Categories
Nehemia

Nehemia 1

Fiantsoana an’i Nehemia sy ny nanirahana azy ho an’i Jodà

1 Tenin’i Nehemiazanak’i Helkiasa.

Tamin’ny volana Kasleo, taona faha roapolo, raha tao an-dapa, tany Sosaaho,

2 dia inty tonga i Hananì, anankiray amin’ny rahalahiko, mbamin’ny lehilahy sasany avy tany Jodà. Nanontaniako izy ireo, ny amin’ny Jody efa afaka, dia izay nitsoaka tamin’ny fahababoana, sy ny amin’i Jerosalema.

3 Ka izao no navaliny ahy: «Lavina ny fahoriana sy latsa mahazo ny sisa afaka, dia izay nitsoaka tamin’ny fahababoana, any amin’ny ambanivohitra any; ny mandan’i Jerosalema voarodana, ny vavahadiny levon’ny afo.»

4 Vao nandre izany zavatra izany aho dia tafatombina nitomany ny nisaona andro maro. Nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’ny Andriamanitry ny lanitra aho,

5 nanao hoe: «Ry Iaveh Andriamanitry ny lanitra ô, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra ô, Ianao izay mitana ny fanekena sy ny famindram-po amin’izay tia Anao sy mitandrina ny didinao anie,

6 hanongilana ny sofinao sy hampahiratra ny masonao, hihaino ny vavaky ny mpanomponao izay ataoko aminao ankehitriny, andro aman’alina ho an’ny zanak’i Israely mpanomponao, amim-piekena ny fahotan’ny zanak’i Israely, dia izay nataony taminao; fa nanota izahay dia izaho sy ny fianakavian-draiko.

7 Efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay, fa tsy nitandrina ny didy, ny lalàna amam-pitsipika nandidianao an’i Môizy mpanomponao.

8 Tsarovy ilay teny nasainao nolazain’i Môizy mpanomponao nataonao hoe: Raha mandika ny didiko ianareo, dia haeliko any amin’ny firenena;

9 nefa raha miverina amiko ianareo, ka mitandrina ny didiko sy manaraka azy, na dia efa any am-paravodilanitra aza ny voasesitany aminareo, dia hangoniko avy any sy hoentiko ho eo amin’ny fitoeram-boafidiko hamponenako ny Anarako.

10 Mpanomponao sy vahoakanao, izay navotanao tamin’ny herinao lehibe sy ny tananao mahery izy ireo.

11 Endrey, ry Tompo, aoka hanongilan-tsofina amin’ny vavak’ity mpanomponao Ianao, sy amin’ny vavak’ireo mpanomponao izay mankasitraka tokoa ny matahotra ny Anaranao! Ho sitrakao anie ny hanambina ny mpanomponao anio, sy hampahita fitia azy eo imason’io lehilahy io.»

Mpandroso divain’ny mpanjaka aho fahizay.

Categories
Nehemia

Nehemia 2

1 Tamin’ny volana Nisàna, taona faharoapolo nanjakan’i Artakserksesa mpanjaka, raha ilay efa mby teo anoloany iny ny divay, dia noraisiko ny divay ka natolotro ny mpanjaka, ary nitandrina aho mba tsy halahelo eo anatrehany.

2 Ka hoy ny mpanjaka tamiko: «Nahoana ity ianao no malahelo tarehy, kanefa tsy marary tsinona? Tsy inona izao fa alahelon’ny fo mihitsy!»

3 Nivadi-po terỳ aho, ka namaly ny mpanjaka hoe: «Ho velona mandrakizay anie ny mpanjaka! Hataoko ahoana no tsy falahelo tarehy, kanefa ny tanàna nisy ny fasan-drazako rava ary ny vavahadiny levon’ny afo?»

4 Dia hoy ny mpanjaka tamiko: «Inona no tianao hangatahina amiko?»

5 Nivavaka tamin’ny Andriamanitry ny lanitra aho, dia namaly ny mpanjaka hoe: «Raha sitraky ny mpanjaka ka mba nahita fitia eo imasony koa ity mpanompony dia alefao aho ho any Jodà, any amin’ny tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako azy indray.»

6 Nipetraka teo anilany koa ny mpanjakavavy tamin’izay, ary hoy ny mpanjaka tamiko: «Haharitra hoatrinona ny dianao, ary rahoviana no hiverina ianao?» Dia sitraky ny mpanjaka ny handefa ahy, ka nilaza fetr’andro taminy aho.

7 Ary hoy koa aho tamin’ny mpanjaka: «Raha sitraky ny mpanjaka, aoka homena taratasy aho, ho an’ny governora any an-dafin’ny ony, mba hamelany ahy handeha, mandra-pahatongako any Jodà,

8 ary taratasy anankiray koa ho an’i Asafa mpitandrina ny alan’ny mpanjaka, mba hanomezany hazo ahy, hanaovako sakamandimby hatao amin’ny varavaran’ny trano mimandamanolotra ny tempoly sy hatao amin’ny mandan’ny tanàna, mbamin’ny trano hihatahako.» Dia nomen’ny mpanjaka ahy izany, fa momba ahy ny tanana manambin’ny Andriamanitro.

9 Dia lasa ho any amin’ireo governora any an-dafin’ny ony aho ka natolotro azy, ireo taratasin’ny mpanjaka, ary nisy manamboninahitra ama-mpitaingin-tsoavaly koa, nalefan’ny mpanjaka hiaraka amiko.

10 Nony fantatr’i Sanabalata Hôrônita, sy i Tobia ilay mpanompo Amônita, izany, dia ratsy mihitsy ny hevinyamin’ny hoe, nisy lehilahy tonga hikarakara izay hahasoa ny zanak’i Israely.

Notapahina fa haorina indray ny mandan’i Jerosalema

11 Dia tonga tany Jerosalema aho ka nony afaka hateloana no nitoerako tao,

12 nifoha tamin’ny alina aho, nomban’olona vitsivitsy. Tsy nilaza tamin’olona izay natoron’Andriamanitra tao am-poko hatao ho an’i Jerosalema aho. Tsy nitondra biby manompo aho afa-tsy ilay nitaingenako ihany.

13 Mbola alina, dia nivoaka teo amin’ny vavahadin’ny Lohasaha aho, dia nandroso mankany amin’ny loharanon’ny Dragona sy ny vavahadin’ny Zezika; nozahako ny mandan’i Jerosalema efa rava sy ny vavahadiny efa levon’ny afo.

14 Notohiziko ny diako mankany amin’ny vavahadin’ny Loharano, sy ny Farihin’ny Mpanjaka, nefa tsy nisy fitoerana azon’ilay biby notaingenako naleha, raha mbola taingenako izy.

15 Nandeha alina aho niakatra tamin’ny lohasahan-driaka, ka nizaha ny manda; izay vao niverina tany amin’ny vavahadin’ny Lohasaha, ka dia niditra.

16 Tsy nisy nahalala izay nalehako na izay kendreko hatao ny andriambaventy. Fa hatramin’izay dia mbola tsy nisy nambarako tamin’ny Jody na inona na inona, na tamin’ny mpisorona, na tamin’ny lehibe, na tamin’ny andriambaventy, na tamin’ny hafa amin’ny vahoaka izay tsy maintsy manao ny asa.

17 Nony inona, dia hoy aho tamin’izy ireo: «Hitanareo ny toetra mahonena mahazo antsika, fa rava ity Jerosalema, ary levon’ny afo ny vavahady. Koa andeha hatsangantsika ny mandan’i Jerosalema, dia tsy ho fandatsa intsony isika.»

18 Dia notantaraiko tamin’izy ireo ny nomban’ny tanana manambin’Andriamanitra ahy, mbamin’ny teny nolazain’ny mpanjaka tamiko, ka hoy izy ireo namaly: «Mitsangàna ary isika, hanorina.» Dia rafitra nanao izany asa izany tamin-kerim-po tokoa izy ireo.

19 Nony nandre izany, i Sanabalata Hôrônita, sy i Tobia ilay mpanompo Amônita, ary i Gôsena Arabo, dia nanaraby sy naneso anay, nanao hoe: «Inona izato ataonareo ao? Hikomy amin’ny mpanjaka angaha ianareo?»

20 Fa namaly azy aho, ka nanao taminy hoe: «Ny Andriamanitry ny lanitra no hanambina anay, ka dia hitsangan-kanorina izahay mpanompony; ary raha ianareo, dia tsy manana anjara, na rariny, na fahatsiarovana akory, atỳ Jerosalema ianareo.»

Categories
Nehemia

Nehemia 3

Ireo nanolo-tena hanorina ny manda

1 I Eliasiba mpisorona lehibe, mbamin’ireo mpisorona rahalahiny dia nanomboka nanorina ny vavahadin’ny Ondry, nanamasina azy izy, dia nandatsaka ny lela-vavahady; namboariny ny manda dia nohamasininy hatramin’ny tilikambon’i Meà, ka hatramin’ny tilikambon’i Hananeela.

2 Ny mponina ao Jerosalema no nanorina teo anilany, ary i Zakora, zanak’i Amrì, nanorina teo anilany.

3 Ny taranak’i Senaà no nanao ny vavahadin’ny Hazandrano, nataony teo ny sakamandimby, dia nalatsany ny lela-vavahady, mbamin’ny karetsaka sy ny barany;

4 ary teo anilany dia i Merimota zanak’i Oria zanak’i Akôsa, no nanamboatra; ary teo anilany dia i Mosolama zanak’i Barakia zanak’i Mesezebela, no nanamboatra; ary teo anilany dia i Sadôka zanak’i Baanà no nanamboatra;

5 teo anilany dia ny Tekôita no nanamboatra, saingy tsy nilatsaka hanampy tamin’ny fanompoana ny tompony, ny lehibe tamin’izy ireo.

6 I Jôiadà zanak’i Faseà, sy i Mosolama zanak’i Besôdiasa, no nanamboatra ny Vavahady Goga, nataony teo ny sakamandimby dia nalatsany ny lela-vavahady, mbamin’ny karetsaka sy ny barany.

7 I Meltiasa Gabaônita, i Jadôna Merônatita, mbamin’ny mponina ao Gabaôna sy i Masfà no nanamboatra teo anilany, akaikin’ny fitsaran’ny governoran’ny any an-dafin’ny ony;

8 i Oziela zanak’i Araiasa lohan’ny mpanefy volamena, nanamboatra teo anilany; ary i Anania isan’ny fikambanan’ny mpanao zava-manitra no nanamboatra teo anilany; navelany i Jerosalemahatreo amin’ny manda malalaka.

9 Namboatra teo anilany, i Rafaiasa zanak’i Hora, lehiben’ny antsasaky ny faritanin’i Jerosalema.

10 Teo anilany dia i Jedaiasa zanak’i Haromafa no nanamboatra tandrifin’ny tranony; ary teo anilany dia i Hatosa zanak’i Haseboniasa no nanamboatra.

11 Ny laniny sasany amin’ny manda sy ny tilikambon’ny fatana fandoroana kosa, namboarin’i Melkiasa zanak’i Herema sy i Hasoba zanak’i Fahata-Moaba.

12 Teo anilany dia i Seloma zanak’i Alohesa, lehiben’ny antsasaky ny faritanin’i Jerosalema, no nanamboatra niaraka tamin’ny zanany vavy.

13 I Hanòna sy ny mponina ao Zanôe no nanamboatra ny vavahadin’ny Lohasaha; narafiny izy, dia nalatsany ny lela vavahady, mbamin’ny karetsaka sy ny barany; fanampin’izany koa dia nanao ny manda arivo hakiho, hatreo amin’ny vavahadin’ny Zezika izy.

14 I Melkiasa zanak’i Rekaba, lehiben’ny faritanin’i Betakarama no namboatra ny vavahadin’ny Zezika; narafiny izy, dia nalatsany ny lela vavahady, mbamin’ny karetsaka sy ny barany.

15 I Seloma zanak’i Kôlkôzà, lehiben’ny faritanin’i Masfà, no namboatra ny vavahadin’ny Loharano; narafiny sy notafoany izy, dia nalatsany ny lela vavahady, mbamin’ny karetsaka sy ny barany; fanampin’izany koa nanao ny mandan’ny farihin’i Siloe, anilan’ny zaridainan’ny Mpanjaka izy, hatreo amin’ny ambaratonga midina avy any an-tanànan’i Davida.

16 Nanaraka azy, i Nehemia zanak’i Azbôka, lehiben’ny antsasaky ny faritanin’i Betsora, namboatra hatreo amin’ny tandrifin’ireo fasan’i Davida, hatreo amin’ilay dobo voafaritra sy hatreo amin’ny tranon’ny Lehilahy mahery.

17 Nanamboatra nanaraka azy, ny Levita tarik’i Rehoma, zanak’i Benì. Nanamboatra teo anilany ho an’ny faritaniny, i Hasebiasa lehiben’ny antsasaky ny faritanin’i Keilà.

18 Nanamboatra nanarakaraka azy, ireo rahalahiny tarik’i Bavaì zanak’i Henadada, lehiben’ny antsasaky ny faritanin’i Keilà.

19 Teo anilany dia i Azera zanak’i Jôsoe, lehiben’i Masfà, no nanamboatra ny ilan’ny manda, teo an-tandrifin’ny fiakaran’ny fitahirizam-piadiana, eo amin’ny zoro.

20 Nanarakaraka azy dia i Baròka zanak’i Zakaì, no nanamboatra tamin-kavitrihana ny ilany anankiray, hatreo amin’ny zoro ka hatreo amin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba, mpisorona lehibe.

21 Nanarakaraka azy dia i Merimota zanak’i Oria zanak’i Akôsa no nanamboatra ny ilany anankiray hatreo amin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba, ka hatrarỳ amin’ny faran’ny tranon’i Eliasiba.

22 Ny nanarakaraka azy dia ireo mpisorona, lehilahin’ny tany lemak’i Jordany.

23 Manarakaraka ireo, dia i Benjamina sy i Hasoba nanamboatra teo an-tandrifin’ny tranony. Manarakaraka ireo, i Azariasa zanak’i Maasiasa zanak’i Anania, nanamboatra teo akaikin’ny tranony.

24 Manarakaraka azy, i Benoy zanak’i Henadada, namboatra ny laniny iray, hatreo amin’ny tranon’i Azariasa ka hatreo amin’ny zoronysy hatreo amin’ny fiolahana.

25 I Falefa zanak’i Ozỳ, nanamboatra teo an-tandrifin’ny zorony sy ny tilikambo avo izay mibohitra eo alohan’ny tranon’ny mpanjaka, akaikin’ny tokonan’ny tranomaizina. Manarakaraka io dia i Fadaiasa zanak’i Farosa.

26 Ary ny Natineanina dia nonina teo amin’ny Ofela, hatreo an-tandrifin’ny vavahadin’ny Rano, any atsinanana, sy ny tilikambo mandroso.

27 Manarakaraka azy, ny Tekôita namboatra ny laniny iray, tandrifin’ny tilikambo lehibe mibohitra, ka hatreo amin’ny mandan’i Ofela.

28 Teo ambonin’ny vavahadin’ny Soavaly dia ny mpisorona no samy namboatra ny tandrifin’ny tranony avy.

29 Manarakaraka azy, i Sadôka zanak’i Emera nanamboatra ny teo anoloan’ny tranony; manarakaraka azy, nanamboatra i Semeiàsa zanak’i Sikemiasa mpiandry ny vavahady atsinanana amin’ny tempoly.

30 Manarakaraka azy, i Hananiasa zanak’i Selemiasa sy i Hanòna fahenin’ny zanak’i Selefa, namboatra ny laniny iray hafa. Manarakaraka azy i Mosolama, zanak’i Barakia, nanamboatra ny teo anoloan’ny tranony.

31 Manarakaraka azy, i Melkiasa isan’ny fikambanan’ny mpanefy volamena, nanamboatra hatreo amin’ny tranon’ny Natineanina sy ny mpivarotra, teo anoloan’ny vavahadin’i Mifkada ka hatreo amin’ny trano ambony eo an-jorony.

32 Ary ny mpanefy volamena sy ny mpivarotra namboatra ny eo anelanelan’ny trano ambony eo an-jorony sy ny vavahadin’ny Ondry.

Fanoheran’ireo fahavalon’ny Jody

33 Tezitra ary nisafoaka mafy i Sanabalata, nony nandre fa hoe: mandrafitra ny manda indray izahay. Dia naneso ny Jody izy.

34 Dia niteny teo anatrehan’ireo rahalahiny sy ireo miaramilan’i Samaria izy nanao hoe: «Asa inona no ndeha hataon’ireo Jody tsy mahefa? Dia havelan’ny olona hanao eo ve ireo? Hahatitra sorona eo va ireo? Hahavita amin’ny indray andro va ireo? Hahatsangana ny vato voalevina any ambany vovo-tany miavosa sy levon’ny afo va ireo?»

35 Hoy koa i Tobia Amônita, teo anilany: «Avelao ihany hamboatra eo ireo, fa na fosa iray aza hiantoraka eo dia haharava ny manda vaton’ireo!»

36 «Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa voaeso izahay. Atsingereno amin’ny lohany ny famingavingana nataony, ary atolory ho remby eny amin’ny tany hamaboana azy izy!

37 Aza avela ny helony, ary aza vonoina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany, fa efa nanao fanafintohinana teo anatrehan’ireto mandrafitra izy.»

38 Dia narafitray ny manda, ka voatsangana indray avokoa ny manda manodidina hatreo amin’ny antsasaky ny haavony, fa niasa an-jotom-po ny vahoaka.

Categories
Nehemia

Nehemia 4

1 Nisafoaky ny hatezerana avokoa anefa i Sanabalata, ny Arabo, ny Amônita ary ny Azôtianina, nony nandre fa hoe mandroso ny famboarana ny manda, ary efa mitampina miandalandalana ny banga,

2 ka niray tetika izy rehetra handeha hamely an’i Jerosalema sy hanabataba azy.

3 Dia nivavaka tamin’ny Andriamanitray izahay, sady nametraka mpiambina andro aman’alina, hanohitra azy sy hiaro tena aminy mba hisorohanay ny famelezany.

4 Hoy anefa i Jodà: «Tsy ampy hery ny mpitondra entana fa be ny korontan-javatra, ka tsy haharafitra ny manda izahay.»

5 Ny fahavalonay koa nanao hoe: «Tsy hahalala ireo na hahita, raha tsy efa tonga eo afovoany isika, ka dia hamono azy sy hampitsahatra ny asa.»

6 Kanjo nony tonga ireo Jody nonina tao akaikiny dia nampandre anay impolo na avy aiza na avy aiza no ihavian’ny fahavalo hamely anay.

7 Ka dia natokotokoko ara-pianakaviana ny vahoaka, samy nitondra ny sabany sy ny lefony aman-tsipìkany, ho any ivohon’ny manda, amin’ny ilany iva indrindra, amin’ny toerana tsy misy manakontakona.

8 Nony nijery aho, dia nitsangana nilaza izao tamin’ny lehibe sy ny andriambaventy ary ny vahoaka sisa hoe: «Aza matahotra eo anatrehan’ireny ianareo! Fa ny Tompo lehibe sy mahatahotra no tsarovy; ary miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo lahy aman-janakareo vavy ary ny vadinareo sy ny ankohonanareo.»

9 Nony ren’ny fahavalonay fa efa nahalala izahay, sy efa nofoanan’Andriamanitra ny heviny, dia niverina ho any amin’ny manda izahay rehetra, samy nankany amin’ny asany avy.

10 Hatramin’izay andro izay dia ny antsasaky ny olokoihany no nanao ny asa, fa ny antsasany kosa nitana lefona aman’ampinga sy tsipìka aman’akanjo fiarovan-tratra, ary ny filohany dia samy teo ivohon’ny fianakavian’i Jodà rehetra.

11 Amin’ireo nanao ny manda, ny sasany, dia izay nitondra entana sy nivesatra azy, nanao ny asa tamin’ny tanany an’ila sy nitam-piadiana tamin’ny tanany an’ila.

12 Ny sasany, dia izay nandrafitra, samy nanana ny sabany voafehy tamin’ny valahany avy, teo am-pandrafetana; ny mpitsoka trômpetra tsy niala teo akaikiko.

13 Dia hoy aho tamin’ny lehibe sy ny andriambaventy ary ny vahoaka sisa: «Lehibe ity ny asa, sady amin’ny tany malalaka; ka tafaely eny amin’ny manda sy tafasaraka be ihany isika rehetra.

14 Koa na aiza na aiza no andrenesanareo ny feon’ny trômpetra dia mivoria eto aminay ianareo, fa ny Andriamanitsika no hiady ho antsika.»

15 Dia nanao ny asa izahay; ny antsasany taminay nitan-defona hatramin’ny mazava atsinanana ka mandra-piposaky ny kintana.

16 Tamin’izany andro izany, hoy koa aho tamin’ny vahoaka: «Samia mandry eto Jerosalema, miaraka amin’ny mpanompony avy, mba hiambina antsika mandritra ny alina, sy hiasa mandritra ny andro.

17 Fa na izaho, na ireo rahalahiko, na ny oloko, na ny mpiambina nanaraka ahy, dia tsy nisy niala akanjo; handro tokanamatoa nanala azy.»

Categories
Nehemia

Nehemia 5

Fanomezan-drariny ny fitondrany

1 Velon-taraina mafy ny sarambabem-bahoaka mbamin’ny vadiny, noho ny amin’ireo Jody rahalahiny.

2 Hoy ny sasany: «Maro izahay, mbamin’ny zanakay lahy aman-janakay vavy, ka aoka handray vary hohaninay ka ho velona izahay.»

3 Hoy koa ny sasany: «Ataonay antoka ny taninay mbamin’ny tanimboalobokay sy ny tranonay, mba hahazoanay vary mandritra ny mosary.»

4 Hoy koa ny hafa: «Ny taninay aman-tanimboalobokay izao, efa nataonay antoky ny vola nosamborinay handoavana ny hetran’ny mpanjaka.

5 Ary ankehitriny dia mba toy ny nofon’ny rahalahinay ihany ny nofonay ka mba toy ny zanany ihany koa ny zanakay, kanjo indro fa ampidirinay amin’ny fanandevozana ny zanakay lahy aman-janakay vavy, ary ny sasany amin’ny zanakay vavy efa andevo sahady. Ary ataonay ahoana moa fa efa lasan’ny sasany ny taninay aman-tanimboalobokay.»

6 Loza ny hatezerako nony nandre ny fitarainan’izy ireo, sy izany teny izany.

7 Nony nieritreritra aho anakampo, dia ireo lehibe aman’andriambaventy no nanariko mafy sy nataoko hoe: «Mampanjanaka vola ianareo izany, samy amin’ny rahalahiny avy!» Koa nanao fivorian-dehibe noho ny amin’izy ireo aho,

8 dia nilaza taminy hoe: «Izahay nanavotra ny Jody rahalahintsika namidy tamin’ny firenena araka ny anananay, ka ianareo kosa ve, hivarotra ny rahalahinareo, sady hivarotra azy aminay!» Gina tsy nahita havaly izy ireo.

9 Ary hoy koa aho: «Tsy tsara izao nataonareo izao. Moa tsy tokony ho nandeha tamim-pahatahorana ny Andriamanitsika va ianareo, mba tsy ho voan’ny fanaratsian’ny firenena fahavalontsika?

10 Izaho mbamin’ireo rahalahiko sy ny mpanompoko koa, efa samy nampisambotra taminy vola sy vary. Ka andeha isika samy hamoy izany trosa izany.

11 Anio ihany dia samia mamerinany tanin’izy ireo, ny tanimboalobony, ny fototr’ôlivany, ny tranony, ary ny ampahazaton’ny vola mbamin’ny divay vaovao aman-diloilo nasainareo haloany ho zana-bola.»

12 Ka izao no navalin’izy ireo: «Haverinay izany, ary tsy hitaky na inona na inona aminy intsony izahay, fa hotanterahinay ny voalazanao.» Dia nantsoiko ny mpisorona ary nampanaoviko fianianana fa araka izany teny izany no hataony.

13 Ka sady nanakopaka ny kapaotikoaho no nilaza hoe: «Hakopak’Andriamanitra toy izao anie ny olona rehetra tsy mahatanteraka izany teny izany, ho eo ivelan’ny tranony amam-pananany, ka dia ho voakopaka sy ho avela tsy manana na inona na inona izy.» Dia indray namaly ny fiangonana nanao hoe: «Amen», sady nidera an’Andriamanitra; ary notanterahin’ny vahoaka tokoa izany teny izany.

14 Hatramin’ny andro nametrahan’ny mpanjaka ahy ho governora teo amin’ny tanin’i Jodà, izany hoe: hatramin’ny taona faha 20, ka hatramin’ny taona faha 32 nanjakan’i Artakserksesa, dia nandritra ny 12 taona, tsy mba nihinana ny mofon’ny governora, na izaho na ireo rahalahiko.

15 Ny governora teo alohako, nahavaky tratra ny vahoaka ary nandray mofo aman-divay taminy, ivelan’ny volafotsy efapolo sikla, hatramin’ny mpanompony avy no nampahory ny vahoaka; fa izaho kosa dia tsy mba nanao toy izany, noho ny fahatahorako an’Andriamanitra.

16 Mainka fa nimasoako ny famboarana io manda io; tsy mba nividy tany akory izahay, fa vory nihohoka teo amin’ny asa avokoa ny oloko.

17 Ny nihinana eo amin’ny latabatro dia 150 lahy, Jody sy andriambaventy, afa-tsy izay tonga ao aminay, avy amin’ny firenena manodidina.

18 Ka izao no natokana isan’andro: omby iray, ondry voafantina enina, ary vorona no nahandroina, ka izaho no nandoa ny lany; isan-kafoloana koa namononana ny divay ilaina natao betsaka. Na dia izany aza anefa, tsy mba nitaky ny mofon’ny governora aho, satria efa mavesatra loatra tamin’izany vahoaka izany ny asa nataony.

19 «Tsarovy, ry Andriamanitro ô, ka hahazoako sitraka anie izay rehetra nataoko ho an’izany vahoaka izany.»

Categories
Nehemia

Nehemia 6

Ny nahavitan’ny manda

1 Nony fantatr’i Sanabalata, i Tobia, i Gôsena Arabo, mbamin’ireo fahavalonay hafa, fa hoe, voaarina indray ny manda, ary tsy misy banga intsony;

2 – nefa hatramin’io fotoana io mbola tsy nataoko tamin’ny varavarana ny lelany,- dia naniraka nankatỳ amiko i Sanabalata sy i Gôsena, hilaza hoe: «Tongava, fa aoka isika hihaona kely any amin’ireo vohitra amin’ny lohasahan’i Onô.» Ny hanisy ratsy ahy no heviny.

3 Nandefa iraka aho hilaza aminy hoe: «Asa lehibe no ataoko ka tsy afa-midina aho. Ary nahoana ange ny asa no hiato, fa hilaozako hankany aminareo?»

4 Inefatra izy no nampitondra tamiko izany hevitra izany, nefa izany ihany no navaliko azy hatrany.

5 Fa nirahin’i Sanabalata fanindiminy, araka izany ihany indray, ny mpanompony, nitondra taratasy nivelatra teny an-tanany;

6 ka izao no soratra tao: «Efa mahoraka amin’ny firenena, sady lazain’i Gôsena koa fa hoe: Mihevitra ny hikomy ianao sy ny Jody, ka izany no nanaovanao ny manda; ary ianao, araka izany honohono izany, no mitady ny ho tonga mpanjakany.

7 Ary efa nanendry mpaminany ianao aza, hiantso ampahibemaso ao Jerosalema hoe: Efa misy mpanjaka any Jodà, mantsy anao. Ary ankehitriny dia ampandrenesina izany raharaha izany ny mpanjaka, ka avia dia hiara-mihevitra isika.»

8 Dia naniraka tany aminy aho, hilaza hoe: «Tsy misy nitranga araka izany zavatra lazainao izany, fa zavatra foronin’ny sainao fotsiny.»

9 Ny hampitahotra anay no kendren’izy rehetra, satria hoy izy: «Hihaosa ny tanany dia hilaozany ny asa, ka tsy ho tontosa. Koa ankehitriny herezo ny tanako, ry Andriamanitro.»

10 Ary nankao amin’i Semaiasazanak’i Dalaiasa, zanak’i Metabeela aho. Nihidy aman-trano izy, ary izao no nolazainy tamiko: «Andeha isika hiara-mankao an-tranon’Andriamanitra eo anatin’ny tempoly, fa tamy hamono anao ny olona; ary amin’ny alina no hahatongavan’ny olona hamono anao.»

11 Fa hoy ny navaliko: «Lehilahy toa ahy izao ve ka handositra!… Ary ahoana moa no hidiran’ny olona tahaka ahy any amin’ny tempoly ka mbola ho velona ihany? Tsy hiditra aho.»

12 Dia nandinika aho, ka indro fa tsy Andriamanitra no naniraka azy; fa ny nanononany faminaniana ny amiko dia noho izy voakaraman’i Tobia sy i Sanabalata.

13 Ary ny nanakaramany azy dia mba hatahorako ka hanarahako ny toroheviny sy hanotako, dia misy hoentiny haharatsy laza ahy sy hahafa-baraka ahy.

14 «Ry Andriamanitra ô, tsarovy i Tobia sy i Sanabalata, araka izany asa ratsy izany, ary koa i Nôadiasa mpaminany, sy ireo mpaminany hafa nitady hampitahotra ahy!»

15 Ary 52 andro, dia vita ny manda, tamin’ny faha-25n’ny volana Elola.

16 Nony nandre izany ny fahavalonay rehetra dia raiki-tahotra avokoa ny firenena manodidina anay, tsaroany reraka mafy ny fony, ary fantany fa Andriamanitray no nahavita izany asa izany.

17 Tamin’izany andro izany ny lehibe sasany tamin’i Jodà dia nampitombo ho maro ny taratasy nalefany tany amin’i Tobia, ary ny taratasin’i Tobia koa tonga nankatỳ amin’izy ireo;

18 satria maro tamin’ny lehiben’i Jodà no efa tafaray taminy tamin’ny fianianana, noho izy vinanton’i Sekeniasa zanak’i Areà, sy noho i Johanàna zanany lahy nanambady ny zanaka vavin’i Mosolama, zanak’i Barakia.

19 Nilaza ny hatsaran-toetrany teo anatrehako aza izy ireo, ary ny teniko notateriny taminy. Nampitondra taratasy hampitahotra ahy i Tobia.

Categories
Nehemia

Nehemia 7

1 Nony vita ny manda ka efa nalatsako ny lela vavahady, dia ny mpiandry varavarana, ny mpihira, ny levita no napetraka hiambina.

2 Ary i Hananì rahalahiko sy i Anania lehiben’ny rova no nomeko fahefana amin’i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky sy mahatahotra an’Andriamanitra mihoatra noho ny maro izy.

3 Dia hoy aho tamin’izy ireo: «Aza vohaina ny vavahadin’i Jerosalema mandra-pahatongan’ny hafanan’ny masoandro, ary ny hariva dia ny mbola eo ny mpiambina no hanidiana ny vavahady sy hametrahana ny barany, ary amin’ny alina, dia hanendrena mpiambina ny mponina eto Jerosalema samy hatao amin’ny anjara toerany ny tandrifin’ny tranonyavy.»

Nonenana indray i Jerosalema

4 Sady malalaka no lehibe ny tanàna, nefa vitsy ny mponina eo afovoany, sady mbola tsy voaorina indray ny trano.

5 Ka nomen’Andriamanitra hevitra aho hamory ny lehibe sy ny andriambaventy mbamin’ny vahoaka, mba hakana ny isany. Ary nahita boky nanoratana ny firazanan’izayniakatra voalohany aho, ka izao no hitako voasoratra ao:

Anaran’ireo Siônista voalohany sy isany

6 Ireto ny ambanivohitra avy nasesitany izay nentin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, ho babo ary niverina ho any Jerosalema sy i Jodà, samy any an-tanànany avy;

7 dia ireo niara-niverina tamin’i Zôrôbabela, i Jôsoe, i Nehemia, i Azariasa, i Raamiasa, i Nahamanì, i Mardokea, i Belsàna, i Mesfarata, i Beboaì, i Nahoma, i Baanà.

Izao no isan’ny lehilahy tamin’ny vahoakan’i Israely:

8 nisy 2.172 ny taranak’i Farosa;

9 nisy 372, ny taranak’i Safatiasa;

10 nisy 652, ny taranak’i Areà;

11 nisy 2.818, ny taranak’i Fahata-Moaba, avy amin’ny taranak’i Jôsoe sy i Jôaba;

12 nisy 1.254, ny taranak’i Elama;

13 nisy 845 ny taranak’i Zetoà;

14 nisy 760, ny taranak’i Zakaì;

15 nisy 648, ny taranak’i Banaì;

16 nisy 628 ny taranak’i Bebaì;

17 nisy 2.322, ny taranak’i Azgada;

18 nisy 667 ny taranak’i Adônikama;

19 nisy 2.067 ny taranak’i Begoai;

20 nisy 655 ny taranak’i Adìna;

21 nisy 98, ny taranak’i Atera, zanak’i Ezekiasa;

22 nisy 328 ny taranak’i Hasema;

23 nisy 324 ny taranak’i Besaì;

24 nisy 112, ny taranak’i Harefa;

25 nisy 95, ny taranak’i Gabaôna;

26 nisy 188, ny mponina tao Betlehema sy i Netôfa;

27 nisy 128 ny mponina tao Anatôta;

28 nisy 42 ny mponina tao Beta-Azmôta;

29 nisy 743 ny mponina tao Kariatiarima sy i Kefirà ary i Berôta;

30 nisy 621, ny mponina tao Ramà sy i Gabaà;

31 nisy 122 ny mponina tao Makmasa;

32 nisy 123 ny mponina tao Betela sy i Haì;

33 nisy 52 ny mponina tao amin’ny Nebao anankiray;

34 nisy 1.254 ny taranak’i Elama anankiray;

35 nisy 320 ny taranak’i Harema;

36 nisy 345 ny zanak’i Jerikô;

37 nisy 721 ny zanak’i Loda sy i Hadida ary i Onô;

38 ary nisy 3.930, ny zanak’i Senaà.

39 Mpisorona: 973 ny taranak’i Idaiasa, avy amin’ny fianakavian’i Jôsoe;

40 nisy 1.052 ny taranak’i Emera;

41 nisy 1.247 ny taranak’i Faseora;

42 ary nisy 1.017 ny taranak’i Arema.

43 Levita: 74 ny taranak’i Josoe sy i Kedmiela avy amin’ny taranak’i Odoiasa.

44 Mpihira: 148 ny taranak’i Asafa.

45 Mpiandry varavarana: 138 ny taranak’i Seloma, ny taranak’i Atera, ny taranak’i Telmôna, ny taranak’i Akoba, ny taranak’i Hatita ny taranak’i Sôbay.

46 Natineanina: ny taranak’i Sohà, ny taranak’i Hasofà, ny taranak’i Tebaôta;

47 ny taranak’i Kerôsa, ny taranak’i Sià, ny taranak’i Fadôna;

48 ny taranak’i Lebàna, ny taranak’i Hagabà;

49 ny taranak’i Selmay, ny taranak’i Hanàna, ny taranak’i Gedela, ny taranak’i Gahera,

50 ny taranak’i Raaiasa, ny taranak’i Rasìna, ny taranak’i Nekôdà,

51 ny taranak’i Gezema, ny taranak’i Azà, ny taranak’i Faseà, ny taranak’i Besea,

52 ny taranak’i Monima, ny taranak’i Nefosima;

53 ny taranak’i Bakboka, ny taranak’i Hakofà;

54 ny taranak’i Harora, ny taranak’i Beslota, ny taranak’i Mahidà, ny taranak’i Harsà,

55 ny taranak’i Berkôsa, ny taranak’i Sisarà, ny taranak’i Temà,

56 ny taranak’i Nasià, ny taranak’i Hatifà.

57 Taranaky ny mpanompon’i Salômôna: ny taranak’i Sôtaì, ny taranak’i Sôfereta,

58 ny taranak’i Faridà, ny taranak’i Jahalà, ny taranak’i Darkôna, ny taranak’i Jedela,

59 ny taranak’i Safatiasa, ny taranak’i Hatilà, ny taranak’i Fôkereta-Asebaima, ny taranak’i Amôna.

60 Ary nisy 392 no tontalin’ny Natineanina sy ny taranaky ny mpanompon’i Salômôna.

61 Izao no nandeha niala tany Tel-Melà, Tel-Harsà, Keroba, Adaona, ary Emera, izay tsy nahalaza ny fianakavian-drainy amam-pirazanany, hanamarina ny maha-Israely azy:

62 ny taranak’i Dalaisa, ny taranak’i Tobia, ny taranak’i Nekôdà, 642.

63 Ary ny tamin’ny mpisorona dia ny taranak’i Hôbià, ny taranak’i Akôsa, ny taranak’i Berzelai, izay naka ho vady ny anankiray tamin’ny zanaka vavin’i Berzelai, Galaadita, ka dia nantsoina amin’ny anarany.

64 Nikaroka ny taratasy vavolombelon’ny firazanany izy ireo, fa tsy nahita, ka dia nolazaina ho tsy madio, tsy mahatana ny fisoronana;

65 ary noraran’ny governora tsy hihinana ny zavatra masina indrindra izy ireo, mandra-pitsangan’izay mpisorona hanontany amin’Andriamanitra, amin’ny Orima sy ny Tomima.

66 Ary nisy 42.360 no tontalin’ny fiangonana rehetra,

67 afa-tsy ny mpanompony, lahy amana vavy, izay nisy 7.337. Nisy mpihira, lahy amana vavy, 200 tamin’izy ireo.

68 Ary izao no nananany: soavaly 736, mole 245,

69 rameva 435, ary ampondra 6.720.

70 Maro tamin’ny loham-pianakaviana no nanao fanomezana, hanaovana ny asa. Ny governora nanome darìka volamena 1.000, kopy 50, akanjom-pisoronana 530, hatao amin’ny rakitra.

71 Ny sasany amin’ny loham-pianakaviana nanome darìka volamena 20.000, mina volafotsy 2.200, hatao amin’ny rakitra hanaovana ny asa.

72 Ny vahoaka sisa kosa nanome darìka volamena 20.000, mina volafotsy 2.000, ary akanjom-pisoronana 67.

73 Dia toy izany no nahatafapetraka tamin’ny tanànany avy ny mpisorona sy ny levita, ny mpihira, ny mpiandry varavarana, ny olona amin’ny ankapobem-bahoaka, ny Natineanina, ary i Israely rehetra.

Categories
Nehemia

Nehemia 8

Vakîn’i Esdrasa ny lalàna. Fetin’ny Trano lay

1 Nony tonga ny volana fahafito, ka efa tafapetraka amin’ny tanànany avy ny zanak’i Israely, dia nivory toy ny olona iray ihany ny vahoaka rehetra, teo amin’ny kianja anoloan’ny vavahadin’ny Rano. Ary efa nilazan’izy ireo i Esdrasa mpanora-dalàna, mba hitondra ny bokin’ny lalàn’i Môizy, izay nandidian’i Iaveh an’i Israely.

2 Ka nentin’i Esdrasa mpisorona ny lalàna, ho eo anatrehan’ny fiangonana, dia ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin’izay rehetra efa manan-tsaina hahafantatra azy; andro voalohan’ny volana fahafito tamin’izay.

3 Novakiny teo anatrehan’ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin’izay efa manan-tsaina hahafantatra azy ny boky, teo amin’ny kianja anoloan’ny vavahadin’ny Rano, hatramin’ny maraina ka mandra-pisasaky ny andro, ary nampandry sofina nihaino ny bokin’ny lalàna avokoa ny vahoaka.

4 Teo ambony lampihazo vao narafitra hanaovana izany, no nitsangana i Esdrasa mpanora-dalàna, ary ireto no teo anilany: ao ankavanany, i Matatiasa, i Semeiàsa, i Aniasa, i Oria, i Helkiasa, i Maasiasa; teo ankaviany, i Fadaiasa, i Mesaela, i Melkiasa, i Hasoma, i Hasbadanà, i Zakaria, i Mosolama.

5 Dia nosokafan’i Esdrasa teo imason’ny vahoaka rehetra ny boky, fa tafasondrotra ambonin’ny vahoaka rehetra izy, ary rehefa nosokafany dia nitsangana ny vahoaka rehetra.

6 Nisaotra an’i Iaveh Andriamanitra lehibe i Esdrasa, dia nanandra-tanana ny vahoaka rehetra namaly hoe: «Amen, Amen!» Sady niondrika sy niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Iaveh izy ireo.

7 Ary nampianatra ny vahoaka ny lalàna, i Josoe, i Banì, i Sarabiasa, i Jamina, i Akoba, i Septaì, i Odiasa, i Maasiasa, i Kelità, i Azariasa, i Jozabeda, i Hanàna, i Falaisa, mbamin’ny Levita; ka samy nijanona teo amin’ny fitoerany ny olona.

8 Novakiny mazava ny boky, dia ny lalàn’Andriamanitra, novoasany koa ny heviny; ka azo tsara ny teny novakina.

9 Ary i Nehemia, governora, i Esdrasa mpisorona sy mpanora-dalàna, mbamin’ny Levita, nampianatra ny vahoaka, niteny tamin’ny vahoaka rehetra, nanao hoe: «Andro masina ho an’i Iaveh Andriamanitrareo ityka aza asiana fisaonana na ranomaso.» Fa nitomany avokoa ny vahoaka nony nandre ny tenin’ny lalàna.

10 Dia hoy koa i Nehemia tamin’ireo: «Mandehana mihinana hena matavy sy misotro zava-pisotro mamy, ary anatero anjara izay tsy nahavoatra, fa masina ity andro ity ho an’ny Tompontsika; ka aza malahelo fa ny fifaliana amin’i Iaveh no herinareo.»

11 Ny Levita koa nampionona ny vahoaka rehetra nanao hoe: «Mangina ianareo fa masina ity andro ity ka aza malahelo.»

12 Dia samy nandeha hihinana sy hisotro ary hampitondra anjara ho an’ny sasany ny vahoaka rehetra, ka nanao fifaliana lehibe. Fa azony tsara ny teny nampahafantarina azy ireo.

13 Ny andro faharoa dia nivory teo amin’i Esdrasa mpanora-dalàna, ny loham-pianakavian’ny vahoaka rehetra, mbamin’ny mpisorona sy ny Levita, mba handavorary kokoa ny fianarany ny tenin’ny lalàna.

14 Ka hitan’izy ireo voasoratra ao amin’ny lalàna izay nandidian’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy, fa tsy maintsy mitoetra an-tranolay ny zanak’i Israely, mandritra ny fety amin’ny volana fahafito,

15 sy tsy maintsy manao fiantsoana ampahibemaso eo amin’ny tanànany rehetra sy any Jerosalema hoe: «Mankanesa any an-tendrombohitra ianareo dia mitondrà sampan’ôliva, sampan’ôliva maniry ho azy, sampan-drofia, ary sampan-kazo milobolobo, hanaovan-trano lay araka ny voasoratra.»

16 Dia nandeha nankany ny olona, ka nitondra, ary samy nanao tranolay avy izy ireo teny ambony tafon-tranony, teny an-tokotaniny, teny amin’ny kianjan’ny tranon’Andriamanitra, teo amin’ny kianjan’ny vavahadin’i Efraima.

17 Samy nanao trano lay sy nipetraka tao anatin’ny trano lay avokoa ny fiangonan’izay niverina avy any amin’ny fahababoana. Tsy mbola nahavita zavatra hoatra izany ny zanak’i Israely, hatramin’ny andron’i Jôsoe zanak’i Nona ka hatramin’io andro io. Ka nisy fifaliana lehibe indrindra tamin’izay.

18 Namakiana isan’andro ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro farany. Hafitoana no nanaovana ny fety, ary tamin’ny andro fahavalo, dia nisy fivoriana manetriketrika, araka ny fomba voadidy

Categories
Nehemia

Nehemia 9

Vavaka fiaikena heloka

1 Tamin’ny andro faha-24n’izany volana izany, nivory hifady hanina ny zanak’i Israely, samy nitafy lasàka sy nanisy vovoka ny lohany.

2 Nisaraka tamin’ny zanaky ny hafa firenenarehetra ny taranak’i Israely, dia nitsangana sy niaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany.

3 Nony nitsangana samy teo amin’izay nitoerany avy izy rehetra dia namaky teny ampahefatr’andro, teo amin’ny bokin’ny lalàn’i Iaveh, ary ampahefatr’andro niaiky heloka sy nivavaka tamin’i Iaveh Andriamaniny.

4 Niakatra teo amin’ny lampihazon’ny Levita i Jôsoe, i Banỳ, i Kedmiela, i Sabaniasa, i Bonỳ, i Sarebiasa, i Banỳ, sy i Kananì, ka nitaraina tamin’ny feo avo tamin’i Iaveh Andriamaniny.

5 Ary hoy ny Levita, Jôsoe, Kedmiela, Banỳ, Hasebniasa, Sarebiasa, Odaiasa, Sebniasa, Fatatiasa: «Mitsangàna ianareo ka misaora an’i Iaveh Andriamanitrareo, mandrakizay mandrakizay!

«Hisaorana anie ny Anaranao be voninahitra, izay mihoatra noho ny fisaorana amam-piderana rehetra!

6 Fa Ianao irery, dia Ianao ry Iaveh, no nanao ny lanitra, ny lanitry ny lanitra, mbamin’ny tafika rehetra eo aminy, ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy, ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra eo aminy. Ianao no manome aina an’izany rehetra izany; ary mitsaoka Anao ny tafiky ny lanitra.

7 Ianao, ry Iaveh Andriamanitra, no nifidy an’i Abrahama, ka nitondra azy nivoaka avy any Ora any Kaldea, sy nanome anarana azy hoe Abrahama.

8 Nahita ny fony ho mahatoky eo anatrehanao ianao, ka nanao fanekena taminy, fa hanome ho an’ny taranany, ny tanin’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Jeboseanina, ary ny Gergeseanina, ary notanterahinao ny teninao, fa marina Ianao.

9 «Nitsinjo ny fahorian’ny razanay tany Ejipta Ianao, ary nihaino ny fitarainany teo amoron’ny Ranomasina Mena.

10 Nanao famantarana amam-pahagagana namely an’i Faraôna Ianao sy namely ny mpanompony mbamin’ny vahoakan’ny taniny rehetra, satria hitanao fa tamim-pianjonanjonana no nitondrany ny razanay, ka dia nahazo laza ny Anaranao, araka izay hita mandraka androany.

11 Nosarahinao teo anoloan’ireny ny ranomasina ka dia namaky teo afovoan’ny ranomasina nandia tany maina izy; fa ireo mpanenjika azy kosa nazeranao tao amin’ny hantsana, sahala amin’ny vato, ao anatin’ny ranobe.

12 Andry rahona no nitarihanao azy raha antoandro, ary andry afo nony alina, mba hanazava eo anatrehany ny lalan-kalehany.

13 Nidina tany an-tendrombohitra Sinaia Ianao, ka niteny tamin’izy ireo, avy any ambonin’ny lanitra, ary nanome azy fitsipika mahitsy, lalàm-pahamarinana, lalàna aman-didy lavorary.

14 Nampahalalainao ny sabatanao masinaizy, ary nomenao didy, fitsipika aman-dalàna hotandremana izy, tamin’ny alalan’i Môizy mpanomponao.

15 Avy any amin’ny lanitra no nanomezanao azy ny mofo hanafa-kanoanana azy; ary avy amim-batolampy no namoahanao ny rano hanala hetaheta azy. Dia nilazanao izy hiditra handray ny tany efa nianiananao homena azy.

16 «Kanjo ny razanay, latsaka am-piavonavonana izy ireo ka nanamafy ny hatony ka tsy nihaino ny didinao.

17 Nandà tsy hihaino izy, ary tsy nahatsiaro ny fahagagana nataonao ho fanasoavana azy. Nanamafy ny hatony ary nentin’ny di-dohany dia nanendry mpitarika ho azy izy, mba hiverenany amin’ny fahandevozany. Saingy dia Andriamanitra vonon-kamela heloka Ianao, miantra sy mamindra fo, ary malain-kitezitra, sy tsara fo indrindra, ka tsy nafoinao izy.

18 Na dia tamin’izy nanao zanak’omby anidina aza, sy nilaza hoe: Ity no andriamanitro, izay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta ka rafitra nanevateva Anao izaitsizy,

19 noho ny haben’ny famindram-ponao, dia tsy nafoinao tany an’efitra izy, ka tsy niala teo akaikiny ny andry rahona fa nitari-dalana azy raha antoandro, na ny andry afo fa nanazava azy nony alina, amin’ny lalan-kalehany.

20 Nomenao ny fanahinao tsara izy hahatonga azy ho malina; tsy nolavinao tsy hohanin’ny vavany ny mananao, ary namonona rano hanala hetaheta azy Ianao.

21 «Efapolo taona dia namononanao izay nivelomany tany an’efitra izy, ka tsy mba nanana ny tsy ampy fahizany, ny fitafiany tsy nihatonta, ary ny tongony tsy mba nivonto.

22 «Fanjakana amam-pirenena no natolotrao azy, ka nozarainao ho azy ireo ny faritanin’ireny, dia lasany avokoa ny tanin’i Sehôna, ny tanin’ny mpanjakan’i Hesebona, ny tanin’i Oga mpanjakan’i Basàna.

23 Nohamaroinao ho toy ny kintana eny an-danitra ny zanany ary nentinao izy ho any amin’ny tany, efa nolazainao tamin’ny razany, fa hidirany handray azy ho fananany.

24 Dia tonga ny zanany nandray ny tany ho fananany, ary naetrinao teo anoloany ny mponina ao amin’ny tany, dia ny Kananeanina, sy natolotrao ho eo an-tanany mbamin’ny mpanjaka sy ny vahoakan’ny tany, hataony amin’izay itiavany azy.

25 Afany ny tanàna mimanda, azony ny tany lonaka, ary nahazo trano feno zava-tsoa isan-karazany izy, lavaka famorian-drano efa voahady, voaloboka sy ôliva mbamin’ny hazo fihinam-boa ankabetsahana. Ary nihinana izy ka voky, dia nihamatavy ary nanaram-po tamin’ny zavatra mahafaly, noho ny hatsaram-ponao lehibe.

26 «Kanefa nikomy izy ireo sy niodina taminao, natsipiny any ivohony ny lalànao, novonoiny ireo mpaminaninao, vavolombelona nanohitra azy mba hamerina azy ho aminao, ka rafitra naniratsira Anao izaitsizy izy.

27 Tamin’izay dia nafoinao izy, ho eo an-tanin’ireo mpampahory izay nampahory azy. Tamin’ny andron’ny fahoriany anefa nitaraina taminao izy, dia nihaino azy Ianao any an-danitra, ary nentin’ny famindram-ponao lehibe dia nanome mpamonjy izay nanafaka azy teo an-tanan’ireo mpampahory.

28 Kanjo nony niadana hatreo izy, dia nanao ratsy eo anatrehanao indray, ka nafoinao ho eo an-tanan’ny fahavalony, sy tonga tapahin’ireny. Fa nitaraina taminao indray izy, ka nihaino azy Ianao any an-danitra, sy nanafaka azy matetika noho ny famindram-ponao lehibe.

29 Nitsangan-ko vavolombelona namely azy Ianao mba hamerina azy amin’ny lalànao, izy kosa nikiry tamin’ny fiavonavonany, tsy nihaino ny didinao, nandika ny fitsipikao, nefa izany raha tandremana dia ahitana ny aina; soroka tsy mety hiantsoroka no narosony ary nanamafy ny hatony izy ka tsy nety nihaino.

30 Dia mbola nandefitra taona maro ihany Ianao; ny fanahinao, ny vavan’ny mpaminaninao no nentinao ho vavolombelona namely azy, fa tsy nihaino izy. Tamin’izay dia natolotrao ho eo an-tanan’ny vahoakan’ny tany izy.

31 Noho ny haben’ny famindram-ponao anefa tsy naringanao izy, na nilaozanao, fa Andriamanitra miantra sy mamindra fo Ianao.

32 «Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Andriamanitra lehibe sy mahery sady mahatahotra, Ianao izay mitana ny fanekena sy ny famindram-po, dia aoka tsy ho zavatra kely eo imasonao ny fahoriana rehetra efa nanjò anay dia ny tenanay, ny mpanjakanay, ny lehibenay, ny mpisoronay, ny mpaminaninay, ny razanay, ary ny vahoakanao rehetra, hatramin’ny andron’ireo mpanjakan’i Asiria, ka mandrak’izao anio izao.

33 Marina Ianao tamin’izany rehetra nanjò anay izany, satria Ianao nanaraka ny marina, izahay kosa nanao ratsy;

34 ny mpanjakanay, ny lehibenay, ny mpisoronay ary ny razanay dia samy tsy nanaraka ny lalànao, ka tsy nasiany raharaha ny didinao sy ny teny niampanganao azy.

35 Teo anatin’ny fanjakany, tao afovoan’ny soa be nataonao taminy, ary teo amin’ny tany malalaka sady lonaka natolotrao azy, tsy mba nanompo Anao izy na niala tamin’ny ratsy fanaony.

36 Koa indro, andevo izahay izao! Indreto izahay andevo eto amin’ny tany nomenao ny razanay indrindra, hihinanany ny vokatra sy hiaranany amin’ny soa avy aminy.

37 «Ny vokatra be avy aminy dia ho an’ny mpanjaka notendrenao hampanompo anay noho ny fahotanay. Ny tenanay mbamin’ny biby fiompinay koa ataony amin’izay itiavany azy, ka latsaka amin’ny fahoriana mafy izahay.»

Categories
Nehemia

Nehemia 10

Tatitry ny fanekena nataon’ny vahoaka manontolo

1 «Noho izany rehetra izany, dia manao fanekena masina izahay ka nalatsakay an-tsoratra, ary ny lehibenay, ny Levitanay sy ny mpisoronay nanisy ny tombokaseny eo avy.»

2 Ireto izy no nanisy ny tombokaseny avy: i Nehemia, governora zanak’i Helkiasa,

3 i Sedekiasa, i Saraiasa, i Azariasa, i Jeremia,

4 i Fasora, i Amariasa, i Melkiasa,

5 i Hatosa, i Sebeniasa, i Melòka,

6 i Harema, i Merimota, i Abdiasa, i Daniela,

7 i Gentona, i Baròka, i Mosolama, i Abiasa,

8 i Miamina, i Maaziasa,

9 i Belgay, i Semeiàsa, samy mpisorona ireo.

10 Ary ny Levita: Josoe zanak’i Azaniasa, Benay, isan-janak’i Henadada,

11 Kedmiela, mbamin’ireo rahalahiny, Sebeniasa, Odaiasa, Kelità, Falaiasa,

12 Hanàna, Mikà, Rohoba, Hasebiasa,

13 Zakora, Serebiasa, Sabaniasa,

14 Odaiasa, Banỳ, Baninò.

15 Filohan’ny vahoaka: Farosa, Fahat-Moaba, Elama, Zetò, Banỳ,

16 Bonỳ, Azgada, Bebay,

17 Adoniasa, Begoai, Adìna,

18 Atera, Ezekiasa, Azôra,

19 Odaiasa, Hasoma, Besay,

20 Harefa, Anatota, Nebay,

21 Megfiasa, Mosolama, Hazira,

22 Mesezabela, Sadôka, Jedoà,

23 Feltiasa, Hanàna, Anaisa,

24 Osea, Anania, Hasoba,

25 Alohesa, Faleà, Sobeka,

26 Rehoma, Hasebnà,

27 Maasiasa, Ekiasa, Hanàna,

28 Anana, Melòka, Harima, Baanà.

29 Ny vahoaka sisa, ny mpisorona, ny levita, ny mpiandry varavarana, ny mpihira, ny Natineanina, ary izay rehetra nisaraka tamin’ny vahoakan’ny tany, hanaraka ny lalàn’Andriamanitra, mbamin’ny vadin’ireo, ny zanany lahy aman-janany vavy,

30 izay afa-nahalala sy manan-tsaina rehetra, dia samy nikambana tamin’ireo rahalahiny, dia ny andriandahiny, avokoa, nanome toky tamim-piozonana amam-pianianana fa hanaraka ny lalàn’Andriamanitra, izay nomena tamin’ny alalan’i Môizy, mpanompon’Andriamanitra, hitandrina sy hankatò ny didin’i Iaveh Tompontsika, mbamin’ny fitsipiny aman-dalàny.

31 Indrindra fa nanome toky izahay fa tsy hanome ny zanakay vavy ho vadin’ny vahoakan’ny tany, na haka ny zanany vavy ho vadin’ny zanakay lahy;

32 tsy hividy na inona na inona amin’ny andro sabata sy ny andro fetyamin’ny entam-barotra na zava-pihinana, na inona na inona, raha sendra misy entin’ny vahoakan’ny tany hamidy amin’ny andro sabata; hamela ny tany hijanonatsy ambolena amin’ny taona fahafito, sady hamoy ny trosarehetra.

33 Nataonay didy ho anay ny handoa ampahatelon-tsikla isan-taona, amin’ny momba ny fanompoana ao an-tranon’ny Andriamanitra,

34 ny mofo alahatra, ny fanatitra tsy tapaka, ny sorona dorana tsy tapaka, ny sorona amin’ny sabata, ny voaloham-bolana ary ny fety, ny zavatra masina, ny sorona noho ny ota, hanaovana ny fanonerana ho an’ny zanak’i Israely, mbamin’izay rehetra fanao ao an-tranon’ny Andriamanitsika.

35 Nanao filokana izahay mpisorona, Levita, vahoaka, ny amin’ny hanaterana ny kitay hazo, mba samy hitondra izany ao an-tranon’ny Andriamanitsika, isam-pianakaviana araka ny anjara fotoany avy, amin’ny fotoana voaraikitra, isan-taona, mba harehitra eo ambonin’ny ôtelin’i Iaveh Andriamanitsika, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàna.

36 Nametra-teny izahay fa hanatitra ao an-tranon’i Iaveh isan-taona ny voaloham-bokatry ny taninaysy ny santatry ny voankazo rehetra avy amin’ny hazo mamoa rehetra,

37 hitondra ho ao an-tranon’ny Andriamanitsika, amin’ny mpisorona manao ny fanompoana ao an-tranon’ny Andriamanitsika, ny lahy matoanay sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàna, ary ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinay.

38 Toraka izany koa hanatitra ho an’ny mpisorona ao amin’ny efitrano, ao an-tranon’ny Andriamanitsika, ny santatry ny kobanay amam-panatitray voaavaka mbamin’ny voankazo avy amin’ny hazo rehetra, ny divay vaovao ary ny diloilo, ary hanolotra amin’ny Levita ny ampahafolon’ny vokatry ny taninay; ary ny tenan’ny Levita no haka ny ampahafolony any amin’ny tanàna rehetra fambolenay.

39 Ny mpisorona taranak’i Aarôna, hiaraka amin’ny Levita, rehefa mandray ny fahafolony ny Levita, ary ny ampahafolon’ny fahafolony dia haterin’ny Levita ao an-tranon’Andriamanitra ao amin’ny efitrano fitahirizan-drakitra.

40 Fa ao amin’ny efitrano no hanateran’ny zanak’i Israely sy ny taranak’i Levì ny fanatitra avy amin’ny vary sy ny divay aman-diloilo; ao no misy ny fanaky ny fitoerana masina, sy itoeran’ny mpisorona manao ny fanompoana, mbamin’ny mpiandry varavarana sy ny mpihira, ka amin’izany tsy hataonay mosalahy ny amin’ny tranon’Andriamanitra.