Categories
Rota

Rota 1

I ROTA SY I NÔEMÌ

1 Tamin’ny andro nanapahan’ny mpitsara dia nisy mosary teo amin’ny tany. Ary nisy lehilahy anankiray, avy ao Betlehema any Jodà, nandeha nitoetra tany amin’ny tanin’i Moaba, niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany roa lahy.

2 Elimeleka no anaran-dralehilahy io, Nôemì no anaran’ny vadiny, ary Mahalôna sy Seljôna no anaran’ny zanany roa lahy. Efrateaninaavy any Betlehema any Jodà izy ireo, ary nankany amin’ny tanin’i Moaba sy nonina tany.

3 Ary maty i Elimeleka vadin’i Nôemì, ka izy irery sisa sy ny zanany roa lahy.

4 Naka vady tamin’ny vehivavy Moabita izy ireo, ny iray natao hoe Orfà, ary ny iray natao hoe Rota, dia nipetraka tao sahabo ho folo taona izy ireo.

5 Fa maty daholo koa izy roa lahy dia i Mahalôna sy i Seljôna, ary ravehivavy irery sisa, fa maty ny zanany roa lahy sy ny vadiny.

I Nôemì sy ireo vinanto vaviny roa

6 Dia niainga izy sy ireto vinantony vavy ka niala tany amin’ny tanin’i Moaba, satria reny tany amin’ny tanin’i Moaba fa efa novangian’i Iaveh ny vahoakany ka nomeny hanina.

7 Niala teo amin’ny tanynonenanyizy sy ireto vinantony roa vavy, dia niainga hody any amin’ny tanin’i Jodà.

8 Ary hoy i Nôemì tamin’ireto vinantony roa vavy: «Andeha samy modyany an-tranon-dreninareo avy ianareo. Enga anie ka hanao soa anareo i Iaveh toraky ny efa nataonareo tamin’ireo maty sy tamiko koa.

9 Samy hampahitan’i Iaveh fiadanana avy anie ianareo, any amin’ny tranon’izay ho vadinareo». Dia nanoroka azy ireo izy. Ary izy roa vavy kosa nanandratra ny feony, ka nitomany.

10 Ary hoy izy taminy hoe: «Tsia, fa hiara-miverina aminao ho any amin’ny firenenao izahay.»

11 Fa hoy i Nôemì: «Modia, anaka, ahoana no hiarahanareo amiko? Mbola misy zazalahy mety ho vadinareo va ato an-kiboko?

12 Mandehana mody, anaka. Efa antitra aho ka tsy hanambady intsony. Ary na dia hilaza aho fa manantena ihany, na dia hanam-bady anio alina ihany sy hiteraka zazalahy aza,

13 moa hahandry mandra-pahalehiben’izany va ianareo? Moa hahajanona tsy hanam-bady fanindroany noho izany? Tsia, anaka. Noho ianareo dia mangidy amiko indrindra ny namelezan’ny tanan’i Iaveh ahy».

14 Dia nanandratra ny feony izy ireo, ka nitomany indray. Ary i Orfà nanoroka ny rafozany, fa i Rota kosa tsy nahasaraka taminy mihitsy.

15 Ka hoy i Nôemì: «Nody ho any amin’ny fireneny sy ny andriamaniny irỳ ny zaobavinao, ka mba modia miaraka amin’ny zaobavinao koa.»

16 Fa hoy i Rota: «Aza manery ahy handao anao ka hody any lavitra anao, fa izay halehanao no halehako, izay honenanao no honenako, ny firenenao no ho fireneko, ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;

17 izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy. Hoentin’i Iaveh amin’izay sarotra indrindra anie aho, raha tsy ny fahafatesana tokana no hahasaraka ahy aminao.»

18 Nony hitan’i Nôemì fa tapa-kevitra ny hanaraka azy i Rota, dia najanony ny teny nandodonany azy.

19 Dia niara-nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Nony niditra an’i Betlehema izy ireo, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ary hoy ny vehivavy: «Fa i Nôemì ve io e?»

20 Dia hoy izy tamin’ireo: «Aza atao hoe Nôemì intsony aho, fa ataovy hoe Marà, fa nataon’i Iaveh safotry ny mangidy aho.

21 Feno tanana aho no nivoaka fa foan-tanana kosa no ampodin’i Iaveh. Ka ahoana no iantsoanareo ahy hoe Nôemì ihany; nefa i Iaveh no efa nitsangan-kamely ahy, ary ny Tsitoha no efa nampahory ahy.»

22 Toy izany no nodian’i Nôemì, ary niaraka taminy i Rota, Moabita, vinantovaviny izay avy amin’ny tanin’i Moaba. Tonga teo Betlehema izy ireo tamin’ny niandohan’ny fijinjana orja.

Categories
Rota

Rota 2

I ROTA TANY AMIN’NY SAHAN’I BOOZA

1 Nanana havam-bady anankiray i Nôemì; lehilahy manan-jo sy manan-karena, avy amin’ny fianakavian’i Elimeleka izy io, ary Booza no anarany.

2 Ary hoy i Rota ilay Moabita tamin’i Nôemì: «Mba te-handeha ho any an-tsaha aho hitsimpona salohim-bary eo aorian’izay hahitako fitia eo imasony.» Ka hoy izy namaly azy: «Andeha, anaka.»

3 Dia nandeha izy ka nitsimpona salohim-bary tany amin’ny saha anankiray teo aorian’ny mpijinja, ary sendra teo amin’ny tanimbarin’i Booza, fianakavian’i Elimeleka indrindra, no nalehany.

4 Ary indro tonga avy any Betlehema i Booza, ka niteny tamin’ny mpijinja hoe: «Ho ao aminareo anie i Iaveh.»

5 Ary hoy i Booza tamin’ny mpanompony, izay nitandrina ny mpijinja:

6 «An’iza io zazavavy io?» Dia namaly ilay mpanompo nitandrina ny mpijinja nanao hoe: «Zazavavy Moabita niara-tonga tamin’i Nôemì io avy any amin’ny tanin’i Moaba.

7 Nilaza taminay izy nanao hoe: Mba avelao kely aho hitsimpona sy hanangona ny salohim-bary eny anelanelan’ny amboarany, eo aorian’ny mpijinja. Dia tsy nipetraka izy hatrizay nahatongavany haninaraina ka mandraka ankehitriny, ary izay fialany sasatra ao an-trano dia fohy.»

8 Dia hoy i Booza tamin’i Rota: «Izao no izy, anaka: Aza mandeha hitsimpona any amin’ny tanimbary hafa, aza miala eto, fa mijanòna toy izao miaraka amin’ny ankizy vaviko.

9 Jereo izay tanimbary hojinjaina ka manaraha eo aorian’ireo. Efa nolazaiko ny mpanompoko tsy hikasika anao. Ary raha mangetaheta ianao, mandehana eo amin’ny siny dia misotroa amin’izay nantsakain’ny mpanompo.»

10 Tamin’izay dia nidaboka razazavavy ka niankohoka tamin’ny tany, ka nanao taminy hoe: «Inona no mba nahitako fitia teo imasonao, ka hiheveranao ahy izay vahiny fotsiny iny?»

11 Dia hoy ny navalin’i Booza azy: «Efa nilazana avokoa ny nataonao ho an’ny rafozanao hatrizay nahafatesan’ny vadinao aho; sy ny nandaozanao ny ray aman-dreninao mbamin’ny tany nahaterahanao, ka nankanesanao atỳ amin’ny firenena tsy fantatrao akory taloha.

12 Hamaly ny nataonao anie i Iaveh ary ho valisoa feno anie no horaisinao avy amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, fa efa eo ambany elany no nalehanao hialofana.»

13 Ary hoy izy: «Akory ity fitia hitako teo imasonao, tompoko! Fa nampionona ahy ianao, ary niteny tamin’ny fon’ny ankizy vavinao ianao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin’ny ankizy vavinao akory aza aho».

14 Nony tonga ny fotoana fisakafoana, dia hoy i Booza tamin’i Rota: «Mandrosoa hihinana mofo ary atsobohy amin’ny vinaingitrany tapa-mofonao». Dia nipetraka teo anilan’ny mpijinja izy, ary nomen’i Booza lango. Dia nihinana izy, ka voky, ary ny sisa notahiriziny.

15 Avy eo dia nitsangana izy nitsimpona salohim-bary. Ary izao no teny nomen’i Booza ny mpanompony: «Aoka izy hitsimpona eny anelanelan’ny amboarany eny koa, fa aza manao izay hahamenatra azy,

16 ary misariha salohy avy amin’ny amboarany aza ho azy, ka avelao mba hotsimponiny fa aza maninitsiny azy».

17 Nitsimpona teo an-tanimbary mandra-paharivan’ny andro izy, dia noveleziny izay voatsimpony, ka orja sahabo ho iray efah.

18 Noraisiny izany dia nody nankany an-tanàna izy, ka hitan’ity rafozany izay voatsimpony, ary nalainy koa ilay sisa tsy laniny tamin’ny sakafony ka natolony azy.

19 Dia hoy ny rafozany taminy: «Taiza no nitsimpona ianao androany ary taiza no niasa? Hambinina anie izay nangoraka anao!» Nambaran’i Rota tamin’ny rafozany izay olona niasany nataony hoe: «Tany amin’ny lehilahy atao hoe Booza no niasa aho androany.»

20 Ary hoy i Nôemì tamin’ity vinantony: «Hambinin’i Iaveh anie izy; fa tsy mitsahatra miantra ny velona, toy ny efa nataony tamin’ireo maty ihany koa.» Hoy i Nôemì taminy: «Havantsika akaiky io lehilahy io, sady anisan’izay mahazo manavotra antsika koa.»

21 Dia hoy i Rota, ilay Moabita: «Izao koa no nolazainy tamiko: Miaraha amin’ny mpanompoko ianao, mandra-pahataperany ny fijinjana».

22 Ka hoy i Nôemì tamin’i Rota vinantony: «Tsara, anaka, raha miaraka amin’ny mpanompovaviny ianao, fandrao dia asian’ny olona ratsy, raha any an-tsaha hafa.»

23 Ka dia niaraka tamin’ireo mpanompovavin’i Booza izy mandra-pahatapitry ny fijinjana ny orja sy ny frômanta. Ary tao amin’ny rafozany ihany izy no nitoetra.

Categories
Rota

Rota 3

I BOOZA NATORY

1 Dia hoy i Nôemì rafozany taminy: «Te hitady toeram-pitsaharana hiadananao aho, anaka.

2 Ary amin’izao moa tsy havantsika va i Booza, tompon’ny ankizy vavy niarahanao? Indro fa hikororòka ny orja eo am-pamoloana izy anio alina.

3 Koa mandroa ianao, mihosora diloilo, miakanjoa, ary midìna eny am-pamoloana. Aza atao hitany anefa ianao, raha tsy efa tapi-nihinana sy nisotro izy.

4 Nony injay handeha handry izy, kendreo tsara izay toerana handriany dia midira ao, ka sokafy ny firakofanyeo an-tongony ary mandria eo, fa holazainy aminao izay hataonao.»

5 Dia hoy razazavavy namaly azy: «Eny, fa hataoko avokoa izay asainao ataoko.»

6 Dia nidina nankany am-pamoloana izy, ka nanao izay rehetra nasain-drafozany natao.

7 Nihinana sy nisotro i Booza dia mirana ny fony ka lasa nandry tarỳ amin’ny faran’ny antontan’amboaram-bary, nitsaitsaika nanatona i Rota dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.

8 Nony nisasaka ny alina, taitra ralehilahy ka niondrika ka indro nisy vehivavy nandry teo an-tongony.

9 Dia hoy izy: «Iza izato?» Ary hoy ny navaliny azy: «Izaho no Rota ankizy vavinao; mba rakofy ny ila lambanao ny ankizy vavinao, fa havana mahazo manavotra ianao.»

10 Dia hoy izy: «Hohasoavin’i Iaveh anie ianao, anaka, fa mihoatra noho ny voalohany ny fitiavanao farany, satria tsy mba nitady izay hoe tanora ianao, na manan-karena izany, na mahantra.

11 Koa ankehitriny, anaka, aza matahotra fa hataoko ho anao avokoa izay rehetra holazainao, sady fantatry ny olona rehetra eto Betlehema fa vehivavy tsara toe-panahy ianao.

12 Ary amin’izao dia marina tokoa fa mahazo manavotra aho; nefa mbola misy havana akaiky kokoa noho izaho.

13 Ka anio alina, mitoera eto ihany; fa rahampitso raha te hanavotra anao izy, dia tsara, aoka hanavotra izy; fa raha tsy te hanavotra anao kosa izy, dia izaho no hanavotra anao. Velona i Iaveh! Fa mandria eo mandra-paharainan’ny andro».

14 Dia nijanona nandry teo an-tongony teo izy mandra-paharainan’ny andro, ary nifoha mbola maizimaizina tsy hahafantaran-dahy, fa hoy i Booza: «Aoka tsy ho fantatr’olona akory fa tatỳ am-pamoloana ity vehivavy ity.»

15 Ary hoy kosa izy: «Ento atỳ ny lamba itafianao ka hazony.» Dia nohazoniny ka namatra orja inenin’ny famarana sy nampitondrainy azy, vao lasa niverina any an-tanàna izy.

16 Nony tonga tany amin-drafozany i Rota, dia hoy i Nôemì: «Inona no nataonao, anaka?»Dia notantarainy taminy avokoa ny nataon-dralehilahy taminy.

17 «Ary nomeny ity orja inenin’ny famarana ity koa aho, hoy izy, nataony hoe: Tsy hody any amin-drafozanao mitondra tanam-polo fotsiny ianao».

18 Ka hoy i Nôemì: «Mijanòna eto, anaka, mandra-pahitanao izay hiafaran’izany, fa tsy hianina io lehilahy io raha tsy efa vitany anio io raharaha io.»

Categories
Rota

Rota 4

I BOOZA MANAMBADY AN’I ROTA

1 Niakatra teo am-bavahadin’ny tanàna i Booza ka nipetraka tao. Ary ity tamy handalo eo ilay anankiray mahazo manavotra voalazan’i Booza, ka hoy izy taminy: «O Ranona irỳ ô, mijanòna kely, mipetraha eto.» Dia nijanona ilay lehilahy sady nipetraka.

2 Ary naka folo lahy tamin’ny loholona tao an-tanàna i Booza, ka hoy izy: «Mipetraha eto ianareo.» Dia nipetraka izy ireo.

3 Dia hoy izy tamin’ilay mahazo manavotra: «Ny anjara tanin’i Elimeleka rahalahintsika dia namidin’i Nôemì, ity efa tonga avy any amin’ny tanin’i Moaba.

4 Ka hoy aho hoe: tiako ny hampandre anao izany sy ny hilaza aminao hoe: Vidio izany eto anatrehan’izay mipetraka eto sy eo anoloan’ny loholona amin’ny fireneko. Raha te hanavotra ianao avoty; raha tsy tianao, dia ambarao izany mba ho fantatro; fa tsy misy olona mahazo manavotra alohanao; ary izaho no manarakaraka anao.» Dia hoy ny navaliny hoe: «Hanavotra aho»

5 Ka hoy i Booza: «Amin’ny andro hahazoanao ny tany amin’ny tanan’i Nôemì dia ho azonao koa izany amin’ny tanan’i Rota, ilay Moabita, vadin’ny maty, mba hamelomanao maso ny anaran’ny maty eo amin’ny lovany.»

6 Ary namaly ilay mahazo manavotra: «Tsy afa-manavotra izany amin’ny anarako aho, fandrao dia manimba ny lovako indray. Ka ento ho anao ny fahazoako manavotra fa tsy afa-manavotra aho.»

7 Fanao teo amin’i Israely fahiny, raha misy fanavotana na fanakalozana, ny manala ny kirarony ny anankiray dia omeny ny iray hafa mba handraikitra ny raharaha, dia izany no natao vavolombelona teo amin’i Israely.

8 Ka hoy itsy nahazo nanavotra, tamin’i Booza: «Vidio ho anao izany.» Sady nesoriny ny kirarony.

9 Ary hoy i Booza tamin’ireto loholona sy ny olona rehetra: «Vavolombelona androany ianareo fa lasako tamin’ny tanan’i Nôemì izay rehetra an’i Elimeleka sy izay rehetra an’i Seljôna sy i Mahalôna;

10 lasako miaraka amin’izany koa ho vadiko i Rota Moabita, vadin’i Mahalôna, mba hamelo-maso ny anaran’ny maty eo amin’ny lovany, ary mba tsy ho faty eo amin’ny rahalahiny sy eo am-bavahadin’ny fonenanyny anaran’ny maty. Ianareo no vavolombelon’izany androany.»

11 Dia hoy ny vahoaka rehetra teo am-bavahady mbamin’ny loholona: «Vavolombelona izahay. Enga anie ka hataon’i Iaveh tahaka an-dRasela sy i Lià ny vehivavy izay miditra ao an-tranonao, dia tahaka azy roa vavy izay nanangana ny tranon’i Israely. Ary ianao kosa, matanjaha any Efrata ary aoka ianao hampanan-daza ny anaranao any Betlehema.

12 Hanahaka ny tranon’i Fareza izay naterak’i Tamara tamin’i Jodà anie ny tranonao, amin’ny taranaka homen’i Iaveh anao amin’ity zazavavy ity.»

13 Dia nampakarin’i Booza i Rota ka tonga vadiny ary nandeha taminy i Booza. Ary nampanana anaka an’i Rota i Iaveh ka niteraka zazalahy izy.

14 Dia hoy ny vehivavy tamin’i Nôemì: «Hisaorana anie i Iaveh fa tsy navelany tsy hanam-panavotraianao ankehitriny. Hankalazaina anie ny anarany eo amin’i Israely!

15 Io no hamelona ny ainao sy ho tohan’ny fahanteranao, fa naterak’ilay vinantonao izay tia anao ka mihoatra noho ny zanaka lahy fito ho anao.»

16 Dia noraisin’i Nôemì ny zaza ka nataony teny an-trotroany, ary izy no nitaiza azy.

17 Ny vehivavy namany kosa nanome anarana azy nanao hoe: «nahazo zazalahy i Nôemì», ka nataony hoe Obeda, no anarany. Izy no rain’i Isaia, rain’i Davida.

Razam-ben’i Davida

18 Izao no taranak’i Faresa niteraka an’i Esrôna: I Esrôna niteraka an’i Arama, i Arama niteraka an’i Aminadaba, i Aminadaba niteraka an’i Nahasôna, i Nahasôna niteraka an’i Salmôna, i Salmôna niteraka an’i Booza, i Booza niteraka an’i Obeda, i Obeda niteraka an’i Isaia, i Isaia niteraka an’i Davida.