Categories
Osea

Osea 1

Lohateny

1 Tenin’i Iaveh, tonga tamin’i Osea, zanak’i Beeri, tamin’ny andron’i Oziasa sy i Joatama sy i Akaza ary i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà, sy tamin’ny andron’i Jerôbôama, zanak’i Jôasa, mpanjakan’i Israely.

Fanambadian’i Osea sy ireo zanany

2 Tamin’ny niandohan’nynitenenan’i Iaveh tamin’i Osea, izao no nolazain’i Iaveh tamin’i Osea: «Mandehana ianao, makà vadytena janga, aman-janaky ny fijangajangana, satria tsy misy ataon’ny tanyafa-tsy ny misaraka amam-bady amin’ny fandaozana an’i Iaveh.»

3 Dia nandeha izy, naka an’i Gômera, zanaka vavin’i Debelaïma, ary nanana anaka ravehivavy, ka nitera-dahy taminy.

4 Ary hoy i Iaveh taminy: «Ataovy hoe Jezrahelyny anarany, fa andro vitsy sisa, dia hovaliako ny taranak’i Jehò noho ny ra nalatsaka tao Jezrahely, ary hotaperiko ny fanjakan’ny taranak’i Israely.

5 Amin’izany andro izany, hotapahiko, eo amin’ny tanilemak’i Jezrahely, ny tsipìkan’i Israely.»

6 Ary nanana anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy, dia hoy i Iaveh tamin’i Osea: «Ataovy hoe Lô-Rôkama ny anarany, fa tsy hiantra intsony ny taranak’i Israely Aho ka hamela heloka azy.

7 Fa ny taranak’i Jodà no hiantrako; ary i Iaveh Andriamaniny no hamonjeko azy ireo; fa tsy amin’ny tsipìka, na amin’ny sabatra, na amin’ny ady, na amin’ny soavaly, na amin’ny mpitaingin-tsoavaly no hamonjeko azy.»

8 Nony notazany i Lô-Rôkama, dia nanana anaka indray ravehivavy, ka nitera-dahy.

9 Dia hoy i Iaveh tamin’i Osea: «Ataovy hoe Lô-Amìny anarany, fa ianareo tsy vahoakako, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo.»

Categories
Osea

Osea 2

I Iaveh sy ny vadiny manitsakitsaka Azy

1 Ny isan’ny zanak’i Israely diaho tahaka ny fasika amin’ny ranomasina izay tsy afàtra na isaina, ary any amin’ny tany nilazana taminy hoe: «Tsy vahoakako ianareo», no hanaovana an’ny hoe: Zanak’Andriamanitra velona.

2 Ary hiara-mivory ny taranak’i Jodà sy ny taranak’i Israely, ka hanangana filoha iray hiombonany, dia hiakatrahiala amin’ny tany, fa ho lehibe ny andron’i Jezrahely.

3 Lazao amin’ny rahalahinareo hoe: «Amì!» sy amin’ny anabavinareo hoe: «Rôkama».

4 Mifandaharaamin-dreninareo, mifandahara!

Fa izy tsy vadiko intsony,

ary Izaho tsy vadiny intsony.

Aoka hoesorinyhiala amin’ny tavany, ny fijangajangany,

ary tsy ho eo afovoan’ny nonony ny fanabodoany,

5 fandrao izy hampihanjahanjaiko

hataoko toy ny tamin’ny andro nahaterahany,

hampanjariko toy ny efitra,

hataoko toy ny tany karankaina,

ary hataoko matin’ny hetaheta.

6 Tsy hamindra fo amin’izay zanany Aho,

fa zanaky ny fijangajangana ireny;

7 satria nijangajanga reniny,

nanao zava-mahamenatra ilay torontoronina azy;

fa hoy izy: Izaho handeha any amin’ireo lehilahiko,

izay manome ahy ny mofoko aman-dranoko,

ny volon’ondry aman-drongoniko, ny diloilo aman-divaiko.

8 Noho izany, indro Aho hanampina ny lalanaoamin’ny tsilo;

hanangana tamboho aho, ka tsy hahita ny lalany intsony izy.

9 Hanaraka ny lehilahiny izy fa tsy hahatratra an’ireny;

hitady an’ireny izy fa tsy hahita azy.

Izay izy vao hanao hoe: «Handeha aho hody

any amin’ny vadiko taloha,

fa niadana aho tamin’izany noho ny ankehitriny.»

10 Tsy nahalala izy, fa Izaho no nanome azy

ny vary, ny divay vaovao sy ny diloilo

sy nampitombo ho azy ny volafotsy sy ny volamena

izay nampiasainy ho an’i Baala.

11 Koa halaiko indray ny varikoamin’ny androny,

sy ny divaiko vaovao amin’ny taonany,

sady hoesoriko ny volon’ondry aman-drongoniko,

izay enti-manarona ny fitanjahany.

12 Ary ankehitriny, habaribariko ny fahamenarany

eo imason’ireo lehilahiny,

ary tsy misy hahafaka azy amin’ny tanako.

13 Hatsahatro avokoa ny fifaliany rehetra;

ny fetiny, ny voaloham-bolany, ny sabatany,

ary ny fetiny lehibe rehetra.

14 Horavako ny voalobony aman’aviaviny,

izay nataony hoe: Izany no tangy

nomen’ireo lehilahiko ahy;

ka hataoko manjary ala ireny,

ary ny biby dia no hihinana azy.

15 Hovaliako izy noho ny andron’ireo Baala,

izay nanolorany emboka,

tamin’ny andro niravahany masombola sy fehivozona,

sy nanarahany ny lehilahiny;

fa Izaho kosa nohadinoiny, – teny marin’i Iaveh. –

16 Koa noho izanydia indro Aho hitarika azy

sy hitondra azy any an’efitra,

ary hiteny aminy ao am-pony;

17 ary avy ao homeko azy ny tanimboalobony,

mbamin’ny lohasaha Akoraho varavaram-panantenana;

ka any izy hamaly toy ny tamin’ny andro fahatanorany,

sy toy ny tamin’ny andro niakarany avy any amin’ny tany Ejipta.

18 Amin’izany andro izany – teny marin’i Iaveh, –

ianao hiantso Ahy hoe: Vadiko:

fa tsy hiantso Ahy intsony hoe: Baala-ko.

19 Hoesoriko amin’ny vavany, ny anaran’ireo Baala,

ka tsy hotononina amin’ny anarany intsony ireny.

20 Amin’izany andro izany Aho hanao fanekena ho azy,

amin’ny biby dia,

amin’ny voromanidina,

ary amin’ny biby mandady amin’ny tany;

hofoanako tsy hisy amin’ny tany

ny tsipìka aman-tsabatra ary ny ady,

ka hataoko mandry feizay izy.

21 Hofofoiko mba ho Ahy mandrakizay ianao;

hofofoiko ho Ahy ianao amin’ny rariny sy ny hitsiny,

ary amin’ny fahasoavana sy ny fitiavana;

22 hofofoiko ho Ahy amin’ny fahamarinana ianao,

ka hahalala an’i Iaveh.

23 Izao no ho tonga amin’izany andro izany:

Izaho hamaly, – teny marin’i Iaveh, –

Izaho hamaly ny fangatahan’ny lanitra,

ary izy hamaly ny fangatahan’ny tany;

24 ny tany hamaly ny fangatahan’ny vary

sy ny divay vaovao ary ny diloilo,

ary ireo hamaly ny fangatahan’i Jezrahely.

25 Hafafiko amin’ny tany ho Ahy i Israely,

ary hanao famindram-po amin’i Lô-Rôkama Aho

sy hilaza amin’i Lô-Amì hoe: «Vahoakako ianao,»

ary izy hanao hoe: «Andriamanitro».

Categories
Osea

Osea 3

I Osea mampody ny vadiny nanitsakitsaka ary mitsapa toetra azy. Ary fanazavana izany famantarana izany.

1 Ary hoy i Iaveh tamiko: «Mandehana indray, mitiava vehivavy izay tian’ny lehilahiny anankiray ka manitsakitsa-bady: tahaka ny itiavan’i Iaveh ny zanak’i Israely, nefa izy ireo kosa mivadika mankany amin’andriamani-kafa, sady tia ny ampempam-boaloboka.»

2 Novidiko sikla volafotsy 15sy orja iray homera, ary orja iray leteka, izy;

3 dia hoy Aho taminy: «Ianao hijanona eo, ho Ahy, mandritra ny andro maro; tsy hijangajanga, tsy ho an’ny lehilahy hafa ianao; ary Izaho koa hanao torak’izany aminao.

4 Fa mandritra ny andro maro ny zanak’i Israely no hitoetra tsy mana-mpanjaka, tsy mana-mpanapaka, tsy manan-tsorona, tsy manan-tsangam-bato, tsy manana efôdaary tsy manan-terafima.

5 Rehefa afaka izany vao hibebaka ny zanak’i Israely, ka hitady an’i Iaveh Andriamaniny sy i Davida mpanjakany, indray; hiverina amim-pangovitana amin’i Iaveh sy amin’ny hatsaram-pony izy ireo, amin’ny faran’ny andro.»

Categories
Osea

Osea 4

Heloka mihanaka

1 Henoy ny tenin’i Iaveh, ry zanak’i Israely,

fa manana ady amin’ny mponin’ny tany i Iaveh,

satria tsy misy intsony na ny fahamarinana na ny fiantrana

na ny fahalalana an’Andriamanitra ao amin’ny tany.

2 Fa ny olona dia mivadika fianianana, mandainga,

mamono, mangalatra, maka vadin’olona;

ary manao an-keriny, ka ny ra nalatsaka

mifanolotra ny ra nalatsaka.

3 Noho izany, misaona ny tany,

ary tsy manan-kery ny mponina rehetra ao aminy,

hatramin’ny biby any an-tsaha sy ny voromanidina;

ringana mbamin’ny hazandrano any anaty ranomasina aza.

Famelezana ny mpisorona

4 Nefa aza misy manohitra,

aza misy mitaraina,

fa efa toy ny manana adyamin’ny mpisorona ny firenenao.

5 Ho tafintohina ianao, amin’ny antoandro;

hiara-tafintohina aminao koa ny mpaminanyamin’ny alina;

ary hataoko levona ny reninao.

6 Very noho ny tsy fahalalanany vahoakako;

noho ianao nanary ny fahalalana,

dia hariako tsy ho amin’ny fisoronako koa ianao.

Nanadino ny lalàn’Andrianatrao ianao;

ka hanadino ny zanakao koa Aho.

7 Izy rehetra, na firy na firy, samy nanota tamiko;

ka dia hampodiko ho henatra ny voninahiny.

8 Mivoky amin’ny fahotan’nyvahoakako izy ireo;

ary tsy maniry afa-tsy ny faharatsiany.

9 Ho sahala ny hanjò ireny mpisorona ireny sy ny vahoaka;

hofaizako izy, noho ny lalany

ary hatsingeriko aminy ny asany.

10 Hihinana izy fa tsy ho voky;

hijangajanga fa tsy hitombo;

satria efa nahafoy an’i Iaveh, tsy hanompoany Azy izy.

Fanompoan-tsampy sy faharatsiana fotsiny ny fivavahan’i Israely

11 Mahavery saina ny fijangajangana, ny divay, ny ranom-boaloboka.

12 Ny tapa-kazonyno ilàn’ny vahoakako saina,

ary ny tehinyno manoro azy ny ho avy,

fa misy saim-pijangajangana nampania, ny vahoakako,

ary lasa nijangajanga nanalavitra ny Andriamaniny.

13 Manatitra sorona eny an-tampon-tendrombohitra izy,

mandoro emboka eny amin’ny havoana,

eny ambany oaka amam-peopilie ary terebinta,

satria tsara alokaloka ireny.

Noho izany raha mijangajanga ny zanaka vavinareo,

sy maka vadin’olona ny vehivavinareo tanora,

14 samy tsy hofaizako na ny zanaka vavinareo noho ny fijangajangany,

na ny vinantovavinareo tanora noho ny fakàny vadin’olona;

satria, na ireo koa aza, mihataka ho any amin’ny vehivavy janga,

sy miara-manatitra sorona amin’ny karam-bavy.

Ary mivarin-ko faty ny vahoaka tsy misaina.

Fampitandremana an’i Jodà

15 Raha ianao no mijangajanga, ry Israely,

aoka i Jodà tsy hilatsaka amin’ny heloka!

aza mankany Galgalàna miakatra any Betavena

ary aza mianiana hoe: Velona Iaveh!

Vantotr’omby vavy maditra i Israely

16 Satria i Israely efa naditra,

toy ny vantotr’ombivavy mitokona;

ankehitriny kosa i Iaveh hiandry azy

toy ny zanak’ondryeny amin’ny tany lemaka malalaka.

17 Tafaraikitra amin’ny sampy i Efraima;

avelao izy ho eo!

18 Raha vao avy misotro izy ireo,

dia rafitra mijangajanga.

Zava-mahamenatra no hany tadiavin’ireo mpifehiny.

19 Namihina azy tamin’ny elany ny rivotra,

ka ho latsaka an-kenatra izy ireo noho ny sorona nataony.

Categories
Osea

Osea 5

Mandiso lalana ny olona ny mpisorona sy ny mpifehy ary ny mpanjaka

1 Mandrenesa izao, ry mpisorona;

mihainoa tsara, ry taranak’i Israely;

manongilàna sofina, ry taranaky ny mpanjaka;

fa ianareo no hamoahana ny teny fitsarana,

satria ianareo no efa fandrikatao Masfà

sy fandrika harato voavelatra ao ambonin’i Tabôra.

2 Nataon’izy ireo mihoa-pampana ny fahadisoany,

tamin’ny sorona nataony;

fa ho famaizana anareo rehetra kosa Aho!

3 Mahalala an’i Efraima Aho

ary tsy takona amiko i Israely;

ary ianao, ry Efraima, nijangajanga,

ary i Israely nandoto tena.

4 Tsy avelan’ny asa nataony

hiverina amin’Andriamanitra izy ireo,

fa saim-pijangajangana no eo afovoany,

ka tsy mahalala an’i Iaveh izy.

5 Ny avonavon’i Israely no vavolombelona manameloka azy;

ho lavon’ny helony i Israely sy i Efraima;

hiara-davo amin’ireo koa i Jodà.

6 Hitondra ny ombiny aman’ondriny izy ireo,

handeha hitady an’i Iaveh,

nefa tsy hahita azy, fa nisaraka tamin’ireo izy.

7 Namitaka an’i Iaveh izy ireo,

fa niteraka zaza hafa firenena;

ary ankehitriny ho levon’ny volana ambony izy

mbamin’ny ananany.

Ady an-trano

8 Tsofyao Gabaà ny anjomara;

ary ao Ramàny trômpetra;

miantsoavonjy taitra ao Betavena!

Mitandrema ianao, ry Benjamina!

9 Horavana i Efraima amin’ny andro famaizana;

ny amin’ny hanjò ny fokon’i Israely

zava-tsy maintsy tò no ambarako.

10 Ireo mpifehy an’i Jodà

efa toy ny mpamindra faritra;

hampidiniko amin’izy ireo

ny fahatezerako toy ny rano.

11 ampahorîna sy torotoroin’ny fitsarana i Efraima

satria ninia nanaraka ny sampy tsinontsinona izy.

12 Koa tahaka ny kalalao Aho amin’i Efraima,

ary tahaka ny fahalòvana amin’ny taranak’i Jodà.

Very maina ny fifanekena amin’ny vahiny

13 Rehefa nahita ny aretiny i Efraima,

ary i Jodà ny ratrany,

dia nankany amin’i Asora i Efraima

ary naniraka ho any amin’ny mpanjaka anankiray izy

hamaly ny ratsy natao taminy;

tsy ho afa-manasitrana anareo anefa izany mpanjaka izany

ka tsy ho afaka aminareo ny ferinareo.

14 Fa ho tahaka ny liona Aho, amin’i Efraima,

ary ho tahaka ny liona tanora amin’ny taranak’i Jodà.

Izaho dia Izaho no hamiravira, dia lasa mandeha;

hitondra ny rembiko, ka tsy hisy haharombaka izany amiko.

Ilaozan’i Iaveh ny vahoakany

15 Handeha Aho hody any amin’ny fonenako,

mandra-piaikiny ny mahameloka azy,

ka hitadiavany ny Tavako.

Fa hitady Ahy izy ireo, rehefa azom-pahoriana.

Categories
Osea

Osea 6

Miverina amin’i Iaveh i Israely fa tsy maharitra

1 Andeha isika hiverina amin’i Iaveh;

2 fa Izy no namiravira, Izy no hahasitrana antsika;

mikapoka Izy, nefa hamehy ny ferintsika koa.

3 Rehefa afaka indroa androdia hataony velona indray isika;

amin’ny andro fahatelo dia hatsangany isika,

ka ho velona eo anatrehany.

Mahalalà isika, mikeleza aina

hahalala an’i Iaveh isika.

Mahatoky, toy ny an’ny maraina, ny fiposahany;

ary ho avy amintsika toy ny tandrifin-drahona

toy ny fara orana manamando ny tany.

4 Inona no hataoko aminao, ry Efraima?

Inona no hataoko aminao, ry Jodà?

Fa ny fitiavam-bavakareo dia tahaka ny rahona maraina,

tahaka ny ando amin’ny maraina ka levona vetivety.

5 Noho izany nataoko potika, tamin’ny tenin’ny mpaminany,

novonoiko tamin’ny tenin’ny vavako izy ireo;

toy ny mazava miposaka no ho fitsarana anao.

6 Fa ny fitiavam-bavaka no sitrako fa tsy ny sorona;

ary ny fahalalana an’Andriamanitra mihoatra noho ny sorona dorana.

Helok’i Israely taloha sy ankehitriny

7 Nivadika ny fanekena, tahaka an’i Adama, anefa izy ireo;

fa nivadika tamiko teo.

8 I Galaada dia tanànan’ny mpanao ratsy,

sady isehoan’ny mariky ny ranalatsaka.

9 Mova tsy ny andian-jiolahy manao otrika,

ny andia-mpisorona mamono olona,

eo amin’ny lalana mankany Sikema;

fa mahavita heloka be vava izy ireo.

10 Zava-mahatsiravina no hitako teo amin’ny taranak’i Israely;

fa ao no ijangajangan’i Efraima,

sy andotoan’i Israely tena.

11 Ianao koa, ry Jodà, misy fijinjana voatendry ho anao,

raha avy izay hamoriako ny vahoakako avy amin’ny fahababoana.

Categories
Osea

Osea 7

1 Fony Aho nitady hanasitrana an’i Israely

no nihariharian’ny haratsian’i Efraima

sy ny haratsiam-panahin’i Samaria:

fa ny lainga ataony fanao;

ny mpangalatra miditra an-trano,

ny jiolahy mikarenjy eny ivelany.

2 Ary izy ireo tsy misaintsaina akory ao am-pony

fa tsarovako avokoa ny faharatsiany.

Ankehitriny manodidina azy ny heloka be vava nataony,

dia indreo izy eo anatrehako.

Fiokoana

3 Ny mpanjaka, falifaliany amin’ny haratsiany;

ary ny mpifehy amin’ny laingany.

4 Izy rehetra mpaka vadin’olona avokoa,

hoatra ny fatananampirehetin’ny mpanao mofo afo,

izay mitsahatra tsy misorona afo,

hatramin’ny nametafetany ny koba ka mandra-pivontony.

5 Amin’ny andron’ny mpanjakantsika,

ny mpanapaka mankarary tena amin’ny hafanan’ny divay;

niara-naninji-tanana tamin’ny mpananihany izy io.

6 Fa tamin’ny firaisan-tetik’izy ireo,

nataony toy ny ao anaty fatana ny fony;

ka ny mpanao mofony natory mandritra ny alina,

ary nony maraina nirehitra hoatra ny lelafo midedadeda.

7 Mahamay hoatra ny fatana avokoa izy rehetra,

ka ny mpitsara azy no levoniny.

Ny mpanjakany lavo avokoa,

tsy nisy niantso Ahy anefa izy rehetra.

Voa i Israely niantso ny hafa firenena

8 Mifangaro amin’ireo firenena i Efraima,

hoatra ny mofomamytsy voavadika i Efraima.

9 Levon’ny hafa firenena ny heriny,

nefa tsy fantany akory izany;

efa mipi-bolo ny lohany,

nefa tsy fantany akory izany.

10 Mitsangan-ko vavolombelona miampanga azy ny avonavon’i Efraima:

tsy miverina amin’i Iaveh Andriamaniny anefa izy ireo,

na mitady Azy, na dia izany rehetra izany aza.

11 I Efraima tonga hoatra ny domohina,

adaladala tsy misy saina;

miantso an’i Ejipta, mankany Asiria.

12 Amin’ilay mankany iny izy ireo,

Izaho kosa mamelatra eo amboniny ny fandrika haratoko;

dia hataoko latsaka toy ny voromanidina izy,

ary hamay azy, araka ny efa voalaza rahateo teo amin’ny fiangonany.

Tsy mahay mankasitraka i Israely ka voasazy

13 Loza ho an’ireny, fa nandositra lavitra Ahy izy!

Hanjò azy anie ny faharavana satria nivadika tamiko!

Raha Izaho, dia mba te hamonjy azy ireo Aho,

fa izy kosa milaza lainga hamelezana Ahy.

14 Tsy mitaraina amiko ao am-pony izy,

raha ilay midradradradra foana eo am-pandriany iny.

Misahirana fatratra izy ny amin’ny vary aman-divay vaovao,

nefa Izaho iambohoany.

15 Izaho nampianatra azy sy nankahery ny sandriny;

Izy ireo kosa misaintsain-dratsy hanoherana Ahy.

16 Mitodika izy, fa tsy ho any amin’ny ambony;

manahaka ny tsipìka mivaona:

ho lavon’ny sabatra ny mpifehyazy,

noho ny fisafoaky ny lelany;

ary handatsàny azy izany any amin’ny tany Ejipta.

Categories
Osea

Osea 8

Fanairana

1 Ataovy am-bava ny anjomara,

fa misy, toy ny voromahery, hiantefa amin’ny tranon’i Iaveh!…

Satria izy ireo nivadika ny fanekeko,

sy nandika ny lalàko.

2 Mitaraina amiko izy hoe: Andriamanitra ô,

efa nahalala Anao izahay Israely.

3 Efa boboky ny soa anefa i Israely;

ka aoka hoenjehin’ny fahavalo izy!

Fanjakan’i Baroa sy fanompoan-tsampy

4 Fa izy ireo nananga-mpanjaka, nefa tsy avy amiko;

nanendry mpanapaka nefa tsy nahalala an’ireo Aho;

nanao sampy tamin’ny volafotsiny amam-bolamenany,

mba hanalana aminy ny volafotsy amam-bolamena.

5 Naharikoriko Ahy ity zanak’ombinao, ry Samaria;

nirehitra tamin’izy ireo ny fahatezerako.

Mandra-pahoviana no tsy hahazoana mandio azy ireo?

6 Fa avy amin’i Israely koa izy;

mpanao taozavatra no nanamboatra azy,

ka tsy Andriamanitra izy io;

fa hotorotoroina ny zanak’ombin’i Samaria!

7 Namafy rivotra izy ireo,

ka hijinja tafio-drivotra.

Tsy hisy salohim-bary ho azy,

fa hisy vary tsy vanon-ko lafarina;

ary raha vanon-ko lafarina aza, ny hafa firenena no hihinana azy.

Verin’ny antso ataony amin’ny hafa firenena i Israely

8 Voatelina i Israely:

izy ireo ankehitriny, eny amin’ny firenena

nanjary toy ny zavatra tsinontsinona;

9 satria ny tenan’izy ihany no niakatra ho any Asora.

Ny ampondra dia monina an-takona;

i Efraima kosa nanangy lahy ho azy.

10 Na manao fanatitra amin’ny firenena aza izy,

dia novoriko hamely azy ireny;

ka hangozohozo izy, amin’ny fotoana fohifohy,

tsindrian’ny entan’ny mpanjakan’ireo mpanapaka.

11 Nampitombo ny ôtely i Efraima tamin’ny nanotany,

ary ireo ôtely ireo nahalavo azy tamin’ny ota.

12 Na hanoratra lohateny arivo ho azy amin’ny lalàko aza Aho,

dia ho zavatra tsy mikasika azy no fijeriny an’izany.

13 Ny sorona aterin’izy ireo ho Ahy,

dia ny henan’ny zavatra vonoiny sy haniny;

tsy ankasitrahin’i Iaveh izany.

Hahatsiaro ny helok’izy ireo izy ankehitriny,

ka hanasazy ny fahotany:

hiverina any Ejipta izy ireo.

Famelezana ny fanorenana lapa sy rova

14 Nanadino ny mpanao azy i Israely,

ka nanorina lapa;

nanamaro ny tanàna mimanda i Jodà.

Fa handefa afo ao an-tanànany Aho,

ka handevona ireo rovany izany.

Categories
Osea

Osea 9

Fahoriana any an-tsesitany

1 Aza miarana amin’ny fifaliana, ry Israely,

na amin’ny firavoravoana toy ny firenena.

Fa ianao, efa nitolo-tena amin’ny ratsy lavitra ny Andriamanitrao,

efa nankamamy ny tangin’ny mpijangajanga,

teny am-pamoloana rehetra teny.

2 Ny famoloana amam-pandomam-boaloboka,

tsy hisy hamelana azy ireo,

ary ny divay vaovao handà azy.

3 Tsy honina eo amin’ny tanin’i Iaveh izy ireo;

fa hiverina ho any Ejipta i Efraima,

ary hihinana ny zava-padìna any Asiria izy ireo.

4 Tsy hanolotra divayho fanatitra araraka ho an’i Iaveh izy:

ary tsy hankasitrahiny ny sorona ataony;

fa toy ny fahan-kanina fisaonanaizany aminy,

ka haloto izay mihinana amin’izany;

satria ny hanin’izy ireo ho an’ny tenany ihany,

fa tsy hiditra ao an-tranon’i Iaveh.

5 Inona no hataonareo amin’ny fety lehibe,

amin’ny andro fetin’i Iaveh?

6 Fa indro lasa izy ireo teo anatrehan’ny fandringanana:

i Ejipta handray azy, ary i Memfisyhandevina azy;

ny fanaka volafotsiny sarobidy, ho rembin’ny beroberok’amboa

ny lainy ho tongan’ny tsilo.

Manambara sazy ny mpaminany ka enjehina

7 Tonga ny andro famaizana!

Tonga ny andro fanodiavana;

vetivety ho fantatr’i Israely izany.

Adala ny mpaminany,

ny olona tsindriam-panahy mirediredy foana,

noho ny haben’ny helokao

sy ny fanoheranao mafy.

8 Ny tilin’i Efraimadia ao amin’ny Andriamanitro;

fandriky ny mpamandri-borona avokoa,

no eny amin’ny alehan’ny mpaminany,

ary fanenjehana no any amin’ny tranon’ny Andriamaniny.

9 Simba hatrany am-potony izy ireo,

toy ny tamin’ny andron’i Gabaà;

hotsarovan’i Iaveh ny helony,

ary hovaliany ny fahotany.

Voasazy ny fanompoan-tsampy tao Beelfgôra

10 Tahaka ny voaloboka any an’efitra

no ahitako an’i Israely;

tahaka ny voaloham-bokatry ny aviavy tanora

no nahitako ny razanareo.

Kanjo tonga tao Beelfegôra izy ireo,

sy nanolo-tena ho an’ny sampy vetaveta,

ka tonga vetaveta tahaka itsy zava-tiany ihany.

11 Nihelina toy ny voromanidina, ny voninahitr’i Efraima;

tsy hisy intsony ny hiteraka na hanana anaka,

na hotorontoronina.

12 Na hitaiza ny zanany aza izy,

hoesoriko aminy alohan’ny hahatongavany ho lehilahy ireny;

satria loza ho azy ireo, raha ihatahako izy!

13 Raha nitodi-maso nankany Tira Aho, dia indreo i Efraima

voavoly eo amin’ny tanim-bilona mahafinaritra;

kanjo i Efraima efa nitondra ny zanany ho any amin’ny mpamono.

14 Omeo azy, Iaveh ô! …Inona no homenao azy?…

Omeo azy ny kibo momba, sy ny nono ritra.

Voasazy ny heloka tao Galfalà

15 Any Galgalà ny faharatsiany rehetra;

fa tany no vao nankahalako azy.

Noho ny faharatsian’ny ataony,

horoahiko hiala ao an-tranoko izy;

tsy hanam-pitiavana azy intsony Aho,

mpiodina avokoa ny mpanapaka azy.

16 Voa i Efraima, maina ny fakany,

tsy hanoa intsony izy ireo;

ary na dia miteraka aza izy,

hovonoiko ny malalany naloaky ny kibony.

17 Harian’ny Andriamanitro izy,

satria tsy nihaino Azy,

ka ho mpirenireny foana eny amin’ny firenena.

Categories
Osea

Osea 10

Noravana ny ôtely fanompoan-tsampin’i Israely

1 Voaloboka mirobona erỳ i Israely,

efa mavesatry ny voany.

Araka ny habetsahan’ny voany

no ampitomboany ny ôteliny;

araka ny hatsaran’ny taniny,

no hatsaran’ny tsangam-bato nataony.

2 Mpihatsaravelatsihy ny fony;

ka efa hivesatra ny valin’izany izy.

Hanjera ny ôteliny izy,

handrava ny tsangam-batony.

3 Tsy ho ela no hilazany hoe: Tsy mana-mpanjaka isika,

noho isika tsy natahotra an’i Iaveh;

fa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka?

4 Hanonona teny izy ireo,

manao fianianana tsy misy antony,

sy mandraikitra fanekena;

ary ny fitsarana kosa hiposaka toy ny fivelatry ny pavôty

eny amin’ny saha voasoritsoritra.

5 Noho ny ombivavy kely ao Betavena

no atahoran’ny mponina ao Samaria,

satria ny vahoakany misaona ny sampiny,

ary ny mpisorona mangovitra noho ny aminy,

noho ny voninahiny, fa efa niala taminy.

6 Hoentina any Asiria koa izy,

hatao fanatitra ho an’ny mpanjaka mpamaly;

ho azon’ny henatra i Efraima,

hangaihay noho ny hevitra voakasany i Israely.

7 Levona i Samaria;

ny mpanjakany dia toy ny tapak’ahitra

eo ambonin’ny rano.

8 Ho rava ny fitoerana avon’i Avena,

izay fahotan’i Israely;

handadian’ny tsilo amam-boarointsaka ny ôteliny.

Ny tendrombohitra hilazany hoe: «Saròny izahay!»

Famelezana an’i Gabaà

9 Efa nanota hatramin’ny andro, fony tany Gabaà, ianao, ry Israely;

mikiribiby aman-keloka izy ireo.

Moa tsy hahatratra azy ireo koa any Gabaà

ny ady voalaza hataoamin’ny zanaky ny faharatsiana?

10 Hofaizako araka ny sitrapoko izy ireo:

ary ho tafangona hamely azy ny firenena,

rehefa hafatotra amin’ny fahotany roaizy ireo.

Fanambanana sy fiantsoana hibebaka

11 I Efraima dia ombivavy kely tsara folaka,

finaritra ny hively vary.

Izaho kosa hanisy jioga ny vozony tsara tarehy;

i Efraima hampitarihiko kodiarana

i Jodà hiasa;

i Jakôba hitarika fihogo famakiam-bainga.

12 Afafazo araka ny fahamarinana ny voanareo;

ataovy araka ny famindram-po ny fijinjànareo;

miasà tany vao ho anareo;

fa efa fotoana hitadiavana an’i Iaveh izao,

mandra-piavinyhandatsaka ny fahamarinana ao aminareo.

Izay no izy!

13 Fa ianareo niasa ny faharatsiana,

nijinja ny faharatsiana,

nihinana ny vokatry ny lainga.

Nitoky tamin’ny lalanao ianao,

sy tamin’ny hamaroan’ny lehilahy maherinao.

14 Indro velona ny tabataba ao amin’ny vahoakanao,

ary horavana avokoa ny tanàna mimandanao,

tahaka ny nandravan’i Salmanàan’i Beta-Arbela,

tamin’ny andron’ny ady

izay nahatorotoro ny reniny teo ambonin’ny zanany.

15 Izany no nataon’i Betela taminareo,

noho ny haratsianareo loza loatra.

Vao tonga ny maraina dia levona teo ny mpanjakan’i Israely.