Categories
Rômanina

Rômanina 11

Ireo sisa amin’i Israely

1 Koa hoy izaho:Moa dia narian’Andriamanitra va ny olony?Sanatria izany! Fa izaho koa dia Israelita, taranak’i Abrahama, sy fokon’i Benjamina,

2 ka tsy narian’Andriamanitra ny olony, izay efa fantany rahateo. Tsy fantatrareo va ilay itantaran’ny Soratra Masina ny fitarainan’i Elia tamin’Andriamanitra namely an’i Israely hoe:

3 Tompo ô, efa namono ny mpaminaninao izy ireo, sy efa nandrava ny ôtelinao; izaho dia izaho irery no sisa, ary izaho indray aza fofoiny ho faty.

4 Nefa izao no navalin’Andriamanitra azy:Misy fito arivo lahy no efa natokako ho Ahy, sy tsy nandohalika tamin’i Baala.

5 Toy izany koa ankehitriny, misy sisa ihany, araka ny fifidianan’ny fahasoavana.

6 Ary raha avy amin’ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin’ny asa; fa raha avy amin’ny asa, dia tsy mba fahasoavana intsony.

7 Ahoana àry izany? I Israely tsy nahazo izay notadiaviny, fa izay nofidin’Andriamanitra no nahazo; ny sisan’izay nohajambaina,

8 araka ny voasoratra hoe:Mandraka androany, dia fanahy donto, sy maso tsy mahita, ary sofina tsy mahare no nomen’Andriamanitra azy ireo.

9 Hoy koa i Davida:Aoka ny latabany hanjary fandrika sy tonta ho azy ireo, ary ho fanafintohinana sy famaliana azy.

10 Aoka ny masony ho jamba tsy hahita, ary ny lamosiny hamokoka mandrakariva.

Mbola hisy ny fanarenana

11 Koa hoy izaho: Moa dia tafintohina, ka lavo tsy ho tafarina intsony va izy ireo? Sanatria izany! Fa ny fahalavoany no nahatonga famonjena ho an’ny Jentily, mba hahavelom-pialonana an’i Israely.

12 Koa raha ny fahalavoany no tonga haren’izao tontolo izao, ary ny nihenàny no zary haren’ny Jentily, hanao ahoana re ny hafenoany?

13 Aminareo Jentily no itenenako: amin’ny maha-Apôstôlin’ny Jentily ahy, dia manome voninahitra ny fandraharahana nomena ahy aho,

14 mba hahavelom-pialonana an’ireo tapako, ka hamonjy ny sasany amin’izy ireo, raha azo atao.

15 Raha ny fanariana azy àry no fampihavanana an’izao tontolo izao, hanao ahoana kosa ny fandraisana azy: tsy ho fitsanganana avy any amin’ny maty va?

Mbola i Israely no vahoaka voafidy

16 Raha masina ny santatra, dia masina koa ny sisa rehetra; ary raha masina ny fotony, dia masina koa ny rantsany.

17 Ary raha saingy notapahina ny rantsana sasany, ka ianao izay toy ny hazo ôliva naniry ho azyno natsofoka hisolo ireny, sy tonga miombona amin’ny fototra mbamin’ny ranon’ny fototr’ôliva,

18 dia aza mirehareha amin’ny rantsany; fa raha mirehareha ianao, tsy ianao no mitondra ny fotony, fa ny fotony no mitondra anao.

19 Angamba ianao hanao hoe: «Notapahina ireny rantsany ireny, mba hanatsofohana ahy.»

20 Marina ihany izany; ireny dia notapahina noho ny tsy finoany, fa ianao kosa natsofoka noho ny finoanao; ka aza miavonavona, fa matahora.

21 Satria, raha ny tena sampana aza tsy notsitsin’Andriamanitra, matahora fa tsy hitsitsy anao akory Izy.

22 Koa fantaro àry fa sady mora fo Andriamanitra no saro-po koa: saro-po amin’izay lavo izy, fa mora fo aminao kosa, raha maharitra amin’ny hamoram-pony ianao; fa raha tsy izany dia hotapahina koa ianao.

23 Fa ry zareo ireny kosa no hatsofoka indray, raha tsy mikiry amin’ny tsy finoany izy; satria hain’Andriamanitra ny hanatsofoka azy indray.

24 Fa ianao tsy tena rantsany aza, fa nalaina tamin’ny fototr’ôliva naniry ho azy, azo natsofoka amin’ny fototr’ôliva tsara, ka mainka ny tena rantsany no ho azo atsofoka amin’ny fototr’ôliva nanapahana azy!

Hibebaka i Israely

25 Fa mbatsy hanaovanareo ny tenanareo ho hendry,dia tsy tiako tsy ho fantatrao, ry hava-malala, izao zava-miafina izao: nilatsaka amin’ny hajambana ny sasany amin’i Israely, mandra-piditry ny hafenoan’ny Jentily.

26 Ary amin’izany dia ho voavonjy avokoa i Israely rehetra, araka ny voasoratra hoe:Hivoaka avy ao Siôna ny Mpanafaka, ka hanesotra ny tsy fahamarinana rehetra amin’i Jakôba,

27 dia ho tanteraka amin’izany ny fanekena nataoko tamin’izy ireo, rehefa voaesotra ny fahotany.

28 Raha amin’ny Evanjely, dia mbola fahavalo izy noho ianareo; fa raha amin’ny fifidianana kosa, dia malala izy noho ny razany;

29 satria tsy misy anenenany ny fanomezan-tsoa sy ny fiantsoan’Andriamanitra.

30 Fa ianareo fahiny mba tsy nanaiky an’Andriamanitra ihany, nefa noho ny tsy naneken’izy ireny dia nahazo famindram-po ankehitriny.

31 Toy izany koa izy ireny ankehitriny, tsy manaiky an’Andriamanitra izy, nefa noho ny famindram-po azonareo, dia hahazo famindram-po toraka izany koa.

32 Fa samy nohidian’Andriamanitra tamin’ny tsy fanekena ny olona rehetra, mba samy hamindrany fo avokoa.

Antsa fiderana ny fahendren’Andriamanitra be indrafo

33 Endrey, lalina tsy manam-paharitana ny fahendrena amam-pahaizan’Andriamanitra, tsy azo fantarina ny fitsaràny, ary tsy takatry ny saina ny lalany!

34 Fa iza moa no nahalala izay hevitry ny Tompo, ary zovy no mpanolo-tsaina Azy?

35 Sa iza nonanome azy aloha, mba hahazoany valin’izany?

36 Avy aminy sy noho Izy ary ho Azy ny zavatra rehetra. Eny, Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay! Amen.

Categories
Rômanina

Rômanina 12

Ny fivavahana ara-panahy

1 Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.

2 Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.

Fanetren-tena sy fitiavana eo amin’ny iray ankohonana

3 Noho ny fahasoavana nomena ahy, dia izao no lazaiko aminareo tsirairay avy: Aza mihevi-tena mihoatra noho ny mety, fa samia mahalala ny antonona azy, araka ny anjara finoananomen’Andriamanitra azy avy.

4 Fa toy ny tena iray ananantsika, misy rantsam-batana marotsy mitovy asa,

5 no mahatena iray antsika ao amin’i Kristy, na dia maro aza isika; ka mifampirantsam-batana isika rehetra tsirairay avy.

6 Ary samy manana ny anjara fanomezany isika araka ny fahasoavana noraisintsika avy, ka raha faminanianaizany, dia aoka ho arakaraka ny anjara finoana;

7 raha fandraharahana, dia aoka ho ao anatin’ny fandraharahana; ity moa nandray ny fanomezana hampianatra, aoka izy hampianatra;

8 itsy kosa ny fanomezana hananatra, dia aoka izy hananatra; ny iray mizara, ka aoka hanao izany amim-pahatsorana; ny iray kosa mifehy, ka aoka hanefa izany amim-pahazotoana, ary ny hafa koa manao asa fiantrana, dia aoka hanatanteraka izany an-kafaliana.

9 Aza asiana fihatsarambelatsihy ny fitiava-namana; mankahalà ny ratsy, ary miraiketa amin’ny tsara.

10 Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpiray tam-po, mifaninàna hifanaja.

11 Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e!

12 Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana;

13 manampia ny olo-masinaaraka izay ilaina, ary mazotoa mampiantrano vahiny.

Fitiavana ny olona rehetra na ny fahavalo aza

14 Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.

15 Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.

16 Miraisa hevitra: aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra.Aza manao ny tenanareo ho hendry.

17 Aza mamaly ratsy, na amin’iza na amin’iza; famivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan’Andriamanitra ihany, faeo imason’ny olonarehetra koa.

18 Raha azonareo atao, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.

19 aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe:Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly,hoy ny Tompo.

20 Omeo hanina ny fahavalonao raha noana, ary omeo hosotroina izy raha mangetaheta, fa ny fanaovana izany no hanangonanao vain’afoho eo an-dohany.

21 Aza mety ho resin’ny ratsy, fa reseo amin’ny soa ny ratsy.

Categories
Rômanina

Rômanina 13

Fanekena ny manam-pahefana

1 Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana; satria tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, fa voatendriny avokoa izay misy rehetra.

2 Koa izay manohitra ny fahefana, dia manohitra ny fandaharan’Andriamanitra; ary izay manohitra, dia mihatsy fanamelohana ny tenany.

3 Tsy mba ny asa tsara no atahorana ny mpifehy, fa ny ratsy atao ihany. Ka raha tsy te hatahotra ny mpifehy ianao, dia ny tsara no ataovy, fa hahazo dera aminy ianao,

4 satria lefitr’Andriamanitra amin’ny fanasoavana anao izy. Fa raha ny ratsy kosa no ataonao dia matahora, satria tsy entiny foana ny sabatra, fa entiny hitezitra sy hamaly izay manao ratsy amin’ny maha-lefitr’Andriamanitra azy.

5 Koa ilaina àry ny manaiky, tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny hitsim-po koa.

6 Noho izany ihany koa no andoavanareo hetra; fa mpanao raharahan’Andriamanitra ny mpifehy, milozoka amin’izay raharahany.

7 Koa ataovy amin’izy rehetra àry izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana, tahotra ho an’izay tokony hatahorana, ary haja ho an’izay tokony hohajaina.

Ny fitiavana no mamintina ny Lalàna

8 Aoka tsy hisy hanan-trosa aminareo, afa-tsy ny fifankatiavana; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.

9 Satria ny hoe:Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza miampanga lainga, aza mitsirirì-javatr’olona,mbamin’ny didy hafa rehetra, dia voalaza fohy amin’ny teny hoe:Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.

10 Ny fitiavana, no fahatanterahana ny lalàna an-tsakany sy an-davany.

Zanaky ny mazava ny kristianina

11 Ary amin’izao indrindra no ilàna izany, satria fantatsika ny andro, fa fotoana tokony hifohazantsika amin’ny fatoriana izao, fa ankehitriny akaiky antsika ny famonjena fa tsy tahaka ny fony isika vao nino.

12 Efa ho lasa ny alina, ary efa mby akaiky ny andro, ka ario ny asan’ny maizina, fa tafio ny fiadian’ny mazava.

13 Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro, tsy amin’ny fihinanam-be loatra na fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana na fialonana;

14 fa itafio i Jesoa Kristy Tompo, ary aza miahy ny nofo amin’ny famelomana ny filàny.

Categories
Rômanina

Rômanina 14

Fitiavana ny malemy finoana

1 Ny amin’izay malemy finoanadia raiso izy, nefa aza mitsara ny heviny.

2 Fa misy mino ho mahazo mihinana ny zavatra rehetra; misy kosa malemy finoana, ka tsy mihinana afa-tsy ny zava-maniry.

3 Izay mihinana, aoka tsy haneso ny tsy mihinana, ary izay tsy mihinana kosa, aoka tsy hitsara ny mihinana, fa Andriamanitra no efa nandray azy.

4 Ary zovy moa ianao no mitsara ny mpanompon’ny hafa? Na mijoro na lavo izy, dia asan’izy tompony izany. Sady hijoro koa izy, satria mahay mampijoro azy ny Tompo.

5 Ny anankiray manisy avaka ny andro, ny anankiray kosa mampitovy ny andro rehetra; samia mitoky amin’ny azy tsy amim-pisalasalana.

6 Ny mitandrina ny andro, dia mitandrina ho an’ny Tompo; ny mihinana koa, mihinana ho an’ny Tompo, satria misaotra an’Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana, tsy mihinana ho an’ny Tompo ihany koa, sady misaotra an’Andriamanitra izy.

7 Fa tsy misy velona ho an’ny tenany isika rehetra, na misy maty ho an’ny tenany;

8 fa velona isika, velona ho an’ny Tompo; maty koa, maty ho an’ny Tompo. Koa amin’izany, na velona na maty isika, dia ho an’ny Tompo ihany.

9 Satria i Kristy no maty sy velona indray, dia ny mba haha Tompon’ny maty sy ny velona Azy.

10 Ka ahoana àry ity ianao no mitsara ny mpiray finoana aminao; ahoana àry izato ianao no dia maneso ny mpiray finoana? Nefa samy hiseho eo amin’ny fitsaràn’Andriamanitra ihany isika rehetra,

11 araka ny voasoratra hoe:Raha velona koa Aho, hoy ny Tompo, ny lohalika rehetra handohalika amiko, ary ny lela rehetra hidera an’Andriamanitra.

12 Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra.

13 Ka aoka tsy hifampitsara intsony isika rehetra; fa izao no tsarao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ny havana mpiray finoana.

14 Fantatro sy ekeko amim-pitokiana ao amin’i Jesoa Tompo fa tsy misy zava-maloto ho azy; nefa raha misy olona mihevitra zavatra ho maloto, dia maloto tokoa izany aminy.

15 Raha noho ny fihinananao no mampalahelo ny mpiray finoana aminao, dia tsy mandeha araka ny fitiavana intsony ianao, ka aza dia ny fihinananao no amerezanao olona nahafoizan’i Kristy aina.

16 Ary aoka ny soa azonao tsy hampiteny ratsy ny sasany.

17 Fa tsy mba ny fihinana amam-pisotro no fanjakan’Andriamanitra, fa ny fahamarinana amam-piadanana, mbamin’ny fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.

18 Koa izay manompo an’i Kristy amin’izany no ankasitrahin’Andriamanitra, sy ankatoavin’ny olombelona.

19 Ny fihavanana sy fifamporisihana ho tsara àry no aoka hokatsahintsika,

20 fa aza izay hanina no andravana ny asan’Andriamanitra. Marina fa madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy kosa ny mihinana manafintohina ny sasany.

21 Ny tsara, dia tsy mihinan-kena, na misotro divay, na manao na inona na inona izay hahatafintohina,na hahalavo, na hahalemyny mpiray finoana aminao.

22 Fa tano ho anao eo anatrehan’Andriamanitra izay itokianao ho marina. Sambatra izay tsy helohin’ny hitsim-pony amin’ny asa ekeny;

23 fa izay misalasala dia meloka raha mihinana, satria tsy araka ny hitsim-pony izany, ka ota izay rehetra atao tsy an-kitsim-po.

Categories
Rômanina

Rômanina 15

1 Isika izay matanjaka dia tokony handefitra ny fahalemen’izay osa, fa tsy hanao izay mahafaly ny tenantsika fotsiny.

2 Samia mitady izay hahafaly ny namana, amin’izay hahasoa azy, sy hahatarika azy amin’ny tsara.

3 Fa tsy nitady ny hahafaly ny Tenany i Kristy; fa araka ny voasoratra hoe:Ny latsan’izay nandatsa anao dia nihatra tamiko.

4 Ary izay rehetra voasoratra taloha dia natao ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny fandeferana sy ny fanalana alahelo avy amin’ny Soratra Masina.

5 Andriamanitry ny fandeferana sy ny fanalana alahelo anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesoa,

6 mba hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, amin’ny fo iray sy vava iray.

Fiantsoana mba hiray hina

7 Koa mifandraisa ianareo, tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo mba ho voninahitr’Andriamanitra.

8 Fa i Kristy, dia lazaiko marina, fa natao mpandraharaha ny voaforamba haneho ny fahamarinan’Andriamanitra, amin’ny fanatanterahana ny teny napetraka tamin’ny razan’izy ireo;

9 ary ny Jentily kosa dia mankalaza an’Andriamanitra noho ny famindram-pony, araka ny voasoratra hoe:Izany no hiderako Anao any amin’ny Jentily, sy hankalazako ny Anaranao.

10 Miaraha miravoravo amin’ny olony, ry Jentily,

11 mbamin’ny hoe:Miderà ny Tompo ianareo firenena rehetra; ary mankalazà Azy, ry vahoaka rehetra.

12 Hoy koa i Izaia:Hisy solofon’i Jese, izay hitsangana hifehy ny Jentily; Izy no hitokian’ny firenena rehetra.

13 Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.

Ny fandraharahan’i Paoly

14 Izaho aloha, ry kristianina havana, raha ny aminareo, dia matoky aho fa feno hevitra tsara sy ny fahaizana rehetra ianareo, sady mahay mifananatra koa.

15 Nefa nanoratra teny sasany an-kasahiana ho anareo aho, toy ny mampahatsiaro anareo indray, noho ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy

16 mba ho mpandraharahan’i Kristy Jesoa amin’ny Jentily aho, amin’ny fanaovana sorona ny fitoriana ny Evanjelin’Andriamanitra, mba ho fanatitra ankasitrahiny ny Jentily, rehefa nohamasinin’ny Fanahy Masina.

17 Koa mba manana rehareha ao amin’i Kristy Jesoa ihany aho, raha ny momba ny fanompoana an’Andriamanitra.

18 Satria tsy ho sahiko lazaina raha zavatra tsy nampanaovin’i Kristy ahy, mba hampanaiky ny Jentily, na tamin’ny teny aman’asa,

19 na tamin’ny herim-pamantarana amam-pahagagana, na tamin’ny Fanahy Masina; hany ka tongako hatraiza hatraiza ny fitoriana ny Evanjelin’i Kristy, dia hatrany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany Iliria;

20 sady nalaiko ho voninahitra ho ahy ny tsy nitory ny Evanjely afa-tsy tao amin’izay mbola tsy nanononana an’i Kristy, mba tsy hanorina amin’izay efa nanorenan’ny sasany,

21 fa ho araka ny voasoratra hoe:Ireo tsy nilazana Azy dia hahita ary ireo tsy nandre ny aminy dia hahalala.

Dia kasaina hatao

22 Izany no nahasampona ahy matetika tsy hankany aminareo;

23 fa ankehitriny, noho ny tsy fisian’ny zava-misakana ahy intsony amin’ireto faritany ireto, ary noho ny faniriako, efa taona maro izay, hankany aminareo

24 dia manantena hahita anareo aho, rehefa mandalo ho any Espainina, ka hiara-mipetraka kelikely aminareo, fa rehefa afakafaka ny alaheloko no vao haterinareo any.

25 Izao dia ho any Jerosalema aho, hitondra fanampiana ho an’ny olona masina any.

26 Fa namory vola an-tsitrapo hiantrana ny olona masina tra-pahoriana any Jerosalema, ry zareo ao Masedônia sy ao Akaia.

27 Sitrany tokoa ny nanao izany, fa ananan’ny any trosa izy ireo. Satria nahazo anjara tamin’ny harem-panahiny izy Jentily, ka tsy maintsy mba manampy azy amin’ny haren’ny nofo kosa.

28 Raha vao vitako io raharaha io, ka voapetraka eo am-pelatanan’izy ireo izany vokatra izany, dia hiainga ho any Espainina aho ka hihazo any aminareo.

29 Ary fantatro fa hiara-tonga amiko any aminareo koa ny hafenoan’ny tso-dranon’i Kristy.

30 Avy mangataka aminareo, amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin’ny Fanahy aho, ry kristianina havana, hiara-miady amiko, amin’ny fivavahanareo amin’Andriamanitra ho ahy,

31 mba ho afaka amin’ny tsy mpino any Jerosalema aho, mba hankasitrahin’ny olo-masina any ny fanomezana hatolotro,

32 ka ho tonga an-kafaliana any aminareo, raha sitrapon’Andriamanitra, sy hiala sasatra kely eo afovoanareo.

33 Ho ao aminareo rehetra anie Andriamanitry ny fiadanana. Amen.

Categories
Rômanina

Rômanina 16

Hafatrafatra sy veloma

1 Indro i Febe anabavintsika, lazaiko tsara aminareo, fa mpikarakara ny Eglizy ao Senkrea,

2 mba handraisanareo azy tsara ao amin’ny Tompo, araka ny mendrika ny olo-masina, sy hanampianareo azy amin’izay rehetra ilàny anareo, araka ny nanampiany olona maro, hatramin’ny tenako aza.

3 Veloma any amin’i Priska sy Akilasy mpiara-miasa amiko ao amin’i Jesoa Kristy;

4 nanao vy very hamonjy ny aiko izy mivady ireo, ka tsy izaho irery no misaotra azy, fa ny Eglizy rehetra any amin’ny Jentily koa,

5 ary veloma any amin’ny Eglizy rehetra izay ao an-tranony.

Veloma any amin’i Epeneto malalako, izay santatr’i Azia ho an’i Kristy.

6 Veloma any amin’i Maria, izay niasa mafy ho anareo.

7 Veloma any amin’i Andrônika sy i Joniasa havako sy niara-nifatotra tamiko, izay sady tsara laza amin’ny Apôstôly no tao amin’i Kristy talohako aza.

8 Veloma any amin’i Anfiasa, malalako ao amin’ny Tompo.

9 Veloma any amin’i Orbano, mpiara-miasa amintsika ao amin’i Kristy, sy i Stakisa malalako.

10 Veloma any amin’i Apela, mpanompo mahatokin’i Kristy. Veloma any amin’i Aristôbola mianakavy.

11 Veloma any amin’i Herôdiôna havako. Veloma any amin’i Narsisy mianakavy, izay ao amin’ny Tompo.

12 Veloma any amin’i Trifeno sy i Trifaozy, izay miasa ao amin’ny Tompo. Veloma any amin’i Persida malala, izay miasa fatratra ao amin’ny Tompo.

13 Veloma any amin’i Rofosa olo-malaza ao amin’ny Tompo, sy any amin-dreniny izay reniko koa.

14 Veloma any amin’i Asinkrito, i Flegôna, i Hermesy, i Patrôbosa, i Hermasy, mbamin’ny havana iray finoana ao aminy.

15 Veloma any amin’i Filologo sy i Jolia, ary i Nerea mianadahy, sy i Olimpià, mbamin’ny olo-masina rehetra ao aminy.

16 Mifampiarahabà amin’ny fanorohana masina. Manao veloma anareo ny Eglizin’i Kristy rehetra.

Soratra fanampiny voalohany

17 Mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, mba hitandrin-tena amin’ireo mahatonga fisarahana sy fanafintohinana, fa tsy manaraka ny fampianarana efa noraisinareo; halaviro ireny.

18 Fa tsy mba i Kristy no tompoin’ny olona toy ireny, fa ny kibony, ary teny malefaka sy manodòka no entiny mamitaka ny tsy ampy saina.

19 Efa niely amin’ny olona rehetra ny lazan’ny fanekenareo izao, ka faly aminareo tokoa aho; fa hany iriko dia izao: mba ho hendry ianareo raha ny amin’ny tsara, fa tsy hahalala kosa raha ny amin’ny ratsy.

20 Ny Andriamanitry ny fiadanana anie hanorotoro faingana an’i Satana eo ambanin’ny tongotrareo. Ary ho ao aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Soratra fanampiny faharoa

21 Manao veloma anareo i Timote, mpiara-miasa amiko, sy i Losiosy ary i Jasôna mbamin’i Sôsipatera havako.

22 Izaho Tersiosy, izay nanoratraity taratasy ity koa, manao veloma anareo ao amin’ny Tompo.

23 Manao veloma anareo i Gaiosy, ilay itoeranay, mbamin’ny Eglizy rehetra. Manao veloma anareo i Erasta, mpitahiry ny volam-panjakana eto an-tanàna, sy i Koartosy havantsika.

24 Ho ao aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Amen.

Dôksôlôjia, fiderana an’Andriamanitra

25 Ary ho an’Ilay mahay mankahery anareo araka ny Evanjeliko, izay nitoriana an’i Jesoa Kristy sy nanambaràna ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay,

26 fa voaseho ankehitriny tamin’ny soratry ny mpaminany, araka ny didin’ny Andriamanitra mandrakizay; ka nampahafantarina ny firenena rehetra mba hanekeny ny finoana

27 dia ho an’Andriamanitra, Ilay hany hendry anie, ny voninahitra mandrakizay mandrakizay, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Amen.