Categories
Mpitsara

Mpitsara 11

Fitakian’i Jefte alohan’ny hanekeny

1 I Jefte ilay Galaadita, dia lehilahy mpiady mahery. Zanaky ny vehivavy janga anankiray izy; ary i Galaada anefa no ray niteraka an’i Jefte.

2 Niteraka lahy maro tamin’i Galaada anefa ny vadiny; ka nony lehibe ireo dia nandroaka an’i Jefte sy nanao taminy hoe: «Tsy handova eto an-tranon-drainay ianao, satria zana-behivavy hafa».

3 Dia nandositra lavitra ny rahalahiny i Jefte, ka nonina tany amin’ny tany Tôba. Ary nisy olom-poana nitambatra taminy, ary niara-nandehandeha izy.

4 Nony afaka kelikely taorian’izany, dia niady tamin’ny zanak’i Israely ny taranak’i Amôna.

5 Ka tamin’izany niadian’ny taranak’i Amôna tamin’i Israely izany, dia lasa ny loholon’i Galaada naka an’i Jefte tany aminy tany Tôba.

6 Hoy izy tamin’i Jefte: «Avia, dia ho jeneralinay ianao, ka hiady amin’ny taranak’i Amôna».

7 Fa hoy i Jefte tamin’ny loholon’i Galaada: «Tsy efa nankahala ahy sy nandroaka ahy hiala tao an-tranon’i kaky va ianareo? Ka ahoana indray no alehanareo atỳ amiko, nony zoim-pahoriana ianareo izao?»

8 Ary hoy ny loholon’i Galaada tamin’i Jefte: «Izany indrindra no hiverenanay atỳ aminao ankehitriny, mba handehananao miaraka aminay sy hiadianao amin’ny taranak’i Amôna; ary ho filohanay sy ny mponina rehetra any Galaada ianao.»

9 Izao no navalin’i Jefte tamin’ny loholon’i Galaada: «Raha entinareo miverina hiady amin’ny taranak’i Amôna aho, ka atolotr’i Iaveh eo an-tanako izy, dia izaho no ho filohanareo?»

10 Hoy ny loholon’i Galaada tamin’i Jefte: «Aoka i Iaveh no ho vavolombelona amintsika; fa hotanterahinay tokoa izany voalazanao izany.»

11 Dia nandeha niaraka tamin’ny loholon’i Galaada i Jefte. Natsangan’ny vahoaka ho filohany sy ho jeneraliny izy, ary naverin’i Jefte teo anatrehan’i Iaveh tany Masfà indray ny teniny rehetra.

Dinidinik’i Jefta tamin’ny Amônita

12 Nandefa iraka ho any amin’ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna i Jefte, hilaza aminy hoe: «Mifampaninona moa izaho sy ianao, no tonga hamely ahy ianao ka hanafika ny taniko?»

13 Ary hoy ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna, namaly ny irak’i Jefte: «Satria, raha niakatra avy any Ejipta i Israely, dia nalainy ny taniko, hatrany Arnôna ka hatrany Jabaoka sy Jordany. Koa avereno amim-pihavanana izany ankehitriny.»

14 Dia nandefa iraka indray i Jefte ho any amin’ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna,

15 ka nanao taminy hoe: «Izao no tenin’i Jefte: I Israely tsy naka ny tanin’i Moaba, na ny tanin’i taranak’i Amôna.

16 Fa nony niakatra avy tany Ejipta i Israely, dia nandeha tany an’efitra, hatreo amin’ny Ranomasina Mena, ka tonga tany Kadesy.

17 Nandefa iraka ho any amin’ny mpanjakan’i Edôma i Israely, tamin’izay, hilaza aminy hoe: Raha sitrakao, avelao mba hamaky ny taninao aho; nefa tsy nanaiky ny mpanjakan’i Edôma. Dia naniraka tany amin’ny mpanjakan’i Moaba indray izy, fa tsy nanaiky koa io, ka dia tao Kadesy i Israely.

18 Rehefa izany, namaky ny efitra izy, ka nanodidina ny tany Edôma sy ny tany Moaba, dia tonga tany atsinanan’ny tany Moaba. Dia nitoby tany an-dafin’i Arnôna izy ireo fa tsy nandroso tamin’ny faritr’i Moaba, fa i Arnôna no faritr’i Moaba.

19 Tao i Israely, dia nandefa iraka ho any amin’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana, mpanjakan’i Hesebona, ary hoy i Israely taminy: Raha sitrakao, avelao mba hamaky ny taninao aho, hankany amin’ny taninay.

20 I Sehôna anefa, tsy ampy fitokiana an’i Israely mba hamela azy hamaky ny taniny. Namory ny vahoakany rehetra i Sehôna, ka nitoby tao Jasà, dia niady tamin’i Israely.

21 Fa natolotr’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, ho eo an-tanan’i Israely, i Sehôna mbamin’ny vahoakany rehetra, ka noreseny ireny, dia azon’i Israely ny tanin’ny Amôreana rehetra izay nonina tamin’izany faritany izany;

22 lasany avokoa ny faritan’ny Amôreana, hatrany Arnôna ka hatrany Jabaoka, ary hatramin’ny efitra ka hatrany Jordany.

23 Koa ankehitriny, rehefa noroahin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely ny Amôreana, teo anoloan’i Israely vahoakany, ianao indray ve no handroaka an’i Israely hiala ao?

24 Moa tsy mipetraka ho tompon’izay nomen’i Kamosy andriamanitrao anao ho fanananao va ianao? Ary izahay moa tsy tokony hipetraka ho tompon’izay rehetra nomen’i Iaveh Andriamanitray anay ho fanananay?

25 Moa tsara noho i Balàka, zanak’i Sefôra, mpanjakan’i Moaba, va ianao? Ary moa io mba nifanditra tamin’i Israely, na niady taminy akory va?

26 Indro efa telon-jato taona izao no nonenan’i Israely tany Hesebona, sy ny tanàna momba azy, ary ny tany Arôera sy ny tanàna momba azy, mbamin’ny tanàna rehetra amoron’i Arnôna, ka nahoana no tsy nalainareo ireny nandritra izany fotoana izany?

27 Izaho tsy nanao ratsy taminao, fa ianao izao no manisy ratsy ahy, amin’ny ady ataonao amiko. Ka aoka i Iaveh, ilay mpitsara, no hitsara anio ny zanak’i Israely sy ny taranak’i Amôna».

28 Tsy nahoan’ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna akory ny teny nampitondrain’i Jefte tany aminy.

Ny voadin’i Jefte sy ny fandreseny

29 Dia tonga tamin’i Jefte ny Fanahin’i Iaveh, ka nandeha namaky an’i Galaada sy i Manase izy, ary tonga hatrany Masfà, any Galaada: ary avy ao Masfà dia nandroso hamely ny taranak’i Amôna.

30 Nivoady tamin’i Iaveh i Jefte, nanao hoe:

31 «Raha atolotrao eo an-tanako ny taranak’i Amôna, dia ho an’i Iaveh ary hatolotro ho sorona dorana izay mivoaka ny varavaran’ny tranokohitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin’ny taranak’i Amôna aho».

32 Dia nandroso hamely ny taranak’i Amôna i Jefte, ary natolotr’i Iaveh teo an-tanany ireny,

33 ka nasiany hatrany Arôera ka hatrany akaikikaikin’i Menita,nahazoanytanàna roapolo, sy hatrany Abela-Keramina, ka dia resy mafy tokoa izy ireo. Dia voatery teo anoloan’i Israely ny taranak’i Amôna.

34 Niverina nankany an-tranony any Masfà i Jefte, ka inty ny zanany vavy no nivoaka hitsena azy, nitondra amponga tapaka sy nandihy. Zanany vavy tokana io, tsy nanana afa-tsy io izy, tsy nisy lahy na vavy hafa.

35 Vao nahita azy i Jefte dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: «Adray, anaka, mahaketraka ahy ianao ary anisan’izay mahavery hevitra ahy, fa efa niloa-bava tamin’i Iaveh aho, ka tsy afa-mifody intsony».

36 Dia hoy izy taminy: «Dada ô, efa niloa-bava tamin’i Iaveh ianao, ka ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria efa novalian’i Iaveh ny nataon’ny taranak’i Amôna fahavalonao taminao».

37 Ary hoy izy tamin-drainy: «Ity no mba soa ataovy amiko: Avelao malalaka aho, mandritra ny roa volana: dia handeha hidina ho any an-tendrombohitra, ary hitomany ny fahavirijiniakomiaraka amin’ireo namako».

38 Hoy ny navaliny azy: «Ndeha àry». Dia navelany handeha roa volana izy. Ka nandeha niaraka tamin’ny namany, nitomany ny fahavirijiniany tany amin’ny tendrombohitra izy.

39 Nony tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin-drainy izy, ka notanterahiny taminy ny voady efa nataony, ary mbola tsy nahalala lahy izy. Izany no niavian’izao fanao amin’i Israely izao: isan-taona ny zazavavy Israelita dia mandeha mankalaza ny zanaka vavin’i Jefte, ilay Galaadita, mandritra ny hefarana isan-taona.

Categories
Mpitsara

Mpitsara 12

1 Nivory ny lehilahy amin’i Efraima, ka nandeha nankany Sefôra, nanao tamin’i Jefte hoe: «Nahoana no nandeha niady tamin’ny taranak’i Amôna ianao, ka no tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay ny tranonao mbamin’ny tenanao».

2 Dia izao no navalin’i Jefte azy ireo: «Mbola nifamaly mafy tamin’ny taranak’i Amôna izaho sy ny vahoakako dia efa niantso anareo aho, nefa tsy namonjy ahy tamin’ny tanany ianareo.

3 Nony hitako fa tsy tonga hamonjy ahy ianareo, dia nanao vy very ny aiko aho, ka nandeha niady tamin’ny taranak’i Amôna, ary natolotr’i Iaveh teo an-tanako ireny. Ka nahoana ianareo no miakatra atỳ amiko anio hiady amiko?»

4 Dia namory ny lehilahy rehetra amin’i Galaada i Jefte, ka niady tamin’i Efraima. Noresen’ny lehilahin’i Galaada ny an’i Efraima izay efa nilaza nanao hoe: «Ianareo, ry Galaadita, dia mpandositra fotsiny avy amin’i Efraima, ao afovoan’i Efraima sy i Manase».

5 Dia azon’i Galaada ny fitàna an’i Jordany ao amin’ny lafin’i Efraima, ka raha misy mpandositra avy amin’i Efraima manao hoe: «Avelao kely aho mba hita», dia anontanian’ny lehilahin’i Galaada izy hoe: «Efraimita va ianao?»Ary mamaly manao hoe: «Tsia.»

6 Dia hoy izy ireo manao hoe: «Tonòny àry ny hoe: Skibôleta.» Ary izy kosa manao hoe: «Sibôleta», fa tsy hainy tononina tsara izany; dia samboriny sy vonoiny eo anilan’ny fitàna an’i Jordany. Nisy roa arivo sy efatra alina ny lehilahin’i Efraima maty tamin’izany andro izany.

7 Nitsara an’i Israely enin-taona i Jefte; raha efa izany dia maty i Jefte, Galaadita, ka nalevina tao amin’ny anankiray amin’ny tanànan’i Galaada.

9. I ABESANA

8 Ary taorian’izy io dia i Abesàna, avy any Betlehema, no mpitsara tamin’i Israely.

9 Nanan-janaka telopolo lahy izy; ary zanany vavy telopolo no nampanambadiany tany ivelan’ny fianakaviany; ary ny zanany lahy kosa nangalany zazavavy telopolo avy any ivelany. Nandritra ny fito taona izy no mpitsara tany Israely.

10 Raha efa izany dia maty i Abesàna ka nalevina tany Betlehema.

10. I AHIALÔNA

11 Taorian’izy io dia i Ahialôna avy any Zabolôna no mpitsara tamin’i Israely.

12 Raha efa izany dia maty i Ahialôna avy any Zabolôna ka nalevina tao Ajalôna amin’ny tanin’i Zabolôna.

11. I ABDÔNA

13 Taorian’izy io, dia i Abdôna, zanak’i Ilela, avy any Faratôna, no mpitsara tamin’i Israely.

14 Nanan-janaka efapolo lahy sy zafy telopolo lahy izy, izay nitaingina zanak’ampondra telopolo.

15 Nandritra ny valo taona izy no mpitsara tamin’i Israely.

16 Raha efa izany dia maty i Abdôna zanak’i Ilela, avy ao Faratôna, ka nalevina tao Faratôna amin’ny tanin’i Efraima any amin’ny tendrombohitry ny Amalesita.

Categories
Mpitsara

Mpitsara 13

Fanambaràna ny hahaterahan’i Samsôna

1 Ary nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh indray ny zanak’i Israely ka natolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny Filistinina, nandritra ny efapolo taona.

2 Nisy lehilahy anankiray, atao hoe Manôe, fianakavian’i Danita, avy amin’ny Saraà; momba ny vadiny, ka tsy niteraka.

3 Niseho tamin-dravehivavy ny Anjelin’i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Momba ianao izao, ka tsy manan-janaka, nefa hanana anaka kosa ianao, ka hitera-dahy.

4 Ary ankehitriny mitandrema tsara, fa aza misotro divay na lalikera mahery, na mihinan-java-maloto,

5 fa hanana anaka ianao, ka hitera-dahy. Tsy hokasihin-kareza ny lohany, fa io zaza io ho nazarean’Andriamanitra hatrany am-bohoka; ary izy no hanomboka hanafaka an’i Israely amin’ny tanan’ny Filistinina».

6 Dia nandeha nilaza tamin’ny lahy ravehivavy nanao hoe: «Nisy olon’Andriamanitra tonga tatỳ amiko; tahaka ny Anjelin’Andriamanitra no fijery ny endriny, endrika mahatahotra. Tsy nanontany izay niaviany aho ary izy tsy nampahalala ahy izay anarany;

7 fa izao no nolazainy tamiko: Efa hanana anaka ianao, ka hitera-dahy; koa ankehitriny aza misotro divay na lalikera mahery na mihinan-java-maloto, fa ho nazarean’Andriamanitraio zaza io hatrany am-bohoka ka mandra-pahafatiny».

Niseho fanindroany ny Anjely

8 Dia niantso an’i Iaveh i Manôe tamin’izay ka nanao hoe: «Tompo ô, raha sitrakao, dia aoka hiverina atỳ aminay indray ilay olon’Andriamanitra nirahinao, ka hanoro izay tokony hataonay amin’ny zaza ho teraka».

9 Neken’Andriamanitra ny fangatahana nataon’i Manôe, ka tonga tamin’ny vavy indray ilay Anjelin’Andriamanitra. Tany an-tsaha izy no nipetraka ary tsy niaraka tamin’i Manôe vadiny:

10 ka lasa nihazakazaka faingana ravehivavy hampandre izany ny lahy, ka nilaza taminy hoe: «Indro niseho tamiko ilay lehilahy tonga amiko indray andro irỳ».

11 Dia nitsangana i Manôe, ka nanaraka ny vavy nankany amin-dralehilahy sy nanao taminy hoe: «Ianao va izany niteny tamin’ity vehivavy ity izany?» Hoy ny navaliny: «Izaho.»

12 Dia hoy i Manôe: «Amin’izao àry rehefa tanteraka ny teninao, inona no tsy maintsy tandremanay momba izany zaza izany, ary inona no tsy maintsy atao ho azy?»

13 Ka hoy ny navalin’ilay Anjelin’i Iaveh an’i Manôe: «Hifady izay rehetra voalazako taminy ravehivavy;

14 tsy hihinana na inona na inona rehefa mety ho zavatra avy amin’ny voaloboka; tsy hisotro divay na lalikera mahery izy, ary tsy hihinan-java-maloto izy: hotandremany avokoa izay rehetra nandidiako azy.»

15 Dia hoy i Manôe tamin’ilay Anjelin’i Iaveh: «Aoka re mba hohazoninay ianao sy hanamboaranay zanak’osy.»

16 Ary hoy ny navalin’ilay Anjelin’i Iaveh tamin’i Manôe: «Na dia tananao aza aho dia tsy hihinana amin’izay haninao, fa raha te-hanamboatra sorona dorana ho an’i Iaveh ianao, dia atero izany.» Tsy nahalala i Manôe fa ilay Anjelin’i Iaveh io.

17 Ka hoy i Manôe tamin’ilay Anjelin’i Iaveh: «Iza moa no anaranao; mba hanomezanay voninahitra anao, rehefa tanteraka ny teninao?»

18 Ary hoy ny navalin’ilay Anjelin’i Iaveh azy: «Ahoana no anontanianao ahy ny anarako? Mahagaga no izy».

19 Dia nalain’i Manôe ny zanak’osy sy ny fanatitra ka nateriny ho an’i Iaveh teo ambonin’ny vatolampy; ary nanao fahagagana i Iaveh raha mbola nijery teo i Manôe sy ny vadiny.

20 Raha ilay miakatra mankany an-danitra avy eo ambonin’ny ôtely iny ny lelafo dia niakatra tao anatin’ny lelafon’ny ôtely ilay Anjelin’i Iaveh. Raha nahita izany i Manôe mivady dia lavo niankohoka tamin’ny tany.

21 Ary tsy niseho tamin’i Manôe mivady intsony ilay Anjelin’i Iaveh. Izay vao fantatr’i Manôe fa ilay Anjelin’i Iaveh iny.

22 Ka hoy i Manôe tamin’ny vavy: «Ho faty izao isikafa efa nahita an’Andriamanitra».

23 Fa hoy ny navalin’ny vavy taminy: «Raha ny hahafaty antsika no tian’i Iaveh dia tsy ho nandray izay sorona dorana amana fanatitra tamin’ny tanantsika izy, na ho nampahita antsika izany zavatra rehetra izany, na ho nampandre antsika androany zavatra toy izao».

24 Ary tera-dahy ravehivavy, ka nataony hoe Samsônano anarany. Dia nitombo ny zaza, sady notahin’i Iaveh.

25 Dia nanomboka nitaona azy ho any Makaneha-Dana anelanelan’i Saraà sy i Estaola ny fanahin’i Iaveh.

Categories
Mpitsara

Mpitsara 14

Mariazin’i Samsôna

1 Ary nidina nankany Tamnà i Samsôna, ka nahita vehivavy anankiray tamin’ireo zanakavavin’ny Filistinina tany Tamnà.

2 Nony tafakatra indray izy, dia nilaza tamin-drainy aman-dreniny hoe: «Nahita vehivavy anankiray tamin’ireo zanakavavin’ny Filistinina aho, tany Tamnà, ka ankehitriny mba alaovy ho vadiko izy.»

3 Hoy ny ray aman-dreniny taminy: «Nahoana kosa no dia any amin’ny Filistinina tsy mifora ianao no haka vady; fa angaha tsy misy vehivavy amin’ny zana-kavanao, sy eto amin’izay rehetra iray firenena amintsika?»Dia hoy i Samsôna tamin-drainy: «Izay ihany alaina ho ahy, fa izay no sitrako.»

4 Tsy nahalala rainy aman-dreniny fa avy amin’Andriamanitra izany, satria izy nitady antony hananganan’ny Filistinina ady. Nanapaka an’i Israely tamin’izany andro izany ny Filistinina.

5 Dia nidina nankany Tamnà i Samsôna, niaraka tamin’ny ray aman-dreniny. Nony tonga teo amin’ny tanimboalobok’i Tamnà izy dia indro nisy vanton-diona nierona nandroso hifanehatra aminy.

6 Fa notsindrian’ny Fanahin’i Iavehi Samsôna, ka nosamatsamahany hoatra ny fanasamaka zanak’osy ilay liona, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tanany, ary tsy nambarany tamin-drainy aman-dreniny akory izany nataony izany.

7 Dia nidina izy, ka niresaka tamin’ilay vehivavy ary tia azy.

8 Nony afaka kelikely niverina mba handray azy izy, ka nivily hizaha ny fatin’ilay liona, ary indro nisy antokon-drenitantely sy tantely teo amin’ny vatan’ilay liona.

9 Naka tamin’io izy teo an-tanany, nohaniny teny an-dalana, ka nony nahatratra an-drainy aman-dreniny izy, nomeny koa ireo dia nihinana; nefa tsy nolazainy tamin’ireo fa nalainy tamin’ny vatan’ilay liona ny tantely.

10 Nidina nankany amin’ilay vehivavy ny rain’i Samsôna, ary nanao fanasana teo i Samsôna, fa izany no fanaon’ny zatovo.

11 Fa nahita azy ny olona dia nanasa olona telopolo lahy ho namany hiara-mitoetra aminy.

Ankamantatr’i Samsôna

12 Ary hoy i Samsôna tamin’ireo: «Hanao ankamantatra aminareo aho; ka raha lazainareo amiko, ao anatin’ny hafitoana fanasana, ny heviny, ka fantatrareo, dia homeko lobaka telopolo sy akanjo telopolo atao fanovana ianareo.

13 Fa raha tsy mahalaza ny heviny amiko kosa ianareo, dia ianareo no hanome ahy ny akanjo lobaka telopolo sy akanjo telopolo atao fanovana».

14 Dia hoy ireo taminy: «Ataovy àry izay ankamantatrao, ho henonay». Ka hoy izy:

«Izay mihinana no ivoahan’ny fihinana;

Ary ny mahery no ivoahan’ny mamy».

Hateloana izy ireo tsy nahalala ny hevitry ny ankamantatra.

15 Ka nony tamin’ny andro fahafito dia hoy izy tamin’ny vadin’i Samsôna: «Taomy ny vadinao hilaza aminay ny hevitry ny ankamantatra, fa raha tsy izany, hodoranay avokoa ianao sy ny ankohonan-drainao. Sa ny hataonareo mafafa no nanasanareo anay?»

16 Dia nitomany teo anilan’i Samsôna ny vavy, ka nanao taminy hoe: «Halanao mihitsy aho fa tsy tianao akory; nanao ankamantatra tamin’ny zanaky ny fireneko ianao, nefa tsy mba nolazainao tamiko ny hevitr’izany». Fa hoy ny navaliny azy: «Ikaky sy ineny aza tsy nilazako azy, ka ianao indray ve no hilazako?»

17 Nandritra ny hafitoana nisian’ny fanasana dia nitomany teo anatrehany ihany izy, ka tamin’ny andro fahafito nony nanahirana azy mafy loatra izy dia nolazainy ny hevitry ny ankamantatra, dia nolazain’io tamin’iretsy zanaky ny fireneny kosa.

18 Tamin’ny andro fahafito raha mbola tsy maty ny masoandro dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin’i Samsôna:

«Inona no mamy noho ny tantely;

Ary inona no mahery noho ny liona?»

Fa hoy kosa izy tamin’izy ireo: «Raha tsy ny omby vavy keliko no nentinareo niasa, dia tsy nahalala ny ankamantatro ianareo.»

19 Dia nentin’ny Fanahin’i Iaveh izy ka nidina nankany Askalôna. Ary namono olona telopolo lahy tao izy, dia naka babo avy aminy. Ka ny fitafiana atao fanovany nomeny an’izay nahalala ny ankamantatra. Raha efa izany niakatra nankany an-tranon-drainy izy, fa nirehitra ny fahatezeran’i Samsôna.

20 Ary ny vadiny lasan’ny anankiray amin’ireo namany izay nofidiny ho sakaizany.

Categories
Mpitsara

Mpitsara 15

Nodoran’i Samsôna ny vary hojinjain’ny Filistinina

1 Nony afaka kelikely, tamin’ny fotoam-pijinjam-bary dia nandeha hamangy ny vadiny i Samsôna, nitondra zanak’osy anankiray ka nanao hoe: «Te-hiditra ao amin’ny vadiko ao an’efitranony aho.» Fa tsy navelan-drainy hiditra izy.

2 Fa hoy rainy taminy hoe: «Nataoko fa halanao izy, ka nomeko ny sakaizanao. Ary moa tsy ny zandriny aza no tsara ho solony».

3 Ka hoy i Samsôna taminy: «Izao vao tsy hanan-tsinyamin’ny Filistinina aho raha manisy ratsy azy».

4 Dia lasa i Samsôna nisambotra amboahaolotelon-jato sy naka fanilo. Nampifamatoriny ny rambon’ny amboahaolo, ka nasiany fanilo iray eo anelanelan’ny rambony roa, eo afovoany.

5 Dia nampirehetiny ny fanilo, ary nalefany hankany amin’ny varin’ny Filistinina ny amboahaolo, ka nandoro ny vary efa amboarany sy mbola an-tahony ary hatramin’ny voly ôliva aza.

6 Dia hoy ny Filistinina: «Iza no nanao izany?» Ka nisy namaly hoe: «I Samsôna, vinanton’ilay Tamnaana; fa nalain’io taminy ny vadiny ka nomeny ny sakaizany.» Dia niakatra ny Filistinina ka nandoro an-dravehivavy mbamin’ny rainy.

7 Hoy i Samsôna tamin’izy ireo: «Izany ve no ataonareo? Tsy maninona fa tsy hijanona kosa aho, raha tsy nahavaly faty anareo.»

8 Dia nasiany mafy tokoa ireo, tsy nitondrany roa; dia nidina izy ary nitoetra tao amin’ilay zohy amin’ny vatolampin’i Etama.

Valanoranon’ampondra

9 Tamin’izay dia niakatra ny Filistinina, nitoby teo amin’i Jodà, niely tany Lekia.

10 Ka hoy ny lehilahy tamin’i Jodà: «Ahoana no iakaranareo hamely anay?»Ary hoy ny navaliny: «Hamatotra an’i Samsôna no niakaranay mba hanaovanay aminy toraky ny nataony taminay.»

11 Nidina ny lehilahy telo arivo tamin’i Jodà nankany amin’ilay zohy amin’ny vatolampin’i Etama ka nanao tamin’i Samsôna hoe: «Tsy fantatrao va fa mpanapaka antsika ny Filistinina, ka ahoana no dia nanaovanao toy izao aminay?» Ary hoy ny navaliny azy ireo: «Toraky ny nataony tamiko ihany no nataoko taminy kosa.»

12 Hoy izy ireo taminy: «Ny hamatotra anao no nidinanay, mba hanoloranay anao eo an-tanan’ny Filistinina.» Ka hoy i Samsôna tamin’izy ireo: «Mianiàna àry fa tsy mitady hamono ahy ianareo.»

13 Dia namaly azy izy nanao hoe: «Tsia, fa ny hamatotra anao sy ny hanolotra anao eo an-tanan’izy ireo ihany no tadiavinay, fa tsy hamono anao izahay.» Dia nafatony tamin’ny mahazaka roa vaovao izy, nentiny hiakatra avy teo amin’ilay vatolampy.

14 Nony tonga tany Lekia izy, dia notsenain’ny Filistinina tamim-panakorana. Fa notsindrian’ny Fanahin’i Iaveh kosa i Samsôna tamin’izay, ka ny mahazaka tamin’ny sandriny tonga toy ny kofehy rongony main’ny afo, ary ny fatorana tamin’ny tanany nivotsotra;

15 ary nahita valanoranon’ampondra vaovao izy, dia nanatsotra ny tanany nandray an’izay, ka nahafaty arivo lahy taminy.

16 Ka hoy i Samsôna hoe:

«Valanoranon’ampondra iray no namazambazanako an’ireny;

Valanoranon’ampondra iray no nahafatesako arivo lahy.»

17 Nony nitsaha-niteny izy, ilay valanorano natsipiny avy teny an-tanany, io toerana io nomeny anarana hoe Ramata-Lekia.

18 Ary main’ny hetaheta i Samsôna, ka nitalaho tamin’i Iaveh nanao hoe: «Ianao no nanome izao famonjen-dehibe izao, tamin’ny tanan’ny mpanomponao, ary ankehitriny dia ho fatin’ny hetaheta va aho sy ho latsaka eo an-tanan’ny tsy mifora?»

19 Fa nampitresahin’Andriamanitra kosa ilay vatolampy hoboka tao Lekia, dia niboiboika teo ny rano. Ary velombelona ny fanahiny, nody ny ainy. Izany no niantsoana io loharano io hoe En-Hakôre, izay mbola any Lekia mandraka androany.

20 Roapolo taona no nitsaran’i Samsôna an’i Israely tamin’ny andron’ny Filistinina.

Categories
Mpitsara

Mpitsara 16

Ireo vavahadin’i Gazà

1 Ary nankany Gazà i Samsôna ka nahita vehivavy janga tao, dia niditra tao aminy.

2 Nilazana ny mponina tao Gazà fa hoe: «Tonga ao i Samsôna», ka nanemitra an’i Samsôna izy ireo; ary nanotrika tao am-bavahadin’ny tanàna nandritra ny alina. Nipetraka tsy nihetsiketsika izy ireo iny alina tontolo iny fa hoy izy: «Aoka aloha mandra-pangiran’ny andro maraina, dia hovonointsika izy».

3 Nandry i Samsôna mandra-pisasaky ny alina. Nony nisasaka ny alina dia nifoha izy, ka nalainy ny lela varavaran’ny tanàna mbamin’ny tolanany roa, nongotany mbamin’ny hidiny, dia nantsorohiny, nentiny nankany an-tampon’ny tendrombohitra mitodika an’i Hebrôna.

I Samsôna navadik’i Dalilà

4 Taorian’izany dia vehivavy anankiray tany an-dohasahan’i Sôreka no tiany. Dalilà no anarany.

5 Ka niakatra nankany aminy ireo filohan’ny Filistinina, nanao taminy hoe: «Tambatambazo izy, hahalalanao izay itoeran’ny heriny lehibe, sy hahazoanay mandresy azy, mba hamatoranay azy, sy hamolahanay azy, fa samy hanome anao vola zato amby arivo sikla avy izahay rehetra».

6 Dia hoy i Dalilà tamin’i Samsôna: «Mihanta aminao aho, lazao kely izay itoeran’ny herinao lehibe, sy izay tokony hamatorana anao, mba hahafolaka anao».

7 Ary hoy i Samsôna taminy: «Raha tady fito vaovao tsy mbola maina, no amatorana ahy, dia osa sy sahala amin’ny olon-kafa aho».

8 Dia nitondran’ireo filohan’ny Filistinina tady fito vaovao, tsy mbola maina i Dalilà, ka nofatorany tamin’ireo izy.

9 Ary efa nasiany olona nanotrika ao an’efitranony, dia hoy izy taminy hoe: «Irotsahan’ny Filistinina ianao, ry Samsôna!» Notapahany anefa ny tady ka niraraka ompana hoatra ny kofehy hoton-drongony voan’afo. Dia tsy fantatra izay niafenan’ny heriny.

10 Ary hoy i Dalilà tamin’i Samsôna: «Namazivazy ahy sy nandainga tamiko izany ianao; koa ankehitriny mihanta aminao re aho, mba lazao kely izay tokony hamatorana anao.»

11 Dia hoy izy taminy: «Raha tady vaovao, tsy mbola nampiasaina akory no amatorana ahy, dia hanjary osa sy sahala amin’ny olon-kafa ihany aho.»

12 Koa nalain’i Dalilà ny tady vaovao namatorana azy, dia hoy izy taminy: «Hirotsahan’ny Filistinina ianao, ry Samsôna!» Ary efa misy olona manotrika ao an’efitranony. Ary notapahiny hoatran’ny fanapaka singan-kofehy ny tady tamin’ny sandriny.

13 Hoy i Dalilà tamin’i Samsôna: «Mamazivazy ahy foana ianao hatramin’izao, ary lainga no nataonao tamiko. Fa izay tokony hamatorana anao no aoka hambaranao ahy.» Dia hoy izy taminy: «Izao ihany; tenomy hikambana amin’ny tenona ny foto-bolo fitoamin’ny lohako.»

14 Dia naompan-dravehivavy tamin’ny fàntaka ireny. Rehefa izany dia hoy izy taminy: «Irotsahan’ny Filistininaianao, ry Samsôna!» Taitra tamin’ny torimasony izy, dia nongotany ny fàntaka fanenomana ny tenona.

15 Ka hoy ravehivavy taminy: «Ahoana no dia anaovanao hoe: Tiako ianao, nefa ny fonao tsy amiko akory? Indro efa intelo ianao izao no namazivazy ahy ihany; fa mbola tsy nilaza tamiko izay itoeran’ny herinao lehibe»

16 Dia nitory kisina taminy isan’andro teo izy sy nanorisory azy tamin’ny hata-dava, ka efa sosotra mafy ny fanahiny nila hahafaty azy:

17 ka nambarany taminy izay tao am-pony rehetra, ary hoy izy taminy: «Tsy mbola nodiavin-kareza ny lohako, na oviana na oviana, fa nazarean’Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho. Fa raha haratana aho dia hiala amiko ny heriko, dia hanjary osa sy ho tahaka ny olona rehetra ihany aho.»

18 Hitan’i Dalilà fa noborahiny taminy ny tao am-pony rehetra, ka naniraka hiantso ny filohan’ny Filistinina izy, sy nampilaza tamin’izy ireo hoe: «Miakara amin’izao, fa efa noborahiny tamiko ny tao am-pony rehetra.» Dia niakatra ireo filohan’ny Filistinina, samy nanao an-tanany ny volany.

19 Ary nampatoriny teo an-dohaliny izy ka niantso ilay lehilahy dia nampanàra ny foto-bolo fito amin’ny lohan’i Samsôna dia niantomboka tamin’izay ny namolahany azy, ary niala taminy ny heriny.

20 Ka hoy izy: «Irotsahan’ny Filistinina ianao, ry Samsôna!» Dia taitra tamin’ny torimasony izy, ka nanao hoe: «Ho afaka amin’izao toy ny taloha ihany aho, dia hitsoaka»; satria tsy fantany fa efa niala taminy i Iaveh.

21 Nisambotra azy kosa ny Filistinina sy namotsotra ny masony, dia nampidina azy tany Gazà ary namatotra azy amin’ny gadra varahina roa mikambana. Nampihodina ny vato fitotoam-bary tao an-tranomaizina izy.

Valifatin’i Samsôna sy ny nahafatesany

22 Nefa efa nanomboka naniry indray ny volon’i Samsôna, hatrizay nanaratana azy.

23 Nivory ireo filohan’ny Filistinina hanolotra sorona lehibe amin’i Dagôna andriamaniny sy hirobiroby, fa hoy izy: «Efa natolotry ny andriamanitsika eo an-tanantsika i Samsôna fahavalontsika.»

24 Nahita azy ny vahoaka ka nidera ny andriamaniny izy ireo nanao hoe: «Efa natolotry ny andriamanitsika eo an-tanantsika ilay fahavalontsika izay nanimba ny tanintsika sy nahafaty be tamintsika.»

25 Nony injay efa revon-kafaliana ny fon’izy ireo, dia hoy izy: «Ampanalao i Samsôna hampilalao antsika.» Dia nalaina tany an-tranomaizina i Samsôna, ka nandihy teo anatrehan’izy ireo. Teo anelanelan’ny andry izy no napetraka.

26 Ary hoy i Samsôna tamin’ilay zatovo nitantana azy: «Avelao kely aho hitsapa ny andry manohana ny trano sy hiankina aminy.»

27 Feno lehilahy sy vehivavy ny trano, tao avokoa ireo filohan’ny Filistinina; tany ambonin’ny tafo koa nisy olona sahabo ho telo arivo, na lahy na vavy, izay nijery an’i Samsôna nandihy.

28 Dia niantso an’i Iaveh i Samsôna nanao hoe: «Ry Iaveh Tompo ô, mihanta aminao aho, tsarovy re aho, ka omeo hery amin’ity indray mandeha ity monja, ry Andriamanitra ô, mba hamaliako ny Filistinina amin’ny indray mitoraka ihany, noho ny amin’ny masoko roa.»

29 Dia nobedain’i Samsôna ny andry roa afovoany nanohana ny trano, ka nitehika mafy taminy izy; ny tanany havanana tamin’ny anankiray ary ny tanany havia tamin’ny anankiray.

30 Ary hoy i Samsôna hoe: «Aoka hiara-maty amin’ny Filistinina aho!» sady niezaka mafy niondrika izy, ka nirodana tamin’ny andriana amam-bahoaka rehetra tao ny trano. Ary be no matiny tamin’ny nahafatesany noho ny novonoiny fony fahavelony.

31 Dia nidina ny rahalahiny mbamin’ny mpianakavin-drainy rehetra ka naka azy. Nony tafakatra izy ireo dia nandevina azy tao anelanelan’i Saraà sy i Estaola, amin’ny fasan’i Manôe rainy. Roapolo taona no nitsarany an’i Israely.

Categories
Mpitsara

Mpitsara 17

Tranomasina manokan’i Mikasy

1 Nisy lehilahy anankiray atao hoe Mikasy avy amin’ny tendrombohitr’i Efraima,

2 nilaza tamin-dreniny hoe: «Ilay vola zato amby arivo sikla izay nalain’olona taminao sy nanononanao ozona, ary ren’ny sofiko aza ny nanononanao izany, dia indro eto an-tanako izany vola izany, izaho no naka.» Ary hoy ireniny: «Hotahin’i Iaveh anie ny zanako.»

3 Naveriny tamin-dreniny ilay vola zato amby arivo sikla, dia hoy ireniny: «Ny tanako no manolotra izany vola izany amin’i Iaveh, mba ho an’ny zanako, hanaovana sarin-javatra voasikotrasy zavatra anidina; koa ankehitriny averiko aminao izy.»

4 Rehefa voaveriny tamin-dreniny ny vola, dia nangalan-dreniny roan-jato sikla, nomeny ny mpanao anidina, ka nanaovany sarin-javatra voasikotra sy zavatra anidina, ary natao tao an-tranon’i Mikasy ireny.

5 Fa nanana tranon’Andriamanitra io Mikasy io. Nanao efôda sy terafima izy, ary ny anankiray tamin’ny zanany lahy dia natokany nataony mpisorony.

6 Tsy nisy mpanjaka tamin’i Israely tamin’izany andro izany, ka samy nanao izay sitraky ny fony izy ireo.

7 Ary nisy zatovo lahy anankiray avy any Betlehema any Jodà, avy amin’ny fokon’i Jodà, Levita izy io, ary nitoetra tao amin’izany tany izany.

8 Niala tao Betlehema any Jodà ralehilahy io, hahitany toerana hipetrahana, ka izany no nahatongavany tany amin’ny tendrombohitra Efraima sy tao an-tranon’i Mikasy.

9 Ary hoy i Mikasy taminy: «Avy aiza moa ianao?» Ka hoy ny navaliny azy: «Levita avy any Betlehema any Jodà aho, fa mivahiny aho hahitako toerana hipetrahako.»

10 Dia hoy i Mikasy taminy: «Mitoera atỳ amiko, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko ianao, fa omeko vola folo sikla isan-taona, mbamin’ny fitafiana ilainao sy ny sakafo.» Dia niditra ilay Levita.

11 Ka ny Levita nanaiky hitoetra tao amin’io lehilahy io ka noraisiny ho toy ny anankiray amin’ny zanany ilay tovolahy.

12 I Mikasy nanokana ity Levita, dia tonga mpisorona ho azy io ilay tovolahy, ary nitoetra tao an-tranon’i Mikasy.

13 Ary hoy i Mikasy hoe: «Fantatro ankehitriny, fa hanisy soa ahy i Iaveh satria manana an’ity Levita ity ho mpisorona aho.»

Categories
Mpitsara

Mpitsara 18

Ny Danita mitady tany honenana

1 Tsy nisy mpanjaka tao amin’i Israely tamin’izany andro izany; ary nitady zara tany honenany ny fokon’ny Danita, tamin’izany andro izany, fa tsy mbola nahazo anjara lova hatramin’izany andro izany izy eo afovoan’ny fokon’i Israely.

2 Nalain’ny zanak’i Dana tao amin’izy rehetra ireo ny dimy lahy, lehilahy mahery iray fianakaviana aminy, ka nalefany avy any Saraà sy Estaola hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany. Ka hoy izy tamin’izy ireo: «Mandehana zahao ny toetry ny tany». Dia tonga tany amin’ny tendrombohitra Efraima izy sy tao amin’ny tranon’i Mikasy, ka nandry tao.

3 Nony mby teo akaikin’ny tranon’i Mikasy izy ireo, dia fantany ny feon’ilay tovolahy Levita dia nanatona izy ka nanao tamin’io hoe: «Iza no nitondra anao nankatỳ? Maninona atỳ ianao? Manana inona atỳ ianao»

4 Dia hoy ny navaliny azy: «Izao sy izao no nataon’i Mikasy tamiko; izy manamby ahy ary izaho manao mpisorona ho azy».

5 Ary hoy ireo taminy: «Raha izany àry, anontanio kely Andriamanitra mba hahalalanay raha ho tsara ny dianay».

6 Dia hoy ny mpisorona namaly azy: «Mandehana amim-piadanana, fa tsinjovin’i mason’i Iaveh izao dia ataonareo izao».

7 Nony nandeha izy dimy lahy, ka tonga tany Laïsa dia hitan’izy ireo ny mponina tao amin’izany tanàna izany fa nonina tsy amin’ahiahy, manaraka ny fomban’ny Sidonianina, nandry fahizay tamim-piadanana, ary tsy nisy olona tamin’ny taniny nanam-pahefana nampahory azy, na tamin’inona na tamin’inona; lavitra ny Sidonianina izy, ary tsy nanan-draharaha na tamin’iza na tamin’iza.

8 Niverina tany amin’ny rahalahiny tany Saraà sy Estaola izy ireo, dia hoy ireto rahalahiny taminy: «Ahoana, hoy ianareo?»

9 Ka hoy ny navaliny: «Mitsangàna, miakara isika hamely an’ireny, fa efa hitanay ny tany, ka indro fa tany soa indrindra, ka no mipetraka eo foana tsy miteny tsy mivolana ianareo? Aza milasilasy amin’ny fandehanana haka izany tany izany.

10 Rehefa tonga any dia hiditra ao amin’ny vahoaka mandry tsy amin’ahiahy ianareo. Malalaka ny tany, ary efa natolotr’Andriamanitra eo an-tananareo, ary ao amin’izany toerana izany dia hita izay rehetra mety hisy eto ambonin’ny tany.»

Nifindra monina ny Danita

11 Dia nisy enin-jato lahy, samy vonom-piadiana fanao an’ady avokoa, no niainga avy any Saraà sy Estaola, avy amin’ny fokon’i Dana.

12 Niakatra ireo, dia nitoby tao Kariatiarima any Jodà, izany no niantsoana io tany io mandraka androany hoe: Makane-Dana, ka ao andrefan’i Kariatiarima no misy azy.

13 Avy teo izy dia nandroso nankany amin’ny tendrombohitr’i Efraima ka tonga tao an-tranon’i Mikasy.

14 Tamin’izay izy dimy lahy izay efa nandeha nisafo ny tanin’i Laïsa teo, dia niteny tamin’ireo rahalahiny, ka nanao hoe: «Fantatrareo va fa misy efôda sy tarafima ary sarin-javatra voasokitra aman-javatra anidina, amin’ireto trano ireto? Koa hevero izao izay tokony hataonareo».

15 Dia nivily nankeo izy, ka niditra tao amin’ny tranon’ilay tovolahy Levita, dia ny tranon’i Mikasy, sy nanao akory azy;

16 fa izy enin-jato lahy, samy vonom-piadiana fanao an’ady avy amin’ny fokon’i Dana, nijanona teo anoloan’ny vavahady.

17 Raha mbola nijanona teo anoloan’ny vavahady ilay mpisorona mbamin’ireo enin-jato lahy vonom-piadiana, izy dimy lahy nisafo ny tany kosa niakatra dia niditra tao an-trano fivavahana, naka ny sarin-javatra voasikotra, ny efôda, ny terafima ary ny zavatra anidina.

18 Nony tafiditra tao an-tranon’i Mikasy izy ireo, ka naka ny sarin-javatra voasikotra sy ny efôda ary ny terafima mbamin’ny zavatra anidina, dia hoy ilay mpisorona taminy: «Inona izato ataonareo?»

19 Ka hoy ny navaliny azy: «Mangina ianao, tampeno amin’ny tananao ny vavanao, ary handeha hiaraka aminay, dia ho rainay sy ho mpisoronay ianao: Aleonao va mpisoron’ny ankohonan’ny olona iray ihany toy izay mpisoron’ny foko iray sy fianakaviana iray amin’i Israely?»

20 Dia faly ny fon’ilay mpisorona, ka nalainy ny efôda sy ny terafima mbamin’ny sarin-javatra voasikotra ary nandroso ho eo afovoan’ny miaramila izy.

21 Dia niainga izy ireo, ka lasa; nataony teo aloha ny zaza sy ny biby fiompy mbamin’ny entana sarobidy rehetra.

22 Efa lasa lavitra ny tranon’i Mikasy izy ireo, vao indreto ny olona mitoetra ao amin’ny trano mifanolo-bodirindrina amin’i Mikasy nivory nanenjika ireto taranak’i Dana.

23 Nantsoantsoin’izy ireo avy atỳ aoriana ny taranak’i Dana, ka niherika sy nanao tamin’i Mikasy hoe: «Inona no ilainao no nanangona olona toy izao ianao?»

24 Dia hoy izy namaly: «Ny andriamanitro izay nataoko, nongoahanareo mbamin’ny mpisorona, dia lasa ianareo; ka inona indray àry no mba ahy? Ahoana no anaovanareo hoe: Inona no ilainao?»

25 Fa hoy ny taranak’i Dana taminy: «Aza ampandrenesina anay intsony ny feonao, sao hiantoraka aminareo ny olona tezitra ka hahafaty ny ainao sy ny ain’ny ankohonanao.»

26 Dia nanohy ny diany ny zanak’i Dana. Hitan’i Mikasy fa mahery noho izy ry zareo, ka dia niverina nody any an-tranony izy.

Azo i Laïsa. Naorin’i Dana ny tanàna sy ny tranomasina

27 Toy izany no nangalan’izy ireo izay nataon’i Mikasy mbamin’ny mpisorona niasa ho azy, dia nandroso namely ny tao Laïsa, izay vahoaka nandry feizay sy tsy nanana ahiahy, ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra, ary ny tanàna nodorany.

28 Tsy nisy olon-kamonjy azy, fa lavitra an’i Sidona izy, ary ny mponina tao tsy nanan-draharaha tamin’ny olon-kafa; tao amin’ny lohasaha mandroso mankany Bety-Rohôna no nisy azy. Naorin’ny taranak’i Dana ny tanàna, dia nonina teo izy,

29 ary ny anarany nataony hoe Dana, araka ny anaran’i Dana, rainy, izay naterak’i Israely; fa Laïsa kosa no anaran’ny tanàna taloha.

30 Natsangan’ny taranak’i Dana ho azy ireo ilay sarin-javatra voasikotra; ary i Jonatàna, zanak’i Gersama zanak’i Môizy, dia izy sy ny zanany no mpisoron’ny fokon’i Dana mandra-pahatongan’ny andro namaboana ny tany.

31 Ilay sary voasikotra nataon’i Mikasy no natsangan’izy ireo ho azy, nandritra ny fotoana rehetra nisian’ny tranon’Andriamanitratao Silô.

Categories
Mpitsara

Mpitsara 19

Ilay Levitan’i Efraima sy ny vadintsindranony

1 Tamin’izany andro izanyraha mbola tsy nisy mpanjaka tao amin’i Israely, ny Levita anankiray nitoetoetra tany an-tsisin-tendrombohitr’i Efraima dia naka ho vady vehivavy anankiray avy any Betlehema any Jodà.

2 Nivadihan’ity vady tsindranony izy, sady nilaozany nankany an-tranon-drainy any Betlehema, any Jodà, izay nitoerany efa-bolana.

3 Fa niainga ralehilahy ka nankany aminy, hiteny amin’ny fony sy hampody azy, ary nitondra ny mpanompony sy ampondra roa. Nampiantranoin-dravehivavy ho ao an-tranon-drainy izy, ka nony nahita azy ny rain-drazazavavy, dia nandroso hitsena azy an-kafaliana.

4 Notazonin’ity rafozany rain-drazazavavy izy, ka nitoetra tao aminy hateloana ary nihinana sy nisotro izy ireo, ka nijanonjanona tao.

5 Nony tamin’ny andro fahefatra dia nifoha maraina koa izy ireo, ary efa nivonon-kandeha ity Levita. Nefa hoy ny rain-drazazavavy tamin’ity vinantony: «Hatanjaho ny fonao ka homàna sombi-mofo aloha, vao mandeha ianareo».

6 Dia nipetraka izy, ka niara-nihinana sy nisotro izy roa lahy. Ary hoy ny rain-drazazavavy: «Mihanta aminao re aho, mba ekeo ny handry anio alina; ary aoka hifaly ny fonao».

7 Efa nitsangan-kandeha ralehilahy fa noho ny fiambezoan’ny rafozany dia niverina izy ka tafandry teo iny alina iny.

8 Nony tamin’ny andro fahadimy dia nifoha maraina koa izy handeha, fa hoy ny rain-drazazavavy taminy: «Mihanta aminao re aho, mba hatanjaho ny fonao ka andraso mandra-pahatolaky ny andro». Dia niara-nihinana izy roa lahy.

9 Efa nitsangana handeha ralehilahy sy ny vady tsindranony ary ny mpanompony, fa hoy kosa ny rafozany rain-drazazavavy taminy: «Indro efa ho hariva ny andro, koa mihanta aminao aho, mba handry indray anio alina! fa efa mandrorona ny andro, ka mandria re eto, ary aoka hifaly ny fonao: fa rahampitso hifoha maraina koa ianareo mba hiainga ka handeha ho any an-dainao».

10 Tsy nety handry intsony anefa ralehilahy fa nitsangana izy, ka dia lasa. Tonga hatrany an-tandrifin’i Jebosy izy, dia Jerosalema izany, ary niaraka taminy ny ampondra roa samy voaisy lasely sy ny vady tsindranony.

Heloky ny olona tao Gabaà

11 Efa hariva ny andro no tonga tao akaikin’i Jerosalema izy ireo; ka hoy ilay mpanompony tamin’ity tompolahiny: «Raha sitrakao, handeha isika hivily ho amin’ity tanànan’ny Jeboseanina ity, dia handry eo».

12 Fa hoy ny tompony namaly hoe: «Tsy hivily amin’izay tanànan’olon-kafa firenena tsy misy zanak’i Israely isika, fa handroso ihany ho any Gabaà».

13 Dia hoy koa izy tamin’ny mpanompony: «Andeha ataovy izay hahatrarantsika ny iray amin’ireto tanàna ireto, dia i Gabaà na i Ramà; any isika no handry».

14 Koa notohizany ny dia, ary efa nilentika ny masoandro no eny akaikin’i Gabaà, izay an’i Benjamina, izy.

15 Ka dia nivily ho any izy, mba handry ao Gabaà.

Nony tafiditra ity Levita, dia nijanona teo amin’ny kianjan’ny tanàna, ary tsy nisy olona nampiantrano azy handry any aminy.

16 Kanjo kosa, inty nisy anti-dahy anankiray nody hariva avy niasa tany an-tsaha; lehilahy avy amin’ny tendrombohitra Efraima izy fa nitoetra tao Gabaà, ary ny mponina ao amin’io fitoerana io dia Benjaminita.

17 Nanopy ny masony izy, ka nahita ilay mpivahiny teo an-kianjan’ny tanàna; ka hoy ny anti-dahy taminy nanao hoe: «Ho aiza ianao ary avy aiza?»

18 Ary hoy ny navaliny azy: «Avy any Betlehema any Jodà izahay, ka ho any amin’ny sisin’ny tendrombohitr’i Efraima izay tany niaviako. Tany Betlehema any Jodà aho, ary ho any an-tranon’i Iaveh, nefa tsy mba misy olona mampiantrano ahy akory.

19 Anananay anefa ny mololo amam-bilona ho an’ny ampondranay, ny mofo aman-divay ho ahy sy ny ankizy vavinao ary ny zatovo miaraka amin’ny mpanomponao, fa tsy mila na inona na inona izahay».

20 Dia hoy ilay anti-dahy: «Ho aminao anie ny fiadanana; ary hovononiko avokoa izay ilainao, fa aza mandry foana eto an-kianja».

21 Koa nampidiriny an-trano izy ireo ary nomeny vilona ny ampondra; nanasa tongotra izy ireo dia nihinana sy nisotro.

22 Dieny mbola nifaly teo ny fon’izy ireo, dia indreo nisy lehilahy tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, nanodidina ny trano, nandondòna mafy ny varavarana, sady nilaza tamin’ilay anti-dahy tompon-trano nanao hoe: «Asaovy mivoaka ilay lehilahy niditra ato aminao, mba hahalalanay azy».

23 Fa nivoaka ny tompon-trano nankeo amin’izy ireo ka nanao taminy hoe: «Aoka, ry rahalahiko, mihanta aminareo aho, aza dia manao ratsy re; rehefa tafiditra ny tranoko io lehilahy io, dia aza manao izany zavatra mahafa-baraka izany.

24 Indro ny zanako vavy mbola virjiny sy ny vady tsindranon-dralehilahy; hoentiko mivoaka izy ireo, dia anaovy an-keriny, sy ataovy aminy araka izay sitrakareo, fa aza manao izany zavatra mahafa-baraka izany amin’io lehilahy io».

25 Tsy nety nihaino azy akory anefa ireo lehilahy ireo. Tamin’izay dia nalain-dralehilahy ny vady tsindranony, nentiny nivoaka tany amin’izy ireo. Nahalala azy izy ireo sy nanao an-keriny taminy mandritra ny alina, mandra-paharainan’ny andro; ary nony efa hiposaka ny masoandro vao nalefany handeha izy.

26 Nony efa haraina ny andro dia tonga ravehivavy ka lavo teo am-baravaran’ny tranon’ilay lehilahy nisy ny vadiny, ka teo izy mandra-pahazavan’ny andro.

27 Nony maraina dia nifoha ny lahy, dia namoha ny varavarana ary nivoaka ndeha hanohy ny diany. Ary inty ravehivavy, ny vady tsindranony, nivalandòtra teo am-baravaran’ny trano, ary teo amin’ny tokonana ny tanany.

28 Hoy izy taminy: «Miarena dia ndeha isika handeha». Ary tsy nisy namaly; koa dia nataon’ny lahy teo ambonin’ny ampondrany izy, dia lasa izy nody ho any amin’ny fonenany.

29 Nony tonga tany aminy izy, noraisiny ny antsy, dia nalainy ity vady tsindranony, ka norasainy isam-pamavanin-taolana ho roa ambin’ny folo toko, sy nampitondrainy eran’ny tanin’i Israelyrehetra.

30 Dia hoy izay nahita rehetra: «Ny zavatra toy izany dia tsy mbola tonga na hita na oviana na oviana hatrizay niakaran’ny zanak’i Israely avy any amin’ny tany Ejipta ka mandraka androany. Koa diniho izany, mifampilà hevitra, dia tapaho».

Categories
Mpitsara

Mpitsara 20

Hamaly faty ny helok’i Gabaà ny Israelita

1 Dia nivoaka ny zanak’i Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabeasy ny tany Galaada; ka nivory teo anatrehan’i Iaveh tany Masfà, toy ny olona iray ihany, ny fiangonana.

2 Ary ny filohan’ny vahoakarehetra, ny fokon’i Israely rehetra, niseho teo amin’ny fiangonan’ny vahoakan’Andriamanitra, dia lehilahy efatra hetsy mandeha an-tongotra mahatan-tsabatra.

3 Nandre ny taranak’i Benjamina fa hoe niakatra any Masfà ny zanak’i Israely. Ary hoy ny zanak’i Israely: «Mitenena, nanao ahoana no nanaovana izao heloka izao?»

4 Dia ilay Levita vadin-dravehivavy novonoina no niteny ka nanao hoe: «Niditra handry tany Gabaà, any Benjamina, izaho sy ny vaditsindranoko.

5 Ary nitsangana hamely ahy ny mponina tao Gabaà; ny trano nisy ahy nohodidininy nandritra ny alina; ny tenako nokendreny hovonoina, ny vaditsindranoko nanaovany an-keriny, ka maty.

6 Dia nalaiko ny vaditsindranoko ka noraisiko sy nampitondraiko eran’ny tany rehetra lovan’i Israely; fa heloka sy zavatra mahafa-baraka loatra amin’i Israely no nataon’izy ireo.

7 Koa indreo ao ianareo zanak’i Israely rehetra, mifampilà saina ianareo, ary tapaho eto ihany izay hevitra».

8 Indray nitsangana, toy ny olona iray ihany, ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: «Tsy hisy hiverina any an-daintsika akory isika na hody any an-tranontsika.

9 Izao kosa ankehitriny no hataontsika amin’i Gabaà: Araka ny filokany no hamelezana azy.

10 Ny fokon’i Israely rehetra dia hangalantsika lehilahy folo isan-jato, zato isan’arivo, arivo isan’alina, handeha haka vatsy ho an’ny vahoaka, ka rehefa tonga izy, dia araka ny zavatra mahafa-baraka indrindra nataony tamin’i Israely no hatao amin’i Gabaàn’i Benjamina koa».

11 Toy izany no nivorian’ny lehilahy rehetra amin’i Israely, tafakambana toy ny olona iray ihany, hamely ny tanàna.

Tsy nety ny Benjaminita

12 Naniraka ho any amin’ny fianakavian’i Benjamina rehetra ny fokon’i Israely hilaza hoe: «Ahoana izany heloka natao taminareo izany?

13 Koa ankehitriny, atolory anay ireo olona ratsy fanahy ao Gabaà ireo, hamonoanay azy sy hanesoranay ny ratsy eo afovoan’i Israely.» Tsy nety nihaino ny feon’ny zanak’i Israely rahalahiny anefa ny Benjaminita.

14 Koa nivoaka ny tanànany ny taranak’i Benjamina ka nivory tao Gabaà mba hiady amin’ny zanak’i Israely.

15 Nisaina tamin’izany ny taranak’i Benjamina nivoaka ny tanàna, ka enina arivo sy roa alina, samy mahatan-tsabatra, no isany, afa-tsy ny mponina tao Gabaà, fiton-jato lahy voafantina.

16 Nisy fiton-jato lahy voafantina tamin’ireo vahoaka rehetra ireo tsy mampiasa ny tanany havanana: ireo mpiady ireo samy mahay mitoraka singam-bolo amin’ny vaton’antsamotady, ka mahavoa azy.

17 Ny isan’ny lehilahy amin’i Israely afa-tsy ny Benjaminita, dia efatra hetsy, samy mahatan-tsabatra sy mpanafika avokoa.

18 Dia niainga ny zanak’i Israely niakatra tany Betela, ary nanontany an’Andriamanitra hoe: «Iza aminay no hiakatra voalohany hiady amin’ny taranak’i Benjamina?» Hoy ny navalin’i Iaveh: «I Jodà no hiakatra voalohany.»

19 Dia niainga maraina ny zanak’i Israely, ka nitoby tandrifin’i Gabaà.

20 Nandroso ny lehilahy amin’i Israely hiady amin’ny an’i Benjamina ary nilahatra ny lehilahy amin’i Israely hamely azy teo anoloan’i Gabaà.

21 Fa nivoaka avy eo Gabaà ny taranak’i Benjamina tamin’izay, ary lehilahy roa arivo sy roa alina tamin’i Israely no nataony maty niampatra tamin’ny tany androtr’io ihany.

22 Nohamafisin’ny vahoaka, dia ny lehilahy amin’i Israely anefa, ny herim-pony ka nilahatra hiady teo amin’ny fitoerana nilaharany tamin’ny andro voalohany indray izy.

23 Dia niakatra nitomany teo anatrehan’i Iaveh mandra-paharivan’ny andro ny zanak’i Israely; sady nanontany an’i Iaveh nanao hoe: «Mbola handeha hiady amin’ny taranak’i Benjamina, rahalahiko, ihany va aho?» Ka hoy ny navalin’i Iaveh: «Miakara hamely azy.»

24 Dia nanatona ny taranak’i Benjamina indray ny zanak’i Israely tamin’ny andro faharoa.

25 Ka nivoaka avy ao Gabaà hamely azy ny taranak’i Benjamina tamin’io andro faharoa io, ary lehilahy valo arivo sy iray alina, samy mahatan-tsabatra tamin’ny zanak’i Israely no nataony maty niampatra tamin’ny tany indray.

26 Niakatra nankany Betela ny zanak’i Israely rehetra sy ny vahoaka rehetra; nipetraka nitomany teo anatrehan’i Iaveh, nifady hanina mandra-paharivan’ny andro, nanolotra sorona dorana aman-tsorom-pihavanana teo anatrehan’i Iaveh,

27 ary nanontany an’i Iaveh ny zanak’i Israely, fa teo ny fiaran’Andriamanitra tamin’izany andro izany;

28 ary teo anoloan’i Finea zanak’i Eleazara zanak’i Aarôna, tamin’izany andro izany, ary hoy izy ireo hoe: «Mbola handeha hiady amin’ny taranak’i Benjamina rahalahiko ihany va aho sa tokony hitsahatra?» Dia hoy i Iaveh: «Miakara fa hatolotro eo an-tananao izy rahampitso.»

Resy i Benjamina ary naringana

29 Tamin’izay nasian’i Israely otrika manodidina an’i Gabaà;

30 ary niakatra hamely ny taranak’i Benjamina ny zanak’i Israely tamin’ny andro fahatelo, ka nilahatra hiady teo anoloan’i Gabaà, toy ny taloha ihany.

31 Dia nivoaka hamely ny vahoaka ny taranak’i Benjamina, ka nety ho voatarika hanalavitra ny tanàna. Rafitra namely sy namono tamin’ny vahoaka toy ny teo aloha izy, eo amin’ireo lalana any an-tsaha, izay miakatra any Betela ny iray, ary miakatra any Gabaà ny iray; dianahafatesanysahabo ho telopolo lahy amin’i Israely.

32 Hoy ny taranak’i Benjamina: «Indro fa resy eo anoloantsika toy ny taloha ihany izy ireo.» Fa hoy kosa ny zanak’i Israely: «Ndeha handositra ka ataovy tari-dositra hanalavitra ny tanàna amin’ireo lalana ireo.»

33 Dia niala tamin’izay nitoerany àry ny lehilahy amin’i Israely rehetra, ka nilahatra tany Baala-Tamara; ny olon’i Israely nanotrika kosa dia niantoraka avy amin’ny fitoerana nisy azy, tao amin’ny tany lemak’i Gabaà,

34 ka lehilahy iray alina voafantina tamin’i Israely rehetra, no tamy avy teo anoloan’i Gabaà. Mafy ny ady, ary tsy nampoizin’ny taranak’i Benjamina fa efa mananontanona azy ny loza.

35 Nasian’i Iaveh teo anoloan’i Israely i Benjamina, ka zato amby dimy arivo sy roa alin-dahy samy mahatan-tsabatra no matin’ny zanak’i Israely tamin’i Benjamina androtr’io.

36 Koa hitan’ny taranak’i Benjamina fa resy izy; fa ny lehilahy amin’i Israely no nihemotra teo anatrehan’i Benjamina dia noho ny fitokiany ny otrika napetrany hamely an’i Gabaà.

37 Fa niroatra faingana nankany Gabaà ireo olona natao otrika ireo, raha efa izany dia nandroso ny lehilahy natao otrika namely ny tanàna manontolo tamin’ny lelan-tsabatra.

38 Ary nisy famantarana nifaneken’ny lehilahy amin’i Israely tamin’ireo nanao otrika, dia ny hananganan’ireto setroka nijofo avy ao an-tanàna,

39 ka nifontina tamin’ny ady ny lehilahy amin’i Israely. Ny Benjaminita efa nahafaty sahabo ho telopolo lahy tamin’izy ireo, ka dia hoy izy: «Resy marina tokoa eo anatrehantsika izy toy ny tamin’ny ady voalohany mihitsy.»

40 Kanjo efa niantomboka nidonaka ny setroka niakatra avy ao an-tanàna sahala amin’ny rahona, dia niherika ny Benjaminita ka nahita ity tanàna manontolo nidonak’afo nanakatra ny lanitra.

41 Ny lehilahy amin’i Israely nifontina taminy, ary ny lehilahy amin’i Benjamina nivadi-po terỳ nahita fa ianjeran’ny loza izy,

42 ka niamboho teo amin’ny lehilahin’i Israely izy ireo nihazo ny lalana mankany an’efitra; nefa noenjehin’ny mpiady mafy izy; ary ny tao an-tanàna novonoiny samy eo amin’ny fitoerana nisy azy avy.

43 Notemerany sy noenjehiny i Benjamina dia novonoiny teo amin’izay niatoany hatrany an-tandrifin’i Gabaà any amin’ny fiposahan’ny masoandro.

44 Valo arivo sy iray alin-dahy, samy lehilahy mahery avokoa amin’i Benjamina no maty.

45 Izay niamboho dia nandositra nankany an’efitra any akaikin’ny haram-baton’i Remôna. Dimy arivo lahy no matin’ny zanak’i Israely teny an-dalana, dia nenjehiny mafy hatrany Jedeôna ihany izy ireny, ka nahafatesany roa arivo koa.

46 Dimy arivo sy roa alin-dahy mahatan-tsabatra no tontalin’ny Benjaminita maty tamin’izany andro izany, samy lehilahy mahery avokoa.

47 Ny enin-jato lahy niamboho sy nandositra nankany an’efitra, any amin’ny haram-baton’i Remôna dia nitoetra tao amin’ny haram-baton’i Remôna efa-bolana.

48 Dia niverina tany amin’ny taranak’i Benjamina indray ny lehilahy amin’i Israely, ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra avokoa hatramin’ny tanàna, na olona na biby fiompy, ka hatramin’izay rehetra hitany tany. Ary nodorany tamin’ny afo avokoa ny tanàna rehetra hitany.