Categories
Marka

Marka 1

Toritenin’i Joany Batista

1 Fiandohan’ny Evanjelin’i Jesoa Kristy,Zanak’Andriamanitra.

2 Araka izay voasoratra ao amin’i Izaia mpaminany hoe:Indro Aho maniraka ny Anjeliko eo alohanao, izay hamboatra ny làlanao;

3 injay misy feo miantso any an’efitra hoe: «Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany»,

4 dia niseho tany an’efitra i Joany Batista nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka.

5 Ary nandeha nanatona azy ny tany Jodea rehetra sy ny mponina rehetra tao Jerosalema, ka nataony batemy tamin’ny onin’i Jordany ireo, rehefa niaiky ny fahotany.

6 Volon-drameva no nitafian’i Joany, fehikibo hoditra no nanaovany, ary valala sy tantely remby no fihinany; ary izao no notorìny:

7 «Avy aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehikapany akory aho.

8 Izaho nanao batemy anareo tamin’ny rano, fa Izy kosa hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina.»

Nanaovana batemy an’i Jesoa

9 Ary tamin’izany andro izany, dia tonga avy any Nazareta tanànan’i Galilea i Jesoa, ka nataon’i Joany batemy tao Jordany.

10 Raha vao niala avy tao anaty rano Izy, dia nahita ny lanitra nisokatra, sy ny Fanahy Masina nidina tahaka ny voromahailala, nankeo amboniny;

11 ary nisy feo re avy tany an-danitra nanao hoe: «Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko.»

Fakam-panahy tany an’efitra

12 Dia nentin’ny Fanahy ho any an’efitra niaraka tamin’izay Izy,

13 ka nitoetra tany efapolo andro dia nalain’i Satana fanahy sy niara-nitoetra tamin’ny bibidia, ary ny Anjely nanompo Azy.

Misantatra ny toriteniny i Jesoa

14 Ary rehefa natao an-tranomaizina i Joany, dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra,

15 ka nanao hoe: «Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely.»

Ny niantsoana ireo mpianatra efatra voalohany

16 Nony nandalo teny amoron’ny ranomasin’i Galilea Izy, dia nahita an’i Simôna sy i Andre rahalahiny nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo.

17 Ary hoy i Jesoa taminy: «Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.»

18 Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy.

19 Nony nandeha kelikely Izy, dia nahita an’i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny, izay teo an-tsambo kely koa, nanamboatra ny haratony.

20 Dia niantso azy niaraka tamin’izay Izy, ka nilaozan’izy mirahalahy teo an-tsambo keliny i Zebede rainy sy ny mpikaramany, fa lasa nanaraka an’i Jesoa izy.

I Jesoa nampianatra tao Kafarnaoma sy nanasitrana olona azon’ny demony

21 Ary nankany Kafarnaoma izy ireo, ka ny sabata voalohany ihany dia niditra tao amin’ny sinagoga Izy sy nampianatra ny olona.

22 Dia gaga izy ireo tamin’ny fampianarany, satria nampianatra azy toy ny manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna.

23 Ary tao amin’ny sinagogany dia nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto, ary niantso mafy izy

24 nanao hoe: «Mifampaninona izahay sy ianao, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga hampahita lozaanay va Ianao? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra.»

25 Fa nandrahona azy i Jesoa nanao hoe: «Mangina, ary mivoaha amin’io lehilahy io.»

26 Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy, dia niantso tamin’ny feo mahery ka nivoaka taminy.

27 Gaga ny olona rehetra ka nifampilaza hoe: «Inona ity? Fampianarana vaovao inona re ity? fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy.»

28 Dia niely eran’i Galilea rehetra ny lazany.

Ny nanasitranana ny rafozam-bavin’i Simôna

29 Raha vao nivoaka avy tao amin’ny sinagoga izy ireo, dia nankany an-tranon’i Simôna sy i Andre Izy sy i Jakôba ary i Joany.

30 Ary ny rafozam-bavin’i Simôna nandry teo am-pandriana fa nanavy, ka noresahin’izy ireo taminy niaraka tamin’izay.

31 Dia nanatona nandray ny tanany i Jesoa sy nanarina azy, dia afaka ny tazony ka nandroso sakafo ho Azy izy.

Fanasitranana maro

32 Nony harivaefa maty masoandro, dia nentina teo aminy ny marary rehetra sy ny azon’ny demony,

33 ary ny tao an-tanàna rehetra nitangorona teo am-baravarana avokoa.

34 Dia nanasitrana olona maro nararin’ny aretina samihafa Izy, sady nandroaka demony maro, fa tsy navelany hiteny ny demony, satria nahalala Azy.

I Jesoa niala mangina tao Kafarnaoma ary nitety an’i Galilea

35 Nony ampitso nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany amin’ny tany mangingina, ka nivavaka tany.

36 Dia lasa nitady Azy i Simôna sy ny namany,

37 ka nony nahita Azy dia nilaza taminy hoe: «Tadiavin’ny olona rehetra Ianao.»

38 Fa izao no navaliny: «Andeha isika hankany amin’ny tanàna akaiky, mba hitoriako any koa; fa izany no nivoahako.»

39 Dia lasa Izy nitory tamin’ny sinagogan’ny olona sy eran’i Galilea rehetra, sady nandroaka ny demony.

Fanasitranana ilay boka

40 Ary nisy boka anankiray nanatona Azy nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe: «Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy.»

41 Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany, dia nanendry azy sy nanao taminy hoe: «Mety Aho, madiova ianao.»

42 Vantany vao niteny Izy, dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy.

43 Dia nampandeha azy niaraka tamin’izay i Jesoa sady namepetra azy mafy

44 nanao hoe: «Tandremo, aza milaza izany na amin’iza na amin’iza ianao, fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona, ary noho ny nanadiovana anao dia manatera ny fanatitra nodidian’i Môizy, mba ho vavolombelona amin’ny vahoaka.»

45 Kanjo nony lasa ralehilahy dia nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza, hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa, fa nitoetra teny ivelany tamin’ny tany mangigina Izy, ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny.

Categories
Marka

Marka 2

Fanasitranana an’ilay malemy

1 Andro vitsivitsy taorian’izany, dia niditra tao Kafarnaoma indray Izy.

2 Nony re fa hoe tao an-trano Izy, dia nivory betsaka dia betsaka ny olona, ka tsy nisy hitoerana intsony na dia hatrany anoloan’ny varavarana aza; dia nitory teny taminy Izy.

3 Tamin’izay dia nisy nanatona Azy nitondra lehilahy malemy anankiray, izay nolanjain’olona efa-dahy.

4 Tsy afa-nanatona Azy anefa izy ireo noho ny habetsahan’ny vahoaka, ka dia ny tafon-trano nitoerany no nanesorany; nony voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana nandrian’ilay malemy.

5 Ary i Jesoa, nony nahita ny finoan’ireo, dia nanao tamin’ilay malemy hoe: «Anaka, voavela ny helokao.»

6 Fa nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nanao anakampo hoe:

7 «Ahoana no itenenan’ilay ity toy izany? Miteny ratsy an’Andriamanitra lahy Izy. Iza no mahavela fahotana afa-tsy Andriamanitrairery ihany?»

8 Fantatr’i Jesoa tao amin’ny fanahiny niaraka tamin’izay fa nieritreritra izany tao anatiny izy ireo, ka hoy Izy taminy: «Nahoana ianareo no mihevitra toy izany ao am-ponareo?

9 Inona no moramora kokoa, ny manao amin’ity malemy ity hoe: ‹Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary mandehana?›

10 Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’olona manam-pahefana etỳ an-tany hanafaka ny fahotana, dia izao no lazaiko aminao, hoy Izy tamin’ilay malemy:

11 Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.»

12 Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy ka nibata ny fandriany, ary lasa nody teo imason’ny olona rehetra; hany ka talanjona izy rehetra sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: «Tsy mbola nahita tahaka izany izahay.»

Ny niantsoana an’i Levi

13 Ary nivoaka ho any amoron-dranomasina indray Izy ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra, dia nampianatra azy Izy.

14 Raha nandalo Izy, dia nahita an’i Levi zanak’i Alfe nipetraka tao amin’ny fandraisana hetra, ka nanao taminy hoe: «Andeha hanaraka Ahy.» Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.

Sakafo niaraka tamin’ny mpanota

15 Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranon-dralehilahy io i Jesoa, dia nisy Poblikanina sy mpanota maro niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany; fa maro ireo, ary nanaraka Azy.

16 Nony nahita Azy niara-nihinana tamin’ny Poblikanina sy ny mpanota ny mpanora-dalàna mbamin’ny Farisianina dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: «Nahoana ny Mpampianatrareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny Poblikanina sy ny mpanota?»

17 Raha nahare izany i Jesoa dia nanao taminy hoe: «Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.»

Ady hevitra momba ny fifadian-kanina

18 Ary fanaon’ny mpianatr’i Joany sy ny Farisianina ny mifady hanina, ka nisy nanatona nanao taminy hoe: «Nahoana ny mpianatr’i Joany sy ny an’ny Farisianina no mifady hanina, nefa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?»

19 Ary hoy i Jesoa taminy: «Moa mahazo mifady ny naman’ny mpampakatra raha mbola ao aminy ny mpampakatra? Raha mbola ao aminy koa ny mpampakatra, dia tsy mahazo mifady izy;

20 fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin’izany andro izany vao hifady izy.

21 Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao; fa raha izany dia handrovitra ny tonta ny vaovao ka hitatra ny triatra.

22 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao amin’ny siny hoditra tonta; fa raha izany dia ho rovitry ny divay ny siny hoditra, ka ho very foana ny divay mbamin’ny siny hoditra; fa raha divay vaovao dia aoka ho ao anaty siny hoditra vaovao koa.»

Ny salohim-bary notoazana

23 Indray sabata raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa, dia nioty salohim-bary teny am-pandehanana ny mpianany,

24 ka hoy ny Farisianina taminy: «Jereo ange e, nahoana izy ireo no manao ny tsy fanao amin’ny sabata?»

25 Fa hoy Izy taminy: «Moa tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha terin’ny hanoanana izy sy izay nanaraka azy?

26 Fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy tamin’ny andron’i Abiatara lehiben’ny mpisorona, ka nihinana ny mofo alahatra izay tsy misy mahazo mihinana afa-tsy ny mpisorona ihany, sady nomeny mbamin’ny mpanaraka azy koa.»

27 Dia hoy koa Izy taminy: «Ny sabata no natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona no ho an’ny sabata.

28 Koa ny Zanak’olona dia tompon’ny sabata aza.»

Categories
Marka

Marka 3

Ny nanasitranana ilay lehilahy maty tanana an’ila

1 Indray mandeha koa dia niditra tao amin’ny sinagoga i Jesoa, ary nisy lehilahy anankiray maty tanana an’ila tao.

2 Ary nizaha taratra Azy ny sasanyna hanasitrana an’io amin’ny sabata Izy na tsia, mba hiampangany Azy.

3 Dia hoy Izy tamin’ilay lehilahy maty tanana: «Mitsangana etsy afovoany.»

4 Ary hoy koa Izy tamin’ny olona: «Inona no mety hatao amin’ny sabata, ny soa sa ny ratsy, ny mamonjy aina sa ny mamono?» Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo.

5 Dia nijery azy rehetra tamin-katezerana Izy, sy nalahelo noho ny hajamban’ny fony, ary nilaza tamin-dralehilahy hoe: «Ahinjiro ny tananao» Dia nahinjiny, ka sitrana ny tanany.

6 Ary lasa nivoaka ny Farisianina, ka niaraka tamin’izay dia niara-nihevitra tamin’ny Herôdianina hanao izay hahavoazana Azy.

Ireo vahoaka nanaraka an’i Jesoa

7 Fa niala teo i Jesoa sy ny mpianany ka nankany amin’ny ranomasina, ary maro ny olona avy tany Galilea no nanaraka Azy.

8 Ary maro koa no tany Jodea sy Jerosalema, sy tany Idomea, sy tany an-dafin’i Jordany, ary tamin’ny tany manodidina an’i Tira sy Sidona no nankeo aminy nony nandre ny nataony.

9 Ary nilaza tamin’ny mpianany Izy mba hanomana sambo kely hiandry Azy eo noho ny habetsahan’ny vahoaka, fandrao dia poritin’ny olona Izy.

10 Fa nahasitrana olona betsaka Izy, ka nifanesika hanendry Azy izay rehetra nanana aretina.

11 Ary raha mahita Azy koa ny fanahy maloto, dia miankohoka eo anatrehany, ka miantso hoe:

12 «Ianao no Zanak’Andriamanitra»; fa rarany sy rahonany mafy izy ireo mba tsy hanao izay hahafantarana Azy.

Ny nanendrena ny 12 lahy

13 Ary niakatra tamin’ny tendrombohitra anankiray Izy, ka niantso izay tiany hantsoina hankeo aminy, dia nankeo aminy ireo.

14 Ary nanendry roa ambin’ny folo lahy Izy hiara-kitoetra aminy sy hirahiny hitory teny,

15 sady hanam-pahefana hanasitrana ny aretina sy handroaka ny demony.

16 Ary i Simôna nomeny fanampin’anarana hoe Piera;

17 ary i Jakôba, zanak’i Zebede sy i Joany rahalahin’i Jakôba izay nomeny fanampin’anarana koa hoe Boanerijesy, izany hoe zana-baratra;

18 ary i Andre, sy i Filipo, sy i Bartelemy, sy i Matio, sy i Tomà, sy i Jakôba zanak’i Alfe, sy i Tade, sy i Simôna Zelôty,

19 ary i Jodasy IsKariota ilay namadika Azy.

Fihetsik’ireo havan’i Jesoa

20 Niverina nankany an-trano Izy, dia nivory indray ny vahoaka, ka tsy afa-nihinana akory izy ireo.

21 Nony nandre izany ny havany dia nivoaka hihazona Azy, fa hoy izy ireo: «Efa very saina Izy.»

Fanendrikendrehan’ireo mpanora-dalàna

22 Ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema kosa nanao hoe: «Efa azon’i Belzeboba Izy, ary ny filohan’ny demony no androahany ny demony.»

23 Nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nanaovany fanoharana hoe: «Hataon’i Satana ahoana no fandroaka an’i Satana?

24 Raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany;

25 ary raha misy fianakaviana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fianakaviana izany;

26 koa raha mitsangan-kanohitra ny tenany àry i Satana, ka miady an-trano, dia tsy maharitra izy fa rava ny heriny.

27 Tsy misy olona afa-miditra ao an-tranon’ny mahery sy mandroba ny ao an-tranony, raha tsy afatony aloha ilay mahery, vao robainy ny ao an-tranony.

28 Lazaiko marina aminareo fa hahazo famelan-keloka ihany ny zanak’olombelona amin’ny fahotany rehetra, sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay itenenany ratsy an’Andriamanitra;

29 fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana, fa manam-pahotana mandrakizay.»

30 Satria hoy izy ireo hoe: «Manana Fanahy maloto Izy.»

Ireo tena havan’i Jesoa

31 Ary tonga ny reniny sy ny rahalahiny, nijanona teo alatrano, ka naniraka nampiantso Azy.

32 Fa nisy olona maro nipetraka nanodidina Azy, dia nilazana Izy natao hoe: «Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao mitady anao.»

33 Fa novaliany hoe: «Iza moa no reniko sy rahalahiko?»

34 Dia nijery izay nipetraka nanodidina Azy Izy ka nanao hoe: «Ireo no reniko sy rahalahiko;

35 fa na iza na iza manao ny sitrapon’Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko».

Categories
Marka

Marka 4

Fanoharana amin’ny mpamafy

1 Ary nampianatra teo amoron-dranomasina indray Izy, ka nisy vahoaka be nitangorona teo aminy, Izy moa niakatra nipetraka teo an-tsambo kely teo ambonin’ny ranomasina, ny vahoaka rehetra kosa teny amoron-dranomasina.

2 Ary nampianatra azy zavatra maro tamin’ny fanoharana Izy, ka nilaza tamin’ny fampianarany hoe:

3 «Mihainoa: Indro niainga hamafy ny mpamafy,

4 ka nony namafy izy, ny sasany latsaka teny amoron-dalana, dia tonga ny voromanidina ka nitsindroka azy.

5 Ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sy marivo nofo, ka nitsimoka vetivetysatria tsy nisy tany lalina;

6 fa nony niposaka ny masoandro, sady nasian’ny hainandro izy no tsy latsaka lalina ka maina.

7 Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, ary nitombo ny tsilo ka nangeja azy, dia tsy namoa izy.

8 Ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia naniry sy nitombo ary namoa, ka ny sasany avo telopolo heny, ny sasany avo enimpolo heny, ny sasany avo zato heny.»

9 Ary hoy Izy: «Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino.»

Nahoana no fanoharana no nitenenan’i Jesoa?

10 Nony efa nitokana Izy, dia nanontany Azy ny amin’ny fanoharana ireo momba Azy mbamin’ny roa ambin’ny folo lahy.

11 Ary hoy Izy taminy: «Ianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafinaamin’ny fanjakan’Andriamanitra, fa amin-dry zareo any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin’ny fanoharana,

12 mba hahita masoizy fa tsy hahalala, ary handre sofina fa tsy hahafantatra, fandrao mibebaka izy ka havela ny helony.»

Fivoasana ny fanoharana amin’ny mpamafy

13 Dia hoy Izy: «Tsy azonareo va izany fanoharana izany? Koa hataonareo ahoana àry no fahalala ny fanoharana rehetra?

14 Ny mpamafy dia mamafy ny teny.

15 Ireto eo amoron-dalana dia ny olona izay amafazana ny teny; fa raha vao nahare izy, dia tonga i Satana ka manesotra ny teny voafafy tao am-pony.

16 Toy izany koa, ireo mandray ny voa amin’ny tany be vato no izay vao mandre ny teny, dia mandray azy an-kafaliana;

17 nefa tsy miorina lalina ao anatiny izy, ka tsy maharitra ela; fa nony tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy.

18 Ireo mandray ny voa ao anatin’ny tsilo no izay mihaino ny teny;

19 fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fìtaky ny harena mbamin’ny fanirian-javatra hafa, dia miditra mamono ny teny, ka tonga tsy mamoa izy.

20 Ary ireo mandray ny voa amin’ny tany lonaka no izay sady mihaino ny teny no mandray azy ka mamoa, ny sasany avo telopolo heny, ny sasany enimpolo heny, ary ny sasany zato heny.»

Fanoharana amin’ny jiro

21 Ary hoy koa Izy taminy: «Moa entina hapetraka ao ambanin’ny vata famarana na ambanin’ny farafarava ny jiro? Moa tsy hapetraka amin’ny fanaovan-jiro va izy?

22 Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy haposaka.

23 Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.»

Fanoharana amin’ny famarana

24 Dia hoy indray Izy: «Diniho izay renareo. Araka izay famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo.

25 Fa izay manana dia homena, ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hoesorina aminy.»

Fanoharana amin’ny voa afafy maniry ho azy

26 Ary hoy koa Izy: «Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray mamafy voa amin’ny tany,

27 ka izy matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro, ary ny voa mitsimoka sy mitombo, nefa tsy fantany izay faniriny;

28 fa mahavokatra ho azy ny tany, ka tahony no voalohany, dia salohiny no manarakaraka, vao ventim-bary amin’ny salohiny no farany.

29 Ary rehefa vokatra dia jinjaina miaraka amin’izay, satria tonga ny taom-pijinjana.»

Fanoharana amin’ny voan-tsinapy

30 Ary hoy indray Izy: «Amin’inona no hampitahàntsika ny fanjakan’Andriamanitra, ary fanoharana inona no hanehoantsika azy?

31 Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay kely indrindra amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany raha vao afafy,

32 fa tonga lehibe indrindra amin’ny ànana rehetra kosa rehefa voafafy sy mitombo, ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voromanidina ialofana ny alokalony.»

Famaranana an’ireo fanoharana

33 Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy, araka izay takatry ny sain’izy ireo.

34 Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy, fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo.

Ny nampitoniana ny tafio-drivotra

35 Androtr’izay ihany, nony hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: «Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano.»

36 Dia nilaozan’izy ireo teo ny olona ka nentiny tamin’izaotao an-tsambo kely i Jesoa ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy.

37 Ary nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely, ka efa nihafeno rano izy.

38 Fa i Jesoa kosa natory teo ambody sambo kely tambonin’ny ondana, ka nofohazin’izy ireo Izy nilazany hoe: «Ry Mpampianatra ô! tsy mampaninona Anao va raha maty izahay?».

39 Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra, ary nilaza tamin’ny ranomasina hoe: «Mangina, mitonia.» Dia nitsahatra ny rivotra, ary nitony dia nitony ny andro.

40 Ary hoy Izy tamin’izy ireo: «Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?» Ary natahotra dia natahotra izy ireo ka nifampilaza hoe: «Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky Azy?».

Categories
Marka

Marka 5

Ilay azon’ny demony tao Gerasena

1 Nony tafita ny ranomasina izy ireo dia tonga tao amin’ny tanin’ny Gerasena;

2 ka vao niala tao an-tsambo kely Izy, dia inty nisy lehilahy anankirayazon’ny fanahy maloto avy tany am-pasana nanatona Azy.

3 Tany am-pasana izy io no nitoetra, ary tsy nisy olona nahatana azy am-patorana intsony na dia tamin’ny gadra aza,

4 fa matetika no nafatotra tamin’ny gadra sy tamin’ny rojo vy ny tongony aman-tanany, nefa nopotehiny ny rojo vy ary notapahiny ny gadrany, ka tsy nisy olona nahafolaka azy.

5 Ary mandrakariva dia any am-pasana sy any an-tendrombohitra any foana izy no mirenireny na andro na alina, sady minananàna no mandrà-tena amin’ny vato.

6 Fa nony nahatazan-davitra an’i Jesoa izy dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany,

7 ary niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Moa mifaninona izaho sy Ianao, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra Avo indrindra? Mifona aminao amin’ny Anaran’Andriamanitra re aho, aza dia mampijaly ahy,»

8 satria i Jesoa efa nanao taminy hoe: «Mivoaha amin’ity lehilahy ity, ry fanahy maloto.»

9 Ary nanontany azy Izy nanao hoe: «Iza no anaranao?» Dia novaliany hoe: «Lejiona no anarako, fa betsaka izahay.»

10 Ary nifona dia nifona taminy Izy mba tsy horoahiny hiala amin’izany tany izany.

11 Ary teo akaikin’ny tendrombohitra dia nisy kisoa betsaka, andiany iray, nihinana,

12 ka nangataka taminy ireo demony nanao hoe: «Alefaso izahay ho any amin’ny kisoa mba hiditra ao aminy»

13 Dia nekeny. Ka nivoaka ny fanahy maloto, dia niditra tao anatin’ny kisoa, ary rifatra nivarina teny amin’ny hantsana ho any amin’ny ranomasina ny kisoa andiany iray, tokony ho roa arivo, ka maty tao amin’ny ranomasina.

14 Dia nandositra ny mpiandry azy ka nilaza izany tany an-tanàna sy teny an-tsaha; ary nivoaka ny olona hizaha izany zavatra izany.

15 Nankany amin’i Jesoa izy ireo, ary nahita an’ilay azon’ny demony (izay nisy lejiona) nipetraka sy nitafy lamba ary nanan-tsaina, ka raiki-tahotra terỳ.

16 Nony nolazain’izay nahita tamin’izy ireo izay nahazo ilay azon’ny demony sy ny kisoa,

17 dia nihanta tamin’i Jesoa izy ireo, mba hiala amin’ny taniny.

18 Ary nony niakatra teo an-tsambo kely Izy, dia niangavy taminy ilay azon’ny demony mba hanaraka Azy;

19 fa tsy navelany izy, fa hoy Izy taminy: «Andeha ihany mody any an-tranonao any amin’ny havanao, ka lazao aminy izay zava-dehibe nataon’ny Tompo taminao sy ny namindràny fo taminao.»

20 Dia lasa izy ka nampiely tany Dekapôlyny zavatra rehetra nataon’i Jesoa taminy, ary gaga ny olona rehetra.

Ny nanasitranana ilay vehivavy nitsì-dra sy ny namelomana ny zanakavavin’i Jaira

21 Ary rehefa niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa ka tafita indray, dia nitangoronan’ny vahoaka teo amoron-dranomasina Izy.

22 Dia avy ny anankiray amin’ny lehiben’ny sinagoga atao hoe Jaira, ka nony nahita Azy dia niankohoka tamin’ny tongony izy,

23 sady nihanta mafy taminy nanao hoe: «Marary efa ho faty ny zanako vavy, ka andeha re mba hametra-tanana aminy Ianao, mba ho sitrana sy ho velona izy.»

24 Dia nandeha niaraka taminy Izy, ary be ny vahoaka nanaraka Azy sy nifanety taminy.

25 Ary nisy vehivavy anankiray nitsi-dra roa ambin’ny folo taona,

26 izay efa niaritra zavatra mafy betsaka tamin’ny mpanao fanafody maro sy nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nihatsara velively, fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza.

27 Nony nahare ny amin’i Jesoa izy, dia nisisika tamin’ny vahoaka ka nanendry ny akanjony avy ao ivohony,

28 fa hoy izy: «Na dia ny fitafiany ihany aza no voakasiko, dia ho sitrana aho.»

29 Dia ritra niaraka tamin’izay ny loharanon’aretiny, ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy.

30 Teo no ho eo ihany dia fantatr’i Jesoa fa nisy hery nivoaka tamin’ny Tenany, ka nitodika ny vahoaka Izy nanao hoe: «Iza no nanendry ny fitafiako?»

31 Ary hoy ny mpianany taminy: «Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao ka Ianao manontany hoe: ‹Iza no nanendry ahy?› »

32 Dia nijerijery manodidina Azy Izy hizaha ilay vehivavy izay nanao izany.

33 Natahotra ravehivavy sy tera-kovitra satria fantany izay tonga taminy, ka nanatona Azy sy niankohoka teo anatrehany izy, dia nilaza ny marina rehetra.

34 Ary hoy Izy taminy: «Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana, ary sitràna amin’ny aretinao.»

35 Raha mbola niteny i Jesoa, dia tonga ny avy any an-tranon’ilay lehiben’ny sinagoga ka nanao taminy hoe: «Maty ny zanakao vavy, ka nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?»

36 Fa nony nandre izany teny izany i Jesoa dia nilaza tamin’ilay lehiben’ny sinagoga hoe: «Aza matahotra, fa minoa fotsiny ihany.»

37 Ary tsy nisy navelany hanaraka Azy afa-tsy i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahin’i Jakôba.

38 Ary nony tonga tany an-tranon’ilay lehiben’ny sinagoga izy ireo, dia olona nikorontana sy nitomany ary ninaonaona be ihany no hitan’i Jesoa.

39 Ary niditra Izy ka niteny tamin’ireo hoe: «Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory.»

40 Dia nihomehy Azy fatratra ny olona; fa Izy kosa nandroaka azy rehetra, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’ireo nanaraka Azy niditra tao amin’izay niampàran-drazazavavy,

41 ary nandray ny tanany sy nilaza taminy hoe: «Talita, komỳ» izany hoe: «Ry zazavavy, hoy Aho aminao, mitsangàna.»

42 Niaraka tamin’izay dia nitsangana razazavavy ka namindra fa efa roa ambin’ny folo taona izy, dia talanjona indrindra ny olona.

43 Fa norarany mafy izy ireo mba tsy hatao fantatr’olona izany, ary nasainy nomen-kanina razazavavy.

Categories
Marka

Marka 6

Famangiana an’i Nazareta

1 Nony niala teo Izy dia nankany amin’ny tany nahabe Azy, ary nanaraka Azy ny mpianany.

2 Ary rehefa sabata ny andro, dia nampianatra tao amin’ny sinagoga Izy, ka be tamin’izay nihaino Azy no gaga tamin’ny fampianarany sy nanao hoe: «Taiza no nahazoan’Izy io izany rehetra izany? Fahendrena manao ahoana izao nomena Azy izao, ary ahoana no ahefan’ny tanany izany asa lehibe izany?

3 Moa tsy io va ilay mpandrafitra, Zanak’i Maria, rahalahin’i Jakôba sy i Josefa ary i Jodà sy i Simôna? Moa tsy atỳ amintsika va ny anabaviny?» Dia tafintohina taminy, izy ireo.

4 Fa hoy i Jesoa taminy: «Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny sy amin’ny fianakaviany ary amin’ny havany ihany.»

5 Ary tsy nahazo nanao fahagaganaakory Izy teo fa marary vitsivitsy monja no nositraniny tamin’ny fametrahan-tanana,

6 ary gaga Izy noho ny tsy finoan’ireo.

Ny nanirahana ny 12 lahy

Dia nitety ny vohitra manodidina sy nampianatra Izy.

7 Ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy Izy, ka naniraka azy tsiroaroa, sy nanome fahefana azy handroaka ny fanahy maloto.

8 Ary norarany tsy hitondra na inona na inona eny an-dalana izy ireo na kitapo, na mofo, na farantsa kely varahina amin’ny fehinkibony, afa-tsy tehina ihany,

9 fa ny tongotra no asiana kapa, ary tsy mitondra akanjo roa.

10 Ary hoy koa Izy taminy: «Na aiza na aiza halehanareo, dia mitoera amin’izay trano hidiranareo ambara-pialanareo.

11 Ary raha misy tsy mampiantrano na tsy mihaino anareo, dia mialà ao ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo ho fiampangana azy.»

12 Dia nandeha izy ireo ka nitory tamin’ny olona fa tsy maintsy mibebaka izy,

13 sy nandroaka demony maro, ary nanosotra diloilony marary betsaka sy nanasitrana azy.

I Herôda sy i Jesoa

14 Nahare ny lazan’i Jesoa i Herôda mpanjaka, fa efa nihamalaza ny Anarany. Ary hoy ny sasany: «I Joany Batista nitsangan-ko velona avy any amin’ny maty izay, ka izany no iasan’ireo hery mahagaga aminy»;

15 fa ny sasany kosa nanao hoe: «I Elia izay,» ary ny hafa indray dia hoe: «Mpaminany izay, dia toy ny iray amin’ny mpaminany.»

16 Ary nony nandre izany i Herôda dia nanao hoe: «I Joany izay e, dia ilay notapahiko ny lohany, fa efa nitsangan-ko velona avy any amin’ny maty izy.»

Ny nampamonoana an’i Joany Batista

17 Fa i Herôda io ihany no naniraka hisambotra sy hamatotra an’i Joany tany an-tranomaizina, noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny izay nalainy ho vady.

18 Satria i Joany nanao taminy hoe: «Tsy mahazo manam-bady ny vadin-drahalahinao ianao.»

19 Koa tonga halan’i Herôdiada izy sy niriny ho faty aza, saingy tsy azony natao izany

20 noho ny tahotr’i Herôda an’i Joany izay hitany fa lehilahy marina sy masina, ka narovany sady narahiny hevitra tamin’ny zavatra maro, sy nohenoiny tamin-kafaliana.

21 Ary tonga ny andro tsara, dia ilay fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Herôda ka nanaovany fanasana ho an’ny manamboninahiny sy ny tomponarivo ary ny loholona tany Galilea.

22 Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin’i Herôdiada, ka nahafaly an’i Herôda sy izay niara-nihinana taminy; dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: «Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao,»

23 sady nampiany tamim-pianianana hoe: «Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao, na dia ny antsasaky ny fanjakako aza.»

24 Dia nivoaka razazavavy ka nanontany an-dreniny hoe: «Inona no hangatahiko?» Ary hoy i reniny: «Ny lohan’i Joany Batista.»

25 Dia nidodododo faingana nankao amin’ny mpanjaka izy, ka nangataka hoe: «Tiako raha homenao ahy an-dovia izao ankehitriny izao ny lohan’i Joany Batista.»

26 Nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ireo olona niara-nihinana taminy dia tsy sahy nandà an-drazazavavy izy,

27 fa nirahiny faingana ny mpiambina anankiray nasainy nitondra ny lohan’i Joany amin’ny lovia. Dia nandeha nanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina ilay mpiambina,

28 ka nitondra azy tamin’ny lovia, ary nomeny an-drazazavavy dia nomen-drazazavavy an-dreniny kosa.

29 Nony nandre izany ny mpianany, dia tonga naka ny fatiny ka nandevina azy.

Voalohany nampitomboana mofo

30 Nony niverina teo amin’i Jesoa ny Apôstôly, dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny.

31 Ary hoy Izy taminy: «Avia ianareo, ndeha mitokana any amin’ny tany mangingina, ka mialà sasatra kely,» fa maro ny olona nifamoivoy ka tsy nisy nihinanany akory.

32 Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo ka lasa nitokana any amin’ny tany mangingina.

33 Fa hitan’ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany, ka nidodododo nandeha an-tongotra avy amin’ny tanàna rehetra, sy tonga tany talohany.

34 Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa dia nahita ireo vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo, dia nampianatra azy zavatra maro Izy.

35 Nony hariva ny andro dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: «Ny tany efitra; ny andro efa hariva,

36 ka alefaso ny olona handeha hividy hanina any amin’ny tanàna sy ny vohitra manodidina.»

37 Fa izao no navaliny azy ireo: «Omeonareo hanina izy,» ka hoy ireo taminy: «Handeha hividy mofon-denie roan-jato va izahay ka homenay azy hohaniny?»

38 Ary hoy Izy taminy: «Manana mofo firy ianareo? Mandehana hoe zahao.» Ary rehefa nozahàny, dia hoy izy: «Mofo dimy sy hazandrano roa.»

39 Dia nasainy napetraka ny olona rehetra hatao mitsitokotoko eny amin’ny ahi-maitso izy ireo;

40 ka nipetraka mitsitokotoko izy, ny sasany zato, ary ny sasany dimampolo.

41 Dia noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, ary niandrandra ny lanitra Izy, ka nitso-drano. Raha efa izany, novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany mba harosony eny anoloan’ny olona, ary nozarainy tamin’izy rehetra koa ny hazandrano roa.

42 Dia nihinana izy rehetra ka voky;

43 ary ny sombintsombin’ny mofo sy ny hazandrano sisa tsy lany nahafeno sobiky roa ambin’ny folo ka nentiny nody.

44 Dimy arivo lahy anefa no isan’ny nihinana tao.

I Jesoa mandeha ambony rano

45 Dia noteren’i Jesoa hiondrana an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany, mba hialoha Azy eny am-pita ho any Betsaida, ambara-pandràvany ny vahoaka;

46 ary rehefa avy nanao veloma ny olona Izy, dia nankany an-tendrombohitra mba hivavaka.

47 Nony hariva ny andro, ny sambo kely dia efa mby teny ampovoan’ny ranomasina, ary i Jesoa irery no teny an-tanety.

48 Ary hitany izy ireo sahirana nivoy mafy erỳ fa notohain’ny rivotra, ka tokony ho tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina, dia nandeha teny ambonin’ny ranomasina Izy nankeo aminy, ka saika handalo azy.

49 Kanjo nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia nataony ho matoatoa ihany ka niantsoantso mafy izy;

50 fa nahita Azy avokoa izy rehetra ka raiki-tahotra erỳ. Niaraka tamin’izay dia niteny taminy Izy nanao hoe: «Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra.»

51 Ary niakatra teo aminy teo an-tsambo kely Izy, dia nitsahatra ny rivotra, ka talanjona fatratra izy ireo,

52 fa tsy azony an-tsainaity fahagagana tamin’ny mofo teo noho ny hadonton’ny fony.

Fanasitranana maromaro tao amin’ny tany Genezareta

53 Nony tafita izy ireo, dia nitody tao Genezareta ka niantsona teo.

54 Ary rehefa niala tao an-tsambo kely izy ireo, dia nahalala an’i Jesoa niaraka tamin’izay ny olona,

55 ka lasa nitety ny manodidina, ary rafitra nitatitra ny marary tamin’ny fandriana ho any amin’izay reny fa misy Azy.

56 Na taiza na taiza nalehany, na tamin’ny vohitra, na tany an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraky ny olona teo an-kianja ny marary, sady niangavy taminy mba havelany hanendry na dia ny sahondran’akanjony ihany aza, ka izay rehetra nanendry Azy dia sitrana.

Categories
Marka

Marka 7

Ady hevitra momba ny fanaon-drazana arahin’ny Farisianina

1 Ary niangona teo amin’i Jesoa ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema,

2 ka nahita ny mpianany sasany nihinana tamin’ny tanana tsy madio, izany hoe tsy voasasa.

3 Fa ny Farisianina sy ny Jody rehetra dia tsy mihinana raha tsy efa voasasany tsara aloha ny tanany, fa mitana ny fanaon-drazana izy;

4 ary raha avy any an-kianja izy dia tsy mihinan-kanina raha tsy efa nisasa. Maro koa ny fomban-drazana hafa noraisiny hotanana, dia ny fanasana ny kapoaka, ny tavoara, ny fanaka varahiny, ary ny farafara fihinanana.

5 Ka dia nanontany Azy ny Farisianina mbamin’ny mpanora-dalàna nanao hoe: «Nahoana ny mpianatrao no tsy mitandrina ny fanaon-drazana, fa mihinana amin’ny tanana tsy misasa?».

6 Ary hoy ny navaliny azy ireo: Marina tokoa ny naminanian’i Izaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe:

Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony; fa manalavitra Ahy ny fony;

7 koa foana ny ivavahan’ireo amiko satria didin’olombelona no ataony fampianarana.

8 Ny didin’Andriamanitra afoinareo, fa ny fanaon’ny olona kosa tananareo, toy ny manasa tavoara sy kapoaka, ary manaraka fomba maro toy izany koa ianareo.

9 Dia hoy Izy taminy: «Marina fa nofoananareo tokoa ny didin’Andriamanitra mba hitandremanareo ny fomban-drazanareo.

10 Fa hoy i Môizy:‹Manajà ny rainao sy ny reninao›; ary koa:‹Izay hanozona ny rainy na ny reniny dia hohelohina ho faty.›

11 Fa hoy kosa ianareo: ‹Raha misy milaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe: Ny zavatra izay tokony hoentiko manampy anao dia efaKôrobàna›izany hoe: fanatitra ho an’Andriamanitra,

12 dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an’ny rainy na ny reniny intsony,

13 ka dia foananareo amin’ny fanaon-drazana asainareo tandremana ny tenin’Andriamanitra; sady maro koa ny zavatra toy izany ataonareo.»

Fampianarana momba ny hoe madio sy maloto

14 Ary niantso ny vahoaka nankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: «Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara.

15 Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy, fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy.

16 Raha misy manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.»

17 Nony niala teo amin’ny vahoaka Izy ka tonga tany an-trano, dia nanontanian’ny mpianany ny amin’ilay fanoharana,

18 ary hoy Izy taminy: «Hay! ianareo koa mba kely fahalalana toy izany. Tsy fantatrareo va fa izay avy eo ivelany ka miditra ao anatin’ny olona dia tsy mahaloto azy,

19 satria tsy miditra ao am-pony izany fa ao an-kibony ihany, ka ariana any an-katakonana? Izany no mahadio ny hanina rehetra.

20 Fa izay mivoaka avy amin’ny olona, hoy Izy, no mahaloto ny olona;

21 satria avy ao anaty, dia avy amin’ny fon’ny olona no iavian’ny sain-dratsy: dia ny fakàm-badin’olona, ny fijangajangana, ny famonoana olona,

22 ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny vava ratsy, ny fiavonavonana, ny fahadalana;

23 izany zava-dratsy rehetra izany no avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy.»

Ny nanasitranana ny zanakavavin’ilay vehivavy Sirôfenisianina

24 Nony niala teo Izy dia nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidona, ary niditra tao an-trano anankiray, fa tsy te ho fantatr’olona, nefa tsy nahazo niery.

25 Fa vetivety foana dia nisy vehivavy anankiray nanan-janakavavy azon’ny fanahy maloto nandre izany, ka tonga niankohoka tamin’ny tongony.

26 Jentily avy amin’ny firenena Sirôfenisa ravehivavy, ary ny nangatahiny taminy dia ny handroahany ny demony amin’ny zananivavy.

27 Fa hoy Izy taminy: «Aoka ho voky aloha ny zanaka; fa tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ny amboa.»

28 Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe: «Marina izany, Tompoko; kanefa ny amboa kely koa mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza ao ambany latabatra ihany.»

29 Ary hoy Izy taminy: «Mandehana, fa noho izany teny izany, dia efa niala tamin’ny zanakaovavy ny demony.»

30 Nony tonga tany an-tranony izy, dia nahita ny zananivavy nandry teo am-parafara fa efa nialan’ny demony.

Ny nanasitranana ilay bada lela sady marenina

31 Niala indray tany amin’ny faritanin’i Tira i Jesoa, ary namaky ny faritanin’i Sidona ka tonga tany amoron’ny ranomasin’i Galilea, amin’ny faritanin’i Dekapôly.

32 Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana nentin’izy ireo teo aminy sy nangatahiny mba hametrahany tanana.

33 Dia nitondra azy niavaka tamin’ny vahoaka Izy, ka nangarona ny sofinytamin’ny rantsan-tanany sy nanisy rora ny lelany.

34 Raha efa izany dia niandrandra ny lanitra Izy, sady nisento ary nanao taminy hoe: «Efeta» izany hoe «misokafa.»

35 Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny sofiny ary voavaha ny fatoran’ny lelany, ka niteny tsara izy.

36 Ary norarany ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza; fa araka ny nandraràny azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza;

37 sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe: «Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina Izy ary nampiteny ny moana.»

Categories
Marka

Marka 8

Fanindroany nampitomboana mofo

1 Tamin’izany andro izany, nony betsaka indray ny vahoaka teo sady tsy nanan-ko hanina, dia niantso ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe:

2 «Mampalahelo Ahy ity vahoaka, fa efa hateloana izay tsy nisaraka tamiko ka tsy manan-kohanina;

3 ary raha ampodiko ho any an-tranony izy tsy mihinana dia ho reraka eny an-dalana, fa avy lavitra ny sasany.»

4 Dia hoy ny mpianany namaly Azy: «Aiza no hahitana mofo hahavoky ireo atỳ an’efitra?»

5 Ary Izy nanontany azy hoe: «Manana mofo firy hianareo?» «Fito» hoy izy ireo.

6 Dia nasainy nipetraka tamin’ny tany ny vahoaka ary noraisiny ny mofo fito, ka nony vita ny fisaorana dia novakiny, sy nomeny hozarain’ny mpianany, ary nozarainy tamin’ny vahoaka.

7 Ary nanana hazandrano madinika vitsivitsy koa izy, ka notsofiny rano dia nasainy nozaraina.

8 Ary nihinana ny olona ka voky, ary ny sombintsombiny sisa tsy lany nentiny, dia nisy fito sobika.

9 Tokony ho efatra arivo anefa no nihinana; dia nampodiny.

10 Dia niondrana an-tsambo kely niaraka tamin’izay Izy sy ny mpianany, ka tonga tany amin’ny faritanin’i Dalmanotà.

Ny nangatahan’ny Farisianina famantarana avy any an-danitra

11 Ary nanatona Azy ny Farisianina, ka niady hevitra taminy sy nangataka famantarana avy any an-danitra taminy, mba hakany fanahy Azy.

12 Dia nisento mafy Izy ka nanao hoe: «Ahoana no itadiavan’ity taranaka ity famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana ity taranaka ity.»

13 Dia nilaozany izy ireo ka niondrana an-tsambo kely indray Izy nankeny am-pita.

Ny lalivain’ny Farisianina sy ny lalivain’i Herôda

14 Ary nanadino tsy nitondra mofo ny mpianatra, ka tsy nisy afa-tsy mofo iray monja teo an-tsambo kely.

15 I Jesoa kosa nananatra azy nanao hoe: «Mitandrema tsara ianareo fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny lalivain’i Herôda.»

16 Dia niara-nihevitra izy ireo ka nifampilaza hoe: «Noho isika tsy manana mofo izay.»

17 Fantatr’i Jesoa ny heviny ka hoy Izy taminy: «Ahoana no iheveranareo izay tsy fanananareo mofo? Mbola tsy misy hevitra sy tsy mahazo saina ihany va ianareo? Donto ny fonareo?

18 Mana-maso fa tsy mahita va ianareo? ary manan-tsofina fa tsy mahare? Ary tsy mahatadidy va ianareo?

19 Raha nizara ny mofo dimy tamin’ny olona dimy arivo Aho, firy no sobiky feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo?» «Roa ambin’ny folo,» hoy ireo taminy.

20 «Ary raha nizara ny mofo fito tamin’ny olona efatra arivo Aho, firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo?» «Fito,» hoy ireo taminy.

21 «Ka nahoana àry, hoy Izy taminy, no mbola tsy mahalala ihany ianareo?»

Ny nanasitranana an’ilay jamba tao Betsaida

22 Dia tonga tany Betsaida izy ireo, ary nisy nitondra lehilahy jamba anankiray teo aminy, sy nangataka taminy mba hanendry azy.

23 Dia noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay jamba, ka nentiny nivoaka ny tanàna izy; nasiany rora ny masony, nametrahany tanana izy, ary nanontaniany raha mahita zavatra.

24 Dia niandrandra ilay jamba ka nanao hoe: «Ny fahitako ny olona mamindra dia sahalahala amin’ny hazo.»

25 Dia nametrahany tanana indray ny masony, ka nasainy nijery izy, izay vao sitrana tsara sy nahita mazava ny zavatra rehetra.

26 Ary nasain’i Jesoa nody tany an-tranony izy sy nilazany hoe: «Modia any an-tranonao, fa aza miakatra ao an-tanàna na milaza izany amin’ny olona ao an-tanàna.»

Fiekem-pinoana nataon’i Piera

27 Avy ao i Jesoa sy ny mpianany, dia nankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo, ary teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy nanao hoe: «Ataon’ny olona ho iza moa Aho?»

28 Ary namaly Azy ireo, nanao hoe: «I Joany Batista, hoy ny sasany; i Elia, hoy ny sasany; ary anankiray amin’ny mpaminany, hoy kosa ny sasany.»

29 «Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?» hoy Izy tamin’izy ireo. Dia namaly i Piera ka nanao taminy hoe: «Ianao no Kristy.»

30 Ary norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza Azyna amin’iza na amin’iza.

Voalohany nanambaràn’i Jesoa ny hijaliany

31 Tamin’izay nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana,

32 sady nataony mazava tsara no filaza izany. Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy.

33 Fa nihodina nijery ny mpianany Izy, ary niteny mafy an’i Piera hoe: «Mialà amiko, ry Satana, satria tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ianao, fa araka ny olombelona.»

Ny tsy maintsy atao hanarahana an’i Jesoa

34 Dia nantsoiny ny vahoaka mbamin’ny mpianany ka nilazany hoe: «Raha misy ta hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliana ka hanaraka Ahy.

35 Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy.

36 Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny?

37 Sa inona no azon’ny olona omena ho takalon’ny fanahiny?

38 Izay ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ity taranaka mpijangajanga sy mpanota ity, dia ho menatra azy koa ny Zanak’olona rehefa avy, amin’ny voninahitry ny Rainy Izy, otronin’ny Anjely masina.»

39 Dia hoy koa Izy: «Lazaiko marina aminareo fa ny sasany aminareo eto dia tsy hanandra-pahafatesana raha tsy efa mahita ny fanjakan’Andriamanitra tonga amin’ny voninahitra.»

Categories
Marka

Marka 9

Ny niovan’i Jesoa tarehy

1 Henemana taorian’izany dia nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany ka nentiny nitokana tany an-tampon’ny tendrombohitra avo anankiray, dia niova tarehy teo anatrehany Izy.

2 Tonga nanjelanjelatra sady fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany, ka tsy misy mpamotsy lamba mahafotsy toy izany etỳ an-tany.

3 Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Môizy, sady niresaka tamin’i Jesoa.

4 Dia niteny i Piera ka nanao tamin’i Jesoa hoe: «Raby ô, mahafinaritra ny mitoetra atỳ; aoka hanao lay telo izahay, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia.»

5 Fa tsy fantany izay nolazainy, satria raiki-tahotra loatra izy ireo.

6 Tamin’izay dia nisy rahona nanarona azy; ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: «Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy.»

7 Niaraka tamin’izay dia nijerijery manodidina izy ireo, nefa tsy nahita olona intsony, fa i Jesoa irery sisa teo aminy.

Fanontaniana momba an’i Elia

8 Nony nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo, dia norarany tsy hilazalaza amin’olona ny zavatra vao hitany, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona avy any amin’ny maty.

9 Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany, sady nifampaka saina izy ny amin’izay hevitr’izany hoe, mitsangan-ko velona avy any amin’ny maty.

10 Ary nanontany Azy izy ireo nanao hoe: «Ahoana àry no ilazan’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?»

11 Dia hoy i Jesoa hoe: «Tsy maintsy ho avy aloha i Elia sy hanavao ny zavatra rehetra; fa ahoana kosa no nanoratana ny amin’ny Zanak’olona fa tokony hijaly mafy Izy sy hotevatevaina izaitsizy?

12 Ary lazaiko aminareo fa efa tonga sahady i Elia, sady nataon’ny olona taminy izay sitraky ny fony, araka ny nanoratana azy.»

Ilay malemy azon’ny demony

13 Nony tafaverina teo amin’ny mpianany Izy dia nahita vahoaka betsaka nanodidina Azy, sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy.

14 Gaga ny olona rehetra nony nahita an’i Jesoa, ka nidodododo hiarahaba Azy niaraka tamin’izay.

15 Dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe: «Ny amin’inona no iadianareo hevitra amin’ireto?»

16 ka novalian’ny anankiray tamin’ny vahoaka hoe: «Ry Mpampianatra ô, nitondra ny zanako lahy azon’ny demony moana nankatỳ aminao Aho:

17 fa na aiza na aiza ahazoany azy dia sady akapokapony izy no mandoa vory sy mikitro-nify, fa efa mihamalazolazo erỳ; ary efa nangataka ny mpianatrao handroaka azy aho, fa tsy nahomby izy ireo.»

18 Dia niteny i Jesoa nanao hoe: «Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko izy.»

19 Dia nentiny nankeo aminy izy, ary vantany vao nahita Azy ny demony, dia nampifanintontsintona ny zaza, ka lavo nitsinkasina sady nandoa vory.

20 Dia nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa nanao hoe: «Hoatrinona izay no nahatongavan’izao taminy?» ka novaliany hoe: «Hatry ny fony izy mbola kely;

21 ary matetika izy no nazeran’ny demony tamin’ny afo sy tany anaty rano mba hahafaty azy; ka raha mba misy hainao re, mamindrà fo aminay, ary vonjeo izahay!»

22 Dia hoy i Jesoa taminy: «Raha hainao ny mino, tsy misy tsy azo atao ho an’izay mino.»

23 Niaraka tamin’izay, dia sady niantso mafy ny rain-drazazalahy no nanao an-dranomaso hoe: «Mino aho, Tompoko, fa vonjeo re ity tsy finoako.»

24 Ary nony nahita ny vahoaka nidodododo nanatona Azy i Jesoa, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy nanao hoe: «Ry fanahy marenina sy moana, Izaho mandidy anao, mivoaha amin’io zaza io, ka aza miditra ao aminy intsony.»

25 Dia sady ninananàna ny demony no nampifanintontsintona azy mafy vao niala taminy, ka efa toy ny maty ilay zazalahy, ary efa nataon’ny maro hoe maty aza.

26 Fa noraisin’i Jesoa tamin’ny tanany izy, dia nareniny, ka nitsangana.

27 Nony tonga tany an-trano Izy, dia nanontanian’ny mpianany mangingina hoe: «Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?»

28 Ka hoy Izy taminy: «Tsy azo roahina afa-tsy amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina izany karazan-demony izany.»

Fanindroany nanambaràn’i Jesoa ny hijaliany

29 Nony niala teo izy ireo, dia namaky an’i Galilea, ary tsy tian’i Jesoa ho fantatr’olona izany,

30 fa nampianatra ny mpianany Izy ary nanao taminy hoe: «Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona, dia hovonoiny, fa hitsangan-ko velona avy any amin’ny maty Izy raha afaka hateloana aorian’ny hahafatesany.»

31 Tsy fantatr’izy ireoanefa izany teny izany, sady tsy sahiny nanontaniana Azy koa.

Iza no lehibe indrindra?

32 Dia tonga tany Kafarnaoma izy ireo, ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny mpianany i Jesoa nanao hoe: «Inona izany niadianareo hevitra tany an-dalana izany?».

33 Fa tsy niteny tsy nivolana izy, satria ny amin’ny izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra no niadiany hevitra teny an-dalana.

34 Dia nipetraka Izy ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy ka nanao taminy hoe: «Izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra.»

35 Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany, sy nofihininy, ary hoy Izy tamin’ny mpianany hoe:

36 «Na iza na iza handray anankiray amin’ny zazakely toy itony amin’ny Anarako, dia handray Ahy, ary izay mandray Ahy dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy.»

Fampiasana ny Anaran’i Jesoa

37 Ary niteny i Joany ka nanao taminy hoe: «Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaranao izahay; nefa tsy namantsìka ka noraranay.»

38 Fa hoy i Jesoa: «Aza raranareo izy; fa tsy misy olona hanao fahagagana amin’ny Anarako ka hanaratsy Ahy vetivety foana.

39 Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.»

Fitiavana ny mpianatr’i Jesoa

40 Na iza na iza hanome rano eran’ny kapoaka anareo amin’ny Anarako, satria an’i Kristy ianareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.

Ny fanafintohinana

41 Ary na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarina amin’ny vozony, ka havarina any anaty ranomasina izy.

42 Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manan-tanan-droa avarina any amin’ny Gehena, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina,

43 izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay.

44 Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy, fa aleo tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao toy izay manana tongotra roa avarina any amin’ny gehen’afo tsy azo vonoina,

45 izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay.

46 Raha ny masonao no manafintohina anao, esory izy, fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao, toy izay mana-maso roa avarina any amin’ny gehen’afo,

47 izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo.

48 Fa izy rehetra any hosiraina amin’ny afo, toy ny sorona rehetra siraina amin’ny sira.

49 «Tsara ny fanasina: fa rehefa lefy izy, inona no hampodianareo ny tsirony? Tano tsara ny siraaminareo, ka mihavàna ianareo.»

Categories
Marka

Marka 10

Fanontaniana momba ny fisaoram-bady

1 Nony niala teo izy dia tonga tany amin’ny sisin-tanin’i Jodea, andafin’i Jordany; ary nivory teo aminy indray ny vahoaka, ka nampianariny indray araka ny fanaony.

2 Dia nanatona Azy ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe: «Mahazo misao-bady va ny lehilahy?».

3 Ary izao no navaliny azy ireo: «Ahoana no nandidian’i Môizy anareo?»

4 Dia hoy Izy: «Nomen’i Môizy alalana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy.»

5 Fa hoy kosa i Jesoa: «Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo.

6 Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao, dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra;

7 noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny,

8 ary ho nofo iray izy roroa; koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany.

9 Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona.»

10 Nony mby tao an-trano, dia nanontany Azy ny amin’izany indray ny mpianany,

11 ka hoy Izy taminy: «Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana;

12 ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa, dia mijangajanga.»

I Jesoa sy ireo zazakely

13 Ary nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahany tanana, nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra;

14 ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe: «Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo, satria ny toa azy no hanana ny fanjakan’Andriamanitra.

15 Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza tsy handray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra any.»

16 Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tanana, ary notsofiny rano.

Ilay lehilahy mpanan-karena

17 Nony nivoaka handeha Izy, dia nisy lehilahy anankiray nidodododo nandohalika teo anatrehany ka nanontany Azy hoe: «Ry Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?»

18 Ary hoy i Jesoa taminy: «Nahoana no ataonao hoe tsara Aho? Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery.

19 Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga; aza mamono olona; aza mangalatra; aza mety ho vavolombelona tsy marina; aza manambaka; manajà ny rainao aman-dreninao.»

20 Dia hoy ny navaliny Azy: «Mpampianatra ô, hatry ny fony kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany.»

21 Ary nijery azy i Jesoa, dia tia azy ka nanao taminy hoe: «Zavatra iray loha no tsy ampy aminao: mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao, ary raha efa izany dia avia hanaraka Ahy.»

22 Nampahory azy izany teny izany fa nanan-karena be izy, ka niala tamin’alahelo.

Ny loza vokatry ny harena

23 Ary nijerijery manodidina i Jesoa ka nanao tamin’ny mpianany hoe: «Akory ny hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra!»

24 Nony gaga tamin’izany teniny izany ny mpianany, dia hoy indray i Jesoa taminy: «Sarotra, anaka, ny hidiran’ny miankina amin’ny harena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

25 Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vody fanjaitra noho ny hidiran’ny mpanan-karena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.»

26 Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe: «Iza àry no mety ho voavonjy?»

27 Fa nojeren’i Jesoa izy ka nilazany hoe: «Amin’ny olombelona, zava-tsy vitany izany; tsy mba toy izany amin’Andriamanitra, satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra.»

Valisoan’izay mahafoy

28 Ary hoy i Piera taminy: «Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao.»

29 Dia hoy ny navalin’i Jesoa azy: «Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely,

30 ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’ity fiainana ity, dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany, na dia ao anatin’ny fanenjehana aza, ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy.

31 Fa maro amin’izay farany no ho voalohany, ary amin’izay voalohany no ho farany.»

Fanintelony nanambaràn’i Jesoa ny hijaliany

32 Ary nony mby teny an-dalana ho any Jerosalema izy ireo, dia i Jesoa no lohalalana, ka sady gaga ny mpianany no natahotrateny am-panarahana Azy. Dia nalainy indray ny roa ambin’ny folo lahy ka nilazany ny hanjò Azy:

33 «Indro fa miakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak’olona dia hatolotra amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hohelohina ho faty ka hatolony amin’ny Jentily;

34 dia ho esoiny, hororany, hokapohiny, ary hovonoiny, fa hitsangana indray amin’ny andro fahatelo.»

Fangatahan’ireo zanak’i Zebede

35 Ary nanatona Azy i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede ka nanao hoe: «Ry Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay hangatahinay aminao.»

36 «Inona, hoy Izy, no tianareo hataoko aminareo?»

37 Dia hoy ireo: «Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao, ary ny anankiray mba ho eo ankavianao any amin’ny voninahitrao.»

38 Ary hoy i Jesoa taminy: «Tsy fantatrareo izay angatahinareo; moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va ianareo, na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy Ahy?»

39 «Zakanay» hoy ireo taminy. Fa hoy kosa i Jesoa: «Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa, ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa;

40 fa raha ny hipetraka ao ankavanako na ao ankaviako kosa dia tsy Ahy ny hanome izany, fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany.»

Ny mpifehy tokony hanompo

41 Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Joany;

42 fa nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe: «Fantatreo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao, dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy, ary ny lehibe no miseho ho mpanapaka manam-pahefana.

43 Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany; fa izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanomponareo,

44 ary izay te ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho andevonareo rehetra.

45 Fa ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.»

Ilay jamba avy ao Jerikô

46 Dia tonga tao Jerikô izy ireo. Ary tamin’Izy sy ny mpianany mbamin’ny vahoaka betsaka niala tao Jerikô, dia nipetraka nangataka teo amoron-dalana kosa i Bartime jamba zanak’i Time.

47 Nony reny fa hoe i Jesoa Nazareanina izay, dia rafitra niantso Izy nanao hoe: «Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko.»

48 Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe: «Ry Zanak’i Davida ô, mamindra fo amiko.»

49 Dia nijanona i Jesoa, ka nampiantso azy. Ary nantsoin’ny olona izy sy nilazany hoe: «Matokia! mitsangàna, fa antsoiny ianao.»

50 Dia nariany ny lambany, ka niezaka nanatona an’i Jesoa izy.

51 «Inona, hoy i Jesoa taminy, no tianao hataoko aminao?» Dia hoy ilay jamba: «Rabònyô, aoka mba hahiratra aho.»

52 «Mandehana, hoy i Jesoa, fa ny finoanao no nahavonjy anao.» Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy teny an-dalana.