Ilay Mpiambina an’i Israely
1 Fihirana fiakarana.
Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho;
Avy aiza no hiavian’ny famonjena ahy?
2 Ny famonjena ahy dia avy amin’i Iaveh,
izay nanao ny lanitra sy ny tany.
3 Tsy havelany ho tafintohina ny tongotro;
tsy ho rendremana ilay miambina anao.
4 Tsia, tsy rendremana na matory
ilay miambina an’i Israely.
5 I Iaveh no mpiambina anao,
I Iaveh no fialofanao, eo ankavananao.
6 Tsy hisy hamely anao, na ny masoandro amin’ny andro,
na ny volana amin’ny alina.
7 Hiaro anao amin’ny ratsy rehetra i Iaveh,
hiaro ny fanahinao Izy.
8 Hiaro anao i Iaveh, na mivoaka na miditra ianao,
hatramin’izao ka ho mandrakizay.