Categories
Nahoma

Nahoma 1

1 Teny momba an’i Niniva. Boky milaza ny fahitan’i Nahoma

avy any Elkosy.

Hatezeran’i Iaveh

2 Andriamanitra saro-piaro sy mpamaly heloka i Iaveh;

mpamaly heloka i Iaveh; sady mahalala fahatezerana;

mamaly izay manohitra Azy i Iaveh,

sady mitahiry fahatezerana amin’ny fahavalony.

3 Mahari-po ela i Iaveh sady be hery

ary tsy misy meloka avelany fotsiny.

Tadio aman-tafio-drivotra no handehanan’i Iaveh,

ary rahona no vovoka diaviny.

4 Mandrahona ny ranomasina izy dia ataony maina;

ary ataony ritra ny ony rehetra.

Malazo i Basàna sy i Karmely,

malazo koa ny zava-manirin’i Libàna.

5 Mihorohoro ny tendrombohitra eo anoloany,

ary miempo ny havoana;

mientanentana ny tany eo anatrehany,

dia izao tontolo izao sy izay rehetra monina eo aminy.

6 Iza no mahatoetra eo anoloan’ny fahavinirany?

Zovy no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany?

Mitatra toy ny afo ny fahatezerany,

ary mitresaka eo anoloany ny vatolampy.

7 Tsara fo i Iaveh;

Fiarovana amin’ny androm-pahoriana Izy.

ary mahalala izay matoky Azy

8 Hofoanany amin’ny riaka manafotraizany fitoerana izany;

ary hoenjehina hatrany anatin’ny haizina ny fahavalony.

Teny fitsarana faminaniana ho an’i Jodà sy i Niniva (ho an’i Jodà)

9 Inona no hevitrao ny amin’i Iaveh?

hotanterahiny ny fandravana:

tsy hipoitra fanindroany ny fahoriana.

10 Fa nifaningotra toy ny tsilo

sy toy ny leon’ny divainy izy ireo,

ka ho levona toy ny mololo karankaina.

(Ho an’i Asora)

11 Avy taminaono nivoahan’ilay misain-dratsy hanoherana an’i Iaveh,

izay mamoron-kevitra mahameloka.

(Ho an’i Jodà)

12 Izao no lazain’i Iaveh:

Na dia tsy latsaka isa sady maro aza izy ireo,

dia hojinjaina ary tsy hisy intsony.

Efa nanetry anao Aho, ka tsy hanetry anao intsony.

13 Ary ankehitriny, ry Jodà ô,

hotapahiko hiala aminao ny jiogany;

ary hatòsako ny famatorana anao.

(Ho an’ny Mpanjakan’i Niniva)

14 Ny aminao kosa, izao no voadidin’i Iaveh:

Tsy ho velo-maso intsony ny anaranao;

hofoanako ao an-tranon’ny Andriamanitrao

ny sarin-javatra voapaika sy ny anidina;

manomam-pasana ho anao Aho satria latsa-danja ianao.

Categories
Nahoma

Nahoma 2

(Ho an’i Jodà)

1 Indro, eny an-tendrombohitra,

ny tongotry ny iraka mitondra filazana mahafaly,

izay manambara fiadanana.

Ankalazao ny fetinao, ry Jodà,

efao ny voadinao!

Fa tsy handalo eo aminao intsony izy;

efa levona mihitsy ny ratsy fanahy.

Fanafihana

2 Misy mpandravatamy hamely anao;

tano ny trano mimanda,

ambeno ny lalana, hatanjaho ny andilanao,

angony ny herinao rehetra!

3 Fa i Iaveh mampody ny voninahitr’i Jakôba,

mbamin’ny voninahitr’i Israely,

satria norobain’ny mpandroba izy,

sady nosimbany ny foto-boalobony.

4 Voaloko menany ampingan’ny mpiadiny,

miakanjo mena mangatrakatraka ny miaramilany:

mitranga ny kalesiny ao anatin’ny vy manjelanjelatra,

amin’ny andro iomanany hiady,

ary ny lefony mandihindihy.

5 Eny amin’ny arabeny kalesiny miriotra mifofofofo;

miezaka faingana eny amin’ny kianja,

hoatra ny lelafo no fijery azy,

toy ny tselatra mitsoriaka.

6 Mahatsiahy ny olo-malazany izy;

tafintohina eny am-pandehanana ireny;

miezaka ho amin’ny manda izy ireo:

mivonon-kiaro tena ny olona.

7 Mivoha ny vavahadin’ny ony,

dia mirodana ny lapa.

8 Efa tanteraka izao, dia nampitanjahiny, lasan-ko babo izy io,

ka mitoloko ny mpanompovaviny

toy ny fitolokon’ny voromahailala;

mandondon-tratra izy ireo.

9 Toy ny bodo i Ninivahatrizay niandohany…

Mandositra izy ireo! …Mijanòna e! Mijanòna e!…

nefa tsy misy miherika!

10 Baboy ny volafotsy, baboy ny volamena!

fa tsy hita lany ny hareny,

mbamin’ny fanaka sarobidiny rehetra voaangony.

11 Foana, voaroba, tankina!

Kivy ny fo, mangovitra ny lohalika,

mitapitapin’ny fiahiana mafy ny valahana rehetra,

mivaloarika avokoa ny tarehy.

Fandrahonana ny lion’i Asora

12 Aiza no misyny lavak’ireo liona,

izay fitoerana ifahanan’ny liona tanora,

izay nieran’ny liondahy aman-diombavy sy ny zana-diona,

sady tsy misy manaitaitra azy?

13 Ilay liona nifaoka izay nilain’ny zanany,

nanakenda ho an’ny liombaviny,

nameno haza ny lavany,

sy toha, ny zohiny.

14 Inty aho izao manohitra anao!

– teny marin’i Iavehn’ny tafika; –

hampanjariko setroka ny kalesinao;

holevonin’ny sabatra ny liona tanoranao;

hoesoriko amin’ny tany ny hazanao;

ary tsy ho re intsony ny feon’ny irakao.

Categories
Nahoma

Nahoma 3

Fandrahonana an’i Niniva noho ny heloka nataony

1 Loza ho an’ny tanàna mpandatsa-dra,

feno fanambakana amam-pahasiahana

tsy mitsahatra amin’ny halatra!

2 Injany re ny firivirìvin’ny karavasy,

ny firodorodon’ny kodia,

ny katrokatroky ny soavaly,

ny fiantraitraikan’ny sarety!

3 Mpitaingin-tsoavaly miezaka,

sabatra mamirapiratra, lefona manjelatra,

olo-maratra sesehena, maty miavosa,

faty tsy hita isa…

Voafingampingan’ny fatyny olona!

4 Ny nahatonga izany,

dia noho ny fijangajangana maro be nataon’ilay vehivavy janga,

feno zavatra mahafinaritra manangoly, kinga amin’ny fankatoavana,

izay nivarotra firenena amin’ny fijangajangany

sy vahoaka amin’ny fankatoavany.

5 Inty Aho izao manohitra anao,

– teny marin’i Iavehn’ny tafika; –

haingaiko hatrany amin’ny tavanao ny rambon’ny akanjonao,

haharihariko amin’ny firenena ny fitanjahanao,

ary amin’ny fanjakana ny fahamenaranao.

6 Hotsipazako loto ianao, sy halàko baràka,

sy hataoko fijerin’ny olona ianao.

7 Izay mahita anao, handositra lavitra anao avokoa,

sy hanao hoe: Rava i Niniva!

Iza no hangoraka azy?

Aiza no hitadiavako mpampionona anao?

Ohatra ho azy i Teba

8 Moa ianao tsara noho i No-Amôna

izay nipetraka teo amin’ny ony,

nohodidinin’ny rano,

nanana ny ranomasinaho mandany,

sy ny rano be ho tambohony?

9 I Etiôpia no heriny, mbamin’i Ejipta koa,

ary be tsy hita isa ireny;

i Foty sy ny Libianina no mpanampy anao.

10 Mba lasana voasesitany ihany anefa,

ary nentin-ko babo izy;

ny zanany madinika koa notorotoroina,

teny an-joron-dalambe rehetra teny;

ny olo-malazany nanaovana filokana,

ary ny lehibeny rehetra nivesatra gadra avokoa.

11 Ianao koa hampileovina, dia hanjavona tsy hita intsony;

ianao koa eo anatrehan’ny fahavalo hitady fialofana.

Very maina ny fiomanan’i Niniva

12 Ny tanànanao mimanda mafy rehetra

dia aviavy misy voany masaka

hozongozonina dia miraraka

eo am-bavan’izay te-hihinana azy ireny.

13 Indro ny vahoakanao fa toy ny vehivavy eo afovoanao;

eo anoloan’ny fahavalonao, dia hivoha midanadana

ireo vavahadin’ny taninao;

levon’ny afo ny hidinao.

14 Mantsakà rano ho anao ho fitaovana amin’ny fahirano;

hamafiso ny manda,

manditia tanimanga, mihose tanidilatra,

raiso ny lasitra hanaovana biriky.

15 Any no handevonan’ny afo anao,

handripahan’ny sabatra anao.

Valala vao, miavosa

Any no hihinanany anao, toy ny ieleka

na dia ho maro toy ny ieleka aza ianao,

sy ho betsaka toy ny valalavao.

16 Nampitombo isa ny mpandrantonao ianao,

mihoatra noho ny kintana eny an-danitra;

mikopaka elatra ny ieleka dia lasa manidina.

17 Ny mpiambinao no toy ny ieleka

ary ny mpanapaka anao no toy ny valala vao, miavosa,

mipetraka eny amin’ny fefy izy, amin’izay andro mangatsiaka;

fa lasa mandositra raha vao miposaka ny masoandro,

ka tsy fantatra intsony izay nisy azy; nankaiza izy?

Hita fisaorana

18 Rendremana ny mpiandrinao, ry mpanjakan’i Asiria;

mivalandotrany lehilahy maherinao;

mihahaka eny an-tendrombohitra ny vahoakanao;

sady tsy misy olona mamory azy.

19 Tsy lai-panafody ny ratranao;

ratsy ny ferinao;

izay rehetra hitantarana ny nanjò anao,

hiteha-tanananoho ny aminao avokoa;

satria zovy moa no tsy niharan’ny hasomparanao lava izao?