Categories
Salamo

Salamo 61

Vavak’olona voasesitany

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin’ny zava-maneno tendrena. Nataon’i Davida.

2 Andriamanitra ô, henoy ny fitarainako,

mihainoa tsara ny fivavahako.

3 Mitaraina aminao aho atỳ am-paran’ny tany,

ao anatin’ny fahorian’ny foko;

ento any ambony vatolampy tsy azoko takarina aho.

4 Fa Fialofako Ianao,

Tilikambo mafy misakana ny fahavalo.

5 Satriko ny monina mandrakizay ao an-dainao,

mialoka ao ambanin’ny elatrao.

– Selà

6 Fa manaiky ny faniriako Ianao, ry Andriamanitra:

efa nomenao ahy ny lovan’ireo manaja ny Anaranao.

7 Ampitomboy andro ny andron’ny mpanjaka,

hihalava hatrany hatrany anie ny taonany!

8 Hitoetra eo amin’ny seza fiandrianana mandrakizay anie izy eo anatrehan’Andriamanitra.

Didio hiaro azy ny hatsaram-ponaoamam-pahamarinanao!

9 Dia hankalaza ny Anaranao mandrakizay aho,

ary hanefa ny voadiko isan’andro aho.

Categories
Salamo

Salamo 62

Andriamanitra, hany fanantenana

1 Ho an’ny mpampianatra hira… Iditona. Salamon’i Davida.

2 Eny, Andriamanitra no iantombenan’ny fanahiko amim-piadanana,

Izy no iavian’ny famonjena ahy.

3 Eny, Vatolampiko amam-pamonjena ahy Izy,

Trano mimandako, ka tsy hangozohozo indrindra aho.

4 Mandra-pahoviana no hiantorahanareo amin’olona,

mba hiarahanareo mandrodana azy,

toy ny fandrodanana tamboho mitongilana,

tahaka ny manda efa mihotsaka?

5 Eny, mioko hanongana azy amin’ny fiamboniany izy ireo;

mifaly amin’ny lainga izy,

ny vavany misaotra,

ny fony anefa manozona!

– Selà

6 Eny, ry fanahiko ô, miantombena amim-piadanana, amin’Andriamanitra,

fa avy aminy no iavian’ny fanantenako.

7 Eny, Vatolampiko amam-Pamonjena ahy Izy,

Trano mimandako, ka tsy hangozohozo aho.

8 Andriamanitra no iankinan’ny famonjena ahy amam-boninahitro.

Amin’Andriamanitra ny vatolampin’ny heriko, ny fialofako.

9 Matokia Azy mandrakariva, rey vahoaka;

aborahy eo anatrehany ny fonareo;

Andriamanitra no fialofantsika.

– Selà

10 Eny, zava-poana ny olombelona,

fitaka ny zanak’olombelona.

Hiainga ny mizàna raha atao ao aminy

izy rehetra miaraka, fa maivana noho ny fofon’aina.

11 Aza matoky ny fanovana an-keriny,

ary aza miantehitra foana amin’izay fitohàna.

Raha mitombo ny harenareo, aza miraiki-po amin’izany ianareo.

12 Efa niteny indray mandeha Andriamanitra,

na indroa, ka nahare aho:

An’Andriamanitra ny fahefana.

13 Anao koa, ny hatsaram-po, ry Tompo,

fa mamaly ny olona, samy araka ny asany avy, Ianao.

Categories
Salamo

Salamo 63

Faniriana an’Andriamanitra

1 Salamon’i Davida. Fony izy tany an’efitr’i Jodà.

2 Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao,

mitady Anao aho hatramin’ny vao maraina;

mangetaheta Anao ny fanahiko, manina Anao ny nofoko,

ao amin’ny tany mainamangentana tsy misy rano.

3 Toy izany no nibanjinako Anaotao amin’ny fitoerana masina,

mba hahitako ny Herinao amam-boninahitrao.

4 Fa tsara lavitra noho ny aina ny fahasoavanao,

ka aoka hiventy fankalazana Anao ny molotro.

5 Dia hidera Anao amin’ny andro rehetra iainako aho,

hanandra-tananaamin’ny Anaranao.

6 Toy ny voky tsoka sy ny matavy no ahavokisan’ny fanahiko,

ka midera Anao ny vavako, amin’ny molotro falifaly.

7 Raha mieritreritra Anao eo am-pandriako aho,

dia any aminao ny saiko mandritra ny fiambenana alina.

8 Fa Ianao no vonjiko,

ary eo ambanin’ny aloky ny elatrao no iravoravoako.

9 Tafaraikitra aminao ny fanahiko;

manohana ahy ny Tananao ankavanana.

10 Fa izy ireo mitady hanala ny aiko kosa

dia hidina ambanin’ny tany.

11 Hatolotra ho an’ny sabatra,

ho rembin’ny amboahaolo.

12 Dia hifaly amin’Andriamanitra ny mpanjaka;

ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy,

satria hakombona ny vavan’ny mpandainga.

Categories
Salamo

Salamo 64

Sazin’ny mpanendrikendrika

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida.

2 Andriamanitra ô, henoy ny feoko,

raha mampandre ny fitarainako aho,

arovy amin’ny fahavalo mampitahotra ahy ny aiko.

3 Fefeo aho, tsy ho azon’ny firaisan-tetiky ny mpanao ratsy,

tsy ho azon’ny andian’olon-dratsy efa misafoaka,

4 izay manasa ny lelany toy ny sabatra,

izay manamboatra ny zana-tsipìkany – izay teny mangidy –

5 handefasany azy an-katakonana hitifitra ny tsy manan-tsiny;

alefany hamelezany azy tampoka, tsy manan-tahotra akory.

6 Mihombo mafy amin’ny hevi-dratsiny izy;

mifanolo-tsaina hamela-pandrika izy;

ka manao hoe: «Iza moa no hahita izany?»

7 Tsy misaina afa-tsy heloka be vava izy:

«Vonona isika, hoy izy, vita tsara ny tetik’ady.»

Lalina ny ao anatin’ny olombelona sy ny fony!

8 Kanjo kosa nolefasan’Andrimanitra ny zana-tsipìkany izy ireo,

ka indreo izy maratra tampoka.

9 Azera amin’ny tany izy, voatsingidin’ny vava nalefany izy.

Mihifikifi-doha avokoa izay mahita azy.

10 Raiki-tahotra avokoa ny olona,

ka manely laza ny nataon’Andriamanitra,

fa fantany izay efa nataony.

11 Dia mifaly amin’i Iaveh sy mitoky aminy ny marina;

mirehareha avokoa ny mahitsy fo rehetra.

Categories
Salamo

Salamo 65

Antsa fisaorana

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida. Fihirana.

2 Ianao no mendrika hoderaina, ry Andriamanitra, any Siôna,

ho an’ny voninahitrao no anefan’ny olona voady.

3 Ianao, izay mihaino ny fivavahana,

dia mankaminao ny olona rehetra.

4 Tsindrian-keloka miavosa aho ity;

Ianao no mamela ny hadisoanay.

5 Sambatra ny olona fidinao sy raisinao ho akaikinao,

mba honina ao an-kianjanao!

Enga anie izahay ka hivoky ny zava-tsoa ao an-tranonao,

dia ao an-tempolinao masina.

6 Zava-mahagaga no anekenao ny fangatahanay noho ny fahamarinanao,

ry Andriamanitry ny famonjena anay,

tokin’ny vazantany efatra,

sy ny ranomasina lavitra any.

7 – Izy no mampiorina ny tendrombohitra amin’ny heriny;

misikina ny fahefany,

8 mampitony ny fisafoaky ny ranomasina, ny fitroaran’ny onjany,

ary ny fikorontanan’ny vahoaka.-

9 Ankona amin’ny zava-mahagaga ataonao ny mponina any an-tany lavitra;

ampiravoravoanao ny fara sisiny, dia ny atsinanana sy ny andrefana.

10 Manampy ny tany Ianao, mba hahazina azy,

fenoinao harena izy.

Feno rano ny loharanon’Andriamanitra,

raha lonahinao toy izany ny tany, dia vary no omaninao.

11 Manondraka ny tany voaasa Ianao, mandravona ny baingany,

manalemy azy amin’ny tandrifin-drahona,

mitahy ny fitsimohany.

12 Ny taona dia ataonao feno ny fanasoavanao tafahoatra;

mitsororoka ny menaka amin’ny Dianao.

13 Vonton-drano ny tanimbolinao any an’efitra;

miravaka hafaliana ny havoana.

14 Rakotra biby fiompy ny tanim-bilona,

miravaka salohim-bary ny lohasaha,

mifaly sy mihira ny zavatra rehetra.

Categories
Salamo

Salamo 66

Fisaorana ampahibemaso

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Fihirana. Salamo.

2 Manaova hobin-kafaliana mankamin’Andriamanitra, ry tany rehetra;

hirao ny voninahitry ny Anarany,

ataovy manetriketrika ny fankalazana Azy.

3 Lazao amin’Andriamanitra hoe: «Endrey, mahatahotra ny asanao!

Mikoy Anao ny fahavalonao, noho ny fahefanao tsitoha.

4 Ny tany rehetra anie hiankohoka eo anatrehanao,

hihira ho an’ny voninahitrao, hankalaza ny Anaranao!»

5 Avia ka banjino ny asan’Andriamanitra!

Fa mahatahotra ny hevitra kasainy amin’ny zanak’olombelona.

6 Nampodiny ho tany maina ny ranomasina,

ka nandeha tongotra namaky ny ony ny olona,

dia faly taminy izahay.

7 Manjaka mandrakizay amin’ny fahefany Izy,

mitsinjo ny firenena ny masony;

aoka tsy hanandra-tena ny mpikomy.

– Selà

8 Misaora an’Andriamanitra, ry vahoaka,

ataovy manakoako ny fiderana Azy.

9 Nitahiry ny fanahintsika amin’ny fiainana Izy

ary tsy namela ny tongotsika hangozohozo.

10 Fa Ianao, ry Andriamanitra, efa nizaha toetra anay;

nandatsaka anay tamin’ny memytoy ny volafotsy;

11 nampiditra anay tamin’ny fandrika harato;

nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay.

12 Nampandeha olona hanosy ny lohanay

namaky ny afo sy ny rano izahay;

kanjo nesorinao tamin’izany izahay, dia nototofanao soa.

13 Tonga ato an-tranonao mitondra sorona dorana aho,

hanefa aminao ny voadiko,

14 izay efa notononin’ny molotro,

sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana.

15 Manatitra ondry matavy aminao aho, ho sorona dorana,

mbamin’ny fanetonan’ny ondralahy;

mamono ny vantotr’ombalahy amam-bantotr’osy lahy

ho sorona dorana aho.

– Selà

16 Avia, mihainoa fa holazaiko aminareo,

ianareo rehetra matahotra an’Andriamanitra,

izay nataony ho an’ny fanahiko

17 Niloa-bava nitaraina taminy aho,

ary teo ambony lelako ny fiderana Azy.

18 Raha nahita ota tao am-poko aho,

dia tsy ho nihaino ahy ny Tompo.

19 Nefa efa nohenoin’Andriamanitra aho,

efa nihaino tsara ny feon’ny fivavahako Izy.

20 Hisaorana anie Andriamanitra,

izay tsy nandà ny fivavahako,

na nanaisotra ny fahasoavany tamiko!

Categories
Salamo

Salamo 67

Fiaraha-mivavaka rehefa avy nijinja

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin’ny zava-maneno tendrena. Salamo. Fihirana.

2 Hanambina sy hitahy antsika anie Andriamanitra!

hampamirapiratra ny Tavany amintsika anie Izy!

– Selà

3 mba ho fantatra etỳ ambonin’ny tany ny lalanao,

ary amin’ny firenena rehetra, ny famonjenao!

4 Hidera Anao anie ny firenena, ry Andriamanitra,

hidera Anao anie ny firenena rehetra!

5 Aoka hirobiroby ny firenena sy hisomebin-kafaliana,

fa mitsara ny vahoaka amim-pahitsiana Ianao

sy mitondra ny firenena ambonin’ny tany.

6 Hidera Anao anie ny firenena, ry Andriamanitra,

hidera Anao anie ny firenena rehetra!

7 Efa nahavokatra ny tany;

hotahin’Andriamanitra, dia ny Andriamanitsika, anie isika!

8 Hotahin’Andriamanitra anie isika!

ary hanaja Azy ny vazantany rehetra!

Categories
Salamo

Salamo 68

Hira fandresen’i Israely

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida. Fihirana.

2 Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony,

ary handositra ny Tavany, ireo mankahala Azy.

3 Tahaka ny fisàvan’ny setroka, no andringano an’ireny;

tahaka ny fiempon’ny savoka eo amin’ny afo

no aoka hahalevona ny ratsy fanahy eo anatrehan’Andriamanitra.

4 Fa ny marina kosa aoka hifaly sy hiravoravo

eo anatrehan’Andriamanitra,

aoka hientan-kafaliana izy ireo!

5 Mihirà ho an’Andriamanitra, mankalazà ny Anarany!

Misavà lalanaho an’ilay tamy mamaky ny tany lemaka!

Iaveh no Anarany, mifalia eo anatrehany!

6 Rain’ny kamboty, mpitsara ny mpitondratena Izy,

Andriamanitra eo amin’ny fonenany masina.

7 Ireo nilaozana, dia omen’Andriamanitra trano;

manafaka ny voababosy mamerina azy eo amin’ny fiadanana Izy

ny mpiodina ihany no tavela eo amin’ny efitra mahamay.

8 Ry Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan’ny vahoakanao Ianao,

ka nandroso teo amin’ny efitra.

– Selà

9 dia nihozongozona ny tany,

nitsonika teo anatrehan’Andriamanitra hatramin’ny lanitra aza.

I Sinaia aza nihararetra teo anatrehan’Andriamanitra,

Andriamanitr’i Israely.

10 Ry Andriamanitra ô, nandrotsaka oram-pahasoavanaIanao:

trotraka ny lovanao, dia nomenao aina indray.

11 Nandefa bibyIanao, ka nirotsaka tao izy ireo.

Noho ny hatsaram-ponao dia nanomananao hanina ny ory.

12 Nampandre ny teniny ny Tompo;

antokom-behivavy maro no milaza ny fandresena.

13 Mandositra, mandositra, ireo mpanjakan’ny tafika,

ary mizara ny babo kosa ilay vehivavymitoetra an-trano.

14 Raha nandry teo amin’ny valan’ondry ianareo;

rakotra volafotsy ny ela-boromahailala

ary namirapiratra toy ny famirapiratry ny volamena ny volony.

15 Nony naelin’ny Tsitoha ny mpanjaka eo amin’ny tany,

dia latsaka teo Selmôna ny oram-panala.

16 Ry tendrombohitr’Andriamanitra, ry tendrombohitr’i Basàna,

17 ry tendrombohitra avo tampona, ahoana no ijerenareo amim-pialonana?

Eny, hitoetra ao mandrakizay i Iaveh.

18 Ilay kalesin’Andriamanitra dia ireo an’arivony, an’arivony.

Avy any Sinaia ho ao amin’ny fitoerany masina ny Tompo.

19 Miakatra amin’ny avo, mitondra ny babo betsaka Ianao;

mandray ny fanatitra avy amin’ny olona Ianao.

Ny mponina avy no honina eo akaikin’i Iaveh Andriamanitra.

20 Hisaorana anie ny Tompo;

mitondra ny entantsika isan’andro Izy;

Andriamanitra mamonjy antsika Izy.

– Selà

21 Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika;

I Iaveh Tompo dia manafaka amin’ny fahafatesana.

22 Eny, Andriamanitra hanorotoro ny lohan’ny fahavalony,

dia ny handrina be volon’izay mandeha amin’ny haratsiana.

23 Ny Tompo nilaza hoe: «Hampodiko avy any Basàna ireny,

hampodiko avy any ambany ranomasina ireny,»

24 mba hanobohanao ny tongotrao ao anatin’ny ra

sy hananan’ireo lelan’ny alikanao anjara, amin’ny fahavalo.

25 Hitan’ny olona ny dianao, ry Andriamanitro,

dia ny dian’ny Andriamanitro, ny Mpanjakako, ho ao amin’ny fitoerana masina.

26 Ny mpihira no eo aloha, ny mpitendry zava-maneno no manarakaraka.

Ireo zazavavy mively ampongatapaka no eo afovoany.

27 Misaora an’Andriamanitra eo amin’ny fiangonana,

misaora ny Tompo ianareo izay avy amin’ny loharanon’i Israely.

28 Indro i Benjamina ilay kely indrindra, izay manapaka azy ireo;

ny andriandahin’i Jodà mbamin’ny antokon’izy ireo;

ny andriandahin’i Zabolôna, ny andriandahin’i Neftalì.

29 Mandidia ny fahefanao, ry Andriamanitra,

hamafiso izay nataonao ho anay, ry Andriamanitra!

30 Ao amin’ny fitoerana masina, ao an-tampon’i Jerosalema,

no hanoloran’ny mpanjaka fanatitra ho Anao.

31 Rahòny ny biby any anaty bararata

ny andian’ombilahy aman-janak’ombin’nyvahoaka,

mba hiankohoka mitondra anja-bolafotsy,

aparitaho ireo firenena tia ady!

32 Aoka ho tonga avy any Ejipta ny tremalahy,

aoka hidodododo hanandra-tanana amin’Andriamanitra i Etiôpia.

33 Mihirà ho an’Andriamanitra ianareo, fanjakana eto an-tany,

mankalazà ny Tompo ianareo!

– Selà

34 Mihirà ho an’ilay lanjaina ao ambonin’ny lanitra, ny lanitra fahagola.

Indro Izy, mampandre ny feony, feo mahery!

35 Maneke ny fahefan’Andriamanitra!

Ny fiandrianany ao amin’i Israely,

ny fahefany eny amin’ny rahona.

36 Mahatahotra Ianao, ry Andriamanitra, eo amin’ny fitoeranao masina!

Manome hery amam-pahefana ny vahoakany,

ny Andriamanitr’i Israely.

Hisaorana anie Andriamanitra!

Categories
Salamo

Salamo 69

Fitomaniana

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny lisy. Nataon’i Davida.

2 Vonjeo aho, ry Andriamanitra,

fa tafahatra amin’ny aiko ny rano!

3 Tafalentika amin’ny fotaka mandrevo aho,

ka tsy misy hamaharan’ny tongotro.

Tafatsoboka anaty hantsan-drano aho,

ary efa difotry ny onjan-drano.

4 Sasatry ny mitaraina aho; maimay ny tendako;

valaka eo amin’ny fiandrasana an’Andriamanitra, ny masoko.

5 Fa maro noho ny volon-dohako,

ry zareo mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana;

mahery ry zareo mitady hahavery ahy,

izay mitsangan-ko fahavaloko tsy amin’ny antony.

Izay tsy nalaiko tsy maintsy averiko.

6 Ry Andriamanitra ô, fantatrao ny hadalako;

ary tsy miafina aminao ny hadisoako.

7 Aoka tsy ho manetra noho ny amiko, izay manantena Anao,

ry Tompo, Iavehn’ny tafika!

Aoka tsy hangaihay noho ny amiko, izay mitady Anao,

ry Andriamanitr’i Israely!

8 Fa noho ny aminao no itondrako latsa,

sy mahasafo-kenatra ny tavako.

9 Zary vahiny eo amin’ny rahalahiko aho,

ary olon-tsy fantatra eo amin’ny zanak’ineny.

10 Fa ny zotom-po amin’ny tranonao mandritra aina ahy;

ary ny fanaratsian’ireo manevateva Anao, mianjera amiko.

11 Mitomany sy mifady hanina aho,

ka tonga fandàtsan’ny olona, noho izany.

12 Lamba malailay no ataoko fitafy,

dia zary fanarabin’izy ireo aho.

13 Izay mipetraka eo am-bavahady, miresaka ahy;

ary ny mpisotro fisotro mahery, manao an-kira ahy.

14 Fa izaho kosa, ry Iaveh, mivavaka aminao,

ka amin’ny andro mety, ry Andriamanitra,

noho ny hatsaram-ponao lehibe,

ekeo ny fangatahako araka ny hamarinan’ny famonjenao.

15 Esory amin’ny fotaka aho, ka tsy ho tafalentika ao intsony;

aoka ho afaka amin’ny fahavaloko sy amin’ny rano lalina aho.

16 Aoka ny onjan-drano tsy hanafotra ahy intsony,

ny hantsana tsy hitelina ahy;

ny fasana tsy hikatona amiko.

17 Valio vavaka aho, ry Iaveh, fa antra ny hatsaram-ponao,

mitodiha atỳ amiko, amin’ny famindra-ponao lehibe,

18 ary aza manafina ny Tavanao amin’ny mpanomponao;

fa azom-pahoriana aho, ka malakia mihaino ahy.

19 Hatony ny fanahiko, afaho izy;

vonjeo aho noho ny fahavaloko.

20 Fantatrao ny latsa mahazo ahy,

ny fahamenarako sy fahafaham-barakako;

eo anatrehanao daholo ny mpanenjika ahy.

21 Torotoron’ny latsa ny foko, ka marary aho,

miandry horaka, fa tsy nisy;

ary mpanony, fa tsy nahita iray akory.

22 Ahitra mangidy no omeny hohaniko;

vinaingitra no ampisotroiny ahy mangetaheta.

23 Aoka kosa ny latabany ho fandrika ho azy ireo,

ho tonta ao afovoan’ny fandriany fahizay.

24 Aoka hihamaizina tsy mahita intsony ny masony;

ampangozohozoy mandrakizay ny valahany.

25 Atosahy aminy ny hatezeranao;

ary hihatra aminy anie ny fahaviniranao mirehitra!

26 Aoka ho foana ny fonenany,

ary tsy hisy mpitoetra intsony ao an-dainy.

27 Fa manenjika izay kapohinao izy;

mitantara ny fijalian’izay tsindroninao izy.

28 Ataovy miampy heloka ny helony;

ary aoka tsy hanana anjara amin’ny fahamarinanao izy.

29 Aoka hovonoina eo amin’ny bokin’ny fiainana izy ireo;

ary tsy ho voasoratra miaraka amin’ny marina izy.

30 Izaho kosa dia ory sy mijaly;

hanarina ahy anie ny famonjenao, ry Andriamanitra!

31 Hankalaza ny Anaran’Andriamanitra amin’ny fihirana aho;

hanandratra Azy amin’ny fisaorana.

32 Fa hankasitrahin’i Iaveh mihoatra noho ny ombalahy izany,

mihoatra noho ny vantotr’ombalahy manan-tandroka sy kitro.

33 Rehefa mahita izany ny mahantra dia hifaly;

ary ho velom-bolo koa ny fonareo mitady an’Andriamanitra.

34 Fa mihaino ny mahantra i Iaveh,

ary tsy manamavo ny olony voababo.

35 Aoka hidera Azy ny tany aman-danitra,

mbamin’ny ranomasina sy izay rehetra mihetsiketsika ao anatiny!

36 Fa hamonjy an’i Siôna Andriamanitrasady hanangana ny tanànan’i Jodà,

dia hitoetra ao ny olona sady hitsangan-ko tompony;

37 hahazo azy ho lovany ny taranaky ny mpanompony,

ary hanana ny fonenany ao izay tia ny Anarany.

Categories
Salamo

Salamo 70

Antso vonjy mafy

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Ho fampahatsiarovana.

2 Ry Andriamanitra ô, faingàna hanafaka ahy!

Tompo ô, faingàna hamonjy ahy!

3 Aoka ho menatra sy hangaihay,

izay mitady ny aiko!

Aoka hihemotra sy ho menatra,

izay maniry hahavery ahy!

4 Aoka hianòtra azon’ny henatra,

izay manao hoe: «Hia! Hia!»

5 Aoka hifaly sy hiravoravo aminao kosa,

ireo mitady Anao!

Aoka hilaza mandrakariva hoe: «Voninahitra anie ho an’Andriamanitra!»

izay tia ny famonjenao.

6 Ary izaho ity, malahelo sy mahantra,

ka faingàna hankatỳ amiko, ry Andriamanitra!

Fa Ianao no mpamonjy sy mpanafaka ahy.

Aza ela, ry Iaveh!