Nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy sy vehivavy koa izay nandòn-tratra nitomany Azy.

28 Fa nitodika azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: «Ry zanaka vavin’i Jerosalema, aza mitomany Ahy foana, fa ny tenanareo sy ny zanakareo no itomanio,

29 fa indro ho avy ny androhanaovana hoe: ‹Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoana.›

30 Amin’izay ny olona vaohilaza amin’ny tendrombohitra hoe: ‹Mianjerà aminay› sy amin’ny havoana hoe: Saròny izahay;

31 fa raha toy izany no ataony amin’ny hazo lena, hatao ahoana amin’ny maina?»

32 Ary nisy olon-dratsy roa lahy koa nentin’ny miaramila, hiara-kovonoina amin’i Jesoa.

Famantsihana amin’ny Hazofijaliana

33 Nony tonga tany amin’ny fitoerana atao hoe Kalvery izy ireo, dia nofantsihany tamin’ny Hazofijaliana Izy, sy ireo mpangalatra ireo, ny iray moa teo ankavanany ary ny iray kosa teo ankaviany.

34 Dia hoy i Jesoa: «Raiko, avelao ny helony, fa tsy fantany izay ataony.» Ary nanaovan’izy ireo loka no fizara ny fitafiany.

I Jesoa eo amin’ny Hazofijaliana esoina sy tevatevaina

35 Ny vahoaka nijanona nijery teo, ary ny loholona avy no nandatsa Azy nanao hoe: «Namonjy ny sasany Izy ka aoka hamonjy ny Tenany, raha Izy no Kristin’Andriamanitra, Ilay voafidy.»

36 Ny miaramila koa naneso Azy ka nanatona nanolotra vinaingitra Azy,

37 ary nanao hoe: «Raha Ianao no Mpanjakan’ny Jody, vonjeo ny Tenanao.»

38 Teo ambonin’ny lohany koa dia nisy soratra tamin’ny teny grika sy latinina ary hebrio nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN’NY JODY.

Ilay jiolahy nivalo

39 Ary ny anankiray tamin’ireo mpangalatra izay nihantona teo dia nanevateva Azy nanao hoe: «Raha Ianao no Kristy, vonjeo ny Tenanao sy izahay.»

40 Fa nanarin’ilay anankiray izy, nataony hoe: «Ialahy koa ve tsy matahotra an’Andriamanitra, saingy hoe samy voaheloka ho faty izao?

41 Ny antsika dia rariny izao, satria mandray ny valin’ny ratsy nataontsika isika; fa ny Azy kosa tsy mba nanao ratsy na inona na inona Izy.»

42 Dia hoy izy tamin’i Jesoa: «Tompoko, tsarovy aho rehefa mby any amin’ny fanjakanao Ianao.»

43 Ka hoy ny navalin’i Jesoa azy: «Lazaiko marina aminao fa anio dia hihaona amiko any am-paradisa ianao.»

Ny nahafatesan’i Jesoa

44 Ary rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina, dia rakotra haizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin’ny ora fahasivy izany,

45 fa nihamaizina ny masoandro; ary rovitra nisasaka roa ny efitra lamba tao amin’ny Tempoly.

46 Ary niantso tamin’ny feo mahery i Jesoa nanao hoe: «Raiko!apetrako ao an-tananao ny fanahiko.»Nony voalazany izany, dia niala aina Izy.

Taorian’ny nahafatesan’i Jesoa

47 Rehefa nahita ny zava-niseho teo ny kapiteny, dia nankalaza an’Andriamanitra ka nanao hoe: «Tena olo-marina tokoa io Lehilahy io.»

48 Ny vahoaka rehetra vory teo mba hijery koa, nony nandinika ny zava-niseho, dia lasa niverina nandondòna ny tratrany.

49 Fa ny olom-pantatr’i Jesoa rehetra kosa dia nijoro teny lavidavitra omban’ireo vehivavy nanaraka Azy avy tany Galilea, ka samy nijery izany.

Ny nandevenana an’i Jesoa

50 Ary nisy lehilahy tsara fanahy sady marina anankiray atao hoe Josefa izay anisan’ny Sanedrìna;

51 tsy mba nisy neken’izy io na ny hevi-dratsin’ny sasany na ny nataon’izy ireo; avy any Arimatia tanànan’i Jodea izy, ary mba nanantena ny fanjakan’Andriamanitra koa.

52 Nanatona an’i Pilaty izy, ka nangataka ny vatan’i Jesoa.

53 Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny lamba, ary naleviny tao anatin’ny fasana anankiray nolavahana tamin’ny vato, sy tsy mbola nandevenana olona.

54 Andro fiomananatamin’izay andro izay, sady efa hiantomboka ny sabata.

55 Ary ny vehivavy nanaraka an’i Jesoa avy tany Galilea dia niaraka tamin’i Josefa koa, ka nijery ny tao am-pasana sy izay fomba hametrahana ny vatan’i Jesoa.

56 Rehefa niverina avy any izy ireo, dia namboatra zava-manitrasy menaka manitra; fa nony sabata ny andro vao nitsahatra araka ny Lalàna izy.

Categories
Lioka

Lioka 24

Ny fasana foana sy ny hafatry ny Anjely

1 Nony marainakoan’ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia nankany amin’ny fasana izy ireo nitondra ny zava-manitra efa namboariny,

2 ary hitany fa efa voakodia lavidavitry ny fasana ny vato,

3 ka niditra izy ireo, fa tsy nahita ny fatin’i Jesoa Tompo.

4 Mbola very hevitra noho izany eo izy ireo, dia indro nisy olona roa lahyniseho teo akaikiny, nitafy fitafiana mamirapiratra.

5 Dia natahotra izy ireo ka niondrika, fa nilazan’iretsy hoe: «Nahoana no atỳ amin’ny maty no itadiavanareo izay velona?

6 Tsy eto Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny nolazainy taminareo fony Izy mbola tany Galilea, hoe:

7 ‹Tsy maintsy atolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona sy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana, ary hitsangana amin’ny andro fahatelo.› »

8 Izay vao tsaroany ny tenin’i Jesoa.

Tsy nino ny filazan’ireo vehivavy ny Apôstôly

9 Ka tafaverina avy tany amin’ny fasana izy ireo dia nilaza izany rehetra izany tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany rehetra.

10 dia i Maria Madelenina sy i Joana ary i Maria renin’i Jakôba izany, ary ny vehivavy hafa niaraka taminy koa dia samy nilaza izany tamin’ny Apôstôly.

11 Fa nataony ho arirarira foana ny tenin’izy ireo ka tsy ninoany.

I Piera teo amin’ny fasana

12 I Piera kosa anefa dia nitsangana nihazakazaka nankany amin’ny fasana, ary niondrika izy, fa ny lambam-paty ihany no hany hitany tao ka lasa nody, gaga foana noho ny zava-niseho tao.

Ireo mpianatra tany Emaosy

13 Androtr’izay ihany dia nisy mpianatra roa lahy nankany amin’ny vohitra anankiray atao hoe Emaosy, tokony ho enimpolo stadyraha avy eo Jerosalema.

14 Niresaka izany zava-niseho rehetra izany izy ireo.

15 Ary raha mbola niresaka sy nifampilaza izay heviny teny izy, dia nanatona azy i Jesoa ka niara-dalana taminy;

16 fa voasakana tsy hahafantatra Azy ny mason’izy ireo.

17 «Inona izato resahinareo etỳ an-dalana, hoy Izy taminy, no toa dia efa malahelo erỳ ianareo izany?»

18 Dia namaly ny anankiray atao hoe Kleôfasy ka nanao taminy hoe: «Ianao irery angaha no vahiny ao Jerosalema tsy mahalala izay zava-niseho tao tato ho ato?»

19 Fa hoy Izy tamin’ireo: «Zavatra inona moa izany?» Dia hoy ireo: «Ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay Mpaminany mahery tamin’ny asany sy ny teniny teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,

20 dia ny amin’ny nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny lehibentsika Azy ho faty, mbamin’ny namantsihana Azy tamin’ny Hazofijaliana.

21 Nanantena izahay fa hoe Izy no Ilay hanavotra an’i Israely: kanjo indro fa androany izao no andro fahatelo hatramin’ny nisehoan’izany.

22 Nisy ihany tokoa vehivavy sasany namanay nahasanganehana anay fatratra, fa tany amin’ny fasana maraina koa izy ireo,

23 ary niverina nilaza fa tsy nahita ny fatiny, nefa nahita Anjely niseho taminy, nanambara fa velona Izy.

24 Dia nankany amin’ny fasana ny sasany taminay ka nahita araka izay nolazain’ny vehivavy, nefa tsy nahita Azy.»

25 Ary hoy Izy tamin’izy ireo: «Ry adala, sy votsa saina amin’ny finoana izay rehetra voalazan’ny mpaminany!

26 Moa tsy tokony ho niaritra izany va i Kristy mba hidirany amin’ny voninahiny?»

27 Dia novoasany tamin’izy ireo ny tenin’i Môizy sy ny mpaminany rehetra manambara Azy ao amin’ny Soratra Masina.

28 Nony mby teo akaikin’ny vohitra halehan’izy roa lahy izy ireo, dia nanao hoatra ny mbola handeha lavidavitra ihany i Jesoa,

29 fa notanan’izy ireo nataony hoe: «Mitoera re atỳ aminay, fa efa hariva izao, efa mandrorona ny andro.» Dia niditra niara-nijanona tamin’izy ireo Izy.

30 Ary rehefa niara-nihinana izy ireo, dia nandray ny mofo Izy ka notsofiny rano sy novakiny, dia natolony azy ireo.

31 Izay vao nisokatra ny mason’izy ireo ka nahalala Azy, fa Izy kosa tonga tsy hitany intsony.

32 Dia nifampilaza izy hoe: «Akory izany firehidrehitry ny fontsika tao anatintsika fony Izy niresaka tamintsika teny an-dalana, sy nivaofy ny Soratra Masina tamintsika!»

33 Niaraka tamin’izay, dia nitsangana izy ireo ka niverina tany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany tafavory

34 sady nilaza hoe: «Efa nitsangana tokoa ny Tompo, ary efa niseho tamin’i Simôna Izy.»

35 Dia mba notantarain’izy ireo kosa ny zavatra niseho taminy teny an-dalana sy ny nahafantarany Azy tamin’ny famakiana ny mofo.

I Jesoa niseho tamin’ny Apôstôly miaraka

36 Mbola niresaka toy izany eo izy ireo, dia niseho teo afovoany i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Ho aminareo anie ny fiadanana! Aza matahotra, fa Izaho ihany.»

37 Taitra sady natahotra izy ireo, fa nataony ho matoatoa no hitany.

38 Ka hoy Izy taminy: «Nahoana no mitebiteby ianareo, ary nahoana no miahanàhana ao am-ponareo?

39 Zahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho mihitsy ity: tsapao ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba mana-nofo aman-taolana tahaka izao ahitanareo Ahy izao.»

40 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tanany, sy ny tongony.

41 Ary ilay mbola tsy nino ihany iny izy ireo noho ny hafaliany sady mbola talanjona, dia hoy i Jesoa taminy: «Moa manan-kanina eto va ianareo?»

42 Dia notoloran’izy ireo tapa-kazandrano voatono sy tantely Izy.

43 ka noraisiny dia nohaniny teo imason’izy rehetra, ary ny sisa nomeny azy ireo.

Hafatra farany tamin’ny Apôstôly

44 Dia hoy Izy tamin’izy ireo: «Izao no voalazako taminareo fony mbola teo aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra voasoratra momba Ahy ao amin’ny Lalàn’i Môizy sy ny mpaminany ary ny Salamo.»

45 Dia nosokafany ny sain’izy ireo hahafantatra ny Soratra Masina,

46 ka hoy Izy taminy: Araka ny voasoratra dia tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona avy any amin’ny maty amin’ny andro fahatelo,

47 ary tsy maintsy torina amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany.

48 Ianareo no vavolombelon’izany.

49 Ary Izaho kosa haniraka aminareo Ilay nampanantenain’ny Raiko; fa mitoera ao an-tanàna ianareo mandra-pandrainareo ny hery avy any ambony.

Ny niakaran’i Jesoa any an-danitra

50 Dia nentiny nivoaka ny tanàna hatrany Betania izy ireo, ary nanandratra ny tanany Izy ka nitso-drano azy.

51 Raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy, ka nakarina ho any an-danitra.

52 Iretsy kosa rehefa avy nitsaoka Azy, dia niverina tany Jerosalema tamin-kafaliana lehibe,

53 ary tao anatin’ny Tempoly mandrakariva izy ireo nidera sy nisaotra an’Andriamanitra. Amen.