Categories
Salamo

Salamo 11

Tokin’ny olo-marina

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida.

I Iaveh no itokiako;

ka ahoana no ilazanareo amin’ny fanahikohoe:

Mandosira any an-tendrombohitrareo toy ny vorona?

2 Fa indro ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany;

nametaka tamin’ny tady ny zana-tsipìkany;

mba hitifirany ny olona mahitsy fo, ao amin’ny maizina.

3 Raha rava ny fanorenana,

inona indray no azon’ny marina atao?

4 I Iaveh izay ao amin’ny tempoly masina,

I Iaveh izay manana ny fiandrianany any an-danitra,

dia mana-maso mahiratra;

ary ny hodi-masony mizaha ny zanak’olombelona hatrao anatiny.

5 Mizaha ny marina hatrao anatiny i Iaveh;

fa mankahala ny ratsy fanahy sy ny mifaly manao an-keriny Izy.

6 Latsahany fandrika afo sy solifara hoatra ny ranonorana

ny ratsy fanahy;

rivo-mahery no ho anjara kapoakan’ireny.

7 Fa marina i Iaveh ka ny fahamarinana no tiany;

ny mahitsy fo no hibanjina ny Tavany.

Categories
Salamo

Salamo 12

Hanoherana an’izao tontolo izao mpamitaka

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Torivalo. Hiran’i Davida.

2 Vonjeo, ry Iaveh ô! fa mihafongotra ny tia vavaka:

mihafoana tsy ho eo amin’ny zanak’olombelona ny mahatoky.

3 Mifampilaza lainga no ataon’ny olona;

molotra mandrobo sy feo mamorom-pitaka no itenenany.

4 Holevonin’i Iaveh anie ny molotra mandrobo rehetra,

mbamin’ny lela miteny amin’avonavona,

5 izay milaza hoe: «Mankahery anay ny lelanay;

miandany aminay ny molotray, ka iza indray no ho tomponay?»

6 Noho ny fahorian’ny ory,

amam-pisentoan’ny mahantra,

dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy i Iaveh,

dia hitondra aminy ny famonjena izay iriny.

7 Teny madio ny tenin’i Iaveh,

volafotsy voarendrikaanatin’ny memy ambonin’ny tany Izy, ka voadio impito.

8 Ianao no hiambina azy, ry Iaveh ô;

dia hiaro azy mandrakariva amin’ity taranaka ity.

9 Mandeha manodidina azy amim-panandratan-tena ny ratsy fanahy;

fa araka ny isandratan’ny zanak’olombelona no hanetrena

azy ireo.

Categories
Salamo

Salamo 13

Antso feno toky

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Hiran’i Davida.

2 Ry Iaveh ô, mandra-pahoviana no hanadinoanao ahy,

mandra-pahoviana no hanafenanao ny Tavanaoamiko?

3 Mandra-pahoviana no hamoromporon-kevitra ao amin’ny

fanahiko aho,

ary dia ho feno alahelo isan’andro ny foko?

Mandra-pahoviana no hitsanganan’ny fahavaloko mamely ahy?

4 Jereo, mba valio aho, ry Iaveh Andriamanitro ô!

Omeo fahazavana ny masoko

mba tsy ho renoky ny torimaso fahafatesanaaho,

5 mba tsy hanaovan’ny fahavaloko hoe: «Resiko izy!»

ka tsy hifalian’ny mpanohitra ahy, mahita ahy mangozohozo.

6 Raha izaho, dia ny hatsaram-ponao no itokiako;

ny famonjenao no hientanan’ny foko,

hihira ho an’i Iaveh aho, noho ny soa nataony tamiko.

Categories
Salamo

Salamo 14

SALAMO 14 (Volgata 13)

Ny olona tsy miaraka amin’Andriamanitra

1 Ny adala manao anakam-po hoe: «Tsy misy Andriamanitra!»

Efa simba izy ireo; asa mahamenatra no ataony;

Tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.

2 I Iaveh mitsinjo ny zanak’olombelona eny amin’ny lanitra ambony eny,

mba hahita raha misy olon-kendry anankiray,

olona iray mitady an’Andriamanitra.

3 Efa nania izy rehetra, efa niara-nihasimba toetra avokoa;

tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.

4 Tsy manam-pahalalana va izy rehetra ireo izay manao ny ratsy?

Mihinana ny vahoakako, toy ny fihinan-kanina;

tsy miantso an’i Iaveh izy ireo.

5 Ho tera-kovitra tampoka azon’ny fivadiham-po izy,

fa eo afovoan’ny taranaka marina Andriamanitra.

6 Tadiavinareo hokorokoroina ny hevitra kasain’ny ory.

Nefa Andriamanitra no arony.

7 Endrey! Hivoaka avy any Siôna anie ny famonjena an’i Israely.

Rehefa hampodin’i Iaveh ireo nentiko babo amin’ny vahoakany,

dia ho faly i Jakôbaary ho ravo i Israely!

Categories
Salamo

Salamo 15

Ny olona mampiantrano an’i Iaveh

Salamon’i Davida.

1 Iaveh ô, iza no honina ao an-dainao?

Zovy no hitoetra ao an-tendrombohitrao masina?

2 Izay mandeha amin’ny tsy fananan-tsiny,

izay manaraka ny rariny,

ka milaza ny marina ao am-pony.

3 Tsy manendrikendrika amin’ny lelany izy,

tsy manisy ratsy ny rahalahiny,

tsy manala baraka ny namany.

4 Ny voaheloka no mendrika halàm-baraka eo imasony;

fa ny matahotra an’i Iaveh kosa omeny voninahitra.

Raha manao fianianana mamono antoka azy izy, tsy ivadihany izany.

5 Tsy mampihana vola manao zana-bola be loatra

na mandray kolikolyhamely ny tsy manan-tsiny

Tsy hangozohozo mandrakizay izay mitondra tena araka izany.

Categories
Salamo

Salamo 16

I Iaveh no anjara lovako

1 Hiran’i Davida.

Ambeno aho, ry Andriamanitra ô, fa mifefy aminao aho.

2 Hoy aho amin’i Iaveh: «Tompoko Ianao, Ianao irery no fananako.

3 Ny olo-masina izay ety amin’ny tany,

ireo malaza, dia tiako amin’ny foko rehetra».

4 Ampitomboin’ny olona ny sampy; ny andriamani-kafa no hihazakazahany harahina,

fa izaho kosa tsy mba handraraka ny fanati-dra araraka ataony,

na hanao ny anaran’ireny eo amin’ny molotro akory.

5 I Iaveh no anjara lovako aman-kapoakako;

Ianao no miantoka ny anjarako.

6 Norefesin’ny famolaina izay anjarako soa,

eny lova soa indrindra no lasako ho ahy.

7 Isaorako i Iaveh izay nanolo-tsaina ahy;

na dia alina aza ny andro mbola anarin’ny foko ihany aho.

8 Ataoko eo imasoko mandrakariva i Iaveh,

fa eo ankavanako Izy; tsy hangozohozo aho.

9 Ka dia faly ny foko, ravo ny fanahiko;

mandry tsy amin’ahiahy mbamin’ny vatako aza.

10 Fa tsy ho foinao ho any amin’ny Seoly ny fanahiko;

tsy havelanao hahita ny fahalòvana ilay tia Anao.

11 Hampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana:

hafaliana feno no eo anatrehan’ny Tavanao;

fahafinaretana mandrakizay no eo an-tananao ankavanana.

Categories
Salamo

Salamo 17

Antson’ny tsy manan-tsiny

1 Fivavak’i Davida.

Ry Iaveh ô, mandrenesa ny rariny,

henoy ny fitarainako;

atongilano ny sofinao amin’ny fivavahako,

izay tsy aloaky ny molotra misy fitaka.

2 Hivoaka avy amin’ny Tavanao anie ny fitsarana ahy;

hijery ny marina anie ny masonao!

3 Ianao efa nizaha toetra ny foko: namangy azy nony alina,

nitsapa ahy tamin’ny memy, fa tsy mahita na inona na inona Ianao.

Tsy mifanohitra amin’ny fisainako ny vavako.

4 Ny amin’ny asa fanaon’ny olona dia narahiko ny tenin’ny molotrao,

ka nitandrin-tena tamin’ny lalan’ny mpanao an-keriny aho.

5 Nifikitra tao amin’ny lalanao ny diako;

ary tsy mba nangozohozo ny tongotro.

6 Miantso Anao aho, fa mamaly ahy Ianao, ry Andriamanitra;

atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny fangatahako.

7 Asehoy ny hatsaram-ponao, Ianao izay mamonjy ny mifefy

ao amin’ny tananao ankavanana, tsy ho azon’ny fahavalony.

8 Tandremo tahaka ny anakandriamaso aho;

afeno eo ambanin’ny aloky ny elatrao aho,

9 tsy ho azo enjehin’ny tsy mpivavaka,

sy ny fahavalo tsy tia velona manodidina ahy.

10 Tandremany tsy hidiran’ny indrafo ny fony,

sady miloa-bava manao teny miavonavona izy ireo.

11 Tanahiny hodidininy hatrany izahay,

tsikiloiny hatsingidiny amin’ny tany.

12 Mova tsy ny liona lian-te-handrapaka izy,

na ny liona tanora mamitsaka ao amin’ny kirihitr’alany.

13 Mitsangàna, ry Iaveh, mirosoa hitsena azy, ka aripaho izy,

ny sabatrao no aoka hanafaka ny fanahiko amin’ny ratsy fanahy,

14 ny tananao hanafaka amin’ny olombelona,

dia amin’ny olon’izao tontolo izao

izay mahazo ny anjarany amin’ny fiainana ankehitriny,

izay fenoinao harena ny kibony;

sy vokisanao anaka,

ary mamela ho an’ny zafiny ny ambim-bavany.

15 Fa izaho kosa dia hibanjina ny Tavanao amin’ny tsy fananako tsiny;

sy hiala liana mijery ny sarinao amin’ny fifohazako.

Categories
Salamo

Salamo 18

SALAMO 18 (Volgata 17)

Fiderana an’Andriamanitra mpanjaka

.

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’ilay mpanompon’i Iaveh, Davida, izay nanao ny tenin’izao tononkira izao tamin’i Iaveh, tamin’ny andro nanafahan’i Iaveh azy tamin’ny fahavalony rehetra, sy tamin’i Saola. Hoy izy:

2 Tiako Ianao, ry Iaveh heriko!

3 Iaveh, harambatoko, mandako, mpanafaka ahy,

Andriamanitro, vatolampiko izay hahitako fialofana,

ampingako, tandro-pamonjenaahy, trano mimandako!

4 Niantso an’izay mendrika hoderaina, an’i Iaveh, aho,

dia voavonjy tamin’ny fahavaloko.

5 Nanodidina ahy ny fatoram-pahafatesana;

nampitahotra ahy ny riakan’i Beliala,

6 nihodidina tamiko ny fatoran’ny Seoly;

ary latsaka teo anatrehako ny fandrika haraton’ny fahafatesana.

7 Niantso an’i Iaveh tao anatin’ny fahoriako aho,

ary nitaraina tamin’ny Andriamanitro aho;

ka reny tany an-tempoliny ny feoko;

tonga tao an-tsofiny ny fitarainako teo anatrehany.

8 Nihozongozona sy nihorohoro ny tany;

nihararetra ny fanambanin’ny tendrombohitra;

ka ireo no nihozongozona dia Izy io no tezitra;

9 nisy setroka nisavoana avy ao am-bavorony,

sy afo mandevona nivoaka avy any am-bavany;

ary vainafo midedadeda nipoitra avy eo aminy.

10 Naletsiny ny lanitra dia nidina Izy;

rahona matevina no teo ambanin’ny tongony.

11 Nitaingina Kerobima Izy dia nanidina;

nanidina nisononoka teo ambonin’ny ela-drivotra.

12 Ny haizina no nataony fitoerany mangingina,

ny lainy manodidina Azy

dia rano maizina sy rahona manjombona.

13 Niantoraka avy amin’ny fahazavana nialoha Azy ny rahona

izay nitondra havandra mbamin’ny vainafo mivaivay.

14 Nampikotrokotroka tany an-danitra i Iaveh,

nampanakoako ny feonyny Avo indrindra;

dia nisy havandra mbamin’ny vainafo mivaivay!

15 Nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely azy ireo;

nataony maro ny varany, ka nampifanaritaka an’ireny Izy.

16 Dia niseho tamin’izay ny mason-drano,

niposaka ny fanambanin’ny tany,

noho ny teny mafy nataonao, ry Iaveh,

sy noho ny fifofofofon’ny rivotra ny vavoronao.

17 Naninjitra ny tanany avy any ambony Izy nandray ahy,

nisarika ahy avy tamin’ny rano be Izy.

18 Nanafaka ahy tamin’ny fahavaloko mahery Izy,

dia tamin’izay nankahala ahy, fony izy ireo mahery noho izaho.

19 Nosovohin’ireny aho tamin’ny andron’ny fahoriako,

fa i Iaveh kosa no mpanohana ahy tamin’izay.

20 Nataony amin’ny malalaka aho,

novonjeny aho satria nankasitrahany.

21 Novalian’i Iaveh aho araka ny fahamarinako,

novaliany araka ny fahadiovan’ny tanako.

22 Fa nanaraka ny lalàn’i Iaveh aho,

ary tsy mba nanota hialako tamin’ny Andriamanitro.

23 Ny fitsaràny rehetra dia teo anatrehako,

ny lalàny koa tsy nariako lavitra ahy.

24 Tsy nanan-tsiny taminy aho;

ary nitandrin-tena tamin’ny haratsiako.

25 Koa namaly ahy araka ny fahamarinako i Iaveh,

araka ny hadiovan’ny tanako teo imasony.

26 Miseho ho tsara Ianao amin’izay tsara;

miseho ho marina Ianao amin’izay marina;

27 miseho ho madio Ianao amin’izay madio,

fa amin’izay manao an-kafetsena dia anaovanao an-kafetsena koa.

28 Fa ny vahoaka voaetry, vonjenao,

ary ny misolanandrana kosa aetrinao.

29 Eny, Ianao no mampirehitra ny faniloko;

i Iaveh Andriamanitro no manazava ny haiziko.

30 Raha ombanao aho, dia mirotsaka amin’ny antoko-miaramila mitam-piadiana;

omban’ny Andriamanitro aho mitsambikina mihoatra ny manda.

31 Andriamanitra… lavorary ny lalany;

azo antoka ny tenin’i Iaveh,

ampinga Izy ho an’izay rehetra mifefy aminy.

32 Fa iza moa no Andriamanitra afa-tsy i Iaveh ihany?

ary zovy no vatolampy afa-tsy ny Andriamanitsika?

33 Dia ilay Andriamanitra mampisikina hery ahy,

mandavorary ny lalako,

34 mampanahaka ny tongotro amin’ny an’ny serfa vavy,

mampijoro ahy any amin’ny fitoerako avo;

35 mampianatra ny tanako hiady Izy,

ka ny sandriko manenjana tsipìka varahina.

36 Ny ampingan’ny famonjenao nomenao ahy;

ny tananao ankavanana manohana ahy;

ary ny hamoram-ponao no mahalehibe ahy.

37 Manalalaka ny dian-tongotro eo ambaniko Ianao,

ka tsy mangozohozo ny tongotro.

38 Manenjika ny fahavaloko aho, ka mahatratra azy,

ary tsy miverina aho, raha tsy efa nataoko lany ritra ireny.

39 Atontako izy, dia tsy afa-mifongatra

dia lavo ao ambanin’ny tongotro.

40 Mampisikina hery ahy ho amin’ny ady Ianao,

folahinao ao ambaniko ny rafilahiko rehetra.

41 Ireo fahavaloko… Ataonao miamboho ahy izy ireo;

ka aringako izay mankahala ahy.

42 Mitaraina ireny fa tsy misy mpamonjy;

miantso an’i Iaveh fa tsy valiany akory.

43 Torotoroiko tahaka ny vovoka entin’ny rivotra izy;

ary ataoko mafafa tahaka ny fotaka eny an-dalam-be.

44 Manafaka ahy amin’ny fikomian’ny vahoaka Ianao,

sady manandratra ahy ho lohan’ny firenen-tsamihafa;

vahoaka tsy fantatro avy no manompo ahykoa.

45 Vao nandre Izy dia manoa ahy;

ny zanaky ny hafa firenena dia mandoka ahy.

46 Ketraka ny zanaky ny hafa firenena,

ialany amin-kovitra ny trano mimandany.

47 Ho velona anie i Iaveh, ary hisaorana anie ny vatolampiko!

Hankalazaina anie ny Andriamanitry ny famonjeko,

48 dia Andriamanitra izay mpanao famaliana ho ahy,

mampanaiky ahy ny firenena,

49 manafaka ahy amin’ny fahavaloko.

Eny manandratra ahy ho ambonin’ny rafy lahiko Ianao,

mamonjy ahy amin’ny olona mpanao an-keriny.

50 Noho izany dia hidera Anao aho, ry Iaveh, eo amin’ny firenena,

hihira ho an’ny voninahitry ny Anaranao aho.

51 Manao famonjena mahagaga ho an’ny mpanjaka voatendriny Izy,

mamindra fo amin’izay voahosony Izy,

dia amin’i Davida sy ny taranany mandrakizay.

Categories
Salamo

Salamo 19

I Iaveh, Masoandro fahamarinana

1 Ho an’ny mpampianatra hira. – Tononkiran’i Davida.

2 Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra,

ary ny habakabaka manambara ny asan-tanany.

3 Ny andro mitory fiderana amin’ny andro,

ny alina mampandre izany amin’ny alina.

4 Izany tsy mba fiteny, tsy mba teny

izay tsisy haharenesana ny feony:

5 fa mitety ny tany rehetra ny fanenon’ny feony,

ka tonga hatramin’ny faran’ny tany ny fikarantsan’ny feony.

Dia any Izy no nanangan-day ho an’ny masoandro.

6 Ary Izy io tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy amin’ny trano fandriany

dia miezaka an-kafaliana toy ny olo-mahery fo, hanafaka ny lalan-kalehany.

7 Any amin’ny ila faravodilanitra Izy no miala;

ary any amin’ny ila faravodilanitra vao tapitra ny diany;

tsy misy tsy takatry ny hafanàny.

8 Lavorary ny lalàn’i Iaveh,

mamelombelona ny fanahy;

mahatoky ny teny vavolombelon’i Iaveh,

ka mahahendry ny kely saina.

9 Mahitsy ny fandidian’i Iaveh,

ka mahafaly ny fo;

madio ny didin’i Iaveh,

ka mampahazava ny maso.

10 Masina ny fahatahorana an’i Iaveh,

ka maharitra mandrakizay;

marina ny fitsipik’i Iaveh,

ka mahitsy avokoa.

11 Sarobidy noho ny volamena ireny,

mihoatra noho ny volamena madio betsaka;

mamy noho ny tantely izy,

mihoatra noho ny tantely mitete avy amin’ny tohotra.

12 Ny mpanomponao koa dia hazavain’ireny;

ary misy valiny lehibe ho an’izay mitandrina azy.

13 Iza moa no mahalala ny faniasiavany?

Mamelà ahy amin’izay tsy fantatro.

14 Arovy amin’ny mpiavonavona koa ny mpanomponao;

aoka tsy hanjaka aminy ireny.

Dia ho lavorary aho, ho madio amin’ny ota lehibe.

15 Raiso amim-pankasitrahana ny tenin’ny vavako,

mbamin’ny fitiavan’ny foko,

eo anatrehanao, ry Iaveh,

Vatolampiko sy Mpanavotra ahy!

Categories
Salamo

Salamo 20

Vavaka ho an’ny mpanjaka

1 Ho an’ny mpampianatra hira. – Salamon’i Davida.

2 Hihaino anao amin’ny andron’ny fahoriana anie i Iaveh;

hiaro anao anie ny Anaran’ny Andriamanitr’i Jakôba.

3 Hahatonga famonjena ho anao avy amin’ny fitoerany masinaanie Izy;

hanohana anao avy any Siôna anie Izy!

4 Hahatsiaro ny fanatitrao rehetra anie Izy,

ary hankasitraka ny sorona dorana!

– Selà

5 Homeny anao anie izay irin’ny fonao;

ary hotanterahiny avokoa ny hevitra kasainao rehetra!

6 Hiarahaba ny fandresenao anie izahay, amin’ny hobin-kafaliana;

hanangam-paneva amin’ny Anaran’ny Andriamanitsika;

hotanterahin’i Iaveh anie izay irinao rehetra!

7 Fantatro sahady fa namonjy ny voahosony i Iaveh;

hihaino azy Izy any an-danitra, fonenany masina,

amin’ny famonjena mahery hataon’ny tanany ankavanana.

8 Ny sasany mitoky amin’ny kalesiny;

ny sasany amin’ny soavaliny;

fa isika kosa miantso ny Anaran’i Iaveh Andriamanitsika.

9 Koa izy ireo moa mihemotra sady lavo;

izahay kosa miarina ka mahatoha mafy.

10 Ry Iaveh ô, vonjeo ny mpanjaka! –

Hihaino antsika anie Izy amin’izay andro iantsoantsika Azy.