Categories
Matio

Matio 1

Ireo razam-ben’i Jesoa

1 Filazana ny razan’i Jesoa-Kristy, Zanak’i Davida, zanak’i Abrahama:

2 i Abrahama niteraka an’i Isaaka;

i Isaaka niteraka an’i Jakôba;

i Jakôba niteraka an’i Jodà mirahalahy avy;

3 i Jodà niteraka an’i Faresa sy i Zarà tamin’i Tamara;

i Faresa niteraka an’i Esrôna;

i Esrôna niteraka an’i Arama;

4 i Arama niteraka an’i Aminadaba;

i Aminadaba niteraka an’i Naasôna;

i Naasôna niteraka an’i Salmôna;

5 i Salmôna niteraka an’i Booza tamin’i Rahaba;

i Booza niteraka an’i Obeda tamin’i Rota;

i Obeda niteraka an’i Jese;

i Jese niteraka an’i Davida mpanjaka.

6 I Davida mpanjaka niteraka an’i Salômôna tamin’ilay vadin’i Oria;

7 i Salômôna niteraka an’i Rôbôama;

i Rôbôama niteraka an’i Abiasa;

i Abiasa niteraka an’i Asà;

8 i Asà niteraka an’i Jôsafata;

i Jôsafata niteraka an’i Jôrama;

i Jôrama niteraka an’i Oziasa;

9 i Oziasa niteraka an’i Joatama;

i Joatama niteraka an’i Akaza;

i Akaza niteraka an’i Ezekiasa;

10 i Ezekiasa niteraka an’i Manase;

i Manase niteraka an’i Amôna;

i Amôna niteraka an’i Josiasa;

11 i Josiasa niteraka an’i Jekôniasa mirahalahy avy,

tamin’ny andro nifindrana tany Babilôna.

12 Ary rehefa nifindra tany Babilôna,

i Jekôniasa niteraka an’i Salatiela;

i Salatiela niteraka an’i Zôrôbabela;

13 i Zôrôbabela niteraka an’i Abioda;

i Abioda niteraka an’i Eliakima;

i Eliakima niteraka an’i Azôra;

14 i Azôra niteraka an’i Sadôka;

i Sadôka niteraka an’i Akima;

i Akima niteraka an’i Elioda;

15 i Elioda niteraka an’i Eleazara;

i Eleazara niteraka an’i Matàna;

i Matàna niteraka an’i Jakôba;

16 ary i Jakôba niteraka an’i Josefa vadin’i Maria

izay niteraka an’i Jesoa ilay atao hoe Kristy.

17 Koa ny taranaka rehetra hatramin’i Abrahama ka hatramin’i Davida, dia taranaka efatra ambin’ny folo; ary hatramin’i Davida ka hatramin’ny nifindrana tany Babilôna, dia taranaka efatra ambin’ny folo; ary hatramin’ny nifindrana tany Babilôna ka hatramin’i Kristy, dia taranaka efatra ambin’ny folo.

Rain’i Jesoa ara-panjakana i Josefa

18 Ary toy izao no nahaterahan’i Kristy: i Maria reniny dia efa fofom-badin’i Josefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo, dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy.

19 Ary i Josefa vadiny, noho izy lehilahy marina sady tsy ta hanala baràka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina.

20 Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy, ka nanao hoe: «Ry Josefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina,

21 ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny anarany hataonao hoe Jesoa, fa izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany.»

22 Ary izany rehetra izany no tonga, dia mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe:

23 Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Emanoela,izany hoe: «amintsika Andriamanitra.»

24 Ary rehefa nahatsiaro tamin’ny torimaso i Josefa, dia nanao araka izay nandidian’ny Anjely azy ka nampakatra ny vadiny,

25 ary tsy nahalala azy izy ambara-piteranyny Zanany lahimatoa, ary nataony hoe Jesoa no anarany.

Categories
Matio

Matio 2

Famangian’ny Majy

1 Ary rehefa teraka tao Betlehema any Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, indreo nisy Majy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema

2 nanao hoe: «Aiza ilay Mpanjakan’ny Jody vao teraka? fa efa nahita ny kintany tany atsinanana izahay ka nankatỳ mba hitsaoka Azy.»

3 Raha nahare izany i Herôda mpanjaka, dia taitra izy mbamin’i Jerosalema rehetra,

4 ka namory ny lohan’ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka izy, ary nanontany azy hoe: «Aiza no hahaterahan’i Kristy?»

5 Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema any Jodea, fa izao no voasoratry ny mpaminany:

6 Ary ianao, ry Betlehema tanin’i Jodà, tsy ianao no kely indrindra amin’ny renivohitr’i Jodà, fa avy ao aminao no hivoahan’ilay Mpanapaka izay hifehy an’i Israely oloko.

7 Dia nalain’i Herôda mangingina ny Majy, ka nohadihadiny fatratra ny andro nisehoan’ny kintana taminy.

8 Ary naniraka azy ho any Betlehema izy nanao hoe: «Andeha ka fotopotory tsara ny amin’ilay Zaza; ary rehefa hitanareo, dia ilazao aho mba hankanesako any koa hitsaoka Azy.»

9 Ary rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo, dia lasa.

10 Faly dia faly izy nony nahita ny kintana.

11 ary rehefa tafiditra tao an-tranoizy, dia nahita ny Zazakely sy i Maria reniny, ka niankohoka nitsaoka Azy; ary nony efa nosokafany ny fitoeran-drakiny, dia nanolotra fanatitra ho Azy izy, dia volamena sy emboka manitra ary mira.

Ary indro ilay kintana hitany tany atsinanana, dia nialoha azy ambara-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zaza.

12 Ary rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin’i Herôda, dia lalan-kafa no nalehany nody ho any amin’ny fonenany.

Ny nandosirana tany Ejipta sy ny namonoana ny zaza tsy manan-tsiny

13 Nony lasa ireo, indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Josefa tamin’ny nofy ka nanao hoe: «Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, ary mandosira any Ejipta dia mitoera any, ambara-pilazako aminao indray; fa i Herôda efa hitady ny Zazakely hovonoiny.»

14 Mbola alina dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny reniny, ka lasa nankany Ejipta.

15 Ary dia nitoetra tany izy ambara-pahafatin’i Herôda, mba ho tanteraka ny tenin’ny Tompo voalazan’ny mpaminany hoe:

«Nantsoiko hiala tany Ejipta ny Zanako»

16 Ary nony efa hitan’i Herôda fa voafitaky ny Majy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazakely rehetratao Betlehema sy tamin’ny tany manodidina, hatramin’ny roa taona no ho midina, araka ny andro nofotopotorany tamin’ny Majy.

17 Dia tanteraka tamin’izay ny tenin’i Jeremia mpaminany manao hoe:

18 «Nisy feo re tao Ramà, dia fitomaniana sy fidradradradràna mafy: i Rasela nitomany ny zanany, ka tsy azo nampiononina, fa tsy eo intsony ireny.»

Ny niverenana avy any Ejipta sy ny niorenana tao Nazareta

19 Rehefa maty i Herôda, indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Josefa tany Ejipta tamin’ny nofy

20 ka nanao hoe: «Mifohaza ianao, ento ny Zazakely sy ny reniny ka modia any amin’ny tanin’i Israely, fa efa maty izay nitady ny ain’ny Zazakely.»

21 Dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny reniny ka tonga tany amin’ny tanin’i Israely.

22 Nony reny anefa fa i Arkelaosy no nanjaka tany Jodea nandimby an’i Herôda rainy, dia natahotra hankany izy, ka nankany Galilea nony efa nilazan’Andriamanitra tamin’ny nofy.

23 Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin’ny tanàna atao hoe Nazareta, mba ho tanteraka ilay tenin’ny mpaminany hoe:«Fa hatao hoe Nazareanina izy.»

Categories
Matio

Matio 3

Toritenin’i Joany Batista

1 Ary tamin’izany andro izany, dia niseho i Joany Batista, nitory teny tany an’efitr’i Jodea

2 nanao hoe: «Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.»

3 Izy no ilay voalazan’i Izaia mpaminany hoe:

«Re ny feon’ilay miantso any an’efitra hoe: Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany.»

4 Akanjo volon-drameva no fitafian’io Joany io, fehikibo hoditra no nanaovany, ary valala sy tantely remby no hanina fihinany.

5 Ary nankany aminy daholo i Jerosalema sy i Jodea rehetra mbamin’ny tany manodidina an’i Jordany;

6 ka nony efa niaiky ny fahotany izy ireo, dia nataony batemy tao amin’ny ony Jordany.

7 Ary raha nahita ny Farisianina sy ny Sadoseaninabetsaka nanatona ny bateminy izy, dia hoy izy taminy: «Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?

8 Koa manaova àry asa fibebahana mendrika tsara,

9 ary aza manao anakampo hoe: ‹Manana an’i Abrahama ho rainay izahay›; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangona zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto.

10 Efa ao am-poto-kazo sahady ny famaky: koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina, ka hatsipy any anaty afo.

11 Izaho dia manao batemy anareo amin’ny rano, ho amin’ny fibebahana; fa Ilay ho avy aoriako no mahery kokoa noho izaho, ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho; Izy no hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;

12 eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny tsara ny famoloana, ka ny variny hangoniny any an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty.»

Ny nanaovana batemy an’i Jesoa

13 Ary tamin’izany, dia tonga avy tany Galilea i Jesoa ka nanatona an’i Joany teo amoron’i Jordany mba hataony batemy;

14 fa nandà i Joany nanao hoe: «Izaho no tokony hataonao batemy, ka Ianao indray va no mankaty amiko?»

15 Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Ekeo izao, fa izao no mety hahatanterahantsika ny fahamarinana rehetra.» Dia nanaiky izy.

16 Nony vita batemy i Jesoa, dia niala avy teo anaty rano niaraka tamin’izay. ary indro nisokatra taminy ny lanitra, ka hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromahailala nankeo amboniny.

17 Dia injay nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: «Inty ny Zanako malalako izay ankasitrahiko indrindra.»

Categories
Matio

Matio 4

Fakam-panahy tany an’efitra

1 Ary tamin’izay dia nentin’ny Fanahy nankany an’efitra i Jesoa, mba halain’ny devoly fanahy;

2 ary nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina Izy, ka noana nony afaka izany.

3 Dia nanatona ny mpaka fanahy, ka nanao taminy hoe: «Raha Zanak’Andriamanitra ianao, asaovy tonga mofo ireto vato ireto.»

4 Fa namaly Izy ka nanao hoe: «Efa voasoratra hoe:‹Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.›»

5 Tamin’izay dia nitondra azy nankany amin’ny tanàna masina ny devoly ka nametraka Azy teo an-tampon’ny Tempoly,

6 dia nanao taminy hoe: «Raha Zanak’Andriamanitra ianao, mianjerà any ambany any, fa efa voasoratra hoe: ‹Ny Anjeliny no nametrahany Anao, ary izy ireo hitondra Anao eo an-tanany, fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.› »

7 Fa hoy i Jesoa taminy: «Efa voasoratra koa fa: ‹Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao ianao.› »

8 Dia nentin’ny devoly nankany ambonin’ny tendrombohitra avo dia avo indray izy, ka nasehony Azyny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny,

9 ary hoy izy taminy: «Homeko anao izao rehetra izao, raha miankohoka hivavaka amiko Ianao.»

10 Fa izao no navalin’i Jesoa azy: «Mandehana, ry Satana, fa efa voasoratra hoe:

Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao

ary Izy irery ihany no hotompoinao.»

11 Tamin’izay dia nandao Azy ny devoly, ary indreo nisy Anjely tonga teo aminy ka nanompo Azy.

Ny niverenana tany Galilea

12 Ary nony ren’i Jesoa fa natao an-tranomaizina i Joany, dia lasa izy nankany Galilea;

13 ka nony niala tany Nazareta dia tonga tao Kafarnaoma, tanàna amoron-dranomasina ao amin’ny sisin-tanin’i Zabolôna sy i Neftalì ka nonina tao,

14 mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia mpaminany hoe:

15 «Ny tanin’i Zabolôna sy ny tanin’i Neftalì, ny lalana ao amoron-dranomasina, any an-dafin’i Jordany, i Galilean’ny Jentily:

16 ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava.»

17 Hatramin’izay dia nanomboka nitory teny i Jesoa ka nanao hoe: «Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.»

Ny niantsoana ny mpianatra efatra voalohany

18 Ary raha nitsangantsangana teny amoron-dranomasin’i Galilea i Jesoa, nahita olona mirahalahy, dia i Simôna ilay atao hoe Piera sy i Andre rahalahiny, nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo.

19 Dia hoy izy taminy: «Avia hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.»

20 Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo, ka nanaraka Azy.

21 Dia mbola nandroso ihany Izy, ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny izay teo an-tsambo niaraka tamin’i Zebede rainy, nanamboatra ny haratony; ary nantsoiny izy mirahalahy.

22 Nandao ny haratony sy ny rainy niaraka tamin’izay izy ireo, ka nanaraka Azy.

I Jesoa mampianatra sy manasitrana

23 Ary i Jesoa nitety an’i Galilea manontolo, nampianatra tao amin’ny sinagogan’ny olona, sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.

24 Dia niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina sy ny fijaliana samihafa, dia ny mararin-javatra, ny mararin’ny androbe, ny malemy, ka nositraniny ireny.

25 Ary be ny vahoaka avy tany Galilea sy i Dekapôly sy Jerosalema sy Jodea, ary avy tany an-dafin’i Jordany no nanaraka Azy.

Categories
Matio

Matio 5

Ireo foto-kasambarana

1 Ary nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra, ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany,

2 ka niloa-bava Izy nampianatra azy, nanao hoe:

3 «Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.

4 Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.

5 Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo.

6 Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy.

7 Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy.

8 Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy.

9 Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy.

10 Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra.

11 Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny Amiko;

12 mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.»

Fanasin’ny tany sy fahazavan’izao tontolo izao

13 Ianareo no fanasin’ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, hatao ahoana no fanasina azy indray? Tsy ho azo atao inona intsony izy, fa dia hariana any alatrano hohitsahin’ny olona.

14 Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao: tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra,

15 ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano.

16 Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.

Fanarahana ny Lalàna

17 Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna, na ny Mpaminany; tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.

18 Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia i irayna tendrin-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra.

19 Koa amin’izany, izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo, ka hampianatra ny olona toy izany, dia ho kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa dia ho lehibe amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Fahamarinana vaovao ambony noho ny fahamarinana taloha

20 Fa lazaiko aminareo, fa raha tsy lehibenoho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory ianareo.

21 Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe:Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana.

22 Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana; ary izay hanao aminy hoe Raka, dia hohelohina amin’ny Sanedrìna; ary izay hanao azy hoe Foka dia hohelohina any amin’ny gehen’afo.

23 Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao, ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao,

24 dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao, ka mandehana mihavana amin’ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray.

25 Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao, dieny samy mbola eo an-dalana ianareo, fandrao atolotr’izay manana ady aminao amin’ny mpitsara ianao, ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin’ny mpamatotra, ka hatao an-tranomaizina ianao.

26 Lazaiko aminao marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany.

27 Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe.Aza mijangajanga

28 Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.

29 Koa raha ny masonao ankavanana no manafintohinaanao, dia esory izy ka ario lavitra anao, fa aleo zavatra iray amin’ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.

30 Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho ka ario lavitra anao, fa aleo rantsam-batana iray amin’ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.

31 Ary koa efa voalaza hoe:Na iza na iza hisaotra ny vadiny, dia aoka hanome azy ny taratasy fisaorana.

32 Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misao-bady, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mampijangajanga azy; ary izay hanambady ny voasaotra dia mijangajanga.

33 Ary efa renareo koa fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe:Aza mianiana tsy to, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao.

34 Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory,na amin’ny lanitra, fa seza fiandrianan’Andriamanitra izy;

35 na amin’ny tany, fa fandiavan’ny tongony izy; na amin’i Jerosalema, fa tanànan’ny Mpanjaka lehibe izy;

36 na amin’ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao.

37 Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay ratsy.

38 Efa renareo fa voalaza hoe:Maso efai-maso, nify efai-nify.

39 Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsyakory; fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana, dia atolory azy koa ny ilany;

40 ary raha misy te hiady aminao mba hahazahoany ny akanjonao, dia afoizo ho azy koa ny lambanao;

41 ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana, miaraha aminy roa arivo.

42 Omeo izay mangataka aminao, ary aza ilaoza-mihataka izay te hisambotra aminao.

43 Efa renareo fa voalaza hoe:Ho tia ny namanao ianao ary hankahala ny fahavalonao.

44 Fa Izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo;

45 mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo, dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary mandatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.

46 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valisoa ho azonareo? Moa va na dia ny Poblikaninaaza tsy manao izany koa?

47 Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no mihoatra amin’ny ataonareo? Moa na dia ny Jentily aza tsy mba manao izany ihany koa?

48 Koa aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra.

Categories
Matio

Matio 6

Manao fiantrana, fa miafina

1 Tandremo sao ataonareo eo imason’ny olona ny asa soa hataonareo mba hahitany azy; fa raha izany, dia tsy hahita valisoa amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo.

2 Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao, dia aza mitsoka trômpetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny sinagoga sy eny an-dalam-be, mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.

3 Fa raha manao fiantrana ianao, aoka ny tananao havia tsy hahalala izay ataon’ny havanana.

4 mba hiafina ny fiantrana ataonao, ary ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.

Mivavaka ao amin’ny mangingina

5 Ary raha mivavaka ianareo, aza mba manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin’ny sinagoga sy eny an-joron-dalana, mba hahitan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.

6 Fa ianao kosa raha hivavaka, diamidira ao amin’ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavarana dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina, ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao.

Ny tena mivavaka. Ny Pater, Rainay.

7 Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba maro teny tahaka ny Jentily, fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy,

8 Koa aza manahaka azy ianareo, fa na mbola tsy mangataka aminy aza ianareo, fantatry ny Rainareo izay ilainareo.

9 Koa mivavaha toy izao ianareo:

Rainay any an-danitra,

hohamasinina anie ny Anaranao,

10 ho tonga anie ny fanjakanao,

ho tanteraka anie ny sitraponao:

etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.

11 Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay;

12 avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay;

13 ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay,

fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen.

14 Fa raha mamela ny hadisoan’ny olona ianareo, dia havelan’ny Rainareo any an-danitra koa;

15 fa raha tsy mamela ny hadisoan’ny olona kosa ianareo, dia tsy havelan’ny Rainareo koa ny hadisoanareo.

Mifady hanina ao amin’ny mangingina

16 Ary raha mifady hanina ianareo, dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy, izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan’ny olona fa mifady izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.

17 Fa ianao kosa raha mifady hanina, dia hosory zava-manitra ny lohanao, ary sasao ny tavanao,

18 mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina, fa ny Rainao izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly soa anao.

Ny tena harena

19 Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany izay misy harafesina sy kalalao manimba, ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra;

20 fa miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy harafesina na kalalao manimba, sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra.

21 Fa izay itoeran’ny harenao no itoeran’ny fonao koa.

Ny maso no jiron’ny tena

22 Ny maso no jiron’ny tena: raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra;

23 fa raha ratsy kosa ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra, ka raha zary maizina àry ny fahazavana izay eo amin’ny tenanao, fahamaizinana manao ahoana izany!

Andriamanitra sy ny vola

24 Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho hàlany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombàny, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo.

Miantehitra amin’Andriamanitra Mpitsimbina

25 Noho izany, izao no ataoko aminareo: Aza manahy foana ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy ny aina no ambony noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana?

26 Jereo ny voromanidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsompitra ireny, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy; ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?

27 Ary iza aminareo, na dia manahy aza, no mahay manalava ny tenanyna dia iray hakiho ihany aza?

28 Ary ahoana no anahianareo ny amin’ny fitafiana? Zahao ny fanirin’ny lisy any an-tsaha, fa tsy mba miasa, na mamoly ireny;

29 kanefa lazaiko aminareo, fa na dia i Salômôna tao amin’ny voninahiny rehetra aza, dia tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’izy ireny.

30 Ka raha toy izany no fanàfin’Andriamanitra ny ahitra any an-tsaha, izay eny anio nefa hatsipy any am-patana rahampitso, tsy mihoatra noho izany va no hataony aminareo, ry kely finoana?

31 Noho izany, aza manahy ianareo manao hoe: Inona no hohaninay, na inona no hosotroinay, na inona no hotafinay?

32 Fa ny Jentily no mikatsaka izany rehetra izany ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany.

33 Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.

34 Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy, ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy.

Categories
Matio

Matio 7

Tsy mitsara

1 Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo;

2 fa araka ny fitsarana hataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa.

3 Ary nahoana ianao no mahita ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa tsy mahita ny sakamandimby izay eo amin’ny masonao?

4 Ary ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe: Avelao hoesoriko ny tapak’ahitra amin’ny masonao, nefa indro fa misy sakamandimby eo amin’ny anao?

5 Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby izay ao amin’ny masonao, ary raha efa izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao.

Tsy manazimba ny zavatra masina

6 Aza omena ny alikany zava-masina, ary aza atsipy amin’ny kisoa ny voahanginareo, sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy.

Mandaitra ny fivavahana

7 Mangataha dia homena ianareo, mitadiava dia hahita, dony dia hovohana;

8 fa izay rehetra mangataka no mahazo, izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no hovohana.

9 Ary iza aminareo no hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny;

10 na hanome bibilava azy, raha hazandrano no angatahiny?

11 Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va fa ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa an’izay mangataka aminy?

Fitsipika volamena

12 Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany.

Ny lalana roa

13 Midira amin’ny vavahady ety, fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no mahazo any;

14 fa tery kosa ny vavahady, ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy!

Ireo mpaminany sandoka

15 Tandremo ny mpaminany sandoka, izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha;

16 ny voanyno hahafantaranareo azy. Moa mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na voan’aviavy amin’ny hery?

17 Toy izany ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy.

18 Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara.

19 Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara, hokapaina ka hatsipy ao anaty afo:

20 ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.

Ny tena mpianatra

21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra.

22 Amin’izany andro izany, maro no hanao amiko hoe: Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin’ny Anaranao va izahay, ary moa tsy nandroaka demony tamin’ny Anaranao va izahay?

23 Ary amin’izany dia holazaiko miharihary aminy hoe: Tsy fantatro akory ianareo na oviana na oviana;mialà amiko ianareo mpanao ratsy.

24 Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy;

25 ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy.

26 Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika;

27 ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavàny.

Gaga ny vahoaka

28 Ary nony efa vitan’i Jesoa izany teny izany, dia gaga ny vahoaka tamin’ny fampianarany,

29 satria nampianatra toy ny manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy sy ny Farisianina.

Categories
Matio

Matio 8

Ny nanasitranana ilay boka

1 Rehefa nidina avy tany an-tendrombohitra Izy, dia narahin’ny vahoaka betsaka.

2 Ary indro nisy lehilahy boka anankiray nanatona, dia nitsaoka Azy ka nanao hoe: «Tompo ô, raha mety Ianao, dia mahay manadio ahy.»

3 Ary i Jesoa naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: «Mety Aho, madiova ianao.» Dia afaka niaraka tamin’izay ny habokany.

4 Ary hoy i Jesoa taminy: «Tandremo, aza milaza na amin’iza na amin’iza, fa mandehana miseho amin’ny mpisorona, ary atolory ny fanatitra didian’i Môizy haterina mba ho vavolombelon’ny fahasitrananao.»

Ny nanasitranana ny mpanompon’ilay mpifehy zato

5 Ary rehefa niditra tao Kafarnaoma Izy, dia nisy kapiteny anankiray nanatona Azy ka nihanta taminy.

6 nanao hoe: «Tompo ô marary malemy mandry any an-trano ny ankizilahiko, sady mijaly mafy dia mafy.»

7 Hoy i Jesoa taminy: «Ho avy hanasitrana azy Aho.»

8 Fa namaly ilay kapiteny nanao hoe: «Tompoko, tsy mba mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho, fa manonòna teny iray ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.

9 Fa na dia olom-pehezina aza aho, mba mifehy miaramila ihany koa, ka raha lazaiko amin’ny iray hoe: Andeha ianao, dia mandeha izy; ary amin’ny anankiray: Avia ianao, dia avy izy; ary amin’ny ankiziko: Ataovy izao, dia manao izy.»

10 Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka hoy izy tamin’izay nanaraka Azy: «Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany aho tamin’i Israely.

11 Ary izany koa no ilazako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-mihinana amin’ny fihinanam-be miaraka amin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba any amin’ny fanjakan’ny lanitra,

12 fa ny zanaky ny fanjakanakosa dia hariana any amin’ny maizina any ivelany; any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.»

13 Ary hoy i Jesoa tamin’ilay kapiteny: «Mandehana, ary aoka ho tanteraka aminao araka izay ninoanao.» Dia sitrana tamin’izany ora izany ilay ankiziny.

Ny nanasitranana ny rafozam-bavin’i Piera

14 Ary nony tonga tao an-tranon’i Piera i Jesoa, dia nahita ny rafozambavin’i Piera nandry fa nararin’ny tazo,

15 dia notendreny ny tanany, ka niala ny tazo, ary nitsangana nandroso sakafo ho azy ireo izy.

Fanasitranana maro

16 Ary nony hariva ny andro, dia maro ny azon’ny demony nentina teo aminy, ka teny indraimbava no nandroahany ny fanahy ratsy, ary nositraniny avokoa izay rehetra narary,

17 mba ho tanteraka ilay tenin’i Izaia mpaminany hoe:

«Izy naka ny rofintsika, sy nitondra ny aretintsika.»

Ny zavatra takina amin’izay voaantso ho Apôstôly

18 Nony hitan’i Jesoa ny hamaroan’ny olona nanodidina Azy, dia nasainy nampitaina eny an-dafin-drano izy.

19 Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona nilaza taminy hoe: «Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho na aiza na aiza halehanao.»

20 Ary hoy i Jesoa taminy: «Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany, fa ny Zanak’olonatsy mba manana izay hampandriany ny lohany.»

21 Ary ny anankiray tamin’ny mpianany koa nilaza taminy hoe: «Tompoko, avelao aho aloha handeha handevina ny raiko»;

22 fa hoy i Jesoa taminy: «Manaraha Ahy, fa avelao ny matyhandevina ny maty ao aminy.»

Ny nampitoniana ny rivo-doza

23 Ary niondrana tamin’ny sambo kely Izy ka narahin’ny mpianany.

24 Dia indro nisy tafio-drivotra mafy tamin’ny ranomasina, ka efa safotry ny onjan-drano ny sambo kely, ary Izy anefa natory.

25 Dia nanatona Azy ny mpianany, ka namoha Azy nanao hoe: «Tompoko, vonjeo izahay fa maty.»

26 Ary hoy i Jesoa taminy: «Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?» Dia niarina izy, nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro.

27 Ary gaga ny olona, ka nanao hoe: «Iza io Lehilahy io no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina?»

Ireo azon’ny demony tao Gerasena

28 Nony efa tonga teny am-pita tamin’ny tanin’ny Gerasena Izy, dia nisy lehilahy roa nidiran’ny demony, nivoaka avy tamin’ny fasana, ka namantana taminy; masiaka loatra izy ireo, ka tsy nisy sahy nihazo izany lalana izany.

29 Ary indreo izy niantso hoe: «Mifampaninona izahay sy Ianao, ry Jesoa zanak’Andriamanitra? Hampijaly anay alohan’ny fotoana va no nalehanao atỳ?»

30 Ary nisy kisoa betsaka iray dia, nihinana teny lavidavitra azy teny,

31 ka nihanta tamin’i Jesoa ny demony nanao hoe: «Raha dia roahinao hiala eto àry izahay, mba alefaso ho amin’iretsy andian-kisoa iretsy.»

32 Ary hoy Izy taminy: «Mandehana.» Dia nivoaka ireo, ka niditra tamin’ny kisoa; niaraka tamin’izay, nirifatra nivarina any anaty ranomasina ny kisoa rehetra, ka maty tany anaty rano.

33 Ary nandositra ny mpiandry azy: ka nony tonga tany an-tanàna, dia nilaza izany rehetra izany, sy ny amin’ireo olona roa nidiran’ny demony.

34 Dia indreny ny mponina rehetra tao an-tanàna nivoaka nitsena an’i Jesoa, ka nony nahita Azy, dia niangavy taminy mba hiala amin’ny faritaniny.

Categories
Matio

Matio 9

Ny nanasitranana ilay malemy

1 Ary niondrana tamin’ny sambo kely Izy, dia nita ka tonga tao an-tanànany.

2 Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy nandry tamin’ny fandriany nentin’ny olona teo aminy. Nony nahita ny finoan’ireo i Jesoa, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: «Matokia, anaka, fa voavela ny helokao.»

3 Tamin’izay ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna nanao anakampo hoe: «Miteny ratsy an’Andriamanitra Ilay io.»

4 Fa i Jesoa nahalala ny eritreriny ka nanao hoe: «Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?

5 Inona no moramora kokoa, ny manao hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?

6 Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’olona manam-pahefana etỳ an-tany hamela heloka, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: Mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.»

7 Dia nitsangana izy ka nody tany an-tranony.

8 Nony nahita izany ny vahoaka, dia natahotra sy nankalaza an’Andriamanitra noho Izy nanome ny olona fahefana toy izany.

Ny niantsoana an’i Matio

9 Ary nony niala teo i Jesoa dia nahita lehilahy anankiray atao hoe Matio, nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy: «Andeha hanaraka Ahy ianao.» Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.

Nisakafo niaraka amin’ny mpanota

10 Ary raha nisakafo tao an-tranon’i Matio i Jesoa, dia nisy poblikanina sy mpanota betsaka tonga niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany.

11 Ka nony nahita izany ny Farisianina, dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: «Nahoana ity Mpampianatrareo no miara-mihinana amin’ny poblikanina sy ny mpanota?»

12 Fa hoy i Jesoa nandre izany: «Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.

13 Mandehana àry ianareo, ka fantaro ny hevitr’izao teny izao: Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.»

Ady hevitra momba ny fifadian-kanina

14 Tamin’izay, dia nankao aminy ny mpianatr’i Joany, ka nanao hoe: «Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?»

15 Ary hoy i Jesoa taminy: «Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatraraha mbola eo aminy ny mpampakatra? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin’izay vao hifady hanina izy.

16 Ary tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao, fa handrovitra ny tonta ny vao ka hitatra ny rovitra.

17 Ary ny barìka hoditra tonta tsy mba fasiana divay vaovao; fa raha izany, dia ho vaky ny barìka, ka ny divay raraka, ary ny barìka simba; fa ny barìka hoditra vaovao no fasiana divay vaovao, dia samy maharitra izy roroa.»

Ny nanasitranana ilay vehivavy nitsi-dra sy ny namelomana ny zanakavavin’i Jaira

18 Raha mbola niteny izany tamin’ireo Izy, dia indro nisy lehiben’ny sinagoga anankiray niditra nanatona sy nitsaoka Azy, ka nanao hoe: «Tompoko, maty vao izao ny zanako vavy, ka andeha re hametraka ny tananao aminy, dia ho velona izy.»

19 Dia nitsangana i Jesoa, ka nandeha nanaraka azy Izy mbamin’ny mpianany.

20 Ary indro nisy vehivavy nitsi-dra nandritra ny roa ambin’ny folo taona, nanatona Azy avy eo ivohony, ka nanendry ny morontongotr’akanjony;

21 fa hoy izy anakampony: «Na dia ny akanjony ihany aza no ho voakasiko, dia ho sitrana aho.»

22 Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy, dia nanao hoe: «Matokia, anaka, ny finoanao no nahasitrana anao.» Hatramin’izay dia sitrana ravehivavy.

23 Nony tonga tany an-tranon’ilay lehibe i Jesoa, ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny olona maro nitabataba, dia nanao hoe:

24 «Mialà ianareo, fa tsy maty akory razazavavy, fa matory.» Dia nihomehezan’ireo izy.

25 Ary rehefa navoaka ny olona, dia niditra izy, ka nandray ny tanan’ilay zazavavy, dia nitsangana io.

26 Ary niely tamin’izany tany rehetra izany ny lazan’izany.

Ny nanasitranana ireo jamba roa lahy

27 Ary nony niala teo i Jesoa, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy, sady niantso mafy nanao hoe: «Ry Zanak’i Davida ô! mamindrà fo aminay.»

28 Nony tonga tany an-trano Izy, dia nanatona Azy ireto jamba, ary hoy i Jesoa taminy: «Moa mino ianareo fa mahay manao izany Aho?». «Eny, Tompoko» hoy ireo taminy.

29 Dia notendreny ny masony, ka hoy izy: «Aoka ho tanteraka aminareo araka ny finoanareo.»

30 Dia nihiratra ny masony, ary i Jesoa nandrara azy mafy hoe: «Tandremo sao ren’olona izao.»

31 Kanjo nony nandeha ireo, dia nampiely ny lazany tamin’izany tany rehetra izany.

Ny nanasitranana ilay moana azon’ny demony

32 Nony lasa ireo, dia indro nentin’ny olona teo amin’i Jesoa indray ity lehilahy anankiray sady moana no azon’ny demony.

33 Ary nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka sady nanao hoe: «Tsy mbola nisy toy izany tamin’i Israely.»

34 Fa ny Farisianina kosa nanao hoe: «Ny lehiben’ny demony no androahany ny demony.»

Fijalian’ny vahoaka

35 Ary i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin’ny sinagogany sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.

36 Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoytoy ny ondry tsy misy mpiandry.

37 Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: «Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy;

38 koa mihantà amin’ny Tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny.»

Categories
Matio

Matio 10

Ny nanirahana ny roa ambin’ny folo lahy

1 Ary niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy Izy ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto, sy hanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.

2 Ary ireto no anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy: Ny voalohany dia Simôna izay atao hoe Piera, dia Andre rahalahiny,

3 Jakôba zanak’i Zebede sy Joany rahalahiny, Filipo sy Bartelemy, Tomà sy Matio ilay poblikanina, Jakôba zanak’i Alfe sy Tade,

4 Simôna ilay Kananeanina, ary Jodasy IsKariota ilay namadika Azy.

5 Ireo ny roa ambin’ny folo lahy izay nirahin’i Jesoa rehefa nohafatrafarany hoe: Aza manaraka ny lalana mankany amin’ny Jentily, ary aza miditra amin’ny tanànan’ny Samaritanina,

6 fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely.

7 Ary raha mandeha ianareo mitoria hoe: Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.

8 Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony: nahazo maimaim-poana ianareo, koa manomeza maimaim-poana.

9 Aza mitondra volamena na volafotsy na varahina ao amin’ny fehikibonareo,

10 na kitapom-batsy eny an-dalana, na akanjo roa, na kiraro, na tehina, fa ny mpiasa dia mendrika homen-kanina.

11 Ary amin’izay tanàna na vohitra hidiranareo, dia anontanio izay mendrika hidiranareo ao, ka mitoera ao aminy ambara-pialanareo.

12 Ary raha vao miditra ao amin’ny trano ianareo, dia miarahabà hoe: Ho amin’ity trano ity anie ny fiadanana;

13 ka raha mendrika tokoa ny ao an-trano, dia ho tonga ao aminy ny fiadanana nantsoinareo; fa raha tsy mendrika kosa izy, dia hiverina aminareo ny fiadanana nantsoinareo.

14 Ary raha misy tsy mampiantrano anareo na tsy mihaino ny teninareo, dia mialà amin’izany trano izany, na amin’izany tanàna izany, ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo.

15 Lazaiko marina aminareo fa ho moramora kokoa ny hatao amin’i Sôdôma sy i Gômôra amin’ny andro fitsarana noho ny hatao amin’izany tanàna izany.

16 Indro Izaho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava ianareo, ary mbà tsotra toy ny voromahailala.

Hoenjehina ireo irahina

17 Mitandrema, fa hotorin’ny olona amin’ny fitsaràny ianareo, sy hokapohiny ao amin’ny sinagogany;

18 ary hoentiny eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo aminy sy amin’ny Jentily.

19 Fa raha atolony ianareo, dia aza manahy izay fomba fandaha-teny na izay teny holazainareo, fa hatoro anareo eo no ho eo ihany izany;

20 satria tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahin’ny Rainareo no hiteny ao aminareo.

21 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny hovonoina, ny ray hanolotra ny zanany, ny zanaka hiodina amin’ny rainy aman-dreniny ka hamono azy;

22 ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.

23 Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hahatety ny tanànan’i Israely ianareo mandra-pahatongan’ny Zanak’olona.

24 Ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony;

25 fa ampy ho an’ny mpianatra ny tahaka ny mpampianatra azy, ary ho an’ny mpanompo ny tahaka ny tompony. Raha ny lohan’ny fianakaviana aza nantsoiny hoe Belzeboba, mainka fa ny ankohonany.

Miteny miharihary tsy amin-tahotra

26 Koa aza matahotra azy ianareo. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra.

27 Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina, dia ambarao eo amin’ny mazava; ary izay bitsibitsihina amin’ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano;

28 ary aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy, fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin’ny afobe.

29 Moa tsy varifitoventy monja va no vidin’ny fody roa. Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin’ny tany iray akory raha tsy avelan’ny Rainareo.

30 Na ny volon-dohanareo aza dia efa voaisa avokoa.

31 Koa aza matahotra fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro ianareo.

32 Ary amin’izany izay rehetra hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia hoekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra;

33 ary izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra.

Antony ifanoherana i Jesoa

34 Aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana eto an-tany Aho; tsy hitondra fiadanana no nahatongavako, fa hitondra sabatra;

35 fa tonga Aho mba hampisarakany zanaka lahy amin’ny rainy, sy ny zanaka vavy amin’ny reniny, ary ny vinanto vavy amin’ny rafozany vavy;

36 ary ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony.

Mandà tena mba hanarahana an’i Jesoa

37 Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy.

38 Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy, dia tsy mendrika Ahy.

39 Izay mamonjy ny ainyno hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy.

Famaranana ny fampianarana ny Apôstôly

40 Izay mandray anareo, mandray Ahy; ary izay mandray Ahy, dia mandray Izay naniraka Ahy.

41 Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany, dia hahazo ny valisoan’ny mpaminany; ary izay mandray olo-marina noho izy olo-marina, dia hahazo ny valisoan’ny olo-marina;

42 ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran’ny kapoaka monja aza hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinikaindrindra ireo, noho izy mpianatro, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.