Categories
Matio

Matio 11

A. FITANTARANA

1 Ary rehefa tapitra ny fampianarana nomen’i Jesoa an’ireo mpianany roa ambin’ny folo lahy ireo, dia niala tao Izy, ka nandeha nampianatra sy nitory teny tamin’ny tanàna manodidina rehetra.

Fanontanian’i Joany Batista sy filazan’i Jesoa azy

2 Ary nony ren’i Joany tao an-tranomaizina ny nataon’i Kristy, dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy

3 hanao aminy hoe: «Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?»

4 Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Mandehana ka lazao amin’i Joany izao zavatra renareo sy hitanareo izao:

5 mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, sitrana ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, torina amin’ny malahelo ny Evanjely,

6 ary sambatra izay tsy tafintohinanoho ny amiko.»

7 Nony lasa ireo, dia nilaza an’i Joany tamin’ny vahoaka i Jesoa, nanao hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an’efitra? Volotara hetsiketsehin’ny rivotra va?

8 Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Lehilahy tsara fitafiana va? Indro any amin’ny tranon’ny mpanjaka izay tsara fitafiana.

9 Sa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Moa mpaminany va? Eny! hoy Izaho aminareo, ary ambony noho ny mpaminany aza.

10 fa Izy no ilay voasoratra hoe:

Indro Aho maniraka ny Anjeliko hialoha anao

sy hamboatra ny lalanao.

11 Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin’izay natera-behivavy, mbola tsy nisy nitsanganaizay lehibe noho i Joany Batista; kanefa izay kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra no lehibe noho izy.

12 Ary hatramin’ny andron’i Joany Batista no ho mankatỳ, dia azo an-keriny ny fanjakan’ny lanitra, ka ny mpanao an-keriny no mahazo azy.

13 Fa ny Mpaminany rehetra sy ny Lalàna dia naminany hatramin’i Joany,

14 ary raha mety mino ianareo, dia izy no ilay Elia ho avy.

15 Izay manan-tsofina hihainoana aoka hihaino.

Fitsaràn’i Jesoa ireo mpiara-belona taminy

16 Amin’inona no hanoharakoity taranaka ity? Amin’ny ankizy madinika mipetraka eny an-kianja, izay miantso ny namany,

17 ka manao hoe: Nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nandòn-tratra ianareo.

18 Fa tonga i Joany, tsy nihinana tsy nisotro, nataon’ny olona hoe: Azon’ny demony izy!

19 Tonga indray ny Zanak’olona, mihinana sy misotro, lazain’ny olona hoe: Lehilahy lian-kanina io, sady mpisotro divay sy sakaizan’ny Poblikanina mbamin’ny olon-dratsy fiaina rehetra. Fa efa nohamarinin’ny zanany ny Fahendrena.

Mila loza ireo tanàna manamorona ny farihy

20 Ary tamin’izay, dia nanomboka niteny mafy ireo tanàna nanaovany fahagagana maro Izy, satria tsy nibebaka ireo,

21 ka nataony hoe: «Mila loza ianao, ry Kôrôzaina, ry Betsaida! fa raha izay no tany Tira sy Sidona no natao ny fahagagana natao taminareo, dia efa ho nibebaka ela tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona izy.

22 Koa lazaiko aminareo, fa amin’ny andron’ny fitsarana, dia ho moramora kokoa ny hatao amin’i Tira sy i Sidona noho ny hatao aminareo.

23 Ary ianao, ry Kafarnaoma, hasandratra hatrany an-danitra va ianao?Hietry hatrany amin’ny afobe ianaofa raha tany Sôdôma no natao ny fahagagana natao tao aminao, dia mbola ho nitsangan-ko tanàna mandraka androany izy.

24 Koa dia lazaiko aminao fa ho moramora kokoa ny hatao amin’i Sôdôma amin’ny andron’ny fitsarana noho ny hatao aminao.»

Ny Ray sy ny Zanaka

25 Tamin’izany andro izany, dia hoy indray i Jesoa: Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry sy be saina Ianao, ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa.

26 Eny,misaotra Anao Aho,Raiko, fa izany no sitraponao.

27 Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.

I Jesoa Mpampianatra mora fo

28 Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho.

29 Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, diahahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo;

30 fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.

Categories
Matio

Matio 12

Ireo salohim-bary notohazana

1 Tamin’izany andro izany i Jesoa namaky ny tanimbary tamin’ny andro sabata, ary noana ny mpianany ka nioty salohim-bary, dia nihinana;

2 fa nony nahita izany ny Farisianina dia nilaza taminy hoe: «Indro ny mpianatrao manao izay tsy fanao amin’ny sabata».

3 Ary hoy Izy taminy: «Moa tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha noana izy sy izay nanaraka azy.

4 fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy, ka nihinana ny mofo alahatra, kanefa tsy nisy nahazo nihinana izany na izy na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany?

5 Sa tsy novakinareo ao amin’ny Lalàna va fa amin’ny andro sabata dia mandika ny sabata ny mpisorona ao amin’ny Tempoly, kanefa tsy meloka izy?

6 Ary lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny Tempoly.

7 Raha fantatrareo mantsy ny hevitry ny teny hoe:Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona,dia tsy ho nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo;

8 satria tompon’ny sabata aza ny Zanak’olona.»

Ny nanasitranana ilay lehilahy maty tanana

9 Nony niala teo Izy dia niditra tao amin’ny sinagogan’ireo,

10 ary nisy lehilahy maty tanana teo, ka hoy ireo nanontany an’i Jesoa: «Moa mety va ny manasitrana amin’ny andro sabata?» Mba hiampangany Azy no nanaovan’izy ireo an’izany.

11 Dia izao no navaliny azy: «Iza moa aminareo no manana ondry iray latsaka an-kady amin’ny sabata, ka tsy handray azy sy hanatsoaka azy ao?

12 Ary moa tsy ambony lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin’izany, azo atao ny manao soa amin’ny sabata.»

13 Ary tamin’izay dia hoy Izy tamin-dralehilahy: «Ahinjiro ny tananao.» Dia nahinjiny, ka sitrana tahaka ny ilany.

14 Ary lasa nivoaka ny Farisianina ka niara-nioko ny amin’izay hahafaty Azy.

I Jesoa no ilay «mpanompon’i Iaveh»

15 Fa nahalala izany i Jesoa ka dia niala teo. Maro ny vahoaka nanaraka Azy, ka nositraniny izay rehetra narary tamin’ireny;

16 nefa norarany izy ireo tsy hanao izay hahafantarana Azy,

17 mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia mpaminany hoe:

18 «Indro ny Mpanompoko izay nofidiko,

dia ilay malalako izay ankasitrahin’ny foko indrindra;

hapetrako ao aminy ny Fanahiko,

ary hanambara ny marina amin’ny Jentily izy.

19 Tsy hifanditra izy, na hiantso mafy,

ary tsy hisy handre ny feony eny an-dalana;

20 tsy hanapaka ny volotara vaky Izy,

na hamono ny lahin-jiro manetona

ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy;

21 ary ny Jentily hitoky amin’ny Anarany».

I Jesoa sy i Belzeboba

22 Tamin’izay nisy lehilahy azon’ny demony, sady jamba no moana, nentina teo aminy: dia nositraniny io, ka niteny sy nahita.

23 Gaga avokoa ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: «Moa tsy ity va no Zanak’i Davida?»

24 Fa nony nandre izany ny Farisianina dia nanao hoe: «Tsy misy androahan’Ilay iny ny demony afa-tsy i Belzeboba lehiben’ny demony.»

25 Fantatr’i Jesoa anefa ny heviny ka hoy Izy: «Ho rava ny fanjakana rehetra izay miady an-trano, ary ho levona ny tanàna rehetra na ny fianakaviana izay miady an-trano.

26 Raha i Satana no mandroaka an’i Satana, dia miady an-trano izy, ka ahoana no haharetan’ny fanjakany?

27 Ary raha i Belzeboba no androahako ny demony, iza kosa no androahan’ny zanakareo azy? Koa amin’izany, izy ireo ihany no hitsara anareo.

28 Fa raha ny Fanahin’Andriamanitra ihany kosa no androahako ny demony, dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra.

29 Fa hataon’ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon’ny mahery handroba ny ao an-tranony, raha tsy afatony aloha izay mahery? dia vao handroba ny ao an-tranony izy.

30 Izay tsy momba Ahy, manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.»

31 «Noho izany, izao no lazaiko aminareo: Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny ota rehetra sy amin’ny fitenenan-dratsy rehetra, fa tsy hahazo famelan-keloka izy amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.

32 Ary na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’olona, dia hahazo famelan-keloka ihany: fa izay hanao teny manohitra ny Fanahy Masina kosa, dia tsy hahazo famelan-keloka, na amin’ity fiainana ity na amin’ny ho avy.»

Ny teny no hitsarana ny fo

33 «Koa lazao fa tsara ny hazo sy ny voany; na hoe: ratsy ny hazo sy ny voany, satria ny voany no ahafantarana ny hazo.

34 Ry taranaky ny menarana, hataonareo izay ratsy fanahy ahoana no fiteny zavatra tsara fa izay mameno ny fo ihany no tsy maintsy haloaky ny vava?

35 Ny olona tsara fanahy mamoaka zava-tsoa avy amin’ny rakitra soa ao am-pony; ary ny olona ratsy fanahy mamoaka zava-dratsy avy amin’ny rakitra ratsy ao am-pony.

36 Ary lazaiko aminareo, fa amin’ny andro fitsarana, dia hampamoahina ny olona amin’izay teny foana rehetra nolazainy,

37 fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.»

Famantarana i Jônasy

38 Tamin’izay ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina namaly Azy hoe: «Tompo, mba te hahita famantarana avy aminaoizahay.»

39 Fa namaly Izy ka nanao hoe: «Mangata-pamantarana ity taranaka ratsy sy mpijangajanga ity, fa tsy homena famantarana hafa afa-tsy ny an’i Jônasy mpaminany izy;

40 fa tahaka nynitoeran’i Jônasy hateloan’andro sy hateloan’alina tany an-kibon’ny hazandrano lehibeno hitoeran’ny Zanak’olona hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany koa.

41 Ny olona tany Niniva hitsangana hanohitra ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria nibebaka izy ireo nony nitorian’i Jônasy teny; nefa indro misy lehibe noho i Jônasy eto.

42 Ilay mpanjakavavy avy any atsimo hitsangana hanohitra ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa niala avy tany amin’ny faravazantany izy ka nankatỳ hihaino ny fahendren’i Salômôna, nefa indro misy lehibe noho i Salômôna eto.»

Ny fanahy maloto miverina hamely

43 Rehefa nivoaka avy amin’ny olona ny fanahy maloto, dia mandehandeha eny amin’ny tanety maina hitady fialan-tsasatra; fa tsy mahita izy,

44 ka hoy izy: «Hody any an-tranoko izay nivoahako aho. Ary nony tonga izy ka hitany fa foana sy voadio ary voaravaka ny trano.

45 dia mandeha izy maka fanahy fito hafa ratsiratsy kokoa noho izy, dia miditra izy ireo ka monina ao, ary ny faran’izany olona izany aza no ratsy noho ny voalohany. Dia ho tahaka izany koa no hanjò ity taranaka ratsy ity.»

Ireo tena havan’i Jesoa

46 Raha mbola niteny tamin’ny vahoaka Izy, dia indreo ny reniny sy ny rahalahinynijanona teo alatrano nitady hiteny aminy,

47 ka nisy olona anankiray nilaza taminy hoe: «Indreo ny reninao sy ny rahalahinao ao alatrano, mitady Anao.»

48 Fa izao no navaliny an’ilay nilaza taminy: «Iza moa no renikoary zovy no rahalahiko?».

49 Dia naninjitra ny tanany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe: «Ireo no reniko sy rahalahiko.

50 Fa na zovy na zovy hanao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, dia rahalahiko sy anabaviko ary reniko.»

Categories
Matio

Matio 13

Teny fanombohana

1 Tamin’izany andro izany, rehefa nivoaka avy tao an-trano i Jesoa dia nipetraka tao amoron-dranomasina.

2 Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy, ka niditra teo an-tsambo kely Izy, dia nipetraka teo, ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano.

3 Ary nilaza zavatra maro tamin’ireo tamin’ny fanoharana Izy.

Fanoharana amin’ny mpamafy

Hoy Izy hoe: «Indro nivoaka hamafy ny mpamafy;

4 ary nony namafy Izy, ny sasany latsaka teny amoron-dalana, dia tonga ny voromanidina ka nitsindroka azy;

5 ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady nanify nofo, ka nitsimoka vetivety, satria tsy lalina ny nofon-tany;

6 kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina, satria tsy latsa-paka.

7 Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, dia nitombo ny tsilo ka dia nahafaty azy;

8 ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa: ao ny tonga avo zato heny, ao ny enimpolo, ary ao ny telopolo.

9 Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.»

Ny antony itenenan’i Jesoa amin’ny fanoharana

10 Ary nanatona ny mpianany ka nilaza taminy hoe: «Nahoana no fanoharanano itenenanao aminy?»

11 Namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany.

12 Fa izay manana dia homena ka hanam-be izy, ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hoesorina aminy.

13 Ary noho izany, dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy fa tsy mahita,

14 ka tanteraka aminy ilay faminanian’i Izaia manao hoe:

Handre amin’ny sofinareo ianareo fa tsy hahalala, ary hijery amin’ny masonareo fa tsy hahita;

15 fa ny fon’ity vahoaka ity efa nihamafy, ny sofiny efa nihadonto, ary ny masony efa nakimpiny, sao mahita ny masony sy mandre ny sofiny, ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy ary hositraniko.

16 Fa ianareo kosa, sambatra ny masonareo fa mahita, ary ny sofinareo fa mandre.

17 Lazaiko aminareo marina tokoa, fa maro ny mpaminany sy ny olo-marina naniry hahita ny hitanareo fa tsy nahita, ary handre ny renareo fa tsy nandre.

Fivoasana ny fanoharana amin’ny mpamafy

18 Koa henoy àry ny hevitry fanoharana ny amin’ny mpamafy.

19 Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakan’ny lanitra nefa tsy mahalala, dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay voafafy tao am-pony: dia izany no ilay nafafy teny an-dalam-be.

20 Ary ilay nafafy tamin’ny tany be vato no izay mandre ny teny sy mandray azy an-kafaliana miaraka amin’izany,

21 nefa tsy miorim-paka izy ka tsy maharitra ela; fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy.

22 Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay mandre ny teny, fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena, mamono ny teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy.

23 Fa ilay nafafy tamin’ny tany lonaka kosa no izay mandre ny teny ka mahalala azy; dia mamoa, ny sasany avo zato heny, ny sasany enimpolo heny ary ny sasany telopolo heny.

Fanoharana amin’ny ahi-dratsy

24 Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy, nanao hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy izay namafy voa tsara tamin’ny taniny;

25 fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony, ka namafy voan’ahi-dratsy tamin’ny vary, dia lasa.

26 Nony naniry ny vary ka niteraka, dia nitranga koa ny ahi-dratsy.

27 Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe: Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin’ny taninao, ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa?

28 Ny fahavaloko no nanao izany, hoy ny navaliny. Tianao va ny handehananay hiava azy? hoy ireo mpanompony taminy.

29 Tsia, hoy Izy, fandrao ongotanareo mbamin’ny vary, raha manongotra ny ahi-dratsy ianareo.

30 Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana; fa raha tonga ny taom-pijinjana, dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe: Ongoty aloha ny ahi-dratsy, dia fehezo amboarany mba hodorana; ary angony ho any an-tsompitro ny vary.

Fanoharana amin’ny voan-tsinapy

31 Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy nanao hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny voan-tsinapy izay nalain’ny olona ka nafafiny tany an-tanimboliny.

32 Kely indrindra amin’ny voan-javatra rehetra izy; fa rehefa nitombo kosa, dia lehibe noho ny ànana rehetra, ka tonga hazo; dia avy ny voromanidina mipetraka ao amin’ny rantsany.

Fanoharana amin’ny lalivay

33 Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lalivay, izay nalain’ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ny koban-dafarina intelon’ny famarana, mandra-pahazon’ny lalivay azy rehetra.

Ireo vahoaka tsy mandre afa-tsy fanoharana

34 Fanoharana no nilazan’i Jesoa izany rehetra izany tamin’ny vahoaka, ary Izy tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana,

35 mba ho tanteraka ny tenin’ny mpaminany manao hoe:

«Hiloa-bava hilaza fanoharana aho, ary hanambara zavatra izay miafina hatramin’ny nanaovana an’izao tontolo izao.»

Fivoasana ny fanoharana amin’ny ahi-dratsy

36 Tamin’izay, nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia mba nody, ary nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: «Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny ahi-dratsy.»

37 Ary namaly Izy ka nilaza taminy hoe: «Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’olona;

38 ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny ahi-dratsy dia ny zanak’ilay Ratsy;

39 ny fahavalo izay namafy azy, dia ny devoly; ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan’izao tontolo izao; ary ny mpijinja, dia ny Anjely.

40 Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao.

41 Haniraka ny Anjeliny ny Zanak’olona, ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra hiala amin’ny fanjakany.

42 ka hanipy azy ao amin’ny memy mirehitra; any ho hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.

43 Amin’izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy. Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.»

Fanoharana amin’ny rakitra sy ny voahangy

44 Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha, izay hitan’olona ka nafeniny tao ihany aloha; dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany, ary nividy io saha io.

45 Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto mitady voahangy tsara.

46 Ary nony nahita anankiray be vidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.

Fanoharana amin’ny harato

47 «Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina, ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao;

48 rehefa feno izy dia nosarihina ho eny amoron-drano, ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy kosa nariany.

49 Dia ho tahaka izany koa raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao: hivoaka ny Anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina,

50 ka hanipy azy any amin’ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.»

Famaranana

51 «Efa azonareo va izany?» «Eny» hoy izy ireo taminy.

52 Dia nanampy teny indray Izy nanao hoe: «Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay mahay tsara ny amin’ny fanjakan’ny lanitra àry, dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin’ny fitoeran-drakiny.»

Famangiana tany Nazareta

53 Nony tapitra izany fanoharana izany, dia niala teo i Jesoa,

54 ka nankany amin’ny tany nahabe azy, ary nampianatra tao amin’ny sinagoga; dia gaga ny olona ka nanao hoe: «Avy taiza àry no nahazoan’Izy io izany fahendrena sy hery izany?

55 Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra va io? Tsy i Maria va no anaran-dreniny, ary tsy i Jakôba, sy i Josefa, sy i Simôna ary i Jodà va no rahalahiny?

56 ary moa tsy etỳ amintsika avokoa va ny anabaviny rehetra? Koa taiza no nahazoany izany rehetra izany?»

57 Ary tafintohina taminy izy ireo; fa hoy i Jesoa taminy: «Eo amin’ny tany onenany sy eo amin’ny ankohonany ihany no tsy mba voahaja ny mpaminany.»

58 Dia tsy nanao fahagagana betsaka teo Izy noho ny tsy finoan’ireo.

Categories
Matio

Matio 14

I Herôda sy i Jesoa

1 Tamin’izany andro izany, dia ren’i Herôda tetrarkany lazan’i Jesoa,

2 ka hoy izy tamin’ny mpanompony: «I Joany Batista izay; efa nitsangana avy any amin’ny maty izy, ka izany no ahavitany fahagagana maro.»

Ny namonoana an’i Joany Batista

3 Fa i Herôda efa nampisambotra an’i Joany, ka nanagadra sy nanao azy an-tranomaizina, noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny.

4 Satria i Joany nilaza taminy hoe: «Tsy mahazo manambady io ianao.»

5 Nitady hamono azy i Herôda, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon’ny olona fa mpaminany i Joany.

6 Ary tamin’ny andro nankalazana ny nahaterahan’i Herôda, dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada, ka nahafaly an’i Herôda.

7 Noho izany dia nianiana izy hanome azy izay zavatra hangatahiny na inona na inona.

8 Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe: «Omeo ahy eto amin’ny lovia ny lohan’i Joany Batista.»

9 Dia nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ny olona niara-nihinana taminy, dia nasainy nomena azy ihany izany;

10 ary naniraka nampanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina izy.

11 Dia nentina tamin’ny lovia ny lohany, ka nomena an-drazazavavy, ary nentiny tany amin-dreniny.

12 Nalain’ny mpianatr’i Joany kosa ny faty dia naleviny, vao lasa izy nilaza izany tamin’i Jesoa.

Fampitomboana ny mofo voalohany

13 Nony nandre izany i Jesoa, dia niala teo ka niondrana an-tsambo kely mba hitokana samy irery any an’efitra; fa rehefa nahare izany ny vahoaka, dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa ka nandeha an-tongotra nanaraka azy.

14 Rehefa niala tao an-tsambo Izy, dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka, ka nositraniny ny marary teo aminy.

15 Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: «Tany efitra ity, ary efa hariva ny andro; koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina eny amin’ny vohitra.»

16 Fa hoy i Jesoa taminy: «Tsy tokony handeha izy, fa omeo hanina.»

17 Dia hoy ireo taminy: «Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa atỳ aminay.»

18 «Ento atỳ amiko izany,» hoy Izy taminy.

19 Dia nasainy nipetraka tamin’ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano; ary nony efa novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany, ka nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka.

20 Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo.

21 Nefa dimy arivo lahy no isan’ny nihinana afa-tsy ny zaza amam-behivavy.

I Jesoa mitety rano sy i Piera miaraka aminy

22 Dia nodidian’i Jesoahiakatra an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany, sy hita hialoha Azy ambara-pandràvany ny vahoaka;

23 ary rehefa nampirava ny vahoaka Izy, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana; ka nony alina ny andro, dia Izy irery no teo.

24 Tamin’izay ny sambo kely dia nahilangilan’ny onjan-drano teny afovoan’ny ranomasina, fa nanoha rivotra.

25 Ary tamin’ny fiambenana fahefatratamin’ny alina, dia nandeha teny ambonin’ny rano i Jesoa ka nankeo amin’izy ireo.

26 Fa nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia natahotra ka nanao hoe: «Matoatoa io,» sady niantsoantso izy noho ny tahony.

27 Niaraka tamin’izay dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe: «Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra.»

28 Namaly i Piera nanao hoe: «Raha ianao àry, Tompo, asaovy mankeny aminao eny ambony rano aho.» «Avia» hoy Izy.

29 Dia nidina avy eny an-tsambo i Piera, ka nandeha teny ambony rano ho eny amin’i Jesoa.

30 Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy; ary nony nanomboka nilentika izy dia niantso mafy nanao hoe: «Tompo ô! vonjeo aho.»

31 Niaraka tamin’izay, naninji-tanana i Jesoa, dia nandray azy, ka nanao taminy hoe: «Ry kely finoana, nahoana no nisalasala ianao?»

32 Ary rehefa niakatra teo an-tsambo izy ireo, dia nitsahatra ny rivotra.

33 Tamin’izay, ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona Azy sy nitsaoka Azy nanao hoe: «Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao.»

Fanasitranana tao amin’ny tany Genezareta

34 Ary nony tafita ny rano izy ireo, dia tonga tany amin’ny tanin’i Genezareta;

35 ka nony nahafantatra Azy ny mponina tao, dia nandefa iraka tamin’ny tany manodidina rehetra, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa ny marary rehetra,

36 ary nangataka taminy izy ireo mba hanendry ny morontongotr’akanjony fotsiny ihany, dia sitrana avokoa izay rehetra nanendry.

Categories
Matio

Matio 15

Ady hevitra momba ny lovantsofin’ny Farisianina

1 Tamin’izay nisy mpanora-dalàna sy Farisianina avy tany Jerosalema nanatona Azy ka nanao hoe:

2 «Nahoana ny mpianatrao no mandika ny lovantsofin-drazana? fa tsy mba manasa tanana izy raha hihinan-kanina.»

3 Ary hoy ny navaliny azy: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’Andriamanitra noho ny lovantsofin-drazanareo?

4 Fa hoy Andriamanitra:Manajà ny rainao aman-dreninao; ary koaIzay hanozona ny rainy na ny reniny dia hovonoina ho faty.

5 Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy hilaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe: Efa natolotro an’Andriamanitra ny tokony ho nentiko manampy anao,

6 dia afaka tsy hanajany rainy na ny reniny akory izy, koa nofoananareo ny didin’Andriamanitra noho ny lovantsofinareo.

7 Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’i Izaia anareo hoe:

8 Ity vahoaka ity manaja Ahy amin’ny molony, fa ny fony lavitra Ahy;

9 koa foana ny ivavahan’izy ireo amiko, satria didin’olombelona no ataony fampianarana.

Fampianarana momba ny madio sy ny maloto

10 Ary rehefa nasainy nanatona Azy ny vahoaka, dia hoy Izy taminy: «Henoy, ary fantaro:

11 tsy izay miditra amin’ny vava no mahaloto ny olona; fa izay aloaky ny vava, izany no mahaloto ny olona.»

12 Dia nanatona Azy ny mpianany ka nilaza taminy hoe: «Fantatrao va fa tafintohina ny Farisianina nandre izany teny izany?».

13 Ary hoy ny navaliny azy ireo: «Ny voly rehetra tsy nambolen’ny Raiko izay any an-danitra dia hongotana.

14 Avelao izy, fa jamba mitari-dalana ny jamba, dia hianjera any an-kady izy roroa.»

15 Namaly i Piera nanao taminy hoe: «Lazao anay ny hevitr’izany fanoharana izany.»

16 «Ianareo koa va, hoy Izy, mbola tsy mahalala ihany?

17 Moa tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin’ny vava dia midina any an-kibo ka ariana any an-katakonana?

18 Fa izay mivoaka amin’ny vava kosa dia avy amin’ny fo, ka izany no mahaloto ny olona.

19 Satria ny fo no iavian’ny hevitra ratsy, ny famonoana olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampangalainga, ny vava ratsy;

20 izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana tsy misasa tanana, tsy mahaloto ny olona akory.»

Fanasitranana ny zanakavavin’ilay Kananeanina

21 Niala teo i Jesoa dia nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidona.

22 Ary indro nisy vehivavy kananeaninaanankiray nivoaka avy tamin’izany tany izany niantsoantso mafy nanao hoe: «Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida, fa ampijalin’ny demony mafy loatra ny zanakovavy»;

23 fa tsy namaly azy i Jesoa na dia indraimbava aza. Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe: «Roahy izy, fa mikiakiaka manaraka antsika.»

24 Ary hoy ny navaliny azy: «Tsy nirahinaafa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho.»

25 Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany, ary nanao hoe: «Tompo ô! vonjeo aho!»

26 Nefa novaliany hoe: «Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa.»

27 Ary hoy ravehivavy: «Marina izany, Tompoko, nefa ny amboa kely mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany.»

28 Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Ravehivavy, lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao.» Dia sitrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy.

Fanasitranana maro teo amoron’ny farihy

29 Rehefa niala teo i Jesoa dia nankany amoron’ny ranomasin’i Galilea, ary niakatra tany an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo.

30 Maro ny vahoaka nanatona Azy teo, nitondra ny moana, ny jamba, ny mandringa, ny kilemaina mbamin’ny marary hafa betsaka, sy nametraka azy teo an-tongotr’i Jesoa dia nositraniny.

31 Hany ka gaga dia gaga ireo vahoaka rehetra ireo nony nahita ny moana niteny, ny mandringa afa-mandeha, ny jamba nahiratra, ka nankalaza ny Andriamanitr’i Israely izy ireo.

Fampitomboana ny mofo fanindroany

32 Ary niantso ny mpianany i Jesoa ka nilaza taminy hoe: «Mampalahelo ahy ireto vahoaka, fa efa hateloana izay no tsy nisarahany tamiko, ka tsy manan-kohanina izy; tsy tiako ny hampody azy tsy homan-kanina, sao dia reraka eny an-dalana izy.»

33 Fa hoy ny mpianany taminy: «Aiza no hahazahoanay mofo ampy hahavoky ireo vahoaka be ireo atỳ an’efitra?»

34 Ary hoy i Jesoa taminy: «Manana mofo firy ianareo?» «Fito» hoy ireo taminy sy «hazandrano madinika vitsy foana.»

35 Dia nasainy nipetraka tamin’ny tany ny vahoaka;

36 ary noraisiny ny mofo fito sy ny hazandrano, dia nanaovany fisaorana sy novakiny ka nomeny ny mpianany, ary ny mpianany kosa nanome ny vahoaka.

37 Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary sobika fito no feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangonina;

38 nefa efatra arivo lahy no nihinana teo, afa-tsy ny zaza amam-behivavy.

39 Nony nampody ny vahoaka Izy, dia niondrana an-tsambo kely ka nankany amin’ny tany Magedàna.

Categories
Matio

Matio 16

Angatahana famantarana avy any an-danitra i Jesoa

1 Ary nanatona Azy ny Farisianina sy ny Sadoseanina haka fanahy Azy, ka nangataka taminy mba hampiseho aminy famantarana avy any an-danitra.

2 Namaly Izy ka nilaza taminy hoe: «Nony hariva ny andro, dia hoy ianareo: Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra;

3 nony maraina indray: Ho ratsy ny andro, fa somary mena sy manjombona ny lanitra.

4 Koa hainareo ny maminany amin’ny endriky ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoanakosa tsy hainareo. Ity taranaka ratsy sy mpijangajanga ity dia mitady famantarana, fa tsy hisy famantarana hafa homena azy afa-tsy ny an’i Jônasy mpaminany ihany.» Dia nilaozany teo ireo, ka lasa Izy.

Ny lalivain’ny Farisianina sy ny Sadoseanina

5 Fa nony efa tafita ny rano izy ireo, dia hadinon’ny mpianatra ny nitondra mofo.

6 Ary hoy i Jesoa taminy: «Tandremo fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny Sadoseanina ianareo.»

7 Dia nieritreritra izy ireo ka nanao anakampo hoe: «Noho isika tsy nitondra mofo izay.»

8 Ary i Jesoa nahalala izany ka nanao hoe: «Ry kely finoana, nahoana ianareo no mihevitra anakampo, noho ianareo tsy mitondra mofo?

9 Moa tsy mbola fantatrareo ihany, sa tsy tsaroanareo fa mofo dimy dia ampy olona dimy arivo, ary mbola firy harona no nangoninareo?

10 Ary mofo fito dia ampy olona efatra arivo, sady mbola firy sobika koa no nangoninareo?

11 Ahoana no tsy ahalalanareo fa tsy ny mofo no nantsoiko tamin’Izaho nilaza taminareo hoe: Tandremo ny lalivain’ny Farisianina sy ny Sadoseanina?»

12 Izay vao fantatr’izy ireo fa tsy ny lalivay amin’ny mofo no nasainy notandremana, fa ny fampianaran’ny Farisianina sy ny Sadoseanina.

Fiekem-pinoan’i Piera sy fahefana ambony nomena azy

13 Ary nony tonga tany amin’ny faritany atao hoe: Sezarean’i Filipo i Jesoa dia nanontany ny mpianany hoe: «Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona?»

14 Ary hoy ireo: «Ny sasany manao hoe: Joany Batista, ny sasany Elia, ary ny sasany Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany.»

15 Dia hoy i Jesoa taminy: «Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?»

16 Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe: «Ianao no Kristy zanak’Andriamanitra velona.»

17 Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra.

18 Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera(vatolampy), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.

19 Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etỳ an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etỳ an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.»

20 Ary tamin’izay, dia norarany ny mpianany mba tsy hilaza amin’ny olona fa Izy no Kristy.

Fanambaràna voalohany ny Fijalian’i Jesoa

21 Hatramin’izay vao noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, ary hampijalin’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona, dia hovonoina, ary hitsangana amin’ny maty rehefa afaka hateloana.

22 Ary naka Azy hitanila kely i Piera ka niteny Azy mafy hoe: «Sanatria, Tompo, raha hihatra aminao izany!»

23 Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe: «Mialà amiko, ry Satana! manafintohina Ahy ity ianao, satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra, fa araka ny an’ny olona.»

Toetra ilaina hanarahana an’i Jesoa

24 Ary tamin’izay i Jesoa dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: «Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy.»

25 «Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy,

26 Inona no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?

27 Fa ny Zanak’olona dia ho avy, amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny Anjeliny, ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy.

28 Lazaiko aminareo marina tokoa, fa ny sasany eto dia tsy hanandrana fahafatesana, raha tsy efa mahita ny Zanak’olona avy, amin’ny fanjakany.»

Categories
Matio

Matio 17

Ny niovan’i Jesoa tarehy

1 Rehefa afaka henemana taorian’izany, nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahiny, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo.

2 Dia niova tarehy teo anatrehany Izy; ka ny Tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ny fitafiany tonga fotsy mangatsakatsaka tahaka ny fahazavana.

3 Ary indreo niseho tamin’izy ireo i Môizy sy i Elianiresaka tamin’i Jesoa.

4 Dia niteny i Piera nilaza tamin’i Jesoa hoe: «Tompo, mahafinaritra ny mitoetra atỳ; ka raha sitrakao, andeha hanao lay telo atỳ, ny iray ho anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia.»

5 Fa raha mbola niteny Izy, dia indro nisy rahona mazava nanarona azy ireo. Ary injao nisy feo avy tamin’io rahona io nanao hoe: «Ity no Zanako malalako, izay sitrako indrindra: henoy Izy.»

6 Nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sy natahotra indrindra.

7 Fa nanatona azy i Jesoa dia nanohina azy, ka nanao taminy hoe: «Mitsangàna, fa aza matahotra.»

8 Nony niandrandra izy ireo, dia tsy nahita olona afa-tsy i Jesoa irery.

Fanontaniana momba an’i Elia

9 Ary rehefa nidina avy tany an-tendrombohitra izy, dia hoy i Jesoa nandrara azy ireo: «Aza milaza na amin’iza na amin’iza izay vao hitanareo, ambara-pitsangan’ny Zanak’olona amin’ny maty.»

10 Dia nanontany Azy ny mpianany nanao hoe: «Ahoana àry no ilazan’ny mpanora-dalàna fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?»

11 Ary namaly Izy ka nanao hoe: «Tsy maintsy ho avy tokoa i Elia, ka hanavao ny zavatra rehetra.

12 Nefa lazaiko aminareo fa tonga sahady i Elia, fa tsy fantatry ny olona izy, ka nanaovany izay sitraky ny fony. Ary ho tahaka izany koa no hampijaliany ny Zanak’olona.»

13 Dia fantatry ny mpianatra tamin’izay fa i Joany Batista no nolazainy taminy.

Ilay voan’ny androbe azon’ny demony

14 Ary rehefa tonga teo amin’ny vahoaka Izy, dia nisy lehilahy anankiray nanatona Azy, ka nandohalika teo anatrehany nanao hoe: «Tompo, mamindrà fo amin’ny zanako lahy; mararin’ny androbe izy ka mijaly mafy loatra, fa matetika mianjera any anaty afo, ary matetika koa any anaty rano.

15 Nentiko tamin’ny mpianatrao izy, fa tsy nahasitrana azy izy ireo.»

16 Ary namaly i Jesoa nanao hoe: «Ry taranaka tsy mino sy ratsy fanahy, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko izy.»

17 Dia norahonan’i Jesoa ny demony ka nivoaka, ary sitrana niaraka tamin’izay razazalahy.

18 Tamin’izay, dia nanatona an’i Jesoa mangingina ny mpianany ka nanao hoe: «Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?»

19 «Noho ny tsy fahampian’ny finoanareo,» hoy i Jesoa taminy.

Fa lazaiko marina aminareo, fa raha manam-pinoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: «Mifindrà erỳ ianao, dia hifindra izy, ary tsy hisy tsy ho azonareo atao.

20 Iny karazana inyanefa tsy azo roahina raha tsy amin’ny fivavahana sy amin’ny fifadian-kanina.»

Fanindroany nanambaràna ny Fijalian’i Jesoa

21 Raha nitety an’i Galilea izy ireo, dia hoy i Jesoa taminy: «Efa hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’olona,

22 ary hovonoina Izy, nefa hitsangana amin’ny andro fahatelo.» Dia nalahelo mafy izy ireo.

Hetra ho an’ny Tempoly naloan’i Jesoa sy i Piera la grika: 800 ariary angamba, no dragma iray.

23 Nony tonga tany Kafarnaoma izy ireo, dia nanatona an’i Piera ny mpamory ny hetra dragma roa, ka nanao hoe: «Moa tsy mba mandoa ny dragma roa va ny Mpampianatra anareo?»

24 «Mandoa Izy» hoy i Piera. Ary raha niditra tao an-trano izy, dia notsenain’i Jesoa nilazany hoe: «Ahoana no hevitrao, ry Simôna? Iza moa no angalan’ny mpanjaka etỳ an-tany hetra sy hajia? ny zanany sa ny olon-kafa?»

25 «Ny olon-kafa» hoy i Piera taminy: «Raha izany àry, hoy i Jesoa, dia afaka ny zanany.

26 Kanefa sao manafintohina azy isika, ka mandehana manjono any amin’ny ranomasina ianao, dia raiso ny hazandrano azonao voalohany, ka sokafy ny vavany, fa hahita vola dragma efatraao ianao, ka alao, dia aloavy ho Ahy sy ho anao.»

Categories
Matio

Matio 18

Iza no lehibe indrindra?

1 Tamin’izay, nanatona an’i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe: «Iza moa no ambony indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra?»

2 Dia niantso zazalahy kely anankiray i Jesoa ka napetrany teo afovoany,

3 ary hoy Izy: Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory.

4 Koa amin’izany na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Ny fanafintohinana

5 Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin’ny Anarako, dia mandray Ahy koa.

6 Fa izay hanafintohina anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny kosa, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarina amin’ny vozony, ka halentika any anatin’ny ranomasina izy.

7 Loza no hanjò an’izao tontolo izao noho ny fanafintohinana! fa tsy maintsy ho avyny fanafintohinana, kanefa loza ho an’izay iavian’ny fanafintohinana!

8 Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario lavitra anao, fa aleo tapa-tanana na tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manana tanana roa na tongotra roa, very any amin’ny afo mandrakizay.

9 Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory ka ario lavitra anao, fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay mana-maso roa ariana any amin’ny gehen’afo.

10 Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza; fa lazaiko aminareo fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra.

11 Fa ny Zanak’olona dia tonga hamonjy ny very.

Ilay ondry very

12 Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray, moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo, ka handeha hitady ilay nania izy?

13 Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania.

14 Toy izany koa, tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza.

Fifananarana toy ny mpiray tam-po

15 Ary raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatòna azy; ka rehefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany. raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;

16 fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao mbaho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra.

17 Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy; ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny Jentily sy ny poblikanina.

18 Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo etỳ ambonin’ny tany dia ho voafehy any an-danitra; ary na inona na inona hovahanareo etỳ ambonin’ny tany dia ho voavaha any an-danitra.

Fiaraha-mivavaka

19 Ary izao koa no lazaiko aminareo: raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ny tany, na inona na inona angatahiny, dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany.

20 Fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho.

Famelan-keloka

21 Ary tamin’izay, nanatona Azy i Piera nanao hoe: «Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko no tokony hamela azy aho? Hatramin’ny impito va?»

22 Dia hoy i Jesoa taminy: «Izaho tsy milaza aminao hoe hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impitopolo fito.»

Fanoharana amin’ilay ananan-trosa tsy miantra

23 «Koa amin’izany, ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray izay te hamotopototra ny toe-pananany amin’ny mpanompony;

24 ary raha vao nanomboka nanao izany izy, dia nentina teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina.

25 Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain’ny tompony namidy izy sy ny vadiny aman-janany mbamin’ny fananany rehetra, mba hanefana ny trosa.

26 Dia niankohoka ilay mpanompo ka nifona taminy hoe: ‹Mba omeo andro aho, dia haloako daholo ny anao rehetra›.

27 Nangoraka ny fon’ilay tompon’izany mpanompo izany, ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy.

28 Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo, dia tojo ity mpanompo namany anankiray izay ananany denie zato; noraisiny tamin’ny tendany ilay io ka nokendainy nataony hoe: ‹Aloavy ny trosako any aminao.›

29 Niankohoka ilay namany, dia nifona taminy nanao hoe: ‹Mba omeo andro aho, dia haloako ny anao rehetra.›

30 Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy an-tranomaizina, ambara-pandoany ny trosa.

31 Nalahelo loatra ny mpanompo sasany nony nahita izany, ka lasa nilaza izany rehetra izany tamin’ny tompony.

32 Dia nampanalain’ny tompony izy ka nilazany hoe: ‹Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko avokoa ny trosako rehetra taminao, noho ianao nifona tamiko;

33 ka moa tsy tokony mba hamindra fo amin’ny namanao va ianao tahaka ny namindrako fo taminao?›

34 Dia tezitra ny tompony, ka natolony ny mpampijaly izy, ambara-pandoany ny trosa rehetra.

35 Dia ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.»

Categories
Matio

Matio 19

Momba ny fisaraham-panambadiana

1 Rehefa avy niteny izany i Jesoa dia niala tao Galilea ka tonga teny an-tsisin’i Jodea, andafin’i Jordany.

2 Vahoaka be dia be no nanaraka Azy, ary nanasitrana ny marary teo Izy.

3 Ary nisy Farisianina nanatona Azy mba haka fanahy Azy, ka nanao hoe: «Mahazo misao-bady va ny lehilahy, na inona na inona antony?»

4 Dia hoy Izy namaly azy ireo: «Tsy novakinareo va fa Izay nahary ny olona tamin’ny voalohany, diananao azy lahy sy vavyary nilaza hoe:

5 Noho izany, dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny, ka hikambana amin’ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roroa?

6 Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray. Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’ny olona.»

7 «Ka nahoana i Môizy, hoy ireo taminy, no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy?»

8 Dia hoy Izy taminy: «Ny hamafin’ny fonareo no nanomezan’i Môizy alalana anareo hisao-bady; fa hatramin’ny voalohany dia tsy mba toy izany.

9 Koa dia lazaiko aminareo, fa izay rehetra mandroaka ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka manambady hafa, dia mpijangajanga; ary izay mampakatra ny vehivavy voaroaka, dia mijangajanga koa»

Ny manokan-tena an-tsitrapo

10 «Raha izany no toetran’ny lehilahy amin’ny vadiny, hoy ny mpianany taminy, dia aleo tsy manam-bady.»

11 Ary hoy Izy taminy: «Tsy ny olona rehetra no mahazo izany teny izany, fa izay nomena fahasoavana ihany.

12 Fa misy eonòkahatrany an-kibon-dreniny; misy eonòka nataon’ny olona, ary misy eonòka izay nanao ny tenany eonòka noho ny fanjakan’ny lanitra. Aoka handray izay mahay mandray.»

I Jesoa sy ny ankizy madinika

13 Tamin’izay dia nisy zazakely maromaro nentina teo aminy, mba hametrahany tanana sy hivavahany ho azy; fa noraran’ny mpianany mafy ireo.

14 Ka hoy i Jesoa taminy: «Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an’ny tahaka azy ny fanjakan’ny lanitra.»

15 Ary rehefa nametra-tanana tamin’ireo Izy, dia nizò-dalana indray.

Ilay tovolahy mpanan-karena

16 Ary indro nisy olona anankiray nanatona ka nilaza taminy hoe: «Ry Mpampianatra tsara ô, inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?»

17 Dia hoy Izy namaly azy: «Ahoana àry no iantsoanao Ahy hoe tsara? Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra; ka raha te hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy.»

18 «Didy inona avy?» hoy izy. Dia hoy i Jesoa: «Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona tsy marina,

19 manajà ny rainao aman-dreninao, ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao.»

20 «Hatry ny fony mbola kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany, hoy ilay tovolahy taminy; ka inona no mbola tsy ampy amiko?»

21 Ary hoy i Jesoa taminy: «Raha tahiny tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao; ary raha efa izany dia avia hanaraka Ahy.»

22 Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin’alahelo, satria be ny fananany.

Ny loza ateraky ny harena

23 Ary dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: «Lazaiko marina aminareo fa sarotra ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.

24 Ary izao koa no lazaiko aminareo: Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vody fanjaitra noho ny hidiran’ny mpanankarena amin’ny fanjakan’ny lanitra.»

25 Gaga dia gaga ny mpianany nandre izany teny izany, ka nanao hoe: «Koa iza ihany àry no mety ho voavonjy?»

26 Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: «Tsy hain’olombelona izany, fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.»

Valisoan’izay mahafoy

27 Namaly i Piera ka nanao taminy hoe: «Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary nanaraka Anao, ka inona àry no ho azonay?»

28 Hoy i Jesoa taminy: Lazaiko marina aminareo fa raha mby amin’ny andro fanavaozana, ny Zanak’olona dia hipetraka eo amin’ny fiketrahan’ny fiandrianany; ary ianareo izay nanaraka Ahy koa hipetraka amin’ny fiketrahana roa ambin’ny folo, ka hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’i Israely.

29 Ary izay rehetra handao ny tranony, na ny rahalahiny, na ny anabaviny, na ny rainy, na ny reniny, na ny vadiny, na ny zanany, na ny taniny noho ny Anarako, dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay.

30 Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary maro koa izay farany no ho voalohany.

Categories
Matio

Matio 20

Fanoharana amin’ireo mpiasa tanimboaloboka

1 Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa, ho any an-tanimboalobony.

2 Ary rehefa nifanaiky tamin’ny mpiasa Izy fa denie iray avy isan’andro ny karamany, dia nasainy nankany amin’ny tanimboalobony izy ireo.

3 Ary nivoaka izy tamin’ny ora fahatelo, dia nahita mpiasa hafa nidonana-poana teny an-kianja;

4 ka andeha koa ianareo, hoy izy taminy, mankany amin’ny tanimboaloboko, fa homeko anareo izay antonony.

5 Dia nankany ireo. Ary nivoaka indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy, ka nanao toraka izany koa.

6 Ary dia nivoaka koa izy tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo, ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana, dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro?

7 Fa hoy ireo taminy: Satria tsy nisy nanakarama anay. Dia hoy izy taminy: Andeha koa ianareo mankany amin’ny tanimboaloboko.

8 Ary nony hariva ny andro, dia hoy ilay tompon’ny tanimboaloboka tamin’ny mpitandrina ny fananany: Antsoy ny mpiasa, ary omeo ny karamany, aseseo avy atỳ amin’ny farany, ka hatrany amin’ny voalohany.

9 Dia nanatona izay nilatsaka tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo, ka samy nahazo denie iray misesy avy.

10 Fa nony nanatona kosa ny voalohany, dia nanantena hahazo bebe kokoa, kanjo denie iray misesy avy ihany koa no azony.

11 Teo am-pandraisana izany izy dia nimonomonona tamin’ny tompon-trano

12 nanao hoe: Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany ireto, kanefa nampitovinao aminay izay niaritra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro.

13 Dia izao no navalin’ny Tompo ny anankiray tamin’izy ireo: Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy marina aminao aho; moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko?

14 Alao ny anao, dia mandehana, fa tiako ny manome an’ilay farany toraka ny anao koa.

15 Tsy mahazo manao izay tiako amin’izay fananako va aho, sa ratsy ny masonaosatria tsara aho?

16 Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany; fa maro no antsoina, ary vitsy no voafidy.

Fanintelony nanambaràna ny Hijaliany

17 Ary nalain’i Jesoa mangingina ny mpianany roa ambin’ny folo, tamin’Izy niakatra ho any Jerosalema ka nilazany hoe:

18 «Indro fa miakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak’olona dia hatolotra amin’ny lohandohan’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna, ary ireo hanameloka Azy ho faty,

19 ka hanolotra Azy amin’ny Jentily mba hoesoiny, sy hokapohiny, ary hofantsihana amin’ny Hazofijaliana; fa hitsangana indray Izy amin’ny andro fahatelo.»

Fangatahana nataon-drenin’ireo zanak’i Zebede

20 Ary tamin’izany nanatona Azy ny renin’ny zanak’i Zebede mbamin’ny zanany lahy, ka nitsaoka Azy ary nangataka zavatra taminy.

21 «Inona no irinao?», hoy i Jesoa taminy. Dia hoy izy: «Aoka ireto zanako roa lahy ireto mba hipetraka eo ankavananao ny anankiray ary eo ankavianao ny anankiray, ao amin’ny fanjakanao.»

22 Dia hoy ny famalin’i Jesoa: «Tsy fantatrareo izay angatahinareo. Moa mahasotro izay kapoaka hosotroiko va ianareo?» «Efanay ihany,» hoy ireo taminy.

23 Ary hoy Izy taminy: «Raha ny amin’ny kapoakako, dia hosotroinareo tokoa; fa raha ny amin’ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako kosa, dia tsy Ahy ny hanome anareo izany, fa homena izay nanamboaran’ny Raiko azy.»

Ny filoha, tokony hanompo

24 Ary nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’izy mirahalahy.

25 Fa nasain’i Jesoa nanatona Azy izy ireo, ka nilazany hoe: «Fantatrareo fa ny mpanjakan’ny Jentily mandidy azy mafy, ary ny lehibeny mifehy azy fatratra.

26 Fa tsy mba ho tahaka izany aminareo; fa izay te ho lehibe aminareo kosa, no aoka ho mpanomponareo izy.

27 ary izay te ho lohany aminareo, no aoka ho andevonareo.

28 dia tahaka ny Zanak’olona izany; fa Izy tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.»

Ireo jamba roa tao Jerikô

29 Nony niala teo Jerikô Izy dia narahin’ny vahoaka maro.

30 Ary indreo nisy jamba roa lahynipetraka teo amoron-dalana: nony reny fa nandalo i Jesoa dia niantso mafy izy ireo nanao hoe: «Ry Tompo, Zanak’i Davida ô! mamindrà fo aminay.»

31 Norahonan’ny vahoaka izy ireo mba hangina, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe: «Ry Tompo, Zanak’i Davida ô! mamindra fo aminay.»

32 Dia nijanona i Jesoa sady niantso azy ka nanao hoe: «Inona no tianareo hataoko aminareo?»

33 «Tompo ô, ny mba hampahiratanao ny masonay,» hoy ireo taminy.

34 Nangoraka azy ireo i Jesoa ka nanendry ny masony. Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy.