Categories
Matio

Matio 21

Fidiran’i Jesoa Mesia tao Jerosalema

1 Ary rehefa nanakaiky an’i Jerosalema izy ireo, ka tonga tao Betifage anilan’ny tendrombohitry ny Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy i Jesoa

2 ka nilazany hoe: «Mankanesa amin’itsy vohitra tandrifinareo itsy, ary rehefa mby ao ianareo dia hahita ampondra vavy mifatotra sy ny zanany eo aminy: vahao izy dia ento atỳ amiko;

3 ka raha tahiny misy miteny aminareo, dia ilazao hoe: ‹Misy ilàn’ny Tompo azy› dia havelany hoentinareo miaraka amin’izay izy.»

4 Ary tonga izany rehetra izany mba ho tanteraka ity teny nolazain’ny mpaminany ity hoe:

5 «Lazao amin’ny zanakavavin’i Siônahoe:

Indro ny Mpanjakanao mankeo aminao.

malemy fanahy sady mitaingina ampondra,

dia zanak’ampondra mitondra jioga.»

6 Dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nasain’i Jesoa nataony,

7 dia nentiny ny ampondra sy ny zanany ka nataony teo amboniny ny fitafiany, dia nitaingina teo i Jesoa.

8 Be ny vahoaka namelatra ny fitafiany teny amin’ny làlana; ny sasany kosa naka rantsan-kazo dia nampihahaka azy teny an-dalana koa;

9 ary ny vahoaka izay nialoha sy izay nanaraka Azy, samy niantso nanao hoe:

«Hôzànaho an’ny Zanak’i Davida.

Hisaorana anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo!

Hôzànaany amin’ny avo indrindra.»

10 Ary nony efa tonga tao Jerosalema Izy, dia taitra avokoa ny tao an-tanàna ka nanao hoe: «Iza moa izao?»

11 Ary ny vahoaka nilaza hoe: «Izy no i Jesoa mpaminany, avy any Nazareta any Galilea»

Ny nandroahana ireo mpivarotra tao an-Tempoly

12 Dia niditra tao amin’ny Tempolin’Andriamanitra i Jesoa, ka nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy tao anatin’ny Tempoly, sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola mbamin’ny fipetrahan’ny mpivaro-boromahailala.

13 Dia hoy Izy tamin’ireo: «Efa voasoratra hoe:‹Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana›fa ianareo kosa manao azytrano fandrian-dompy.»

14 Ary nisy jamba sy mandringa nanatona Azy teo amin’ny Tempoly ka nositraniny izy ireo.

15 Fa tezitra ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, nony nahita ny fahagagana nataony sy ireto ankizy madinika nihoraka tao an-Tempoly nanao hoe: «Hôzàna ho an’ny Zanak’i Davida,»

16 ka dia niteny taminy hoe: «Renao va izay lazain’ireo?» «Eny, hoy i Jesoa, moa mbola tsy novakinareo va ny hoe:Avy amin’ny vavan’ny ankizy sy ny zaza minono no hahazoanao dera?»

17 Dia nilaozany teo ireo, ary niala tao an-tanàna Izy ka nankany Betania, dia nandry tany.

Ny aviavy tsy namoa ary maina. Finoana sy Vavaka

18 Nony niverina maraina ho any an-tanàna Izy, dia noana.

19 Ary nahita aviavim-bazaha anankiray teo amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita teo aminy afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: «Aza misy voa avy aminao mandrakizay.» Niaraka tamin’izay dia maina ilay aviavy.

20 Ary gaga ny mpianatra nahita izany ka nanao hoe: «Adre! nahoana re no dia maina vetivety foana teo ity aviavy e?».

21 Ary i Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: «Izaho milaza marina aminareo, fa raha manam-pinoana ianareo ka tsy misalasala, dia tsy ny natao tamin’ny aviavy ihany no ho vitanareo, fa na itsy tendrombohitra itsy aza hilazanareo hoe: ‹Mialà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina›, dia ho tonga izany.

22 Ary na inona na inona hangatahinareo amim-pinoana amin’ny fivavahana, dia ho azonareo.»

Ny nanontanian’ny Jody ny fahefan’i Jesoa

23 Ary rehefa tafiditra tao amin’ny Tempoly Izy ka nampianatra teo, dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: «Fahefana avy aiza no anaovanao izao? ary iza no nahazoanao izany fahefana izany?»

24 Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Hanontaniako zavatra iray loha kosa ianareo; ka raha voavalinareo izany dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao.

25 Avy taiza moa ny batemin’i Joany? avy tany an-danitra, sa avy tamin’ny olona?» Dia nieritreritra ireo ka nanao hoe:

26 «Raha ataontsika hoe: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe: Raha izany, nahoana no tsy nino azy ianareo? Ary raha ataontsika hoe: Avy tamin’ny olona indray, ny vahoaka kosa no atahorantsika; fa ataon’izy rehetra ho mpaminany i Joany.»

27 Dia izao no navaliny an’i Jesoa: «Tsy fantatray» – «Izaho kosa àry, hoy Izy taminy, dia tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao.»

Fanoharana amin’ireo zanaka roa lahy

28 «Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka roa lahy, dia nanatona ny lahimatoa izy ka nanao taminy hoe: ‹Andeha, anaka miasa any amin’ny tanimboaloboko anio›.

29 ‹Tsy handeha aho›, hoy izy; kanjo nony afaka izany, nanenina izy ka nandeha ihany.

30 Dia nankeo amin’ilay iray indray izy ka nilaza toraka izany koa. ‹Handeha aho, tompoko›, hoy io; kanefa tsy nandeha izy.

31 Iza moa amin’izy roa lahy no nanao ny sitrapon’ny rainy?»: «Ny lahimatoa,» hoy ireo. Dia hoy i Jesoa taminy: «Izaho milaza marina aminareo fa ny Poblikanina sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo, ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra»

32 «Fa tonga teto aminareo tamin’ny lalan’ny fahamarinana i Joany, nefa ianareo tsy nino azy; fa ny Poblikanina sy ny vehivavy janga no nino azy; ary ianareo, na dia nahita izany aza, dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy.»

Fanoharana amin’ireo mpiasa tanimboaloboka mpamono olona

33 «Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano anankiray namboly voaloboka; namefy azy manodidina izy, sy nandavaka tany hanaovana famiazana teo, ary nanao tilikambo; dia nahofany tamin’ny mpiasa izany, ka lasa nandeha lavitra izy.

34 Nony tonga ny taom-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin’ireo mpiasa ny ankizilahy, handray ny vokatry ny tanimboalobony;

35 fa nosamborin’ireo mpiasa ny ankizilahiny, ka ny anankiray nokapohiny, ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato.

36 Dia naniraka ankizilahy maromaro kokoa noho ny taloha indray izy, fa nataony toraka izany ihany koa.

37 Nony farany dia ny zanany lahy no nirahiny ho any aminy, fa hanaja ny zanako izy, hoy izy.

38 Kanjo nony hitan’ireo mpiasa ilay zanany lahy, dia nifampilaza izy ireo hoe: ‹Ity ny mpandova; andeha hovonointsika ity, dia ho lasantsika ny lovany›

39 Dia nosamboriny izy ka nentiny tany ivelan’ny tanimboaloboka, ary novonoiny.

40 Koa rehefa tonga ilay tompon’ny tanimboaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa izany?»

41 «Haringany tsy hananany antra akory izany mpiasa ratsy fanahy izany, hoy ireo taminy, ary ny tanimboalobony dia hahofany amin’ny mpiasa hafa, izay hanome ny vokatry ny tany amin’ny fotoany.»

42 Dia hoy i Jesoa taminy: Tsy mba novakinareo va ny Soratra Masina hoe:

Ny vato narian’ny mpanao trano

no efa tonga vato fehizoro;

avy tamin’ny Tompo izany,

ka mahagaga eo imasontsika?

43 Noho izany dia lazaiko aminareo, fa hoesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra, ka hafindra amin’ny firenena hampahavokatra azy.

44 Izay ho lavo amin’ny ity vato ity dia ho torotoro; ary izay hianjeran’ity vato ity dia ho mongomongo.

45 Nony nandre ny fanoharana nataony ny lohandohan’ny mpisorona sy ny Farisianina, dia nahalala fa izy ireo no lazainy amin’izany,

46 ka nitady hisambotra Azy; saingy natahotra ny vahoaka izay nanao Azy ho mpaminany izy ireo.

Categories
Matio

Matio 22

Fanoharana amin’ny fanasana amin’ny fampakaram-bady

1 Dia niteny indray i Jesoa nanao fanoharana tamin’ireo hoe:

2 «Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray izay nanao fanasana tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy,

3 ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina, ho any amin’ny fampakaram-bady, fa tsy nety nankany ireo.

4 Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe: ‹Lazao amin’ny nasaina hoe: Indro efa voavoatra ny nahandro ka efa voavono ny ombiko sy ny zavatra rehetra, koa tongava atỳ amin’ny fampakaram-bady ianareo›.

5 Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny iray nankany amin’ny sahany, ny iray nankany amin’ny varony;

6 ary ny sasany nisambotra ny ankiziny, ka nony efa notevatevainy dia novonoiny.

7 Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany, ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany, sy nandoro ny tanànany.

8 Dia hoy izy tamin’ny ankiziny: ‹Efa voaomana ny fanasana amin’ny fampakaram-bady, fa ny nasaina no tsy mendrika.

9 Koa mandehana ianareo any amin’ny fihaonan-dalana, ary asao ho atỳ amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo›.

10 Dia niely eran’ny arabe ny ankiziny, nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy, ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana.

11 Ary niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, ka nahita lehilahy anankiray tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady,

12 dia hoy izy taminy: ‹Ry sakaiza, nahoana ianao no niditra eto, nefa tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?› Fa sina ilay olona;

13 ka hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: ‹Afatory ny tongotra aman-tanany, ka ario any amin’ny maizina any ivelany io, any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify›.

14 Fa maro no nantsoina, nefa vitsy no fidina.»

Ny hetra ho an’i Sezara

15 Ary tamin’izay dia lasa ny Farisianina niray tetika hamandrika Azy amin’ny teniny.

16 Dia naniraka ny mpianany niaraka tamin’ny Herôdianinaho any aminy izy ireo nanao hoe: «Ry Mpampianatra ô, fantatray fa marina ianao, ary mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina, ka tsy mampaninona anao ny olona; satria tsy mizaha tavan’olona ianao.

17 Koa mba lazao aminay izay hevitrao ny amin’ity: mety va ny mandoa hetra ho an’i Sezara sa tsia?»

18 Fa i Jesoa nahalala ny faharatsiany ka nanao hoe: «Ry mpihatsaravelatsihy, nahoana ianareo no maka fanahy Ahy?

19 Asehoy Ahy ny farantsa kely fandoa amin’ny hetra,» dia nanasehoany denie iray Izy.

20 Ary hoy i Jesoa taminy: «Sarin’iza sy anaran’iza ity?»

21 «An’i Sezara,» hoy ireo. «Raha izany àry, hoy Izy, dia aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.»

22 Gaga ireo nony nandre izany, ka nandao Azy dia lasa.

Ny fitsanganan’ny maty

23 Tamin’io andro io ihany koa dia nisy Sadoseanina, izay mandà ny fitsanganan’ny maty, tonga nanatona Azy sy nanontany Azy hoe:

24 «Ry Mpampianatra ô, i Môizy nilaza hoe: ‹Raha misy lehilahy maty momba, aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny, mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny›

25 Koa tany aminay nisy olona fito mirahalahy, ary nanambady ny lahimatoa dia maty, ka noho izy tsy niteraka, dia navelany ho an’ny zandriny ny vadiny.

26 Ary toy izany koa no nitranga tamin’ilay faharoa sy fahatelo ka hatramin’ny fahafito;

27 ary faran’izy rehetra dia maty koa ravehivavy.

28 Raha mby amin’ny fitsanganan’ny maty, iza amin’izy fito mirahalahy no ho tompom-bady? fa samy nanambady azy izy rehetra.»

29 Ary hoy i Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: «Diso hevitra ianareo, satria samy tsy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra.

30 Fa raha mby amin’ny fitsanganan’ny maty, dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony; fa ho tahaka ny Anjelin’Andriamanitra any an-danitra izy ireo.

31 Ary ny amin’ny fitsanganan’ny maty, moa tsy mba novakinareo va ny teny nolazain’Andriamanitra taminareo hoe:

32 Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, sy Andriamanitr’i Isaaka, ary Andriamanitr’i Jakôba?Nefa tsy mba Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona.»

33 Gaga ny vahoaka nony nandre izany fampianarany izany.

Ny didy lehibe indrindra

34 Nony ren’ny Farisianina fa nataon’i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseanina, dia nivory izy rehetra;

35 ary ny anankiray izay mpahay Lalàna tamin’izy ireo nanontany Azy mba haka fanahy Azy hoe:

36 «Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin’ny Lalàna?»

37 Ary hoy i Jesoa taminy:«Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy amin’ny fanahinao manontolo, ary amin’ny sainao manontolo.

38 Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany;

39 ary ny faharoa izay tahaka ny voalohany ihany dia izao:Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.

40 Ao amin’izany didy roa izany ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany.»

I Kristy Zanak’i Davida, sady Tompony

41 Ary raha mbola nivory teo ny Farisianina dia nanontanian’i Jesoa hoe:

42 «Ahoana ny hevitrareo ny amin’i Kristy? Zanak’iza Izy?» «Zanak’i Davida» hoy ireo taminy.

43 Ka nahoana àry i Davida, hoy Izy tamin’ireo, raha tsindrian’ny Fanahy Masina no miantso Azy ho Tompo, fa hoy izy hoe:

44 Andriamanitra nilaza tamin’ny Tompoko hoe:

Mipetraha eo ankavanako ianao

ambara-panaovako ny fahavalonao

ho fitoeran-tongotrao?

45 Raha antsoin’i Davida ho Tompony Izy, ahoana no maha-Zanany Azy?

46 Tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ka hatramin’izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.

Categories
Matio

Matio 23

Fihatsarambelatsihin’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina

1 Tamin’izay dia niteny tamin’ny vahoaka sy tamin’ny mpianany i Jesoa

2 nanao hoe: «Efa mipetraka eo amin’ny fipetrahan’i Môizy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina;

3 ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo, fa aza maka tahaka ny ataony, satria milaza fotsiny izy fa tsy manao.

4 Fehezin’izy ireo ny zava-mavesatra sarotra entina, dia atainginy eo an-tsoroky ny olona, nefa izy tsy mety hanetsika izany na dia amin’ny rantsan-tanany akory aza.

5 Ny mba ho hitan’ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra, ka dia filakiteralehibebe kokoa sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an’ny olona no entiny.

6 Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin’ny fanasana, ny fipetrahana voalohany amin’ny sinagoga,

7 ny arahabaina eo an-kianja ary ny antsoin’ny olona hoe Raby.

8 Fa ianareo kosa, aza mba mety hantsoina hoe Raby, fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.

9 Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra.

10 Aza mety hatao hoe mpampianatra; fa iray ihany ny Mpampianatra anareo, dia i Kristy.

11 Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo;

12 fa izay hanandra-tena dia haetry, ary izay hanetry tena dia hasandratra.»

Loza fito hanjò ireo mpanora-dalàna sy Farisianina

13 Mila loza ianareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo.

14 Mila loza ianareo, mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny fivavahanareo lavareny no entinareo mihinana ny fananan’ny mpitondratena; izany no vao mainka hahamafimafy kokoa ny fanamelohana anareo.

15 Mila loza ianareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, noho ianareo mitetitety ny ranomasina sy ny tanety mba hahazo mpianatrana dia iray aza; ka nony mahazo ianareo, dia ataonareo zanaky ny gehen’afo mihoatra indroa noho ianareo.

16 Mila loza ianareo, ry mpitari-dalana jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin’ny Tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny volamena izay ao amin’ny Tempoly, dia voafehy izy.

17 Ry adala sy jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny volamena sa ny Tempoly izay mahamasina ny volamena?

18 Ary koa: Raha misy mianiana amin’ny ôtely, tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo amboniny, dia voafehy izy.

19 Ry jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny fanatitra sa ny ôtely izay mahamasina ny fanatitra?

20 Koa amin’izany, izay mianiana amin’ny ôtely, dia mianiana aminy sy amin’izay rehetra eo amboniny;

21 izay rehetra mianiana amin’ny Tempoly, dia mianiana aminy sy amin’Ilay mitoetra ao anatiny;

22 ary izay mianiana amin’ny lanitra, dia mianiana amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, sy amin’izay mipetraka eo amboniny.

23 Mila loza ianareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komìna aloanareo; nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin’ny Lalàna tsy tandremanareo, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana. Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela.

24 Ry mpitari-dalana jamba, ny moka tantavaninareo, nefa ny rameva atelinareo!

25 Mila loza ianareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia diovinareo, nefa ny ao anatiny feno halatra sy tsy fahononana.

26 Ry Farisianina jamba, diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.

27 Mila loza ianareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa tahaka ny fasana voalalotra fotsy ianareo eto ivelany ka miseho ho tsara, fa ao anatiny feno taolam-paty sy olitra.

28 Toy izany koa ianareo eto ivelany miseho ho marina eo imason’ny olona, nefa ao anatinareo feno fihatsarambelatsihy sy faharatsiana.

29 Mila loza ianareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa manamboatra ny fasan’ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny tsangam-baton’ny olo-marina

30 ka manao hoe: Raha izahay no mba tamin’ny andron’ny razanay, dia tsy ho niray tetika taminy, handatsaka ny ran’ny mpaminany izahay.

31 Koa amin’izany ny tenanareo ihany no mitsangan-ko vavolombelona fa zanak’izay namono ny mpaminany ianareo.

32 Fenoy àry ny famaran’ny razanareo!

Heloka sy sazy ho avy

33 «Ry bibilava, taranaky ny menarana, ataonareo ahoana no fandositra tsy hohelohina ho any amin’ny gehen’afo?

34 Koa amin’izany, indro fa anirahako mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ianareo; fa ny sasany hovonoinareo sy hofantsihanareo amin’ny hazofijaliana, ary ny sasany hokapohinareo amin’izay tanàna halehany,

35 mba hanody anareo avokoa ny ra marina nalatsaka teto ambonin’ny tany, hatramin’ny ran’i Abela lehilahy marina ka hatramin’ny ran’i Zakaria zanak’i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ny Tempoly sy ny ôtely.

36 Izaho milaza marina aminareo fa tsy maintsy hihatra amin’ity taranaka ity izany rehetra izany.»

Teny mafy amin’i Jerosalema

37 Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina ho aminao, impiry no nitadiavako hanangona ny zanakao tahaka ny anangonan’ny reniakoho ny zanany eo ambanin’ny elany, fa tsy nety ianao?

38 Indro fa avela aminareo ho trano lao ny tranonareo.

39 Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita Ahy intsony ianareo ambara-pilazanareo hoe:

Hohasoavina anie Izay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo.

Categories
Matio

Matio 24

Sasin-teny

1 Nony nivoaka avy tao amin’ny Tempoly i Jesoa ka lasa nandeha, dia nanatona Azy ny mpianany hampijery Azy ny rafitry ny Tempoly;

2 fa namaly Izy ka nanao taminy hoe: «Hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko marina aminareo fa tsy hisy vato havela hifanongoa eo izay tsy horavana.»

3 Ary raha nipetraka teo an-tendrombohitry ny Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: «Lazao anay izay andro hahatongavan’izany, sy ny famantarana ny hiavianao mbamin’ny hahataperan’izao tontolo izao.»

Fiantombohan’ny fahoriana

4 Ary hoy i Jesoa taminy: Tandremo sao hisy hamitaka anareo,

5 fa maro no ho avy, amin’ny Anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ary maro no ho voafitany.

6 Handre ady sy filazana ady ianareo; aza taitra, fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola izany no ho farany.

7 Ho hita fa hitsangan-kiady amin’ny firenena ny firenena, ary amin’ny fanjakana ny fanjakana; hisy areti-mifindra sy mosary ary horohoron-tany amin’ny tany samihafa;

8 fa vao ho fiantombohan’ny fahoriana fotsiny izany rehetra izany.

9 Amin’izany, dia hatolony hampijaliana sy hovonoina ianareo, ary ho halan’ny firenena rehetra noho ny Anarako.

10 Amin’izany andro izany koa dia maro no ho tafintohina ka hifampiampanga sy hifankahala be ihany.

11 Ary hisy mpaminany sandoka maro hiseho, ka hamitaka olona maro.

12 Ary noho ny habetsahan’ny faharatsiana, dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro;

13 fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.

14 Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra ity, mba ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.

Ny handravana an’i Jerosalema

15 Rehefa hitanareo voatsangana amin’ny fitoerana masinany fametavetana lozan-tanynolazain’i Daniela mpaminany (aoka hihevitra ny mpamaky),

16 dia aoka izay any Jodea handositra any an-tendrombohitra,

17 ary izay any ambony tafon-trano aoka tsy hidina haka ny zavany ao an-tranony,

18 ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny fitafiany.

19 Loza no hanjò ny bevohoka sy ny mitaiza kely, amin’izany andro izany.

20 Mivavaha ianareo mba tsy ho amin’ny ririnina na amin’ny sabata no handosiranareo.

21 Fa amin’izany andro izany dia hisyfahoriana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny nahariana izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny,ary tsy hisy toy izany intsony;

22 ary raha tsy nohafohezina izany andro izany, dia tsy hisy olona ho voavonjy; fa noho ny olom-pinidy dia hohafohezina izany andro izany.

23 Koa raha misy milaza aminareo hoe: Indro atỳ i Kristy, na hoe: Arỳ Izy›, aza mino ianareo.

24 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho, ary hanao famantarana lehibe sy zava-mahatalanjona, ka raha azo atao, na dia ny olom-pinidy aza dia ho voafitany.

25 Indro voalazako aminareo rahateo izany.

Ny hisehoan’ny Zanak’olona

26 Koa raha misy milaza aminareo hoe: Indro any an’efitra Izy, aza mankany ianareo; indro any amin’ny efitrano mangingina Izy, aza mino izany.

27 Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fiavian’ny Zanak’olona.

28 Fa na aiza na aiza hitoeran’ny faty, any no hiangonan’ny voromahery.

Ny hitranga eny amin’ny habakabaka sy etỳ an-tany

29 «Ary raha vao afaka izany andron’ny fahoriana izany, dia hihamaizina ny masoandro, tsy hahazava ny volana, hiraraka avy eny an-danitra ny kintana, ary hihozongozona ny herin’ny lanitra.

30 Amin’izany dia hiseho eny an-danitra ny famantaran’ny Zanak’olona, ka handòn-tratra avokoa ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany; ary ho hitany eo ambonin’ny rahon’ny lanitra ny Zanak’olona avy, amin-kery sy voninahitra lehibe.

31 Haneno mafy ny trômpetra, dia haniraka ny Anjeliny izy, ary ireo hanangona ny olom-pinidiny avy amin’ny vazantany efatra, hatramin’ny fara vodilanitra rehetra.»

Ny fotoana hahatongavan’izany

32 «Makà fanoharana amin’ny aviavim-bazaha; raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina izy, dia fantatrareo fa efa antomotra ny fahavaratra.

33 Dia toy izany koa, rehefa hitanareo izany rehetra izany, fantaro fa efa antomotra mby eo am-baravarana ny Zanak’olona.

34 Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity, ambara-pahatongan’izany rehetra izany.

35 Ny tany aman-danitra ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.

36 Fa ny amin’izay andro sy ora dia tsy misy mahalala, na ny Anjelin’ny lanitra aza, afa-tsy ny Ray ihany.

Miambena mba tsy hotampohina

37 Fa tahaka ny tamin’ny andron’i Nôe, dia ho tahaka izany koa ny fiavian’ny Zanak’olona.

38 Fa tamin’ny andro nialoha ny safodrano, dia nihinana sy nisotro ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy ny olona, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Nôe tao amin’ny sambo fiara,

39 ka tsy nahalala izy ireo raha tsy efa tonga tokoa ny safodrano izay nandringana azy rehetra: dia ho toy izany indrindra ny fiavian’ny Zanak’olona.

40 Amin’izany, amin’ny olona roa lahy izay ho sendra eny an-tsaha, dia horaisina ny iray, ary havela ny iray;

41 amin’ny vehivavy roa izay hiara-manodina ny fikosohan-dafarina, dia horaisina ny anankiray, ary havela ny iray.

42 «Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay tapak’andro hiavian’ny Tomponareo.

43 Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy fa tsy havelany hotamìna ny tranony.

44 Koa aoka àry ho vonona koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona.»

Fanoharana amin’ny lehiben’ny mpiasa an-trano

45 «Iza moa no mpanompo mahatoky sy hendry izay notendren’ny tompony ho mpifehy ny ankiziny, mba hanome hanina azy amin’ny fotoany?

46 Sambatra izany mpanompo izany raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany;

47 lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.

48 Fa raha ratsy fanahy kosa ilay mpanompo ka manao anakampo hoe: ‹Mbola ho ela ny tompoko vao ho avy›,

49 ka mikapoka ny mpanompo namany izy sy miara-mihinana sy misotro amin’ny mpimamo,

50 dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany,

51 ka horoahiny izy ary haraikiny ho any amin’ny mpihatsaravelatsihy ny anjarany: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.»

Categories
Matio

Matio 25

Fanoharana amin’ireo virjiny folo

1 «Ary amin’izany ny fanjakan’ny lanitra, dia ho tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany, ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina.

2 Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry;

3 ny dimy adala nitondra fanala, fa tsy nitondra solika;

4 fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika.

5 Ary noho ny fahelan’ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory.

6 Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe: ‹Inty tamy ny mpampakatra, mandehana mitsena azy ianareo›.

7 Tamin’izay dia niarina ireo virjiny rehetra ireo ka nanamboatra ny jirony.

8 Ary hoy ny adala tamin’ny hendry: ‹Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay, fa efa ho faty ny jironay.

9 Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo, hoy ny navalin’ny hendry azy; fa aleo mankany amin’ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo›.

10 Ary raha mbola nandeha nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, dia nohidiana ny varavarana.

11 Nony afaka kelikely, dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe: ‹Tompoko, tompoko, vohay izahay.›

12 Fa hoy ny navaliny azy: ‹Lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro akory ianareo›.

13 Koa miambena ianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.»

Fanoharana amin’ireo talenta

14 «FaAndriamanitra hanaotahaka ny lehilahy anankiray handeha hivahiny, ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy.

15 Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray, samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy.

16 Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany, ka nahazo tombom-barotra dimy koa.

17 Toraka izany ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa;

18 fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa, nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan’ny tompony.

19 Nony ela dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo, ka nampamoaka azy ny amin’ny volany.

20 Dia nanatona ilay nandray talenta dimy, nitondra talenta dimy hafa koa ka nanao hoe: ‹Talenta dimy, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indreto nahazo tombom-barotra talenta dimy koa aho›.

21 Dia hoy ny tompony taminy: ‹Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be ianao: miaraha mifaly amin’ny tomponao›.

22 Ary nanatona koa ilay nandray talenta roa, dia nanao hoe: ‹Talenta roa, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indro nahazo tombom-barotra roa hafa aho›.

23 Dia hoy ny tompony taminy: ‹Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be ianao: miaraha mifaly amin’ny tomponao›.

24 Dia mba nanatona kosa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray ka nanao hoe: ‹Tompoko, fantatro fa olona lozabe ianao, fa mijinja amin’izay tsy namafazanao, ary manangona amin’izay tsy nanahàfanao.

25 Ka natahotra aho dia lasa naleviko tany anatin’ny tany ny talentanao: koa indro averiko aminao ny anao›.

26 Namaly ilay tompony ka nanao taminy hoe: ‹Ry mpanompo ratsy sady kamo, fantatrao fa mijinja amin’izay tsy namafazako aho, ary manangona amin’izay tsy nanahàfako:

27 koa tokony ho napetrakao tany amin’ny mpampanàna ny volako, ary rehefa tonga aho dia ho nandray ny ahy omban-janany.

28 Alao àry ny talenta any amin’io ka omeo an’ilay manana talenta folo;

29 fa izay manana no homena, ka hanam-be izy, fa izay tsy manana kosa dia halaina aminy mbamin’izay ananany aza.

30 Ary ilay mpanompo tsy vanon-ko inona dia ario any amin’ny maizina any: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.› »

Ny fitsarana farany

31 Ary rehefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’olona otronin’ny Anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy;

32 ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra, ary Izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy:

33 ny ondry moa hataony eo ankavanany; ary ny osy kosa eo ankaviany.

34 Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo ankavanany hoe: Avia ianareo, ry nohasoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao.

35 Fa noana Aho nomenareo hanina, nangetaheta Aho, nomenareo hosotroina, nivahiny Aho nampiantranoinareo,

36 tsy nitafy Aho notafianareo, narary Aho novangianareo, tany an-tranomaizina Aho notsidihinareo.

37 Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompo, oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina; nangetaheta ka nomenay hosotroina?

38 Oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay, na tsy nitafy ka notafianay?

39 Oviana no hitanay narary Ianao na tany an-tranomaizina ka novangianay?

40 Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto havako kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko.

41 Ary dia hiteny amin’ireo eo ankaviany kosa indray izy ka hanao hoe: Mialà amiko ianareo, ry voaozona, mba ho any amin’ny afo mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.

42 Fa noana Aho tsy nomenareo hanina, nangetaheta Aho tsy nomenareo hosotroina,

43 nivahiny Aho tsy nampiantranoinareo, tsy nitafy Aho tsy notafianareo, narary Aho sy tany an-tranomaizina, tsy novangianareo.

44 Dia hamaly Azy koa ireo hanao hoe: Tompo, oviana no hitanay noana Ianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy, na narary, na tany an-tranomaizina ka tsy namonjy Anao izahay?

45 Fa hovaliany hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny tsy nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra ireto ianareo, dia tsy nanao izany tamiko koa.

46 Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireo, fa ny marina kosa, ho any amin’ny fiainana mandrakizay.

Categories
Matio

Matio 26

Tetika hamelezana an’i Jesoa

1 Ary rehefa tapi-niteny izany rehetra i Jesoa, dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:

2 «Fantatrareo fa raha afaka indroa andro dia tonga ny Paka, ary ny Zanak’olona hatolotra hofantsihana amin’ny Hazofijaliana.»

3 Tamin’izay dia nivory tao an-tranon’ny lehiben’ny mpisorona atao hoe Kaifa ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona.

4 ary niara-nioko hisambotra an’i Jesoa am-pitaka, sy hamono Azy izy ireo;

5 «kanefa aoka tsy ho amin’ny andro fety, hoy izy ireo, fandrao mitabataba ny vahoaka.»

Fanosora-menaka tao Betania

6 Ary nony tany Betania i Jesoa, tao an-tranon’i Simôna boka,

7 dia nisy vehivavy anankiraynanatona Azy, nitondra tavoara alabastra feno diloilo manitra sarobidy, sy nanidina izany tamin’ny lohany raha mbola nipetraka nihinana Izy.

8 Tezitra ny mpianany nony nahita izany ka nanao hoe: «Nahoana re iny no lanìna foana toy izao?

9 nefa lafo be iny raha namidy ka nomena ny mahantra.»

10 Nahalala izany i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Nahoana ianareo no manao ny mampalahelo an-dravehivavy io? Asa soa izay vao nataony tamiko:

11 ny mahantra moa dia hisy eto aminareo mandrakariva, fa Izaho kosa tsy ho eto aminareo mandrakariva.

12 Izy no nampidina izany zava-manitra izany tamiko, dia ny mba handevenana Ahy no nanaovany an’izany.

13 Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza hitoriana ity Evanjely ity amin’izao tontolo izao, dia holazaina koa ny nataon-dravehivavy ho fankalazana azy.»

Ny famadihan’i Jodasy

14 Ary tamin’izay ny anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy atao hoe Jodasy IsKariota nankany amin’ny lohandohan’ny mpisorona,

15 ka nanao taminy hoe: «Homenareo hoatrinona aho, dia hatolotro anareo Izy?» Dia nanisa farantsa kely telopoloho azy izy ireo.

16 Hatramin’izay dia nikendry izay hamadihana Azy izy.

Fanomanana ny sakafo Paka

17 Ary tamin’ny andro voalohanyfihinanana ny azima, dia nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nanao hoe: «Aiza no tianao hamboaranay hihinananao ny Paka?»

18 Dia hoy i Jesoa taminy: «Mankanesa any an-tanàna ao amin-dRanona ka lazao aminy hoe: ‹Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoan’androko, ka hanao ny Paka ato aminao Aho sy ny mpianatro.› »

19 Nanao araka izay nasain’i Jesoa nataony ny mpianatra ka namboatra ny Paka.

Fanambaràna ny hamadihan’i Jodasy

20 Nony hariva ny andro, dia nipetraka hihinana Izy mbamin’ny mpianany roa ambin’ny folo lahy.

21 Teo am-pihinanana dia hoy Izy: «Lazaiko marina aminareo fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy.»

22 Nalahelo mafy izy ireo ka samy nanontany hoe: «Moa izaho va izany, Tompoko?»

23 Dia namaly Izy ka nanao hoe: «Izay niara-nanatsobokany tanany tamiko tao an-dovia, izy no hamadika Ahy.

24 Ny Zanak’olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy, kanefa mila loza izay olona hamadika ny Zanak’olona! tsara ho azy ny tsy teraka.»

25 Dia mba niteny i Jodasy ilay hamadika Azy nanao hoe: «Raby, moa izaho va izany?» ka novaliany hoe: «Voalazanao.»

Ny nanorenana ny Eokaristia

26 Mbola teo am-pihinanana, dia nandray mofo i Jesoa, notsofiny rano sy novakiny, ary nomeny ny mpianany ka hoy Izy: «Raiso ary hano; Vatako ity.»

27 Raha efa izany, dia nandray ny kalisy Izy, ary rehefa nanao fisaorana dia nomeny azy ireo nataony hoe: «Isotroinareo rehetra ity;

28 fa Rako, dia ny Ran’ny fanekena vaovaoizay halatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.

29 Lazaiko aminareo, fa tsy hisotro amin’itony vokatry ny foto-boaloboka itony intsony Aho, ambara-piavin’izay andro hiarahako misotro aminareo ny vaovao indray, any amin’ny fanjakan’ny Raiko.»

Filazana mialoha, ny handavan’i Piera

30 Ary rehefa nanao hira fisaorana izy ireo, dia lasa nankany amin’ny tendrombohitry ny Oliva.

31 Dia hoy i Jesoa taminy: «Ho tafintohina noho ny amiko ianareo rehetra anio alina, fa efa voasoratra hoe:‹Hokapohiko ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry andrasana›;

32 fa rehefa tafatsangana Aho, dia hialoha anareo any Galilea.»

33 Fa i Piera namaly hoe: «Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza izy rehetra, izaho tsy ho tafintohina na oviana na oviana.»

34 Ary hoy i Jesoa taminy: «Lazaiko marina aminao fa anio alina alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.»

35 Fa hoy i Piera taminy: «Na dia hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handà Anao.» Dia nilaza toy izany koa ny mpianatra rehetra.

Tao Getsemanỳ

36 Tamin’izay i Jesoa sy ny mpianany dia tonga tao amin’ny saha anankiray atao hoe Getsemanỳ, ary hoy Izy tamin’ny mpianany; «Mipetraha eto ianareo, raha mbola mankany hivavaka Aho.»

37 Ary nitondra an’i Piera sy izy roalahy zanak’i Zebede hiaraka aminy Izy, dia nanomboka nozoin’alahelo sy fahoriana mafy.

38 Ka hoy Izy tamin’ireo: «Ory ny fanahiko ka hila hahafaty Ahy; mijanòna eto ka miaraha miari-tory amiko.»

39 Ary nony nandroso kely Izy, dia nihohoka tamin’ny tany ka nivavaka nanao hoe: «Raiko, raha azo atao, aoka hoesorina amiko ity kapoaka ity, kanefa aoka tsy ny sitrapoko anie no ho tanteraka, fa ny Anao.»

40 Dia nankeo amin’ny mpianany Izy, ka hitany fa natory ireo, dia hoy Izy tamin’i Piera: «Hay ianareo tsy nahazaka ny miara-miari-tory amiko ora iray akory?

41 Miambena sy mivavaha, mba tsy ho latsaka amin’ny fakam-panahy ianareo. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.»

42 Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe: «Raiko, raha tsy azo esorina ity kapoaka ity fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ho tanteraka anie ny sitraponao.»

43 Ary niverina Izy ka nahita azy natory, fa efa navesatra ny masony;

44 dia nilaozany ireo ka nandeha indray Izy nivavaka fanintelony, ary ny teniny teo no naveriny.

45 Izay vao nankeo amin’ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: «Matoria amin’izao ianareo, ary mialà sasatra, indro fa efa antomotra ny fotoana, ary efa hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona.

46 Mitsangàna ianareo, andeha isika; fa efa akaiky ilay hamadika Ahy.»

Ny nisamborana an’i Jesoa

47 Raha mbola niteny izany Izy, dia indro tamy i Jodasy isan’ny roa ambin’ny folo lahy, arahin’ny vahoaka be nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona.

48 Efa nomen’ilay mpamadika famantarana toy izao izy ireo: «Izay horohako no Izy, ka sambory.»

49 Ary niaraka tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa izy ka nanao hoe: «Arahaba, Raby» dia nanoroka Azy.

50 Ary hoy i Jesoa: «Ry sakaiza, haninona atỳ ianao?» Tamin’izay dia nanatona ny sasany ka nisambotra an’i Jesoa sy nihazona Azy.

51 Ary indro ny anankirayamin’izay teo amin’i Jesoa nandray ny sabany, dia namely ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona ka nahafaka ny sofiny anila.

52 Fa hoy i Jesoa taminy: «Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao, fa izay rehetra hamely amin’ny sabatra dia ho fatin’ny sabatra.

53 Moa ataonao fa tsy mahazo mangataka amin’ny Raiko Aho, ka haniraka Anjely tsy omby lejionaroa ambin’ny folo Izy ho eto amiko?

54 Fa hatao ahoana àry no hahatanteraka ny Soratra Masina izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izao?»

55 Ary tamin’izay dia hoy i Jesoa tamin’ireo vahoaka ireo: «Mova tsy ny hisambotra jiolahy ianareo mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy; nipetraka isan’andro teo aminareo Aho, nampianatra teo an-Tempoly, nefa tsy nosamborinareo;

56 fa tonga izany rehetra izany mba ho tanteraka izay efa voasoratry ny Mpaminany.» Ary tamin’izay dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.

I Jesoa eo anatrehan’ny Sanedrìna

57 Ary izay nisambotra an’i Jesoa dia nitondra Azy tany amin’i Kaifalehiben’ny mpisorona, izay nivorian’ny mpanora-dalàna sy ny loholona.

58 Nanaraka Azy teny lavidavitra teny i Piera, hatrany an-tokotanin’ny lehiben’ny mpisorona. Niditra tao izy dia niara-nipetraka teo amin’ny mpiandry raharaha mba hahita izay farany.

59 Tamin’izay ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona rehetra dia nitady izay hiampangana lainga an’i Jesoa hamonoana Azy,

60 fa tsy nahita izy na dia betsaka aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Nony farany, dia nisy roa tonga,

61 ka nanao hoe: «Ilay io nilaza hoe: Mahay mandrava ny Tempolin’Andriamanitra Aho, ary mahay manangana azy amin’ny hateloana indray.»

62 Dia nitsangana ilay lehiben’ny mpisorona, ka nanao taminy hoe: «Nahoana no tsy valianao izany fiampangan’ireo Anao izany?»

63 Fa tsy niteny i Jesoa. Ary hoy ilay lehiben’ny mpisorona taminy: «Mandidy Anao amin’ny Anaran’Andriamanitra velona aho, hilaza aminay raha Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra.»

64 Dia hoy i Jesoa taminy: «Voalazanao. Ary lazaiko aminareo koa fa indray andro any ianareo hahita ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra be fahefana sy avy, eo amin’ny rahon’ny lanitra.»

65 Tamin’izay dia notriarin’ilay lehiben’ny mpisorona ny fitafiany ka hoy izy: «Niteny ratsy an’Andriamanitra Izy, ka ahoana indray no hilantsika vavolombelona? Indro efa renareo ny fitenenany ratsy an’Andriamanitra:

66 ahoana no hevitrareo?» Ary ireo namaly ka nanao hoe: «Mendrika ho faty Izy.»

67 Dia nororany ny tavany ka nasiany totohondry Izy;

68 ary ny sasany sady namely tehamaina Azy no nanao hoe: «Vinanio, ry Kristy, iza no namely Anao?».

Ny nandavan’i Piera an’i Jesoa

69 Tamin’izany i Piera nipetraka teo alatrano, ary nisy ankizivavy anankiray nanatona azy ka nanao taminy hoe: «Ianao koa naman’i Jesoa Galileanina.»

70 fa nolaviny teo anatrehan’izy rehetra izany ka hoy izy: «Tsy fantatro izay lazainao.»

71 Dia nankeo am-bavahady izy, ndeha hitsoaka, fa hitan’ny ankizy vavy anankiray hafa koa, ka nolazainy tamin’ny olona teo hoe: «Ity koa naman’i Jesoa Nazareanina»;

72 fa nandà fanindroany indray izy sady nianiana nanao hoe: «Tsy fantatro izany lehilahy izany.»

73 Nony afaka kelikely dia nohatonin’ny olona teo i Piera, ka nilazany hoe: «Marina tokoa raha tsy namany ianao, fa na ny fiteninao aza dia ampy hahalalana izany.»

74 Ary tamin’izay dia sady niozona izy no nianiana fa tsy fantany izany lehilahy izany. Niaraka tamin’izay naneno ny akoho,

75 ka tsaroan’i Piera ny tenin’i Jesoa nanao hoe; «Alohan’ny maneno akoho, handà Ahy inteloianao.» Dia nivoaka izy ka nitomany fatratra.

Categories
Matio

Matio 27

I Jesoa entina eo anatrehan’i Pilaty

1 Ary nony maraina ny andro dia niara-nihevitra izay hahafaty an’i Jesoa ny lohandohan’ny mpisorona rehetra sy ny loholona;

2 ary rehefa nafatony Izy dia nentiny ka natolony an’i Pôntsy Pilaty governora.

I Jodasy namono tena

3 Tamin’izay i Jodasy ilay namadika Azy, raha nahita fa nohelohina Izy, dia nanenina ka namerina ny farantsa kely telopolo tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona

4 nanao hoe: «Nanota aho, fa nanolotra ny Ra marina.» «Ahoanay izany? hoy ireo, fa asanao.»

5 Dia natsipiny tao anatin’ny Tempoly ny vola, ka lasa izy nanao tadimody nananton-tena.

6 Ary nalain’ny lohandohan’ny mpisorona ny vola ka hoy izy: Tsy azo alatsaka ao amin’ny rakitra masina izany, satria vidin-dra;

7 ary nony niara-nihevitra izy, dia namidiny ny sahan’ny mpanao vilany ny vola, hatao tany fandevenam-bahiny.

8 Izany no anaovana io saha io mandraka androany hoe Haseldamà, na hoe sahan-dra;

9 ary tanteraka tamin’izay ny tenin’i Jeremia mpaminany nanao hoe:«Dia nalainy ny vola telopolo, vidin’Ilay notombanan’ny zanak’i Israely,

10 ka nomeny hamidy ny sahan’ny mpanefy vilany, araka ny nandidian’ny Tompo ahy».

I Jesoa mbola eo anatrehan’i Pilaty indray

11 Dia tonga teo anatrehan’ny governora i Jesoa ka nanontanian’ny governora hoe: «Ianao va no mpanjakan’ny Jody?» «Voalazanao,» hoy i Jesoa taminy;

12 fa ny fiampangana nataon’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona Azy no tsy novaliany kely akory,

13 ka hoy i Pilaty taminy: «Tsy renao va izany zavatra maro iampangany Anao izany?»

14 Fa tsy namaly Izy na dia indraimbava aza, ka gaga dia gaga ny governora.

15 Ary isaky ny fetin’ny Paka dia fanaon’ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray tian’ny vahoaka.

16 Ary tamin’izay dia nisy mpifatotra anankiray malaza atao hoe Barabasy,

17 ka rehefa nivory ny vahoaka, dia hoy i Pilaty taminy: «Iza no tianareo halefako ho anareo, i Barabasy sa i Jesoa Izay atao hoe Kristy?»

18 satria fantany fa fialonana no nanoloran’izy ireo an’i Jesoa.

19 Ary raha nipetraka teo amin’ny fitsarana izy, dia nampaniraka taminy ny vadiny hilaza hoe: «Aza manao na inona na inona amin’io Lehilahy marina io ianao, fa nampahory ahy be ihany izay nanofisako Azy halina izay.»

20 Tamin’izay ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nahatarika ny vahoaka hangataka an’i Barabasy sy hampamono an’i Jesoa.

21 Dia niteny indray ny governora nanao hoe: «Iza no tianareo halefako ho anareo amin’izy roa lahy?» «I Barabasy» hoy izy ireo.

22 Ary hoy i Pilaty taminy: «Ahoana kosa àry no hataoko amin’i Jesoa Izay atao hoe Kristy?»

23 «Aoka hofantsihana amin’ny Hazofijaliana Izy,» hoy izy rehetra. «Fa inona àry no ratsy nataony e?» hoy ny governora. Dia vao mainka nihorakoraka izy nanao hoe; «Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy»

24 Nony hitan’i Pilaty, fa tsy nahomby izy fa vao mainka nitombo aza ny tabataba, dia nampaka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan’ny vahoaka ary nanao hoe: «Afa-tsiny amin’ny Ran’io Lehilahy marina io aho; fa raharahanareo.»

25 Dia namaly ny vahoaka rehetra nanao hoe: «Aoka ho aminay sy amin’ny zanakay ny Rany.»

26 Tamin’izay dia nalefany i Barabasy, ary i Jesoa nony efa nasainy nokapohina dia natolony azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana.

Fehiloha tsilo

27 Tamin’izay dia nentin’ny miaramilan’ny governora ho any amin’ny toerana fitsarana i Jesoa sady novoriny hanodidina Azy ny miaramila namany.

28 Dia nendahany ny fitafiany ka nampitafîny kapaoty jaky Izy;

29 ary nandrandrana fehiloha tsilo izy ireo, dia nasatrony ny lohany, sady nampitanany volotara ny tanany ankavanana; raha efa izany dia nandohalika anila teo anatrehany izy ary naneso azy hoe: «Arahaba, ry mpanjakan’ny Jody.»

30 Dia nororany Izy, ary nalainy ny volotara ka nikapohany ny lohany.

31 Nony efa nolalaoviny toy izany Izy, dia noesoriny ilay kapaoty ka nampitafîny Azy indray ny fitafiany, ary nentiny hofantsihana amin’ny Hazofijaliana Izy.

I Jesoa fantsihana amin’ny Hazofijaliana

32 Rehefa tafavoaka ny tanàna, dia nifanena tamin’ny lehilahy Sireneanina anankiray atao hoe Simôna izy ireo, ka notereny io hilanja ny Hazofijalian’i Jesoa.

33 Ary nony tonga teo amin’ny tany atao hoe Golgotà izany hoe tanin’ny karan-doha,

34 dia nomeny divay miharo aferoIzy hosotroiny; fa nony nandramany dia tsy nety nisotro Izy.

35 Ary rehefa voafantsika tamin’ny Hazofijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany, mba ho tanteraka ny teny nolazain’ny mpaminany hoe: «Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko»;

36 dia nipetraka niambina Azy izy ireo.

37 Teo ambonin’ny lohany dia nasiany soratra milaza ny nanamelohana Azy manao hoe: «ITY NO JESOA MPANJAKAN’NY JODY.»

38 Nisy jiolahy roa niara-nofantsihana taminy tamin’ny Hazofijaliana, ny anankiray teo ankavanany, ary ny anankiray teo ankaviany.

I Jesoa eo amin’ny Hazofijaliana, esoina sy tevatevaina

39 Ary izay nandalo dia nihifikifi-doha nanevateva Azy

40 nanao hoe: «Ialahy, ilay mandrava ny Tempolin’Andriamanitra sy manangana azy anatin’ny hateloana ity, vonjeo ilay ity ny Tenan’ialahy; raha Zanak’Andriamanitra ialahy, mialà amin’ny Hazofijaliana.»

41 Ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona dia naneso Azy koa nanao hoe:

42 «Ny sasany novonjeny, fa ny Tenany kosa tsy hainy vonjena; raha mpanjakan’i Israely Izy, aoka hidina hiala amin’ny Hazofijaliana ankehitriny, dia hino Azy isika.

43 Natoky an’Andriamanitra Izy, ka raha tia Azy Andriamanitra dia aoka hanafaka Azy ankehitriny, satria Zanak’Andriamanitra Aho, hoy ny filàzany.»

44 Dia nandatsa Azy toy izany koa iretsy jiolahy roa izay niaraka nofantsihana taminy tamin’ny Hazofijaliana.

Ny nahafatesan’i Jesoa

45 Ary hatramin’ny ora fahenina ka hatramin’ny ora fahasivy dia rakotry ny haizina ny tany rehetra.

46 Nony tokony ho tamin’ny ora fahasivy, dia niantso mafy i Jesoa hoe:«Elia, Elia lamma sabaktany!»izany hoe«Ry Andriamanitro! Ry Andriamanitro, nahoana no dia nilaozanao aho?»

47 Raha nandre izany ny sasany tamin’izay teo dia nanao hoe: «Miantso an’i Elia ilay ity»

48 Dia nihazakazaka niaraka tamin’izay ny anankiray tamin’izy ireo ka nandray spônjy; nony novontosany vinaingitra dia notohizany volotara ka natohony Azy hotsentsefiny.

49 Fa ny sasany nanao hoe: «Aoka hoe hozahantsika raha ho avy hanafaka Azy i Elia.»

50 Ary niantso tamin’ny feo mahery indray i Jesoa, dia niala aina.

51 Ary indro fa nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lambateo amin’ny Tempoly; nihorohoro ny tany, nitresaka ny vatolampy,

52 nisokatra ny fasana, ary betsaka ny fatin’ny olona masina efa nody mandry no nitsangana;

53 ka nony efa nitsangan-ko velona avy any amin’ny maty i Jesoa dia nivoaka tamin’ny fasana izy ireo, ka niakatra tany an-tanàna masina ary niseho tamin’ny maro.

54 Ilay kapiteny sy ny fehiny niambina an’i Jesoa kosa nony nahita ny horohoron-tany mbamin’ny zavatra rehetra tonga teo, dia raiki-tahotra mafy ka nanao hoe: «Tena Zanak’Andriamanitra tokoa io Lehilahy io.»

55 Nisy vehivavy maromaro koa nitazana teny lavidavitra teny, dia ireo izay nanaraka an’i Jesoa sy nanompo Azy hatrany Galilea:

56 anisan’ireo i Maria Madelenina, sy i Maria renin’i Jakôba sy i Josefa, ary ny renin’i zanak’i Zebede.

Ny nandevenana an’i Jesoa

57 Nony hariva ny andro, dia nisy lehilahy manan-karena anankiray avy any Arimatia atao hoe Josefa, izay mpianatr’i Jesoa koa,

58 nanatona an’i Pilaty ka nangataka ny fatin’i Jesoa. Dia nasain’i Pilaty nomena azy.

59 Noraisin’i Josefa ny faty, dia nofonosiny lamba fotsy madio,

60 ary naleviny tao amin’ny fasana vaovao nolavahana tamin’ny vatolampy, izay nampanaoviny ho an’ny tenany. Nony nakodiany ny vato makadiry tamin’ny varavaram-pasana, dia lasa izy.

61 Ary i Maria Madelenina, sy ilay Maria anankiray, dia teo ka nipetraka nanandrify ny fasana.

Ny niambenana ny fasana

62 Ny ampitson’iny izay andro fiomanana, dia nivory tany amin’i Pilaty ny lohandohan’ny mpisorona sy ny Farisianina

63 ka nanao hoe: «Tompoko, tsaroanay fa fony mbola velona ilay mpamitaka iny dia nanao hoe: ‹Rehefa afaka hateloana dia hitsangana Aho.›

64 Koa asaovy ambenana ny fasany ambara-pahàfaky ny andro fahatelo, fandrao sokoin’ny mpianany ny fatiny, dia lazainy amin’ny vahoaka hoe: Nitsangan-ko velona avy any amin’ny maty Izy, ka ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany.»

65 Dia hoy i Pilaty taminy: «Manam-piambina ianareo, koa mandehana, ambeno araka izay hainareo.»

66 Nony nandeha izy ireo, dia sady nasiany tombokase ny vato no nametrahany mpiambina teo, mba hahazoany antoka marina ny amin’ny fasana.

Categories
Matio

Matio 28

Ny hafatry ny Anjely

1 Tamin’ny alin’ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia lasa nitsirika ny fasana i Maria Madelenina sy ilay Maria anankiray.

2 Ary indro nisy horohoron-tany mafy. Fa nisy Anjelin’ny Tompo anankiray nidina avy tany an-danitra tonga teo, nanakodia ny vato dia nipetraka teo amboniny.

3 Namirapiratra tahaka ny helatra ny tarehiny, ary fotsy tahaka ny oram-panala ny fitafiany.

4 Ankona ny mpiambina nony nahita izany, ka nanjary tahaka ny maty.

5 Dia niteny tamin’ireo vehivavyny Anjely nanao hoe: «Aza matahotra ianareo; fantatro fa mitady an’i Jesoa izay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana ianareo.

6 Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia ka jereo, fa teo no toerana nametrahana ny Tompo.

7 Mandehana haingana milaza amin’ny mpianany fa efa nitsangan-ko velona avy any amin’ny maty Izy, ary indro hialoha anareo any Galilea Izy; any no hahitanareo Azy; izany àry, fa efa nilazako ianareo izay.»

8 Dia niala faingana tamin’ny fasana izy ireo, sady natahotra no faly indrindra, lasa nihazakazaka hilaza amin’ny mpianatra.

Ny fisehoana hitan’ireo vehivavy masina

9 Ary indro i Jesoa niseho taminy nanao hoe: «Arahaba.» Dia nanatona Azy izy ka namihina ny tongony, sy niankohoka teo anatrehany.

10 Dia hoy i Jesoa taminy: «Aza matahotra, fa mandehana asaovy mankany Galilea ny rahalahiko, fa any no hahitany Ahy.»

Fitaka nataon’ireo filoha Jody

11 Mbola teny an-dalana izy ireo, dia indreny ny mpiambina sasany nankany an-tanàna, ka nilaza tamin’ny lohandohan’ny mpisorona ny zavatra rehetra vao niseho.

12 Dia novorin’ireo ny loholona ka rehefa niara-nidinika teo izy, dia nanome vola be ny miaramila,

13 ary nilaza taminy hoe: «Aelezo amin’ny olona fa tonga halina ny mpianatra nangalatra Azy raha mbola natory izahay hoe;

14 ary raha sendra ren’ny governora izany, dia izahay no hanony azy tsy haninona anareo.»

15 Dia nandray ny vola ny miaramila, ka nanao araka ny teny nomeny azy. Ary izany teny naelin’izy ireo izany no mbola inoan’ny Jody mandraka androany.

Fisehoana tany Galilea sy fanirahana ho eo amin’izao tontolo izao

16 Ary ny mpianatra iraika ambin’ny folo nankany Galilea, any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesoa nalehany.

17 Nony nahita Azy izy ireo, izay nisalasala taloha, dia nitsaoka Azy.

18 Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe: «Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;

19 koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina;

20 ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»