Categories
Salamo

Salamo 91

Eo ambany elatr’Andriamanitra

1 Izay mialoka eo ambany fiarovan’ny Avo Indrindra,

miala sasatra eo amin’ny aloky ny Tsitoha.

2 Hoy aho amin’i Iaveh: «Ianao no trano mimandako sy fialofako,

Andriamanitro izay itokiako.»

3 Fa Izy no manafaka anao amin’ny fandriky ny mpihaza,

sy ny pesta mandoza.

4 Hanarona anao amin’ny elanyIzy,

ary hahita fialofana ao ambany volon’elany, ianao.

Ampinga sy fiarovan-tratra ny fahamarinany.

5 Tsy misy hatahoranao, na ny fampitahorana amin’ny alina,

na ny zana-tsipìka manidinaamin’ny antoandro,

6 na ny pestamisoko anatin’ny haizina,

na ny areti-mifindra, mandripaka amin’ny mitatao vovonana.

7 Na misy arivolavo eo anilanao aza,

sy iray alina eo ankavananao,

ianao tsy mba ho tratra.

8 Hijery maso fotsiny ianao,

ka hahita ny valy hanjò ny ratsy fanahy.

9 Fa ianao efa nilaza hoe: «Fiarovana ahy Ianao, ry Iaveh!»

Nanao ny Avo Indrindra ho fialofanay ianao.

10 Ny fahoriana tsy hihatra aminao,

tsy hisy loza hanakaiky izay lainao akory.

11 Fa Izy handidy ireo Anjeliny, ny aminao,

mba hiambina anao amin’izay alehanao rehetra:

12 ka hivimbina anao eny an-tanany ireo,

fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.

13 Hanitsakitsaka ny liona sy ny aspìka ianao,

hanosihosy ny liona tanora mbamin’ny dragona ianao.

14 Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy;

hiaro azy aho, fa mahalala ny Anarako izy.

15 Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho;

homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho.

Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.

16 Hovokisako andro lava izy,

ary hanehoako ny famonjeko.

Categories
Salamo

Salamo 92

Hitan’ny olo-marina

1 Salamo. Fihirana fanao amin’ny andro sabata.

2 Tsara ny midera an’i Iaveh,

sy ny mankalaza ny Anaranao, ry Avo Indrindra ô,

3 ny mitory ny hatsaram-ponao, nony maraina,

ary ny tsy fivadihanao, nony alina,

4 amin’ny valiha tory folo, sy amin’ny lokanga,

ary amin’ny fireondreon’ny harpa.

5 Mampifaly ahy amin’ny asanao Ianao, ry Iaveh,

ary mientana aho manoloana ny asan-tananao.

6 Akory ity halehiben’ny asanao, ry Iaveh,

akory izany halalin’izay fisainanao!

7 Ny olona ketrina, tsy mahalala na inona na inona amin’izany;

ary ny adala tsy mahita mangirana amin’izany.

8 Raha mirobona toy ny ahitra ny ratsy fanahy,

ka mandroso avokoa izay manao ratsy,

dia ny mba horinganina mandrakizay.

9 Fa Ianao kosa, tafasandratra mandrakizay, ry Iaveh.

10 Fa indreo ny fahavalonao, ry Iaveh,

indreo levona ny fahavalonao,

mihahaka avokoa izay manao ratsy.

11 Ary ny tandrokoasandratrao, toy ny an’ny ombimanga;

tondrahana diloilo vaovao aho.

12 Ny masoko faly mitazana ny fahavaloko;

ary ny sofiko mandre ny ratsy fanahy mitsangan-kamely ahy.

13 Ny marina hitombo tahaka ny rofia;

hisondrotra tahaka ny sedera any Libàna izy.

14 Nambolena ao an-tranon’i Iaveh izy,

dia hamony eo amin’ny kianjan’ny Andriamanitsika.

15 Mbola hamoa izy amin’ny fahanterany;

sady ho be ranony sy maitso mavana,

16 mba hanambara fa marina i Iaveh;

Izy no vatolampiko; ary tsy misy ao aminy ny tsy an-drariny.

Categories
Salamo

Salamo 93

Andriamanitra ambony fahefana

1 Mpanjaka i Iaveh, mitafy fiandrianana Izy,

mitafy i Iaveh, misikina heryIzy:

ka miorina mafy izao tontolo izao fa tsy mangozohozo.

2 Voatsangana hatry ny fiandohana fahagola, ny fiandriananao,

misy hatramin’ny mandrakizay Ianao.

3 Ny ony, ry Iaveh, manandratra,

ny ony manandratra ny feony,

ny ony manandratra ny onjany mimamamama.

4 Mihoatra noho ny feon’ny ranobe,

sy ny onjan-dranomasina mahery,

dia be voninahitra i Iaveh any amin’ny avo!

5 Tsy miova ny teny vavolombelonao,

ny fahamasinana no mendrika ny tranonao;

mandritra ny faharetan’ny andro rehetra, ry Iaveh ô!

Categories
Salamo

Salamo 94

Andriamanitra manao ny rariny

1 Ry Iaveh, Andriamanitry ny famaliana,

ry Andriamanitry ny famaliana, misehoa!

2 Mitsangàna, ry mpitsara ny tany,

valio, araka ny asany, ny mpiavonavona.

3 Mandra-pahoviana no handresen’ny ratsy fanahy?

4 Mandefa teny avonavona tsy erany izy,

mirehareha avokoa ireo mpanao ratsy.

5 Iaveh ô, izy ireo dia manorotoro ny vahoakanao,

mampahory ny lovanao,

6 mamono ny mpitondratena sy ny vahiny,

mahafaty ny kamboty,

7 ka manao hoe: «Tsy mijery akory i Iaveh,

tsy asian’ny Andriamanitr’i Jakôba raharaha akory izany!»

8 Mba fantaro kely, ry zana-bahoaka adala!

Rahoviana no mba hanana fahalalana ianareo, ry adala?

9 Tsy handre va ilay namboly ny sofina?

Tsy hahita va ilay namorona ny maso?

10 Tsy hamay va ilay manasazy ny firenena?

Tsy hahalala va, ilay manome saina ny olona?

11 Mahalala ny hevitry ny olombelona i Iaveh,

ary fantany fa zava-poana izany.

12 Sambatra ny olona ampianarinao, ry Iaveh,

sady omenao fampianarana ny lalànao,

13 mba hanonenao azy amin’ny andron’ny fahoriana,

mandra-pahavoahady ny lavaka ho an’ny ratsy fanahy.

14 Fa tsy hanary ny vahoakany i Iaveh,

tsy hahafoy ny lovany Izy;

15 fa tsy maintsy hifanaraka amin’ny rariny indray ny fitsarana,

ary hihoby amin’izany avokoa ny olona mahitsy fo.

16 Iza no hitsangana ho ahy, hanohitra ny ratsy fanahy?

Iza no hanohana ahy, hanohitra ireo manao ratsy?

17 Raha tsy i Iaveh no vonjiko,

dia halaky mitoetra any amin’ny fonenan’ny fanginginana ny fanahiko.

18 Raha vao milaza aho hoe: «Mangozohozo ny tongotro»,

dia tohanan’ny hatsaram-ponao, ry Iaveh!

19 Raha akorontan’ny ahiahy maro be ny saiko:

Ampifalian’ny fampiononanao kosa ny fanahiko.

20 Manam-pikambanana aminao akory va, ny fitsarana mandoza,

izay manao ratsy va manaraka ny fomba fitsarana ara-dalàna?

21 Midodododo hamono aina ny marina izy ireo;

ary manameloka ny ra tsy manan-tsiny.

22 I Iaveh anefa no trano mimandako,

ny Andriamanitro no vatolampy ialofako.

23 Hataony mifotitra amin’ireny ny helony;

ary ny haratsiany ihany, no handringanany azy ireny:

haringan’i Iaveh Andriamanitra izy!

Categories
Salamo

Salamo 95

Fanaingana

1 Avia hihira amim-piravoravoana ho an’i Iaveh!

Manaova hobim-pifaliana ho an’ny Vatolampy famonjena antsika!

2 Andeha isika hitsena azy amin’ny fiderana;

aoka hampireondreona hira fankalazana Azy isika.

3 Fa i Iaveh Andriamanitra lehibe,

mpanjaka lehibe, ambonin’ireo andriamanitra rehetra.

4 Hazoniny eo an-tanany ny fanorenana ny tany,

ary azy ny tampon’ny tendrombohitra.

5 Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy;

mbamin’ny tany koa, fa ny tanany no namorona azy.

6 Avia, aoka hiankohoka sy hitsaoka Azy isika;

mandohaliha eo anatrehan’i Iaveh Mpahary antsika.

7 Fa Izy no Andriamanitsika,

ary isika dia vahoaka eo am-balany,

andian’ondry entin’ny tanany.

A! raha mba mihaino ny feony mantsy ianareo anio!

8 Aza manamafy ny fonareo, toy ny tany Meribà,

tahaka ny tamin’ny andro tao Masà, tany an’efitra,

9 izay nakan’ny razanareo fanahy Ahy,

sy nizahany toetra Ahy, na dia efa nahita ny asako aza izy ireo.

10 Nandritra ny efapolo taona aho monain’izany taranaka izany,

ka nanao hoe: «Vahoaka manana izay fo mania izy,

ary tsy nahalala ny lalako.»

11 Ka dia nianiana tamin’ny fahatezerako aho, nanao hoe:

«Tsy hiditra amin’ny fitsaharakoizy.»

Categories
Salamo

Salamo 96

I Iaveh Mpanjaka sady Mpitsara

1 Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh!

Mihirà ho an’i Iaveh ianareo monina amin’ny tany rehetra.

2 Mihirà ho an’i Iaveh, misaora ny Anarany.

Lazao isan’andro ny famonjeny,

3 ambarao amin’ny firenena ny voninahiny,

ary amin’ny firenena rehetra ny fahagagany.

4 Fa lehibe sy mendrika ny fiderana rehetra,

mahatahotra mihoatra noho izay andriamanitra rehetra Izy,

5 fa tsinontsinonaavokoa ny andriamanitry ny firenena.

Fa i Iaveh no nanao ny lanitra.

6 Manoloana Azy ny famirapiratana amam-pahalehibeazana;

ao amin’ny fitoerany masinany hery amam-piandrianana.

7 Manomeza an’i Iaveh, ry fokom-pirenena rehetra,

manomeza voninahitra amam-pahefana an’i Iaveh.

8 Omeo an’i Iaveh ny voninahitra mendrika ny Anarany.

Mitondrà ny fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany.

9 Miankohofa eo anatrehan’i Iaveh amin’ny fanamiana masina,

mangovita eo anatrehany ianareo monina amin’ny tany rehetra!

10 Lazao eo amin’ny firenena hoe: «I Iaveh no mpanjaka»;

ka hitoetra sy tsy hihetsiketsika izao tontolo izao;

hitsara ny vahoaka araka ny rariny Izy,

11 Aoka hifaly ny lanitra,

sy hiravoravo ny tany.

Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy;

12 aoka ho miramirana ny saha mbamin’izay rehetra ao aminy

aoka hihoby ny hazo rehetra any an’ala,

13 eo anatrehan’i Iaveh fa avy Izy.

Avy hitsara ny tany Izy;

hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy,

ary ny firenena, araka ny fahamarinany.

Categories
Salamo

Salamo 97

I Iaveh Mpandresy

1 Mpanjaka i Iaveh: aoka hifaly ny tany;

Aoka hiravoravo ny nosy maro!

2 Rahona aman’aloka no manodidina Azy,

rariny sy hitsiny no iorenan’ny seza fiandrianany.

3 Afo no mandroso eo alohany,

sady mandevona ny fahavalony manodidina.

4 Mahazava izao tontolo izao ny tselany,

mahita izany ny tany ka mipararetra.

5 Miempo hoatry ny savoka ny tendrombohitra eo anatrehan’i Iaveh,

dia eo anatrehan’ny Tompon’ny tany rehetra.

6 Ny lanitra mitory ny fahamarinany,

ary ny firenena rehetra mibanjina ny voninahiny.

7 Hangaihay izay rehetra mivavaka amin’ny sarin-javatra,

izay mirehareha amin’ny sampiny.

Hiankohoka eo anatrehany ny andriamanitra rehetra.

8 Nandre i Siôna, ka nifaly;

niravoravo ireo zanakavavin’i Jodà,

9 satria Ianao, ry Iaveh, no Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra;

Ianao dia tafasandratra indrindra ambonin’ny andriamanitra rehetra.

10 Mankahalà ny ratsy, ianareo izay tia an’i Iaveh;

miaro ny fanahin’ny mpino Azy Izy,

dia manafaka azy amin’ny tanan’ny ratsy fanahy.

11 Afafy ho an’ny marina ny fahazavana,

ary ho an’ny mahitsy fo ny fifaliana.

12 Mifalia amin’i Iaveh, ry olo-marina,

ary manomeza voninahitra ny Anarany masina.

Categories
Salamo

Salamo 98

Ilay Mpitsara ny tany

1 Salamo.

Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh,

fa nanao fahagagana Izy.

Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina

no nahazoany ny fandresena.

2 Nampiharihary ny famonjeny i Iaveh;

nanambara ny fahamarinany teo imason’ny firenena Izy.

3 Notsarovany ny hatsaram-pony amam-pahamarinanyamin’ny taranak’i Israely.

Ny vazantany efatra,

nahita ny famonjen’ny Andriamanitsika avokoa.

4 Manaova hobin-kafaliana mankamin’i Iaveh,

ianareo monina amin’ny tany rehetra.

Ataovy mipoaka amin’ny feon-java-maneno ny firavoravoanareo.

5 Mankalazà an’i Iaveh amin’ny harpa,

amin’ny harpa sy amin’ny fihirana.

6 Manaova hobin-kafaliana eo anatrehan’i Iaveh Mpanjaka,

amin’ny trômpetraamam-peon’anjomara.

7 Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy;

Aoka ny tany mbamin’ny mponina eo aminy hampiseho ny fientanan-kafaliany.

8 Aoka ho velon-tehaka ny ony;

aoka hanao hobin-kafaliana ny tendrombohitra rehetra,

9 Eo anatrehan’i Iaveh, fa avy hitsara ny tany Izy;

hitsara ny tany araka ny rariny Izy, sy ny vahoaka araka ny hitsiny.

Categories
Salamo

Salamo 99

Andriamanitra, Mpanjaka marina sady masina

1 Mpanjaka i Iaveh; mangovitra ny firenena;

mipetraka eo amin’ny Kerobima Izy; mangozohozo ny tany.

2 Lehibe ao Siôna i Iaveh,

tafasandratra ambonin’ny firenena Izy.

3 Hoderaina anie ny Anaranao, sady lehibe no mahatahotra. – Masina Izy.

4 Hoderaina anie ny herin’ny Mpanjaka, izay tia ny rariny.

Manamafy ny fahitsiana Ianao,

mitsara araka ny rariny sy ny hitsiny

eo amin’i Jakôba Ianao.

5 Mankalazà an’i Iaveh Andriamanitsika,

ary miankohofa eo anatrehan’ny lampihazo ipetrahan’ny tongony. – Fa Masina Izy.

6 I Môizy sy i Aarôna dia anisan’ireo mpisorony,

ary i Samoela isan’ireo miantso ny Anarany,

dia niantso an’i Iaveh, ka novaliany.

7 Niteny tamin’ireo tao amin’ny andry rahonaIzy;

nitandrina ny didiny izy ireo

sy ny lalàna izay efa nomeny azy ireo.

8 Ry Iaveh Andriamanitray ô, nekenao ny fangatahany;

Andriamanitra be indrafo ho azy ireo Ianao,

ary namaly azy tamin’ny hadisoany.

9 Mankalazà an’i Iaveh Andriamanitsika,

ary miankohofa eo anatrehan’ny tendrombohiny masina,

fa masina i Iaveh Andriamanitsika.

Categories
Salamo

Salamo 100

Fiantsoana ny olona hidera

1 Salamo fiderana.

Manaova hobin-kafaliana mankamin’i Iaveh

ianareo mponina amin’ny tany rehetra.

2 Manompoa an’i Iaveh amin-kafaliana,

mankanesa eo anatrehany amim-piravoravoana.

3 Fantaro fa Andriamanitra i Iaveh;

Izy no nanao antsika, ka Azy isika,

vahoakany sy andian’ondriny amin’ny tanim-bilony.

4 Avia ho eo am-bavahadinyamim-piderana,

sy eo an-kianjany amim-pihirana;

ankalazao Izy, isaory ny Anarany.

5 Fa tsara i Iaveh, mandrakizay ny famindram-pony,

ary maharitra amin’ny taona mifandimby ny fahamarinany.