Vavaky ny tra-pahoriana
1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida.
2 Iaveh ô, Ianao no nataoko fialofako;
aoka tsy ho menatra aho na oviana na oviana!
vonjeo amin’ny fahamarinanao aho.
3 Atongilano amiko ny sofinao; faingàna hamonjy ahy.
Aoka ho vatolampy fiarovana ahy Ianao,
ho trano mimanda hahitako famonjena.
4 Fa Ianao no vatolampy sy trano mimandako;
ary noho ny Anaranao dia hitondra sy hitarika ahy Ianao.
5 Hanafaka ahy amin’ny fandrika harato novelariny Ianao;
fa Ianao no fiarovana ahy.
6 Apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko,
dia hanafaka ahy Ianao, ry Iaveh Andriamanitry ny fahamarinana.
7 Hàlako izay manaja sampy foana:
fa raha izaho dia i Iaveh no itokiako.
8 Hientan-kafaliana sy haravoana noho ny hatsaram-ponao aho;
fa nijery ny fahantrako Ianao,
nahita ny fahorian’ny fanahiko Ianao,
9 ary tsy nanolotra ahy teo am-pelatanan’ny fahavaloko Ianao;
fa nampitoetra ny tongotro teo amin’ny malalaka.
10 Mamindrà fo amiko, ry Iaveh, fa tra-pahoriana aho:
simban’alahelo ny masoko,
mbamin’ny fanahiko sy ny kiboko.
11 Ny aiko lanin’alahelo;
ny taonako difotry ny sento;
ny heriko levona noho ny fahotako;
ary ny taolako fohatra.
12 Nataon’ny fahavaloko rehetra izay hahatonga ahy ho fanalam-baràka,
ho enta-mavesatra ho an’ny mifanolo-bodirindrina amiko,
ary ho tahotra ho an’ny sakaizako.
Izay mahita ahy any ivelany mandositra ahy,
13 zavatra fanadino aho, toy ny maty, lavitra ny fon’ny olona;
mova tsy ny kapoaka vaky iny aho.
14 Reko avokoa ny vava ratsin’ny be sy ny maro,
ny fangorohoroana mahazo ny manodidina,
raha ilay miara-mioko hamely ahy iny izy ireo,
fa miray tetika hamono ny aiko.
15 Nefa matoky Anao aho, ry Iaveh,
hoy aho hoe: Andriamanitro Ianao.
16 Eo an-tananao ny anjarako,
afaho amin’ny tanan’ny fahavaloko ama-mpanenjika ahy aho!
17 Ampamirapirato amin’ny mpanomponao ny Tavanao;
vonjeo amin’ny fahasoavanao aho!
18 Ry Iaveh ô, aoka tsy ho menatra aho, raha miantso Anao;
fa aoka ho an’ny ratsy fanahy ny henatra.
Aoka izy hidina mangina any amin’ny Seoly.
19 Aoka hanjary moana ny molotra mandainga,
izay miteny amin’avonavona hanohitra ny marina
amim-piavonavonana amam-paniratsirana.
20 Akory ny haben’ny hatsaram-ponao,
izay tahirizinao ho an’ireo matahotra Anao,
izay asehonao amin’ireo manao Anao ho fialofany,
eo imason’ny zanak’olombelona!
21 Alofanao eo amin’ny aloky ny Tavanao izy;
mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon’ny olona izy;
mpampiery azy ao an-dainao Ianao,
mba tsy ho azon’ny lela mamely azy izy.
22 Hisaorana anie i Iaveh!
fa nasehony miharihary ny famindram-pony tamiko,
tamin’ny nametrahany ahy tao an-tanàna mimanda.
23 Hoy aho tamin’ny fahatairako:
«Nariana lavitra ny fijerinao aho!»
Kanjo nihaino ny feon’ny fifonako Ianao,
nony nitaraina taminao aho.
24 Tiava an’i Iaveh ianareo rehetra mazoto mivavaka aminy;
Miaro ny olona miraikitra aminy i Iaveh,
fa faiziny mafy kosa ny mpiavonavona.
25 Matokia ary mahereza fo,
ianareo rehetra manantena an’i Iaveh!