Fiderana an’Ilay mahalala ny zavatra rehetra
1 Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida.
Iaveh ô, mizaha toetra sy mahalala ahy Ianao:
2 fantatrao ny fipetrako sy ny fitsangako;
tsinjovinao ny hevitro mbola lavitra.
3 Ianao mitsirika ahy na mandeha na mandry,
asa mahazatra anao ny lalako rehetra.
4 Ny teny tsy mbola mby eo an-delako aza,
efa fantatrao manontolo sahady, ry Iaveh.
5 Manodidina ahy eo alohako sy eo ivohoko Ianao,
ary apetrakao amiko ny tananao.
6 Fahalalana mahagaga loatra, raha izaho, izany,
ka ambony lavitra noho izay mety ho takatro.
7 Aiza no halehako lavitra ny fanahinao,
aiza no handosirako lavitra ny Tavanao?
8 Raha miakatra any an-danitra aho, any Ianao,
raha mandry any amin’ny Seoly aho, indro ao Ianao.
9 Raha maka elatry ny maraina aho,
ka mandeha hitoetra any am-paran’ny ranomasina,
10 ny tananao ihany koa no hitarika ahy any,
ary ny tananao ankavanana no hihazona ahy.
11 Ka milaza aho hoe: «Ny haizina ahay mba hanarona ahy,
ary ny alina no hany fahazavana hanodidina ahy!…»
12 Tsy misy maizina ho Anao, na ao amin’ny haizina aza,
mamiratra toy ny andro ho Anao ny alina,
ary ny haizina toy ny fahazavana.
13 Ianao no namorona ny voako,
sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny.
14 Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy
ho zava-boaary mahagaga loatra:
mahagaga ny asanao,
ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany.
15 Tsy niafina taminao ny tenako,
tamin’ny namoronana ahy tao amin’ny miafina,
voatenina tamim-pahaizana, tao amin’ny fanambanin’ny tany.
16 Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho
no efa hitan’ny masonao,
ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa,
ny andro voatendry hiainako,
talohan’ny tsy mbola nisiany akory.
17 Ry Andriamanitra ô, mahafinaritra loatra lahy ny hevitrao!
Endrey, izany hamaroany!
18 Raha manisa azy aho, mihoatra noho ny hamaroan’ny fasika ny isany;
nony mifoha aho dia mbola eo aminao ihany!
19 Andriamanitra ô, tsy handringana ny ratsy fanahy va Ianao?
Mialà amiko ianareo mpandatsa-dra!
20 Fiteny mahameloka no iresahany Anao,
manonom-poana ny Anaranao ireo fahavalonao ireo.
21 Ry Iaveh ô, tsy tokony hataoko va ny mankahala izay mankahala Anao,
sy manao ho zava-betaveta an’ireo mitsangan-kanohitra Anao?
22 Halako dia halako tanteraka tokoa ireny,
fahavaloko izy ireny, raha izaho.
23 Zahao toetra aho, Andriamanitra ô, ka fantaro ny foko;
tsapao aho, ka fantaro ny hevitro!
24 Jereo raha eo amin’ny lalan-dratsy aho,
dia tariho eo amin’ny lalana mandrakizay.