Categories
Rômanina

Rômanina 1

Fiarahabana

1 I Paoly mpanompon’i Kristy Jesoa, voaantso ho Apôstôly, sy voatokana hitory ny Evanjelin’Andriamanitra, –

2 izay nampanantenainy rahateo tamin’ny alalan’ny mpaminany ao amin’ny Soratra Masina,

3 momba ny Zanany izay nateraky ny taranak’i Davida araka ny nofo,

4 ary naseho tamin-keryho Zanak’Andriamanitra tamin’ny fitsanganan’ny maty, araka ny fanahin’ny fahamasinana, dia i Jesoa Kristy Tompontsika,

5 izay nandraisanay ny fahasoavana sy ny maha Apôstôly anay mba hampanaiky ny Jentily rehetra ny finoana, amin’ny Anarany,

6 ary anisan’ireny koa ianareo, noho ny fiantsoan’i Jesoa Kristy; –

7 mamangy anareo rehetra malalan’Andriamanitra any Rôma, izay olo-masina voaantsony: ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo.

Fisaorana an’Andriamanitra sy vavaka

8 Voalohany aloha, misaotra an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy aho, noho ny aminareo rehetra, fa malaza amin’izao tontolo izao ny finoanareo.

9 Andriamanitra izay tompoiko amin’ny foko tokoa, amin’ny fitoriana ny Evanjelin-Janany, no vavolombeloko fa mahatsiaro anareo lalandava aho,

10 ary mangataka mandrakariva amin’ny fivavahako, mba hisy hahafahako mankany aminareo indray andro any, raha sitrapon’Andriamanitra.

11 Fa maniry hahita anareo aho, mba hampahazo anareo fahasoavam-panahy hankahery anareo,

12 izany hoe, mba hiarahantsika mifamporisika eo aminareo, amin’ny finoana iombonako izaho sy ianareo.

13 Tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry kristianina havana, fa imbetsaka no saika hankany aminareo aho (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny), mba hijinjako vokatra kely aminareo, toy ny amin’ny Jentily sasany koa.

14 Manana adidy amin’ny Grika sy ny firenena hafa aho, na amin’ny hendry, na amin’ny tsy mahalala;

15 koa raha izaho, dia vonon-kitory ny Evanjely aminareo izay any Rôma koa aho.

Filazana ny foto-kevitra

16 Fa tsy menatra ny Evanjely aho, satria herin’Andriamanitra izany ho famonjena izay rehetra mino, dia ny Jody aloha, vao ny Jentily.

17 Fa ambara mazava ao aminy ny fahamarinan’Andriamanitraavy amin’ny finoana ho amin’ny finoana, araka ny voasoratra hoe: «Ho velona noho ny finoana ny olo-marina.»

Nahatezitra an’Andriamanitra ny Jentily

18 Fa hita miharihary avy any an-danitra ny hatezeran’Andriamanitra, mamely ny tsy fanajana an’Andriamanitra sy ny tsy fahamarinan’ireo olona izay misakana ny marina amin’ny tsy fahamarinany,

19 satria miseho miharihary ao aminy izay mba mety ho fantatra momba an’Andriamanitra, fa nasehon’Andriamanitra taminy izany.

20 Fa ny fombany tsy hita, toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra; koa tsy afa-miala tsiny izy ireo,

21 fa nahalala an’Andriamanitra izy, nefa tsy nankalaza Azy ho Andriamanitra na nisaotra Azy; fa nanjary zava-poana Izy tamin’ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto.

22 Nihambo ho hendry izy, ka tonga adala,

23 fa ny voninahitry ny Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloiny sarin-javatra mety lo, toy ny olombelona, na ny vorona, na biby mandady tongotra efatra, na biby mikisaka.

24 Noho izany, dia navelan’Andriamanitra izy ireo hoentin’ny filàn-dratsin’ny fony ho amin’ny fahalotoana, mba hifanala baràka amin’ny tenany avy;

25 nosoloiny lainga ny fahamarinan’Andriamanitra, ary naleony ny zava-boaary no nivavahana sy notompoina toy izay ny Nahary izay isaorana mandrakizay, Amen!

26 Koa natolotr’Andriamanitra ho amin’ny fitongilanan-dratsiny mahavoafady izy ireo; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’izay tsy fanaony;

27 toraka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin’ny vehivavy izy, ka izy samy lehilahy no maimay nifampila sy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ny tenany ny valy mendrika ny fivilian-tsainy.

28 Ary noho izy nanao tsirambina ny hahalala tsara an’Andriamanitra, dia navelan’Andriamanitra kosa izy hoentin’ny hevi-dratsiny hanao izay tsy tokony hatao,

29 ka rakotra izao karazam-paharatsiana rehetra izao, halozana, fahalotoana, fahalianan-karena, fisomparana, feno fialonana, vonoana olona, fifandirana, fitaka, otri-po, mpanely tsaho,

30 mpanendrikendrika, halan’Andriamanitra, miavonavona, misolanandrana, be rehaka, mpamorona sain-dratsy, tsy manoa ray aman-dreny,

31 tsy ampy saina, mpivadi-panekena, tsy manam-piononana, tsy manana olon-tiana, tsy miantra.

32 Ary na dia fantany aza, fa araka ny fitsaràn’Andriamanitra, mendrika ho fatyizay diso amin’izany rehetra izany, dia tsy hoe manao izany fotsiny izy, fa mbola mankasitraka ny hafa manao koa aza.

Categories
Rômanina

Rômanina 2

Nahatezitra an’Andriamanitra indray koa ny Jody

1 Toy izany koa ianao, ry olona, na zovy na zovy ianao no mitsara, dia tsy manan-kalahatra ianao; fa amin’ny fitsarànao ny hafa, dia manameloka ny tenanao koa ianao, satria toy ny ataon’ny hafa ihany koa no ataonao mitsara.

2 Fantatsika anefa fa marina ny fitsaràn’Andriamanitra an’izay manao toy izany;

3 ka moa ataonao va, ry olona, fa ianao mitsara ny manao izany, nefa manao koa, dia ho afa-mandositra ny fitsaràn’Andriamanitra?

4 Sa, saingy be famindram-po sy fandeferana amam-piaretana Izy ka dia tsy ahoanao? Tsy fantatrao va fa ny hatsaram-pon’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?

5 Fahatezeran’Andriamanitra anie no angonin’ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka ho anao, amin’ny andron’ny fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’Andriamanitra e!

6 dia Ilay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy:

7 fiainana mandrakizay moa ho an’izay maharitra manao ny tsara ka mitady ny haja amam-boninahitra sy ny tsy fahafatesana;

8 fa fahatezerana amam-pahavinirana kosa ho an’izay fatra-pikiry sy tsy manaiky ny marina, fa mpanaraka ny ratsy.

9 Eny, fahoriana aman-tebiteby no ho an’izay manao ny ratsy, dia ho an’ny Jody aloha, vao ho an’ny Jentily koa;

10 fa haja amam-boninahitra sy fiadanana kosa ho an’izay manao ny tsara, dia ho an’ny Jody aloha, vao ho an’ny Jentily koa,

11 satria Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona.

Teo anefa ny Lalàna

12 Izay rehetra nanota tsy nanan-dalàna, dia ho very tsy aman-dalàna; ary izay rehetra nanota nanan-dalàna kosa dia hotsaraina ara-dalàna;

13 satria tsy ny mandre ny lalàna no marina eo anatrehan’Andriamanitra, fa ny mankatò ny lalàna no hohamarinina.

14 Raha ny Jentily tsy manan-dalàna no manao ho azyizay voadidin’ny Lalàna, na dia tsy manan-dalàna aza izy, dia izy ihany no lalàna ho an’ny tenany.

15 Asehon’izy ireo amin’ny hitsim-pony mitsangan-ko vavolombelona, sy ny fisainany mifanome na mifanala tsiny koa, fa voasoratra ao am-pony ny asan’ny Lalàna,

16 mandra-pahatongan’ny andro hampitsaràn’Andriamanitra an’i Jesoa Kristy ny asa takona ataon’ny olona, araka ny Evanjely ampianariko.

17 Ary inty ny aminao, izay mitondra anarana hoe Jody: ianao dia mitoky amin’ny Lalàna sy manao an’Andriamanitra ho reharehanao,

18 mahalala ny sitrapony, sy mahafantatra izay tsaratsara kokoa, fa nampianarin’ny Lalàna,

19 mihambo ho mpitarika ny jamba, ho mpanazava ny ao amin’ny maizina,

20 ho mpananatra ny adala, ho mpanoro ny bodo, fa eo an-tananao ny Lalàna izay fitsipiky ny fahalalana sy ny fahamarinana;

21 nefa, mampianatra ny sasany ianao, fa tsy mampianatra ny tenanao: mitory hoe: aza mangalatra, nefa mangalatra ihany;

22 mandrara tsy hijangajanga, nefa mijangajanga ihany; fatra-pankahala ny sampy, nefa manazimba ny zavatra masina;

23 mirehareha ho manan-dalàna, nefa manala baràka an’Andriamanitra amin’ny fandikana ny Lalàna,

24 satria noho ianareo ihany noitenenan-dratsy ny Anaran’Andriamanitra any amin’ny Jentily,araka ny lazain’ny Soratra Masina.

Teo koa ny famorana

25 Marina fa mahasoa ihany ny famorana, raha mitandrina ny Lalàna ianao; fa manjary tsy fiforàna kosa ny fiforàna raha mandika ny Lalàna ianao.

26 Koa raha ny tsy voafora no mankatò ny didin’ny Lalàna, moa tsy hoisaina ho fiforàna va ny tsy fiforàny?

27 Eny, fa raha ny olona tsy nifora hatrizay niainany no mahatanteraka ny Lalàna, dia hanameloka anao izy, fa manana ny Soratra Masina sy ny famorana ianao, nefa mandika ny Lalàna.

28 Satria tsy izay miseho eto ivelany ho Jody no tena izy, ary tsy izay miseho eto ivelany amin’ny nofo no tena famorana;

29 fa ny Jody ao anatiny sy ny famorana ny fo no tena izy: dia ny araka ny fanahy, fa tsy araka ny soratra; ary ny toy izany no mahazo dera, tsy amin’olombelona, fa amin’Andriamanitra.

Categories
Rômanina

Rômanina 3

Teo koa ny fampanantenan’Andriamanitra

1 Koa inona àry no tombon-tsoa ananan’ny Jody, ary inona no soa azo amin’ny famorana?

2 Azo lazaina fa be ihany: voalohany, izy no nametrahana ny teny fampanantenana nataon’Andriamanitra.

3 Fa ahoana kosa raha tsy nino ny sasany? Moa ny tsy finoan’ireo va hahafoana ny tsy fivadihan’Andriamanitra? Sanatria izany!

4 fa Andriamanitra tsy maintsy ho marina, na diampandainga aza ny olona rehetraaraka ny Soratra Masina hoe:«Mba ho marina ianao raha miteny, ary tsy hanan-tsiny raha mitsara».

5 Fa raha ny tsy fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan’Andriamanitra, ahoana àry no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra raha manampatra ny fahatezerany amintsika? (miteny araka ny fanaon’ny olona aho).

6 Sanatria izany! fa raha izany, ahoana no hitsaràn’Andriamanitra an’izao tontolo izao?

7 Nefa, raha ny laingakono nampiharihary kokoa ny fahamarinan’Andriamanitra ho voninahiny, ahoana indray no itsarana ahy ho mpanota?

8 Ary nahoana no tsy hanao ratsy isika hiavian’ny soa? Atomboky ny sasany anay izany, ary tondroiny ho mampianatra izany izahay; ho voaheloka marina anefa izy ireny.

Samy meloka daholo

9 Ahoana àry: manan-tombo tokoa va isika? Tsy manana velively, satria efa voasehontsika fa voan’ny fahotana avokoa, na Jody na Jentily,

10 araka ny voasoratra hoe: «Tsy misy marina, na dia iray aza;

11 tsy misy manan-tsaina, tsy misy mitady an’Andriamanitra;

12 samy nania avokoa izy rehetra; tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.

13 Fasana misokatra ny tendany; entiny mamitaka ny lelany; poizi-menarana no ao ambany molony;

14 ozona amam-pangidiana no mameno ny vavany;

15 ny handatsa-dra no mahamailaka ny tongony;

16 fandravana sy fampahoriana no eo amin’ny alehany;

17 ny lalan’ny fiadanana tsy fantany;

18 ary ny fahatahorana an’Andriamanitra tsy eo anoloan’ny masony»

19 Fantatsika anefa fa izay fehezin’ny Lalàna no ilazan’ny Lalàna ny zavatra rehetra lazainy, mba ho tampina ny vava rehetra, ary mba hiharan’ny fitsaràn’Andriamanitra avokoa izao tontolo izao,

20 satria tsy misy olona hohamarinina amin’ny asan’ny Lalànaeo anatrehany, fa ny ahalalana tsara ny ota ihany no nataon’ny Lalàna.

Fanambaràna ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra

21 Fa ankehitriny, tsy amin’ny Lalàna, dia naseho ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, izay nambaran’ny Lalàna sy ny Mpaminany,

22 dia fahamarinana avy amin’Andriamanitra, noho ny finoana an’i Jesoa Kristy, ho an’ny mpino rehetra; satria tsy misy avaka,

23 fa samy efa nanota ihany izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitr’Andriamanitra,

24 fa hamarininy maimaim-poana amin’ny fahasoavanynoho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesoa.

25 Fa Izy no natsangan’Andriamanitra ampahibemaso ho sorom-pifonana amin’ny Rany noho ny finoana, mba hampiharihary ny fahamarinany noho Izy tsy dia namaly loatrany fahotana fahiny tamin’ny andron’ny fandeferany:

26 dia hampiharihary ny fahamarinany Izy amin’ny andro ankehitriny, mba ho hita ho marina sady manamarina izay manam-pinoana an’i Jesoa.

Ny herin’ny finoana

27 Koa aiza àry no hireharehana? Efa nofoanana izany; fa tamin’ny lalàna inona? Tamin’ny lalàn’ny asa va? Tsia, fa tamin’ny lalàn’ny finoana;

28 satria miaiky marina isika fa ny finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan’ny Lalàna.

29 Sa Andriamanitry ny Jody ihany Andriamanitra, fa tsy mba Andriamanitry ny Jentily koa? Eny, Andriamanitry ny Jentily koa izy;

30 satria Andriamanitra iray ihany no hanamarina ny voafora amin’ny finoana, sy ny tsy voafora amin’ny finoana koa.

31 Koa mandrava ny Lalàna amin’ny finoana va isika? Sanatria! fa mainka mampiorina ny Lalàna isika.

Categories
Rômanina

Rômanina 4

I Abrahama nohamarinina noho ny finoany

1 Inona àry, ny amin’i Abrahama razantsika, no holazaintsika, fa azony araka ny nofo?

2 Raha noho ny asa no nanamarinana an’i Abrahama, dia manana hireharehana ihany izy; nefa tsy manana izany akory izy, eo anatrehan’Andriamanitra.

3 Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Izao:«Nino an’Andriamanitra i Abrahama, ka izany no notanana ho fahamarinana.»

4 Satria amin’izay miasa, dia tsy heverina ho fahasoavana ho azy ny karama, fa hoe trosa;

5 ary amin’izay tsy miasa, fa mino an’Ilay manamarina ny ratsy fanahy, no tanana ho fahamarinana ho azy ny finoany, araka ny lahatry ny fahasoavan’Andriamanitra.

6 Izany no ilazan’i Davida ny hasambaran’ny olona itanan’Andriamanitra fahamarinana tsy aman’asa hoe:

7 Sambatra ny olona izay voavela ny helony

sy voasarona ny fahotany;

8 sambatra ny olona tsy hitanan’Andriamanitra heloka.

Na tsy teo aza ny famorana

9 Ary izany hasambarana izany ve, an’ny voafora ihany, sa an’ny tsy voafora koa?

10 Voalazantsika fany finoana dia notanana ho fahamarinan’i Abrahama.Oviana àry no nitanana izany? Tamin’izy efa voafora ve, sa fony izy mbola tsy voafora? Tsy tamin’izy efa voafora tsy akory, fa fony izy mbola tsy voafora.

11 Fa famantarana ny famorana,ka dia noraisiny tatỳ aoriana, mba ho tombokasen’ny fahamarinana azony noho ny finoana, fony izy mbola tsy voafora, mba ho rain’ny mpino rehetra izy, na dia ny tsy voafora aza, ka dia hotanana ho azy ireny koa ny fahamarinana;

12 ary ho rain’ny voafora koa, tsy izay voafora fe voafora anefa, fa izay manara-dia ny finoana nananan’i Abrahama razantsika, fony izy mbola tsy voafora.

Nandova na tsy teo aza ny fampanantenana

13 Tsy ny Lalàna no nahazoan’i Abrahama sy ny taranany fampanantenana handova izao tontolo izao, fa ny fahamarinana avy amin’ny finoana.

14 Fa raha izay amin’ny Lalàna no mpandova, dia foana ny finoana, ary tsinontsinona ny fampanantenana,

15 satria ny Lalàna mitarika fahatezerana, fa raha tsy misy Lalàna, dia tsy misy koa fandikan-dalàna.

16 Koa nyfinoana no andovana,mba ho araka ny fahasoavana, ka ho mafy ho an’ny taranaka rehetra ny fampanantenana, dia tsy ho an’izay amin’ny Lalàna ihany, fa ho an’izay amin’ny finoan’i Abrahama koa, satria raintsika rehetra izy,

17 araka ny voasoratra hoe:Natsangako ho rain’ny firenena maro ianao,eo anatrehan’izay ninoany, dia Andriamanitra mpamelona ny maty, sy mpiantso ny tsy misy toy ny misy.

Ny finoan’i Abrahama sy ny finoan’ny kristianina

18 Nino izy, fa nanantena na dia tsy nisy tokony hanantenany aza, ka tongarain’ny firenena maro,araka ny voalaza taminy hoe: «Ho tahaka izany ny taranakao.»

19 Sady tsy mba nalemy finoana izy, fa tsy noheveriny akory ity tenany efa hoatra ny maty (efa tokony ho zato taona izy fahizany) sy izato kibon’i Sarà efa ritra aina.

20 Tsy nasiany fisalasalana na ahiahy kely akory ny teny napetrak’Andriamanitra taminy, fa nampaherezin’ny finoana izy, ka nanome voninahitra an’Andriamanitra

21 tamin’ny fitokiana mafy Azy ho mahay manatanteraka ny zavatra rehetra nampanantenainy;

22 koa notanana ho fahamarinany izany.

23 Ary tsy ho azy ihany no nanoratana fanotanana ho fahamarinana izany;

24 fa ho antsika izay hitanana izany koa, dia isika izay mino an’Ilay nanangan-ko velona an’i Jesoa Kristy Tompontsika,

25 Izaynatolotra noho ny fahadisoantsika,ary nitsangana indray mba ho fanamarinana antsika.

Categories
Rômanina

Rômanina 5

Ny fanamarinana, antoky ny famonjena

1 Koa amin’izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika,

2 izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr’Andriamanitra.

3 Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana,

4 ny faharetana hahatonga hatsaram-panahy voazaha toetra, ny hatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana;

5 ary ny fanantenana tsy mba manodòka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra.

6 Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty tamin’ny fotoana voatendry i Kristy mba hamonjy ny ratsy fanahy.

7 Saika tsy misy manaiky ho faty hamonjy ny olo-marina; ary angamba hisy ihany sahy maty hamonjy ny manao soa.

8 Fa izao kosa no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika: fony mbola mpanota isika

9 no maty hamonjy antsika i Kristy; koa mainka ka izao efa nohamarinina tamin’ny Rany izao, dia tsy maintsy afany amin’ny fahatezerana mihitsy.

10 Satria, raha fony mbola fahavalo aza isika, nampihavanina tamin’Andriamanitra noho ny nahafatesan’ny Zanany, mainka fa rehefa nampihavanina, dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa.

11 Tsy izany ihany koa, fa isika dia mifaly amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.

I Adama sy i Jesoa Kristy

12 Noho izany àry, dia tahakany nidiran’ny fahotanatamin’izao tontolo izao tamin’ny olona iray, sy nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana, ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra:

13 fa nisy ota ihanytamin’izao tontolo izao na talohan’ny Lalàna aza, saingy tsy tananahisy saziny ny otaraha tsy misy lalàna…

14 Nanjaka ihany anefa ny fahafatesana hatramin’i Adama ka hatramin’i Môizy, na dia tamin’izay tsy nanao fahotana toraka ny fandikana nataon’i Adama aza; ary i Adama dia tandindon’ilay Adama ho avy.

15 Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana; fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra, mainka fa ny fahasoavan’ny olona iray, dia i Jesoa Kristy, no nandraisan’ny olona rehetra ankabetsahana ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana.

16 Ary tsy mba tahaka izay tonga noho ny anankiray nanota ny fanomezana; satria noho ny ota anankiray no nisian’ny fitsarana ho fanamelohana; fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisian’ny fahasoavana ho fanamarinana.

17 Satria raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’io anankiray io, mainka fa ny nataon’ny anankiray, dia i Jesoa Kristy, no hanjakan’izay mahazo ny haben’ny fahasoavana amam-panomezam-pahamarinana amin’ny fiainana.

18 Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny fanamarinana ahazoam-piainana ho an’ny olona rehetra kosa noho ny fahamarinana iray.

19 Fa tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy naneken’ny olona iray no hahatongavan’ny maro ho marina kosa noho ny naneken’ny olona iray.

20 Ny Lalàna dia nisisika nahabe ny fahadisoana; nefa tao amin’izay nahabe ny fahadisoana indrindra no nihoaran’ny fahasoavana ho ambony lavitra,

21 mba ho tahaka ny nanjakan’ny fahotana hahafaty, no hanjakan’ny fahasoavana amin’ny fahamarinana hahavelona mandrakizay kosa, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Categories
Rômanina

Rômanina 6

Ny Batemy

1 Inona àry no holazaintsika: mbola hitoetra amin’ny fahotanaihany va isika, hitomboan’ny fahasoavana?

2 Sanatria izany! Hataontsika efa maty ny amin’ny fahotana ahoana no mbola ho velona aminy ihany?

3 Moa tsy fantatrareo va fa isika rehetra natao Batemy ho an’i Kristy Jesoa, dia natao Batemy ho amin’ny fahafatesany?

4 Koa niara-nalevina taminy tamin’ny Batemy ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy ho velona, tamin’ny voninahitry ny Ray, no handehanantsika amin’ny fiainam-baovao koa.

5 Fa raha nampiraisina taminy tamin’ny fakan-tahaka ny nahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ny fitsanganany;

6 fa fantatsika fa ilay olona tranainytoetrantsika dia niara-nofantsihana taminy, mba ho levona ny tenan’ny fahotana, ka tsy hanompo ny fahotana intsony isika,

7 satria izay maty dia afaka amin’ny fahotana.

8 Ary raha niara-maty tamin’i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa;

9 sady fantatsika fa rehefa nitsangan-ko velona Izy dia tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.

10 Satria ny fahafatesany moa, dia fahafatesana indray maka ny amin’ny fahotana; fa ny fahavelomany kosa, dia fahavelomana ho an’Andriamanitra.

11 Ary aoka ho toy izany koa ianareo ka hanao ny tenanareo ho toy ny efa maty ny amin’ny fahotana, fa velona kosa ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa.

Asan’ny fahotana sy asan’ny fahamarinana

12 Koa aoka ny fahotana tsy hanjaka amin’ny tenanareo mety maty, amin’ny fanarahana ny filàn-dratsiny;

13 ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana hataony fiasana fanaovan-dratsy; fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana.

14 Fa tsy hanan-kery aminareo ny fahotana, satria ianareo tsy ambanin’ny Lalàna, fa ambanin’ny fahasoavana.

Afahana amin’ny fahotana ny kristianina

15 Ahoana àry: hanota va isika, satria tsy ao ambanin’ny Lalàna, fa ao ambanin’ny fahasoavana? Sanatria izany!

16 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza anoloranareo tena ho mpanompo mba hanaiky azy, dia mpanompon’izay ekenareo ianareo, na ny fahotana ho amin’ny fahafatesana izany, na ny fanekena ho amin’ny fahamarinana?

17 Ary isaorana Andriamanitra, fa na dia nanompo ny fahotana aza anie ianareo, dia nanaiky tao am-po tokoa ny fitsipi-pampianarana natolotra anareo;

18 ary rehefa afaka tamin’ny fahotana ianareo, dia tonga mpanompon’ny fahamarinana.

19 Miteny araka ny fanaon’ny olona aho, noho ny fahalemen’ny nofonareo: tahaka ny nanoloranareo ny tenanareo hanompo ny fahalotoana sy ny tsy fahamarinana hahatanteraka ny tsy fahamarinana, no aoka hanoloranareo ny rantsam-batanareo ankehitriny hanompo ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.

20 Fa fony mpanompon’ny ota ianareo, dia olon-ko azy tamin’ny fahamarinana.

Ireo vokatry ny fahotana sy vokatry ny fahamarinana

21 Inona àry no vokatra azonareo tamin’izay? Vokatra mahamenatra anareo fe ankehitriny, fa fahafatesana no iafarany.

22 Ary ankehitriny kosa, rehefa afaka tamin’ny fahotana ianareo, ka efa tonga mpanompon’Andriamanitra, dia ny fahamasinana no vokatra azonareo, ary ny fiainana mandrakizay no hiafaranareo.

23 Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota, ary ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika kosa no fanomezan’Andriamanitra.

Categories
Rômanina

Rômanina 7

Afahana amin’ny Lalàna ny kristianina

1 Tsy fantatrareo va, ry hava-malala (miteny amin’ny mahalala ny Lalàna aho), fa raha mbola velona ny olona no fehezin’ny lalàna?

2 Ohatra: ny vehivavy manam-bady dia fehezin’ny lalàna ho an’ny lahy raha mbola velona ny lahy: fa afaka amin’ny lalàn’ny lahy kosa izy rehefa maty ny lahy.

3 Koa raha mbola velona ny lahy no manambady olon-kafa izy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa rehefa maty kosa ny lahy, na manam-bady olon-kafa aza izy, dia tsy mba mpijangajanga intsony, fa efa afaka amin’ny lalàn’ny lahy.

4 Toy izany koa ianareo, ry havako malala, maty ny amin’ny Lalàna noho ny Tenan’i Jesoa Kristy ianareo, mba ho vadin’ny hafa, dia Ilay nitsangan-ko velona, mba hahavokarantsika ho an’Andriamanitra.

5 Fa fony mbola tao amin’ny nofo isika, dia ny filàn’ny ota, izay nohetsehin’ny Lalàna, no niasa tao amin’ny rantsam-batantsika, hahavokatra ho an’ny fahafatesana;

6 fa ankehitriny kosa dia afaka amin’ny Lalàna isika fa efa maty ny amin’ny Lalàna izay nifehezana antsika, ka manompoan’Andriamanitraamin’ny fanahy vaovao, fa tsy amin’ny soratra lany taona.

Asan’ny Lalàna

7 Inona àry no holazaintsika: ota va ny Lalàna? Sanatria izany! Fa tsy nahalala ny fahotana aho, raha tsy tamin’ny Lalàna; ohatra, tsy ho nahalala ny fanirian-dratsy aho, raha tsy ny Lalàna no nilaza hoe:Aza maniry ratsy.

8 Dia io didy io no nohararaotin’ny fahotana hampihetsika ny fanirian-dratsy rehetra tato anatiko; satria raha tsy misy Lalàna, dia maty ny fahotana.

9 Izahodia olona tsy nanan-dalàna fahiny; fa nony tonga ny didy, dia nahazo aina ny fahotana,

10 ka maty terỳ aho. Noho izany, ny didy natao hahazoana fiainana no tonga nahazoako fahafatesana,

11 satria nohararaotin’ny fahotana hamitaka sy hamono ahy ny didy.

12 Masina ihany anefa ny Lalàna, ary masina ny didy, sady marina no tsara.

13 Koa zavatra tsara izany nanjary fahafatesana ho ahy? Sanatria izany! fa ny fahotana no nahafaty ahy tamin’ny zavatra tsara, mba hiharihary ny faharatsiany ka ho tonga mpanota erỳ ny fahotana noho ny didy.

Tolona ao anaty

14 Fa fantatsika fa ny Lalàna dia ara-panahy, ary izaho kosa dia ara-nofo, namidy ho andevon’ny fahotana.

15 Satria tsy hitako be ihany izay ataoko; tsy ny tiako no ataoko, fa ny hàlako no anoiko.

16 Koa rehefa ny tsy tiako no ataoko, dia miaiky aho fa tsara ny Lalàna.

17 Ary amin’izany dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny fahotana izay mitoetra ato anatiko.

18 Fa fantatro fa tsy mitoetra ato amiko ny tsara, izany hoe tsy ato amin’ny nofoko; ny fikasana fotsiny no ato amiko, fa tsy ny manatanteraka ny tsara,

19 satria tsy ny tsara izay tiako no ataoko, fa ny ratsy izay tsy tiako;

20 ka rehefa tsy ny tiako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny fahotana izay mitoetra ato amiko.

21 Ka toa misy lalàna toy izao ato amiko: nony te hanao ny tsara aho, dia ny ratsy no indro misosoka.

22 Satria amin’ny olona ao anaty aho, dia mankasitraka ny lalàn’Andriamanitra ihany,

23 fa ny lalàna hitako amin’ny rantsam-batako sy manohitra ny lalàn’ny saina no manandevo ahy amin’ny lalàn’ny fahotana izay ao amin’ny rantsam-batako.

24 Indrisy! olo-mahantra aho; iza re no hanafaka ahy amin’ity vatam-pahafatesana ity?

25 Hisaorana anie Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika! Izaho izany, dia sady mpanompon’ny lalàn’Andriamanitra amin’ny saina no andevon’ny lalàn’ny fahotana amin’ny nofo koa.

Categories
Rômanina

Rômanina 8

Fiainana ao amin’ny Fanahy Masina

1 Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa sady tsy mandeha ara-nofo;

2 fa ny lalàn’ny Fanahin’ny aina no nanafaka ahy tamin’ny fahotana sy ny fahafatesana, tamin’ny alalan’i Kristy Jesoa.

3 Satria izay tsy vitan’ny Lalàna noho izy tsy nanan-kery azon’ny nofo, dia vitan’Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany tao amin’ny endriky ny nofom-pahotana sy noho ny fahotana, ka nanameloka ny fahotana tao amin’ny nofony,

4 mba ho tanteraka ny fahamarinan’ny Lalàna ao amintsika, izay tsy mandeha ara-nofo, fa ara-panahy.

5 Fa izay ara-nofo dia mankafy ny zavatry ny nofo ary izay ara-panahy dia mankafy ny zava-panahy.

6 Ny fitiavan’ny nofo dia fahafatesana, fa ny fitiavan’ny Fanahy kosa dia fiainana amam-piadanana.

7 Satria ny fitiavan’ny nofo dia mifandrafy amin’Andriamanitra, fa tsy manaiky ny lalàn’Andriamanitra izy; sady tsy hainy aza izany.

8 Koa izay ao amin’ny nofo dia tsy mety ho sitrak’Andriamanitra.

9 Fa ianareo dia tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin’Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy Azy izy;

10 fa raha ao anatinareo i Kristy, na dia maty aza ny vatana noho ny fahotana, dia miaina kosa ny fanahy noho ny fahamarinana.

11 Ary raha ny Fanahin’izay nanangana an’i Jesoa ho velona no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesoa koa no hamelona ny vatanareo mety maty, noho ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo.

12 Koa amin’izany, ry kristianina havana, tsy mpitrosa amin’ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo.

13 Satria raha velona ara-nofo ianareo dia ho faty; fa raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan’ny nofo, dia ho velona ianareo.

Zanak’Andriamanitra noho ny asan’ny Fanahy Masina

14 Satria izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia zanak’Andriamanitra.

15 Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-panandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray ianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Aba! Ray!

16 Ary ny Tenan’io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.

17 Ary raha zanaka dia mpandova, eny sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy, satria raha miara-mijaly aminy isika, dia hiara-komen-boninahitra aminy koa.

Nomanina homena voninahitra

18 Satria ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika.

19 Fa indrakindrafana be ihany ny zava-boaary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra;

20 satria izao zava-boaary rehetra izao dia natao mpanompo ny zava-poana, tsy araka ny nàhiny, fa noho ilay nampanompo azy,

21 nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia hoalàna amin’ny fanandevozam-pahalòvana ho amin’ny fahafahana amam-boninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.

22 Fa fantatsika fa, mandraka ankehitriny, dia miara-misento sy mijaly toy ny mihetsi-jaza izao zava-boaary rehetra izao.

23 Ary tsy izy ihany, fa na isika efa manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy koa aza, dia misento ao anatintsika ao, miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana ny vatantsika.

24 Fa vao amin’ny fanantenana fotsiny no nahavoavonjy antsika. Ary ny mahita izay antenaina, dia tsy mba manantena intsony, fa efa hitany ka ahoana indray no hanantenany?

25 Fa raha ny tsy hita no antenaintsika, dia miandry amim-paharetana isika.

26 Manaraka izany, ny Fanahy koa no manohana ny fahalementsika, satria na izay mety hangatahintsika aza tsy fantatsika, fa ny tenan’Izy Fanahy ihany no mangataka amin’ny fitarainana tsy hay lazaina;

27 ary izy mikaroka ny fo no mahalala izay irin’ny Fanahy, sy ny fifonany araka an’Andriamanitra ho an’ny olo-masina.

28 Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.

29 Satria izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin’ny Zananykoa, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy.

Ny rafitra famonjena

30 Ary izay notendreny no nantsoiny koa; izay nantsoiny no nohamarininy koa; izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.

Antsa fiderana ny fitiavan’Andriamanitra

31 Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?

32 Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?

33 Iza no hiampanga an’izay voafidin’Andriamanitra?Andriamanitra no manamarina azy

34 ka zovy no hanameloka?Moa i Kristy va, Ilay efa maty, fa nitsangan-ko velona, sy mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika?

35 Koa iza àry no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa fahaterena, sa fanenjehana, sa fahanoanana, sa tsy fananana inoninona, sa loza, sa sabatra?

36 Araka ny voasoratra hoe: «Ianao no amonoana anay isan’andro; mova tsy ny ondry famono no fihevitry ny olona anay.»

37 Amin’izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika.

38 Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana,

39 na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.

Categories
Rômanina

Rômanina 9

Ny tombon-tsoa nomena an’i Israely

1 Milaza ny marina ao amin’i Kristy aho, ka tsy mandainga, ary ny Fanahy Masina sy ny hitsim-poko no vavolombeloko,

2 fa malahelo mafy aho, ory lalandava ny foko,

3 satria saiky niriko aza ny ho voaozona ho lavitra an’i Kristy ny tenako, hamonjeko ny rahalahiko, izay havako araka ny nofo,

4 dia ireo Israelita, izay manana ny fananganan-janaka, sy ny voninahitra, sy ny fanekena, sy ny Lalàna, sy ny fombam-pivavahana, ary ny fampanantenana;

5 azy koa ny Patriarka, sady avy aminy araka ny noho i Kristy, izay ambonin’ny zavatra rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amen.

Andriamanitra tsy mba mivadika

6 Tsy dia ny tenin’Andriamanitra tsy akory no foana; fa izay taranak’i Israely no tsy tena Israely avokoa,

7 ary izay terak’i Abrahama no tsy zanany daholo, fa izao:Ny avy amin’i Isaaka ihany no hantsoina ho taranakao;

8 izany hoe: tsy ny zanaky ny nofo no zanak’Andriamanitra, fa ny zanaky ny fampanantenana no isaina ho taranaka.

9 Ary toy izao no teny fampanantenana iray:Amin’ny herintaona toy izao dia ho avy indray Aho, ary hahazo zazalahy i Sarà.

10 Ary tsy i Sarà ihany, fa toy izany koa i Rebekà, ilay nanan-janaka roa tamin’ny lehilahy iray, dia i Isaaka raintsika:

11 satria mbola tsy teraka akory ireo, ka mbola tsy nanao soa na ratsy (mba tsy hiova ny laha-pifidianan’Andriamanitra, tsy avy amin’ny asa, fa amin’ny safidin’Izy niantso),

12 no nilazana tamin-dravehivavy hoe:Ny zokiny hanompo ny zandriny

13 araka ny voasoratra hoe koa:i Jakôba no tiako, fa i Esao no hàlako.

Andriamanitra tsy manao ny tsy rariny

14 Inona àry no holazaintsika: misy tsy fahamarinana ao amin’Andriamanitra? Sanatria izany!

15 Fa hoy Izy tamin’i Môizy:Hamindra fo amin’izay tiako hamindram-po Aho, ary hiantra izay tiako hiantrana.

16 Koa tsy izay maniry na mihazakazaka, fa Andriamanitra mamindra fo no antony.

17 Fa hoy ny Soratra Masina tamin’i Faraôna:Ny hoentiko mampiharihary ny heriko, sy hanambaràna ny Anarako amin’ny tany rehetra no nananganako anao.

18 Koa dia izay tiany hamindram-po no amindrany fo, ary izay tiany hohamafisim-po no hamafisiny fo.

19 Fa ianao kosa hanao amiko hoe: «Ka ahoana indray no anomezan’Andriamanitra tsiny, nefa tsy misy mahatohitra izay sitrapony tsinona?»

20 Eisy! iza moa ianao, ry olombelona, no sahy hifamaly amin’Andriamanitra? Moa ny vilany tany va hanao amin’izay nanefy azy hoe: «Nahoana aho no nataonao toy izao?»

21 Moa tsy tompon’ny tanimanga va ny mpanefy vilany, ka mahazo manao zavatra samihafa amin’ny vongana iray monja: ny iray moa hohajaina, ny iray kosa hatao tsinontsinona?

22 Koa maninona, raha te hampiseho ny fahatezerany Andriamanitra, sy te hampahafantatra ny heriny, ka mbola naharitra tamim-pandeferana lehibe an’ireo fanaky ny fahatezeranananoman-tena ho an’ny fahaverezana?

23 na te hampahafantatra ny haren’ny voninahiny koa Izy, ka nanomana rahateo an’ireo fanaky ny famindram-poho amin’ny voninahitra,

24 dia ho antsika izay tsy nalainy tamin’ny Jody ihany, fa tamin’ny Jentily koa?

Efa voalaza ao amin’ny Testamenta Taloha ny hivadihan’i Israely sy ny hiantsoana ny firenen-kafa

25 Izany indrindra no lazainy ao amin’i Osea hoe:«Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho, sy ny tsy malala hoe malala, ary ny tsy namindram-po hoe namindram-po.

26 Ary any amin’ny tany nilazana hoe tsy oloko ianareo, no hiantsoana ny any hoe zanak’Andriamanitra velona»

27 Izany koa no iantsoan’i Izaia mafy ny amin’i Israely hoe:«Na dia toy ny fasika any amin’ny ranomasina aza ny isan’ny zanak’i Israely, dia izay sisa ihany no ho voavonjy.

28 Andriamanitra dia faingam-panatanteraka ny teniny an-tsakany sy an-davany, ka hotanterahiny tokoa izany eto ambonin’ny tany.»

29 Ary izany no nilazan’i Izaia rahateo hoe:«Raha tsy namelàn’Andriamanitry ny tafika, taranaka isika, efa tonga iray lasitra tamin’i Sôdôma, sy nanahaka an’i Gômôra.»

30 Inona àry no holazaintsika? Ny Jentily izay tsy nitady ny fahamarinana ity no nahazo ny fahamarinana, dia ny fahamarinana avy amin’ny finoana;

31 fa i Israely nitady lalàn’ny fahamarinana kosa, tsy tojo azy.

32 Nahoana re? Satria tsy tamin’ny finoana, fa tamin’ny asa no nataony hahazoana azy; ka tafintohina tamin’nyvato manafintohinaizy,

33 araka ny voasoratra hoe:Indro, apetrako ao Siôna ny vato manafintohina sy ny vatolampy mahasolafaka; fa izay mino Azy ihany no tsy mba ho menatra.

Categories
Rômanina

Rômanina 10

Ny Jody tsy nahalala ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra

1 Ry hava-malala, ny irin’ny foko sy angatahiko amin’Andriamanitra ho azy ireo, dia ny hahazoany famonjena.

2 Fa vavolombelon’ny fahazotoany ho an’Andriamanitra aho, saingy fahazotoana tsy ara-pahalalana ny azy;

3 satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra izy, ka nitady hanamarin-tena, fa tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra.

4 I Kristy ihany anefa no anton’ny Lalàna, mba ho fanamarinana an’izay rehetra mino.

Ny fahamarinana nambaran’i Môizy

5 Izany no nilazan’i Môizy fany olona manatanteraka ny fahamarinana avy amin’ny Lalàna no ho velona amin’izany;

6 ary izao kosa no lazain’ny fahamarinana avy amin’ny finoana:Aza manao anakam-po hoe: Iza no hiakatra any an-danitra?dia ny hampidina an’i Kristy izany;

7 na hoe:Iza no hidina any amin’ny tevam-be?dia ny hampiakatra an’i Kristy avy any amin’ny maty izany.

8 Fa ahoana, hoy izy? Izao:Eo akaikinao ny teniny, fa eo am-bavanao sy ao am-ponao, dia ny teny finoana izay torinay.

9 Ka raha manaiky amin’ny vavanao ianao fa i Jesoa no Tompo, sy mino amin’ny fonao fa Andriamanitra nanangana Azy ho velona, dia ho voavonjy ianao.

10 Satria ny finoana amin’ny fo no ahazoana fahamarinana; ary ny fanekena amin’ny vava no ahazoana famonjena,

11 araka ny tenin’ny Soratra Masina hoe:«Izay mino Azy tsy mba ho menatra.»

12 Tsy misy hafa na Jody na Jentily; satria ny Tompo iray no iombonan’izy rehetra, manan-karena ho an’izay rehetra miantso Azy;

13 fa izay rehetra hiantso ny Anaran’ny Tompo no hovonjena.

Tsy afa-tsiny ireo

14 Hatao ahoana àry no fiantso izay mbola tsy ninoana? Hatao ahoana no fino izay mbola tsy re? Hatao ahoana no fandre raha tsy misy mitory?

15 Ary hatao ahoana no fitory raha tsy misy irahina? araka ny voasoratra hoe:«Endrey ny hatsaran’ny tongotr’ireto mitory hasambarana!»

16 Tsy ny rehetra anefa no nanaiky ny Evanjely, araka ny tenin’i Izaia hoe:«Tompo ô, iza no nino ny teny notorinay?»

17 Koa avy amin’ny toriteny ny finoana; ary avy amin’ny tenin’i Kristy no toriteny.

18 Fa hoy izaho: Sao dia tsy nandre izy ireo? Tsy izany akory;lasa nanerana ny tany rehetra ny feony, ary tonga hatramin’ny faravazantany ny teniny.

19 Fa hoy indray aho: Sao tsy nahalala kosa i Israely? Ehe, i Môizy ihany no voalohany nanoratra hoe:Hataoko velom-pialonana an’izay tsy firenena akory ianareo; ary hataoko entin-katezerana amin’ny firenena tsy misy saina.

20 Ny an’i Izaia indray aza no manoatra, fa hoy izy:«Hitan’izay tsy nitady Ahy Aho, ary niseho tamin’izay tsy nanontany Ahy.»

21 Fa hoy kosa Izy nony milaza ny amin’i Israely:Naninjitra ny tanako isan’andro amin’ny firenena tsy mino sy mpikomy Aho.