Categories
Salamo

Salamo 141

Vavaka raha tarihin’ny ratsy

1 Salamon’i Davida.

Iaveh ô, miantso Anao aho, tongava faingana amiko Ianao;

atongilano ny sofinao amin’ny feoko, raha miantso Anao aho.

2 Aoka ho eo anatrehanao toy ny emboka anie ny fivavahako.

3 Iaveh ô, asio fiambenana eo amin’ny vavako;

ary mpitily eo am-baravaran’ny molotro.

4 Aza atongilanao amin’ny ratsy ny foko,

na hilozoka amin’ny asa ratsy,

miaraka amin’ny olona mpanao ratsy.

5 Raha ny marina no mamely ahy, tombon-tsoa ho ahy izany;

raha izy no mananatra ahy, diloilo manitra eo an-dohako izany,

ka tsy holavin’ny lohako,

fa amin’izay ny fivavahako no hany hanoherako ny hevi-dratsin’ireny.

6 Nefa tsy ho ela dia havarina, manaraka ny vatolampy, ny lehiben’ireny;

ary handre ny teniko ny olona, fa mahafinaritra izany.

7 Toy ny fanoritra sy fihevon’ny asa ny tany,

no famafy ny taolantsika teo am-bavan’ny Seoly.

8 Fa Ianao no andrandrain’ny masoko, Iaveh Tompo ô;

ao akaikinao no itadiavako fialofana; aza mahafoy ny fanahiko!

9 Arovy amin’ny fandrika amandrihany ahy aho,

dia amin’ny fanotrehan’ireo mpanao ratsy.

10 aoka ny ratsy fanahy ho latsaka amin’ny fandrika nataony;

fa izaho kosa izay dia ho afaka amin’izany.

Categories
Salamo

Salamo 142

Vavak’olona enjehina

1 Fihirana nataon’i Davida: Fony izy tao amin’ilay zohy. Fivavahana.

2 Mitaraina amin’i Iaveh amin’ny feoko aho,

mitalaho amin’i Iaveh amin’ny feoko:

3 Mamboraka eo anatrehany ny fitarainako aho,

mamosaka eo anatrehany ny fahoriako.

4 Raha reraka ato anatiko ny fanahiko,

dia fantatrao ny lalako,

fantatrao fa any an-dalana izorako,

amelaran’ireny fandrika hamelezana ahy.

5 Topazo maso eo ankavanana ka zahao:

tsy misy mahalala ahy akory;

ny fialofako tsy misy velively,

tsy ahoan’ny olona akory ny aiko.

6 Mitaraina aminao aho, ry Iaveh,

hoy aho: «Ianao no fialofako,

anjarako eo amin’ny tanin’ny velona.»

7 Atongilano ny sofinao amin’ny fitarainako,

fa fadiranovana izaitsizy aho,

afaho amin’ireo manenjika ahy aho,

fa mahery noho izaho izy ireo.

8 Esory amin’ity tranomaizina ity ny fanahiko,

mba hankalazako ny Anaranao,

hahazo voninahitra miaraka amiko ny marina,

noho ny nanasoavanao ahy.

Categories
Salamo

Salamo 143

Fitalahoana raha voa

1 Salamon’i Davida.

Iaveh ô, henoy ny fivavahako;

atongilano ny sofinao amin’ny fitalahoako;

valio vavaka aho, amin’ny fahitsianao amam-pahamarinanao.

2 Aza mifandahatra amin’ny mpanomponao amin’ny fitsarana,

fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.

3 Mitady ny aiko ny fahavalo,

manitsaka ny aiko amin’ny tany izy;

asesiny ao amin’ny fitoerana maizina aho,

mova tsy olona efa maty ela!

4 Reraka ny fanahiko ato amiko,

mitebiteby ny foko ato an-kiboko.

5 Heveriko ny andro taloha,

sainiko ny asanao rehetra,

eretiko ny asan-tananao.

6 Mananty tanan-droa aminao aho,

ka maniry Anao, toy ny tany mangentana, ny fanahiko.

– Selà

7 Hafaingano ny valim-bavako, ry Iaveh,

fa reraka eo ihany ny fanahiko;

aza manafina ny Tavanao amiko,

fa manahaka ny efa midina any am-pasana aho.

8 ampandreneso faingana ny hatsaram-ponao aho,

fa Ianao no itokiako;

atoroy ny lalana tokony halehako aho,

fa any aminao no hanondrotako ny fanahiko.

9 Afaho amin’ny fahavaloko aho, ry Iaveh,

fa ao aminao no ialofako.

10 Ampianaro hanao ny sitraponao aho

fa Ianao no Andriamanitro.

Ny fanahinao tsara anie hitarika ahy,

eo amin’ny lala-mahitsy.

11 Iaveh ô, velomy aho, noho ny Anaranao,

esory amin’ny fahoriana ny fanahiko, noho ny fahamarinanao.

12 Fongory ny fahavaloko, noho ny hatsaram-ponao;

ary aringano avokoa izay mpampahory ahy,

fa mpanomponao aho.

Categories
Salamo

Salamo 144

Fangatahana fandresena

1 Nataon’i Davida.

Hisaorana anie i Iaveh Vatolampiko,

izay nampianatra ny tanako hiady,

ary ny rantsan-tanako hiantafika.

2 Mpanao soa ahy aman-trano mimandako,

fialofako avo ama-mpanafaka ahy,

ampingako ama-mpialofako,

izay mandamina ny vahoakako hanoa ahy!

3 Iaveh ô, inona moa ny olombelona no mba heverinao,

ny zanak’olombelona, no mba ahìnao?

4 Tahaka ny tso-drivotra ihany ny olombelona;

tahaka ny aloka mandalo foana ny androny.

5 Iaveh ô, aondreho ny lanitrao, ka midìna;

tendreo ny tendrombohitra dia aoka hirehitra izy.

6 Aoka Ianao hampanjopiaka ny tselatra ka hampiparitaka ny fahavalo;

alefaso ny zana-tsipìkanao, ka ampifanaritaho ireny.

7 Ahinjiro avy any ambony ny tananao

ka afaho sy vonjeo aho amin’ny rano be,

amin’ny tanan’ireo tarana-pirenen-kafa,

8 izay mamoaka lainga ny vavany,

ary tanana ankavanana mivadika no tanany ankavanana.

9 Andriamanitra, hihira fihiram-baovao ho Anao aho,

hankalaza Anao amin’ny valiha tory folo aho.

10 Ianao izay nanome fandresena ny mpanjaka,

sy namonjy an’i Davida mpanomponao amin’ny sabatra mahafaty,

11 dia afaho sy vonjeo aho

amin’ny tanan’ireo tarana-pirenen-kafa,

izay mamoaka lainga ny vavany,

ary tanana ankavanana mivadika no tanany ankavanana.

12 Hanahaka ny zana-kazo mirobona anie ny zanakay lahy

ka hitombo mandritra ny fahatanorany.

Hanahaka ny andry fehizoro anie ny zanakay vavy,

misy sarin-javatra voasikotra, toy ny amin’ny Tempoly!

13 Ho feno mandrakariva anie ny sompitray,

ka ho hipoka vokatra isan-karazany.

Ny ondrinay eny an-tanim-bilonay anie

hitombo arivoarivo sy alinalina,

14 ary ny ombinay hahavanona anaka.

Aza misy ao anatin’ny mandanay ny fahabangana na fikoizana,

aza misy re eny amin’ny kianjanay anie ny antso vonjy taitra!

15 Sambatra ny firenena, miarana amin’izany zava-tsoa izany.

Sambatra ny firenena manana an’i Iaveh ho Andriamaniny.

Categories
Salamo

Salamo 145

SALAMO 145 (Volgata 144)

Fiderana an’i Iaveh Mpanjaka

Hira fiderana. Nataon’i Davida.

1 Sitrako ny mankalaza Anao, ry Andriamanitro Mpanjaka ô,

sy ny misaotra ny Anaranao mandrakizay doria.

2 Sitrako ny misaotra Anao isan’andro,

sy ny mankalaza ny Anaranao mandrakizay doria!

3 Lehibe i Iaveh ka mendrika ny fiderana rehetra,

ary tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany!

4 Ny taona rehetra samy hilaza amin’izay mandimby azy

ny fiderana ny asanao;

hitory ny fahagagana nataonao ny olona.

5 Hihira ny famirapiratan’ny fiandriananao be voninahitra aho,

sy ny asanao mahagaga.

6 Horesahin’ny olona ny herinao mahatahotra;

ary hotantaraiko ny fahalehibeazanao.

7 Hambaran’ny olona ny fahatsiarovana ny hatsaram-ponao lehibe indrindra,

ary hankalazainy ny fahamarinanao.

8 Mamindra fo sy miantra i Iaveh,

ary mahari-po sy feno hatsaram-po.

9 Tsara fo amin’ny olona rehetra i Iaveh,

ary mihatra amin’ny zava-boaariny rehetra ny famindram-pony.

10 Midera Anao avokoa ny asanao rehetra, ry Iaveh,

ary misaotra Anao ny mpino Anao.

11 Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy,

ary mitory ny fahefanao;

12 mba hampahalalàny ny zanaky ny olona ny asany mahagaga,

sy ny famirapiratry ny fanjakany be voninahitra.

13 Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao,

ary maharitra amin’ny taona rehetra ny fanapahanao.

14 Manohana an’izay rehetra lavo i Iaveh,

ary mampitraka an’izay rehetra mitanondrika.

15 Mitodika miandry Anao ny mason’ny zavatra rehetra,

ary omenao izay haniny amin’ny fotoany izy.

16 Sokafanao ny tananao,

dia vokisanao soa avy aminao ny miaina rehetra.

17 Marina amin’ny lalany rehetra i Iaveh,

ary mamindra fo amin’ny asany rehetra.

18 Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh,

dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.

19 Manatanteraka ny fanirian’izaymatahotra Azy Izy,

mihaino ny fitarainany sy mamonjy azy.

20 Miambina izay rehetra tia Azy i Iaveh,

ary mandringana ny ratsy fanahy rehetra.

21 Aoka ny vavako hitory fiderana an’i Iaveh,

ary ny nofo rehetra hisaotra ny Anarany masina

mandrakizay doria!

Categories
Salamo

Salamo 146

Antsa ho an’Andriamanitra mangoraka

Aleloia!

1 Miderà an’i Iaveh, ry fanahiko.

2 Sitrako ny midera an’i Iaveh, amin’ny andro rehetra iainako;

sitrako ny mihira ho an’Andriamanitra raha mbola velona koa aho.

3 Aza mametraka ny fitokianareo amin’ny mpanapaka,

na amin’ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy;

4 fa miala ny fofon’ainy, dia miverina amin’ny vovony izy,

ary amin’izay andro izay ihany, dia levona ny hevitra kasainy

5 Sambatra izay manana ny Andriamanitr’i Jakôba

ho famonjena azy

sy mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh Andriamaniny.

6 I Iaveh nanao ny lanitra sy ny tany,

ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy;

maharitra amin’ny tsy fivadihany Izy.

7 Manome rariny an’izay ampahorîna,

manome hanina an’izay noana;

i Iaveh manafaka an’izay voababo;

8 I Iaveh mampihiratra ny jamba;

i Iaveh mampitraka ny mitanondrika;

i Iaveh tia ny marina;

9 i Iaveh miaro ny mpivahiny;

manohana ny kamboty ama-mpitondratena Izy;

fa mampiolakolaka ny lalan’ny ratsy fanahy kosa.

10 Mpanjaka mandrakizay i Iaveh,

Andriamanitrao amin’ny taona mifandimby Izy, ry Siôna.

Aleloia!

Categories
Salamo

Salamo 147

Antsa ho an’ilay mahefa

Aleloia!

1 Miderà an’i Iaveh,

fa tsara ny mankalaza ny Andriamanitsika,

2 Manangana an’i Jerosalemaindray i Iaveh,

angoniny ireo tafaelyavy tamin’i Israely.

3 sitraniny ireo torotoro fo,

ary feheziny ny ferin’izy ireo.

4 Manisa ny isan’ny kintana Izy,

ary tononiny samy amin’ny anarany avy izy rehetra.

5 Lehibe ny Tompontsika ary tsy misy fetra ny heriny;

sady tsy manam-petra ny fahalalany.

6 Manati-bonjy ho an’ny manetry tena i Iaveh,

fa manetry ny ratsy fanahy amin’ny tany kosa.

7 Manaova hira fisaorana ho an’i Iaveh;

mankalazà ny Andriamanitsika amin’ny harpa!

8 Fa saronany rahona ny lanitra,

ary ny tany amonònany ranonorana;

mampaniry ahitra ny tendrombohitra Izy.

9 Manome hanina ny biby fiompy

sy ny zana-goaika mitaraina aminy Izy.

10 Tsy ny herin’ny soavaly no ankasitrahiny,

na ny tongotr’olombelona no mahafinaritra Azy,

11 fa ny fankasitrahan’i Iaveh dia ireo matahotra Azy,

ireo manantena ny hatsaram-pony.

12 Ry Jerosalema ô, mankalazà an’i Iaveh,

ry Siôna ô, miderà ny Andriamanitrao.

13 Fa nohamafisiny ny hidim-bavahadinao,

hasoaviny ny zanakao eo afovoanao.

14 Ataony mandry feizay ny vava taninao,

vokisany vary tsara indrindra ianao.

15 Mandefa ny teniny ho amin’ny tany Izy,

faingana dia faingana ny fandehan’ny teniny.

16 Mandatsaka oram-panala, tahaka ny volon’ondry izy,

ary mandraraka fanala tahaka ny lavenona.

17 Atsipiny am-bakivàkiny ny vongan-dranomandriny,

ka zovy no mahatoha ny hatsîakany?

18 Mandefa ny teniny Izy, dia mampiempo an’ireny,

mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano.

19 Izy no nanambara ny teniny tamin’i Jakôba,

sy ny didiny amam-pitsipiny tamin’i Israely.

20 Tsy mba nanao toy izany tamin’ny firenena hafa rehetra Izy,

ka tsy mahalala ny fitsipiny ireny.

Aeloia!

Categories
Salamo

Salamo 148

Fideràn’izao tontolo izao

Aleloia!

1 Miderà an’i Iaveh any an-tampon’ny lanitra,

miderà Azy any ambony any!

2 Miderà Azy ianareo Anjeliny rehetra,

miderà Azy ianareo tafiny rehetra!

3 Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana;

miderà Azy, ianareo kintana mamirapiratra rehetra.

4 Miderà azy ry lanitry ny lanitra

ary ianareo rano ambonin’ny lanitra.

5 Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh ireo:

fa mandidy Izy, dia àry izy ireo.

6 Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy,

ary nametraka lalàna izay tsy hodikaina.

7 Miderà an’i Iaveh etỳ an-tany,

ry biby goay be anaty ranomasina,

mbaminareo rehetra ranomasin-dehibe,

8 afo aman-kavandra, oram-panala aman’etona,

rivotra mahery izay manatanteraka ny fandaharany,

9 tendrombohitra mbaminareo havoana rehetra,

hazo fihinam-boa mbaminareo sedera rehetra,

10 biby dia amam-biby fiompy isan-karazany;

biby mandady amam-boro-manana elatra,

11 mpanjakan’ny tany mbamin’ny vahoaka rehetra,

mpanapaka mbaminareo rehetra mpitsara amin’ny tany,

12 zatovo lahy sy virjiny tanora,

lahy antitra sy zaza.

13 Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh izy ireo,

fa ny Anarany no hany lehibe,

ny voninahiny dia ambonin’ny lanitra sy ny tany.

14 Nanandratra ny fahefan’ny vahoakany Izy,

foto-piderana amin’izay rehetra miraiki-po aminy,

dia amin’ny zanak’i Israely firenena akaiky Azy.

Aleloia!

Categories
Salamo

Salamo 149

SALAMO 149

Hira fandresena

Aleloia!

1 Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh:

hanakoako eo amin’ny fiangonan’ny olo-masina anie ny fiderana Azy!

2 Hifaly amin’ny Mpahary azy anie i Israely,

hientan-karavoana amin’ny Mpanjakany anie ny zanak’i Siôna!

3 Aoka izy ireo hidera ny Anarany amin’ny dihiny;

aoka hihira Azy amin’ny ampongatapaka sy ny harpa!

4 Fa ankasitrahin’i Iaveh ny vahoakany;

manome voninahitra ny ambany toetra, amin’ny famonjeny azy Izy.

5 Mandresy amim-boninahitra ny mpino,

mienta-kafaliana eo am-pandriany izy ireo.

6 Eo am-bavany ny fiderana an’Andriamanitra,

ary eo an-tanany ny sabatra roa lela.

7 Mba hanao famaliana an’ireo firenena,

sy hamay an’ireo vahoaka,

8 mba hamatotra ny mpanjakan’ireny amin’ny gadra,

ary ny olo-malazan’ireny amin’ny gadra vy;

9 mba hampihatra amin’izy ireo ny teny fitsarana voasoratra:

Voninahitra voatokana ho an’ny mpino azy rehetra izany.

Aleloia!

Categories
Salamo

Salamo 150

Fanomezam-boninahitra farany an’Andriamanitra

Aleloia!

1 Miderà an’Andriamanitra eo amin’ny fitoerany masina!

Miderà Azy amin’ny fitoeran’ny fahefany!

2 Miderà Azy noho ny asa nataony amin-kerim-po!

Miderà Azy araka ny fahalehibeazany tsy hita noanoa!

3 Miderà Azy amin’ny feon-trômpetra!

Miderà Azy amin’ny harpa aman-dokanga!

4 Miderà Azy amin’ny dihy miaraka amin’ny ampongatapaka!

Miderà Azy amin’ny sodina aman-java-maneno tendrena!

5 Miderà Azy amin’ny kipantsona mazava feo!

miderà Azy amin’ny kipantsona mikarantsana!

6 Aoka hidera an’i Iaveh ny manam-pofon’aina rehetra!

Aleloia!