Fijalian’ny olo-marina sy fanantenany
1 Ho an’ny mpampianatra hira. Momba ny Serfavavin’ny mazava atsinanana.Salamon’i Davida.
2 Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no nilaozanao aho?
Mitaraina aho, nefa mijanona lavitra ahy ny famonjena!
3 Andriamanitra ô, miantso aho, ritra ny andro, nefa tsy mamaly ahy Ianao;
ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.
4 Kanefa masina Ianao,
ary mipetraka eo amin’ny hiran’i Israely.
5 Ianao no nitokian’ny razanay;
natoky izy ka nanafaka azy Ianao;
6 niantso Anao izy ka voavonjinao;
natoky Anao izy ka tsy azon-kenatra.
7 Ary izaho, dia olitra aho fa tsy olona;
fandàtsan’ny olona, faikam-bahoaka.
8 Izay rehetra mahita ahy, manaraby ahy avokoa;
misoka-molotra izy ary mihifikifi-doha:
9 Aoka izy hanankina ny tenany amin’i Iaveh.
Aoka hovonjena izy.
Aoka hafahany izy fa tiany.
10 Eny Ianao no nampivoaka ahy avy ao am-bohoka;
Ianao no nampahatoky ahy fony aho mbola nampinonoin’ineny.
11 Hatramin’ny fony aho vao teraka no efa nankinina taminao;
hatrany an-kibon-dreniko dia Ianao no efa Andriamanitro.
12 Aza manalavitra ahy Ianao fa akaiky ny fahoriana,
satria tsy misy olona tonga hamonjy ahy.
13 Itangoronan’ombalahy maro aho;
temeran’ny maherin’i Basàna aho.
14 Asanasanany amiko ny vavany;
mova izy tsy ny liona mamiravira sy mierona iny.
15 Koa tahaka ny rano mandeha ihany aho;
ary mivaha ny taolako rehetra;
tahaka ny savoka ny foko,
miempo ato an-kiboko.
16 Maina tahaka ny tavim-bilany tany ny heriko,
ary miraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako;
mampandry ahy ao amin’ny vovoky ny fahafatesana Ianao.
17 Fa amboa no mitangorona amiko
andian’olon-dratsy no mihenjy manodidina ahy;
nandoaka ny tongotro aman-tanako izy;
18 mahisa ny taolako rehetra aho.
Ireo kosa mandinika ahy sy mibanjina ahy;
19 zarain’izy ireo ny fitafiako,
ary ilokany ny akanjoko.
20 Fa Ianao kosa, Iaveh ô, aza manalavitra ahy!
Ianao heriko, faingàna hamonjy ahy!
21 Afaho amin’ny sabatra ny fanahiko,
ary ny aiko amin’ny fahefan’ny amboa!
22 Vonjeo amin’ny vavan’ny liona aho;
esory amin’ny tandroky ny ombimanga aho:
23 Dia hitory ny Anaranao amin’ny rahalahiko aho;
hidera Anao eo amin’ny fiangonana aho:
24 Miderà an’i Iaveh ianareo izay matahotra Azy!
manomeza voninahitra Azy ianareo rehetra taranak’i Jakôba,
manajà Azy ianareo rehetra taranak’i Israely!
25 Fa tsy nataony tsinontsinona na niambohoany ny fijalian’ny ory,
tsy nanafina ny Tavany eo anatrehany Izy;
ary nihaino Izy, nony nitaraina taminy ny ory.
26 Noho Ianao dia hanàko eo amin’ny fiangonan-dehibe ny hirako;
hefaiko eo anatrehan’izay matahotra Anao ny voadiko.
27 Hihinana ny tra-pahoriana ka ho voky;
hidera an’i Iaveh izay mitady Azy.
Ho velona indray mandrakizay anie ny fonareo!
28 Ny fara vazantany rehetra hahatsiaro sy hitodika an’i Iaveh,
ary ny fokom-pirenena rehetra
hiankohoka eo anatrehan’ny Tavanao.
29 Fa an’i Iaveh ny fanjakana;
Izy no manapaka amin’ny firenena.
30 Ny manam-pahefana eto ambonin’ny tany hihinana sy hiankohoka,
izay rehetra midina ho any amin’ny vovoka, hiondrika eo anoloany;
dia ireo tsy mahay manalava ny andro iainany.
31 Hanompo Azy ny taranaka;
holazaina amin’ny taranaka ho avy ny Tompo.
32 Ho avy izy ireo ka hitory ny fahamarinany;
hambaran’izy ireo amin’ny vahoaka mbola ho teraka ny nataony.