Categories
Osea

Osea 11

Sazin’i Israely tsy niraharaha ny fitiavan’Andriamanitra

1 Tia an’i Israely Aho fony mbola zazaizy;

ka hatrany Ejipta nisy fiantsoana nataoko ny zanako.

2 Nisy fiantsoana nataoko tamin’izy ireo;

nefa izy niamboho.

Nanolotra sorona amin’ny Baala izy,

sy emboka ho an’ny sampy.

3 Ary Izaho nampiana-mandeha an’i Efraima,

sy nitantana azy tamin’ny sandriny,

nefa tsy fantany fa nanolikoly azy Aho.

4 Nentiko tamin’ny kofehy fitondrana olonaizy ireo,

dia tamin’ny fatoran’ny fitiavana;

mova Aho tsy ilay nanainga ny jiogaho azy,

eo ambonin’ny valanoranony,

ary niondrika taminy sy nampihinana azy.

5 Tsy hiverina ho any amin’ny tany Ejipta izy;

ary i Asora no ho mpanjakany,

noho izy tsy nety nibebaka.

6 Hampandihizana sabatra ao an-tanànany

ka handravaka ny hidiny ary handevona izany,

noho ny fisainan’izy ireo.

Fa ny fitiavan’Andriamanitra no mahery

7 Efa tapa-kevitra ny hisaraka amiko ny vahoakako;

nisy niantso azy any ambony,

nefa tsy misy miandrandra maso akory izy ireo.

8 Hataoko ahoana no famoy anao, ry Efraima,

na fanolotra anao, ry Israely?

Hataoko ahoana no famela anao ho tahaka an’i Adamà,

na fampanjary anao ho tahaka an’i Sebôima?

Onena ny foko ato anatiko,

ary indray miontana ny fangorahako rehetra.

9 Tsy hanarana ny firehetan’ny hatezerako Aho,

tsy horavako fanindroany i Efraima.

Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olombelona;

eo afovoanao ilay Masina,

ka tsy ho tonga Aho mitondra ny fisafoahako.

Fiverenana avy any an-tsesitany

10 Hanaraka an’i Iaveh izy ireo;

hierona toy ny liona Izy,

ka rehefa mierona Izy

dia hidodododo avy any Andrefana amin-kovitra ireo zanany.

11 Hidodododo avy any Ejipta izy ireo,

mangovitra toy ny voronkely

ary avy any amin’ny tany Asora toy ny domohina;

ka hamponeniko ao an-tranony,

– teny marin’i Iaveh. –

Categories
Osea

Osea 12

Helok’i Israely ara-pivavahana sy ara-pitondram-panjakana

1 I Efraima nanodidina Ahy tamin’ny lainga,

ary ny taranak’i Israely tamin’ny fitaka,

i Jodà koa efa tapa-kofehy ny amin’ny momba an’Andriamanitra,

ny amin’ny momba an’ilay Masina izay mahatoky.

2 I Efraima, mihinan-drivotra,

sy manenjika ny rivotra avy atsinanana.

Mampiavosa lainga amam-pandozàna mandritra ny andro izy;

manao fanekena amin’i Asora izy ireo,

ka entina ho any Ejipta ny diloilo.

Famelezana an’i Jakôba

3 Manana ady amin’i Jodà koa i Iaveh;

efa hamay an’i Jakôba, araka ny lalany izy,

sady hamaly azy araka ny asa nataony.

4 Mbola tao am-bohoka i Jakôba nanongona ny rahalahiny,

ary tamin’ny fahavitrìhany dia nitolona tamin’Andriamanitra.

5 Niady tamin’ilay Anjely ka nandresy azy;

nitomany sy nifona taminy;

dia nahita azy tao Betela indray,

ary tao no niresahan’Andriamanitra tamintsika.

6 Ary i Iaveh no Andriamanitry ny tafika;

i Iaveh no anarany.

7 Ary ianao kosa dia mba hiverina amin’ny Andriamanitrao;

tandremo ny famindram-po sy ny rariny;

ary miandrasa ny Andriamanitrao mandrakariva.

I Israely maimaim-bola sy voasazy

8 I Kanaanamitana mizàna mandainga;

ny miharaka no tiany.

9 I Efraima nanao hoe: Mba nihary harena ihany aho anefa,

ka nahazo fananana be aho;

ary amin’izay azoko rehetra, dia tsy ho hita amiko

izay famonoana antoka azo atao ho fahotana.

Fihavanana kasaina

10 Ary Izaho no Iaveh Andriamanitrao

hatrany amin’ny tany Ejipta;

mbola hampitoetra an-day anaoAho

toy ny amin’ny andro fety.

11 Niteny tamin’ny mpaminany Aho,

ary Izaho koa no nahamaro ny fahitana,

ary niteny tamin’ny fanoharana Aho tamin’ny alalan’ny mpaminany.

Fanambanana indray

12 Raha zava-poana i Galaada, dia ho tsinontsinona koa izy ireo;

nanao sorona omby tany Galgalà izy;

noho izany ny ôteliny ho toy ny antontam-bato

eny amin’ny saha voasoritsoritra.

Famelezana an’i Jakôba sy i Efraima

13 Nandositra ho any amin’ny tany Arama i Jakôba;

nanompomba hahazoany vady i Israely;

dia niandry ondry izy hahazoany vady.

14 Ary mpaminany no nentin’Andriamanitra

nampiakatra an’i Israely avy tany Ejipta,

mpaminany no nentiny niahy azy.

15 Nanantsy mafy ny fahatezeran’Andriamanitra i Efraima,

ka havelany hitsingerina aminy ny rany,

ary hovalian’ny Tompo izy noho ny fanalam-baraka nataony.

Categories
Osea

Osea 13

Sazin’ny mpanompo sampy

1 Raha vao niteny i Efraima, dia nihorohoro ny olona;

nisandratra izy teo amin’i Israely.

Fa tonga meloka izy noho ny amin’i Baala, ka maty.

2 Ary ankehitriny izy ireo mandroso manota ihany;

nanao sarin-javatra anidinatamin’ny volany,

dia sampy araka izay hevitra foroniny;

asan’ny mpanao taozavatra foana izany!

Izao no filazan’ny olonaazy ireo! Mpanao sorona olona,

manoroka zanak’omby.

3 Noho izany izy ireo dia ho tahaka ny rahona maraina,

ho toy ny ando amin’ny maraina malaky levona,

ho tahaka ny akofa paohin’ny rivotra avy eo am-pamoloana,

ary ho tahaka ny setroka mivoaka avy eo am-baravarankely.

Sazin’ny tsy mpankasitraka

4 Ary Izaho no Iaveh Andriamanitrao,

hatrany amin’ny tany Ejipta;

tsy hahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao;

ary eo ivelan’ny Tenako tsy misy mpamonjy.

5 Nahalala anao tany an’efitra Aho

tany amin’ny tany fahamainana.

6 Nony nahazo hanina izy ireo, dia nivoky;

nivoky izy ka nisondrotra ny fony;

ka izany no nanadinoany Ahy.

7 Izaho kosa amin’izy ireo, dia ho toy ny liona,

ho tahaka ny pantera, hamitsahako eny amoron-dalana izy.

8 Hiantoraka aminy toy ny orsa very anaka Aho,

handriatra ny sarom-pony Aho

ary handrapaka azy eo, toy ny liom-bavy;

ny biby any an-tsaha hamotipotika azy.

Foana ny fanjakana

9 Izao no mahavery anao, ry Israely,

dia ianao manohitra Ahy,

manohitra an’izay vonjinao.

10 Aiza àry izay mpanjakanao,

hamonjy anao ao an-tanànanao rehetra?

Ary aiza ireo mpitsaranao, izay nilazanao hoe:

Omeo mpanjaka ama-mpanapaka Aho?

11 Omeko mpanjaka ianao amin’ny hatezerako;

ary esoriko ireny amin’ny fahavinirako.

Tsy maintsy rava

12 Voafehy ny helok’i Efraima,

atao tsara tahiryny fahotany.

13 Voan’ny fanaintainan’ny vehivavy raha miterakaizy;

zaza tsy manam-pahendrena,

fa nony tonga ny fotoana, tsy mandroso izy ho teraka.

14 Hanafaka azy amin’ny herin’ny Seoly Aho,

hanavotra azy amin’ny fahafatesana.

Ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao?

Ry Seoly ô, aiza ny fandringananao?

Miafina amin’ny masoko ny nenina.

15 Fa hahavokatra eo amin’ny rahalahiny i Efraima;

nefa ho tonga ny rivotra avy atsinanana;

hiakatra avy any an’efitra ny fofon’ain’i Iaveh;

ka ho maina ny loharanony;

ho tankina ny fantsakàny;

hobaboiny ny firaketan’ny zava-tsarobidy rehetra.

Categories
Osea

Osea 14

1 Hofaizina i Samaria,

fa niodina tamin’ny Andriamaniny;

ho lavon-tsabatra izy ireo!

hotorotoroina ny zanany madinika;

ary hotatahana ny kibon’ireo vadiny bevohoka.

3. FIBEBAHAN’I ISRAELY SY FAMITRANAM-PIHAVANANA NY HO AVY

2 Miverena amin’i Iaveh, ry Israely,

fa ny helokao no nahalavo anao.

3 Mitondràteny ianareo, miaraka aminareo,

ka miverena amin’i Iaveh, lazao aminy hoe:

Esory ny heloka rehetra ary raiso izay tsara.

Aoka hatolotray Anao ho solon’ny vantotr’ombalahy

ny teny avy amin’ny molotray.

4 I Asora tsy hamonjy anay,

izahay tsy hitaingin-tsoavaly;

na hiteny hoe: Ry Andriamanitray ô!

amin’ny asan’ny tananay.

Ianao, izay ahitàn’ny kamboty fiantrana!

5 Hositraniko ny fiodinany;

ho tiako amin’ny foko tokoa izy,

fa efa niala taminy ny fahatezerako.

6 Ho toy ny ando Aho amin’i Israely;

ka haniry toy ny lisy izy,

ary handatsaka ny fakany tahaka an’i Libàna.

7 Ny rantsany hisandrahaka;

ny voninahiny, ho toy ny an’ny fototr’ôliva,

ary ny fofony manitra ho tahaka ny an’i Libàna.

8 Izay ho avy hiala sasatra ao ambanin’ny alokalony,

hampahavokatra ny vary indray;

haniry toy ny voaloboka izy;

ary ho tahaka ny divain’i Libànany anarany.

9 Efraima… Inona no mbola mba hataony any amin’ny sampy?

Izahono efa mamaly ny fangatahany sy mitsinjo azy;

tahaka ny sipresamaitso Aho;

Izaho no iavian’ny voanao.

Fampitandremana farany

10 Izay hendry no aoka hahafantatra izany zavatra izany,

izay manan-tsaina aoka hiaiky izany ho marina.

Fa mahitsy ny lalan’i Iaveh;

ka ny marina no hizotra eo,

fa ny mpiodina kosa, lavo aminy.