Categories
Ohabolana

Ohabolana 11

Ny mahitsy fo sy ny ratsy fo

1 Ny mizàna mandainga, dia ankahalain’i Iaveh,

fa ny lanja marinano ankasitrahiny.

2 Raha tonga ny fiavonavonana, ho tonga koa ny fahafaham-baraka;

fa ny fahendrena kosa miaraka amin’ny manetry tena.

3 Ny fahatsoran’ny olo-mahitsy fo mitari-dalana azy,

fa ny fiolikoliky ny mpamadika kosa, mandringana azy.

4 Ny harena tsy mahasoa amin’ny andron’ny fahatezerana;

fa ny fahamarinana no manafaka amin’ny fahafatesana.

5 Ny fahamarinan’ny marina, manitsy ny lalany,

fa ny ratsy fanahy kosa lavo noho ny faharatsiany.

6 Ny fahamarinan’ny olo-mahitsy fo mamonjy azy;

fa ny olona mpivadika kosa, voafandriky ny haratsiany.

7 Rehefa maty ny ratsy, foana ny fanantenany;

ary levona ny fanantenan’ny mpanao ratsy.

8 Ny marina vonjena ho afa-pahoriana;

fa ny ratsy fanahy no hilatsaka hisolo azy ao.

9 Ny tsy mivavaka manomana ny fandringanana ny namany, amin’ny vavany;

fa ny marina dia hovonjena amin’ny fahaizana.

10 Mifaly ny tanàna, raha sambatra ny marina;

mihoby hafaliana ny olona, raha ringana ny ratsy fanahy.

11 Ny tso-dranon’ny olo-mahitsy fo no androsoan’ny tanàna,

fa ny vavan’ny ratsy fanahy mandrava aza.

12 Tsy ampy saina izay manamavo ny namany,

fa ny manan-tsaina mangina.

13 Ny mpifosa manambara ny zavatra afenina;

fa ny olona mahatoky kosa, mitana izany tsy hiseho.

14 Rava ny vahoaka tsy misy mpitondra;

fa ny hamaroan’ny mpanolo-tsaina foto-pamonjena.

15 Izay miantoka olon-tsy fantany, ho tratry ny nenina;

fa izay malain-kiantoka, dia handry feizay.

16 Ny vehivavy mahafinaritra, mahazo voninahitra;

ny lehilahy mahery fo, mahazo harena.

17 Ny olona antra namana, manao soa amin’ny fanahiny;

fa ny olona loza be, mampahory ny nofony.

18 Ny ratsy fanahy manao lahasa manodòka,

fa izay mamafy fahamarinana kosa dia efa azo antoka ny valiny.

19 Ny fahamarinana mahatonga amin’ny fiainana;

fa izay manenjika ny haratsiana iharam-pahafatesana.

20 Halan’i Iaveh ny olona ratsy fo,

fa izay tsy manan-tsiny amin’ny lalany dia ankasitrahiny.

21 Eny tokoa tsy ho afa-tsazy ny ratsy fanahy,

ary ny taranaky ny marina ho voavonjy.

22 Toy ny kavim-bolamena eo amin’ny oron-kisoa,

ny vehivavy tsara tarehy tsy ampy saina.

23 Ny soa ihany no hany irin’ny marina;

fa ny hotezerana kosa no andrasan’ny ratsy fanahy.

24 ity mahafoy an-kazavam-po moa, mitombo harena;

fa itsy fatra-pitsitsy, vao mainka mahantra.

25 Ny fanahymanao soa, hohatavezina;

ary izay manondraka dia hotondrahana koa.

26 Izay tsy mamoaka ny variny ozonin’ny vahoaka,

fa ny lohan’izay mivarotra azy no idinan’ny tso-drano.

27 Izay mikatsaka ny tsara mahazo fanambinana,

fa izay mitaky ny ratsy, ho tratry ny ratsy.

28 Ho lavo izay mitoky amin’ny harena,

fa hitsimoka toy ny ravina kosa ny marina.

29 Izay manakorontana ny tranony, handova rivotra,

ary izay adala, ho tonga mpanompon’ny olon-kendry.

30 Hazon’aina no vokatry ny marina;

ary hendry izay mahazo ny fanahin’olona.

31 Raha ny marina aza, valiana sazy atỳ an-tany;

mainka ny ratsy fanahy sy ny mpanota.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 12

Ny olona marina sy ny ratsy fanahy

1 Izay tia fampianarana tia fahaizana;

fa izay mandà anatra, adala.

2 Ny ratsy fanahy mahazo sitraka amin’i Iaveh;

fa ny mpanao an-kasomparana, helohin’i Iaveh.

3 Tsy ny haratsiam-panahy no nampiorina mafy ny olona;

fa ny fakan’ny marina tsy ho voahetsiketsika.

4 Ny vehivavy tsara fanahy, satroboninahitry ny lahy;

fa ny vehivavy afa-baraka toy ny homamiadana ao amin’ny taolany.

5 Ny rariny no fihevitry ny marina;

fa ny fitaka no fieritry ny ratsy fanahy.

6 Fandrika mahafaty, ny tenin’ny ratsy fanahy;

fa vonjy ho azy kosa, ny vavan’ny olo-mahitsy fo.

7 Vao mihodina indray mandeha ny ratsy fanahy, dia tsy eo intsony;

fa mijoro hatrany kosa, ny ankohonan’ny marina.

8 Araka ny haben’ny fahalalany, no anombanana ny olona;

nefa izay ratsy fo, dia atao tsinontsinona.

9 Aleo olona ambany toetra, ampy amin’izay ilainy;

toy izay be voninahitra tsy manan-kohanina.

10 Ny marina mitsimbina ny amin’ny bibiny;

fa ny kibon’ny ratsy fanahy kosa, masiaka.

11 Izay miasa ny taniny, ho voky hanina;

fa izay manenjika zava-poana, no adala foana.

12 Ny ratsy fanahy maniry ny rembin’ny ratsy fanahy,

fa ny fakan’ny marina kosa, mahavokatra.

13 Misy fandrika mandoza, amin’ny fahotan’ny molotra;

fa ny marina afa-miala amin’ny fahoriana.

14 Ny vokatry ny vavan’ny olona, no hamoky soa azy;

ary araka ny asan-tanany avy, no hatsingerina aminy.

15 Ny lalan’ny adala mahitsy eo imasony;

fa ny torohevitra kosa no henoin’ny hendry.

16 Ny adala miseho ho tezitra miaraka amin’izay;

fa ny olona malina kosa mahay mody tsy mahita ny fanesoana azy.

17 Izay milaza ny marina dia milaza ny mety,

fa ny vavolombelona mandainga kosa manambara fitaka.

18 Mandratra toy ny sabatra izay miteny antsapatsapaka

fa mampahazo fahasitranana kosa, ny lelan’ny hendry.

19 Ny lela mpilaza ny marina haharitra mandrakizay;

fa ny lela fandainga kosa, ho voakorokoro poa toy izay.

20 Fitaka no ao am-pon’izay mamoron-tsain-dratsy;

fa hafaliana kosa no ho an’izay manoro fihavanana.

21 Ny marina tsy mba iharan-doza;

fa ny ratsy fanahy tsindrian’ny loza.

22 Halan’i Iaveh ny molotra mandainga;

fa ny manaraka ny marina no ankasitrahiny.

23 Ny olo-marina manafina ny fahaizany;

fa ny fon’ny adala manely ny fahadalany.

24 Ny tanana velom-pitandremana, hanapaka;

fa ny tanana mipozipozy hampanompoana.

25 Ny alahelo ao am-pon’ny olona, mampilofika azy;

fa ny teny soa kosa, mahafaly azy.

26 Ny marina manoro lalana ny sakaizany;

ny lalan’ny ratsy fanahy kosa mampivilivily azy.

27 Ny kamo tsy manatona ny hazany akory;

fa ny faharisihana no rakitra soa ho an’ny olona.

28 Fiainana no eo amin’ny lalan’ny fahamarinana;

ary tsy fahafatesana no eo amin’ny lalana soritany.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 13

Fahotana amin’ny vava

1 Ny zanaka hendry vavolombelon’ny fampianaran-drainy;

fa ny mpamazivazy tsy mihaino ny fananarana.

2 Ny vokatry ny vavan’ny olona, no itsentsefany ny soa;

fa ny irin’ny mpamadika dia ny hanaovana an-keriny.

3 Izay mahafehy ny vavany, miaro ny fanahiny;

fa izay fatra-piloa-bava kosa, mitady ny lozany.

4 Be faniriana ny kamo, fa tsy ho tanteraka,

fa ny fanirian’ny olo-mazoto kosa, ho tanteraka mahafa-po.

5 Ny marina mankahala ny teny mamitaka;

ny ratsy fanahy kosa mampahazo henatra sy fahafaham-baraka.

6 Ny fahamarinana miaro ny lalan’ny olo-marina;

ny faharatsiana kosa, mahatonga fandravana ny mpanota.

7 Misy mody manan-karena, nefa tsy manana inoninona;

misy mody mahantra, nefa manan-karem-be.

8 Ny harena dia avotra aina ho an’ny olona;

ny malahelo kosa tsy mandre akory izay fandrahonana.

9 Ny fahazavan’ny marina, mamiratra mahafinaritra;

fa ny jiron’ny ratsy fanahy kosa, mitsilopilopy ho faty.

10 Fifandirana no hany ateraky ny avonavona;

fa izay mety toroana no misy fahendrena.

11 Ny harena azo tsy an-drariny, mihalevona;

fa ny manangona azy tsikelikely no mampitombo azy.

12 Ny fanantenana ela fiavy, mankarary ny fo;

fa ny faniriana tanteraka kosa, dia hazon’aina.

13 Manary tena izay manamavo ny teny;

fa hahazo valisoa kosa, izay manaja ny didy.

14 Loharanon’aina ny fampianaran’ny hendry;

mba ho afaka amin’ny fandriky ny fahafatesana.

15 Vokatry ny saina mandroso fianarana, dia mahate-hotia;

fa ny lalan’ny mpamadika, dia sarotra.

16 Ny olo-marina rehetra miasa amim-piheverana;

fa ny adala kosa manampatra ny hadalany.

17 Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza,

fa ny iraka mahatoky kosa, ahazoam-panasitranana.

18 Fahoriana aman-kenatra no an’izay mandà famaizana;

fa omem-boninahitra kosa, izay mandray fananarana.

19 Ny faniriana tanteraka, maharavoravo ny fo;

ary ny miala amin’ny ratsy mahatsiravina ny adala.

20 Ny tamà-miaraka amin’ny hendry, hihahendry;

fa ny mivarilena amin’ny adala, hiharatsy.

21 Ny mpanota enjehin-doza;

ny marina kosa valian-tsoa.

22 Ny mpanao soa mamela lova ho an’ny zanaky ny zanany;

fa ny haren’ny mpanota kosa, voatendry ho an’ny marina.

23 Ny tany voasan’ny mahantra, ahazoan-kanina be;

ny sasany kosa ringana, noho ny tsy fahamarinany.

24 Tsy tia anaka izay mitsitsy ny tsora-kazony;

fa ny tia azy, mamay azy malaky.

25 Ny marina mihinana sady afa-po tsara;

fa ny kibon’ny ratsy fanahy kosa zoin’ny tsy ampy lava.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 14

Torohevitra soa

1 Ny vehivavy hendry, manorina ny tranony;

ny vehivavy adala kosa, mandrava azy amin’ny tanany.

2 Izay matahotra an’i Iaveh, mizotra araka ny fahitsiam-po;

izay maniratsira azy kosa mivaona fandeha.

3 Ny vavan’ny adala, misy tsora-kazom-piavonavonana;

ny molotry ny hendry kosa miaro ny tenany.

4 Izay tsy misy omby, foana fihinanam-bilona;

fa ny herin’ny omby ahazoan-tombony betsaka.

5 Ny vavolombelona mahatoky, tsy mba mandainga;

fa ny vavolombelona tsy marina kosa, milaza lainga.

6 Ny mpamazivazy mitady, fa tsy mahita ny fahendrena;

fa mora azon’ny manan-tsaina kosa ny fahaizana.

7 Mialà amin’ny adala,

satria fantatrao fa tsy misy fahendrena eo amin’ny molony.

8 Fahendren’ny olo-malina, ny nahafantatra ny lalany;

fahadalan’ny adala ny fitaka.

9 Ny adala mihomehy ny ota;

fa ao amin’ny olo-mahitsy fo no misy fanehoam-pitiavana.

10 Ny alahelon’ny fo, izy ihany no mahalala;

ny hafaliany koa, tsy hain’ny hafa iombonana.

11 Ny tranon’ny ratsy fanahy, horavana;

fa ny lain’ny mahitsy fo, ambinina.

12 Misy lalàna miseho ho mahitsy amin’ny olona;

kanjo lalana mankany amin’ny fahafatesana no iafarany.

13 Na dia eo amin’ny hehy aza mahatsiaro ory ny fo;

ary ny fifaliana miafara amin’ny fisaonana.

14 Ny tsy mivavaka, ho vokin’ny lalany,

ny tsara fanahy, ho vokin’ny soa nataony.

15 Ny kely saina mino izay teny rehetra ambara aminy;

ny olo-malina kosa, mitandrina ny diany.

16 Ny hendry matahotra, ka mivily tsy ho amin’ny ratsy;

ny adala kosa mitroatra sy matokitoky foana.

17 Ny olona mora tezitra, mahavita hadalana,

ary ny sompatra koa miantso fankahalana azy.

18 Hadalana no anjaran’ny kely saina.

Ary satroboninahitra no azon’ny malina amin’ny fahaizany.

19 Miondrika eo anatrehan’ny tsara fanahy ny ratsy fanahy;

ary eo am-baravaran’ny marina, ny tsy mpivavaka.

20 Ny mahantra, olon-kala na amin’ny sakaizany aza;

fa ny manan-karena, no maro sakaiza.

21 Manota izay manamavo ny namany;

fa sambatra izay miantra ny mahantra.

22 Tsy maniasia va ry zareo mamoron-tsain-dratsy?

ary moa tsy fanambinana amam-pahamarinana kosa va

no ho an’izay mihevitra ny soa?

23 Ny asa rehetra mitera-piadanana;

fa ny teniteny foana kosa, mamarina amin’ny tsy fahampiana.

24 Satroboninahitra ho an’ny hendry ny hareny;

fa ny fahadalan’ny adala dia hadalana lava.

25 Ny vavolombelona marina, mamonjy fanahy,

ny hafetsen-dratsy mamoaka lainga.

26 Izay matahotra an’i Iaveh, miankina amin’ny andry mafy,

ary ny zanany manam-pialofana mahatoky.

27 Ny fahatahorana an’i Iaveh no loharanon’aina,

mba ho afaka amin’ny fandriky ny fahafatesana.

28 Ny hamaroan’ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka;

ny fahavitsian’ny olony kosa dia fahafongoran’ny mpanapaka.

29 Ny mahatsindry fo, be saina,

ny malaky tezitra maneho ny hadalany.

30 Ny fo mionona, fiainana ho an’ny nofo;

ny fialonana kosa homamiadana amin’ny taolany.

31 Ny mampahory ny mahantra, maniratsira Ilay nanao azy;

fa ny miantra ny tsy manana no manome voninahitra Azy.

32 Ny ratsy fanahy azeran’ny faharatsiany;

ny marina kosa matoky hatrany am-pahafatesana aza.

33 Ny fon’ny olona manan-tsaina no itoeran’ny fahendrena,

ka eo afovoan’ny adala dia fantatra eo ihany izy.

34 Ny fahamarinana manandratra ny firenena;

ny fahotana kosa fahafaham-baraka amin’ny vahoaka.

35 Ny tombom-pitian’ny mpanjaka, ho an’ny mpanompo manan-tsaina,

ny hatezerany kosa ho an’izay mampahamenatra.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 15

Ny hendry sy ny adala

1 Ny valin-teny mora, mampitony havinirana;

fa ny teny henjana, mampirehi-katezerana.

2 Ny lelan’ny hendry, mahatonga ny fahaizana ho mahatehotia,

ny vavan’ny adala miboiboika hadalana.

3 Ny mason’i Iaveh, dia amin’ny fitoerana rehetra;

mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.

4 Ny teny mora, dia hazon’aina;

fa ny vava ratsy, mamaky ny fo.

5 Ny adala maniratsira ny fampianaran-drainy;

fa izay manararaotra ny fananarana kosa mihahendry.

6 Harem-be no ao an-tranon’ny marina;

fikorontanana kosa no ao amin’ny fitomboan-karen’ny ratsy fanahy.

7 Ny molotry ny hendry mampiely ny fahaizana;

fa tsy mba ny fon’ny adala.

8 Ny soron’ny ratsy fanahy dia ankahalain’i Iaveh;

fa ny vavaky ny olo-mahitsy kosa, ankasitrahiny.

9 Ny lalan’ny ratsy fanahy, fahavetavetana eo imason’i Iaveh;

fa ny manaraka ny rariny, no tiany.

10 Famaizana mafy no mihatra amin’izay mivily lalana;

izay mankahala anatra dia ho faty.

11 Ny Seolysy ny hantsanamiharihary eo anatrehan’i Iaveh:

ka mainka ny fon’ny zanak’olombelona!

12 Tsy te hanarina ny mpamazivazy;

ka tsy manatona ny hendry izy.

13 Ny fo ravoravo, mahamiramirana endrika,

fa raha malahelo kosa ny fo dia reraka ny fanahy.

14 Ny fo manan-tsaina, mikatsaka ny fahaizana,

fa ny vavan’ny adala mifahana fahadalana.

15 Ratsy avokoa ny andron’ny mijaly,

fa fanasana lava ny fo ravoravo.

16 Aleo ny kelyombam-pahatahorana an’i Iaveh,

toy izay ny harem-be omban’ahiahy.

17 Aleo anana ombam-pitiavana;

toy izay omby mifahy, ombam-pankahalana.

18 Ny olo-masiaka manetsika ady,

ny mahatsindry fo kosa, mampitsahatra fifandirana.

19 Ny lalan’ny kamo, toa fefy tsilo;

ny lalan’ny olo-mahitsy dia voaarina tsara.

20 Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy;

ny adala kosa maneso ny reniny.

21 Hafaliana ho an’ny olona tsy ampy saina, ny hadalana,

fa ny olona manan-tsaina, momba ny lala-mahitsy.

22 Foana ny fikasana raha tsy misy ny fisainana;

fa tanteraka kosa izy, raha maro no manolo-tsaina.

23 Fifaliana ho an’ny olona, raha nahavaly tsara ny vavany;

ary mahafinaritra aoka izany ny teny atao amin’izay antonona azy.

24 Ny hendry mizotra lalan’aina miakatraho any ambony;

mba hivily tsy hankany amin’ny Seoly izay any ambany.

25 Ny tranon’ny mpiavonavona, ravàn’i Iaveh;

fa ny baorina mamaritra ny an’ny mpitondra tena kosa aoriny mafy.

26 Halan’i Iaveh ny hevi-dratsy;

fa madio eo imasony, ny teny maneho fitiavana.

27 Izay fatra-pikatsaka loatra ny fitomboan-karena

manakorontana ny ankohonany;

fa izay mankahala kolikoly no ho velona.

28 Ny fon’ny marina, mihevitra izay tokony hovaliany,

fa ny vavan’ny adala mitsaontsaon-dratsy.

29 Lavitra ny ratsy fanahy i Iaveh,

fa ny vavaky ny marina henoiny.

30 Ny fijery maneho fitiavana maharavo ny fo;

ny vaovao mahafaly mankatavy ny taolana.

31 Ny sofina mihaino anatra mahavonjy,

manana anjara toerana eo amin’ny hendry.

32 Izay mandà anatra manamavo ny fanahiny;

fa izay mihaino fananarana mahazo ny fahendrena.

33 Ny fahatahorana an’i Iaveh, no fianarana ny fahendrena;

ary ny fanetren-tena no mialoha ny fisandratana.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 16

Anatra samihafa

1 Ny mamorona fikasana ao am-po no an’ny olona;

fa ny famalian’ny lela dia avy amin’i Iaveh.

2 Madio eo imason’ny olona ny lalany rehetra;

fa i Iaveh ihany no mandanja ny fanahy.

3 Mangataha fanampiana amin’i Iaveh amin’ny asanao;

dia ho vanona ny fikasanao.

4 Nataon’i Iaveh ho amin’ny antony kendreny avokoa ny zavatra rehetra;

ary na ny ratsy fanahy aza ho amin’ny andro mahory koa.

5 Fahavetavetana amin’i Iaveh ny miavona am-po rehetra;

azo itompoana tokoa fa tsy ho afa-maina izy.

6 Ny hatsaram-po amam-pahamarinana no anonerana ny heloka;

ary ny fahatahorana an’i Iaveh no analavirana ny ratsy.

7 Raha sitrak’i Iaveh ny lalan’ny olona,

na ny fahavalony aza hampihavaniny aminy.

8 Aleo kely ombam-pahamarinana

toy izay harem-be omban’ny tsy fahamarinana.

9 Ny fon’ny olona no misaina izay halehany,

fa i Iaveh ihany no mitondra ny diany.

10 Teny tò no eo amin’ny molotry ny mpanjaka;

aoka tsy hanota ny vavany raha mitsara izy.

11 Avy amin’i Iaveh ny mizànaaman-delany mahiratra,

asany avokoa ny vato-mizàna amin’ny kitapo.

12 Fahavetavetana amin’ny mpanjaka ny manao ratsy;

fa ny rariny no iorenan’ny seza fiandrianana mafy.

13 Mahita sitraka amin’ny mpanjaka, ny molotra marina;

ary tiany izay miteny amim-pahatsoram-po.

14 Iraky ny fahafatesana ny fahatezeran’ny mpanjaka;

ny olon-kendry anefa dia mahatony izany.

15 Mampiaina ny fahamiramirànan-tarehin’ny mpanjaka;

ary toy ny oran-dohataona ny fanambinany.

16 Tsara noho ny volamena ny mahazo ny fahendrena;

mihoatra noho ny volafotsy ny mahazo ny fahalalana.

17 Ny manalavitra ny ratsy no lalam-ben’ny marina;

ny mitandrina ny alehany no miaro ny ainy.

18 Ny fireharehana dia mialoha ny faharavana,

ary ny fiavonavonana dia mialoha ny fahalavoana.

19 Aleo miara-mietry tena amin’ny madinika,

toy izay mira-mizara babo amin’ny mpiavonavona.

20 Mahita fahasambarana izay mihaino tsara ny teny;

ary sambatra izay mitoky amin’i Iaveh.

21 Izay hendry am-po dia antsoina hoe manan-tsaina;

ary ny hamamian’ny molotra mampitombo ny fahalalana.

22 Loharanon’aina ho an’izay manana azy ny fahalalana;

ary ny sazy ho an’ny adala dia ny fahadalany.

23 Manolo-pahendrena ny vavany, ny fon’ny hendry,

sady mampitombo ny fahalalana eo amin’ny molony.

24 Ny teny soa dia toho-tantely:

mamin’ny fanahy sy mahasalama ny vatana.

25 Misy lalana miseho ho mahitsy amin’ny olona;

kanjo lalana mankamin’ny fahafatesana no iafarany.

26 Miasa no an’ny tenany ny mpiasa,

fa asesiky ny vavanyhanao izy.

27 Loza no vononin’ny ratsy fanahy;

ary toa afo miredareda no eo amin’ny molony!

28 Ny olon-dratsy mamelona adiady,

ary ny mpitati-bolana mampisaraka ny mpisakaiza.

29 Ny olona mpanao an-keriny manodòka ny namany,

ka mitarika azy amin’ny lalana tsy tsara.

30 Izay mikimpy maso hieritreri-pitaka,

sy izay efa manaikitraiki-molotra, dia manao ratsy.

31 Satroboninahitra ny volo fotsy;

ary eo amin’ny lalan’ny fahamarinana no ahitana azy.

32 Tsara noho ny mahery ny mahatsindry fo;

ary noho ny mahafa-bohitra ny mahazaka ny fanahiny.

33 Ny olona manipy ny filokanaamin’ny soron’akanjo,

fa avy amin’i Iavehihany izay fanapahana rehetra.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 17

Torohevitra soa

1 Aleo sombi-mofo maina ombam-piadanana,

toy izay trano feno hena misy fifandirana.

2 Mihoatra noho ny zanaka mahamenatra ny mpanompo malina;

ka hizara lova amin’izy mirahalahy izy.

3 Ny mizaha toetra ny volafotsy dia ny memy, ary ny an’ny volamena dia ny fandrendrehana;

fa ny mizaha toetra ny fo kosa dia ny Tompo.

4 Ny ratsy fanahy mihaino izay molotra ratsy;

ary ny mpandainga no mampandry sofina amin’izay lela ratsy.

5 Izay maneso ny mahantra, manala baraka izay nanao azy;

ary izay mifaly amin’ny fahorian’ny sasany tsy ho afa-maina tsy akory.

6 satroboninahitry ny antitra, ny zanaky ny zanaka,

ary voninahitry ny zanany ny rainy.

7 Tsy tandrifin’ny adala ny hanao teny mendrika indrindra,

vao mainka tsy tandrifin’ny andriana ny teny mandainga!

8 Vato soa ho an’izay manana azy ny fanatitra,

ka amin’izay itodihany ahombiazany avokoa.

9 Izay manarona ny hadisoanano mitady fihavanana;

fa izay mampahatsiaro azy amin’ny teniny mampisaraka ny mpisakaiza.

10 Ny fananarana indray maka manan-kery amin’ny manan-tsaina,

noho ny kapoka zato amin’ny olona adala.

11 Tsy mitady afa-tsy fikomiana ny ratsy fanahy,

fa handefasana iraka masiaka hamely azy kosa izy.

12 Aleo mifanena amin’ny orsa vavy very anaka,

toy izay amin’ny adala raha mihetsi-pahadalana izy.

13 Izay mamaly ratsy ny soa,

dia tsy hialan-doza mandrakizay ny tranony.

14 Ny manomboka ady, dia toy ny manata-drano,

ka mihataha ianao, dieny mbola tsy velona ny fanditra.

15 Na izay manamarina ny meloka na izay manameloka ny marina,

dia samy fahavetavetana eo imason’i Iaveh.

16 Hatao inona ny vola eo an-tanan’ny adala?

Hamidy ny fahendrena va? – Tsy azony an-tsaina izany.

17 Ny sakaiza dia ny tia amin’ny fotoana rehetra;

amin’ny fahoriana, mitsangan-ko rahalahy izy.

18 Ny olona tsy misy saina mamehy tena amin’ny fanekena,

manolo-tena ho antoka hisolo ny namany.

19 Izay tia ady tia ota,

ary izay avo vava tia fionganana.

20 Izay manana fo mamitaka tsy mahita ny fahasambarana,

ary izay manana vava ratsy mivarina aman-doza.

21 Izay miteraka adala, hahazo alahelo;

ny rain’ny adala tsy mba ho faly.

22 Ny fo ravoravo, fanafody mandaitra tokoa;

fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.

23 Mandray kolikoly avy any anaty valombalonan-damba ny ratsy fanahy;

ho enti-mamadika ny lalan’ny fahamarinana.

24 Ny olona manan-tsaina dia manana ny fahendrena eo anoloany;

fa ny mason’ny adala dia any am-paran’ny tany.

25 Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy,

sady fahoriana ho an-dreniny.

26 Tsy mety ny mamely ny marina amin’ny sazy,

na manameloka ny manan-kaja noho ny fahitsiam-pony.

27 Izay mahatam-bava no manana ny fahaizana,

ary izay mihaminkamin-tsaina dia olona manan-tsaina.

28 Na ny adala aza, atao ho hendry raha mangina,

ary atao ho manan-tsaina, raha mikombom-bava.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 18

Fiteny sy fisainana

1 Izay miolonolona irery mitady ny mahafa-po ny filàny ihany,

ka mahatezitra azy avokoa izay hevitra mety rehetra.

2 Tsy mba ny hahazo fahalalana no sitraky ny adala

fa ny haneho ny heviny ihany.

3 Raha tonga ny ratsy fanahy, tonga koa ny fanalam-baraka,

ary miaraka amin’ny henatra, tonga koa ny fanalam-baraka.

4 Rano lalina ny teny aloaky ny vavan’ny olona;

rano tondraka ny loharanon’ny fahendrena.

5 Tsy mety raha ny ratsy fanahy indray no asian-draharaha,

mba handresy ny marina amin’ny fitsarana.

6 Miditra amin’ny fifandirana ny molotry ny adala;

ary mihantsy fanalam-baraka, ny vavany.

7 Fanimbana ho azy ny vavan’ny adala;

ary fandrika amin’ny fanahiny ny molony.

8 Hanim-py ny tenin’ny mpitati-bolana,

ka mikorotsaka hatrany anatin’ny kibo.

9 Izay ketraka amin’ny asany,

dia rahalahin’izay efa mandroso ho amin’ny fahaverezana.

10 Ny Anaran’i Iaveh dia trano avo mafy;

ialofan’ny marina, sy itoerany tsy aman’ahiahy.

11 Ny haren’ny mpanana no vohiny mafy,

araka ny heviny dia manda avo izany.

12 Misandratra ny fon’ny olona alohan’ny faharavàny,

fa ny fanetren-tena kosa, mialoha ny voninahitra.

13 Izay mamaly teny mbola tsy nihaino,

dia hadalana sy henatra ho azy izany.

14 Ny sain’ny olona no manohana azy raha marary;

fa raha ny sainy no kivy, iza indray no hanarina azy?

15 Ny fo manan-tsaina, mahazo ny fahaizana,

ary ny sofin’ny hendry mitady ny fahaizana.

16 Ny fanatitraomen’ny olona no mahalalaka ny lalany,

sy mampiditra azy eo amin’ny lehibe.

17 Izay mandahatra aloha toa marina;

fa tamy ny an-daniny, dia dinihina ny ady.

18 Ny filokana mampitsahatra ny fifandirana,

sy mampisaraka ny samy mahery.

19 Manoatra ny tanàna mimanda, ny rahalahy miady amin’ny rahalahiny;

ary tahaka ny hidin’ny lapa ny fifandiran’izy ireo.

20 Ny vokatry ny vavan’ny olona no iveloman’ny vatany,

ary ny vokatry ny molony no ivokisany.

21 Manam-pahefana hahafaty sy hamelona ny lela;

ka araka izay fidiny dia hohanin’ny olona ny voany.

22 Izay mahita vehivavy mahita ny fahasambarana,

tombon-tsoa azony tamin’i Iaveh izany.

23 Fitarainana no fitenin’ny mahantra,

ka teny henjana no avalin’ny mpanana.

24 Ny olona maro sakaiza, hahazo loza amin’ireny;

fa mba misy izay sakaiza mifikitra noho ny rahalahy.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 19

Ny manam-panahy sy ny ratsy

1 Aleo olo-mahantra mandeha tsy misy tsiny,

toy izay olona miavonavom-bava, sady adala.

2 Tsy tsara ny tsy fahalalan’ny fanahy,

ary lavo ny olona faingam-pandeha.

3 Ny hadalan’ny olona no mahasimba ny lalany;

ka i Iaveh no itezeran’ny fony.

4 Ny harena mahamaro sakaiza,

fa ny mahantra dia tafasaraka amin’ny sakaizany.

5 Ny vavolombelona mandainga, tsy ho afa-maina,

ary izay milaza lainga koa, tsy ho afa-mandositra.

6 Ny olona mahafoy be, maro mpandoka;

ary izay mahatolotolotra, sakaizan’ny rehetra.

7 Ny rahalahin’ny mahantra mankahala azy avokoa,

koa mainka ny sakaizany, no mihataka aminy koa!

Mba mitady teny soa izy, fa tsy mahita izany akory.

8 Izay mahazo fahalalana no tia ny fanahiny,

ary izay manaraka ny fahamalinana hahazo ny fahasambarana.

9 Ny vavolombelona tsy marina, tsy ho afa-maina;

ary izay milaza lainga, ho very.

10 Ny adala tsy tandrifin’ny hiaina ao anatin’ny fahafinaretana;

ka mainka izay mpanompo ve no hanapaka ny andriandahy?

11 Ny fahendren’ny olona mahatonga azy hahalefitra,

ary ataony voninahitra ho azy ny manadino ny ratsy natao taminy.

12 Tahaka ny fieron’ny liona ny hatezeran’ny mpanjaka;

ary tahaka ny ando amin’ny ahitra ny fanambinany.

13 Ny zanaka adala mampidi-doza an-drainy;

ary ny ady ataon’ny vehivavy, toy ny tafon-trano mitetetsy an-kijanona.

14 Trano sy herana no lova amin’ny ray;

fa ny vady manan-tsaina, famonjena avy amin’i Iaveh.

15 Ny hakamoana mampatoritory foana;

ary ny fanahy malaina ho tratry ny mosary.

16 Izay mitandrina ny lalàna miaro ny fanahiny;

izay tsy mitandrina ny lalany, ho faty.

17 Izay miantra ny mahantra, mampisambotra an’i Iaveh,

ka Izy no hamaly ny soa nataony.

18 faizo ny zanakao fa mbola misy antenaina ihany;

nefa aza dia lasa loatra ka mahafaty azy.

19 Ny olona misafoaka mafy, hilonjo ny sazin’izany;

raha voavonjinao indray mandeha izy, dia tsy maintsy hovonjenao indray.

20 Henoy ny fanoroana, ary raiso ny fampianarana;

mba ho hendry ianao amin’ny andro sisa hiainanao.

21 maro ny fikasana mihetsiketsika ao am-pon’ny olona,

fa ny hevitr’i Iaveh ihany no tanteraka.

22 Ny hatsaram-pon’ny olona no manambara azy ho mahafatra-po,

ary aleo ny mahantra toy izay ny mpandainga.

23 Ny fahatahorana an’i Iaveh no mitarika ho amin’ny fiainana,

ka dia voky tsara, tsy vangiam-pahoriana.

24 Ny kamo mangaron-dovia amin’ny tanany;

fa tsy mampakatra ny tanany ao am-bavany indray.

25 Kapohy ny mpamazivazy, dia hihahendry ny kely saina;

anaro ny olona manan-tsaina dia hahazo ny fahaizana izy.

26 Izay ratsy fitondra ray, sady sahy mandroaka reny,

dia zanaka mitototra henatra amam-pahafaham-baraka.

27 Anaka, raha mitsahatra tsy mihaino fampianarana ianao,

dia hanalavitra ny tenin’ny fahaizana.

28 Ny vavolombelona ratsy, manamavo ny rariny,

ary ny vavan’ny ratsy fanahy mitelina faharatsiana.

29 Vonona ho an’ny mpamazivazy ny fitsarana,

ary ho an’ny lamosin’ny adala ny kapoka.

Categories
Ohabolana

Ohabolana 20

Tandremo ny atao

1 Mpamazivazy ny divay, mpitabataba ny toaka,

ka izay miarana amin’izany tsy mba hendry.

2 Sahala amin’ny fieron’ny liona ny fampitahorana avy amin’ny mpanjaka;

ka manota amin’ny tenany izay mampahatezitra azy.

3 Voninahitra ho an’ny olona ny mifady fifandirana;

fa ny adala rehetra milomano amin’ny hatezerana.

4 Tsy mety miasa ny kamo fa hoe ratsy ny andro;

ka amin’ny andro fijinjana,

hitady izy fa tsy hisy na inona na inona.

5 Rano lalina ny fisainana ao am-pon’ny olona;

fa ny olona manan-tsaina dia hanovo azy ao.

6 Maro ny olona midera ny hatsaram-pony avy;

fa izay olona mahatoky kosa, dia iza no hahita azy?

7 Handeha amin’ny fahamarinany ny olona marina;

sambatra izay zanany mandimby azy!

8 Ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fitsarana

dia manafoana ny ratsy rehetra amin’ny fijeriny.

9 Iza no hilaza hoe: «Efa nandio ny foko aho,

ka afaka madiodio tamin’ny fahotako?»

10 Ny vato-mizàna samy hafa sy ny efah samihafa,

dia samy zavatra hankahalain’i Iaveh.

11 Ny zaza dia efa maneho amin’ny fanaony sahady,

na ho madio sy mahitsy ny asany, na hanao ahoana.

12 Ny sofina mandre sy ny maso mahita,

dia samy nataon’i Iaveh avokoa.

13 Aza tia torimaso, fandrao tonga mahantra;

ahirato ny maso, dia ho voky hanina ianao.

14 Ratsy! Ratsy! hoy ny mpividy;

kanjo nony avy eo izy, falifaly erỳ!

15 Eo ihany ny volamena amam-boahangy betsaka;

fa fanaka sarobidy, ny molotra hendry.

16 Endaho ny lambany fa efa niantoka olon-kafa izy;

tereo izy hanome antoka noho ny amin’ny vahiny.

17 Mamin’ny olona ny hanina azo am-pitaka,

nefa amin’ny farany feno fasika ny vavany.

18 Ny filan-kevitra mampiorina ny hevitra kasaina;

ka fahiratan-tsaina no itariho ny ady.

19 Izay mamafy fifosana manambara zavatra miafina;

ka ialao tsara rehefa olona miteniteny lava.

20 Raha misy manozona ny ray aman-dreniny,

dia ho faty jiro anatin’ny haizim-pito.

21 Ny lovamalaky azo tam-boalohany,

dia tsy arahin-tso-drano any am-parany.

22 Aza manao hoe: «Hamaly ratsy ny nataony aho»,

fa manantenà an’i Iaveh, dia hamonjy anao Izy.

23 Halan’i Iaveh ny vato mizàna samy hafa;

ary tsy mba tsara ny mizàna mandainga.

24 I Iaveh no mitarika ny dian’ny olona;

ary ataon’izay olombelona ahoana no fahalala ny lalany?

25 Fandrika ho an’ny olona ny manaonao foana hoe: Zavatra masina ity;

ka efa vita ny voady vao mieritreritra.

26 Ny mpanjaka hendry manafoana ny ratsy fanahy,

sy mandefa kodiaeo ambonin’ireny.

27 Jiron’i Iaveh, ny fanahin’ny olombelona maninteraka hatrany anatin’ny fo.

28 Ny fahatsaram-po amam-pahamarinana no miaro ny mpanjaka;

ary ny hatsaram-po no anamafisany ny seza fiandrianany.

29 Ny hery no haingon’ny zatovo,

ary ny volo fotsy no ravaky ny anti-panahy.

30 Ny kapoka mandrovirovitrany nofo, mahasitrana ny faharatsiana;

torak’izany koa, ny kapoka mihatra hatrany an-kibo.