Categories
Salamo

Salamo 41

Vavaky ny marary tsy misy mpikarakara

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida.

2 Sambatra ny miahy ny mahantra,

fa hovonjen’i Iaveh amin’ny andro fahoriana izy.

3 Harovan’i Iaveh sy hovelominy izy;

dia ho sambatra ambonin’ny tany,

ary tsy mba hatolotrao amin’ny sitrapon’ny fahavalony.

4 I Iaveh hamonjy azy eo am-parafara fijaliany;

havadikao avokoa ny fandrianyrehetra eo am-paharariany.

5 Hoy aho: «Mamindrà fo amiko, ry Iaveh!

sitrano ny fanahiko, fa nanota taminao aho.»

6 Fa ny fahavaloko kosa manonona fanozonana ahy:

«Rahoviana no ho faty io? Rahoviana no ho very ny anaran’io?»

7 Nony mba misy mamangy ahy, lainga no hany avoakany,

faharatsiana no angonin’ny fony;

nony mivoaka avy eo indray izy dia miteny eny ivelany.

8 Mitakoritsika mamely ahy avokoa ny fahavaloko,

misaina hanisy ratsy ahy izy ireo.

9 «Loza tsy azo odiana, hoy izy, no nanjò azy,

indro izy milamaka, dia tsy hiarina intsony.

10 Na dia izay olona sakaizako aza,

izay nitokiako sy nihinana ny haniko,

dia nanangana ny ombalahin-tongony hamely ahy.»

11 Fa Ianao ry Iaveh, mamindrà fo amiko, areno aho,

dia hamaly azy ireo araka ny tandrify azy.

12 Ny hahafantarako fa tia ahy Ianao,

dia raha tsy resin’ny fahavaloko aho.

13 Noho ny tsy fananako tsiny dia nanohana ahy Ianao,

ary nampitoetra ahy mandrakizay eo anatrehanao.

14 Hisaorana anie i IavehAndriamanitr’i Israely,

amin’ny taona mandrakizay rehetra! Amen! Amen!

Categories
Salamo

Salamo 42

Tarainan’ny Levita voasesitany

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Fihirana nataon’ny taranak’i Kôre,

izay nenti-ko babo tany Babilôna.

2 Toy ny anirian’ny serfa ny loharano

no anirian’ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô!

3 Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko,

dia Andriamanitra velona:

rahoviana aho no handeha ka hiseho tsy an-kijanona

eo anatrehan’ny Tavan’Andriamanitra?

4 Ny ranomasoko no haniko andro aman’alina,

dia ny ilazan’ny olona amiko tsy an-kijanona hoe:

Aiza izay Andriamanitrao?

5 Mahatsiaro aho – ary amin’izany fahatsiarovako izany

mangitaka ny foko ao anatiko, –

nony namindra notronim-bahoaka aho,

nony nandroso ho ao an-tranon’Andriamanitra,

eo afovoan’ny hobim-pifaliana amam-pisaorana,

eo afovoan’ny vahoaka be manao fety!

6 Nahoana no ketraka ianao, ry fanahiko,

ka mihavatravatra ato anatiko?

Manantenà an’Andriamanitra fa izaho mbola hidera Azy,

izay famonjena ny tavakosy Andriamanitro!

7 Ketraka ny fanahiko ato anatiko,

ka izany no ahatsiarovako Anao, eo amin’ny tanin’i Jordany,

mbamin’i Hermôna, sy ny tendrombohitr’i Misara.

8 Mifampitaona ny onjan-drano nony mirohondrohona ny riananao,

ka ny onjan-drano aman-driakao dia mandalo manafotra ahyavokoa.

9 Nandidy ny fahasoavany hitsidika ahy i Iaveh, ny antoandro;

teo amin’ny molotro ny hirany, nony alina;

10 nanao fivavahana tamin’ny Andriamanitry ny aiko.

Ary izaho kosa, dia hoy aho amin’Andriamanitra vatolampiko:

nahoana no manadino ahy Ianao?

11 Nahoana ity izaho no tsy maintsy mandeha difotr’alahelo,

ampahorin’ny fahavalo?

Tsaroako vaky ny taolako nony latsain’ny fahavaloko aho,

12 ilazany tsy an-kijanona hoe: «Aiza izay Andriamanitrao?»

Nahoana no ketraka ianao, ry fanahiko, ka mihavatravatra ato anatiko?

Manantenà an’Andriamanitra, fa izaho mbola hidera Azy,

izay famonjena ny tavako sady Andriamanitro.

Categories
Salamo

Salamo 43

SALAMO 43 (Volgata 42)

1 Omeo rariny aho, Andriamanitra ô; iandraiketo ny adiko

amin’ny firenena mpamadika,

afaho amin’ny olona mpamitaka sy mpanao ratsy aho!

2 Fa Ianao no Andriamanitry ny fiarovana ahy;

nahoana no dia atosikao aho?

Nahoana ity izaho no tsy maintsy mandeha difotr’alahelo,

ampahorin’ny fahavalo?

3 Iraho ny fahazavanao amam-pahamarinanao,

dia hitarika ahy anie izany,

ka hitondra ahy ho any amin’ny tabernakla

aman-tendrombohitrao masina.

4 Ho ao amin’ny ôtelin’Andriamanitra,

ho ao amin’ilay Andriamanitra fifalifaliako amam-piravoravoako,

ary hidera Anao amin’ny harpa aho, ry Andriamanitra, Andriamanitro ô!

5 Nahoana no ketraka ianao, ry fanahiko,

ka mihavatravatra ato anatiko?

Manantenà an’Andriamanitra fa izaho mbola hidera Azy,

izay famonjena ny tavako sady Andriamanitro!

Categories
Salamo

Salamo 44

Fitomanian’ny firenena

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Fihirana.

2 Andriamanitra ô, ny sofinay mandre,

ny razanay nitantara taminay,

ny asa nataonao tamin’ny androny, tamin’ny andro fahataloha.

3 Nandroaka firenena Ianaotamin’ny tananao, hamponenana azy;

nikapoka vahoaka Ianao hanitarana azy.

4 Satria tsy ny sabatr’izy ireo no nahazoany ny tany,

tsy ny sandrin’izy ireo no nahazoany fandresena,

fa ny tananao ankavanana, ny sandrinao,

ny fahazavan’ny Tavanao, satria tia azy Ianao.

5 Ianao no mpanjakako, ry Andriamanitro ô!

Mandidia ny famonjena ho an’i Jakôba!

6 Ianao no handavoanay ny fahavalonay,

ny Anaranao no anorotoroanay ny mpanohitra anay.

7 Fa tsy matoky amin’izay tsipìkako aho;

tsy hahavonjy ahy ny sabatro.

8 Fa Ianao no manafaka anay amin’ny fahavalonay;

sy mampahamenatra an’ireo mankahala anay.

9 Andriamanitra no ireharehanay isan’andro,

ary ny Anaranao no derainay mandrakizay!

10 Kanjo manosi-bohon-tanana sy manafo-kenatra anay Ianao,

tsy miara-mivoaka amin’ny tafikay intsony.

11 Ataonao mikoy eo anatrehan’ny fahavalo izahay,

ary baboin’ireo mankahala anay.

12 Atolotrao toy ny ondry enti-kovonoina izahay;

aelinao amin’ny firenena izahay.

13 Ataonao varo-boba ny vahoakanao,

fa tsy asianao vidiny ohatrinona akory.

14 Ataonao fandàtsan’ny tany ama-monina izahay;

dia faneso amam-panarabian’ny manodidina anay.

15 Ampanjarianao ho ambentintenin’ny firenena izahay,

ka ihifikifihan-doha amin’ny vahoaka.

16 Eo imasoko lalandava ny fangaihaiko,

ary safotry ny henatra ny tarehiko,

17 amin’ny feon’ny mpaneso amam-pamingavinga;

amin’ny fahitana ny fahavalo mbamin’izay mirehitra ny hamaly ratsy.

18 Izany rehetra izany no manjò anay,

nefa tsy nanadino Anao izahay;

tsy nivadika tamin’ny fanekenao izahay.

19 Tsy nihemotra hianòtra ny fonay;

tsy niala tamin’ny lalanao ny dianay,

20 no anorotoroanao anay eo amin’ny fieren’ny amboadia,

sy anaronanao anay amin’ny aloky ny fahafatesana.

21 Raha nanadino ny Anaran’Andriamanitra izahay,

sy nanandra-tanana tamin’andriamani-kafa,

22 tsy ho hitan’Andriamanitra va izany,

nefa ny miafina ao am-po aza fantany?

23 Ianao ihany anefa no amonoana anayisan’andro,

sy anaovan’ny olona anay toy ny ondry entin-kovonoina.

24 Mifohaza, ry Tompo ô! Nahoana no matory Ianao?

Mifohaza, fa aza dia arianao mandrakizay izahay!

25 Nahoana no dia afeninao ny Tavanao,

ka hadinonao ny fahantrana amam-pahorianay?

26 Fa ny fanahinay, tafahohoka amin’ny vovoka,

ny vatanay tafaraikitra amin’ny tany!

27 Mitsangàna hamonjy anay,

afaho izahay noho ny hatsaram-ponao.

Categories
Salamo

Salamo 45

Fankalazana ny fanambadian’ny mpanjaka

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny lisy. Nataon’ny taranak’i Kôre. Hiram-pitiavana.

2 Hira mahafinaritra no miboiboika avy ao am-poko;

hoy aho: Ho an’ny mpanjaka anankiray no alahatro!

Manahaka ny penina faingam-panoratra ny lelako.

3 Tsara tarehy noho ny zanak’olombelona ianao;

feno fahafinaretana ny molotrao,

ka noho izany dia notahin’Andriamanitra mandrakizay ianao.

4 Sikino amin’ny sabatrao ny valahanao, ry ilay mahery,

tafio ny famirapiratanao amam-piandriananao.

5 Iakaro ny kalesinao, ka mandrosoa amin’ny fiandriananao,

mikatroha hiaro ny fahamarinana, ny halemem-panahy, ny rariny;

ary ny tananao ankavanana anie hahavitanao asa mahagaga.

6 Maranitra ny zana-tsipìkanao;

firenena maro no ho lavo eo an-tongotrao.-

Hotrabaran’ireny ny fon’ny fahavalon’ny mpanjaka.

7 Andriamanitra ô, tafatoetra mandrakizay ny seza fiandriananao;

tehim-pahamarinana, ny tehim-panjakanao.

8 Tia ny rariny Ianao, fa mankahala ny heloka;

ka noho izany, Andriamanitra, Andriamanitrao nanosotra anao

tamin’ny diloilom-piravoravoana, mihoatra noho ny namanao.

9 Manitra mira sy aloesy aman-kasa ny fitafianao rehetra;

mamalifaly anao ny zava-maneno avy ao an-dapa ivoara.

10 Zanaka vavin’Andriamanitra no isan’ny malalanao;

ny mpanjakavavy miravaka volamenan’i Ofira no eo ankavananao.

11 Henoy, anaka, jereo ary mampandria sofina:

hadinoy ny firenenao aman-tranon-drainao,

12 dia ho raiki-pitia ny hatsaran-tarehinao ny mpanjaka

fa tomponao izy; ka tolory fanajana.

13 Mitondra fanatitra ny zanaka vavin’i Tira

mbamin’ny manan-karena amin’ny vahoaka, hitady fitia aminao.

14 Feno famirapiratana ny zanaka vavin’ny mpanjaka ao anatin’ny trano:

volamena voatenona no itafiany.

15 Miakanjo misoratsoratra izy, no entina ao amin’ny mpanjaka;

manaraka azy misy zazavavy namany entina ho ao aminao.

16 Ampandrosoina amim-pifaliana sy firavoravoana izy ireo,

dia miditra ao an-dapan’ny mpanjaka.

17 Ny zanakao no hisolo toerana ny rainao;

hatsanganao ho mpanapaka amin’ny tany rehetra izy ireo.

18 Hampahatsiaro ny Anaranao amin’ny taona rehetra aho;

ka hidera Anao mandrakizay ny firenena.

Categories
Salamo

Salamo 46

Eo amintsika Andriamanitra

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Amin’ny feon’ny virjiny.- Hira.

2 Andriamanitra no arontsika sy herintsika,

famonjena azo mandrakariva amin’ny fahoriana.

3 Noho izany, tsy manan-tahotra isika, na hikoro aza ny tany,

na hietry any ambany ranomasina aza ny tendrombohitra,

4 na misamboaravoara sy mandroatra aza ny onjan-dranomasina,

ka mampihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany.

5 Misy ony ka ny fandehany mampifaly ny tanànan’Andriamanitra;

ny fonenany masina onenan’ny Avo indrindra.

6 Andriamanitra no ao afovoany, ka tsy azo hozongozonina Izy;

vao mazava atsinanana ny andro dia tonga hamonjy azy Andriamanitra.

7 Mitabataba ny firenena, mikotrankotrana ny fanjakana;

vao nampandre ny feony Izy dia nihotsaka matahotra ny tany.

8 I Iavehn’ny tafika momba antsika;

ny Andriamanitr’i Jakôba no trano mimanda ho antsika.

– Selà

9 Avia, jereo ny asan’i Iaveh,

dia ny fandravana nataony tetỳ an-tany!

10 Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany;

ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny;

ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.

11 Mitsahara, ary maneke fa Andriamanitra Aho,

manapaka ny firenena, manjaka amin’ny tany!

12 I Iavehn’ny tafika momba antsika;

ny Andriamanitr’i Jakôba no trano mimanda ho antsika.

– Selà

Categories
Salamo

Salamo 47

I Iaveh Mpanjakan’i Israely sy Mpanjakan’izao tontolo izao

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Salamo.

2 Mitehafa tanana ianareo rehetra, ry vahoaka isany,

miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana!

3 Fa avo indrindra i Iaveh sy tokony hatahorana,

mpanjaka lehibe amin’ny tany rehetra.

4 Vahoaka no ampanekeny antsika;

firenena no ataony ambanin’ny tongotsika.

5 Nifidy ny lova ho antsika Izy,

ny voninahitr’i Jakôbaolo-malalany.

– Selà

6 Miakatra ho any amin’ny fitoerana masina

ombam-pihobiana Andriamanitra.

Miakatra i Iaveh omban’ny feon-trômpetra.

7 Mihirà ho an’Andriamanitra, mihirà!

Mihirà ho an’ny Mpanjakantsika, mihirà!

8 Fa Mpanjakan’ny tany rehetra Andriamanitra;

ka mihirà hira fiderana.

9 Manjaka amin’ny firenena Andriamanitra,

mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany masina Izy.

10 Ireo mpanapaka ny firenena mivory,

mba ho tonga vahoakan’Andriamanitr’i Abrahama koa izy ireo;

fa an’Andriamanitra ny ampingan’ny tany,

voasandratra ambony indrindra Izy.

Categories
Salamo

Salamo 48

I Siôna tendrombohitr’Andriamanitra

1 Fihirana. Salamon’ny taranak’i Kôre.

2 Lehibe i Iaveh, Izy no alehan’ny fiderana rehetra,

ao an-tanànan’ny Andriamanitsika, amin’ny tendrombohitra masina.

3 Mitsangana mahafinaritra, fifalian’ny tany rehetra,

ny tendrombohitra Siôna,

eo amin’ny fara vazantany avaratra,

ny tanànan’ny Mpanjaka lehibe.

4 Ao an-dapany, Andriamanitra,

niseho ho fiarovana.

5 Fa he nivory ireo mpanjaka,

dia niara-nandroso izy ireo.

6 Kanjo nahita Azy, dia vahotra terỳ,

nivadi-po izy, ka vaky nandositra.

7 Hovitra no nahazo azy ireo teo,

fanaintainana hoatra ny an’ny vehivavy miteraka.

8 Novakinao amin’ny rivotra avy Atsinanana,

ny sambon’i Tarsisa.

9 Izay efa renay tamin’ny hafa dia ny masonay no nahita,

tao an-tanànan’i Iavehn’ny tafika,

tanànan’ny Andriamanitsika.

Hamafisin’Andriamanitra mandrakizayizy.

– Selà

10 Andriamanitro, mahatsiahy ny tantaran’ny hatsaram-ponao izahay,

ao anatin’ny tempolinao.

11 Tahaka ny Anaranao, ry Andriamanitra,

toy izany koa ny fiderana Anao

tonga hatrany am-para vazantany.

Feno fahamarinana ny tananao ankavanana.

12 Aoka hifaly ny tendrombohitra Siôna,

aoka hiravoravo ny zanaka vavin’i Jodà,

noho ny fitsarànao!

13 Mandiava an’i Siôna ianareo; mandehana manodidina azy;

isao ny tranony mimanda.

14 Jereo tsara ny mandany;

diniho ireo lapany,

hitantarana azy amin’ny taranaka ho avy.

15 Io no Andriamanitra izay Andriamanitsika mandrakizay doria;

Izy no mpitarika antsika amin’ny taona mandrakizay.

Categories
Salamo

Salamo 49

Zava-poana ny harena

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’ny taranak’i Kôre.

2 Mihainoa izao, ianareo rehetra, ry vahoaka isany;

manongilàna sofina ianareo rehetra, ry mponina amin’izao tontolo izao,

3 na ny ambony na ny ambany,

na ny manan-karena na ny mahantra tsy an-kanavaka.

4 Fa hampandre teny hendry ny vavako;

ary misy hevitra feno fahalalana ato am-poko.

5 Manongilan-tsofina amin’oha-teny ambaran’Andriamanitra aho,

mivaofy ny ankamantatro amin’ny feon’ny harpa aho.

6 Nahoana no hatahotra aho, amin’ny andron’ny fahoriana,

raha manodidina ahy ny haratsian’ny mpanenjika ahy?

7 Ireny dia mitoky amin’ny hareny,

mirehareha amin’ny haben’ny ananany!

8 Tsy misy olona mahavotra ny rahalahinyakory

na mahaloa ny avony amin’Andriamanitra.

9 Fa be loatra ny vidin’ainy,

ka tsy azo atao mandrakizay, ny manavotra azy,

10 mba hahavelona azy mandrakizay

ka tsy hahitany ny fasana na oviana na oviana.

11 Tsy maintsy ho hitany: Ny olon-kendry maty;

ny adala aman-ketrina koa levona torak’izany,

ka mamela ny fananany ho an’ny hafa.

12 Heverin’izy ireo fa ho mandrakizay ny tranony;

ka haharitra mandritra ny taona mifandimby ny fonenany,

ary tononiny amin’ny anarany ny taniny.

13 Kanjo tsy maharitra, na amin’ny voninahiny aza, ny olombelona:

mitovy amin’ny biby izay levona koa izy.

14 Izany no alehan’ireo olona be hambo loatra,

mbamin’izay manaraka azy, manaiky ny teniny.

– Selà

15 Roahina toy ny biby fiompy izy ho any amin’ny Seoly,

ny fahafatesana no miandry azy,

manapaka azy ireo nony maraina ny olo-mahitsy,

ary ny ambiroanydia hihalevona any amin’ny Seoly, tsy hisy fonenana hafa.

16 Fa Andriamanitra kosa, hamonjy ny aiko amin’ny herin’ny Seoly,

fa handray ahy ho any aminy Izy.

– Selà

17 Aza matahotra àry, raha misy olona tonga manan-karena,

ka mitombo ny harem-be ao an-tranony.

18 Fa tsy hahatondra na inona na inona izy, rehefa maty; tsy hidina miaraka aminy ny harem-beny.

19 Na manao ny tenany ho sambatra aza izy amin’ny andro iainany;

na midera Anao amin’ny fifaliana anarananao fo aza ny olona;

20 dia handeha ianao hikambana amin’ny razanao

izay tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay.

21 Ny olombelona na dia ao anatin’ny voninahiny aza,

dia tsy mahafantatra;

mitovy amin’ny biby izay levona izy.

Categories
Salamo

Salamo 50

Fivavahana ara-panahy

1 Salamon’i Asafa.

Miteny Andriamanitra, Elohima, Iaveh, manainga ny tany,

hatramin’ny fiposahan’ny masoandro,

ka hatramin’ny filentehany.

2 Avy ao Siôna, fahatsaran-tarehy lavorary,

no amirapiratan’Andriamanitra.

3 Avy ny Andriamanitsika, ka tsy hangina;

afo mandevona no eo alohany,

tafio-drivotra mahery no manodidina azy.

4 Miantso ny lanitra ambony izy,

mbamin’ny tany koa, mba hitsara ny vahoakany.

5 Anangony izay miraiki-po amiko aho,

dia ireo nanao fanekena amiko, amin’ny sorona.

6 Ary mitory ny fahamarinany ny lanitra,

fa Andriamanitra no ndeha hitsara.

– Selà

7 Mihainoa, ry vahoakako, fa hiteny Aho;

henoy, ry Israely, fa hananatra Aho,

Izaho no Elohima, Andriamanitrao.

8 Tsy ny amin’ny soronao no aniniako anao,

fa eo anatrehako mandrakariva ny soronao dorana.

9 Tsy haka izay ombalahy ao an-tranonao Aho,

na izay osilahy ao am-balanao.

10 Fa ahy avokoa ny biby any an’ala,

mbamin’ny biby eny an-tendrombohitra, an’arivony.

11 Fantatro daholo ny voromanidina eny an-tendrombohitra,

ary eo am-pelatanako izay mihetsiketsika rehetra eny an-tsaha.

12 Raha mba noana Aho, tsy hilaza aminao akory,

fa Ahy avokoa izao tontolo izao sy izay ao aminy.

13 Moa mihinana izay nofon’ombalahy va Aho?

Moa misotro izay ran’osilahy va Aho?

14 Ny fisaorana no atero ho soronaho an’Andriamanitra,

ary efao amin’ny Avo indrindra ny voadinao.

15 Antsoy amin’ny andron’ny fahoriana Aho,

dia hamonjy anao; ka hanome voninahitra Ahy ianao.

16 Fa amin’ny ratsy fanahy kosa, dia hoy Andriamanitra:

«Ahoana no mba anononanao ny lalàko,

sy anaovanao am-bava ny fanekeko,

17 izay ianao olona mankahala fifehezana,

sy manifika ny teniko any ivohonao?

18 Raha mahita mpangalatra ianao,

dia vary lena ianao sy izy,

ary miombona amin’ny mpaka vadin’olona ianao.

19 Ny vavanao, halefanao hiteny ratsy,

ary ny lelanao manira fitaka.

20 Mipetraka ianao, dia miteny mamely ny rahalahinao,

sady manala baraka ny zanakalahin-dreninao.

21 Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho,

ka dia noheverinao fa mitovy aminao Aho,

kanjo indro Aho hananatra anao,

sy hanampatra izany rehetra izany eo imasonao.

22 Koa mitandrema àry, ianareo manadino an’Andriamanitra,

fandrao ataoko potika, ka tsy hisy hamonjy.

23 Izay manatitra ny fisaorana ho sorona

no manome voninahitra Ahy;

ary izay mandamina ny lalany

no hanehoako ny famonjen’Andriamanitra.»