Categories
Ohabolana

Ohabolana 1

Lohateny ankapobeny

1 Ohabolan’i Salômôna, zanak’i Davida mpanjakan’i Israely:

2 hahalalana ny fahendrenaamam-pahaizana,

hahafantarana ny lahateny misy saina;

3 hahazoana fampianarana mazava,

ny fahamarinana, ny rariny, ary ny hitsiny;

4 hanomezam-pahafantarana ny kely saina,

ary fahalalana sy fandinihana ho an’ny tanora.

5 Aoka hihaino ny hendry, dia hitombo fahalalana izy;

ary ny manan-tsaina, hahalala torohevitra feno fahamalinana,

6 dia ho fantany ny ohabolana aman-teny saro-pantarina,

ny oha-teny sy ny ankamantatry ny olon-kendry.

7 Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena;

fa ny adalamanamavo ny fahendrena amam-pianarana.

Ny hendry: Aza miaraka amin’ny olon-dratsy

8 Anaka, henoy ny fampianaran-drainao,

ary aza arianao ny fanoroan-dreninao,

9 fa fehiloha tsara tarehy amin’ny lohanao izany,

ary ravaka ho an’ny vozonao.

10 Anaka, raha misy mpanota mitady hanambosy anao,

aza mety mankasitraka ianao.

11 Raha izy ireo manao hoe: «Avia hiaraka aminay;

aoka hanotrika handatsa-dra isika;

aoka isika hamela-pandrika fotsiny izao amin’ny tsy manan-tsiny.

12 Aoka hitelina azy velona isika, hoatra ny Seoly;

hanao azy telomoka, toy ireo midina any an-davaka.

13 Fa hahazo fananana sarobidy isan-karazany isika,

hofenointsika babo ny tranontsika;

14 hahazo ny anjaranao miaraka aminay ianao amin’ny filokana;

kitapo iray ihany no hiombonantsika rehetra.»

15 Aza mandeha miaraka aminy eny an-dalana, anaka,

avilio ny tongotrao tsy ho amin’ny sakeli-dalany;

16 fa mihazakazaka ho amin’ny ratsy ny tongony;

ary midodododo handatsa-dra izy ireo.

17 Velarim-poana anefa ny fandrikaharato,

raha eo imason’ny zava-manana elatra;

18 izy ireo koa dia ny rany ihany no anaovany otrika,

ny ainy ihany no hamelarany fandrika.

19 Izany no lalan’ny olona rehetra fatra-pila harena;

fa ny tombom-pihariana maharesy an’izay mitana azy.

Ny fahendrena: Teny ho an’ny tsy miraharaha

20 Miantso mafy eny an-dalam-be ny fahendrena;

manandra-peo any amin’ny kianja izy.

21 Mitory eo am-pihaonan-dalana maresaka izy;

milaza ny teniny izy eo am-bavahady sy eny an-tanàna manao hoe:

22 «Mandra-pahoviana, ry kely saina, no hitiavanareo ny fahakelezan-tsaina?

Mandra-pahoviana no hifalian’ny mpananihany amin’ny fananihaniana,

ary hankahalan’ny adala ny fahaizana?

23 Mitodiha ianareo hihaino ny fananarako,

dia indro haidiko ao aminareo ny fanahiko,

hampahafantariko anareo ny teniko.

24 Noho izaho miantso anefa, fa lavinareo,

noho izaho mamela-tanana, fa tsy misy mitandrina,

25 noho ianareo tsy manahy ny saina atolotro rehetra,

ary tsy tianareo akory ny fananarako:

26 dia izaho kosa hihomehy anareo tra-pahoriana,

hananihany anareo raha avy izay zava-mahatahotra anareo,

27 raha avy hamely anareo, toy ny rivo-doza, ny zava-mahatahotra,

raha hanarona anareo, toy ny tafio-drivotra ny loza,

raha hianjeràm-pahoriana amin’ahiahy ianareo.

28 Amin’izay izy ireo hiantso ahy fa tsy hovaliako,

hitady ahy fa tsy hahita ahy,

29 satria izy ireo nankahala ny fahaizana,

ka tsy naniry ny fahatahorana an’i Iaveh;

30 satria tsy nandray ny saina natolotro,

ary tsy nanao ho zavatra ny fananarako rehetra,

31 dia hihinana ny vokatry ny lalany izy,

sy hivoky ny saim-pantatry ny tenany.

32 Fa ny faniasiavan’ny tsy mahalala no mamono azy,

ary ny tokin’ny tsy misy saina no mahavery azy.

33 Fa izay mihaino ahy kosa handry feizay;

ho velona amim-piadanana izy fa tsy hatahotra ny loza.»

Categories
Ohabolana

Ohabolana 2

Ny Fahendrena manafaka amin’ny fiarahana amin’ny ratsy

1 Anaka, raha mandray ny tenikoianao,

ary mitana ny didiko ao aminao,

2 mampandry sofina tsara hihaino ny fahendrena ianao,

ka mampiròna ny fonao ho amin’ny fahalalana;

3 eny, raha miantso ny fahamalinana ianao,

ka manandra-peo amin’ny fahafantarana,

4 raha mikaroka azy toy ny fikaroka volafotsyianao,

ka mandalina azy toy ny fihady rakitra;

5 dia ho azonao an-tsaina ny fahatahorana an’i Iaveh,

ary ho hitanao amin’izany ny fahalalana an’Andriamanitra.

6 Fa i Iaveh no manome ny fahendrena;

avy amin’ny Vavany no ivoahan’ny fahaizana amam-pahamalinana.

7 Mitahiry ny fahasambarana ho an’ny olona mahitsy fo izy,

ary ampinga ho an’izay mandeha amin’ny fahalavorariana.

8 Miaro ny sakeli-dalan’ny fahamarinana izy,

miambina ny lalan’izay miraiki-po aminy.

9 Amin’izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny,

ary ny hitsiny mbamin’ny lalana rehetra ho amin’ny tsara.

10 Rehefa tonga ao am-ponao ny fahendrena,

ka hankafizin’ny fanahinao ny fahaizana,

11 dia hitandrina anao ny fisainana,

ary hiambina anao ny fahalalana,

12 mba hanafaka anao amin’ny lalan’ny ratsy fanahy,

amin’ny olona manao resaka ratsy,

13 amin’izay miala amin’ny lala-mahitsy,

ka mizotra amin’ny lalana maizina;

14 ary ny manao ratsy no ifaliany

sy izay faharatsiana mihoa-pampana no iravoravoany;

15 sakeli-dalana miolikolika no alehany

ary lalana miolakolaka no ombany;

16 hanafaka anao amin’ny vehivavy efa an’ny hafa,

amin’ny vehivavy efa an’olon-kafa izay manao teny mandrobo,

17 izay mandao ny naman’ny fahatanorany,

sy manadino ny fanekeny amin’ny Andriamaniny;

18 fa efa miraika ho amin’ny fahafatesana izy sy ny tranony,

ary mankany amin’ny afobe ny lalany;

19 tsy misy miverina izay rehetra mandeha aminy,

tsy misy mahita ny lalan’ny fiainana intsony na dia iray aza.

20 Dia handeha amin’ny lalan’ny olona tsara fanahy ianao,

ary hifikitra amin’ny lalan’ny marina.

21 Satria ny olo-mahitsy fo no honina amin’ny tany,

ary ny olo-marina no ho tafatoetra eo.

22 Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany,

ary ny mpivadika hongotana hiala eo.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 3

Fomba hahazoana ny Fahendrena

1 Anaka, aza manadino ny fanoroako,

ary tanonao am-ponao ny didiko.

2 Fa izany no hahazoanao andro lava

aman-taona hiainana sy hiadanana.

3 Aoka tsy hiala aminao ny famindram-po amam-pahamarinana,

fa ataovy fehivozona izany ary sokiro ao amin’ny latabatry ny fonao.

4 Dia hahita fitia sy hanana ny fahendrena marina ianao,

eo imason’Andriamanitra sy ny olombelona.

5 Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra

fa aza miankina amin’izay sainao ihany.

6 Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra,

dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.

7 Aza manao anao ho hendry eo imasonao,

fa matahora an’i Iaveh ary mialà amin’ny ratsy.

8 Fahasalamana ho an’ny vatanao izany,

ary famelombelomana ho an’ny taolanao,

9 Manomeza voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fanananao,

sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra.

10 Dia ho feno hipokipoka ny fitoeram-bokatrao,

ary hihoatra ny fandomana azy ny divainao vaovao.

11 Anaka, aza manamavo ny fananaran’i Iaveh,

ary aza mankahala ny famaizana ataony.

12 Fa izay tian’i Iaveh no faiziny,

toy ny ataon’ny ray amin’ny zanaka malalany.

Hafalian’ny olon-kendry

13 Sambatra ny olona nahita ny fahendrena,

sy izay olona nahazo ny fahalalana.

14 Fa aleo mahazo izany toy izay mahazo volafotsy;

aleo manana izany toy izay manam-bolamena madio.

15 Sarobidy noho ny voahangy izy,

ary tsy misy mitovy aminy izay firavakao rehetra.

16 Andro lavaiainana no eo an-tanany ankavanana,

harena amam-boninahitra no eo an-tanany ankavia.

17 Lala-mahafinaritra ny lalany,

fiadanana avokoa ny sakeli-dalany rehetra.

18 Hazon’aina izy ho an’izay mambabo azy,

ary sambatra izay mifikitra aminy.

19 Ny fahendrena no nanorenan’i Iaveh ny tany,

ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra.

20 Fahaizany no nivakian’ny hantsana,

sy ampitetevan’ny rahona ny ando.

21 Anaka, aoka tsy hiala eo imasonao

fa tano ny fahendrena amam-pisainana;

22 fa aina ho an’ny fanahinao izany;

ary haingo ho an’ny vozonao.

23 Dia hizo-dalana aman-toky ianao;

ary tsy ho tafintohina ny tongotrao.

24 Mandry ianao tsy hanan-tahotra

tafandry indray ho mamy tori-maso.

25 Tsy hisy hatahorana na ny fampatahorana tonga tampoka,

na ny famelezana avy amin’ny ratsy fanahy.

26 Satria i Iaveh no ho tokinao;

ary hiaro ny tongotrao amin’ny fandrika rehetra izy.

27 Aza mandà ny hanao soa amin’izay tokony hanaovana izany,

raha mbola azonao atao koa ny manao izany aminy.

28 Aza manao amin’ny namanao hoe: «Mandehana ka miverena;

rahampitso aho manome», raha azonao atao ny manome eo noho eo.

29 Aza misaina hanisy ratsy ny namanao,

rehefa mitoetra mibonaika eo anilanao izy.

30 Aza mifanditra foana aman’olona,

raha tsy nahavita ratsy taminao izy.

31 Aza mialona izay olona mpanao an-keriny,

na mifidy izay lalana hombàny kely akory;

32 satria halan’i Iaveh ny olon-dratsy fanahy

fa izay mahitsy fo no hifankazarany indrindra.

33 Ny ozon’i Iaveh dia ao an-tranon’ny ratsy fanahy;

fa ny fonenan’ny marina kosa omeny tso-drano.

34 Mananihany izay mpananihany Izy;

ary manome fahasoavana izay manetry tena.

35 Anjaran’ny hendry ny voninahitra;

fa ny adala kosa, fahafaham-baraka no anjarany.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 4

Ny fidîn’ny Fahendrena

1 Henoy, anaka, ny anatry ny ray,

ary mitandrema mba hahazo fahalalana,

2 fa fampianarana soa no omeko anareo;

aza mahafoy ny fampianarako.

3 izaho koa dia zanaka ho an’ikaky fahizay,

zanaka tokanasy feno fitiavana teo anilan’ineny.

4 Dia notoroany sy nataony hoe:

«Aoka ny fonao hitana ny teniko;

tandremo ny didiko dia ho velona ianao.

5 Mahazoa ny fahendrena, mahazoa ny fahalalana;

aza hadinoinao ny tenin’ny vavako, ary aza mivily miala amin’izany.

6 Aza mahafoy azy fa harovany ianao;

tiavo izy fa hitahiry anao.

7 Izao no fiandohan’ny fahendrena: mahazoa ny fahendrena;

izay rehetra anananaoamidio hahazoana ny fahalalana.

8 Tombano ho ambony vidy izy, fa hanandratra anao;

fihino tsara, fa ho tonga voninahitrao izy.

9 Hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao;

horavahany satroboninahitra tsara indrindra ianao.»

10 Henoy, anaka, ary raiso ny teniko,

dia hihamaro ny taona hiainanao.

11 Manoro anao ny lalam-pahendrena aho,

mitarika anao amin’ny sakeli-dalan’ny fahitsiana.

12 Raha mandeha ianao tsy ho ety lalana,

raha mihazakazaka tsy ho tafintohina.

13 Tano ny fahalalana ka aza avela;

raketo izy fa fiainanao.

14 Aza miditra ny sakeli-dalan’ny ratsy fanahy,

ary aza mizotra amin’ny lalan’ny olon-dratsy.

15 Halaviro izany fa aza lalovana akory;

mivilia ianao, dia mizora.

16 Fa tsy matory tsy nahefa ratsy ireny;

ary tsy mahita tory tsy nahalavo olona;

17 Mofom-paharatsiana no fihinany,

divaim-pahalozàna no fisotrony,

18 Toy ny fihiratry ny andro maraina ny lalan’ny marina,

ka mitombo hazavana hatramin’ny fiposahan’ny andro.

19 Fa toy ny haizina kosa ny lalan’ny ratsy fanahy,

ka tsy tazany akory izay hanafintohina azy.

20 Anaka, tandremo ny teniko,

mampandria sofina amin’ny lahateniko.

21 Aza avela hanalavitra ny masonao izy,

fa tahirizo ao anatin’ny fonao.

22 Satria aina ho an’izay mahazo azy izany,

ary fahasalamana ho an’ny vatany manontolo.

23 Tandremo mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fonao;

fa avy ao aminy no iavian’ny loharanon’aina.

24 Ampanalaviro ny vavanao ny teny misafelika;

ary ampanalaviro ny molotrao ny zavatra tsy marina.

25 Aoka ny masonaohahitsy fijery,

ary ny hodi-masonaohanitsy eo anoloanao.

26 Ataovy marina ny alehan’ny tongotrao,

ary aoka ho mahitsy ny lalanao rehetra.

27 Aza mivily miankavanana na miankavia;

ary esory amin’ny ratsy ny tongotrao.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 5

Halaviro ny vehivavy an’olon-kafa; ifikiran’ny hendry ny tena fitiavana

1 Anaka, tandremo izao fahendreko izao,

ary mampandria sofina amin’izao fahalalako izao;

2 mba hitahirizanao ny fisainana,

sy haharetan’ny molotrao amin’ny fahalalana.

3 Fa mitete tantely ny molotry ny vehivavy an’olon-kafa,

ary mamy noho ny diloilo ny vavany.

4 Nefa ny farany mangidy toy ny absinta,

maranitra toy ny sabatra roa lela.

5 Midina ho any amin’ny fahafatesana ny tongony;

mamantana ho any amin’ny Seoly ny diany.

6 Tsy mandinika ny lalan’ny fiainana,

fa manjenjena tsy mahalala izay halehan’ny diany akory izy.

7 Koa ankehitriny mihainoa ahy ianareo, anaka,

ary aza mihataka amin’ny teny aloaky ny vavako.

8 Hampanalaviro azy ny lalanao,

aza akekezinao ny varavaran’ny tranony.

9 fandrao dia atolotrao ny hafa ny tsara indrindra

amin’ny andron’ny fahatanoranao,

ary atolotrao ny tompo masiakany taonanao;

10 fandrao dia olon-kafa no hivoky amin’ny fanananao,

ary hifindra any an-tranon’ny sasany ny vokatry ny asanao;

11 fandrao dia mitoloko ianao any am-parany,

rehefa avy izay hahalevonan’ny nofonao amam-batanao;

12 ka hanao hoe: «Naninona re aho no nankahala famaizana,

ary naninona re ny foko no nanamavo fananarana?

13 Naninona re aho no dia tsy nihaino ny feon’ny mpampianatra ahy,

ka tsy nampandry sofina tamin’ireo nampianatra ahy?

14 Efa saiky tonga tamin’ny fara fahoriana aho,

teo afovoan’ny vahoaka sy ny fiangonana.»

15 Ny rano avy amin’ny lavaka famorian-dranonao no sotroy,

ny rano mandeha avy amin’ny fantsakanao.

16 Tsy hipariaka any ivelany anie ny loharanonao;

ary tsy handeha any amin’ny kianja anie ny sakeli-dalanao!

17 Aoka ho anao irery izy,

fa aza iombonana amin’ny hafa.

18 Hosoavina anie ny loharanonao,

ary ny vadin’ny fahatanoranaono ataovy fifalianao.

19 Fa serfa vavy mahatehotia izy ary gazela mahafinaritra,

ka aoka ny hasoany hiravoravoanao lalandava,

ary ho raiki-pitia azy mandrakariva ianao!

20 Ahoana no ho raiki-pitia vehivavy an’olon-kafa ianao, anaka,

ka hanohona izay tratran’olon-tsy fantatra?

21 Fa eo imason’i Iaveh ny lalan’ny olombelona,

dinihiny avokoa ny lalany rehetra.

22 Ny ratsy fanahy mihitsoka amin’ny ratsy nataony,

ny famatoran’ny fahotany ihany no maningotra azy;

23 Ho faty noho ny tsy fahazoany famaizana izy,

ary ho voafitaky ny hadalany tafahoatra.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 6

Antoka diso toerana

1 Anaka, raha niantoka ny sakaizanao ianao,

raha nametra-tenyhiantoka ny hafa,

2 raha voasingotry ny teny naloaky ny vavanao,

sy azon’ny teny naloaky ny vavanao,

3 dia izao no mba ataovy, ry havako: mitsoaha amin’izany!

Matoa latsaka eo an-tanan’ny namanao ianao,

dia mandehana mihohoka aminy ary mandodona azy mafy!

4 Aza avela hatory ny masonao,

na ho rendremana akory ny hodi-masonao;

5 mitsoaha, toy ny serfa vavy eo an-tanan’ny mpihaza;

toy ny vorona eo an-tanan’ny mpamandrika.

Ny kamo sy ny vitsika

6 Mandehanamankany amin’ny vitsika, ry ilay kamo;

diniho ny lalany ka mbà hendry.

7 Tsy mana-mpifehy izy,

na mpitandrina ny ataony, na mpanjaka,

8 nefa fahavaratra izy mamory hanina,

manangona ny fivelomany izy amin’ny fijinjana.

9 mandra-pahoviana no mbola handrianao, ry ilay kamo,

rahoviana ianao no vao hifoha amin’ny torimasonao?

10 Torimaso kely, faharendremana kely,

fanohonan-tanana kely eo am-pandriana.

11 Dia ho tonga toy ny mpivahiny ny fahantranao,

ary toy ny lehilahy mitam-piadiana ny tsy fahampian-kanina!

Ny tsy misaina

12 Ny olona ratsy fanahy, ny olona tsy marina,

dia mandroso, ka ao am-bavany ny faharatsiana;

13 Mipipy maso, mihehy amin’ny tongony,

manao famantaranaamin’ny rantsan-tanany.

14 Ao am-pony ny faharatsiana,

misaintsaina ny ratsy lalandava izy,

ary manangana ady.

15 Koa ho avy tampoka ny faharavàny;

ho torotoro tampoka tsy azo sitranina izy.

Ny zavatra fito fankahala

16 Misy zavatra enina halan’i Iaveh,

misy fito no ataony fahavetavetana:

17 ny maso miavonavona, ny lela mandainga,

ny tanana mandatsa-dra tsy manan-tsiny,

18 ny fo mamoron-tsain-dratsy,

ny tongotra faingam-piriotra hanao ratsy,

19 ny vavolombelona tsy marina mamoaka lainga,

ary ny mamafy ady amin’ny mpirahalahy.

Anatra tohizin’ny ray

20 Anaka, tandremo ny didin-drainao,

ary aza ariana ny fampianaran-dreninao.

21 Fehezo eo ambonin’ny fonao mandrakariva ireo,

ary afatory eo amin’ny vozonao.

22 Hitarika anao amin’izay halehanao,

hiambina anao amin’ny torimasonao,

ary hiresaka aminao amin’ny fifohazanao.

23 Fa jiro ny didy, fahazavana ny lalàna,

ary lalan’aina ny fananarana mahahendry.

24 Hiaro anao amin’ny vehivavy ratsy fanahy izy,

dia amin’ny lela mandrobon’ny vehivavy an’olon-kafa.

25 Aza maniry ny hatsaran-tarehiny, ao am-ponao,

ary aza mety hambosin’ny hodi-masony ianao.

26 Fa vehivavy janga no mila tsy hananan’ny olona sombi-mofo;

ary vehivavy manam-bady no tonga fandriky ny aina sarobidy.

27 Mety hisy ve ny olona toy izao:

hisy olona hanao afo amin’ny tratrany,

ka tsy ho may ny akanjony?

28 Na hoe hisy olona handeha ambony vain’afo mivaivay,

ka tsy ho may ny tongony?

29 Toy izany izay mankamin’ny vadin’ny namany:

rehefa mikasika azy izy tsy maintsy hitondra faisana.

30 Tsy misy manafòka ny mpangalatra mandroba

hialany hanoanana, raha tsy manan-kohanina izy;

31 raha azo, dia hanonitra avo fito heny izy,

ka hanome ny fananany rehetra ao an-tranony.

32 Fa tsy misy saina kosa izay manangy vehivavy,

manary tena izay olona manao izany;

33 fery amam-pahafaham-baraka no hany azony,

sady tsy hiala aminy intsony ny fanazimbana.

34 Fa entin’ny hasarotam-piaro ny lehilahy nalainy vady dia misafoaka:

ka tsy hamindra fo izy amin’ny andro hamaliany faty.

35 Tsy hasiany raharaha akory izay vola fanavotana;

tsy horaisiny na ataonao miavosa aza ny fanatitra.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 7

1 Anaka, tano ny teniko,

tahirizo ao aminao ny didiko.

2 Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao,

tandremo hoatra ny anakandriamasonao ny fampianarako.

3 Afehezo ho eo ambonin’ny rantsan-tananao izy.

soraty eo amin’ny latabatry ny fonao izy.

4 Ny fahendrena ilazao hoe: Anabaviko ianao.

Ary ny fahalalana antsoy hoe sakaizanao,

5 mba hiarovany anao amin’ny vadin’ny namana,

sy amin’ny vehivavy an’olon-kafamanao teny mandrobo.

6 Teo am-baravarankelin’ny tranoko,

nitazana teo amin’ny makarakaraaho.

7 Tsikaritro teo amin’ireo tsy ampy saina,

nahatsikaritra zazalahy iray kely saina,

tamin’ireo zatovo ireo, aho.

8 Nandao teo an-dalambe, anilan’ny fonenan’ny vehivavy an’olon-kafa izy,

dia nandroso ho eo amin’ny tranony.

9 Efa takariva izay, ilay efa somambisamby iny,

tao anatin’ny alina sy ny haizina.

10 Dia indro izy nohatonim-behivavy anankiray

manao fitafian’olon-janga, manafin-kevitra am-po.

11 Mihavatravatra tsy azo atao amin’ahoana,

tsy mahapetraka an-trano ny tongony;

12 mbetika erỳ an-dalam-be, mbetika erỳ amin’ny kianja,

ary eny an-joron-trano rehetra eny izy no mitsikilo.

13 Nosavihiny ity zazalahy, dia norohany,

ary sady nanao tarehin’ny tsy valahara izy no milaza aminy hoe:

14 «Tsy maintsy nanatitra sorom-pihavananaaho,

ary nefaiko androany ny voadiko.

15 Ka dia nivoaka hitsena anao aho,

mba hitady anao, ka indro, nahita tokoa.

16 Ny farafarako efa nasiako rako-pandriana,

dia lamba fandrakofana folin’i Ejipta;

17 Ny fandriako efa norarahako zava-manitra,

dia mira, aloesy, ary sinamôma.

18 Andeha isika hivoky fitia, mandra-paharain’ny andro,

andeha isika hiarana amin’ny fahafinaretan’ny nofo.

19 Fa tsy ao an-trano ny vadiko,

lasa nivahiny lavitra izy.

20 Nentiny any aminy any, ny kitapom-bola.»

21 Ambosiny amin’ny teny maro eo izy,

ary taominy amin’ny tenin’ny molony;

22 dia rafitra nanaraka azy miaraka amin’izay izy,

tahaka ny omby entina hovonoina,

tahaka ny adala mihazakazaka ho any amin’ny gadra anasaziana azy,

23 mandra-pilentiky ny zana-tsipìka amin’ny atiny;

tahaka ny vorona miantoraka amin’ny fandrika,

tsy mahalala fa mihatra amin’ny ainy izany.

24 Ka ankehitriny, anaka, henoy aho,

ary henoy tsara ny teny aloaky ny vavako.

25 Aoka ny fonao tsy hivily hankany amin’ny lalan’io,

aza maniasia any amin’ny sakeli-dalany.

26 Fa maro no efa noratrain’izy io,

ary betsaka no voan’izy io.

27 Ny tranony dia lalana mankany amin’ny Seoly,

izay midina ho any amin’ny fonenan’ny fahafatesana.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 8

Teny anatry ny Fahendrena

1 Tsy miantso va ny fahendrena,

ary tsy manandra-peo ve ny fahalalana?

2 eo an-tampon’ny toerana avo, eo amin’ny lalana,

eo an-tsampanan-dalana izy no lasa mipetraka;

3 eo akaikin’ny varavarana sy amin’ny fidirana ho ao an-tanàna,

eo amin’ny fidirana amin’ny vavahady izy,

mampandre ny feony:

4 «Ianareo, ry olona, no hiantsoako,

ary ny zanak’olombelona no alehan’ny feoko.

5 Mianara fahendrena, ry kely saina;

mianara fahalalana, ry adala.

6 Mihainoa, fa manan-java-tsoa holazaina aho,

ary misokatra hampianatra ny mahitsy ny molotro.

7 Fa ny marina no ambaran’ny vavako,

ary ny tsy marina dia fahavetavetana ho an’ny molotro.

8 Marina avokoa ny teny aloaky ny vavako:

fa tsy mba misy diso na safelipeli-teny.

9 Marina avokoa izy, ho an’izay mazava saina;

ary mahitsy ho an’izay nahazo ny fahaizana.»

10 Raiso mihoatra noho ny volafotsy ny anatro;

ary mihoatra noho ny volamena madio ny fahaizana.

11 Fa ambony vidy noho ny voahangy ny fahendrena,

ary ny zavatra sarobidy indrindra aza tsy mitovy aminy.

Fahendren’ny mpanjaka Siràka (Ekleziastika) 24

12 «Izaho Fahendrena, dia miara-monina amin’ny fahamalinana,

ary manana ny fahaizana sy ny fandinihana.

13 (Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’i Iaveh);

ny rehareha aman’avonavona, ny lalan’ny haratsiana,

ary ny lela fandainga, dia izany no halako.

14 Ahy ny fisainana amam-pahombiazana;

Izaho no fahazavan-tsaina, ahy ny hery.

15 Izaho no anjakan’ny mpanjaka,

sy andidian’ny mpanapaka izay rariny.

16 Izaho no anapahan’ny mpifehy,

mbamin’ny lehibe, dia ny mpitsaran’ny tany rehetra.

17 Tiako izay tia ahy,

ary mahita ahy izay fatra-pikatsaka ahy.

18 Ato amiko ny harena amam-boninahitra,

ny soa mateza amam-pahamarinana.

19 Ny vokatro ambony vidy noho ny volamena, dia volamena madio indrindra;

ary ny avy amiko dia mihoatra noho ny volafotsy voafantina.

20 Mizotra eo amin’ny lalan’ny fahamarinana aho,

eo amin’ny sakeli-dalan’ny fitsarana,

21 mba hampahazo harena an’izay tia ahy,

sy hameno tsara ny firaketany.»

Ny fahendrena nahary ny zavatra rehetra

22 «Nanana ahyhatramin’ny fiandohan’ny lalany i Iaveh,

dia talohan’ny asany ela indrindra.

23 Efa niorina hatramin’ny mandrakizay aho,

hatramin’ny voalohany, talohan’ny niandohan’ny tany.

24 Tamin’ny namoronana ahy, tsy mbola nisy ny hantsana,

tsy mbola nisy ny loharano nitoeran-drano.

25 Talohan’ny nanorenana ny tendrombohitra;

efa teraka aho talohan’ny havoana;

26 fony tsy mbola nisy nataony na ny tany na ny tany lemaka,

na ny zavatra iforonan’ny vovok’izao tontolo izao,

27 Efa teo aho, fony Izy nandamina ny lanitra,

fony Izy nanoritra faribolana tambonin’ny hantsana,

28 fony Izy nampitoetra ny rahona eny ambony;

sy namolaka ny loharano avy amin’ny hantsana,

29 fony Izy nanisy faritra ho an’ny ranomasina,

mba tsy hihoaran’ny rano ny morony;

fony Izy nandatsaka ny fanorenan’ny tany.

30 Izaho dia niasa teo anilany,

niravoravo isan’andro isan’andro,

nilalao teo anatrehany mandrakariva,

31 nilalao teo amin’ny gilôbin’ny taniny,

ary nahita fahafinaretana teo amin’ny zanak’olombelona.»

Antso ambony dia ambony

32 «Ka izao, anaka, henoy aho;

Sambatra izay manaraka ny lalako!

33 Mba ho tonga hendry, henoy ny fampianarana,

fa aza ariana.

34 Sambatra ny olona mihaino ahy,

sy miari-tory isan’andro eo am-baravarako,

ary miandry eo amin’ny tolàm-baravarako!

35 Izay mahita ahy, nahita fiainana;

sady mahazo sitraka amin’i Iaveh.

36 Fa izay maneso ahy mandratra ny fanahiny

izay rehetra mankahala ahy, mila faty.»

Categories
Ohabolana

Ohabolana 9

Fanasana iantsoan’ny Fahendrena

1 Ny Fahendrena efa nanorina ny tranony,

efa nipaika ny andriny fito,

2 efa namono ny bibiny, nampifangaro ny divainy,

ary efa nanamboatra ny latabany.

3 Naniraka ny ankizy vavinyizy, dia miantso

eo an-tampon’ny havoan’ny tanàna:

4 Aoka hiditra atỳ izay kely saina!

Ary hoy izy amin’izay tsy manan-tsaina:

5 «Avia, hano ny mofoko,

ary sotroy ny divay nampifangaroiko.

6 Ilaozy ny tsy fahalalana, dia ho velona ianareo;

ary mizora amin’ny lalan’ny fahazavan-tsaina.»

Hanoherana ny mpanaraby

7 Araby no azon’izay mananatra ny mpananihany,

ary ala baraka no hitan’izay mandevilevy ny ratsy fanahy.

8 Aza mananatra ny mpananihany fandrao dia hàlany ianao;

fa ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.

9 Omeo hevitra ny hendry, hihahendry kokoa;

toroy saina ny marina, hitombo fahalalana.

10 Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena;

ary ny fahazavan-tsaina no fahalalana an’ilay Masina.

11 Fa izaho no hihamaroan’ny andronao,

sy hitomboan’ny taona iainanao.

12 Raha hendry ianao, dia soa ho anao ny hendry;

fa raha mpamazivazy kosa, ianao ihany no hivesatra ny sazin’izany.

13 Ny fahadalana dia vehivavy vavàna,

donto saina, ary tsy mahalala na inona na inona.

14 Mipetraka eo am-baravaran’ny tranony izy,

mitaingin-tseza eo an-tampon’ny havoan’ny tanàna,

15 mba hiantso ny mpandalo,

izay mizotra amin’ny lalan-kalehany.

16 Aoka hiditra atỳ, izay kely saina!

Ary hoy izy amin’izay tsy manan-tsaina:

17 Mamy ny rano angalarina,

ary fy ny mofo hanina am-piafenana!

18 Tsy fantany fa misy ambiroa ao,

ary efa any amin’ny fanambanin’ny Seoly sahady ny nasainy.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 10

Ny mpivavaka sy ny ratsy fanahy

1 Ohabolan’i Salômôna.

Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy,

fa ny zanaka adala mampahory ny reniny.

2 Ny harena azo aman-keloka, tsy mahasoa akory,

fa ny fahamarinana mamonjy amin’ny fahafatesana.

3 Tsy avelan’i Iaveh ho mosarena ny marina,

fa toheriny kosa ny fanirian’ny ratsy fanahy.

4 Izay malaina amin’ny asany, ho tonga mahantra,

fa ny tanan’ny mazoto kosa, manangon-karena.

5 Zanaka hendry izay mamory amin’ny fararano;

fa zaza ahazoan-kenatra kosa, izay matory amin’ny taom-pijinjana.

6 Ny lohan’ny marina iaviam-pitahiana,

fa ny vavan’ny ratsy fanahy kosa tototra faharatsiana.

7 Ny fahatsiarovana ny marina, dia ankasitrahana azy,

fa ny anaran’ny ratsy fanahy kosa, lo no alehany.

8 Izay hendry am-po mandray ny didy;

fa ny adala amin’ny vavanykosa mamantana amin’ny fahaverezana.

9 Izay mandeha tsy manan-tsiny no mandeha matoky;

fa izay maniasia lalana, ho fantatra eny ihany.

10 Izay mihiringiri-maso, ho fototr’alahelo;

ary izay adala amin’ny vavany kosa mamantana amin’ny fahaverezana.

11 Ny vavan’ny marina dia loharanon’aina;

fa ny vavan’ny ratsy fanahy kosa, tototra faharatsiana.

12 Ny fankahalana, mihantsy ady;

fa ny fitiavana kosa, manarona ny hadisoana rehetra.

13 eo amin’ny molotry ny manan-tsaina, ny fahendrena,

fa tsora-kazo kosa no ho eo amin’ny lamosin’ny tsy ampy saina.

14 Tahiry raketin’ny hendry ny fahendrena;

fa loza mananontanona kosa ny vavan’ny adala.

15 Tanàna mimanda ho an’ny manana, ny hareny,

fa ny loza mahazo ny tsy manana kosa dia ny fahantrany.

16 Ny asan’ny marina dia ho an’ny fiainana;

fa ny fitomboan-karen’ny ratsy fanahy kosa dia ho an’ny fahotana.

17 Izay mihaino tsara ny fampianarana dia mandeha amin’ny lalan’aina,

fa izay manadino ny fananarana kosa maniasia.

18 Fandainga ny molotr’izay manafina ny fankahalana,

ary adala izay mitati-bolana.

19 Ny teny maro tsy ilaozan’ny ota,

fa ny mahatam-bava no olon-kendry.

20 Volafotsy voafantina ny lelan’ny marina,

fa tsy misy vidiny kosa, ny fon’ny ratsy fanahy.

21 Ny molotry ny marina, mamahana olona betsaka,

fa ny ratsy fanahy kosa, matin’ny tsy fananany fahalalana.

22 Ny fanambinan’ny Tompo no mampanan-karena;

ary ny fisasaran’ny olona tsy manampy izany akory.

23 Ny manao ratsy no ataon’ny adala ho lalao;

ary toy izany koa ny fahendrena amin’ny olona manan-tsaina.

24 Izay atahoran’ny ratsy fanahy, mihatra aminy;

ary izay irin’ny marina kosa omen’Andriamanitra azy.

25 Toy ny fihelenan’ny tafio-drivotra no anjavonan’ny ratsy fanahy;

fa fanorenana mandrakizay kosa no nampitoerana ny marina.

26 Tahaka ny vinaingitra amin’ny nify sy ny setroka amin’ny maso,

no ataon’ny malaina, amin’izay maniraka azy.

27 Ny fahatahorana an’i Iaveh, maha lava andro,

fa ny taonan’ny ratsy fanahy kosa hohafohezina.

28 Ny fanantenan’ny marina, dia fifaliana;

fa ny fanantenan’ny ratsy fanahy kosa ho foana.

29 Ny lalan’i Iaveh, manda fiarovana ho an’ny marina,

fa ny fandringanana kosa ho an’izay manao ratsy.

30 Ny marina tsy hangozohozo na oviana na oviana;

fa ny ratsy fanahy kosa tsy honina amin’ny tany.

31 Ny vavan’ny marina, itsimoham-pahendrena;

fa ny lela mandainga kosa hongotana.

32 Ny molotry ny marina mahalala izay mahafinaritra,

fa ny vavan’ny ratsy fanahy kosa, mahalala ny haratsiana.