Categories
Marka

Marka 11

Ny nidirany tao Jerosalema amin’ny maha Mesia Azy

1 Nony mby akaiky an’i Jerosalema sy tonga tao Betania anilan’ny tendrombohitra Oliva Izy, dia naniraka roalahy tamin’ny mpianany,

2 ary nilaza taminy hoe: «Mankanesa amin’itsy vohitra tandrifinareo itsy; raha vao tonga any ianareo, dia hahita zanak’ampondra anankiray mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan’olona; vahao izy ka ento mankatỳ amiko.

3 Ary raha misy manao aminareo hoe: ‹Ahoana no anaovanareo izao?› valio hoe: ‹Misy ilàn’ny Tompo azy›, dia halefany hoentina atỳ miaraka amin’izay izy.»

4 Dia nandeha izy ireo ka nahita zanak’ampondra mifatotra teo alatrano anilan’ny varavarana, teo an-tsampanan-dalana, dia novahany.

5 Ary ny sasany tamin’ny olona teo nanao taminy hoe: «Ahoana no amahanareo io zanak’ampondra io?»

6 Fa novaliany araka ny nandidian’ny Tompo azy izy ireo, ka namela azy hoentiny.

7 Dia nentiny tany amin’i Jesoa ny zanak’ampondra, ka nataony teo amboniny ny fitafiany, ary nitaingina teo Izy.

8 Maro no namelatra ny fitafiany teny amin’ny lalan-kalehany, ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo dia namafy izany teny amin’ny lalana koa.

9 Ary na izay nandeha teo alohany, na izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe:«Hôzàna!

10 Hohasoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo; hohasoavina anie ny fanjakan’i Davida raintsika, izay efa tonga izao;Hôzànaany amin’ny Avo indrindra».

11 Dia niditra tao Jerosalema Izy namantana tao amin’ny Tempoly, ka nony avy nijerijery ny zavatra rehetra dia nankany Betania nomban’ny roa ambin’ny folo lahy, fa efa hariva rahateo ny andro.

Ilay aviavy tsy namoa

12 Nony ampitso, raha niala tany Betania Izy, dia noana,

13 ary nahatazan-davitra aviavy iray mandravina Izy, dia nankao hizaha raha sendra misy voany; fa nony mby teo Izy, dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy ravina, satria tsy taom-pamoazan’ny aviavy tamin’izay.

14 Dia hoy Izy tamin’ny aviavy: «Aoka tsy hisy olona hihinana voa aminao intsony mandrakizay,» ary ren’ny mpianany izany.

Ireo mpivarotra tao an-Tempoly noroahina

15 Dia tonga tany Jerosalema izy ireo, ka nony niditra tao amin’ny Tempoly i Jesoa, dia nandroaka izay nivarotra sy nividy tao, ary nanjera ny latabatry ny mpampisambo-bola sy ny fipetrahan’ny mpivaro-boromahailala,

16 ary tsy navelany hisy olona mitondra entana hamaky ny Tempoly,

17 sady nampianatra Izy, nanao hoe: «Moa tsy voasoratra hoe:Ny tranoko dia hatao trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra?fa ianareo kosa efa nanao azy hozohy fieren’ny jiolahy.»

18 Nony nahare izany ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia nitady izay hahafaty Azy; saingy natahotra Azy izy ireo satria nigagan’ny vahoaka rehetra ny fampianarany.

19 Nony hariva ny andro dia niala tao an-tanàna Izy.

Ilay aviavy nanjary maina. Finoana sy vavaka

20 Ary ny ampitso maraina raha nandalo izy ireo, dia hitan’ny mpianany fa maina hatramin’ny fotony ilay aviavy.

21 Dia nahatsiahy i Piera ka nanao taminy hoe: «Raby ô, he! maina ilay aviavy nozoninao.»

22 Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: «Manàna finoana an’Andriamanitra.

23 Fa lazaiko marina aminareo fa na zovy na zovy hilaza amin’ity tendrombohitra ity hoe: ‹Mialà ianao eo, ka mianjera any an-dranomasina›, raha mino tsy amim-pisalasalana ao am-pony izy, fa ho tanteraka tokoa izay lazainy, dia ho hitany ny fahatanterahan’izany.

24 Koa amin’izany lazaiko aminareo, fa na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa ho azonareoizany, dia ho tanteraka tokoa izany.

25 Ary raha mitsangana hivavaka ianareo ka sendra manana alahelo amin’olona, dia mamelà azy, mba hamelan’ny Rainareo any an-danitra ny helokareo koa.

26 Fa raha tsy mamela ianareo, dia tsy havelan’ny Rainareo any an-danitra koa ny helokareo.»

Fanontanian’ny Jody momba ny fahefan’i Jesoa

27 Dia tonga tany Jerosalema indray izy ireo. Ary raha niasa dia, teo anatin’ny Tempoly i Jesoa, dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona,

28 ka nilaza taminy hoe: «Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome fahefana Anao hanao izany?»

29 Dia hoy i Jesoa taminy: «Mba hanontaniako zavatra iray loha koa àry ianareo, ka raha voavalinareo, dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao.

30 Avy aiza ny batemin’i Joany, avy any an-danitra sa avy amin’ny olona? Valio Aho.»

31 Dia nieritreritra izy ireo, ka nanao hoe: «Raha valiantsika hoe avy any an-danitra mantsy, dia hataony hoe: Nahoana àry no tsy ninoanareo?

32 Ary raha ataontsika hoe avy amin’ny olona kosa, ny vahoaka indray no atahorantsika; fa ataon’izy rehetra ho mpaminany marina tokoa i Joany.»

33 Dia izao no navaliny an’i Jesoa. «Tsy fantatray.» «Ary Izaho kosa, hoy i Jesoa taminy, tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao.»

Categories
Marka

Marka 12

Fanoharana amin’ireo mpiasa tanimboaloboka mpamono olona

1 Ary niteny tamin’izy ireo tamin’ny fanoharana Izy nanao hoe: «Nisy lehilahy anankiray namboly voaloboka, ka namefy azy manodidina, nandavaka tany hanaovana famiazana, nanorina tilikambo tao, ary nampanofa azy tamin’ny mpamboly voaloboka, dia lasa nankany an-tany hafa.

2 Nony tonga ny fotoana, dia naniraka ankizilahy anankiray ho any amin’ny mpamboly izy mba handray ny vokatry ny tanimboaloboka:

3 fa nosamborin’izy ireo ilay mpanompo, ka sady nokapohiny no nampodiny maina.

4 Dia naniraka ankizilahy anankiray hafa ho any aminy indray izy, fa io koa dia sady noratrainy ny lohany no nalany baràka.

5 Ary naniraka ankizilahy anankiray hafa koa izy, fa novonoiny; ary nisy maro hafa koa, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny.

6 Dia ny zanany lahy tokana malalany indrindra no sisa tao aminy, ka io no nirahiny tamin’ny farany, fa hoy izy: ‹Hanaja ny zanako izy›.

7 Kanjo ireto mpiasa nifampilaza hoe: ‹Inty ny mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lova.›

8 Dia nosamboriny izy ka novonoiny, ary natsipiny any ivelan’ny tanimboaloboka.

9 Inona àry no hataon’ny tompon’ny tanimboaloboka amin’izany? Ho avy izy, ka ny mpiasa haringany, ary ny tanimboalobony hafindrany amin’ny hafa.

10 Moa tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ny Soratra Masina hoe:

Ny vato narian’ny mpanao trano

no tonga vato fehizoro;

11 avy tamin’Andriamanitra izao

ka mahagaga eo imasontsika.»

12 Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, satria fantany fa izy ihany no lazainy amin’izany fanoharana izany, saingy natahotra ny vahoaka izy; koa nandao Azy, dia lasa.

Ny hetra ho an’i Sezara

13 Tamin’izay dia naniraka ny sasany tamin’ny Farisianina sy Herôdianina izy ireo mba hamandrika Azy amin’ny teniny,

14 ka nony tonga ireo dia nanao taminy hoe: «Ry Mpampianatra ô, fantatray fa marina ianao ka tsy mampaninona Anao ny olona, satria tsy mba mizaha tavan’olona ianao, fa mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina. Moa mety va sa tsia ny mandoa hetra ho an’i Sezara: handoa izahay sa tsy handoa?»

15 Fa fantatr’i Jesoa ny fihatsarambelatsihiny, ka hoy Izy taminy: «Nahoana ianareo no maka fanahy Ahy? Itondray denie iray Aho hozahako.»

16 Dia nitondrany iray Izy ka hoy Izy taminy: «Sarin’iza, sy anaran’iza io?» «An’i Sezara» hoy iretsy.

17 Dia hoy i Jesoa taminy: «Aloavy ho an’i Sezara àry izay an’i Sezara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.» Dia nigagan’izy ireo Izy.

Ny fitsanganan’ny maty

18 Dia ny Sadoseanina izay mandà ny fitsanganan’ny maty kosa indray no nankeo aminy ka nanontany Azy hoe:

19 «Ry Mpampianatra ô, izao no nosoratan’i Môizy ho antsika: ‹Raha misy lehilahy maty momba ka mbola velona ny vadiny, dia aoka ny rahalahiny no hampakatra ny vadiny mba hiteraka hamelo-maso azy?›

20 Ary nisy olona fito mirahalahy, ka nanambady aloha ny lahimatoa, dia maty momba.

21 Dia nanambady an-dravehivavy indray ny faharoa, fa maty momba koa izy; toraka izany koa ny fahatelo.

22 Ary samy nanambady azy izy fito, fa maty momba avokoa. Faran’izy rehetra dia maty koa ravehivavy.

23 Koa amin’ny fitsanganan’ny maty, rehefa tafatsangana izy ireo, iza no ho vadin-dravehivavy, fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy?»

24 Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: «Moa tsy diso hevitra va ianareo noho ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny fahefan’Andriamanitra?

25 Fa rehefa tafatsangana ny maty, dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony, fa ho tahaka ny Anjely any an-danitra izy.

26 Ary raha ny amin’ny fitsanganan’ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ao amin’ny bokin’i Môizy, amin’ilay misy ny voaroy, izay nilazan’Andriamanitra taminy hoe:Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, sy Andriamanitr’i Isaaka, ary Andriamanitr’i Jakôba?

27 Tsy Andriamanitry ny matyizy, fa an’ny velona. Koa diso lehibe loatra ianareo.»

Ny didy voalohany

28 Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nahare izany ady hevitra izany sy nahita ny namalian’i Jesoa azy tsara, ka mba rafitra nanatona Azy koa sy nanontany Azy hoe: «Inona no voalohany amin’ny didy rehetra?»

29 Ary i Jesoa namaly azy hoe: «Ny voalohany indrindra amin’izy rehetra dia ity:Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo tokana:

30 koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo, sy amin’ny fanahinao manontolo,sy amin’ny sainao manontolo,ary amin’ny herinao manontolo.Izany no didy voalohany.

31 Ary ity no faharoa mitovy aminy ihany koa:Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo.»

32 Dia hoy ilay mpanora-dalàna taminy: «Tsara izany, ry Mpampianatra, marina indrindra ny nilazanao fatokana Andriamanitra, ary tsy misy hafa afa-tsy Izy,

33 ka ny tia Azy amin’ny fo manontolo, sy amin’ny fanahy manontolo, ary amin’ny hery manontolo, ary ny tia namana tahaka ny tena, dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra sy ny fanatitra hafa rehetra.»

34 Nony hitan’i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: «Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao.» Ary hatramin’izay dia tsy nisy olona sahy nanontany Azy intsony.

I Kristy, Zanak’i Davida sady Tompony

35 Ary mbola nampianatra tao anatin’ny Tempoly i Jesoa, dia niteny nanao hoe: Ahoana no ilazan’ny mpanora-dalàna fa i Kristy dia zanak’i Davida?

36 Nefa i Davida ihany no nampilazain’ny Fanahy Masina hoe:

Ny Tompo nilaza tamin’ny Tompoko hoe:

Mipetraha eo ankavanako ianao

mandra-panaoko ny fahavalonao

ho fitoeran-tongotrao.

37 Koa raha antsoin’i Davida ho Tompony izy, ahoana no maha-Zanany Azy? Ary nihaino Azy an-kafaliana ny vahoaka be.

Ireo mpanora-dalàna tsarain’i Jesoa

38 Dia izao koa no nolazainy tamin’ny fampianarany: «Mahìna amin’ny mpanora-dalàna, izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba, sy ny arahabaina eny an-kianja,

39 ary ny fipetrahana voalohany ao amin’ny sinagoga, mbamin’ny fitoerana ambony amin’ny fanasana.

40 Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny, kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa».

Ny rakitr’ilay mpitondratena

41 Raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra i Jesoa, dia nijery ny fandatsaky ny olona tao, ary maro ny manankarena no nandatsaka be.

42 Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa, ka nandatsaka farantsa kely roaankevitry ny variroaventy avy.

43 Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe: «Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka indrindra tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra;

44 satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany, fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany.»

Categories
Marka

Marka 13

Toriteny momba ny farandro. Fanombohana

1 Nony nivoaka avy ao amin’ny Tempoly Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: «Ry Mpampianatra ô, jereo ange, endrey ireto vato sy izato rafitra!»

2 Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: «Hitanao va ireo rafitra lehibe ireo? Tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana.»

3 Ary nony nipetraka teo amin’ny tendrombohitra Oliva tandrifin’ny Tempoly Izy, dia nanontany Azy manokana i Piera sy i Jakôba sy i Joany ary i Andre nanao hoe:

4 «Lazao aminay rahoviana no ho tonga izany, ary inona no ho famantarana hahalalana fa efa ho tanteraka izany rehetra izany?»

Fanombohan’ny fijaliana

5 Ary izao no navalin’i Jesoa azy: «Tandremo fandrao hisy hamitaka anareo;

6 fa maro no ho avy, amin’ny Anarako hanao hoe: ‹Izaho no Izy›; ary maro no ho voafitany.

7 Ary raha mandre ady sy honohono hoe: hiady, ianareo, dia aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany, nefa tsy mbola izany no farany;

8 Fa hisy firenena hitsangana hiady amin’ny firenena, sy fanjakana hiady amin’ny fanjakana, ary hisy horohoron-tany amin’ny tany samihafa, sady hisy mosary. Izany no ho fiandohan’ny fahoriana.»

9 «Tandremo koa ny amin’ny tenanareo, fa hotorìna amin’ny mpitsara ianareo, sy hokapohina ao amin’ny sinagoga, ary hoentina eo anatrehan’ny mpifehy sy ny mpanjaka noho ny Amiko, mba ho vavolombeloko eo aminy.

10 Kanefa tsy maintsy hotorìna amin’ny firenena rehetra aloha ny Evanjely.

11 Ary rehefa entina hanatrika ny mpitsara ianareo, dia aza heverina mialoha izay holazainareo; fa izay hevitra homena anareo no lazao, satria tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina.

12 Amin’izany, ny rahalahy dia hanolotra ny rahalahiny hovonoina, ny ray hanolotra ny zanany lahy, ny zanaka hikomy amin-drainy aman-dreniny ka hamono azy;

13 ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.»

Fahoriana lehibe hanjò an’i Jerosalema

14 «Ary raha hitanareo eo amin’izay tsy tokony hisy azy ny fahavetavetan’ny fandravana (aoka hahafantatra izay mamaky ity), dia aoka izay any Jodea handositra any an-tendrombohitra;

15 aoka izay any ambony tafon-trano, tsy hidina ao an-tranony, na hiditra haka zavatra ao,

16 ary aoka izay any an-tsaha, tsy hiverina haka ny fitafiany.

17 Loza ny hanjò ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany!

18 Mivavaha mba tsy ho amin’ny ririnina izany,

19 fa amin’izany andro izanydia hisy fahoriana lehibe izay tsy mbola nisy toa azyhatramin’ny naharian’Andriamanitra ny zavatra rehetra ka mandraka ankehitriny, ary tsy hisy toy izany intsony.

20 Ary raha tsy nohafohezin’ny Tompo izany andro izany, dia tsy hisy olona ho voavonjy; fa nohafoheziny izany noho ny olom-pinidy izay nofidiny.

21 Amin’izany, raha misy milaza aminareo hoe: ‹Indro ato i Kristy, na indro arỳ Izy!› Aza mino ianareo;

22 fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho ary hanao famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-pinidy aza, raha azo atao izany.

23 Koa mitandrema ianareo, fa efa voalazako anareo rahateo izao ny zavatra rehetra.»

Ny hiavian’ny Zanak’olona

24 «Fa amin’izany andro izany, rehefa afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hihamaizina, ny volana tsy hazava intsony,

25 ny kintana any an-danitra hiraraka, ary ny herin’ny lanitra hihozongozona.

26 Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy, eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra.

27 Amin’izay Izy dia haniraka ny Anjely ary hanangona ny olom-pinidy avy amin’ny vazantany efatra, hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra.»

Ny fotoana hiaviany

28 «Alaovy ho fanoharana ny aviavy. Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa antomotra ny fahavaratra.

29 Toy izany koa, rehefa hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa efa antomotra mby eo am-baravarana Izy.

30 Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany.

31 Ho levona ny tany aman-danitra, fa ny teniko tsy mba ho levona.

32 Izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala, na ny Anjely any an-danitra, na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.»

Miambena mba tsy hotampohina

33 «Mitandrema, miambena ary mivavaha, fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny fotoana;

34 tahaka ny lehilahy iray nandeha hivahiny, ka nandao ny tranony, ary nanome fahefana ny mpanompony sy nanolo-draharaha hataony avy, dia nandidy ny mpiandry varavarana hiambina.

35 Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay hahatongavan’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho misasak’alina, na ho maneno akoho, na ho maraina,

36 fandrao tonga tampoka izy ka tratrany matory ianareo.

37 Ary izao lazaiko aminareo izao, dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa: Miambena.»

Categories
Marka

Marka 14

Tetika hamelezana an’i Jesoa

1 Rehefa indroa andro sisa ny Paka sy ny Azima, dia nitady hisambotra am-pitaka an’i Jesoa ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy;

2 nefa, hoy izy «tsy tokony ho amin’ny andro fety fandrao mitabataba ny vahoaka.»

Fanosorana tao Betania

3 Ary nony tany Betania tao an-tranon’i Simôna boka izy, dia nisy vehivavy anankiray niditra raha mbola nipetraka nihinana izy. Nitondra tavoara alabastrafeno diloilo manitra sarobidy natao tamin’ny salohin’ny narda ravehivavy, ary novakiny ny tavoara, dia naidiny tamin’ny lohan’i Jesoa ny menaka.

4 Maro tamin’izay teo no tezitra ka nifampilaza hoe: «Nahoana re no lanìna foana toy izao ity zava-manitra?

5 Denie telon-jato mahery iny raha namidy ka homena ny mahantra.» Dia nimonomonona tamin-dravehivavy izy ireo.

6 Fa hoy i Jesoa taminy: «Avelao izy; nahoana ianareo no manao ny mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko,

7 fa ny mahantra dia hisy eto aminareo mandrakariva, ka azonareo asian-tsoa araka izay tianareo, fa Izaho kosa tsy ho eto aminareo mandrakariva;

8 nanao izay azony natao izy; nohosorany rahateo ny Tenako ho fandevenana Ahy.

9 Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza hitoriana ity Evanjely ity amin’izao tontolo izao, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao ho fankalazana azy.»

Ny namadihan’i Jodasy

10 Ary i Jodasy IsKariota, ilay isan’izy roa ambin’ny folo lahy, dia nankany amin’ny lohandohan’ny mpisorona mba hanolotra Azy.

11 Faly ireo nony nandre izany, ka nanaiky hanome vola azy. Ary i Jodasy dia nitady izay fotoana mety hamadihany Azy.

Fanomanana ny sakafo Paka

12 Ary tamin’ny andro voalohan’ny Azima izay fanomanana ny Paka, dia nilaza tamin’i Jesoa ny mpianany nanao hoe: «Aiza no tianao halehanay hamboaranay ny hihinananao ny Paka?»

13 Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe: «Mankanesa any an-tanàna, ary hifanena amin’ny lehilahy iray mitondra siny feno rano ianareo, ka manaraha azy.

14 Dia lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe: ‹Izao no asain’ny Mpampianatra lazaina aminao: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paka amin’ny mpianatro?›

15 Dia hotoroany efitrano malalaka voavoatra tsara ianareo ka ao no anamboary ho antsika.»

16 Dia nandeha ny mpianany ka tonga tany an-tanàna, ary nahita araka izay nolazainy taminy sy nanamboatra ny Paka.

Ny nanambaràna ny hamadihan’i Jodasy

17 Nony hariva ny andro, dia tonga Izy sy ny roa ambin’ny folo lahy.

18 Ary raha nipetraka nihinana izy, dia hoy i Jesoa: «Lazaiko marina aminareo fa hamadika Ahy ny anankiray aminareo izay miara-mihinana amiko.»

19 Dia nalahelo izy ireo, ka samy nanontany Azy tsirairay hoe: «Izaho va izany?»

20 Ary hoy Izy taminy: «Ny anankiray aminareo roa ambin’ny folo lahy, izay miara-mandray amiko amin’ny tanany ao an-dovia.

21 Ny Zanak’olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy; nefa loza no hanjò an’izay hamadika Azy! Tsara ho an’izany lehilahy izany ny tsy teraka.»

Ny namoronana ny Eokaristia

22 Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo i Jesoa, ka nony efa notsofiny rano sy novakiny dia nomeny azy ireo, sy nataony hoe: «Raiso, Vatako ity.»

23 Raha efa izany dia nandray ny kalisy Izy, ka nony efa nisaotra, dia nomeny azy izany sy nisotroan’izy rehetra.

24 Ary nolazainy taminy hoe: «Rako ity, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay halatsaka ho an’ny maro.

25 Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-piavin’ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ny fanjakan’Andriamanitra.»

Ny nilazana mialoha, ny handavan’i Piera

26 Nony efa nanao hira fiderana izy ireo, dia nankany amin’ny tendrombohitra Oliva.

27 Ary hoy i Jesoa taminy: «Ho tafintohina noho ny amiko ianareo rehetra anio alina; fa efa voasoratra hoe:‹Hokapohina ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry›;

28 fa rehefa tafatsangana indray Aho, dia hialoha anareo any Galilea.»

29 Dia hoy i Piera taminy: «Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza izy rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina na oviana na oviana.»

30 Ary hoy i Jesoa taminy: «Lazaiko marina aminao fa anio alina ihany, raha mbola tsy maneno fanindroanyakory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao.»

31 Fa vao mainka niteny mafimafy kokoa izy nanao hoe: «Na dia hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handà Anao.» Ary nilaza toy izany koa izy rehetra.

Tao Getsemanỳ

32 Ary tonga tany amin’ny saha atao hoe Getsemanỳ izy ireo, dia hoy Izy tamin’ny mpianany: «Mipetraha eto ianareo mandra-pivàvako.»

33 Ary nentiny hiaraka aminy i Piera sy i Jakôba ary i Joany, dia nihoron-koditra sy ory indrindra Izy.

34 Ary hoy Izy taminy: «Ory ny fanahiko ka hila hahafaty Ahy; mijanòna eto ianareo, ary miareta tory.»

35 Dia nandroso kely Izy, ka niankohoka tamin’ny tany, ary nivavaka mba ho afaka amin’izany ora izany, raha azo atao,

36 nanao hoe: «Aba, Raiko, azonao atao ny zavatra rehetra, ka aoka tsy hikasika Ahy ity kapoaka ity; kanefa aoka tsy ny sitrapoko no ho tanteraka, fa ny Anao.»

37 Dia nankeo amin’ny mpianany Izy, ka nahita azy natory, ary nilaza tamin’i Piera hoe: «Ry Simôna, matory va ianao? Tsy nahari-tory ora iray akory va ianao?

38 Miambena ianareo, ary mivavaha, mba tsy ho latsaka amin’ny fakam-panahy. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.»

39 Dia lasa indray Izy nivavaka, ka ilay teny teo ihany no nataony.

40 Nony niverina indray Izy, dia nahita azy natory fa efa nilondolondo ny masony, ka tsy hitan’izy ireo izay havaly Azy.

41 Ary niverina fanintelony Izy, ka nanao taminy hoe: «Matoria amin’izao ianareo, ary mialà sasatra. – Aoka izay; tonga ny fotoana: indro hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona.

42 Mitsangàna ianareo, andeha isika: indro efa akaiky ilay hamadika Ahy.»

Ny nisamborana an’i Jesoa

43 Niaraka tamin’izay raha mbola niteny Izy, dia tamy i Jodasy IsKariota isan’izy roa ambin’ny folo lahy, mbamin’ny vahoaka be nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.

44 Izy ireo dia efa nomen’ilay mpamadika Azy famantarana toy izao: «Izay horohako no Izy, ka sambory, ary ento tsy amim-pisalasalana.»

45 Vantany vao tonga izy dia nanatona an’i Jesoa ka nanao hoe: «Arahaba, Raby,» dia nanoroka Azy izy.

46 Ary nosamborin’ireo Izy, dia nohazoniny.

47 Fa ny anankiray amin’izay teo aminy nanatsoaka sabatra, dia namely ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona, ka nahafaka ny sofiny an’ila.

48 Ary niteny i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Mova tsy ny hisambotra jiolahy no fiavinareo nitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy!

49 Teo aminareo isan’androAho, nampianatra teo amin’ny Tempoly, kanefa tsy nosamborinareo, fa izany no ahatanterahan’ny Soratra Masina,»

50 Dia nandao Azy ny mpianany rehetra fa lasa nandositra.

51 Ary nisy tovolahyanankiray nanaraka Azy, lamba fotsiny no teny an-kodiny, nosamborin’ireo koa;

52 dia nariany ny lambany, ka lasa nandositra niboridana izy.

I Jesoa eo anatrehan’ny Sanedrìna

53 Ary i Jesoa nentin’izy ireo ho any amin’ny lehiben’ny mpisorona izay nivorian’ny lohandohan’ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.

54 I Piera kosa nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany an-tokotanin’ny lehiben’ny mpisorona, dia niara-nipetraka tamin’ny mpanompo teo anilan’ny afo, sy namindro.

55 Tamin’izay ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpisaina rehetra dia nitady izay hiampangana an’i Jesoa hamonoany Azy, nefa tsy nahita;

56 fa maro no niampanga lainga Azy, nefa tsy nifanaraka ny fiampangany.

57 Nony inona dia nisy nitsangana niampanga lainga Azy nanao hoe:

58 «Renay Izy io nanao hoe: ‹Horavako ity tempoly nataon-tanana ity, dia hanangana hafa tsy nataon-tanana indray Aho amin’ny hateloana› »;

59 fa tsy nifanaraka ny fiampangany na dia tamin’izany aza.

60 Dia nitsangana teo afovoan’izy rehetra ny lehiben’ny mpisorona, ka nanontany an’i Jesoa hoe: «Nahoana no tsy valianao izany fiampangan’ireo Anao izany?»

61 Fa tsy niteny Izy, na namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny lehiben’ny mpisorona nanao hoe: «Ianao va no Kristy Zanak’Ilay isaorana?»

62 ka novalian’i Jesoa hoe: «Izaho no Izy; ary ho hitanareony Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’Ilay mahefa ny zavatra rehetra sy avy, eo ambonin’ny rahon’ny lanitra.»

63 Dia notriarin’ny lehiben’ny mpisorona ny fitafiany, ka hoy izy hoe: «Inona indray no ilantsika vavolombelona?

64 Efa renareo teo ny nitenenany ratsy an’Andriamanitra, ka ahoana no hevitrareo?» Dia nataon’izy rehetra fa mendrika ho faty Izy,

65 ka ny sasany nandrora Azy, dia nanarona ny Tavany, sy namely totohondry Azy ary nanao hoe: «Vinanio»; ny mpanompo avy no namely tehamaina Azy.

Ny fandavan’i Piera

66 Ary raha mbola teo ambany amin’ny tokotany i Piera, dia nankeo aminy ny anankiray tamin’ny ankizivavin’ny lehiben’ny mpisorona.

67 Nony nahita an’i Piera namindro izy, dia nijery azy, ka nanao taminy hoe: «Ianao koa naman’i Jesoa Nazareanina.»

68 Fa nolaviny hoe: «Tsy fantatro, ary tsy azoko akory izay lazainao.» Dia nivoaka nankany alatrano izy ary naneno ny akoho.

69 Fa nahita azy indray ilay ankizivavy, ka nilaza tamin’izay teo hoe: «Naman’ireny koa io lehilahy io,»

70 fa nandà indray izy. Nony afaka kelikely, dia hoy indray ny olona teo tamin’i Piera: «Naman’ireny tokoa ianao, fa Galileanina koa.»

71 Tamin’izay sady niozona izy no nianiana hoe: «Tsy fantatro akory izany Lehilahy antsoinareo izany.»

72 Niaraka tamin’izay dia naneno fanindroany ny akoho. Ary tsaroan’i Piera ilay teny nolazain’i Jesoa taminy hoe: «Tsy mbola haneno fanindroany akory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao»; ka dia nitomany izy.

Categories
Marka

Marka 15

I Jesoa teo anatrehan’i Pilaty

1 Raha vao maraina ny andro, ny lohandohan’ny mpisorona dia niara-nihevitra tamin’ny loholona sy ny mpanora-dalàna ary ny mpisaina rehetra, ka namatotra an’i Jesoa, dia nitondra Azy sy nanolotra Azy tamin’i Pilaty.

2 Ary i Pilaty nanontany Azy hoe: «Ianao va no mpanjakan’ny Jody?» Dia namaly Izy, ka nanao taminy hoe: «Voalazanao.»

3 Ary maro ny zavatra niampangan’ny lohandohan’ny mpisorona Azy,

4 ka nanontany Azy indray i Pilaty nanao hoe: «Tsy mamaly akory va ianao? He izato hamaroan’ny zavatra iampangany Anao!»

5 Fa tsy namaly intsony i Jesoa na dia kely aza, ka gaga i Pilaty.

6 Ary isaky ny fetin’ny Paka dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray, izay angatahin’ny vahoaka;

7 ka nisy kosa lehilahy iray atao hoe Barabasy niara-nifatotra tamin’ny mpikomy namany, satria nahafaty olona tamin’ny fikomiana.

8 Dia niakatra ny vahoakaka nangataka azy mba hanao araka izay fanaony aminy;

9 fa namaly i Pilaty hoe: «Tianareo va raha ny mpanjakan’ny Jody no alefako ho anareo?»

10 satria fantany fa fialonana no nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona Azy taminy.

11 Kanjo ny mpisorona namoky ny vahoaka fa aleo i Barabasy no halefany ho azy.

12 Ka hoy indray i Pilaty taminy: «Inona àry no tianareo hataoko amin’Ilay antsoinareo hoe mpanjakan’ny Jody?»

13 Dia niantso indray izy ireo nanao hoe: «Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.»

14 «Fa inona àry no ratsy nataony?» hoy i Pilaty taminy. Dia vao mainka niantso mafimafy kokoa izy ireo nanao hoe: «Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.»

15 Ary noho i Pilaty te-hahazo sitraka amin’ny vahoaka, dia nandefa an’i Barabasy ho azy izy, ary nampikapoka an’i Jesoa sy nanolotra Azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana.

Fehiloha tsilo

16 Dia nentin’ny miaramila i Jesoa ho ao amin’ny tokotany, izany hoe ao amin’ny fitsarana, sady novoriny ny miaramila namany.

17 Nony efa nampitafîny kapaoty jaky Izy; dia nosatrohany fehiloha tsilo izay norandraniny ny lohany.

18 Ary dia niarahaba Azy izy nanao hoe: «Arahaba, ry mpanjakan’ny Jody.»

19 Sady nikapoka volotara ny lohany sy nandrora Azy, ary nandohalika nitsaoka Azy.

20 Nony efa nolalaoviny toy izany Izy, dia noesoriny ny kapaoty jaky teny aminy, ka natafiny Azy indray ny fitafiany.

Lalan’ny Hazofijaliana

Nentiny hofantsihana amin’ny Hazofijaliana Izy.

21 Ary nisy lehilahy Sireneanina atao hoe Simôna, rain’i Aleksandra sy i Rofosa, nandalo avy any an-tsaha, dia noteren’izy ireo hilanja ny Hazofijaliany.

22 ary Izy dia nentiny tao amin’ny tany atao hoe Golgotà izay adika hoe Tanin’ny karan-doha.

Famantsihana amin’ny Hazofijaliana

23 Dia nomeny divay miharo mira Izy hosotroiny, fa tsy nety nisotro.

24 Nony voafantsika tamin’ny Hazofijaliana Izy, dia nozarainy ny akanjony, ka loka no nataony hahazoany izay ho anjarany avy.

25 Ary tamin’ny ora fahatelono namantsihana Azy tamin’ny Hazofijaliana.

26 Ny filazana ny anton’ny namonoana Azy dia voasoratra hoe: MPANJAKAN’NY JODY.

27 Ary nisy mpangalatra roa lahy niara-nofantsihany taminy tamin’ny hazofijaliana; ny anankiray teo ankavanany, ary ny iray teo ankaviany;

28 ka tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: «Natao isan’ny ratsy fanahy Izy.»

I Jesoa eo amin’ny Hazofijaliana esoina sy tevatevaina

29 Ary izay nandalo dia sady nanevateva Azy no nanakifikifi-doha nanao hoe: «Hia! ry Ilay mandrava ny Tempolin’Andriamanitra, sy manangana azy indray amin’ny hateloana ity!

30 Vonjeo ilay ity ny Tenan’Ialahy, ka mialà amin’ny Hazofijaliana!»

31 Ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia naneso Azy toy izany koa, fa izao no resany eo: «Ny sasany novonjeny, fa ny Tenany kosa tsy hainy vonjena.

32 Aoka i Kristy mpanjakan’i Israely hidina hiala amin’ny hazofijaliana amin’izao, mba ho hitantsika ka hinoantsika.» Dia ireo niara-nofantsihana taminy avy koa no naneso Azy.

Ny nahafatesan’i Jesoa

33 Nony tamin’ny enina, dia rakotra haizina ny tany rehetra hatramin’ny sivy;

34 ary tamin’ny sivy, dia niantso mafy i Jesoa nanao hoe: «Elôỳ, Elôỳ, lamà sabaktany?»izany hoe:«Ry Andriamanitro ô! Ry Andriamanitro ô! Nahoana no dia nilaozanao Aho?»

35 Nony nandre izany ny sasany tamin’izay teo, dia nanao hoe: «Indro miantso an’i Elia Izy.»

36 Dia nihazakazaka ny anankiray tamin’izy ireo, novontosany vinaingitra ny spônjy sy notohizany volotara, dia natohony Azy hotsentsefiny, ka hoy izy: «Aoka hoe hozahantsikaraha ho avy hanafaka Azy i Elia!»

37 Fa niantso mafy i Jesoa, dia niala aina.

38 Ary rovitra nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao amin’ny Tempoly.

39 Ilay kapiteny nitsangana teo tandrifin’i Jesoa, nony nahita fa niala aina tamim-piantsoana mafy toy izany Izy, dia nanao hoe: «Zanak’Andriamanitra tokoa io lehilahy io.»

Ireo vehivavy masina teo amin’ny Kalvery

40 Ary nisy vehivavy nijery teny lavidavitra teny koa: anisan’ireny i Maria Madelenina, sy i Maria renin’i Jakôba zandriny sy i Josefa, ary koa i Salôme,

41 izay nanaraka Azy sy nanompo Azy fony izy tany Galilea. Fanampin’ireo koa nisy vehivavy maro izay niara-niakatra taminy tany Jerosalema.

Ny nandevenana an’i Jesoa

42 Ary nony harivany andro, satria andro Fiomanana, izany hoe andro mialoha ny sabata.

43 dia tonga i Josefa avy any Arimatia, loholona malaza izay nanantena ny fanjakan’Andriamanitra koa. Sahy nanatona an’i Pilaty izy, nangataka ny vatan’i Jesoa.

44 Gaga i Pilaty noho Izy maty sahady, ka nampaka ilay kapiteny sy nanontany azy na efa maty ela Izy na tsia.

45 Nony reny ny filazan’ilay kapiteny, dia nomeny an’i Josefa ny faty.

46 Dia nividylamba i Josefa, ka nony efa nampidina ny maty dia namono lamba Azy, sy nandevina Azy tamin’ny fasana nolavahana tamin’ny vato, ary nanakodia ny vato tamin’ny varavaram-pasana.

47 Nojeren’i Maria Madelenina sy i Maria renin’i Josefa tsara izay nametrahany Azy.

Categories
Marka

Marka 16

Ny fasana foana sy ny hafatry ny Anjely

1 Ary rehefa afaka ny sabata, dia nividy zava-manitra i Maria Madelenina, sy i Maria renin’i Jakôba, ary i Salôme, mba handeha hanosotra ny vatan’i Jesoa.

2 Nony marainakoan’ny andro voalohanyamin’ny herinandro, dia nandeha izy, ka tonga teo amin’ny fasana, ilay vao miposaka iny ny masoandro.

3 Ary izy nifampilaza hoe: «Iza re no hasaintsika manakodia ny vato amin’ny varavaram-pasana e?»

4 Kanjo nony nitraka izy, dia tazany ny vato, fa lehibe dia lehibe, ka indro efa voakodia izy.

5 Nony niditra tao am-pasana izy, dia nahita tovolahy iray niakanjo fotsy nipetraka teo an-kavanam-pasana, ka taitra.

6 Fa hoy ilay zatovo taminy: «Aza matahotra ianareo; mitady an’i Jesoa Nazareanina ilay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana ianareo; efa nitsangan-ko velona Izy, ka tsy eto; teo no nametrahany Azy.

7 Fa mandehana lazao amin’ny mpianany sy amin’i Piera fa hialoha anareo any Galilea Izy, ka any no hahitanareo Azy araka ny efa voalazany taminareo.»

8 Dia nivoaka ny fasana izy ireo ka nandositra, fa sady toran-kovitra no raiki-tahotra, ary tsy nilaza na inona na inona tamin’ny olona izy noho ny tahony.

Ireo fisehoan’i Jesoa tafatsangan-ko velona

9 Rehefa nitsangan-ko velona i Jesoa ny marainakoan’ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia i Maria Madelenina, ilay namoahany demony fito, no nisehoany voalohany.

10 Ka lasa io nilaza izany tamin’ireo mpanaraka Azy, izay mbola nalahelo sy nitomany.

11 Nefa nony nandre izy ireo fa hoe velona indray Izy ka efa hitan-dravehivavy, dia tsy nino izany izy.

12 Manaraka izany i Jesoa dia niseho tamin’ny endrika hafa tamin’ny roalahy amin’izy ireo, izay nankany an-tsaha.

13 Dia lasa ireo nilaza tamin’ny namany; fa tsy ninoany koa.

14 Tamin’ny faranydia ny tenan’izy iraika ambin’ny folo lahy no nisehoany teo am-pihinanana indrindra, ka nomeny tsiny noho ny tsy finoany sy ny hamafin’ny fony, satria tsy nino izay nahita Azy tafatsangan-ko velona izy ireo.

15 Ary hoy Izy taminy; «Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra.

16 Izay hino ka hatao Batemy dia ho voavonjy; fa izay tsy hino dia hohelohina.

17 Ary izao no famantarana homba izay mino: Handroaka demony amin’ny Anarako izy, hiteny amin’ny fiteny tsy mbola hainy izy,

18 handray menarana izy, ary na misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny.»

19 Ary rehefa niteny tamin’izy ireo i Jesoa Tompo, dia nakarinaany an-danitra, ka mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.

20 Ary izy ireo kosa dia lasanitory hatraiza hatraiza, ka sady niara-niasa taminy ny Tompo no nankatò ny fampianarany tamin’ny fahagagana nomba azy.