Categories
Nehemia

Nehemia 11

Fanendren’i Nehemia izay honina ao Jerosalema. Anaran’olona samihafa

1 Niorim-ponenana tao Jerosalema ny lehiben’ny vahoaka, ary nanaovana filokana ny vahoaka sisa mba ho tonga honina ao Jerosalema tanàna masina ny iray isam-polo, fa ny sivy toko sisa no ho amin’ny tanàna hafa.

2 Ary nisaoran’ny vahoaka izay rehetra nanolo-tena ho azy, honina ao Jerosalema.

3 Izao no loham-pianakaviana avy any ambanivohitra tonga nonina tao Jerosalema. Tany amin’ny tanànan’i Jodà, samy nonina teo amin’ny taniny aman-tanànany avy: dia i Israely, ny mpisorona sy ny Levita ary ny Natineanina mbamin’ny mpanompon’i Salômôna.

Ireo Jody nonina tao Jerosalema

4 Ny niorim-ponenana tao Jerosalema dia ny avy amin’ny taranak’i Jodà sy i Benjamina. Avy amin’ny taranak’i Jodà: i Ataiasa zanak’i Aziama zanak’i Zakaria zanak’i Amariasa zanak’i Safatiasa zanak’i Malaleela, avy amin’ny taranak’i Faresa;

5 ary i Maasiasa zanak’i Baròka zanak’i Kolozà zanak’i Haziasa zanak’i Adaiasa zanak’i Joiariba zanak’i Zakaria zanak’i Selà.

6 Lehilahy mahery 468 no totalin’ny avy amin’ny taranak’i Faresa tonga nonina tao Jerosalema.

7 Ary izao no taranak’i Benjamina: i Seloma zanak’i Mosolama zanak’i Joeda zanak’i Fadaiasa zanak’i Kolaiasa zanak’i Maaiasa zanak’i Eteela zanak’i Isaia;

8 ary manarakaraka azy: i Gebay-Selaỳ: 928 izy.

9 I Joela zanak’i Zekri no mpifehy azy; ary i Jodà zanak’i Senoà no lefitry ny komandin’ny tanàna.

10 Avy amin’ny mpisorona: i Idaiasa zanak’i Joiariba,

11 i Jashina, i Saraiasa zanak’i Helkiasa zanak’i Mosolama zanak’i Sadôka zanak’i Meraiota zanak’i Akitoba, andriandahy amin’ny tranon’Andriamanitra,

12 mbamin’ny rahalahin’ireo, izay nanao ny raharaha tao an-trano: 822; i Adaiasa zanak’i Jerohama zanak’i Feleliasa zanak’i Amsỳ, zanak’i Zakaria zanak’i Fasora zanak’i Melkiasa,

13 mbamin’ireo rahalahiny, samy loham-pianakaviana: 242; ary i Amasaì zanak’i Azreela zanak’i Ahazy zanak’i Mosolamota, zanak’i Emera,

14 mbamin’ny rahalahin’ireo, samy lehilahy mahery: 128. I Zabdiela zanak’i Hagdolima no mpifehy azy ireo.

15 Avy amin’ny Levita: i Semeiàsa zanak’i Hasoba zanak’i Ezrikama zanak’i Asabiasa zanak’i Bonỳ;

16 i Sabataỳ sy i Jizabada, anisan’ny lohan’ny Levita, tonian’ny raharaha teo ivelan’ny tranon’Andriamanitra;

17 i Mataniasa zanak’i Mikà zanak’i Zebedey zanak’i Asafa, ilay lehibe mpiventy ny hira fiderana amin’ny fivavahana; i Bekbekiasa ilay nanarakaraka teo amin’ireo rahalahiny, sy i Abdà zanak’i Samoà zanak’i Galala zanak’i Isditòna.

18 Ary nisy 284 no totalin’ny Levitatao amin’ny tanàna masina.

19 Ary ny mpiandry varavarana dia i Akoba, i Telmôna, mbamin’ireo rahalahiny, mpiambina ny vavahady: 172.

20 I Israely sisa, ny mpisorona ary ny Levita dia tany amin’ny tanànan’i Jodà rehetra, samy tany amin’ny zara taniny avy.

Fanazavana famenony

21 Ny Natineanina dia nonina teo amin’ny faritanin’i Ofela: i Sihà sy i Gasfà no nifehy ny Natineanina.

22 Ny mpifehy ny Levita tao Jerosalema, dia i Azỳ zanak’i Banỳ zanak’i Hasabiasa zanak’i Mataniasa zanak’i Mikà, anisan-taranak’i Asafa, ireo mpihira niadidy ny fanompoana ao an-tranon’Andriamanitra.

23 Fa nisy didin’ny mpanjaka ny amin’izy ireo, sy karama voafetra homena ny mpihira isan’andro.

24 I Faratiasa zanak’i Mesezebela, isan-taranak’i Zarà, zanak’i Jodà kosa no mpanao raharahan’ny mpanjaka, amin’ny raharaha rehetra momba ny vahoaka.

25 Ny amin’ny tanàna sy ny tany momba azy dia izao no nonenan’ny zanak’i Jodà: i Kariata-Arbe, mbamin’ny vohitra momba azy, i Dibôna mbamin’ny vohitra momba azy, i Kabseela, mbamin’ny zana-bohiny;

26 i Jesoe, i Môladà, i Bet-Faleta;

27 i Hasersoala, i Bersabea, mbamin’ny vohitra momba azy;

28 i Sekelega, i Mokônà, mbamin’ny vohitra momba azy;

29 i En-Remôna, i Saraà, i Jerimota,

30 i Zanôla, i Odolama, mbamin’ny zana-bohitr’ireo; i Lakisa mbamin’ny tany momba azy, i Azekà mbamin’ny vohitra momba azy. Hatrany Bersabea ka hatrany amin’ny lohasahan’i Enôma no nonenany.

31 Ny avy amin’ny taranak’i Benjamina kosa dia nonina hatrany Gebà ka hatrany Makmasa, sy Haì ary Betela, mbamin’ny vohitra momba azy;

32 tany Anatôta, Nobà Ananià

33 Asôra, Ramà, Getaima, Hadida,

34 Seboima, Nebalata, Loda,

35 ary Onô, amin’ny lohasahan’ny Mpanao taozavatra;

36 tamin’ny Levita, izay anisan’ny antokon’i Jodà, dia nisy nitambatra tamin’i Benjamina

Categories
Nehemia

Nehemia 12

Ny Jody nonina tany amin’ny vohitra hafa

1 Izao no mpisorona sy Levita niara-niverina tamin’i Zôrôbabela zanak’i Salatiela, sy i Josoe:

I Saraiasa, i Jeremia, i Esdrasa,

2 i Amariasa, i Melòka, i Hatosa,

3 i Sebeniasa, i Rehoma, i Merimota,

4 i Adô, i Gentona, i Abiasa,

5 i Miamìna, i Maadiasa, i Belgà,

6 i Semeiàsa, i Joiariba, i Idaiasa,

7 i Seloma, i Amôka, i Helkiasa, i Adaiasa. Ireo no lehiben’ny mpisorona mbamin’ireo rahalahiny, tamin’ny andron’i Josoe.

8 Levita: i Josoe, i Benoy, i Kedmiela, i Sarebiasa, i Jodà, i Mataniasa, izay nitarika ny hira fiderana, niaraka tamin’ireo rahalahiny;

9 i Bekbekiasa sy i Anì, rahalahin’ireo kosa no antoko-mpihira nifamaly tamin’ireo, tamin’ny fanompoana.

Ireo mpisorom-be niteraka mpisorom-be nifanesy

10 I Josoe niteraka an’i Jôakima, i Jôakima niteraka an’i Eliasiba, i Eliasiba niteraka an’i Joiadà,

11 i Joiadà niteraka an’i Jonatàna, ary i Jonatàna niteraka an’i Jedoà.

Ireo mpisorona sy Levita tamin’ny andron’i Jôakima mpisorom-be

12 Izao no mpisorona loham-pianakaviana, tamin’ny andron’i Jôakima: i Maraiasa avy amin’i Saraiasa: i Anania avy amin’i Jeremia,

13 i Mosolama avy amin’i Esdrasa, i Johanàna avy amin’i Amariasa,

14 i Jonatàna avy amin’i Melòka, i Josefa avy amin’i Sebeniasa,

15 i Ednà avy amin’i Heràma, i Helky avy amin’i Maraiôta,

16 i Zakaria avy amin’i Adô, i Mosolama avy amin’i Gentona,

17 i Zekri avy amin’i Abiasa, i Felty avy amin’i Miamìna sy i Moadiasa,

18 i Samoà avy amin’i Belgà, i Jonatàna avy amin’i Semeiàsa,

19 i Matanay avy amin’i Joiariba, i Ajỳ avy amin’i Jodaiasa,

20 i Kelay avy amin’i Selay, i Hebera avy amin’i Amòka,

21 i Hasabiasa, avy amin’i Helkiasa, i Natanaely avy amin’i Idaiasa.

22 Tamin’ny andron’i Eliasiba, i Jôiadà, i Johanàna, ary i Jedoà, dia voasoratra avokoa ny Levita loham-pianakaviana sy ny mpisorona, tamin’ny nanjakan’i Dariosa ilay Persa.

23 Voasoratra ao amin’ny boky tantara, ny tantaran’i Levì, loham-pianakaviana, hatramin’ny andron’i Johanàna, zanak’i Eliasiba.

24 Lohan’ny Levita: i Hasebiasa, i Serebiasa, ary i Jôsoe, zanak’i Kedmiela, niandraikitra niaraka tamin’ireo rahalahiny nifanandrify aminy, ny fankalazana sy ny fiderana an’Andriamanitra; araka ny nandaharan’i Davida olon’Andriamanitra an’izany: nanao antokony roa mifamaly.

25 Ny mpiandry varavarana, niambina teo amin’ny tokonam-bavahady kosa, dia i Mataniasa, i Bekbekiasa, i Abdiasa, i Mosolama, i Telmôna, ary i Akoba.

26 Ireo izy no tamin’ny andron’i Jôakima, zanak’i Josedeka sy i Nehemia governora, ary i Esdrasa mpisorona sy mpanora-dalàna.

Ny nitokanana ny mandan’i Jerosalema

27 Nony nitokanana ny mandan’i Jerosalema dia nantsoina tany amin’izay fitoerana nonenany rehetra tany, ny Levita, nasaina tonga any Jerosalema hanao ny fitokanana amin-kafaliana, amin’ny hira amam-piderana, amin’ny feon-kipantsona sy valiha ary harpa.

28 Nivory ny zanaky ny mpihira, avy eny ambanivohitra manodidina an’i Jerosalema, avy any an-tanànan’ny Netôfatianina,

29 sy Bety-Galgalà, ary ny faritanin’i Gebà sy i Azmaveta; fa nanao vohitra ho azy teny amin’ny manodidina an’i Jerosalema ny mpihira.

30 Rehefa avy nanadio ny tenany, ny mpisorona sy ny Levita, dia nanadio ny vahoaka sy ny vavahadyary ny manda koa.

31 Nasaiko niakatra teny ambonin’ny manda ireo mpanapaka an’i Jodà, ary nalahatro ho antokony roa lehibe ny mpihira manao prôsesiôna.

Ny antokony voalohany, nandeha teny ambonin’ny manda, amin’ny ilany havanana, ho eo amin’ny vavahadin’ny Zezika.

32 Ka ireto no nandeha teo aorian’ireo: i Ozaiasa, sy ny antsasaky ny andriandahin’i Jodà,

33 i Azariasa, i Esdrasa, i Mosolama, i Jodà, i Benjamina, i Semeiàsa, ary i Jeremia;

34 ny sasany amin’ny taranaky ny mpisorona, nitondra trômpetra: i Zakaria zanak’i Jonatàna zanak’i Semeiàsa zanak’i Mataniasa zanak’i Mikea zanak’i Zekora zanak’i Asafa,

35 mbamin’ny rahalahiny, Semeiàsa, Azareela, Malalay, Galalay, Maay, Natanaely, Jodà, ary Hananỳ, nitondra ny zava-manenon’i Davida, olon’Andriamanitra. I Esdrasa mpanora-dalàna no nialoha an’ireo.

36 Tao amin’ny vavahadin’ny Loharano izy ireo, dia niakatra ny ambaratongan’ny tanànan’i Davida, teo an-tandrifiny, nihazo ny fiakarana amin’ny manda, eo ambonin’ny manda, eo ambonin’ny tranon’i Davida hatreo amin’ny vavahadin’ny Rano, eo atsinanana.

37 Ny antoko-mpihira faharoa kosa, nandeha tamin’ny ilany iray, ka izaho sy ny antsasaky ny vahoaka no teo aorian’io, teny ambony manda. Avy eo amin’ny tilikambon’ny fatana fandoroana, dia nandroso hatreo amin’ny manda malalaka,

38 dia avy teo ambony vavahadin’i Efraima, teo amin’ny vavahady Goga, teo am-bavahadin’ny Hazandrano, teo amin’ny tilikambon’i Hananeela, sy ny tilikambon’i Meà, hatreo amin’ny vavahadin’ny Ondry; ary teo amin’ny vavahadin’ny Tranomaizina no nijanona.

39 Dia samy nijanona tao an-tranon’Andriamanitra ny antoko-mpihira roa tonta, mbamin’izaho sy ny antsasaky ny andriambaventy niaraka tamiko,

40 ary koa ireo mpisorona: Eliasima, Maasiasa, Miamima, Mikea, Eliôenaì, Zakaria, Anania, nitondra trômpetra,

41 sy Maasiasa, Semeiàsa, Ajì, Johanàna, Melkiasa, Elama ary Ezera. Dia injay niredona ny mpihira mbamin’i Jezraiasa mpifehy azy.

42 Sorona maro no naterin’izy ireo, tamin’izay andro izay, ary fifaliana no nimasoany fa antom-pifaliana lehibe no nomen’Andriamanitra azy ireo. Nifaly mbamin’ny zaza amam-behivavy, ka re lavitra ny hobin-kafaliana tao Jerosalema.

Andro nilamina

43 Tamin’izany andro izany, dia notendrena ny olona hitandrina ny efitrano fitahirizana, hasiana ny fanatitra voatokana, ny voaloham-bokatra, ny fahafolon-karena; ary nasaina nangonin’izy ireo, avy any amin’ny faritanin’ny isan-tanàna, ny anjaran’ny mpisorona sy ny Levita voadidin’ny lalàna, fa nahafaly an’i Jodà ny nahita ireo mpisorona sy Levita, samy eo amin’ny anjara toerany avy,

44 nitandrina ny zavatra rehetra momba ny fanompoana ny Andriamaniny sy ny momba ny fanadiovana; torak’izany koa ireo mpihira sy mpiandry varavarana, araka ny nandaharan’i Davida sy i Salômôna zanany.

45 Fa fahiny, tamin’ny andron’i Davida sy i Asafa, lehiben’ny mpihira, dia fanao ny manao hira fiderana amam-pisaorana ho fankalazana an’Andriamanitra.

46 Tamin’ny andron’i Zôrôbabela sy i Nehemia, i Israely rehetra dia nanome isan’andro ny anjaran’ny mpihira sy ny mpiandry varavarana. Nomena ny Levita ny fanatitra masina, dia ny Levita kosa indray no nanome ny anjaran’ny taranak’i Aarôna.

Categories
Nehemia

Nehemia 13

1 Tamin’izany andro izany dia nisy namaky teny tao amin’ny bokin’i Môizy mba ho ren’ny vahoaka; ka hita voasoratra ao fa tsy mahazo miditra amin’ny fiangonan’Andriamanitra, na oviana na oviana, ny Amônita sy ny Moabita,

2 satria tsy mba nitsena ny zanak’i Israely, nitondra mofo sy rano ireo, ary satria nanamby an’i Balaama hanosona azy, saingy nampodin’Andriamanitra ho tso-drano ny ozona.

3 Nony ren’ny olona izany lalàna izany, dia navahana hiala tamin’i Israely ny olon-kafa firenena rehetra.

Ny nanirahana an’i Nehemia fanindroany

4 Talohan’izany, i Eliasiba mpisorona, izay mpitandrina ny efitranon’ny Andriamanitsika, sy tonga havan’i Tobia,

5 efa namboatra ho an’io, efitrano anankiray lehibe, nitahirizana talohan’izany ny fanatitra, ny emboka, ny fanaka, ny ampahafolon’ny vary, divay vaovao, diloilo, ny hetra ho an’ny Levita, ny mpiandry varavarana, ary izay natokana ho an’ny mpisorona.

6 Tsy tao Jerosalema aho, fony nisy izany rehetra izany, satria tamin’ny taona faha-32 nanjakan’i Artakserksesa, mpanjakan’i Babilôna, dia niverina tany amin’ny mpanjaka aho. Ary afaka andro vitsivitsy,

7 nahazo alalana tamin’ny mpanjaka hiverina ho any Jerosalema aho, ka izay vao nahita ity ratsy nataon’i Eliasiba, ho fankasitrahana an’i Tobia, fa namboatra efitrano ho azy, tao anatin’ny kianjan’ny tranon’Andriamanitra.

8 Tsindrian’ny alahelo aho tamin’izay, ka natsipiko tany ivelan’ny efitrano ny fanaka rehetra tao amin’ny fonenan’i Tobia.

9 Raha efa izany, nasaiko nodiovina ny efitrano, ary naveriko tao indray ny fanaky ny tranon’Andriamanitra, mbamin’ny fanatitra sy ny emboka.

10 Reko koa fa tsy voaloa ny anjaran’ny Levita, ary efa samy nitsoaka ho any amin’ny taniny avy ny Levita sy ny mpihira niandraikitra ny fanompoana.

11 Noteneniko mafy ny andriambaventy, nataoko hoe: «Nahoana no dia nilaozana ity tranon’Andriamanitra?» Dia novoriko ny Levita sy ny mpihira, ka napetrako teo amin’ny zara toerany avy.

12 Izay i Jodà rehetra, vao nitondra ao an-trano fitahirizana ny fahafolon’ny vary, ny divay vaovao, ny diloilo.

13 Ary notendreko ho mpitandrina ny trano fitahirizana i Selemiasa mpisorona, i Sadôka mpanora-dalàna, i Fadaiasa, anankiray tamin’ny Levita; ary nataoko mpanampy an’ireo i Hanàna zanak’i Zakora zanak’i Mataniasa, fa ireo no hita toetra ho mahatoky. Azy ireo ny mizara ho an’ny rahalahiny.

14 Tsarovy aho, noho izany, ry Andriamanitra ô; ary aza kosehina ny asa fitiavam-bavakanataoko momba ny tranon’Andriamanitra sy amin’ny fanompoana fanao ao.

15 Tamin’izany andro izany aho nahita olona sasany, tany Jodà, nanosihosy teo amin’ny famiazam-boaloboka, tamin’ny andro sabata, nitaona amboaram-bary, nampitondra entana ny ampondrany aza, dia divay, voaloboka, aviavy, mbamin’ny entana isan-karazany, ka nentina ho any Jerosalema tamin’ny andro sabata; noteneniko izy ireo nony nivarotra ny entam-barony.

16 Nisy Tirianina nonina tao Jerosalema koa, nitondra hazandrano sy entam-barotra isan-karazany, namidiny tamin’ny taranak’i Jodà sy tao Jerosalema, tamin’ny andro sabata.

17 Noteneniko mafy ny lehibe amin’i Jodà, nataoko hoe: «Inona izao zava-dratsy ataonareo mandoto ny andro sabata izao?

18 Tsy toy izao indrindra va no nataon’ny razanareo, ka nampidiran’Andriamanitra izao loza manjò antsika sy ity tanàna ity izao? Ary inty indray ianareo manampy ny hatezerany amin’i Israely, amin’ny fandotoana ny sabata!»

19 Taorian’izany, nony efa maizimaizina ny teo amin’ny fidirana ho ao Jerosalema, alohan’ny sabata, dia nasaiko nohidiana ny vavahady, ka tsy navelako hovohana raha tsy efa tapitra ny sabata. Fanampin’izany, napetrako teo am-bavahady ny oloko sasany, mba tsy hisy fampidirana amin’ny andro sabata ny entana rehetra.

20 Tamin’izay, tafandry tany ivelan’i Jerosalema, indray mandeha na indroa, ny mpandranto ama-mpivarotra,

21 ka noteneniko izy ireo nataoko hoe: «Ahoana no andrianareo eto anoloan’ny manda? Raha mbola manao izany ianareo, dia hosamboriko.» Hatramin’izay andro izay, dia tsy tonga tamin’ny sabata intsony izy ireo.

22 Ary nasaiko nanadio ny tenany ny Levita, sy ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanamasina ny andro sabata.

Tsarovy noho izany koa aho, ry Andriamanitra ô, ary tsimbino araka ny haben’ny famindram-ponao aho.

23 Tamin’izany andro izany koa aho, dia nahita Jody namponina teo aminy vehivavy Azôtianina, Amônita.

24 Ny antsasaky ny zanak’ireo nanao teny azôtianina, fa tsy nahay teny Jodeanina; tahaka izany koa ny amin’ny fitenin’ny vahoaka hafa sasany.

25 Nasiako teny mafy izy ireo sy nozoniko; maro no nokapohiko, nombotako ny volony, ary nangataka nitalaho tamin’izy ireo aho, tamin’ny anaran’Andriamanitra, nanao hoe: «Ny zanakareo vavy, tsy homenareo ho vadin’ny zanany lahy, ary ny zanany vavy tsy halainareo ho vadin’ny zanakareo lahy, na ho vadinareo.»

26 Moa tsy izao indrindra va no nanotan’i Salômôna mpanjakan’i Israely? Tsy nisy mpanjaka toa azy, teo amin’ny firenena maro; tian’ny Andriamaniny izy; nataon’Andriamanitra mpanjaka amin’i Israely rehetra izy. Kanefa izy koa dia notarihin’ireo vehivavy hafa firenena ho amin’ny fahotana.

27 Ka moa tokony ho re akory va, fa ianareo koa mahavita heloka be vava sy manota amin’ny Andriamanitsika toy izany, fa namponina ao aminareo vehivavy hafa firenena!

28 Ny iray amin’ny zanak’i Jôiadà, zanak’i Eliasiba mpisorona lehibe, dia vinantolahin’i Sanabalata, ka noroahiko hiala teo amiko.

29 Tsarovy izy ireo, ry Andriamanitra ô, ny amin’ny nanalany baraka ny fisoronana sy ny andraikitra masin’ny mpisorona sy ny Levita!

30 Dia voadioko ho afaka amin’ny hafa firenena rehetra izy ireo, ary novelomiko indray ny lalàna momba ny mpisorona sy ny Levita, samy amin’ny raharahany avy, mbamin’ny momba ny fanaterana kitay hazo ara-potoana voafetra, ary ny amin’ny voaloham-bokatra. Tsarovy izany hanasoavana ahy, ry Andriamanitra ô, mba ho soa ho ahy!