Categories
Mpit

Mpit 1

1 Tenin’ny Mpitory teny, zanak’i Davida,

mpanjaka tao Jerosalema.

2 Zava-poana dia zava-poana, hoy ny Mpitory teny,

zava-poana dia zava-poana!

Zava-poana ny zavatra rehetra.

3 Inona no soa azon’ny olona,

amin’ny fisasarana rehetra ikezahany atỳ ambany masoandro?

Teny mialoha

4 Lasa ny taranaka iray, tamy ny taranaka iray.

Ary ny tany maharitra mandrakariva ihany.

5 Miposaka ny masoandro, milentika ny masoandro,

ary dodona izy mba hody any amin’ny fonenany,

dia miposaka avy any ihany indray.

6 Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra,

vao misampotina indray,

ka manomboka mihodina toraky ny teo.

7 Mankany amin’ny ranomasina avokoa, ny renirano,

nefa tsy feno ny ranomasina;

any amin’ny toerana alehany

no ankanesany tsy tapaka.

8 Miasa avokoa ny zavatra rehetra,

mihoatra noho ny azo lazaina;

ny maso tsy mamo mijery;

ary ny sofina tsy ketra-mihaino.

9 Izay efa teo no ho eo,

ary izay efa natao no hatao,

fa tsy misy zava-baovao atỳ ambany masoandro.

10 Raha misy zavatra lazaina hoe: He, vaovao izany!

dia efa nisy sahady tamin’ny siekla talohantsika izany zavatra izany.

11 Ny taloha tsy tsaroan’ny olona;

ny ho avy any aoriana koa,

tsy hamela fahatsiarovana,

ao amin’izay ho velona rahatrizay.

1. Fiainan’i Salômôna

12 Izaho, Mpitoriteny, dia efa mpanjakan’i Israely, tao Jerosalema,

13 ary nampiasa ny saiko aho,

hikaroka sy hamantatra amin’ny fahendrena,

ny zavatra rehetra atao atỳ ambany masoandro:

asa manasatra izany,

nefa asain’Andriamanitra ilofosan’ny zanak’olombelona.

14 Nodinihiko avokoa ny zavatra atao etỳ ambany masoandro,

ka indro, zava-poana amam-panenjehan-drivotra daholo.

15 Ny meloka, tsy mety mihamahitsy indray,

ary ny tsy eo, tsy azo isaina.

16 Hoy aho anakampo:

Indro efa nahazo ny fahendrena be sy miavosa aho,

mihoatra noho izany rehetra talohako teto Jerosalema,

ka nanam-pahendrena amam-pahaizana ampy be ny foko.

17 Nampiasa ny saiko aho, hahalala ny fahendrena,

sy hahalala ny hadalana amam-pahatezerana,

dia fantatro fa fanenjehan-drivotra ihany koa izany,

18 Satria rehefa be fahendrena, be alahelo koa;

ary izay mampitombo ny fahaizany, mampitombo ny fahoriany koa.

Categories
Mpit

Mpit 2

1 Hoy aho tamin’ny foko: Andeha àry

hozahako toetra amin’ny hafaliana ianao, ka andramo ny fahafinaretana.

Kanjo indro, zava-poana ihany koa izany.

2 Hoy aho mantsy ny fihomehezana: Hadalana!

ary mantsy ny fifaliana: Inona no vokatra avy aminy?

3 Ny hanarana ny nofokoamin’ny divay no nimasoako tao am-poko,

nefa amin’izay dia mbola hotarihin’ny foko

amim-pahendrena ihany aho;

ary hiraikitra amin’ny hadalana,

mandra-pahitako izay tsara ho an’ny zanak’olombelona,

hataony amin’ny andro iainany atỳ ambanin’ny lanitra.

4 Nanao asa lehibe aho,

nanorina trano ho ahy;

namboly tanimboaloboka ho ahy aho,

5 nanamboatra zaridaina aman-tsaha nambolena hazo mamoa,

dia namboly hazo fihinam-boa isan-karazany teo,

6 nanao famorian-drano aho,

hanondrahana ny alakely anirian’ny hazo.

7 Nividy ankizy lahy aman’ankizy vavy aho,

ary nanana ny zanany teraka tao an-tranoihany;

nanana andian’ondry aman’omby koa aho,

mihoatra noho ireo rehetra izay talohako teto Jerosalema.

8 Nanangona volafotsy amam-bolamena aho,

mbamin’ny harenan’ny mpanjaka sy ny faritany;

naka mpihira lahy ama-mpihira vavy aho,

ary nahazo ny fahafinaretan’ny zanak’olombelona,

vehivavy ankamaroany.

9 Dia tafasandratra aho, ary tafahoatra

noho izay rehetra talohako teto Jerosalema,

ary na ny fahendreko aza, mbola nipetraka tato amiko ihany.

10 Izay rehetra nirin’ny masoko,

tsy nisy noesoriko taminy;

izay mety ho fifaliana, tsy misy nolaviko tamin’ny foko;

fa nifaly tamin’ny asako rehetra ny foko,

ary izany no anjarako tamin’ny asako rehetra.

11 Nony inona, nodinihiko izay asa rehetra nataon’ny tanako,

mbamin’ny fahasasarako nolaniko nanatanterahana izany;

ka indro zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana izany;

fa tsy misy zava-tsoa azo, atỳ ambany masoandro.

12 Dia nitodika hijery ny fahendrena aho,

hampitaha azy amin’ny hadalana amam-pahafokana;

satria zovy indray moa no mety hanaraka ny mpanjaka,

izy izay efa nomena izany fiamboniana izany hatr’izay ela izay?

13 Ary hitako fa ny hatsaran’ny fahendrena noho ny hadalana,

dia toraky ny mazava noho ny maizina.

14 Ny mason’ny hendry dia eo an-dohany,

fa ny adala kosa mandeha amin’ny maizina.

15 Ary hitako kosa anefa fa iray ihany ny anjara hahazo azy roa tonta.

Ka hoy aho anakampo:

Iray amin’ny anjaran’ny adala ihany no anjara hihatra amiko;

ka soa inona àry ho ahy izao fahendreko rehetra izao?

Dia hoy aho anakampoko:

Zava-poana ihany koa izany.

16 Fa ny fahatsiarovana ny hendry,

dia tsy mandrakizay, toy ny an’ny adala ihany koa;

hatramin’ny andro vao manaraka

dia samy hohadinoina ihany izy roa tonta.

Hanky ny hendry mba maty tahaka ny adala!

17 Ka dia boboky ny fiainana aho,

satria ratsy eo imasoko ny zavatra atao atỳ ambany masoandro,

fa zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana avokoa.

18 Ary halako ny asako rehetra

izay nataoko atỳ ambany masoandro,

sy izay havelako ho an’ilay olona ho tonga manaraka ahy.

19 Ary iza moa no mahalala, na ho hendry na ho adala izy?

Kanefa izy no ho tompon’ny asako rehetra,

izay nametrahako ny fahamarinako amam-pahendreko tatỳ ambany masoandro.

Zava-poana koa izany.

20 Dia tonga namarina ny foko amin’ny fanarian-toky aho,

noho ny asa rehetra nataoko tatỳ ambany masoandro.

21 Fa olona nanampatra, tamin’ny asany,

fahendrena amam-pahalalana sy fahakingana,

ka dia mamela ny vokatry ny asany

ho anjaran’ny olona tsy nisasatra tamin’izany akory:

izany indray koa dia zava-poana sy loza lehibe!

22 Inona tokoa moa, no azon’ny olona amin’ny asany rehetra,

sy amin’ny ahiahim-pony rehetra,

izay nanasatra azy tatỳ ambany masoandro?

23 Fa ny androny, fahoriana avokoa,

ny rahalahiny, fahasorisorenana fotsiny.

Ny alina avy no tsy itsaharan’ny fony:

Zava-poana ihany koa izany.

24 Tsy misy soa ho an’ny olombelona,

mihoatranoho ny mihinana sy misotro,

ary ny mampanarana ny fanahiny amin’ny fiadanana,

eo amin’ny fanaovana ny asany.

Izany indray koa efa hitako fa avy amin’ny tanan’Andriamanitra.

25 Zovy tokoa moa, raha tsy misy azy,

no ho afa-mihinana sy miarana amin’ny fiadanana?

26 Fa ny olona izay tsara eo imasony

dia omeny ny fahendrena amam-pahaizana ary fifaliana.

Ny omeny ny mpanota kosa, dia ny mikarakara

ny famoriana amam-panavosàna zavatra

mba hisy omeny an’izay olona tsara eo imason’Andriamanitra.

Ary zava-poana ihany koa izany sady fanenjehan-drivotra.

Categories
Mpit

Mpit 3

2. Ny fahafatesana

1 Samy misy fotoana voatendry ho azy avyny zavatra rehetra;

misy fotoana ho azy avokoa ny zavatra atỳ ambany masoandro:

2 fotoana hahaterahana, ary fotoana hahafatesana;

fotoana hambolena, ary fotoana hanongotana izay nambolena.

3 Fotoana hamonoana, ary fotoana hanasitranana;

fotoana hanjerana, ary fotoana hananganana.

4 Fotoana hitomaniana, ary fotoana hihomehezana;

fotoana higogogogoana, ary fotoana handihizana.

5 Fotoana hanelezam-bato, ary fotoana hanangonana azy;

fotoana hamihinana, ary fotoana hifadiana fifamihinana.

6 Fotoana hitadiavana, ary fotoana hamerezana,

fotoana hitahirizana, ary fotoana hanariana.

7 Fotoana handrovitana, ary fotoana hanjairana;

fotoana hanginana, ary fotoana hitenenana.

8 Fotoana hitiavana, ary fotoana hankahalana;

fotoana hiadiana, ary fotoana hihavanana.

9 Inona no soa an’izay miasa, amin’ny hasasarana iaretany?

10 Nodinihiko ny asa asain’Andriamanitra

isasaran’ny zanak’olombelona;

11 Ka ny zavatra rehetra samy nataon’Andriamanitra ho tsara amin’ny fotoany avy:

ny mandrakizay nataony ao am-pon’izy ireokoa,

nefa tsy azon’ny olombelona fantarina ny asa

ataon’Andriamanitra hatramin’ny fiandohany

ka hatramin’ny fiafaràny.

12 Ary hitako fa tsy misy soaho azy ireo,

mihoatra ny mifaly sy manao izay hiadanany amin’ny andro iainany:

13 ary fantatro koa fa matoa misy olona mihinana sy misotro,

sady mahita fiadanana amin’ny asany rehetra,

dia fanomezan’Andriamanitra izany.

14 Fantatro fa haharitra mandrakizay,

izay ataon’Andriamanitra,

tsy misy tokony hanampiana an’izany na analana amin’izany.

Ka ny hahatahoran’ny olona azy,

no nanaovan’Andriamanitra an’izany.

15 Ny atao izao dia efa nisy sahady,

ary izay mbola hatao koa, efa nisy sahady;

fa averin’Andriamanitra ny efa lasa.

16 Izao koa no hitako, tatỳ ambany masoandro:

Ny fiketraham-pitsaranaaraka ny rariny,

dia ipetrahan’ny faharatsiana,

ary ho solon’ny fahamarinana dia ao ny tsy fahamarinana.

17 Hoy aho anakampo:

Hotsarain’Andriamanitra ny marina sy ny ratsy,

fa samy manana ny fotoanany avokoa ny zavatra rehetra

sy ny asa rehetra.

18 Hoy aho anakampoko:

Ny amin’ny zanak’olombelona:

Tonga izany, mba hizahan’Andriamanitra toetra azy ireo,

19 Fa ny anjaran’ny zanak’olombelona,

dia ny anjaran’ny biby,

iray ihany no anjaran’izy roa tonta;

toy ny ahafatesan’ny iray, no ahafatesan’ny iray koa;

fofon’aina iray no an’izy roa tonta;

ka tsy misy ihoaran’ny olombelona amin’ny biby,

fa samy zava-poana ny zavatra rehetra.

20 Fitoerana iray, no alehan’ny zavatra rehetra:

vovoka no niavian’ny zava-drehetra;

ary vovoka no hiverenan’ny zava-drehetra.

21 Iza moa no mahalala ny fofon’ain’ny zanak’olombelonamiakatra any ambony,

ary ny fofon’ain’ny biby, midina any ambany mankamin’ny tany?

22 Ka dia hitako fa tsy misy soa ho an’ny olombelona,

mihoatra ny mifaly ao amin’ny asany;

fa izany no anjarany.

Fa aiza moa no mety hahafantarany izay ho avy any aoriany?

Categories
Mpit

Mpit 4

3. Ny mpiara-miaina

1 Nitodika aho dia nahita

ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambany masoandro:

ao ny ampahoriana, vonton-dranomaso,

ary tsy misy olona manala alahelo azy.

Iharan’ny fanaovana an-kerin’ireo mpampahory azy,

ary tsy misy olona manala alahelo azy.

2 Dia loa-bava aho niantso ho sambatra ny matyizay efa maty,

noho ny velona izay mbola velona izao.

3 Ary sambatranoho izy roa tonta ireo indray aza,

ny tsy mbola àry akory,

ka tsy nahita ny asa ratsy,

atao atỳ ambany masoandro.

4 Hitako fa ny asa rehetra

mbamin’ny fahakingana rehetra amin’ny taozavatra

dia ny fialonana mihatra amin’olona

avy amin’ny namany ihany;

koa dia zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana koa izany.

5 Ny adala manohon-tanana ihany,

sady mihinana ny nofon’ny tenany.

6 Aleo tanana ila feno fiadanana;

toy izay tanan-droa feno fisasarana amam-panenjehan-drivotra.

7 Nitodika aho ka nahita zava-poana hafa atỳ ambany masoandro:

8 Misy olona mitoetra irery, ka tsy misy anankiray hafa miaraka aminy,

tsy zanaka, tsy rahalahy,

kanefa aza lava tsy misy farany ny azy,

ary tsy afa-dian-karena ny masony:

Ho an’iza àry ity iasako,

sy tsy ampananako fiadanana ny fanahiko?

Zava-poana koa izany, ary lahasa ratsy.

9 Aleo roa miara-mitoetra, toy izay manirery:

fa rehefa olon-droa dia misy karama be azony amin’ny asany.

10 fa raha lavo izy ireo, azon’ny anankiray arenina ny namany.

Fa loza kosa no mahazo ny manirery,

ka lavo tsy misy namana hanarina azy!

11 Izao koa, raha roa no miara-mandry, mafanafana izy roroa;

fa raha olona iray monja kosa, ahoana no hahafana azy?

12 Ary raha misy maharesy ny irery,

ho voatohitry ny roa ihany kosa;

ary ny kofehy telo olana tsy mora tapahina.

13 Aleo zatovo mahantra sy hendry,

toy izay mpanjaka antitra sy adala,

tsy mety mihaino torohevitra intsony;

14 fa nivoa-kanjaka, avy ao an-tranomaizina izy,

na dia teraka mahantra teo amin’ny fanjakany aza.

15 Nahita ny velona rehetra izay mihetsiketsika ambany masoandro aho,

teo anilan’ilay tovolahy nitsangan-kisolo ny mpanjakaantitra.

16 Tsy nisy fahataperana izany vahoaka be rehetra izany,

dia ireo rehetra ireo izay notarihiny lalana avy eo aloha.

Nefa ny taranaka tsy hifaly aminy akory.

Zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana koa izany.

17 Tandremo ny tongotrao

raha mankany an-tranon’Andriamanitra ianao;

fa ny manatona hihaino

no tsara noho ny manatitra sorona, araka ny fanaon’ny adala;

satria entin’ny fahalalany hanao ratsy izy ireny.

Categories
Mpit

Mpit 5

1 Aza haingam-bava foana,

ary aoka ny fonao tsy ho maimay foana

hanonona teny eo anatrehan’Andriamanitra:

fa Andriamanitra any an-danitra, Ianao etỳ an-tany;

ka aoka ho vitsy teny ianao.

2 Fa ny hamaroan-draharaha, miteraka nofy;

ary ny hamaroan-teny, mampisy rediredin’adala.

3 Raha manao voady amin’Andriamanitra ianao,

aza ela fanefa izany,

fa tsy misy hasoavana homena ny adala:

koa efao ny voady ataonao.

4 Tsara kokoa ho anao ny tsy mivoady,

toy izay mivoady tsy mahefa.

5 Aza avela hampanota ny nofonao, ny vavanao;

ary aza milaza eo anatrehan’ny irak’Andriamanitrahoe:

zavatra tsy nahy izany:

fa nahoana moa Andriamanitra no ho tezitra ny amin’ny teninao,

ka handrava ny asan’ny tananao?

6 Fa toy ny isian’ny zava-poana amin’ny hamaroan-draharaha,

no isian’izany koa, amin’ny teny maro;

ka matahora an’Andriamanitra.

7 Raha misy tany hahitanao fampahoriana ny mahantra,

fanitsakitsahana ny rariny amam-pahamarinana:

aza sanganehana foana amin’izany,

fa ny olona ambony tandreman’ny ambony kokoa,

ary mbola misy ambony kokoa indray aza mitandrina azy ireo.

8 Tena soa kokoa ho an’ny tany, raha dinihina tsara,

ny hananany mpanjaka mikarakara ny fambolena.

4. Ny vola

9 Izay tia vola tsy mety vokim-bola;

ary izay tia harena, tsy hanandrana ny vokatr’izany.

Zava-poana koa izany.

10 Raha mitombo ny harena, mitombo koa ny mpihinana azy,

ary inona moa no soa azon’ny tompony amin’izany,

afa-tsy ny mahita maso izany fotsiny?

11 Mamy ny torimason’ny mpiasa,

na kely na be no hanin-kohaniny;

fa tsy ahitan’ny mpanankarena tory kosa ny fahavokisany.

12 Misy loza makadiry hitako tatỳ ambany masoandro,

dia harena tahirizin’ny tompony, ka mampidi-doza ny tenany,

13 Fa sendra misy zava-mihatra ka levona izany harena izany;

ary raha mitera-dahy ralehilahy,

dia tsy manana na inona na inona eo an-tanany.

14 Ny toetra nivoahany avy ao an-kibon-dreniny

no hiverenany ao, dia mitanjaka toy ny niaviany avy ao ihany;

fa tsy hahazo na inona na inona avy amin’ny asany,

ho azony entina eny an-tanany.

15 Fahoriana lehibe koa izao,

dia ny hahalasanany toy ny niaviany:

ka inona no soa azony, tamin’ny nisasarany ho an’ny rivotra?

16 Fanampin’izany, nandritra ny andro rehetra niainany, nihina-maizina izy

sady be alahelo amam-pijaliana sy fahasosorana.

17 Ka izao no hitako:

Tsara sy mety ho an’ny olona ny mihinana sy misotro,

ary ny mahazo miadana amin’ny asa rehetra ataony,

izay imasoany atỳ ambany masoandro,

mandritra ny andro iainany, omen’Andriamanitra azy;

fa izany no anjarany.

18 Fanampin’izany koa, ny olona rehetra mandray vola aman-karena tamin’Andriamanitra

hahazoany mihinana sy maka izay anjarany amin’izany

ary mifaly amin’ny asany:

dia fanomezan’Andriamanitra izany.

19 Fa tsy eritreretiny loatra amin’izay ny andro iainany,

satria efa rotsahan’Andriamanitra fifaliana ny fony.

Categories
Mpit

Mpit 6

1 Misy ratsy hitako atỳ ambany masoandro;

sady mavesatra amin’ny olombelona izany ratsy izany:

2 Misy olona nomen’Andriamanitra

vola aman-karena sy voninahitra,

ka tsy misy tsy ananany,

rehefa mety ho zavatra irin’ny fanahiny;

nefa tsy omen’Andriamanitra fahefana hiarana amin’izany izy,

fa olon-kafa no miarana amin’izany.

Zava-poana amam-pahoriana mavesatra koa izany.

3 Na dia manan-janaka zato lahy aza ity olona anankiray

sady ela velona taona maro izy,

ary nihamaro ny andron’ny taonany,

raha tsy voky hasambarana ny fanahiny,

ary tsy nahazo levenana akory ny tenany,

dia sambatra noho izy, ny tsy tonga volana, hoy aho.

4 Satria foana ny nahatongavany,

amin’ny maizina no ahalasanany;

ho voasaron’ny haizina ny anarany;

5 tsy hitany na fantany akory izay masoandro;

be fialan-tsasatra izy noho ilay olona.

6 Ka na ho velona roa arivo taona aza izy

nefa tsy miarana amin’ny fahasambarana,

tsy samy ho any amin’ny fitoerana iray ihany va ny zava-drehetra?

7 Ny asan’ny olombelona dia ho an’ny vavany avokoa,

nefa ny faniriany tsy mety afa-po na oviana na oviana.

8 Fa inona no soa azon’ny hendry mihoatra noho ny an’ny adala?

inona no soa azon’ny mahantra mahay mitondra tena eo imason’ny velona?

9 Aleo ny hita maso,

toy izay ny firedireden’ny faniriana.

Zava-poana amam-panenjehan-drivotra ihany koa izany.

10 Ny zavatra tonga rehetra, dia efa voatondro anarana rahateo;

fantatra ihany izay ho toetry ny olona;

ary tsy mahazo mifandahatra amin’izay mahery noho izy izy.

11 Fa betsaka ny teny izay mampitombo ny zava-poana fotsiny:

ka inona no soa azon’ny olona amin’izany?

12 Satria, iza tokoa moa no mahalala,

izay soa ho an’ny olona amin’ity fiainana ity;

dia amin’izao andro foana iainany izao,

izay andalovany toy ny fihelin’ny aloka?

Ary zovy no mahalaza amin’ny olona,

izay zavatra ho avy any aoriana, atỳ ambany masoandro?

Categories
Mpit

Mpit 7

Teny mialoha

1 Aleo laza soa, toy izy hanitra soa;

ary aleo ny andro ahafatesana, toy izay ny andro ahaterahana.

2 Aleo mankany an-trano misy fisaonana,

toy izay mankany an-trano misy fanasana;

satria itsy voalohany ny isehoan’ny hiafaran’ny olombelona,

ka atodiky ny velona hieritreritra an’izany ny fony.

3 Aleo alahelo toy izay hehy;

fa ny tarehy malahelo, mahasoa ny fo.

4 Ny fon’ny hendry, ao an-trano misy fisaonana,

fa ny fon’ny adala, ao an-trano misy fifaliana.

5 Aleo mihaino ny fananaran’ny hendry,

toy izay mihaino ny hiran’ny adala.

6 Fa toy ny firefodrefotry ny tsilo ambany vilany

ny hehin’ny adala.

Zava-poana koa izany.

7 Fa ny fampahoriana, mahavery saina ny hendry;

ary ny kolikoly, mahasimba ny fo.

1. Ny valin’ny atao

8 Aleo ny fiafaran’ny zavatra, toy izay ny fiandohany;

aleo fo mahalefitra, toy izay fo miavonavona.

9 Aza maika foana ny ho tezitra am-po;

fa ny tratran’ny adala no fitoeran’ny hatezerana.

10 Aza manao hoe: Nahoana ny andro taloha,

no tsara noho ny ankehitriny?

fa tsy mba fahendrena no anontaniana an’izany.

11 Tsara ny fahendrena miaraka aman-dova,

ary mahasoa an’izay mahita masoandro izy.

12 Fa sahala ny fiarovana avy amin’ny vola

sy ny fiarovana avy amin’ny fahendrena;

nefa soa manan-tombo ny fahaizana,

dia mampiaina an’izay manana azy ny fahendrena.

13 Jereo ange ny asan’Andriamanitra:

Zovy moa no hahahitsy izay nomelohiny?

14 Mifalia, amin’ny andron’ny fahasambarana,

ary mieritrereta, amin’ny andron’ny fahoriana:

fa samy nataon’Andriamanitra ireo,

mba tsy hahafantaran’ny olona izay tsy maintsy hihatra aminy.

15 Izao rehetra izao no efa samy hitako,

tamin’ny andron’ny hatsinontsinoko.

Misy marina, maty amin’ny fahamarinany;

ary misy ratsy fanahy ela velona amin’ny faharatsiany!

16 Aza dia marin-doatra,

ary aza dia miseho ho hendry loatra:

ahoana no hitadiavanao hamono tena?

17 Aza dia sompatra loatra,

ary aza dia adala:

Ahoana no hitadiavanao ny ho faty alohan’ny fotoanao?

18 Tsara ny hitananao an’ity,

sy tsy hanaovanao mosalahy amin’irỳ;

fa ny matahotra an’Andriamanitra manalavitra ireo zavatra rehetra diso ohatra ireo.

19 Ny hendry, omen’ny fahendrena hery,

mihoatra noho ny an’ny mpanapaka folo ao an-tanàna.

20 Fa tsy misy olombelona marina amin’ny tany,

izay manao ny tsara, ka tsy manotaakory.

21 Aza asianao raharaha loatra

izao teny lazaina rehetra izao;

fandrao dia renao manozona anao ny mpanomponao.

22 Satria fantatry ny fieritreretanao fa matetika

dia efa nanozona ny sasany koa ianao.

23 Hitako tamin’ny fahendrena, fa marina izany rehetra izany;

dia hoy aho: Ho hendry aho!

kanjo nitoetra lavitra ahy ny fahendrena.

24 Izay tonga dia lavitra

sady lalina dia lalina; ka zovy no mahatratra izany?

25 Nikezaka aho, ary ny foko nitady, hahalala, hamototra sy handalina

ny fahendrena aman’anton-javatra,

ary hitako fa fahaverezan-tsaina ny faharatsiana,

ary rediredy foana ny fitondran-tena adala.

26 Ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana

ny vehivavy izay fandrika sy harato ny fony;

ary famatorana ny tanany;

izay matahotra an’Andriamanitra afa-mandositra azy;

fa ny mpanota kosa hosingorany.

27 Izao no hitako, hoy ny Mpitory teny,

tamin’ny andinihana ny zavatra tsirairay,

hahitana ny antony,

fa tsy tapaka mikatsaka izany ny fanahiko,

nefa tsy hitako, dia izao:

Nahita lehilahy iray tamin’ny arivo aho,

nefa tsy nahita vehivavy iray tamin’izany isa izany ihany kosa.

28 Fa jereo ange, izao no hitako:

Nataon’Andriamanitra mahitsy fo ny olona,

fa mamorona saim-petsy maro kosa izy ireo.

Categories
Mpit

Mpit 8

1 Iza moa no tahaka ny hendry,

ary zovy no mahalala ny anton-javatra, toa azy?

Ampamirapiratin’ny fahendren’ny olona ny tarehiny,

ary ny tarehiny marokoroko dia voaova.

2 Hoy aho: Tandremo ny didin’ny mpanjaka,

noho ny efa nianianana tamin’Andriamanitra:

3 aza maika hiala eo anatrehany.

Aza mikiribiby amin’ny zavatra tsy mety,

fa izay sitrany rehetra azony atao avokoa.

4 Manan-kery tsy toha ny tenin’ny mpanjaka,

ka iza no hanao aminy hoe: Inona ity ataonao?

5 Izay mitandrina ny didy, tsy iharan-doza na inona na inona;

ary ny fon’ny hendry hahalala ny fotoana sy ny fitsarana.

6 Fa samy misy fotoana amam-pitsarana ho azy avy ny zavatra rehetra,

fa lehibe ny loza hanjò ny olombelona.

7 Tsy mahalala izay ho avy izy;

ary iza no hilaza aminy, na hanao ahoana na hanao ahoana no hiavian’izany?

8 Tsy tompon’ny fofon’ainy ny olombelona,

ka hahatana ny fofon’ainy;

ary tsy manam-pahefana amin’ny andro ahafatesany izy;

tsy misy avaka ny amin’izany ady izany,

ary ny heloka tsy hahavonjy ny olo-meloka.

9 Nahita izany rehetra izany aho;

fa nentiko mandinika ny zavatra rehetra

atao atỳ ambany masoandro, ny saiko,

amin’ny andro anapahan’olona iray, ny olon-kafa,

ka ampidirany loza aminy.

10 Hitako fahizany, fa ny ratsy fanahy mahazo levenana,

sy tafiditra ny fitsaharany,

fa ny olona manao ny marina kosa,

miala lavitra ny fitoerana masina,

ary hadinoina ao an-tanàna.

Zava-poana koa izany.

11 Saingy tsy tanterahina vetivety,

ny teny fitsarana navoaka hamaliana ny ratsy atao,

ka noho izany ny fon’ny zanak’olombelona dia mihasahy ao anatiny amin’ny fanaovan-dratsy;

12 fa na hanao ratsy injato aza ny mpanota,

ka ho lava andro iainana koa,

fantatro fa ny fahasambarana kosa,

dia an’izany matahotra an’Andriamanitra,

dia izay tsindrian’ny fahatahorana eo anatrehany.

13 Fa tsy mba an’ny ratsy fanahy, ny hasambarana;

ary ho toy ny aloka izy fa tsy lava andro iainana,

noho izy tsy matahotra an’Andriamanitra.

14 Izao koa no zava-poana miseho atỳ ambonin’ny tany:

Misy olo-marina iharan’

izay mendrika ny asan’ny ratsy fanahy;

ary misy olon-dratsy

iharan’izay mendrika ny asan’ny tsara fanahy.

Ka hoy aho: zava-poana koa izany.

15 Koa midera ny fifaliana aho,

satria tsy misy hasambarana ho an’ny olona atỳ ambany masoandro,

afa-tsy ny mihinana sy misotro ary mifaly;

ary izany no tokony homba azy

amin’ny asany, mandritra ny andro

omen’Andriamanitra hiainany, atỳ ambany masoandro.

2. Ny fitiavana

16 Raha nentiko hamantatra ny fahendrena ny saiko,

sy handinika ny anjara asa,

atao atỳ ambonin’ny tany, –

fa na andro na alina

tsy mahita tory ny mason’ny olona –

dia hitako ny asan’Andriamanitra manontolo;

17 hitako fa hain’olombelona fantarina

ny asa atao atỳ ambany masoandro;

misasatra mitady ny olombelona fa tsy mahita,

na maniry te-hahalala aza ny hendry

dia tsy mahatakatra koa.

Categories
Mpit

Mpit 9

1 Nasiako raharaha tokoa izao rehetra izao

ary hitako tsara izao rehetra izao:

Eo an-tanan’Andriamanitra ny marina sy ny hendry

mbamin’ny asany rehetra;

tsy misy fantatry ny olombelona na ny fitiavana na ny fankahalana;

eo anoloany avokoa ny zavatra rehetra.

2 Na inona na inona tsy misy avaka ny mahazo ny olombelona rehetra;

sahala ny anjaran’ny marina sy ny ratsy,

ny tsara sady madio, sy ny tsy madio,

ny manao sorona sy ny tsy manao sorona;

izay manjò ny olona tsara fanahy ihany no manjò ny mpanota koa;

izay nianiana, tsy misy hafa amin’izay tsy sahy mianiana.

3 Zavatra ratsyanankiray amin’izay rehetra atao atỳ ambany masoandro

dia ny itovian’ny olombelona rehetra anjara;

ka noho izany dia feno hasomparana ny fon’ny zanak’olombelona.

ary ao am-pony mandritra ny andro iainana, ny hadalana.

Nony afaka izany, mankany amin’ny maty izy.

4 Fa raha anisan’ny velona, dia mbola misy fanantenana,

aleo amboa velona, toy izay liona maty.

5 Fa ny velona mahalala fa ho faty izy;

fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona,

ary tsy manan-tamby intsonyizy

fa hadino ny fahatsiarovana azy.

6 Levona sahady ny fitiavany,

sy ny fankahalany amam-pialonany;

ary tsy hanana anjara akory na oviana na oviana izy

amin’izay atao atỳ ambany masoandro intsony.

7 Mandehana, hano an-kafaliana ny mofonao,

ary sotroy am-piravoravoam-po ny divainao;

fa efa asehon’Andriamanitra ny fankasitrahany ny asanao.

8 Aoka ho fotsy mandrakariva ny fitafianao;

ary tsy ho diso diloilo manitra ny lohanao.

9 Miadàna amin’izao fiainanao izao miaraka amin’ny vady tianao,

mandritra ny andro tsinontsinona rehetra iainanao

izay nomen’Andriamanitra anao atỳ ambany masoandro,

dia mandritra ny andro foana rehetra izay anao,

fa izany no anjaranao amin’ity fiainana ity,

sy amin’ny asa ataonao atỳ ambany masoandro.

10 Izay rehetra azon’ny tananao atao,

dia ataovy amin-kerim-po;

fa tsy misy asa na fahalalana na fahaizana,

na fahendrena any amin’ny Seoly izay halehanao.

3. Ny anjara

11 Nihodina aho, ary hitako atỳ ambany masoandro

fa ny fihazakazahana tsy an’ny faingan-tongotra;

na ny ady an’ny mahery fo

na ny hanina an’ny hendry

na ny harena an’ny mahalala

na ny tombon-tsoa an’ny mahay

fa samy voan’ny fotoana aman-tsampona avokoa izy rehetra.

12 Fa ny fotoanany aza tsy fantatry ny olombelona;

toy ny hazandrano latsaka am-bovo tsy azo ialana,

sy toy ny vorona voan’ny fandrika,

tahaka azy ireo koa ny zanak’olombelona

dia voafadiditra amin’ny androm-pahoriana,

raha avy izay iantsamboran-doza tampoka aminy.

13 Izao koa no fahendrena hitako tatỳ ambany masoandro,

ka nataoko ho lehibe izy io.

14 Nisy tanàna kely anankiray vitsy mponina ao anatiny;

nalehan’ny mpanjaka mahery, nataony fahirano,

sy nananganany tilikambo avo hamelezana azy.

15 Fa nisy mahantra sy hendry kosa tao,

ka namonjy ny tanàna tamin’ny fahendreny.

Ary tsy mba nisy nahatsiaro an-dralehilahy mahantra akory ny olona

16 Ary hoy aho: Aleo fahendrena toy izay hery;

nefa hamavoin’ny olona ny fahendren’ny mahantra,

ary tsy henoina akory ny teniny.

17 Ny tenin’ny hendry tononina amim-piadanana dia henoina tsara,

mihoatra noho ny fitreron’ny mpanapaka eo afovoan’ny adala.

18 Aleo fahendrena, toy izay fitaovana enti-miady;

nefa mpanota iray monja dia mandrava soa betsaka.

Categories
Mpit

Mpit 10

1 Fatin-dalitra mahamaimbo sy manimba ny diloilon’ny mpanao zava-manitra;

tahaka izany koa ny fahadalana kely

mahaleo ny fahendrena amam-boninahitra.

2 Ny fon’ny hendry eo ankavanany;

ny fon’ny adala kosa eo ankaviany.

3 Ary koa raha mandeha any an-dalana ny adala,

dia very hevitra izy,

ka maneho ny hadalany amin’ny olona rehetra.

4 Raha misondrotra tezitra aminaony fon’ny mpanapaka,

aza miala eo amin’ny fitoeranao,

fa ny fahatsindriam-po mahasakana hadisoana be vava.

5 Misy ratsy efa hitako atỳ ambany masoandro,

tahaka ny hadisoana avy amin’ny mpanjaka izany:

6 Ny fahadalana mitana raharaha ambony,

ary misy mpanan-karena, mipetraka amin’ny toetra ambany.

7 Misy mpanompo hitako mitaingin-tsoavaly,

ary andriandahy kosa nandeha tongotra toa mpanompo.

8 Izay mihady lavaka mety ho latsaka ao,

ary izay mandrava rafi-bato

mety hokaikerin’ny menarana.

9 Izay manenda-bato, mety haratran’izany;

ary ny mamaky hazo mety ho voany.

10 Raha dombo ny antsy

ka tsy asaina ny lelany,

dia tsy maintsy manao an’aina ny mpikapa;

fa ny fahendrena no metimety kokoa hahombiazana.

11 Raha manaikitra ny bibilavafa tsy natao izay hampahasondriana azy,

dia tsy misy tombon-tsoa ho an’ny mpampahasondriana.

12 Mahafinaritra erỳ ny teny aloaky ny vavan’ny hendry;

mihinana ny tenany kosa ny molotry ny adala.

13 Ny fiandohan’ny teny avy amin’ny vavany, fahadalana;

ary fiafaran’ny lahateniny koa, fahaverezan-tsaina misafoaka.

14 Mampitombo ny teny ho maro, ny adala!…

Tsy fantatry ny olona izay ho avy;

ary iza no hilaza aminy izay ho avy any aoriany?

15 Ny asan’ny adala mandreraka azy;

fa ny mankany an-tanàna avy no tsy fantany.

16 Loza ho anao, ry tany izay manana zaza ho mpanjaka,

ary ny mpifehy homana hatry ny vao maraina!

17 Sambatra ianao, ry tany, izay manana zanak’andriana ho mpanjaka,

ary ny mpifehy homana amin’ny fotoanany mety,

mba hanohana ny ainy fa tsy hiarana amin’ny fisotro.

18 Raha kamo ny tanana, miletsy ny lohatrano;

ary raha miborera ny tanana, mitete ny trano.

19 Misakafo ny olona hiaranana amin’ny fahafinaretana;

ny divay maharavoravo ny fiainana,

ary ny vola, ahazoana ny zavatra rehetra.

20 Aza manozona ny mpanjaka, na ao an-tsainao aza;

aza manozona ny manam-pahefana, na eo an’efitrano fandrianao aza;

fa ny voromanidina hitondra ny feonao;

ary ny biby manana elatra hanely ny teninao.