Categories
Mpitsara

Mpitsara 1

Ny nametrahana an’i Jodà sy i Simeôna sy i Kaleba ary ny taranak’i Kenaza

1 Nony maty i Jôsoe, dia nanontany an’i Iaveh ny zanak’i Israely nanao hoe: «Iza aminay no hananika voalohany ny Kananeanina hiady aminy?»

2 Hoy ny navalin’i Iaveh: «I Jodà no hananika; indro efa natolotro eo an-tanany ny tany».

3 Ary hoy i Jodà tamin’i Simeôna rahalahiny: «Andeha hiakatra miaraka amiko ianao ho any amin’ny tany azoko tamin’ny loka, dia hiady amin’ny Kananeanina isika; dia handeha hiaraka aminao koa aho any amin’ny tany azonao tamin’ny loka.» Dia niaraka taminy i Simeôna.

4 Niakatra i Jodà ary natolotr’i Iaveh teo an-tanany ny Kananeanina sy ny Ferezeanina. Lehilahy iray alina no resiny tao Bezeka.

5 Hitany tao Bezeka i Adôni-Bezeka, ka nasiany, dia resiny ny Kananeanina sy ny Ferezeanina.

6 Nandositra i Adôny-Bezeka fa nenjehin’izy ireo, koa nony azony, notapahiny ny ankiben-tanany aman-tongony.

7 Dia hoy i Adôni-Bezeka: «Mpanjaka fitopolo notapahina ankiben-tongotra aman-tanana no nitsindroka tao ambany latabatro, ka ny nataoko ity no afotitr’Andriamanitra amiko.» Nentina nankany Jerosalema izy, dia maty tany.

8 Namely an’i Jerosalema ny taranak’i Jodà dia afany, ary nodorany tamin’ny afo ny tanàna.

9 Taorian’izany dia nidina ny taranak’i Jodà hiady amin’ny Kananeanina monina amin’ny tendrombohitra, ny Negeba ary ny Sefelà.

10 Dia nandroso i Jodà namely ny Kananeanina nonina tany Hebrôna, izay nantsoina fahiny hoe Kariata-Arbe, ary nandresy an’i Sesaia sy i Ahimàna ary Tolmaia.

11 Avy eo dia nandroso hiady tamin’ny mponina tao Dabira, izay nantsoina fahiny hoe Kariata-Sefera.

12 Ary hoy i Kaleba: «Homeko an’i Aksà zanako vavy ho vadiny, izay mamely ka mahafaka an’i Kariata-Sefera.»

13 Dia Otoniela zanak’i Keneza, zandrin’i Kaleba, no nahafaka azy, ka nomen’i Kaleba ho vadiny i Aksà zanany vavy.

14 Nony nandeha tany amin’i Otoniela izy, dia namporisika azy hangataka saha amin-drainy. Niala tamin’ny ampondrany razazavavy, ka hoy i Kaleba taminy: «Maninona ianao?»

15 Ary hoy ny navaliny azy: «Omeo tombom-pitia aho, fa tany tsy misy rano no nametrahanao ahy, ka mba omeo loharano aho.» Dia nomen’i Kaleba ny loharano ambony sy ny loharano ambany izy.

16 Niara-niakatra tamin’ny taranak’i Jodà, avy any amin’ny tanànan-drofia, ny taranak’ilay Kineaninazaodahin’i Môizy, nankany amin’ny efitr’i Jodà, atsimon’i Arada: ka tonga niara-monina tamin’ny vahoaka izy.

17 Dia niainga nandeha indray i Jodà, nomban’i Simeôna rahalahiny, ka nandresy ny Kananeanina nonina tany Sefaata; nataony anatema ny tanàna, ka Hormà no niantsoana azy.

18 Afak’i Jodàkoa i Gazà mbamin’ny faritaniny.

19 Nomba an’i Jodà i Iaveh ka lasany ny tendrombohitra; tsy voaroakany anefa ny mponina amin’ny tany lemaka; fa nanan-kalesy vy ireny.

20 Nomena an’i Kaleba i Hebrôna araka ny voalazan’i Môizy, ka noroahiny hiala tao ny zanak’i Enàka telo lahy.

21 Tsy nandroaka ny Jeboseanina nonina tao Jerosalema ny taranak’i Benjamina, ka niara-nonina tamin’ny zanak’i Benjamina tao Jerosalema mandraka androany ny Jeboseanina.

Ny Nametrahana ny fianakavian’i Josefa

22 Niakatra namely an’i Betela koa ny fianakavian’i Josefaary nomba azy ireo i Iaveh.

23 Naniraka hisafo an’i Betela, tanàna nantsoina fahiny hoe Lozy, ny fianakavian’i Josefa.

24 Hitan’ny mpiambina ity lehilahy anankiray nivoaka avy tao an-tanàna, ka hoy izy taminy: «Atoroy anay izay azo idirana any an-tanàna fa hamindrànay fo ianareo.»

25 Dia natorony azy ireo izay ho azony hidirana any an-tanàna, ka nasian’izy ireo tamin’ny lelan-tsabatra ny tanàna, fa ralehilahy sy ny mpianakaviny rehetra no nalefany handeha.

26 Any amin’ny tanin’ny Heteaninano nalehan-dralehilahy, dia nanorina tanàna izy, nomeny anarana hoe Lozy, mbola anarany mandraka androany izany.

Ny nametrahana an’ireo foko tany avaratra sy ireo Edômita na Amôreana

27 I Manase tsy nandroaka ny mponina tao Betsàna sy ny tanàna momba azy, na ny tao Tanàka sy ny tanàna momba azy, na ny mponina tao Dôra sy ny tanàna momba azy, na ny mponina tao Jeblaamà sy ny tanàna momba azy, ka nahazo toky hipetraka amin’izany tany izany ny Kananeanina.

28 Nony efa nihanahery i Israely, dia nampandoaviny hetra ny Kananeanina, nefa tsy noroahiny izy ireo.

29 I Efraima tsy nandroaka ny Kananeanina nonina tao Gareza, ka nonina teo amin’i Efraima tao Gareza ny Kananeanina.

30 I Zabolôna tsy nandroaka ny mponina tao Setrôna, na ny mponina tao Naalôna, ka nonina tao amin’i Zabolôna ny Kananeanina fa nampandoaviny hetra.

31 I Asera tsy nandroaka ny mponina tao Akao, na ny mponina tao Sidona, na ny tao Ahalaba, Akaziba, Helbà, Afeka, ary Rohoba,

32 ka nonina teo amin’ny Kananeanina tompon-tany ny taranak’i Asera, satria tsy nandroaka azy.

33 I Neftalì tsy nandroaka ny mponina tao Bety-Samesy na ny mponina tao Bety-Anata, ka nonina teo amin’ny Kananeanina tompon-tany izy, nefa nandoa hetra tamin’ny mponina tao Bety-Samesy sy Bety-Anata.

34 Nasesiky ny Amôreana ho any amin’ny tendrombohitra ny taranak’i Dana, fa tsy navelany hidina ho amin’ny tany lemaka,

35 ary nahazo toky ny Amôreana hitoetra ao Hara-Haresy sy Ajalôna ary Selebima fa nanampatra ny herin’ny tanany tamin’izy ireo kosa ny fianakavian’i Josefa, ka nampandoaviny hetra izy ireo.

36 Ny faritanin’ny Amôreana, dia hatramin’ny fiakarana Akrabima sy Selà no ho miakatra.

Categories
Mpitsara

Mpitsara 2

Ny Anjelin’i Iaveh manambara loza ho an’i Israely

1 Ary niakatra avy any Galgalà ny Anjelin’i Iaveh nankany Bokima, ka nanao hoe: «Nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta Aho; dia nampiditra anareo amin’ny tany izay nianianako tamin’ny razanareo homena anareo. Hoy Aho hoe: Tsy hanatsoaka ny fanekeko aminareo mandrakizay Aho,

2 ary ianareo kosa tsy hanao fanekena amin’ny mponina amin’ity tany ity fa handrava ny ôteliny. Kanjo tsy nihaino ny feoko ianareo. Ka ahoana no nanaovanareo izany?

3 Ary Izaho koa nilaza nanao hoe: Tsy horoahiko eo anoloanareo ireny ka ho eo anilanareo izy ary ny andriamaniny ho fandrika ho anareo.»

4 Mbola nilaza izany teny izany tamin’ny zanak’i Israely ilay Anjelin’i Iaveh dia efa nanandra-peo nitomany ny vahoaka.

5 Ka nomeny anarana hoe Bokima izany fitoerana izany, ary nanolotra sorona ho an’i Iaveh teo izy ireo.

Ny fiafaran’ny fiainan’i Jôsoe

6 Rehefa nampodin’i Jôsoe ny vahoaka, dia samy nankany amin’ny lovany avy ny zanak’i Israely mba haka ny tany.

7 Nanompo an’i Iaveh ny vahoaka, tamin’ny andro rehetra niainan’i Jôsoe, sy tamin’ny andro rehetra niainan’ireo loholona velona taoriany, izay nahita ny asa lehibe rehetra nataon’i Iaveh ho an’i Israely.

8 Maty tamin’ny fahafolo amby zaton’ny taonany i Jôsoe, zanak’i Nona, mpanompon’i Iaveh.

9 Nalevina tao amin’ny faritany zara taniny izy, dia tao Tamnata-Heresy amin’ny tendrombohitr’i Efraima avaratry ny tendrombohitra Gaasa.

10 Ary voaangona any amin’ny razany koa izany taranaka izany; ka taranaka hafa, tsy nahalala an’i Iaveh na ny asa nataony ho an’i Israely, no nitsangana nandimby azy.

Nivadika sy voasazy ireo taranaka taoriana

11 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh ny zanak’i Israely, fa nanompo ireo Baala.

12 Nafoiny i Iaveh Andriamanitry ny razany, izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; fa andriamani-kafa, tamin’ireo andriamanitry ny firenena manodidina azy no narahiny, sy niankohofany teo anatrehany, ka nampahatezitra an’i Iaveh izy ireo.

13 Fa i Iaveh nilaozany, ary i Baala sy ny Astarte notompoiny.

14 Dia nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh ka natolony ho eo an-tanan’ny fahavalony manodidina azy izy, ary tsy nahatanty ny fahavalony intsony.

15 Izay nalehany namelezan’ny tanan’i Iaveh hampahory azy avokoa, araka ny efa voalazan’i Iaveh, araka ny nianianan’i Iaveh taminy rahateo, ka dia azon’ny fahoriana mafy izy.

Ireo Mpitsara. Tsy nisy fibebahana naharitra

16 Nanangana mpitsara ihany i Iaveh hanafaka azy ireo tamin’izay nandrombaka azy;

17 nefa tsy nihaino izay mpitsarany akory izy; fa nandeha nitolo-teny tamin’ny andriamani-kafa, sy niankohoka teo anoloan’ireny. Nalaky nivily izy tamin’ny lalana nomban’ny razany, izay nitandrina ny didin’i Iaveh; tsy nanao tahaka izany izy.

18 Nony nanangana mpitsara ho azy ireo i Iaveh, dia nomban’i Iaveh izany mpitsara izany ka namonjy azy ireo tamin’ny tanan’ny fahavalony, tamin’ny andro rehetra niainan’ny mpitsara; satria nalahelo i Iaveh noho ny fitarainany teo anoloan’ireo nampahory sy nampijaly azy.

19 Rehefa maty anefa ny mpitsara dia nihasimba indray izy mihoatra noho ny razany indray aza, ka lasa nanaraka andriamani-kafa mba hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, fa tsy niala amin’ny hadisoany amam-pikiribibiany.

Anton’ny naharetan’ireo hafa firenena

20 Tamin’izany dia nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh ka hoy izy: «Noho ity firenena ity nivadika tamin’ny fanekena nandidiako ny razany ary noho izy ireo tsy nihaino ny feoko,

21 dia tsy hisy horoahiko eo anoloany ireo firenena navelan’i Jôsoe tamin’ny nahafatesany, na dia iray aza;

22 ireo no hizahako toetra an’i Israely, na hazoto hanaraka ny lalan’i Iaveh izy, toy ny nahazoto ny razany, na tsia.»

23 Dia navelan’i Iaveh handry fehizay ireo firenena tsy mbola natolony teo an-tanan’i Jôsoe ireo, fa tsy nalaky noroahiny.

Categories
Mpitsara

Mpitsara 3

Ireo firenena tsy nisy ady

1 Ireto no firenena navelan’i Iaveh handry feizay hoenti-mizaha toetra an’i Israely, dia izay rehetra tsy nahita ny ady rehetra tany Kanaana.

2 Ary hany nokendreny tamin’izany dia fampianarana ny taranak’i Israely sy hampahaizany hiady, dia ho an’izay tsy mbola nahalala izany taloha ahay.

3 Ny andriana dimy tamin’ny Filistinina, ny Kananeanina sy ny Sidonianina ary ny Heveanina rehetra izay nonina tamin’ny tendrombohitra Libàna, hatramin’ny tendrombohitra Baala-Hermôna, ka hatramin’ny vava lalan’i Hamata.

4 Ireo no nokendrena hozahan-toetra an’i Israely, mba hahitana raha hitandrina ny didy izay nandidian’i Iaveh ny razany tamin’ny alalan’i Môizy izy ireo na tsia.

5 Ary ny zanak’i Israely dia nonina tao afovoan’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Heveanina, ary ny Jeboseanina.

6 Ny zanaka vavin’ireo nalainy ho vady, ny zanany vavy nomeny ho vadin’ny zanaka lahin’ireo; ary ny andriamanitr’ireo no notompoiny.

1. I OTONIELA

7 Nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh ny zanak’i Israely: I Iaveh nohadinoiny, fa i Baala sy ny Askerôta no notompoiny,

8 ka nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh; namidiny ho eo an-tanan’i Kozana-Rasataîma mpanjakan’i Mesôpôtamia izy, dia nanompo an’i Kozana-Rasataîma valo taona ny zanak’i Israely.

9 Fa nitaraina tamin’i Iaveh ny zanak’i Israely ka nananganan’i Iaveh mpanafaka izay namonjy azy izy, dia Otoniela zanak’i Keneza, zandrin’i Kaleba.

10 Nilatsaka tamin’io ny Fanahin’i Iaveh, ka nitsara an’i Israely izy, ary nivoaka hiady; ary natolotr’i Iaveh ho eo an-tanany i Kosana-Rasataîma mpanjakan’i Mesôpôtamia, ka nahery tamin’i Kozana-Rasataîma ny tanany.

11 Dia nandry efapolo taona ny tany, ary maty i Otoniela zanak’i Keneza.

2. I AODA

12 Fa nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh indray ny zanak’i Israely, ka noho izy nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh dia nampaherezin’i Iaveh tamin’i Israely, i Eglôna mpanjakan’i Moaba.

13 Nikambana tamin’ny taranak’i Amôna sy i Amaleka, i Eglôna, dia niainga nandeha. Nandresy an’i Israely izy ka nanafaka ny tanànan-drofia.

14 Dia nanompo an’i Eglôna mpanjakan’i Moaba, valo ambin’ny folo taona ny zanak’i Israely.

15 Fa nitaraina tamin’i Iaveh ny zanak’i Israely, ka nananganan’i Iaveh mpanafaka, dia i Aoda, zanak’i Gerà, Benjaminita, izay nampiasa ny tanany ankavanana. Nampitondrain’ny zanak’i Israely fanomezana ho an’i Eglôna mpanjakan’i Moaba izy.

16 Nanao sabatra roa lela i Aoda, hakiho no halavany, nafehiny anatin’ny akanjony tamin’ny andilany havanana.

17 Natolony an’i Eglôna mpanjakan’i Moaba ny fanomezana, ary lehilahy matavy be i Eglôna.

18 Nony vitany ny fanolorany ny fanomezana dia nalefany ny olona nitondra ny fanomezana;

19 fa izy kosa dia niverina, avy hatreo amin’ilay sampy vatoakaikin’i Galgalà ka nanao hoe: «Ry mpanjaka ô, misy zavatra tsy ambara telo holazaiko aminao.» Ka hoy ny mpanjaka: «Mangina!» Dia nivoaka avokoa izay olona rehetra tao aminy.

20 Nipetraka irery tao an-tranony fakana hatsiatsiakaizy no nohatonin’i Aoda ka nataony hoe: «Manana teny avy amin’Andriamanitra ho anao aho.» Tafatsangana niala tamin’ny fiketrahany i Eglôna.

21 Dia naninjitra ny tanany havia i Aoda tamin’izay, nanatsoaka ny sabatra teny amin’ny andilany havanana, ary notrabarany tamin’io ny kibony;

22 Ka ny lelan-tsabatra dia difotra mban-jarany ary nikatona teo ambonin’ny lelan-tsabatra ny taviny fa tsy notsoahiny tamin’ny kibony ny sabatra ary tafagorobaka hatrany an-damosiny.

23 Ny tohatra any ivelany no nivoahan’i Aoda, ary ny varavaram-ben’ny trano ambony nohidiany tamin’ny karetsaka.

24 Rehefa tafavoaka izy dia tonga ny mpanompon’ny mpanjaka dia nizaha izy ka indro fa ny varavaram-ben’ny trano ambony dia voahidy karetsaka, ka hoy izy: «Tsy maintsy misaron-tongotra ato an-trano fakàna hatsiatsiaka izy.»

25 Dia niandry ela teo izy ireo ka efa menatra aza, ary nony tsy novohainy ny varavaran’ny trano ambony dia nalain’izy ireo ny fanalahidy ka novohainy; ary indro fa maty niampatra tamin’ny tany teo ny tompony.

26 Dieny mbola niatoato teo izy ireo dia efa lasa nitsoaka i Aoda, sy tafahoatra ny sampy vato ary nandositra tany Seirata.

27 Vao tonga izy dia notsofiny ny trômpetra tany amin’ny tendrombohitra Efraima. Nidina avy any amin’ny tendrombohitra niaraka taminy, ny zanak’i Israely, ary izy no nitarika azy ireo.

28 Hoy izy taminy: «Manaraha ahy, fa efa natolotr’i Iaveh eo an-tananareo ny fahavalonareo, ny Moabita.» Dia nidina nanaraka azy ireo, ka azony ny fitàna an’i Jordany tandrifin’i Moaba, ary notapahiny tsy hitan’olona na dia iray aza.

29 Nandresy an’i Moaba izy ireo tamin’izany andro izany, tokony ho lehilahy iray alina, samy tomady sy mahery avokoa, ka tsy afa-nandositra na dia iray aza.

30 Dia voaetry eo ambanin’ny tanan’i Israely i Moaba tamin’izany andro izany ka nandry valopolo taona ny tany.

3. I SAMIGARA

31 I Samigara zanak’i Anata no nanarakaraka azy. Nandresy Filistinina enin-jato lahy, tamin’ny fanindronan’omby izy, ka mpanafaka an’i Israely koa.

Categories
Mpitsara

Mpitsara 4

I Israely ampijalian’ny Kananeanina

1 Nony maty i Aoda, dia mbola nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh indray ny zanak’i Israely;

2 ka namidin’i Iaveh teo an-tanan’i Jabìna mpanjakan’i Kanaana, izay mpanjaka tao Saôra. I Sisarà no lehiben’ny foloalindahy, ary tao Harôseta-Gôïma izy no nitoetra.

3 Nitaraina tamin’i Iaveh ny zanak’i Israely fa nanan-kalesy vy sivin-jato i Jabìna, ary nampahory mafy ny zanak’i Israely hatramin’ny roapolo taona.

I Debôrà

4 Tamin’izany andro izany dia i Debôràvehivavy mpaminany, vadin’i Lapidôta no nitsara ny zanak’i Israely.

5 Teo ambanin’ny rofian’i Debôrà, anelanelan’i Ramà sy i Betela, amin’ny tendrombohitra Efraima, no nipetrahany hitsara; niakatra ny zanak’i Israely nanatona azy hotsaraina.

6 Naniraka olona hiantso an’i Baràka, zanak’i Abinaema, tany Kadesa any Neftalì, izy, ka nanao taminy hoe: «Tsy izao va no didy nomen’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Mandehana mankany an-tendrombohitra Tabôra ianao ary mitondrà lehilahy iray alina amin’ny taranak’i Neftalì sy amin’ny taranak’i Zabolôna hiaraka aminao,

7 fa hoentiko ho ao aminao ao amin’ny ranon-driaka Sisaona i Sisarà, lehiben’ny foloalindahin’i Jabìna, mbamin’ny kalesiny sy ny antoko-miaramilany ka hatolotro eo an-tananao».

8 Hoy i Baràka taminy: «Raha handeha miaraka amiko ianao, dia handeha aho fa raha tsy handeha hiaraka amiko ianao, dia tsy handeha aho».

9 Ka hoy ny navaliny: «Eny àry, handeha hiaraka aminao aho; fa tsy ho anao ny voninahitra amin’izao fanafihana halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hanoloran’i Iaveh an’i Sisarà.» Dia niainga i Debôrà, ka lasa niaraka tamin’i Baràka nankany Kedesy.

10 Nantsoin’i Baràka ho any Kedesy i Zabolôna sy i Neftalì, ka nisy lehilahy iray alina no rafitra nanaraka azy; ary i Debôrà nandeha niaraka taminy.

I Hebera Kineanina

11 I Hebera ilay Kineanina, dia nisaraka tamin’ny Kineanina taranak’i Hôbada, zaodahin’i Môizy ka nilasy hatrany amin’ny aoka any Senima, akaikin’i Kedesy.

Ny naharesen’i Sisarà

12 Nilazana i Sisarà, fa niainga i Baràka zanak’i Abinôema nankany amin’ny tendrombohitra Tabôra,

13 ka nasainy nentina avy tany Harôseta-Gôïma ny kalesiny vy sivin-jato mbamin’ny vahoaka rehetra izay tao aminy, ho ao amin’ny ranon-driaka Sisaona.

14 Tamin’izay dia hoy i Debôrà tamin’i Baràka: «Mitsangàna, fa anio no andro anoloran’i Iaveh an’i Sisarà ho eo an-tananao. Moa tsy nivoaka teo alohanao va i Iaveh?» Koa nidina avy any an-tendrombohitra Tabôra, i Baràka, ary lehilahy iray alina no nanaraka azy.

15 Ary i Sisarà mbamin’ny kalesiny rehetra sy ny tafiny rehetra dia nampifanaritahin’i Iaveh tamin’ny lelan-tsabatra teo anoloan’i Baràka, ka nidina niala tamin’ny kalesiny i Sisarà, dia nandeha an-tongotra nandositra.

16 Nenjehin’i Baràka hatrany Harôseta-Gôïma, ny kalesin’ny tafika ka lavony tamin’ny lelan-tsabatra avokoa ny tafik’i Sisarà rehetra, fa tsy nisy niangana na dia lehilahy iray aza.

Ny nahafatesan’i Sisarà

17 I Sisarà dia nandositra an-tongotra ho ao amin’ny lain’i Jahela vadin’i Hebera Kineanina; fa nihavana i Jabìna mpanjakan’i Asôra sy ny fianakavian’i Hebera Kineanina.

18 Nivoaka i Jahela hitsena an’i Sisarà ka nanao taminy hoe: «Mandrosoa, tompoko, mandrosoa atỳ amiko fa aza matahotra.» Dia nandroso aminy tao an-day izy, ka nafeniny tao ambany firakofana.

19 Ary hoy izy taminy: «Raha sitrakao mba omeo rano kely aho hosotroiko, fa mangetaheta.» Dia nosokafany ny siny hoditra fasian-dronono ka nomeny azy hisotroany dia norakofany izy.

20 Hoy ralehilahy taminy: «Mitoera eo am-baravaran’ny lay ianao, ka raha misy olona tonga manontany anao manao hoe: Misy lehilahy va ato? dia valio hoe: Tsia».

21 Fa nalain’i Jahela vadin’i Habera kosa ny tsima-day, nataony an-tanana ny tantanana, ary nitsaitsaika nanatona azy izy, dia natsatony tamin’ny fihirifany ny tsimatra, ka tafagorobaka tamin’ny tany, fa renoky ny torimaso izy azon’ny hasasarana mafy; dia maty izy.

22 Ary indro kosa fa nanenjika an’i Sisarà i Baràka ka nivoaka hitsena azy i Jahela, ka nanao taminy hoe: «Avia, fa hasehoko anao ny lehilahy tadiavinao.» Dia niditra tao aminy izy, ka hitany maty niampatra teo i Sisarà, ary ny tsima-day teo amin’ny fihirifany.

23 Tamin’izany andro izany no nanetren’Andriamanitra an’i Jabìna mpanjakan’i Kanaana, teo anoloan’ny zanak’i Israely.

24 Ary nihahery nanampatra ny tanany tamin’i Jabìna, mpanjakan’i Kanaana, ny zanak’i Israely, mandra-pandevony an’i Jabìna mpanjakan’i Kanaana.

Categories
Mpitsara

Mpitsara 5

TONONKIRAN’I DEBORA SY I BARAKA

1 Tamin’izany andro izany dia nihira i Debôrà sy i Baràka zanak’i Abinôema nanao hoe:

2 «Nitsangana hitarika ny lehibe ao amin’i Israely;

ny vahoaka nanolo-tena an-tsitrapo hiady;

ka misaora an’i Iaveh amin’izany ianareo!

3 Mihainoa, ry mpanjaka, mampandria sofina, ry mpanjaka:

fa izaho dia izaho no hidera an’i Iaveh amin’ny hira,

hilaza hira ho an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely aho.

4 Iaveh ô, fony ianao nivoaka avy any Seira,

nony nandroso avy any an-tsahan’i Edôma,

nihorohoro ny tany, ny lanitra aza nitsonika,

ary nitsonika ho rano ny rahona.

5 Nihozongozona teo anatrehan’i Iaveh ny tendrombohitra,

dia io Sinaia io teo anatrehan’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.

6 Tamin’ny andron’i Simagara, zanak’i Amata,

tamin’ny andron’i Jahela ny lalam-be tsy nodiavina,

fa ny sakeli-dalana mihodivitra no nomban’ny mpandeha.

7 Lao ny tany an-tsahan’i Israely,

mandra-pitsangako, izaho Debôrà,

mandra-pitsangako izaho reny teo amin’i Israely.

8 Fa nifidy andriamani-baovao ny olona,

ka nitsidika eo am-bavahady ny ady,

ary ny ampinga aman-defona tsy nisy hita,

teo amin’ny olona efatra alina, amin’i Israely.

9 Miantoraka amin’ny mpitondra an’i Israely ny foko

sy amin’ny vahoaka anisan’ny nanolo-tena: Misaora an’i Iaveh!

10 Ianareo izay mitaingina ampondravavy fotsy,

ianareo izay mipetraka amin’ny karipetra,

ary ianareo izay mizotra eny an-dalana, mihirà ianareo.

11 Aoka ny mpandefa zana-tsipîka eo akaikin’ny rano fisotroam-biby,

hankalaza amin’ny feony ny fahamarinan’i Iaveh,

dia ny fahamarinana nataony tamin’ny taniny, ao amin’i Israely!

Tamin’izay ny vahoakan’i Iaveh nidina ho eny am-bavahadiny.

12 Mifohaza, mifohaza, ry Debôrà,

mifohaza, mifohaza ka manaova hira anankiray!

mitsangàna, ry Baràka, sambory izay ho babonao,

ry zanak’i Abineômo.

13 Midìna amin’izay ny sisan’ny andriana amin’ny vahoaka!

Midìna ho atỳ amiko, Iaveh, eo amin’ireo olo-mahery!

14 Avy any amin’i Efraima ny olona izay mandatsa-paka amin’i Amaleka;

nikambana tamin’ny antokonao i Benjamina teo aorianao;

avy any amin’i Makira nisy lehibe nidina,

avy any amin’i Zabolôna nisy mpitondra nitana ny tehin’ny mpanoratra.

15 Miakara amin’i Debôrà, ny andrian’i Isakara,

eo anilan’i Baràka i Isakara,

teo an-tany lemaka dia voairaka hanaraka azy izy.

Teo akaikin’ny sakeli-dranon-dRobena,

nisy fikasana lehibe tao am-po:

16 Nahoana no nijanona teo afovoan’ny tanimbolinao ianao,

nihaino ny feon-tsodin’ny mpiandry ondrinao?

Teo akaikin’ny sakeli-dranon-dRobena

nisy fikasana lehibe tao am-po.

17 I Galaada tsy nandao ny fonenany tany an-dafin’i Jordany;

ary i Dana, nahoana no nitoetra tao an-tsambony?

I Asera nijanona tsy nihetsika akory teo amoron-dranomasina;

teo am-pitodian-tsambony no nijanonany.

18 Fa i Zabolôna no firenena manao vy very ny ainy;

torak’izany koa i Neftalì eo amin’ny havoany marin-tampona.

19 Tonga ireo mpanjaka ka nandrafitra ady izy ireo,

nandrafitra ady tamin’izay ireo mpanjakan’i Kanaana,

dia tao Tanàka teo amoron’ny ranon’i Magedao,

fa tsy nahazo na dia akoram-bolafotsy iray aza.

20 Ny tany an-danitrano niady ho antsika,

ny kintana tamin’ny lalana ombany no niady tamin’i Sisarà.

21 Ny ranon-driaka Sisaona no nanakodia ny fatin’ireny,

dia ny ranon-driaka tamin’ny andro fahagola, ny ranon-driaka Sisôna.

Mandrosoa an-kasahiana, ry fanahiko ô!

22 Nikatrokatroka tamin’izay ny kitron’ny soavaly,

tamin’ny hazakazaka, dia ny firiotran’ny mpiadiny,

23 Ozòny i Mezôra, hoy ny Anjelin’i Iaveh,

Ozòny dia ozòny ny mponina ao!

Fa tsy mba tonga hanampy an’i Iaveh ireny,

fa tsy nanampy an’i Iaveh ireny niaraka tamin’ny mahery.

24 Hosoavina noho ny vehivavy i Jahela vadin’i Hebera, Kineanina;

hosoavina noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy.

25 Rano no nangatahiny, ronono no nomeny azy;

ronono tsy misy fangarony no natolony tamin’ny kopy mihaja.

26 Ny tanany anila mandray ny tsima-day,

ary ny tanany havanana ny tantanan’ny mpiasa.

Dia asiany i Sisarà, vakìny ny lohany;

torotoroiny, gorobahany ny fihirifany.

27 Miretaka eo an-tongony, lavo miampatra izy;

miretaka eo an-tongony lavo izy,

ary eo amin’izay iretahany ihany, no itsirany tsy misy aina intsony.

28 Eo am-baravarankely amin’ny makarakara,

no mijery ny renin’i Sisarà sady mikiakiaka:

‹Nahoana izato kalesiny no dia ela fiavy?

Nahoana izato saretiny no dia miadam-pandeha?›

29 Ny mahira-tsaina amin’ny andriambavy tandapany no mamaly azy;

ary ny tenin’ireo no averiny ao am-pony:

30 Tsy nahita va izy ireo, tsy mizara babo va izy ireo?

Zazavavy iray, zazavavy roa ho an’ny isa-mpiady;

lamba misoratsoratra ho babon’i Sisarà;

lamba samihafa soratra ho babo,

lamba misoratsoratra iray, lamba roa samy hafa soratra

ho eo an-tsoroky ny vavy.

31 Ny fahavalonao rehetra anie ho levona toy izany, Iaveh ô,

ary izay tia Anao kosa, hanahaka ny masoandro

raha ilay miposaka amin’ny heriny izy!»

32 Dia nandry efapolo taona ny tany.

Categories
Mpitsara

Mpitsara 6

Ny nampijalian’ny Madianita an’i Israely

1 Ary nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh ny zanak’i Israely, ka natolotr’i Iaveh ho eo an-tanan’i Madiàna, fito taona.

2 Nahery tamin’i Israely ny tanan’i Madiàna. Noho ny amin’i Madiàna no nanaovan’ny zanak’i Israely ireo zohy any an-tendrombohitra, mbamin’ireo lava-bato sy ny havoana mimanda.

3 Rehefa namafy voa i Israely, dia niakatra i Madiàna mbamin’i Amaleka ary ny zanaky ny Atsinanana, ka nanafika azy.

4 Nitoby tandrifin’i Israely izy ireo, dia nandrava ny vokatry ny tany, hatrany akaikin’i Gazà; nataony mafafa mihitsy ny fiveloman’i Israely, na ondry, na ampondra,

5 fa niakatra izy ireo miaraka amin’ny biby fiompiny sy ny lainy, ka nihahohaho toy ny valala ny fiaviny ary tsy hita isa izy sy ny ramevany; tonga amin’ny tany izy, mba handrava azy.

6 Reraka loatra i Israely noho ny amin’i Madiàna, ka nitaraina tamin’i Iaveh ny zanak’i Israely.

Teninà mpaminanin’Andriamanitra

7 Nony nitaraina tamin’i Iaveh ny zanak’i Israely, noho ny amin’i Madiàna,

8 dia naniraka mpaminany anankiray tamin’ny zanak’i Israely i Iaveh. Hoy izy taminy hoe: «Izao no tenin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Nitondra anareo niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta Aho; ary namoaka anareo tamin’ny trano fanandevozana.

9 Nanafaka anareo tamin’ny tanan’izay rehetra nampahory anareo; noroahiko teo anoloanareo ireny dia nomeko anareo ny taniny.

10 Hoy Aho taminareo: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo; aza matahotra ny andriamanitry ny Amôreana, izay onenanareo ny taniny. Kanjo tsy nihaino ny feoko ianareo.»

Nisehoan’ny Anjelin’i Iaveh i Jedeôna

11 Ary tonga ny Anjelin’i Iaveh ka nipetraka teo ambanin’ny terebinta tao Efrà, izay an’i Jôasy, fianakavian’i Abiesera. Nively vary teo amin’ny fitoerana famiazam-boaloboka i Jedeôna zanany tamin’izay, mba hapetrany amin’izay tsy hahitan’i Madiàna azy.

12 Niseho taminy ny Anjelin’i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Momba anao i Iaveh, ry lehilahy mahery.» Fa hoy i Jedeôna taminy:

13 «Indrisy, Tompoko,raha momba anay i Iaveh, ahoana no dia ianjeran’izao zavatra rehetra izao aminay? Ary aiza ny fahagagany rehetra izay tantarain’ny razanay aminay ataony hoe: Moa tsy nitondra anay niakatra avy tany Ejipta va i Iaveh? Fa efa nafoin’i Iaveh mihitsy izahay ankehitriny; ary efa natolony eo an-tanan’i Madiàna».

14 Dia nitodika azy i Iaveh ka nanao hoe: «Mandehana amin’izao hery anananao izao, ka afaho amin’ny tanan’i Madiàna i Israely; tsy efa nirahiko va ianao?»

15 Ary hoy i Jedeôna taminy: «Indrisy, Tompoko ô! Amin’ny inona no hanafahako an’i Israely? Indro ny fianakaviako fa faraidiny indrindra amin’i Manase, ary izaho no kely indrindra amin’ny ankohonan’i dada».

16 Fa i Iaveh nanao taminy hoe: «Homba anao Aho, ka horesenao toy ny olona iray monja i Madiàna».

17 Hoy i Jedeôna taminy: «Raha nahita fitia teo imasonao aho, mba omeo famantarana fa Ianao no miteny amiko.

18 Aza dia miala eto Ianao mandra-piveriko eto aminao, mitondra ny fanatitro sy mandroso azy eo anoloanao.» Dia hoy i Iaveh: «Hiandry mandra-piverinao Aho.»

19 Nony niditra i Jedeôna dia namboatra zanak’osy ary nanao mofo tsy misy lalivay tamin’ny lafarina iray efah, ka rehefa nataony tao anaty harona ny hena, ary tao anaty vilany ny ro dia nentiny tamin’izay teo ambanin’ny terebinta ka natolony.

20 Hoy ny Anjelin’i Iaveh taminy: «Alao ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay, apetraho eo ambonin’ity vatolampy ity, sy rotsahy ny ro.» Dia nataony izany.

21 Ary naroson’ny Anjelin’i Iaveh ny lohan’ny tehina teny an-tanany, ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay, dia nisy afo nivoaka niaraka tamin’izay tamin’ny vatolampy, nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay; ary nanjavona tsy hitan’ny masony ny Anjelin’i Iaveh.

22 Dia fantatr’i Jedeôna fa Anjelin’i Iaveh iny ka hoy i Jedeôna: «Maty aho, ry Iaveh Tompo ô, fa nahita nifanatri-tava tamin’ny Anjelin’i Iaveh.»

23 Hoy i Iaveh taminy: «Tomoera amim-piadanana, aza matahotra, fa tsy ho faty ianao.»

24 Nanorina ôtely teo i Jedeôna ho an’i Iaveh ka nantsoiny hoe: Iaveh-Saloma; mbola ao Efràn’i Abiesera izany mandraka androany.

I Jedeôna mamely an’i Baala

25 Alin’iny ihany, dia hoy i Iaveh tamin’i Jedeôna: «Alao ny vantotr’ombalahin-drainao, ny ombalahy faharoa, ilay efa fito taona. Ravao ny ôtelin’i Baala izay an-drainao, ary kapao ny Aseraheo anilany.

26 Raha efa izany manorena ôtely eo an-tampon’ity fitoerana mimanda ity, ho an’i Iaveh Andriamanitrao, sy manamboara azy, ka alao ilay ombalahy faharoa, ary manolora sorona dorana amin’ny hazon’Aserah hokapainao.»

27 Dia naka folo lahy tamin’ny mpanompony i Jedeôna ka nanatanteraka izay nolazain’i Iaveh taminy. Nefa tsy sahy nanao izany antoandro izy, fa natahotra ny ankohonan-drainy mbamin’ny olona tao an-tanàna ka alina vao nanao.

28 Nony ampitso maraina, ka nifoha ny olona tao an-tanàna, dia indro fa ny ôtelin’i Baala rava, ny Aserah teo anilany voakapa, ny ombalahy faharoa, voatolotra ho sorona dorana, teo ambonin’ny ôtely vao naorina.

29 Nifampilaza izy nanao hoe: «Iza no nanao izany?» Nanontany izy sy namototra ary nisy nilaza taminy hoe: «I Jedeôna zanak’i Jôasy no nanao izany.»

30 Tamin’izay ny olona tao an-tanàna nilaza tamin’i Jôasy hoe: «Avoahy ny zanakao ka aoka hovonoina izy fa nandrava ny ôtelin’i Baala, ary nikapa ny Aserah teo anilany.»

31 Ary hoy i Jôasy tamin’izay rehetra nitsangana teo hamely azy: «Ianareo indray ve no tokony hitsangana hiaro an’i Baala? Ianareo indray ve tokony hamonjy azy? Na zovy na zovy hitsangana hiaro an’i Baala, dia hatao maty alohan’ny ampitso maraina. Raha Andriamanitra i Baala dia aoka izy ihany no hitsangana hiaro ny tenany, fa noravan’olona ny ôteliny.»

32 Tamin’izany andro izany no nanomezan’ny olona anarana an’i Jedeôna hoe Jerobaala, fa nataony hoe: «Aoka i Baala hiaro tena aminy, satria noravany ny ôteliny.»

Fiantsoana hiantafika

33 Ary nivory i Madiàna sy i Amaleka mbamin’ny zanaky ny Atsinanana rehetra, ka nita an’i Jordany izy, dia nitoby teo amin’ny tany lemaka Jezraela.

34 Fa notsindrian’ny Fanahin’i Iaveh i Jedeôna ka nitsoka trômpetra, dia nivory nanaraka azy ny Abieserita;

35 nandefa iraka tany amin’i Manase rehetra izy, dia nivory nanaraka azy koa ireo; nandefa iraka tany amin’i Asera sy i Zabolôna ary i Neftalì izy, ka niakatra ireo nitsena azy.

Porofo nangatahina momba ny volon’ondry

36 Dia hoy i Jedeôna tamin’i Iaveh: «Raha ny tanako tokoa no tianao hamonjena an’i Israely, araka ny voalazanao,

37 indro hametraka volon’ondry eto am-pamoloana aho, ka raha ny volon’ondry irery no lenan’ny ando, fa ny tany rehetra kosa ho maina, dia ho fantatro fa ny tanako tokoa no hanafahana an’i Israely araka ny voalazanao.»

38 Dia tanteraka tokoa izany. Fa nifoha maraina koa izy nony ampitso ary nofiazany ny volon’ondry, ka nampandeha ranonando eran’ny kopy.

39 Fa hoy indray i Jedeôna tamin’Andriamanitra: «Aoka mba tsy hirehitra amiko ny hatezeranao, aoka ho afaka hiteny indray maka indray aho: mba te-hizaha kely indray mandeha monja amin’ny volon’ondry indray aho: aoka ny volon’ondry irery no ho maina, fa ny tany rehetra no hilatsahan’ny ando.»

40 Dia nataon’Andriamanitra izany tamin’izay; ny volon’ondry irery no maina ary ny tany rehetra no lenan’ny ando.

Categories
Mpitsara

Mpitsara 7

Nahenan’i Iaveh ny tafik’i Jedeôna

1 Vao maraina koa dia nifoha i Jerobaala, dia i Jedeôna izany, mbamin’ny vahoaka rehetra izay tao aminy ka lasa teo ambonin’ny loharano tao Harada. Ny tobin’i Madiàna kosa, dia teo avaratry ny an’i Jedeôna akaikin’ny havoana Môre amin’ny tany lemaka.

2 Ary hoy i Iaveh tamin’i Jedeôna: «Maro loatra ity vahoaka miaraka aminao, ka tsy hanolotra an’i Madiàna ho eo an-tanany Aho, fandrao hireharehan’i Israely amiko izany hataony hoe: Ny tanako ihany no nanafaka ahy.

3 Koa asaovy antsoina ampahibemaso ho ren’ny vahoaka ny hoe: Aoka hiverina izay matahotra sy mangovitra, ka hiala amin’ny tendrombohitra Gelbôe». Lehilahy roa arivo sy roa alina tamin’ny vahoaka no niverina ka iray alina sisa no nijanona.

4 Hoy i Iaveh tamin’i Jedeôna: «Mbola maro loatra ny vahoaka ka ampidino ho eo amoron-drano izy, fa eo no hanavahako azy ho anao, ka izay holazaiko aminao hoe: Aoka hiaraka aminao io no hiaraka aminao; fa izay holazaiko aminao hoe: Aoka tsy hiaraka aminao io, dia tsy hiaraka aminao.»

5 Dia nasain’i Jedeôna nidina ho eo amoron-drano ny vahoaka, ka hoy i Iaveh tamin’i Jedeôna: «Samy atokàny avy izay milelaka ny rano amin’ny lelany, toy ny filelaky ny amboa, sy izay rehetra mandohalika hisotro».

6 Nisy telon-jato lahy no nilelaka ny rano tamin’ny tanany naingainy ho eo am-bavany, fa ny vahoaka sisa rehetra dia nandohalika avokoa no nisotro.

7 Ka hoy i Iaveh tamin’i Jedeôna: «Amin’ireo telon-jato lahy nilelaka ireo, no hanafahako anareo, sy hanolorako an’i Madiàna ho eo an-tananao, fa ny vahoaka sisa rehetra aoka samy hody any aminy avy».

8 Dia nakan’izy telon-jato lahy ny vatsin’ny vahoaka sy ny trômpetrany, izay dia nalefan’i Jedeôna hody ny olona sisa rehetra tamin’i Israely, samy ho any an-dainy, fa notanany ny telon-jato lahy. Ny tobin’ny Madianita dia teo ambaniny teo amin’ny tany lemaka.

Fanambaràna milaza fandresena

9 Tamin’ny alin’izay, dia hoy i Iaveh tamin’i Jedeôna: «Mitsangàna ianao, ka midìna ho any an-toby, fa efa natolotro ho eo an-tananao izy.

10 Raha matahotra ny hamely azy ianao, dia miaraha midina amin’i Farà mpanomponao,

11 ka henoy izay lazain’izy ireo, ary amin’izay dia hihahery ny tananaoka hidina eny an-toby ianao.» Dia nidina niaraka tamin’i Farà mpanompony izy, ka tonga hatrany amin’ny mpiambina tsy aman’afo, eo alohalohan’ny toby.

12 I Madiàna sy i Amaleka mbamin’ny zanaky ny Atsinanana dia niely eran’ny tany lemaka, maro toy ny valala, ary tsy hita isa ny ramevany, hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina.

13 Tonga teo i Jedeôna ka indro nisy lehilahy anankiray nilaza nofy tamin’ny namany anankiray nanao hoe: «Nanonofy aho, ka indro, nisy mofo orja nikodiadia teo amin’ny tobin’i Madiàna, dia tonga hatrany amin’ny lay, dia nandona azy ka nianjera io; nataony mitsingoloka ny lay, ka voazera teo.»

14 Dia izao no navalin’ilay namany manao hoe: «Tsy inona izany fa ny sabatr’i Jedeôna, zanak’i Jôasy, lehilahy Israelita; efa voatolotr’Andriamanitra eo an-tanany i Madiàna sy ny toby rehetra.»

15 Nony ren’i Jedeôna ny filazana ny nofy sy ny heviny, dia niankohoka izy; ka nony tafaverina tany amin’ny tobin’i Israely, dia hoy izy: «Mitsangàna ianareo, fa efa natolotr’i Iaveh eo an-tanantsika ny tobin’i Madiàna.»

Notampohin’i Jedeôna ny Madianita

16 Nozarainy telo izy telon-jato lahy, ka samy nomeny trômpetra sy siny foana avokoa; ary fanilo tao anaty siny,

17 dia hoy izy tamin’izy ireo: «Izaho no hojerenareo, ary izay hataoko no hataonareo.

18 Rehefa mitsoka trômpetra aho sy ireo miaraka amiko, dia mitsofa trômpetra manodidina ny toby koa ianareo, ka milazà hoe: Ho an’i Iaveh sy ho any Jedeôna.»

19 Vao avy nosoloina ny mpiambina tamin’ny fiandohan’ny fotoam-piambenana misasaka alina no tonga tao amin’ny sisin’ny toby i Jedeôna sy izy zato lahy niaraka taminy, dia nitsoka trômpetra sy namaky ny siny teny an-tanany.

20 Niaraka tamin’izay, samy nitsoka ny trômpetra sy namaky ny sininy avy izy telo toko, ka ny tanany havia moa nihazona ny fanilo, ary ny havanana kosa ny trômpetra hotsofiny, dia niantso mafy izy nanao hoe: «Sabatra ho an’i Iaveh sy ho an’i Jedeôna».

21 Samy nijanona tamin’izay nisy azy nanodidina ny toby avy izy ireo; ka rafitra nihazakazaka, ninananàna sy nandositra ny tao an-toby rehetra.

22 Izy telon-jato lahy moa nitsoka ny trômpetra; I Iaveh kosa nampifamely sabatra ny Madianita sy ny tao an-toby rehetra. Nandositra ny toby hatrany Bety-Seta mankany Sarera ka hatrany amin’ny sisin-tanin’i Abela-Mehôla akaikin’i Tebata.

Nenjehin’i Jedeôna ny Madianita

23 Dia nivory ny lehilahy amin’i Israely, ny avy amin’i Neftalì sy amin’i Asera ary amin’i Manase rehetra, ka nanenjika an’i Madiàna.

24 Ary nandefa iraka i Jedeôna any amin’ny tendrombohitr’i Efraima rehetra, nanao hoe: «Midìna ianareo, ary tano alohan’izy ireo ny fitàna ny rano hatrany Betibera sy ny fitàna an’i Jordany».

25 Dia nosamborin’izy ireo ny andriana roa lahy tamin’i Madiàna, Oreba sy Zeba, ary novonoiny i Oreba tao amin’ny vaton’i Oreba, ary i Zeba novonoiny tao amin’ny famiazam-boalobok’i Zeba. Nanenjika an’i Madiàna izy, sy nitondra ny lohan’i Oreba sy i Zeba tany amin’i Jedeôna any an-dafin’i Jordany.

Categories
Mpitsara

Mpitsara 8

Sorena sy nalahelo ny Efraimita

1 Ary hoy ny lehilahy amin’i Efraima tamin’i Jedeôna: «Mba ahoana kosa izany fomba nataonao taminay izany, no dia tsy niantso anay akory ianao raha handeha hiady amin’i Madiàna.» Sady nilàna sotasota izaitsizy izy.

2 Fa izao no navalin’i Jedeôna azy: «Zinona moa no nataoko raha oharina amin’ny anareo? Moa tsy ny fitsimponam-boalobok’i Efraima aza no tsara, noho ny fararanom-boalobok’i Abiesera?

3 Fa teo an-tananareo no natolotr’i Iaveh ny andrian’i Madiàna, Oreba sy Zeba. Ka zinona no mety ho vitako raha oharina aminareo?» Nony efa niteny izany izy, dia nionona ny hatezeran’izy ireo taminy.

Nenjehin’i Jedeôna tany andafin’i Jordany ny fahavalo

4 Dia tonga tany Jordany i Jedeôna ary nita azy izy sy ireo telon-jato lahy momba azy; efa sasatra izy nefa mbola nitozo nanenjika ihany.

5 Ary hoy izy tamin’ny mponina ao Sokôta. «Raha sitrakareo mba omeo mofo ny vahoaka miaraka amiko fa reraka izy ireo, ary izaho nanenjika an’i Zebea sy i Salmanà, mpanjakan’i Madiàna».

6 Fa hoy ny navalin’ny lehilahy Sokôta: «Efa voahazon’ny tananao sahady ve ny tanan’i Zebea sy i Salman?a, no hanome mofo izay miaramilanao izahay?»

7 Dia hoy i Jedeôna: «Aoka àry, fa rehefa voatolotr’i Iaveh eo an-tanako kosa i Zebea sy i Salmanà dia hataoko hoto amin’ny tsilo any an’efitra sy amin’ny roy ny nofonareo».

8 Avy eo izy dia niakatra nankany Fanoela ary niteny tamin’ny olona toraka ny teo; fa novalian’ny olona tao Fanoela izy toraky ny navalin’ny olona tany Sokôta ihany koa.

9 Ka hoy izy tamin’ny olona tao Fanoela: «Rehefa avy mandresy aho, dia hofongorako ity tilikambo ity».

Resy i Zebea sy i Salmanà

10 Tany Karkôra i Zebea sy i Salmanà mbamin’ny tafiny niaraka taminy, dia lehilahy tokony ho dimy arivo sy iray alina, izay rehetra sisa tamin’ny foloalindahin’ny zanaky ny Atsinanana manontolo, fa maty ny lehilahy roa alina sy iray hetsy samy mpitan-tsabatra avokoa.

11 Niakatra i Jedeôna nihazo ny lalan’ny mpitoetra an-day ao atsinanan’i Nobe sy i Jegbaà, ka namely ny toby izay natoky fa tsy haninona tsy haninona.

12 Ka vaky nandositra i Zebea sy i Salmanà, nefa nenjehiny ka azony izy roa lahy mpanjakan’i Madiàna, i Zebea sy i Salmanà, ary nampifanaritahiny avokoa ny toby manontolo.

Valifatin’i Jedeôna

13 Dia niverina avy tany amin’ny ady i Jedeôna zanak’i Jôasy, nihazo ny fiakarana Haresy.

14 Nisambotra zazalahy anankiray amin’ny mponina ao Sokôta izy, nanontaniany, ka nosoratan’io ny anaran’ny lehibe sy ny loholona fitopolo lahy, ao Sokôta.

15 Tamin’izay dia nankao amin’ny mponina ao Sokôta i Jedeôna, ka nanao hoe: «Indreo eo i Zebea sy i Salmanà izay nanesoanareo ahy hoe: Efa voahazon’ny tananao sahady ve ny tanan’i Zebea sy i Salmanà, no hanome mofo izay miaramilanao sasatra izahay?»

16 Dia nosamboriny ny loholona tao an-tanàna, ary rehefa nandray tsilo any an’efitra sy roy izy dia namaizany ny mponina tao Sokôta izany.

17 Noravany koa ny tilikambo tao Fanoela ary novonoiny ny lehilahy tao an-tanàna.

18 Ary hoy izy tamin’i Zebea sy i Salmanà: «Lehilahy toy inona moa, izany novonoinareo tany Tabôra izany?» Dia hoy ireo: «Tahaka anao izao izy; samy mitarehin-janak’andriana avokoa izy.»

19 Ka hoy izy: «Ny rahalahiko, zanak’i neny indrindra izany. Velona i Iaveh! Tsy matiko ianareo, raha namelona an’ireo.»

20 Ary hoy izy tamin’i Jetera zanany lahimatoa: «Mitsangàna, ka vonoy ireo.» Fa tsy nanatsoaka ny sabany ity zatovo fa natahotra izy satria mbola tanora.

21 Dia hoy i Zebea sy i Salmanà: «Ny tenanao no mitsangàna dia miantoraha aminay, fa araka ny toetry ny olona ihany no heriny». Nitsangana i Jedeôna ka namono an’i Zebea sy i Salmanà, ary naka ny sarim-bolan-tsinana teny amin’ny vozon-dramevan’ireo.

Fitsaràn’i Jedeôna sy fahafatesany

22 Dia hoy ny lehilahy amin’i Israely tamin’i Jedeôna: «Aoka hanjaka aminay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, satria ianao no nanafaka anay tamin’ny tanan’i Madiàna».

23 Hoy i Jedeôna taminy: «Tsy hanjaka aminareo aho, na ny zanako, fa i Iaveh ihany no hanjaka aminareo.

24 Misy zavatra iray angatahiko aminareo: Samia ianareo manome ahy ny peratra azonareo tamin’ny babony avy». Fa nanam-peratra volamena ny fahavalo, satria Ismaelita izy ireny.

25 Ka hoy ny olona: «Omenay an-tsitrapo raha izany». Sady namelatra lamba izy ireo ka samy nanipy ny peratra azony tamin’ny babo avy.

26 Ary nisy fiton-jato amby arivo sikla ny lanjan’ny pera-bolamena nangatahin’i Jedeôna, afa-tsy ny sarim-bolan-tsinana aman-kavina sy ny fitafiana jaky nentin’ny mpanjakan’i Madiàna, mbamin’ny fehivozona teny amin’ny vozon-dramevany.

27 Nanaovan’i Jedeôna efôda izany volamena izany, dia napetrany ao an-tanànany ao Efrà, ka nankany avokoa i Israely rehetra nitolo-tena teo amin’izany Efôda izany, ary tonga fandrikaho an’i Jedeôna sy ny ankohonany izany.

28 Dia voaetry teo anatrehan’ny zanak’i Israely i Madiàna, fa tsy nahatraka ny lohany intsony, ka nandry efapolo taona ny tany tamin’ny andron’i Jedeôna.

29 Ary nody i Jerobaala zanak’i Jôasy, ka nonina tao an-tranony.

30 Fitopolo lahy no zanaka naterak’i Jedeôna fa maro vady izy.

31 Niteraka zazalahy taminy ny vadintsindranony tany Sikema, ka natao hoe Abimeleka ny anarany.

32 Tratra antitra tsara i Jedeôna, zanak’i Jôasy, vao maty; ary tao amin’ny fasan’i Jôasy rainy izy no nalevina, tao Efràn’i Abiesera.

Lavo indray i Israely

33 Nony maty i Jedeôna dia nitolo-tena tamin’ireo Baala indray ny zanak’i Israely; ka i Baala-Beritano nataony andriamaniny.

34 Tsy notsarovan’ny zanak’i Israely intsony i Iaveh Andriamanitr’izy ireo, izay nanafaka azy tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra nanodidina azy;

35 ary tsy nampiseho firaiketam-po tamin’ny taranak’i Jerobaala-Jedeôna araka ny soa rehetra nataony tamin’i Israely.

Categories
Mpitsara

Mpitsara 9

Tonga mpanjaka i Abimeleka

1 Niainga i Abimeleka zanak’i Jerobaala, ka nankany Sikema amin’ireo anadahin-dreniny, ary nilaza izao teny izao tamin’ireo sy tamin’ny fokon’ny rain-dreniny rehetra:

2 «Raha sitrakareo mba lazao kely ho ren’ny mponina rehetra ao Sikema izao: Inona no tsara ho anareo ny hanjakan’izy fitopolo lahy, samy zanak’i Jerobaala, aminareo va, sa ny hanjakan’ny lehilahy iray aminareo? Ary tsarovy fa taolana sy fonareo ihany aho».

3 Dia nolazain’ireo anadahin-dreniny avokoa izany teny rehetra momba azy izany, ho henon’ny mponina rehetra tao Sikema; ka nitongilana tamin’i Abimeleka ny fon’izy ireo, fa nifampilaza hoe: «Rahalahintsika izy».

4 Nomen’izy ireo vola fitopolo sikla izy, izay nalainy tao an-tranon’i Baala-Berita, ka nentin’i Abimeleka nanisihany izao olom-poana sy mpijirika rehetra izao, izay niraikitra taminy.

5 Dia tonga tao an-trano-drainy, tany Efrà izy, ary namono ny rahalahiny fitopolo lahy zanak’i Jerobaala, teo ambonin’ny vato iray ihany. Tsy nisy afa-nandositra afa-tsy i Joatama, ilay faralahin’i Jerobaala, irery, satria niery io.

6 Tamin’izay dia nivory ny mponina rehetra ao Sikema mbamin’ny ankohonan’i Melao rehetra, ka tonga izy ary nampanjaka an’i Abimeleka, teo anilan’ny terebintan’ny tsangam-bato any Sikema.

Fanoharana nataon’i Joatama

7 Nony nilaza izany i Joatama, dia lasa nitsangana teo an-tampon’ny tendrombohitra Garizima, ka nanandratra ny feony, nanao hoe: Henoy aho, ry mponina ao Sikema, mba hihainoan’Andriamanitra anareo koa:

8 Niainga, hono, ny hazo, hanosotra mpanjaka handidy azy; ka hoy izy tamin’ny ôliva: Manjakà aminay ianao.

9 Fa hoy ny ôliva taminy: Ho foiko va ny diloilo, izay mahalaza ahy eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olombelona, ka handeha hihevingevina erỳ ambonin’ny hazo hafa?

10 Dia ny aviavy indray no nataon’ny hazo hoe: Avia, ianao hanjaka aminay.

11 Fa hoy ny aviavy taminy: Ho foiko va ny hamamiako sy ny voako kanto, ka handeha hihevingevina erỳ ambony hazo hafa?

12 Dia ny voaloboka indray no nilazan’ny hazo hoe: Avia ianao hanjaka aminay.

13 Fa hoy ny voaloboka taminy: Ho foiko va ny divaiko, izay mampiravoravo an’Andriamanitrasy ny olombelona, ka handeha hihevingevina erỳ ambonin’ny hazo hafa?

14 Tamin’izay dia hoy ny hazo rehetra tamin’ny tsilo milobolobo: Avia ianao hanjaka aminay.

15 Fa hoy ny tsilo tamin’ny hazo: Raha marina tokoa àry, fa tianareo ny hanosotra ahy ho mpanjaka, dia avia ianareo, ka mialofa amin’ny alokaloko, fa raha tsy izany, aoka hivoaka afo ny tsilo milobolobo, ka handoro ny sederan’i Libàna.

16 Koa ankehitriny raha marina sy mahitsy no nataonareo, tamin’ny nampanjakanareo an’i Abimeleka; raha soa no nataonareo tamin’i Jerobaala sy ny ankohonany, ary raha araka ny soa vitan’ny tanany no nataonareo taminy,

17 fa niady ho anareo ny raiko, nanao vy very ny ainy ka nanafaka anareo tamin’ny tanan’i Madiàna izy;

18 kanjo nitsangan-kamely ny ankohonan’i dada kosa ianareo androany; ny zanany fitopolo lahy novonoinareo teo ambony vato iray ihany, ary i Abimeleka zanak’andevovaviny no natsanganareo ho mpanjakan’ny mponina ao Sikema, satria rahalahinareo io.

19 Koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin’i Jerobaala sy ny ankohonany, dia aoka i Abimeleka hampifaly anareo, ary ianareo kosa hampifaly azy.

20 Fa raha tsy izany, dia aoka i Abimeleka hivoaka afo ka handevona ny mponina ao Sikema mbamin’ny ankohonan’i Melao ary ny mponina ao Sikema mbamin’ny ankohonan’i Melao koa hivoaka afo ka handevona an’i Abimeleka.

21 Dia lasa i Joatama ka nitsoaka nandositra; nankany Berà izy ka nonina tany, fa natahotra an’i Abimeleka rahalahiny.

Fikomian’ny tao Sikema tamin’i Abimeleka

22 Telo taona no nanapahan’i Abimeleka an’i Israely,

23 dia nanirahan’Andriamanitra fanahy ratsy i Abimeleka sy ny mponina tao Sikema, ka nivadika tamin’i Abimeleka ny mponina tao Sikema,

24 mba hivaly ny heloka natao tamin’ny zanak’i Jerobaala fitopolo lahy, ka samy hianjeran’ny rany i Abimeleka rahalahiny, izay namono azy, sy ny mponina tao Sikema izay nanampy an’io hamono ny rahalahiny.

25 Nisy olona napetraky ny mponina tao Sikema, tany antampony tendrombohitra, nataony otrika hamely azy, ka izay rehetra nandalo azy ireo, tamin’ny lalana, nobaboiny avokoa, ary nolazaina tamin’i Abimeleka izany.

26 Ary tonga niaraka tamin’ny rahalahiny i Gaala, zanak’i Obeda, ka nankany Sikema izy. Natoky azy ny mponina tao Sikema,

27 ka nivoaka nankany an-tsaha izy ireo: nioty ny voalobony, namoritra azy, nanao fety, ary niditra tany an-tranon’ny andriamaniny, nihinana sy nisotro, ary nanozona an’i Abimeleka.

28 Dia hoy i Gaala zanak’i Obeda hoe: «Iza moa i Abimeleka, ary zovy moa i Sikema, no hotompointsika? Tsy zanak’i Jerobaala va izy, ary tsy i Zebola va no lefiny? Ianareo no manompoa ny taranak’i Emôra, rain’i Sikema. Fa raha izahay, ahoana ange no hanompoanay an’i Abimeleka?

29 Nahoana re no tsy izaho no lehiben’ireto vahoaka ireto? Horoahiko mihitsy i Abimeleka». Dia hoy izy tamin’i Abimeleka: «Hamaroy ny miaramilanao, ka mivoaha».

30 Nandre ny vavan’i Gaala, zanak’i Obeda, i Zebola, governoran’ny tanàna ka nirehitra ny fahatezerany.

31 Nandefa iraka mangigìna tany amin’i Abimeleka izy, hilaza aminy hoe: «Indro i Gaala, zanak’i Obeda, tonga eto Sikema, miaraka amin’ny rahalahiny, ka mandrendrika ny tanàna hiodina aminao;

32 koa miarena mbola alina ianao sy ny vahoaka eo aminao, avia hanotrika any an-tsaha.

33 Ary raha maraina, raha vao miposaka ny masoandro, dia mifohaza ary mirotsaha amin’ny tanàna; ka rehefa hivoaka hamely anao i Gaala sy ny vahoaka momba azy, dia asio, araka izay azonao atao amin’izay».

34 Dia niainga mbola alina i Abimeleka sy ny vahoaka momba azy, ka nanao otrika tao akaikin’i Sikema, nizara efa-toko.

35 Ary nivoaka i Gaala, zanak’i Obeda, ka nipetraka teo am-bavahadin’ny tanàna. Tamin’izay dia niainga avy ao am-panotrehana i Abimeleka sy ny vahoaka momba azy.

36 Nony hitan’i Gaala irerỳ vahoaka, dia hoy izy tamin’i Zebola: «Indreny misy olona midina avy any an-tampon’ny tendrombohitra». Fa hoy kosa i Zebola taminy: «Ny aloky ny tendrombohitra no ataonao ho olona izany».

37 Niteny indray i Gaala nanao hoe: «Andian’olona no hitako midina avy eo am-pamatonan-tany, ary antokon’olona no tamy mihazo ny lalana eo amin’ny aokan’ny mpanandro».

38 Dia hoy i Zebola taminy: «Fa aiza re ilay vavanao nanao hoe: Iza moa i Abimeleka no hotompointsika? Moa tsy ireo indrindra va no olona nesoinao? Mivoaha amin’izao, ka miadia aminy».

39 Dia nivoaka nitarika ny olona tao Sikema i Gaala, ka niady tamin’i Abimeleka.

40 Kanjo nenjehin’i Abimeleka i Gaala ka vaky nandositra teo anoloany, ary maro ny olona maty novonoiny, hatrany anoloan’ny vavahady.

41 Dia nijanona tao Romà i Abimeleka, ary i Zebola kosa nandroaka an’i Gaala sy ny rahalahiny, izay tsy nahazo nonina tao Sikema intsony.

Rava i Sikema, azo ny tilikambony

42 Nony ampitso, nivoaka nankany an-tsaha ny vahoaka. Nandre izany i Abimeleka,

43 dia naka ny miaramilany, sy nizara azy ho antokony telo, ary nanao otrika tany an-tsaha. Vao nahita ny vahoaka nivoaka ny tanàna izy, dia nitsangana hamely azy, ka nandresy azy.

44 I Abimeleka sy ny antokony izay niaraka taminy niroso teo aloha ka naka toerana teo alohan’ny vavahadin’ny tanàna; ary ny anankiroa amin’ireo antokony ireo kosa niroatra hamely ny tany an-tsaha rehetra, ka nandresy azy.

45 Nananika ny tanàna iny tontolo andro iny i Abimeleka dia afany, ka ny vahoaka tao novonoiny, ary ny tanàna nofongorany sady nofafazany sira.

46 Nony nandre izany ny olona rehetra tao amin’ny tilikambo tao Sikema, dia nankao amin’ny fitoerana mimanda amin’ny tranon’ny andriamanitra Berita.

47 Fa i Abimeleka kosa, nony nampandrenesina fa hoe, ny mponina rehetra tamin’ny tilikambon’i Sikema, dia tafavory tao avokoa,

48 dia niakatra tany an-tendrombohitra i Abimeleka mbamin’ny vahoaka momba azy, nataon’i Abimeleka an-tanana ny famaky, dia nikapa sampan-kazo anankiray izy, ka noingainy nataony an-tsoroka, ary hoy izy tamin’ny vahoaka momba azy: «Toy izay hitanareo nataoko, no mba ataovinareo faingana koa».

49 Dia nikapa sampan-kazo iray avy ny olona rehetra ka nanaraka an’i Abimeleka; napetrak’izy ireo nanolotra ilay Fitoerana mimanda ny sampan-kazo, dia nodorany tamin’ny afo io mbamin’izay tao, ka maty tamin’izany avokoa ny olona rehetra tao amin’ny tilikambon’ny Sikema, sahabo ho roa arivo lahy na vavy

Natao fahirano i Tebesa; maty i Abimeleka

50 Dia nandeha hamely an’i Tebesa i Abimeleka, ka nanao fahirano an’i Tebesa sy nahafaka azy.

51 Nisy tilikambo fiarovana mafy tao afovoan-tanàna, ka nandositra tao ny mponina rehetra tao an-tanàna na lahy na vavy, nohidian’izy ireo ny varavarana nony tafiditra, dia niakatra tany ambony tafon’ny tilikambo izy.

52 Nandroso teo amin’ny tilikambo i Abimeleka, dia namely azy, sy nanatona ny varavaran’ny tilikambo mba handoro azy amin’ny afo.

53 Kanjo nozeran’ny vehivavy anankiray, vakim-bato fikosoham-bary ny lohan’i Abimeleka, ka vaky terỳ ny karandohany.

54 Nantsoiny faingana ny zatovo mpitondra ny fiadiany, ka hoy izy taminy: «Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy aho, mba tsy hanaovan’ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy». Dia notrabaran’ilay zatovo izy, ka maty.

55 Nony hitan’ny lehilahy amin’i Israely fa maty i Abimeleka, dia samy nody ho any an-tranony avy izy.

56 Izany no nampianjeran’Andriamanitra tamin’i Abimeleka ny ratsy nataony tamin-drainy, tamin’ny namonoany ny rahalahiny fitopolo lahy,

57 ary nampianjeran’Andriamanitra tamin’ny lohan’ny mponina tao Sikema, ny haratsiany rehetra. Izany no niharan’ny ozona nataon’i Joatama zanak’i Jerobaala tamin’izy ireo.

Categories
Mpitsara

Mpitsara 10

6. I TOLA

1 I Tolà zanak’i Foà, zanak’i Dôdao, lehilahy amin’i Isakara, no nitsangana hamonjy an’i Israely, taorian’i Abimeleka. Tany Samira amin’ny tendrombohitr’i Efraima izy no nonina.

2 Telo amby roapolo taona no naha-mpitsara azy tamin’i Israely; dia maty izy, ka nalevina tao Samira.

7. I SAMIRA

3 Nitsangana nanaraka azy i Jaira any Galaada izay nitsaraan’i Israely nandritra ny roa amby roapolo taona.

4 Izy nanan-janaka telopolo lahy, izay nitaingina ampondra telopolo sy nanan-tanàna telopolo, izay mbola antsoina mandraka androany hoe, Tranon’i Jaira, ary any amin’ny tany Galaada no nisy azy.

5 Maty i Jaira ka nalevina ao Kamôna.

8. I JEFTE

6 Ary nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh ny zanak’i Israely. Izy ireo nanompo ny Baala sy ny Astarte, ny andriamanitr’i Siria, ny andriamanitr’i Sidona, ny andriamanitr’i Moaba, ny andriamanitry ny taranak’i Amôna, ary ny andriamanitry ny Filistinina, ary nandao an’i Iaveh sy tsy nanompo Azy intsony.

7 Dia nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh ka namidiny ho eo an-tanan’ny Filistinina izy, sy ho eo an-tanan’ny taranak’i Amôna.

8 Nampahorin’ireo sy notorotoroin’ireo tamin’izany taona izany ny zanak’i Israely; ary nampahoriny valo ambin’ny folo taona ny zanak’i Israely rehetra, izay nonina tany andafin’i Jordany amin’ny tanin’ny Amôreana, any Galaada.

9 Ny taranak’i Amôna nita an’i Jordany hamely an’i Jodà sy i Benjamina mbamin’ny taranak’i Efraima ka dia tra-pahoriana mafy i Israely.

10 Koa dia velon-taraina tamin’i Iaveh ny zanak’i Israely, nanao hoe: «Nanota taminao izahay, fa nahafoy ny Andriamanitray, ka nanompo ny Baala».

11 Ary hoy i Iaveh tamin’ny zanak’i Israely: «Moa tsy efa nanafaka anareo va Aho, tamin’ny Ejiptianina sy ny Amôreana ary ny taranak’i Amôna, mbamin’ny Filistinina?

12 Raha nampahorin’ny Sidonianina sy i Amaleka ary i Madiàna koa ianareo, ka nitaraina tamiko, moa tsy efa namonjy anareo tamin’ny tanany va Aho?

13 Nefa ianareo kosa dia nandao Ahy ary nanompo andriamani-kafa, koa tsy hamonjy anareo intsony Aho.

14 Fa mandehana mitaraina amin’ireo andriamanitra efa nofidinareo, ireo no hamonjy anareo amin’ny andron’ny fahoriana».

15 Dia hoy ny zanak’i Israely tamin’i Iaveh: «Efa nanota izahay, ka ataovy aminay izay heverinao ho mety. Kanefa mba afaho aloha izahay amin’ity andro ity».

16 Sady nariany tokoa ny andriamani-kafa teo aminy, dia nanompo an’i Iaveh izy ireo; koa ny fanahiny tsy nahajery fotsiny intsony ny fahorian’i Israely.

17 Nivory ny taranak’i Amôna sy nitoby tao Balaada, ary ny zanak’i Israely kosa niangona nitoby tany Masfà.

18 Dia nifampilaza ny vahoaka, ny lehiben’i Galaada, nanao hoe: «Iza no lehilahy hanomboka ady voalohany amin’ny taranak’i Amôna? Dia izy no ho filohan’ny mponina rehetra amin’i Galaada».