Categories
Malakia

Malakia 1

1 Teny fitsarana. Tenin’i Iaveh ho an’i Israelyamin’ny alalan’i Malakia.

Fitiavan’i Iaveh an’i Israely

2 «Efa tia anao Aho, hoy i Iaveh; ary hoy ianareo: ‹Inona no nitiavanao anay? – Tsy rahalahin’i Jakôba va i Esao?› – teny marin’i Iaveh; – nefa i Jakôba no tiako; fa i Esao hàlako;

3 ka ny tendrombohiny nataoko lao; ary ny lovany natolotro ny amboadia any an’efitra.

4 Raha lazain’i Edôma ataony hoe: ‹Noravana izahay, nefa hanangana ny rava indray,› – dia izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: ‹Izy ireo hanorina; Izaho kosa handrava›; ka izao no ho filazan’ny olona azy: ‹Tanim-paharatsiana io, firenena tezeran’i Iaveh mandrakizay.›

5 Hahita maso izany ianareo, ka hifampilaza hoe: Hankalazaina anie i Iaveh eo amin’ny tanin’i Israely!»

Fikizakizahana an’ireo mpisorona

6 Ny zanaka manaja ny rainy, ny mpanompo manaja ny tompony. Koa raha Ray Aho, aiza izay hajako? Ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy i Iavehn’ny tafika aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny Anarako. Hoy ianareo:

7 Tamin’ny inona no nanamavoanay ny Anaranao? – Amin’ny fitondranareo mofo voalotoeo amin’ny ôteliko. Ary hoy ianareo: Tamin’ny inona no nandotoanay Anao? – Amin’ny fanaovanareo hoe: Zavatra tsy manjary ny latabatr’i Iaveh.

8 Raha biby jamba no aterinareo hatao sorona, tsy ratsy va izany? Ary raha ny mandringa sy marary no entinareo, tsy ratsy va izany? Mandehana ange manatitra izany amin’ny governoranao e! Hahazo sitraka aminy va ianao; hahita fitia aminy ianao? hoy i Iavehn’ny tafika.

9 Ary ankehitriny mifonà amin’Andriamanitra hamindra fo aminareo! Ny tananareo no nahatongavan’izany; moa ho voataonanareo hitsimbina va izy? hoy i Iavehn’ny tafika.

10 Aoka ny iray aminareo, handrindrina ny varavarana ahay, mba tsy handrehetanareo afo foana eo ambonin’ny ôteliko! Tsy mankasitraka anareo velively Aho, hoy i Iavehn’ny tafika; ary ny fanatitra avy amin’ny tananareo tsy misy ankasitrahiko.

11 Fa hatramin’ny fiposahan’ny masoandro, ka hatramin’ny filentehany dia lehibe ny Anarako, any amin’ny firenena; ary manolotra emboka manitra amam-panatitra madioamin’ny Anarako ny olona, amin’ny fitoerana rehetra satria lehibe ny Anarako, any amin’ny firenena, hoy i Iavehn’ny tafika.

12 Ianareo kosa anefa mandoto azy, amin’ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr’i Iaveh, ary ny vokatra avy aminy, dia hanina tsinontsinona.

13 Ka hoy ianareo: inty! Mahasorisorena be ihany! dia tsy asianareo raharaha akory Izy, hoy i Iavehn’ny tafika. Entinareo avokoa, na ny zava-nofetsena, na ny biby mandringa sy marary, dia izany no aterinareo ho fanolorana! Ka azoko ankasitrahina va izay avy amin’ny tananareo? hoy i Iaveh.

14 Aoka ho voaozona ny mpanambaka izay manana ondralahy eo amin’ny andian’ondriny, ka manao voady, nefa biby farofy no ataony sorona amin’ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy i Iavehn’ny tafika; ary mahatahotra ny Anarako, any amin’ny firenena.

Categories
Malakia

Malakia 2

1 Koa ankehitriny, ry mpisorona, didy mihatra aminareo izao.

2 Raha tsy henoinareo sy tsy rototra ianareo ny hanome voninahitra ny Anarako, hoy i Iavehn’ny tafika, dia handefa ozona hamely anareo Aho, ary hozoniko ny tso-drano ataonareo; – fa efa nozoniko sahady aza izany, satria tsy rototra ianareo! –

3 Indro hataoko tsy maniry ny voa afafy, afafiko amin’ny tavanareo ny tain-drorona, dia ny tain-drorohan’ny fetinareo, ka hailiky ny olona miaraka amin’izany ianareo.

4 Dia ho fantatrareo amin’izay, fa nandefa ity didy ity aminareo Aho, mba haharetan’ny fanekekoamin’i Levi, hoy i Iavehn’ny tafika.

5 Ny fanekeko tamin’i Levi, dia fiainana amam-piadanana, ary nomeko azy izany soa izany; ary fanekem-pahatahorana, ka dia natahotra Ahy, sy nangovitra teo anatrehan’ny Anarako izy.

6 Ny lalàn’ny fahamarinana no teo am-bavany; ny ratsy tsy hita teo amin’ny molony; niara-nandeha tamiko tamim-piadanana amam-pahitsiana izy; ary nampiala olona betsaka tamin’ny ratsy.

7 Fa ny molotry ny mpisorona no mpitahiry ny fahalalana, ary ny vavany no angatahana ny fampianarana, satria izy no Anjelin’i Iavehn’ny tafika.

8 Fa ianareo kosa nivily lalana, nanafintohina olona maro tamin’ny lalàna, ary namadika ny fanekena tamin’i Levì hoy i Iavehn’ny tafika.

9 Koa Izaho kosa, dia efa nahatonga anareo ho faniratsira sy tsinontsinona eo imason’ny vahoaka rehetra, satria tsy nitandrina ny lalako ianareo, sady mizaha tavan’olona amin’ny fampiharana ny lalàna.

Fanambadiana vehivavy hafa firenena sy fisaoram-bady

10 Tsy iray ray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray va no nahary antsika? Ka nahoana àry ity isika, no samy mivadika amin’ny rahalahintsika avy, ka mandoro ny fanekena tamin’ny razantsika?

11 I Jodà mpivadika, ary i Israely sy i Jerosalema nahavitana fahavetavetana; fa mandoto ny zava-boatokana ho an’i Iaveh, dia izay tian’i Iaveh, Jodà; nanambady ny zanaka vavin’ny andriamani-kafa izy.

12 Ny lehilahy manao izany, dia aoka hamongoran’i Iaveh eo amin’ny lain’i Jakôba, na izay miambina, na izay mamaly, mbamin’izay manatitra fanatitra ho an’i Iavehn’ny tafika.

13 Izao koa no zavatra faharoan’izany ataonareo: tondrahanareo ranomaso sy fitolokoana izany, ka tsy ahoan’i Iaveh intsony izay fanatitra, ary tsy raisiny intsony izay fanatitra mahafinaritra avy amin’ny tananareo.

14 Ary hoy ianareo: Nahoana izany? I Iaveh dia efa vavolombelonamanelanelana anao sy ny vadin’ny fahatanoranao izay nofitahinao, nefa Izy no namanao sy vady vita fanekena taminao.

15 Moa tsy iray no nataony misy nofo sy aina? Ary io iray io, inona no tadiaviny? – Nitady taranaka araka an’Andriamanitra izy. Ka mitandrema tsara ny fitondran-tenanareo, fa aza misy mamitaka ny vadin’ny fahatanorany.

16 Fa halako ny fisaoram-bady, hoy i Iaveh, Andriamanitr’i Israely, satria ny manao izany, dia ny manototra fahasahiana ny fitafiany, hoy i Iavehn’ny tafika. Koa mitandrema ny fitondran-tenanareo fa aza misy mamitaka.

Ny andron’i Iaveh

17 Efa nanasatra an’i Iaveh ianareo, tamin’ny teninareo. Ary hoy ianareo: Tamin’ny inona, no nanasaranay Azy? – Tamin’ny fanaovanareo hoe: Na zovy na zovy manao ratsy, dia tsara eo imason’i Iaveh, ary ireo olona ireo no ankasitrahiny! Na tamin’ny hoe: Aiza ny Andriamanitry ny fahamarinana?

Categories
Malakia

Malakia 3

1 Indro Aho haniraka ny hirako, ka izy no hamboatra ny lalana eo alohako; dia ho tonga tampoka ao an-tempoliny ny Tompo tadiavinareo, ilay Anjelin’ny fanekenairinareo. Indro avy izy, hoy i Iavehn’ny tafika.

2 Iza no hahatanty ny andro hiaviany, ary zovy no hahajoro raha miseho Izy? Fa ho tahaka ny afon’ny mpandrendrika Izy sy ho sahala amin’ny pôtasin’ny mpanery lopòtra.

3 Hipetraka mandrendrika sy manadio ny volafotsy Izy; hanadio ny taranak’i Levỳ Izy, ka hanadio azy toy ny volamena sy ny volafotsy, ka dia ho mpanompo izy ho an’i Iaveh hanolotra fanatitra ara-drariny Aminy;

4 ary hankasitrahin’i Iaveh toy ny tamin’ny andro taloha, toy ny tamin’ny taona fahiny, ny fanatitr’i Jodà sy i Jerosalema.

5 Hanatona anareo Aho ho amin’ny fitsarana; ary ho vavolombelona faingana hamely ny mpanao ody, ny mpaka vadin’olona, ny mpianian-tsy to, ny mpiharaka ny karaman’ny mpikarama, ny mpampahory ny kamboty sy ny mpitondratena, ny mandroaka ny vahiny ary ny tsy matahotra Ahy, hoy i Iavehn’ny tafika.

Ny fahafolon-karena ho an’ny Tempoly

6 Noho Izaho Iaveh tsy miova, no tsy nahafongotra anareo, ry taranak’i Jakôba.

7 Hatramin’ny andron’ny razanareo, no efa nihatahanareo tamin’ny fitsipiko sy efa tsy nitandremanareo azy. Miverena Amiko, dia hiverina aminareo Aho, hoy i Iavehn’ny tafika. – Fa hoy ianareo: Ny amin’inona no hiverenanay? –

8 Olombelona va no sahy hanambaka an’Andriamanitra, no hanambaka Ahy ianareo? – Ary hoy ianareo: Tamin’ny inona no nanambakanay Anao? – Tamin’ny fahafolon-karena sy ny anjara atokana.

9 Voan’ny ozona ianareo, ary Izaho ambakainareo, dia ianareo, ny firenena manontolo.

10 Ento ny fahafolon-karena rehetra, ho ao an-trano firaketana ary aoka mba hisy hanina ao an-tranoko. Dia zahao toetra amin’izay Aho, hoy i Iaveh’ny tafika, raha tsy mamoha ny varavaran-danitra ho anareo, sy tsy mampidina fanambinana mihoa-pampana ho anareo.

11 Noho ny aminareo, dia horoahiko ny biby madinika mpandany; ka tsy hanimba ny vokatry ny taninareo intsony, ary tsy hisy tsy hahavanom-boa ny voaloboka any an-tsahanareo, hoy i Iaveh’ny tafika.

12 Hataon’ny firenena rehetra hoe, sambatra, ianareo; satria ho tany mahafinaritra ianareo, hoy i Iaveh’ny tafika.

Fandresen’ny olo-marina amin’ny Andron’i Iaveh

13 Mafy loatra ny teninareo mamely Ahy, hoy i Iaveh. Ary hoy ianareo: Inona no resakay momba Anao? Izao no nolazainareo:

14 Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra; inona no soa azontsika tamin’ny fitandremana ny didiny sy tamin’ny fandehanana niory teo anatrehan’i Iavehn’ny tafika?

15 Fa ankehitriny indro ny tsy mivavaka no lazaintsika hoe: sambatra; fa ambinina izay manao ny ratsy; maka fanahy an’Andriamanitra izy, nefa afa-potsiny.

16 Tamin’izany, izay natahotra an’Andriamanitra, dia samy miresaka tamin’ny namany avy. Ary i Iaveh kosa nihaino, ka nahare Izy; ary nisy boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehany, ho an’ireo matahotra an’i Iaveh sy manaja ny Anarany.

17 Amin’ny andro efa omaniko, hoy i Iavehn’ny tafika, ho raki-tsoa manokana ho Ahy ireo, ary ho feno fitiavana azy Aho toy ny mahafeno fitiavana ny olona amin’ny zanany manompo azy.

18 Ka dia ho hitanareo indray, ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy, ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.

19 Fa indro avy ny andro, mivaivay toy ny memy. Ny mpiavonavona rehetra, sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho mololo, ary ny andro izay ho avy no handoro azy, hoy i Iavehn’ny tafika, ka tsy hasiany miangana na ny fakany na ny rantsany.

20 Fa ianareo kosa izay matahotra ny Anarako, dia hiposahan’ny masoandron’ny fahamarinana, ka ho ao amin’ny tanamasoandrony ny fanasitranana; ka hivoaka ianareo, sady hifalihavanja, toy ny zanak’omby ao am-bala.

21 Hohitsahinareo ny ratsy fanahy, fa ho toy ny lavenona eo ambany faladianareo ireny, amin’ny andro efa omaniko, hoy i Iavehn’ny tafika.

Fanampiny

22 Tsarovinareo ny lalàn’i Môizy, mpanompoko, izay nomeko didy amam-pitsipika, ho an’i Israely rehetra, tao Horeba.

23 Indro Aho haniraka an’i Elia, mpaminany ho aminareo, alohan’ny hahatongavan’ny andro i Iaveh, sady lehibe no matahotra.

24 Hampody ny fon-dray ho amin’ny zananyIzy, sy ny fon-janaka ho amin’ny rainy, fandrao avy Aho ka hataoko anatema ny tany.