Categories
Salamo

Salamo 1

Lalana roa

1 Sambatra ny olona tsy mandeha amin’ny fisainan’ny

tsy mpivavaka,

tsy mijanona amin’ny lalan’ny mpanota,

ary tsy mipetraka amin’ny mpaniratsira;

2 fa ny lalàn’i Iaveh no ifaliany,

sady saintsaininy andro aman’alina.

3 Tahaka ny hazo nambolena eo amoron’ny ranovelona izy,

ka ny voany tonga amin’ny fotoany;

ny raviny tsy mba malazo;

ny ataony rehetra vanona avokoa.

4 Tsy mba toy izany ny tsy mpivavaka:

toy ny akofa faohin’ny rivotra izy,

5 ka tsy hahatsangana amin’ny andron’ny fitsarana

ny tsy mpivavaka,

na eo amin’ny fiangonan’ny olo-marina, ny mpanota.

6 Satria ny lalan’ny marina fantatr’i Iaveh

fa ny lalan’ny mpanota mitarika ho amin’ny fahaverezana.

Categories
Salamo

Salamo 2

Ny Mesia sy ny asany mampangitakitaka

1 Nahoana no mihetsiketsika amim-pitabatabana ny firenena,

ary mamorona hevi-poana ny vahoaka?

2 Ireo mpanjakan’ny tany mitsimbohitra,

ary ny andriana koa miara-mioko,

hanohitra an’i Iaveh sy ny Voahosony:

3 Tapaho ny famatorany, hoy ireny,

ary ario lavitra antsika ny gadrany!

4 Ilay mipetraka any an-danitra mitsiky;

maneso an’ireny ny Tompo.

5 Ka hiteny amin’ireny Izy noho ny fahavinirany,

sy hampangorohoro azy amin’ny fisafoahany:

6 Ary izaho efa nanangana ny mpanjakako,

ao ambonin’ny Siôna tendrombohitro masina.

7 Hamoaka ny didy aho:

I Iaveh nilaza hoe: «Zanako ianao,

niteraka anao Aho ankehitriny.

8 Mangataha dia homeko ho lovanao ny firenena,

ho fanjakanao, ny vazantany efatra.

9 Hanorotoro azy amin’ny tehim-by ianao;

hanamontsamontsana azy toy ny vilanin’ny mpanefy».

10 Koa ankehitriny mbà hendry ianareo mpanjaka;

minoa anatra ianareo mpitsaran’ny tany.

11 Manompoa an’i Iaveh amim-pahatahorana,

mientan-kafaliana amim-pangovitana.

12 Orohy ny Zanakafandrao tezitra izy;

ka ho very any amin’ny lalanareo ianareo;

fa vetivety dia hirehitra ny hatezerany.

Sambatra izay rehetra matoky Azy.

Categories
Salamo

Salamo 3

Antso vao maraina ataon’ny olo-marina enjehina

1 Tononkiran’i Davida; fony izy nandositra teo anatrehan’i Absalôma zanany.

2 Ry Iaveh ô, akory izato hamaroan’ny fahavaloko!

Endrey ity habetsahan’ireo mitsangan-kamely ahy!

3 Maro ny milaza ny amiko manao hoe:

«Tsy misy famonjena ho azy intsony eo

amin’Andriamanitra!»

– Selà

4 Kanefa, ry Iaveh, Ianao no ampingako;

Ianao no voninahitro sy manandratra ny lohako.

5 Miantso an’i Iaveh amin’ny feoko aho,

dia mamaly ahy any an-tendrombohinymasina Izy.

– Selà

6 Nandry aho dia natory;

nifoha indray aho, fa i Iaveh no tohako.

7 Tsy matahotra aho, eo anoloan’ny vahoaka tsy tambo isaina,

izay mivangongo manodidina ahy hatraiza hatraiza.

8 Mitsangàna, ry Iaveh ô! Vonjeo aho, ry Andriamanitro!

Fa Ianao no mamely ny takolaky ny fahavaloko rehetra;

Ianao no manorotoro ny nifin’ny ratsy fanahy.

9 An’i Iaveh ny famonjena!

Ho amin’ny vahoakanao anie ny fanambinanao!

– Selà

Categories
Salamo

Salamo 4

Vavaka hariva

1 Ho an’ny mpampianatra hira amin’ny zava-maneno tendrena. Salamon’i Davida.

2 Ry Andriamanitry ny fahamarinakoô, valio aho raha miantso Anao,

Ianao izay mahalalaka ahy amin’izay mahaporitra ahy.

Mamindrà fo amiko ary henoy ny fivavahako.

3 Ry zanak’olombelona ô, mandra-pahoviana no ho

voatsiratsira ny voninahitro?

Mandra-pahoviana no hitiavanareo ny zava-poana,

sy hitadiavanareo ny lainga?

– Selà

4 Fantatro fa efa nofantenan’i Iaveh ho azy ny olon-tia vavaka iray;

ka mihaino i Iaveh raha miantso Azy aho

5 Matahora ka aza manota intsony!

Mitenena anakam-po ao am-pandrianareo,

ka mitsahara!

– Selà

6 Manatera sorom-pahamarinana,

ary matokia an’i Iaveh.

7 Maro no milaza hoe: Iza no hampahita antsika ny fahasambarana?

Ataovy miposaka aminay ny fahazavan’ny Tavanao, ry Iaveh!

8 Fa Ianao efa nanisy hafaliana tao am-poko mihoatra noho ny azy ireo,

amin’ny fotoana mahabetsaka ny variny aman-divay vaovao.

9 Handry amam-piadanana aho, ka dia hatory miaraka amin’izay;

fa Ianao, ry Iaveh, dia Ianao irery no mampitoetra ahy tsy amin’ahiahy.

Categories
Salamo

Salamo 5

Vavaka maraina

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny sodina. Salamon’i Davida.

2 Mampandria ny sofinao amin’ny teniko, ry Iaveh,

henoy ny sentosentoko.

3 Atreho ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro,

fa Ianao no andefasako ny fivavahako.

4 Iaveh ô! vao maraina dia mandre ny feoko Ianao;

vao maraina dia atolotro Anao ny faniriako ka miandry aho.

5 Fa Ianao tsy mba Andriamanitra mankasitraka ny ratsy;

ny mpanota tsy afaka hiara-kitoetra Aminao.

6 Ny adala tsy mety haharitra eo imasonao;

ny mpanao ratsy hàlanao avokoa.

7 Ny mpiteny lainga aringanao;

ny mpandatsa-dra ama-mpamitaka, halan’i Iaveh.

8 Ary ny amiko, noho ny famimdram-ponao lehibe,

dia handeha ho ao an-tranonao aho;

hiankohoka manatrika ny tempolinao masina

amim-pahatahorana Anao aho.

9 Tompo ô, tariho amin’ny fahamarinanao aho, noho ireo fahavaloko,

ataovy marina amin’ny diako ny lalanao.

10 Fa eo am-bavany, tsy mba misy fahatsorana;

ny fony tsy misy afa-tsy faharatsiana;

ny tendany, fasana misokatra;

ataony malefadefaka ny lelany.

11 Faizo izy, Andriamanitra ô!

Aoka tsy hahavanona ny hevitra kasainy izy;

noho ny helony tsy hita isa dia adabohy izy ireo,

satria tafaodina aminao.

12 Dia hifaly kosa izay rehetra miantehitra Aminao;

hafaliana tsy mety tapaka ny azy;

dia hiaro azy Ianao;

hibitabitaka amin-kafaliana izay tia ny Anaranao.

13 Fa mitahy ny marina Ianao, ry Iaveh,

Ataonao manodidina azy, toy ny ampinga, ny fankasitrahana.

Categories
Salamo

Salamo 6

Talaho ao anatin’ny fitsapana

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny zava-maneno tendrena. Amin’ny Oktavy. Salamon’i Davida.

2 Iaveh ô, aza sazînao amin’ny fahatezeranao aho,

ary aza faizinao amin’ny fisafoahanao.

3 Mamindrà fo amiko, ry Iaveh, fa reraka aho;

sitrano aho, ry Iaveh, fa mangozohozo ny taolako.

4 Mitebiteby loatra ny fanahiko,

fa Ianao Iaveh mandra-pahoviana?…

5 Miverena, ry Iaveh, afaho ny fanahiko,

vonjeo aho, noho ny famindram-ponao.

6 Fa ny efa maty tsy mahatsiaro Anao intsony,

any amin’i Seoly zovy no hidera Anao?

7 Trotraka aho, azon’ny misento,

ampo-dranomaso isan’alina ny fandriako;

vonton’ny ranomasoko ny farafarako.

8 Lanin’alahelo ny masoko;

efa mason’antitra noho ny ataon’ny mpanenjika ahy rehetra izy.

9 Mialà amiko ianareo mpanao ratsy rehetra,

fa efa ren’i Iaveh ny feon’ny fitomaniako,

10 Efa nohenoin’i Iaveh ny fifonako,

efa raisin’i Iaveh ny fivavahako.

11 Hangaihay sy ho raiki-tahotra ny fahavaloko rehetra;

hihemotra izy, fa safo-kenatra tampoka.

Categories
Salamo

Salamo 7

Vavaky ny olo-marina enjehina

1 Hira firehetan’iDavida nohirainy tamin’i Iaveh, noho ny tenin’i Kosa Benjamita.

2 Iaveh Andriamanitra ô, Ianao no itokiako;

vonjeo amin’izay rehetra manenjika ahy aho, ka afaho;

3 fandrao aho dia viravirainy toy ny fanaon’ny liona,

fandrao arapany ny remby, tsy misy hanafaka.

4 Iaveh Andriamanitra ô, raha nanao izany aho,

raha misy heloka eto an-tanako,

5 raha mamaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho;

raha nandroba izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana aho,

6 dia aoka hanenjika ahy ny fahavaloko, ka hahatratra ahy;

aoka hohitsahiny amin’ny tany ny aiko;

aoka hohoseny amin’ny vovoka ny voninahitro;

7 Iaveh ô, mitsangàna amin’ny fahatezeranao;

mirohota hamely ny fisamontotry ny fahavaloko;

mifohaza hamonjy ahy, fa Ianao no mamoaka fitsarana marina.

8 Aoka hanodidina Anao ny fivorian’ny firenena!

dia misandratra eo amboniny Ianao amin’izay,

ka miakara indray any amin’ny avo.

9 Iaveh no mitsara ny firenena:

tsarao aho, ry Iaveh,

araka ny fahamarinako sy ny tsy fananako tsiny.

10 Farano ny ratsy ataon’ny ratsy fanahy,

ary hamafiso kosa ny marina,

Ianao izay mamantatra ny fo sy ny kibo, ry Andriamanitra marina ô!

11 Ny ampingako dia ao amin’Andriamanitra,

izay mamonjy ny olona mahitsy fo.

12 Mpitsara marina Andriamanitra;

mampandre ny fandrahonany isan’andro ny Tsitoha.

13 Tokoa fa manasa ny sabany indray Izy,

manenjana ny tsipîkany, dia mikendry.

14 Alefany amin’ireo ny longiny mahafaty,

ataony mahamay ny zana-tsipîkany.

15 Indro ny ratsy fanahy mihetsi-jaza hiteraka faharatsiana,

fampahoriana no torontoronina ao aminy, ary lainga no aterany.

16 Mandoaka lavaka izy, mihady azy

ary izy no latsaka amin’ny hantsana nomaniny.

17 Mitsingerina eo an-dohany ny haratsiany,

ary miverina eo an-tampon-kandriny ny fanaovany an-keriny.

18 Hidera an’i Iaveh noho ny fahamarinany aho,

sy hihira ny Anaran’i Iaveh, ilay Avo indrindra.

Categories
Salamo

Salamo 8

Lehibe ny Mpahary

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Gitienina. Tononkiran’i Davida.

2 Ry Iaveh Tomponay,

mba be voninahitra re ny Anaranao, amin’ny tany rehetra!

Ny fiandriananao no nandravahanao ny lanitra!

3 Amin’ny vavan’ny ankizy sy ny mbola minono

no nanorenanao hery, hampikoy ny fahavalonao,

sy hampangina ny mpandrafy sy ny mpanao teny manevateva.

4 Raha banjiniko ny lanitrao, izay asan-tananao,

mbamin’ny volana aman-kintana izay noforoninao,

dia vaky vava aho hoe:

5 «Inona ny olombelona no mba tsarovanao?

ary ny zanak’olombelona no mba karakarainao?

6 Nataonao ambany kely noho Andriamanitraizy,

nosatrohanao voninahitra amam-piandrianana izy

7 Nampanjakainao amin’ny asan-tananao izy,

napetrakao eo ambany tongony ny zavatra rehetra:

8 omby aman’ondry tsy an-kanavaka,

mbamin’ny biby any an-tsaha;

9 voromanidina aman-kazan-dranomasina,

mbamin’izay mitety ny lalan-dranomasina.

10 Ry Iaveh Tomponay,

mba be voninahitra re ny Anaranao amin’ny tany rehetra!»

Categories
Salamo

Salamo 9

Arian’Andriamanitra ny ratsy fanahy, vonjeny ny mahantra

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny hira hoe Fahafatesana ho an’ny zanaka lahy.Salamon’i Davida.

2 Hidera an’i Iaveh amin’ny foko rehetra aho,

hanambara ny zava-mahagaga rehetra nataonao.

3 Hifaly sy hientan-kafaliana aminao aho,

hihira ny Anaranao aho, ry Avo indrindra ô!

4 Lasa mihemotra ny fahavaloko,

mandraingiraingy izy, dia lavo teo anatrehan’ny Tavanao.

5 Satria efa nataonao mahery ny rariny ananako sy ny adiko,

nipetraka ho mpitsara marina Ianao, teo amin’ny seza fiandriananao.

6 Nofaizinao ny firenena, naringanao ny tsy mpivavaka,

nokosehinao ho faty mandrakizay antaranoana ny anaran’ireny.

7 Levona ny fahavalo! faharavana haharitra mandrakizay!

Tanàna nofongoranao!

Very mbamin’ny fahatsiarovana azy.

8 Fa i Iaveh kosa mipetraka mandrakizay,

efa voatsangany ny sezany hitsarany;

9 ka mitsara an’izao tontolo izao amin’ny fahamarinana Izy,

mitsara ny firenena amin’ny fahitsiana

10 I Iaveh dia fiarovana ho an’ny ampahorîna,

fiarovana ho amin’ny andron’ny fahoriana.

11 Ianao no itokian’izay mahalala ny Anaranao

fa tsy mandao izay mitady Anao Ianao, ry Iaveh.

12 Mankalazà an’i Iaveh izay mitoetra any Siôna,

ambarao amin’ny firenena ny asa lehibe nataony.

13 Satria izay manadina ny ra nalatsaka dia nahatsiaro izany;

tsy nanadino ny fitarainan’ny tra-pahoriana.

14 Mamindrà fo amiko, ry Iaveh, hoy ireny;

jereo ity fahoriana amelin’ny fahavaloko ahy

fa Ianao no mampiverina ahy avy amin’ny vavahadin’ny fahafatesana,

15 mba hahazoako mitory ny fiderana rehetra,

eo am-bavahadin’ny zanaka vavin’i Siôna,

sy hientan-kafaliana noho ny famonjenao.

16 Latsaka tamin’ny lavaka nohadiny ny firenena;

voan’ny fandrika harato nafeniny ny tongony.

17 Fa niseho i Iaveh nanao ny fitsaràny,

ka ny asan-tanan’ny ratsy fanahy ihany no naningorany

azy. – Higaiona.

– Selà

18 Miverina ho any amin’ny Seoly ny ratsy fanahy,

ny firenena rehetra izay manadino an’Andriamanitra.

19 Fa ny malahelo tsy mba hadinoina hatrany hatrany;

ny fanantenan’ny ory tsy rava mandrakizay.

20 Mitsangàna, ry Iaveh, aoka tsy ho ny olombelona no hahery;

aoka hotsaraina eo anatrehan’ny Tavanao ny firenena!

21 Asio fangorohoroana ireny, ry Iaveh ô,

aoka ho fantatry ny firenena fa olombelona ihany izy!

– Selà

Categories
Salamo

Salamo 10

1 Nahoana, ry Iaveh, no mijanonaeny lavitra eny Ianao,

sy miery amin’ny andron’ny fahoriana?

2 Raha mirehareha ny ratsy fanahy dia ny mahantra no levona;

izy ireo dia voan’ny teti-dratsy noforonon’io.

3 Mirehareha amin’ny fitsiriritany ny ratsy fanahy;

manamavo an’i Iaveh ny mpandroba mandoza.

4 Hoy ny ratsy fanahy, amin’ny fianjonanjonany: Tsy mamay izy!

Tsy misy Andriamanitra. Izany no totalin-keviny.

5 Fa ambinina hatrany hatrany izy, amin’izay alehany.

Ny fitsaranao dia avo loatra ka tsy ahoany;

ny mpandrafy azy, tsofiny indray mandeha dia mihahaka.

6 Hoy izy anakampony: Tsy hangozohozo aho,

voafefy tsy ho azon-doza aho na oviana na oviana.

7 Feno ozona sy fitaka amam-panaovana an-keriny ny vavany;

hasomparana sy tsy fahamarinana no ao ambany lelany.

8 Manao otrika eo akaikin’ny tanàna izy;

mamono ny tsy manan-tsiny ao amin’ny fitoerany an-katakonana.

Mitsikilo ny olona tsy manan-kiaro ny masony;

9 mitily ao amin’ny fitoerana miafina toy ny liona ao

anaty hazo milobolobo izy;

mitily izy hisovoka ny malahelo;

samboriny ny malahelo, taominy ho ao amin’ny fandrika haratony.

10 Miondrika izy, mifitsaka,

dia lavo eo amin’ny hohony ny ory.

11 Hoy izy, anakampony: «Nanadino Andriamanitra;

efa nanarona ny Tavany Izy ka tsy mahita na inona na inona, na oviana na oviana!»

12 Mitsangàna, ry Iaveh, asandrato ny tananao ry Andriamanitra!

Aza manadino ny ampahorîna

13 Nahoana ny ratsy fanahy no dia mamingavinga

an’Andriamanitra?

ahoana no anaovany anakam-po hoe: Tsy mamay Ianao?

14 Nahita anefa Ianao, fa nijery ny fahoriana amam-pijaliana,

mba hiandraiketanao ny momba azy,

Ianao no iankinan’ny malahelo;

mamonjy ny kamboty Ianao.

15 Tapaho ny sandrin’ny ratsy fanahy;

ny tsy mpivavaka – raha karohinao ny helony,

tsy ho hitanao va izany?

16 I Iaveh no mpanjaka mandrakizay doria,

ho voafongotra eo amin’ny taniny ny firenena.

17 Efa nihaino ny fanirian’ny ory Ianao, ry Iaveh;

mankahery ny fony sady manongilana ny sofinao mihaino,

18 mba hanomezanao rariny ny kamboty sy ny hampahorina,

ka hitsahatra tsy hampitahotra intsony, ny olombelona

nalaina tamin’ny tany.