Categories
Mikea

Mikea 1

1 Tenin’i Iaveh natao tamin’i Mikeaavy ao Môreseta, tamin’ny andro nanjakan’i Joatana sy i Akaza ary i Ezekiesa, mpanjakan’i Jodà, izay nahazoany fahitana momba an’i Samaria sy i Jerosalema.

Fitsarana an’i Samaria

2 Mihainoa ianareo, ry firenena rehetra!

Mandrenesa tsara, ry tany, mbamin’izay rehetra monina eo aminao!

Efa hitsangan-ko vavolombelona hiampanga anareo ny Tompo Iaveh,

dia ny Tompo avy ao amin’ny lapan’ny fahamasinany!

3 Fa indro i Iavehefa hivoaka avy ao amin’ny fonenany;

hidina izy handia ny havoana amin’ny tany.

4 Ny tendrombohitra hitsonika eo ambanin’ny diany,

ny lohasaha hitresaka

toy ny savoka eo anoloan’ny afo,

toy ny rano voarotsaka amin’ny tany misolampy.

5 Ny hisian’izany dia noho ny helok’i Jakôba

sy noho ny fahotan’ny taranak’i Israely.

Inona no helok’i Jakôba? Tsy i Samariava?

Ary iza no fitoerana avon’iJodà?

Tsy i Jerosalemava?

6 Koa i Samaria dia hataoko antontam-batoany an-tsaha,

tany fambolena voaloboka;

hakodiako ho any an-dohasaha ny vatony,

ary hampihanjahanjaiko ny fanorenany.

7 Hotorotoroina ny sariolonarehetra ao aminy;

ho levon’ny afo ny tambinyrehetra;

hataoko faharavan-javatra avokoa ny sampiny

fa tangim-pijangajangana no nanangonany an’ireny,

ka hody ho tangim-pijangajanganaindray koa ireny.

Hiran’alahelo an’ireo tanàna amin’ny ilany ambany

8 Noho izany aho dia hitomany sy hidradradradra,

handeha tsy mitafy sy miboridana;

handefa finaonaonana toy ny amboadia,

ary fitarainana toy ny ostritsa.

9 Fa ferymahafaty ny azy,

fa tonga hatrany amin’i Jodà,

tonga hatreo am-bavahadin’ny vahoakako

dia hatrany Jerosalema. izy.

10 Aza ambaranareo any Getaizany;

aza mitomany any Akao ianareo!

Mihosinkosina amin’ny vovoka any Bet-Afràaho.

11 Mandalova mitanjaka amin-kenatra, ry ikala mponina ao Safira!

Tsy mivoaka ikala mponina ao Tsoanàna;

ny fisaonan’ny ao Bet-Hatselyno tsy ahazoanareo mialoka eo.

12 Ory ikala mponinaao Marôty,

noho ny amin’ny fananany;

fa nidina avy tany amin’i Iaveh ny loza,

ho eo am-bavahadin’i Jerosalema.

13 Afehezo amin’ny kalesy ny soavaly, ry kala mponina ao Lakisa;

fiandohan’ny fahotana ho an’ny zanaka vavin’i Siôna,

no nahitana ny helok’i Israely ao aminao.

14 Noho izany ianao hamoy ny anananao an’i Môresetaao Geta;

ny trano ao Akzibadia ho fanodokàna ho an’ny mpanjakan’i Israely.

15 Hitondrako mpandresy ianao,

ry ikala mponina ao Maresà;

ho lasana hatrany Odolamany tabihan’i Israely.

16 Ongoty ny volonao, kakaso izy,

noho ny amin’ireo zanakao malalanao;

ataovy tonga sola toy ny papangosola ny lohanao

fa lasan-ko babo lavitra anao ireny.

Categories
Mikea

Mikea 2

Teny mamely an’ireo mpangorona

1 Mila loza izaymieritreritra ny hanao ratsy

sy misaintsaina eo am-pandriana ny loza hafitsony!

Raha vao maraina koa, tanterahiny izany,

raha tahiny mbola mety hoefain’ny tanany ihany.

2 Tsiriritiny ny saha ka alainy, ny trano koa ka lasany;

anaovany an-kerinyavokoa ny olona mbamin’ny tranony,

ny tompo mbamin’ny lovany.

3 Ka izao no lazain’i Iaveh:

Indro fa misy loza saintsainiko hamelezana ity taranaka ity,

ka tsy ho azonareo anafahana ny vozonareo:

ka tsy handeha miandranandrana intsony ianareo,

fa ho andro ratsy izany.

4 Amin’izany andro izany, dia hanononan’ny olona ohabolanaianareo

sy hihirany hira fitomaniana, hataony hoe:

«Tanteraka tokoa izao,

dia fongana mihitsy isika;

amidiny ho anjaran’ny vahoakako!

Ahoana no angalany izany amiko?

Zarainy ho an’ny mpiodina ny sahantsika?»

5 Koa tsy hahita olona hanenjana ny famolaina

hahazoanao anjara lova eo amin’ny fiangonan’i Iaveh.

Mpaminany manambara loza

6 Aza maminany intsony ianareo, hoy izy ireo maminany.

Raha tsy misy maminany amin’ireto anefa,

tsy hiala ny fahafaham-baraka.

7 Ianao, ilay antsoina hoe taranak’i Jakôba,

moa tsy manana fandeferana va i Iaveh?

Izany va no asa fanaony?

«Moa ny teniko tsy mba tenim-pitiavana

ho an’izay mandeha amin’ny hitsiny?»

8 Omaly ny vahoakako no nitsangan-ko fahavalo:

ny kapaoty endahanareohiala eo ambonin’ny akanjo;

ny mizotra tsy manana ahiahy, ataonareo fahavalo.

9 Ny vehivavy eo amin’ny vahoakako roahinareo

hiala amin’ny tranony tsy foiny;

esorinareo eo amin’ny zanany madinika

ny voninahitrohiala aminy mandrakizay.

10 «Mitsangàna ianareo, ka mandehana:

fa tsy toerana fitsaharana eto,»

noho ny loto hampijaly anareo,

sy noho ny fampijaliana mampangirifiry.

11 Raha misy olona manenji-drivotra,

ka milazalaza lainga manao hoe:

«Haminany divayaman-dabiera ho anao aho!»

dia izay no ho mpaminanin’ity firenena ity.

Fampanantenana fanarenana

12 Hamory anao manontolo Aho, ry Jakôba ô,

hangoniko izay sisa amin’i Israely;

hovoriko hikambana toy ny ondry amin’ny vala izy;

toy ny ondry andiany eo afovoam-bàlany

no ho fisasasasan’ny olona ankabetsahany.

13 Miakatra eo alohan’izy ireo, ny mpanabanga.

Izy ireo koa manabanga, miditra ny vavahady,

ary mivoaka aminy koa;

ny mpanjaka no mandroso eo anoloany,

ary i Iaveh no mitarika azy.

Categories
Mikea

Mikea 3

Teny mamely ireo mpitondra mamoritra vahoaka

1 Hoy aho: Mihainoa ianareo, ry loholon’i Jakôba,

mbaminareo mpanapaka ny taranak’i Israely!

Tsy anjaranareo va ny mahalala ny rariny,

2 dia ianareo izay mankahala ny tsara sy tia ny ratsy,

manendaka ny hoditra amin’ny vatana,

sy ny nofo amin’ny taolana?

3 Izy ireo no mihinana ny nofon’ny vahoakako;

manendaka ny hoditra eo amin’ny vatany,

mamakivaky ny taolany,

mamotipotika azy toy ny ao am-bilany,

ary toy ny hena ao am-bilany lehibe.

4 Hitaraina amin’i Iaveh izy ireo amin’izany,

nefa tsy hohenoiny;

hafeniny amin’izy ireo ny Tavany amin’izany andro izany,

araka ny haratsiana nanaovany ny asany.

Teny mamely ireo mpaminany sandoka

5 Izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ireo mpaminany

izay nampaniasia ny vahoakako;

izy ireo raha mbola manan-kokaikerina ny nifiny,

mitory ny fihavanana;

izay rehetra tsy manisy hanina eo am-bavany kosa

dia ilazany avokoa fa hiady:

6 Koa alina no ho azonareo ho solon’ny fahitana;

ary haizina ho solon’ny faminaniana;

ny masoandro hilentika amin’ny mpaminany

ary ny andro ho maizina amin’izy ireo.

7 Hangaihay ny mpahita,

ary ho mena azon’ny henatra ny mpanao fankatoavana;

hisarom-bolom-bavany izy rehetra,

fa tsy hisy intsony ny valy avy amin’Andriamanitra.

8 Fa izaho kosa feno hery,

omban’ny Fanahin’i Iaveh,

ary feno rariny aman-kerim-po,

hanambara amin’i Jakôba ny helony;

sy amin’i Israely ny fahotany.

Fanambaràna amin’ireo lehibe ny haharavàn’i Jerosalema

9 Koa henoinareo izao, ry loholon’ny taranak’i Jakôba,

sy mpanapaka ny taranak’i Israely,

izay mankahala ny rariny,

sy mamadika ny hitsiny,

10 manangana an’i Siônaamin’ny fandatsahan-dra,

sy i Jerosalema amin’ny faharatsiana!

11 Ny mpifehy ao aminy, mitsara noho ny kolikoly,

ary ny mpisorona, mampianatra noho ny karama,

ary ny mpaminany, maminany noho ny vola,

ary miankina amin’i Iaveh izy manao hoe:

Moa tsy eto amintsika va i Iaveh?

Tsy mety hanjò antsika ny loza!

12 Koa noho ny aminareo,

i Siôna hanjary saha asaina,

i Jerosalema ho tonga antontam-bato,

ary ny tendrombohitra misy ny Tempoly ho fitoerana avo misy hazo!

Categories
Mikea

Mikea 4

Ny hanjakan’i Iaveh ao Siôna

1 Izao no ho tongaany am-paran’ny andro any:

ny Tendrombohitra misy ny tranon’i Iaveh,

haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra,

sy hasandratra eo ambonin’ny havoana.

Ary hitanjozotra ho any aminy ny firenena.

2 Vahoaka maro no ho tonga sy hanao hoe:

Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Iaveh,

any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba;

fa hampianariny antsika ny lalany,

dia hizotra amin’ny sakeli-dalany isika.

Satria avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna,

ary avy any Jerosalema ny tenin’i Iaveh.

3 Ho elanelam-panahy amin’ny firenena maro izy

sy ho mpitsara ny vahoaka mahery hatrany lavitra any.

Hanefy ny sabany ho lelan’angadin’omby ireny

ary ny lefony ho antsy fijinjana;

tsy hanainga sabatra hamely ny hafa, ny firenena,

ary tsy hianatra ady intsony ny olona.

4 Samy hipetraka eny ambany voalobony avy izy;

sy eny ambanin’ny aviaviny;

tsy hisy olona hanelingelina azy akory;

fa ny vavan’i Iavehn’ny tafika no efa niteny.

5 Satria ny firenena rehetra samy mandeha

amin’ny anaran’ny andriamaniny avy,

ary isika mandeha amin’ny Anaran’i Iaveh, Andriamanitsika

mandrakizay dia ho mandrakizay.

Ho vory ao Siôna ireo ondry efa niely

6 Amin’izany andro izany, – teny marin’i Iaveh, –

horaisiko ny mandringa, hovoriko ny efa mihahaka,

sy izay efa nasiako mafy.

7 Ny mandringa hataoko ho sisa,

ary ny lasa lavitra ho firenena mahery;

ka i Iaveh hanjaka amin’izy ireo

ao an-tendrombohitra Siôna hatramin’izay ka ho mandrakizay.

8 Ary ianao, ry tilikambon’ny andiam-bibyfiompy,

tendrombohitry ny zanaka vavin’i Siôna,

ho tonga hatreo aminao, dia hiverina aminao

ny fanapahana taloha,

dia ny fanjakana izay ananan’ny zanaka vavin’i Jerosalema.

Hatao fahirano i Siôna, horoahina, fa hafahafa

9 Nahoana no manezaka mitaraina ianao ankehitriny?

Tsy misy mpanjaka va eo aminao,

ary levona ny mpanolo-tsainao,

no dia voan’ny fanaintanana ianao,

toy ny vehivavy raha miteraka?

10 Aoka ho voan’ny fanaintainana sy hanezaka ianao,

ry zanaka vavin’i Siôna, toy ny vehivavy raha miteraka!

Fa efa hivoaka ny tanàna ianao ankehitriny,

ka nonina any an-tsaha, ary ho tonga hatrany Babilôna;

any no hanafahana anao;

any no hanavotan’i Iaveh anao,

ho afaka amin’ny tanan’ny fahavalonao.

Torotoroina eo am-pamoloana ao Siôna ny firenen-kafa

11 Ankehitriny kosa efa tafavory hamely anao,

ny firenena maro;

ka manao hoe: Aoka halàm-baraka izy,

ary aoka hibanjina an’i Siôna ny masontsika!

12 Tsy fantatr’izy ireo anefa ny hevitr’i Iaveh;

ka tsy azony an-tsaina ny hevitra voakasany,

dia ny nanambàrany azy ireo toy ny amboara eo am-pamoloana.

13 Mitsangàna ka mihose, ry zanaka vavin’i Siôna,

fa ny tandrokao hataoko vy,

ary ny kitronao, hataoko varahina,

ka hanorotoro firenena maro ianao,

ka hanokana ny tombon-karena azony ho an’i Iaveh aho,

sy ny hareny, ho an’ny Tompon’ny tany rehetra.

Fahoriana amam-boninahitry ny taranak’i Davida

14 Koa ankehitriny, ry zanaka vavin’ny antoko miaramila,

vorio ny antoko – miaramilanao!

Fa isika efa natao fahirano;

asiana ny tsora-kazo amin’ny takolany

ny mpitsara an’i Israely

Categories
Mikea

Mikea 5

1 Ary ianao, ry Betleema Efratà,

kely tsy tokony ho isan’ireo arivon’i Jodà akory,

avy aminao no hivoaka ho Ahy

ilay tsy maintsy ho Mpanapaka amin’i Israely,

ary ny niandohany dia efa hatramin’ny andro fahagola,

hatramin’ny andro mandrakizay.

2 Koa noho izany, dia hanolotra an’ireny izy

mandra-piavin’ny fotoana hiterahan’ilay tsy maintsy hiteraka;

ary ny sisa amin’ireo rahalahiny dia hiverina

amin’ny zanak’i Israely.

3 Ho mafy fijoro izy, ka hiandry ny ondriny,

amin’ny herin’i Iaveh,

amin’ny fiandrianan’ny Anaran’i Iaveh Andriamaniny;

ary handry feizay ny olona, fa ho lehibe izy amin’izay,

hatrany amin’ny faran’ny tany.

4 Izy no ho fiadanana.

Rehefa ho tonga eto amin’ny tanintsika ny Asirianina,

ka hanitsaka ny lapantsika ny tongony,

dia hanangana mpiandry ondry fitoisika, hamely azy,

sy mpifehy ny vahoaka valo,

5 Hiandry ny tanin’i Asora amin’ny sabatra ireo,

sy ny tanin’i Nemrôda eo am-bavahadiny;

ary izy hanafaka antsika amin’ny Asirianina,

rehefa tonga amin’ny tanintsika ireny,

sy hanitsaka ny faritanintsika ny tongony.

Ny hataon’ny sisa amin’i Israely any amin’ny firenen-kafa

6 Ary ny sisa amin’i Jakôba, any amin’ny firenena maro,

ho toy ny ando avy any amin’i Iaveh,

toy ny orana mipitipitika milatsaka amin’ny ahi-maitso;

izy tsy miandry izay olona akory,

na matoky ny zanak’olombelona.

7 Ary ny sisa amin’i Jakôba, any amin’ny firenena,

eo afovoan’ny vahoaka maro,

dia ho toy ny liona eo amin’ny biby any an’ala,

ho toy ny liona tanora eo amin’ny andian’ondry;

ka raha mandalo sy manosihosy ary mamiravira izy,

tsy misy mahavonjy.

Horavan’i Iaveh daholo izay foronin’olombelona

8 Aoka hiainga ny tananareo hamely izay manohitra anareo,

ary aoka ho ringana ny fahavalonareo!

9 Amin’izany andro izany, – teny marin’i Iaveh, –

ny soavalinao haringako eo aminao,

ny kalesinao hofongoriko.

10 Ny tanàna eo amin’ny taninao horavako;

ny tranonao mimanda harodako avokoa.

11 Ny famosavianao, hoesoriko eny an-tananao,

ka tsy hisy mpimasy intsony eo aminao.

12 Ny sampy aman-tsangam-batonao hofoanako eo aminao,

ka tsy hivavaka amin’ny asan-tananao intsony ianao.

13 Hongotako ny aserah eo afovoanao,

ary harodako ny tanànanao,

14 Aryamin’ny hatezerako amam-pahavinirako Aho

hamaly faty an’ireo firenena izay tsy nihaino.

Categories
Mikea

Mikea 6

Miampanga ny vahoakany i Iaveh

1 Mihainoa àry izay lazain’i Iaveh ianareo:

– Mitsangàna ianao ary ataovy vita ny adinao

eo anoloan’ny tendrombohitra,

ary aoka ny havoana handre ny feonao!

2 Mihainoa ny adin’i Iaveh ianareo, ry tendrombohitra,

mbaminareo fanorenan’ny tany tsy azo ovana!

Fa manana ady amin’ny vahokany i Iaveh;

ka handahatra manohitra an’i Israely Izy. –

3 Inona no nataoko taminao, ry vahoakako,

inona no nampalahelovako anao? Valio ny teniko.

4 Fa nitondra anao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta Aho,

ary nanavotra anao tamin’ny trano nahandevozana;

ary naniraka teo anoloanao,

an’i Môizysy i Aarôna ary i Maria.

5 Tsarovy àry, ry vahoakako,

ny hevitra nomen’i Balàka, mpanjakan’i Moaba,

sy ny navalin’i Balaama, zanak’i Beôra, azy.

Tsarovy ny hatrany Setimaka hatrany Galgalà,

hahafantaranao ny fahamarinan’i Iaveh.

6 Inona no hoentiko hanoloana an’i Iaveh

sy hiankohoka eo anatrehan’ny Andriamanitry ny any ambony?

Hanoloana azy mitondra sorona dorana va aho

dia zanak’omby efa iray taona?

7 Hankasitrahin’i Iaveh va ny ondry arivoarivo,

ny renirano diloilo alinalina?

Hanolotra ny lahy matoako va aho, noho ny heloko,

dia ny naloaky ny kiboko, noho ny fahotan’ny fanahiko?

8 Efa nampahalalaina anao, ry olombelona izay tsara,

sy izay ilain’i Iaveh aminao,

dia ny hanao ny fahamarinana, ny ho tia famindram-po,

ary ny hizotra eo anatrehan’ny Andriamanitrao amim-panetren-tena.

Teny mamely ireo mpamitaka ao an-tanàna

9 Miantso mafy miteny amin’ny tanànany feon’i Iaveh

– ary fahendrena kosa ny manaja ny Anaranao: –

Mihainoa ianareo, ny tsora-kazo, mbamin’izay nandidy azy!

10 Mbola misy, ao an-tranon’ny ratsy fanahy ihany va

ny harena tsy marina, sy ny efah tsy ampy, maharikoriko?

11 Moa hadio va aho, raha mana-mizàna mandainga,

sy vato tsy marina ao anatin’ny kitapo?

12 Feno fahasiahana ny mpanan-karenaamin’ity tanàna ity;

milaza lainga ny mponina ao aminy,

ary fitaka eo am-bavany fotsiny, ny lelany.

13 Koa izao kosa no Ahy, ka hasiako kapoka mahafaty ianao,

haringako noho ny fahotanao ianao.

14 Hihinana ianao, nefa tsy ho voky,

ary ho ao anatinao ny hanoanana;

hahatakao lavitra ihany nefa tsy hisy hovonjenao na inona na inona,

ary na izay voavonjinao aza, hatolotrao ny sabatra.

15 Hamafy ianao, fa tsy hijinja;

hamia ôliva ianao, fa tsy hihosotra diloilo;

hamia ranom-boaloboka, fa tsy hisotro divay.

Atao ohatra i Samaria

16 Mitandrina ny fitsipik’i Amrìny olona,

mbamin’ny fanaon’ny taranak’i Akaba rehetra,

ary mandeha araka ny toroheviny ianareo,

mba hanolorako anareo amin’ny fandringanana,

ary ny mponina amin’ny tany, ho amin’ny fisitrisìrana,

ka hivesaranareo ny latsan’ny vahoakako.

Categories
Mikea

Mikea 7

Manao ny tsy marina hatraiza hatraiza

1 Indrisy! Ity izahotoy ny rehefa vita ny fitoazam-boankazo fahavaratra,

toy ny rehefa vita ny fitsimponam-boaloboka efa voaoty:

tsy misy salohy iray akory hohanina!

Ny voaloham-boan’aviavy, izay tsiriritin’ny fanahiko,

tsy misy na iray aza.

2 Efa niala tsy hita eto an-tany intsony ny olona tia vavaka,

ary tsy misy marina intsony amin’ny olombelona.

Fa izy rehetra samy manotrika handatsa-dra;

samy mihaza ny rahalahiny sy mamela-pandrika aminy avokoa

3 Ny ratsy dia efa eo ny tanana hahatontosa azy;

ny mpanapaka, mamoritra; ny mpitsara, mametra izay kolikoly ho azy,

ary ny lehibe mampiharihary ny fitsiriritany;

dia indray mifoko hanao ny ratsy izy.

4 Ny tsara indrindra aminy, no toy ny tsilo;

ny mahitsy indrindra, ratsy noho ny fefy roy.

– Tonga ny andro voalazan’ny tilinao,

tonga ny andro famaizana anao;

amin’izao dia efa safo-kenatra izy ireo! –

5 Aza mino izay sakaiza ianareo,

na matoky izay ifankazarana indrindra:

na eo anatrehan’ilay mandry eo am-pofoanao aza

dia tano ny teny ao am-bavanao!

6 Fa ny zanaka lahy manao amin-drainy hoe adala;

ny zanaka vavy mitsangan-kanohitra ny reniny;

ny vinantovavy hanohitra ny rafozam-bavy;

samy manana ho fahavalony ny olona amin’ny ankohonany ihany.

7 Fa izaho kosa hitodi-maso amin’i Iaveh,

hanantena ny Andriamanitry ny famonjeko;

hihaino ahy ny Andriamanitro.

I Siôna tevatevain’ny fahavalo

8 Aza mifalynoho ny amiko, ry ikala fahavaloko,

fa na lavo aza aho, mbola hiarina;

na mitoetra amin’ny maizina aza aho,

i Iaveh no fahazavako.

9 Hivesatra ny fahatezeran’i Iaveh aho,

satria nanota taminy,

mandra-piaikiny ny hiaro ahy amin’ny adiko,

sy hampiharihariako ny rariny momba ahy;

havoakany aho ho amin’ny mazava,

dia hibanjina ny fahamarinany.

10 Hahita izany anie ikala fahavaloko,

ka ho safo-kenatra anie izy,

dia izy ilay nanao tamiko hoe:

Aiza izay Iaveh Andriamanitrao?

Hibanjina azy ny masoko:

amin’izao dia hohitsakitsahina izy,

toy ny fotaka eny amin’ny arabe.

Tenin’Andriamanitra manambara fiarenana

11 Ho avy ny andro hananganana ny mandanao indray;

amin’izany andro izany hofoanana ny didy.

12 Amin’izany andro izany, ho tonga hatraty aminao ny olona,

avy any Asiria sy avy any amin’ireo tanànan’i Ejipta

avy any Ejipta, ka hatrany amin’ny ony,

hatramin’ny ranomasinairay

ka hatramin’ny ranomasina hafa,

ary hatramin’ny tendrombohitrairay,

ka hatramin’ny tendrombohitra hafa.

13 Hanjary efitra ny tany,

noho ny amin’ny mponina ao aminy:

izany no vokatry ny asany.

Vavaka mba hangaihay ny firenen-kafa

14 Andraso amin’ny tehinao ny vahoakanao

dia ny ondry lovanao,

izay monina mitokana any an’ala, eo afovoan’i Karmela;

aoka hiraoka any Basàna sy any Galaada izy,

toy ny tamin’ny andro taloha.

15 Toy ny tamin’ny andro nivoahanao avy any amin’ny tany Ejipta,

haneho zava-mahagaga aminy Aho.

16 Hahita izany ireo firenena,

ka hahamenatra azy avokoa ny heriny rehetra;

hitampim-bava izy ireo,

hangintsingintsina ny sofiny.

17 Hilela-bovoka, toy ny menarana izy;

ary toy ny bibilavan’ny tany,

dia hivoaka amin-tahotra miala amin’ny fiereny;

hanatona an’i Iaveh Andriamanitsika, amin-kovitra, izy,

ary hatahotra anareo.

Fangatahana famelan-keloka amin’Andriamanitra

18 Iza no Andriamanitra tahaka Anao, izay manesotra ny fahotana,

ary mamela fahadisoana, an’izay sisa amin’ny lovanao?

Tsy mba ataony mahery mandrakizay ny fahatezerany

fa ny mamindra fo no sitrany.

19 Hamindra fo amintsika indray Izy

ka hanitsakitsaka ny faharatsiantsika.

Harianao any ambany ranomasina, ny fahotany rehetra;

20 hampiseho amin’i Jakôba ny fahamarinanao Ianao,

sy amin’i Abrahama ny famindram-ponao;

izay efa nianiananao tamin’ny razanay

hatramin’ny andro fahataloha.