Categories
Salamo

Salamo 71

Vavak’olona antitra

1 Ianao, ry Iaveh, no nataoko fialofako,

aoka tsy ho menatra na oviana na oviana aho!

2 Vonjeo amin’ny fahamarinanao aho, ka afaho!

Atongilano amiko ny sofinao, ka vonjeo aho!

3 Aoka Ianao ho vatolampy tsy azo hanihina ho ahy,

izay ho azoko handosirana mandrakariva.

Efa nandidy ny hamonjy ahy Ianao,

fa Ianao no Vatolampiko sy Trano mimandako.

4 Ry Andriamanitra ô, afaho aho amin’ny tanan’ny ratsy fanahy,

amin’ny tanan’ny olon-tsy marina sy masiaka.

5 Fa Ianao no fanantenako, ry Tompo Iaveh,

Ianao no ipetrahan’ny fitokiako hatramin’ny fahatanorako!

6 Ianao no iankinako hatramin’ny aho fony vao teraka;

Ianao izay mamoaka ahy avy any am-bohoka

ka Anao ny fiderako mandrakizay!

7 Tonga toa zava-mahagaga aho eo imason’ny vahoaka,

kanjo Ianao no fiarovana mafy ho ahy.

8 Ho feno fiderana Anao anie ny vavako,

hankalaza ny hasoavanao isan’andro anie izy.

9 Aza arianao aho amin’ny andron’ny fahanterako;

ary aza ilaozana rehefa mihena ny heriko.

10 Fa miray tetika hamely ahy ny fahavaloko,

ary miara-mioko, izay mikendry ny aiko,

11 manao hoe: «Efa nafoin’Andriamanitra izy! Enjeho,

sambory, fa tsy misy izay hiaro azy!»

12 Ry Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy;

ry Andriamanitra, faingàna hamonjy ahy!

13 Aoka ho menatra sy ho levona,

izay mitady ny aiko!

Aoka ho safo-kenatra amam-pahafaham-baraka,

izay mitady hahavery ahy.

14 Fa izaho dia hanantena mandrakariva,

ary mbola hampitomboiko indray ireo fiderana Anao rehetra.

15 Ny vavako hitory ny fahamarinanao,

mbamin’ny fanambinanao tontolo andro;

fa tsy hitako izay isan’izany.

16 Hilaza ny asanao lehibe aho, ry Tompo Iaveh ô,

hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao irery.

17 Ry Andriamanitra, nampianarinao hatry ny fony mbola tanora aho

ary mitory ny fahagaganao, mandraka ankehitriny!

18 Mandra-pahatongako ho antitra sy fotsy volo,

aza ilaozanao aho Andriamanitra,

mba hampahafantarako ny herinao amin’ny taranaka ankehitriny,

ary ny fahefanao amin’ny taranaka ho avy.

19 Mahatakatra ny lanitra ny fahamarinanao, ry Andriamanitra,

Ianao izay mahefa ny zava-dehibe!

– Iza no tahaka Anao, ry Andriamanitra? –

20 Ianao izay efa nampihatra fizahan-toetra betsaka sy mahatsiravina.

Nefa mbola hamelona anay indray Ianao,

ka hampiakatra anay avy amin’ny hantsan’ny tany.

21 Hasandratrao indray ny voninahitro,

ary hampionona ahy indray Ianao.

22 Dia hoderaiko amin’ny feom-baliha,

hohiraiko ny fahamarinanao, ry Andriamanitra ô!

hankalaza Anao amin’ny harpa aho, ry Masin’i Israely!

23 Ka amin’ny hihiràko ho Anao, dia eo amin’ny molotro ny firavoravoana,

sy ho ao amin’ny fanahiko izay novonjenao.

24 Ary hitory ny fahamarinanao isan’andro ny lelako;

fa ho safo-kenatra amam-pahafaham-baraka kosa

izay mitady fahaverezana ho ahy.

Categories
Salamo

Salamo 72

Ilay mpanjaka nampanantenaina

1 Nataon’i Salômôna.

Ry Andriamanitra ô; tolory ny fitsarànao, ny mpanjaka,

ary ny fahamarinanao, ny zanaky ny mpanjaka.

2 Aoka hitondra ny vahoakanao, araka ny rariny,

sy ny mahantranao, araka ny hitsiny!

3 Aoka hahavokatra fiadanana ho an’ny vahoaka ny tendrombohitra,

torak’izany ny havoana, amin’ny fahamarinana.

4 Hanomezany rariny ny olona ory eo amin’ny vahoakany,

sy hamonjeny ny zanaky ny mahantra,

ary hanorotoroany ny mpampahory!

5 Aoka hanaja Anao ny olona, raha mbola maharitra koa ny masoandro,

raha mbola mihiratra koa ny volana, hatramin’ny taona mifandimby.

6 Aoka izy hidina, toy ny ranonorana amin’ny ahi-maitso,

toy ny tandrifin-drahona manondraka ny tany.

7 Ka amin’ny androny dia aoka ho finaritra ny olo-marina,

amim-piadanana feno, mandra-pitsahatry ny fisian’ny volana.

8 Hanjaka hatramin’ny ranomasina iray ka hatramin’ny ranomasina hafa Izy,

ary hatramin’ny Ony ka hatramin’ny faran’ny tany.

9 Hiankohoka eo anatrehany ny mponina any an’efitra;

ary ho lavo amin’ny tany ny fahavalony.

10 Handoa hetra ny mpanjakan’i Tarsisa sy ny nosy;

hanolotra fanatitra ny mpanjakan’i Sabàsy Merôe;

11 hiankohoka eo anatrehany ny mpanjaka rehetra,

hanaiky Azy ny firenena rehetra.

12 Fa hanafaka ny mahantra mitaraina aminy Izy;

sy ny ory tsy manan-kamonjy akory.

13 Hiantra ny fadiranovana sy ny tsy manana Izy,

ary hamonjy ny ain’ny mahantra.

14 Hoesoriny amin’ny fampahoriana amam-panaovana an-keriny ireny,

ary ho sarobidy eo imasony ny ran’izy ireny.

15 Dia ho velona ireny, ka hanatitra volamena

avy any Sabà ho Azy;

hanao voady ho Azy mandrakariva, ary hisaotra Azy isan’andro.

16 Ny vary, aoka ho vokatra betsaka amin’ny tany

hatrany an-tampon’ny tendrombohitra!

Ny salohim-bary, aoka hisahondrahondra hoatry ny alan’i Libàna!

Ny olona, aoka hirobona ao amin’ny tanàna toy ny ahitra any an-tsaha.

17 Aoka haharitra mandrakizay ny Anarany!

Aoka hiely laza ny Anarany, raha mbola mihiratra koa ny masoandro!

Aoka ho aminy no itadiavan’ny olona fanambinana!

Aoka ny firenena rehetra hiantso Azy hoe: Sambatra!

18 Hisaorana anie i IavehAndriamanitra, Andriamanitr’i Israely,

izay hany manao fahagagana!

19 Hisaorana mandrakizay anie ny Anarany be voninahitra!

Ho feno ny voninahiny anie ny tany rehetra.

Amen! Amen!

20 Tapitra ny vavak’i Davidazanak’i Izaì.

Categories
Salamo

Salamo 73

Fitsarana farany

1 Salamon’i Asafa.

Eny, tsara fo Andriamanitra amin’i Israely

sy amin’izay madio fo!

2 Kanefa saika nikoy aho,

saika nibolisatra ny tongotro.

3 Fa sosotra tamin’ny tsy mpivavaka aho,

nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy.

4 Ho azy ireo: ny fanaintainana tsy misy mandra-pahafatiny;

ny vatany tomady fatratra.

5 Tsy mba niasa amin’izay asa fanaon’ny olona izy,

ary tsy mba voadonan-javatra toy ny olon-kafa rehetra.

6 Ka dia rehareha no firaratan’ny vozony,

ary halozana no akanjo sarobidy itafiany.

7 Mivoaka heloka, avy ao an-kibony,

miseho andro ny hevitry ny fony.

8 Mamazivazy izy, miresaka haratsiana sy halozana,

manonona teny an’avona.

9 Ny vavany, entiny mamely ny lanitraaza,

ary ny lelany miasa eto an-tany.

10 Ka tafatodika any aminy ny vahoakako,

migoka rano erỳ izy.

11 Hoy izy: «Ahoana no hahafantaran’Andriamanitra?

Ahoana no hahalalan’ny Avo Indrindra?

12 Fa izany no toetry ny ratsy fanahy:

miadana mandrakariva, mampitombo ny hareny izy.»

13 Ka dia foana tsy misy asany ny nitandremako ny foko ho madio;

sy ny nanasako ny tanako amin’ny tsy fananan-tsiny,

14 voakapoka mandritra ny andro aho,

ary faizina ihany isa-maraina.

15 Raha izay aho no nanao hoe: «Te-hiteny toa azy ireo aho»

dia ho nivadika tamin’ny taranaky ny zanakao aho.

16 Nandinika hahatakatra izany zavatra izany aho,

ka zava-tsarotra tokoa teo imasoko izany,

17 mandra-pahatafiditro tao amin’ny fitoerana masin’Andriamanitra

sy namantatra ny anjara hiafaran’izy ireo.

18 Eny, ampandehaninao eo amin’ny lala-malama ireny,

dia alavonao, ka levona foana eo izy.

19 Hia! indray mipy maso monja lahy, dia rava ireny!

Levona terỳ! Matin-doza mahatsiravina ka tsy hita intsony!

20 Tahaka ny nanaovan’ny olona ny nofy nony mahatsiaro,

no androahanao ny fahatsiarovana azy, ry Tompo, rehefa mifoha Ianao.

21 Raha lotika ny foko,

ka mahatsiaro voatsindrona lalina aho,

22 dia ketrina tsy misy saina intsony aho

fa toy ny biby no mitomoetra eo anatrehanao.

23 Ho eo aminao mandrakariva anefa aho,

fa efa voahazonao ny tanako ankavanana;

24 hoentinao amin’ny torohevitrao aho,

dia horaisinao any amin’ny voninahitra, rehefa afaka izany.

25 Manana an’iza indray moa aho, any an-danitra?

Tapi-java-nirina aho manana Anao eto an-tany.

26 Torana ny nofoko sy ny foko:

ny vatolampin’ny foko sy anjarako dia Andriamanitra mandrakizay doria.

27 Indro very kosa izay manalavitra Anao;

aringanao avokoa izay mivadika aminao.

28 Raha izaho, dia ny miray amin’Andriamanitra no fahasambarako;

I Iaveh Tompo no anton’ny fitokiako;

mba hitoriako ny asanao rehetra.

Categories
Salamo

Salamo 74

Fitomaniana nony voaroba ny Tempoly

1 Fihirana nataon’i Asafa.

Ry Andriamanitra ô, nahoana no dia nanary anay mandrakizay Ianao?

sy mirehitra amin’ny ondry ao amin’ny tanim-bilonao ny hatezeranao?

2 Tsarovy ny vahoakanaoizay azonao tamin’ny andro fahataloha,

navotanao ho foko lovanao!

Tsarovy ny tendrombohitra Siônanataonao fonenanao.

3 Ny dianao tariho ho eo amin’ireo korontan-javatra tsy azo amboarina;

simban’ny fahavalo avokoa izay teo amin’ny fitoerana masina.

4 Nanerona teo amin’ny kianjanao masina, ny mpanohitra Anao;

nanangana ny fanevany ho faneva izy.

5 Ny fijery azy, toy ny mpikapa hazo,

manainga famaky ao amin’ny ala mikitroka!

6 Ary ankehitriny, ny rafitra misikotra rehetra,

dia nomontsaniny avokoa nasiany ny famaky sy ny kanonta.

7 Nodorany tamin’ny afo ny fitoeranao masina,

nazerany sy notevatevainy ny fonenan’ny Anaranao.

8 Hoy izy anakampony: «Ravaontsika avokoa izy ireo!»

Nodorany daholo ny fitoerana masina amin’ny tany.

9 Ny famantaranay, tsy hitanay intsony;

ny mpaminany, tsy misy intsony;

ary tsy misy aminay mahalala mandra-pahoviana no…

10 Mandra-pahoviana, ry Andriamanitra, no haniratsiran’ny mpampahory,

sy hanevatevan’ny fahavalo tsy an-kijanona ny Anaranao?

11 Nahoana no avonkinao ny tananao, ny tananao ankavanana?

avoahy avy ao an-tratranao izy, dia aringano ireny!

12 Andriamanitra anefa no mpanjakako, hatry ny fahataloha;

Izy izay efa nanao famonjena betsaka tetỳ ambonin’ny tany.

13 Ianao no nampisaraka ny ranomasina tamin’ny herinao,

nanorotoro ny lohan’ireo biby goavam-be tao anaty rano.

14 Ianao no namakivaky ny lohan’i Leviatàna

dia nanome azy hohanin’ny vahoaka any an’efitra.

15 Ianao no nampiboiboika ny loharano aman-dranon-driaka,

Ianao no nahatankina ny ony tsy mety ritra.

16 Anao ny andro, Anao ny alina;

Ianao no nahary ny masoandro amam-bolana.

17 Ianao no nametra ny faritra rehetra amin’ny tany;

Ianao no nanorina ny ririnina amam-pahavaratra.

18 Tsarovy fa maniratsira an’i Iaveh ny fahavalo;

miteny ratsy ny Anaranao ny vahoaka adala!

19 Aza atolotra ny biby ny ain’ny domohinanao,

aza hadinoina mandrakizay ny ain’ny olo-mahantranao.

20 Hevero tsara ny fanekenao! fa izao zoron-tany rehetra izao

feno fandrian-dompy avokoa.

21 Aoka tsy hiverina amin-kenatra, ny tra-pahoriana!

aoka ho afaka hidera ny Anaranao, ny ory sy mahantra!

22 Mitsangàna Ianao, ry Andriamanitra, iandraiketo ny adinao;

tsarovy ny faniratsiràn’ny adala Anao isan’andro.

23 Aza hadinoina ny akoralavan’ny mpandrafy Anao:

ny reharehan’ireo mankahala Anao mitombo mandrakariva!

Categories
Salamo

Salamo 75

Andriamanitra mpitsara: manetry ary manandratra

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Aza mandrava. Salamon’i Asafa. Fihirana.

2 Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, midera Anao izahay;

akaiky ny Anaranao,

mitory ny zava-mahagaga ataonao ny olona.

3 Rehefa tonga ny fotoana, hitsara marina Aho,

4 mihozongozona ny tanymbamin’ny mponina rehetra eo aminy;

izaho kosa dia mampiorina ny andriny.

– Selà

5 Hoy aho amin’ny mpirehareha: «Aza mirehareha!»

ary amin’ny ratsy fanahy: «Aza manangan-doha!

6 Aza avo fananganan-doha loatra,

aza miteny an’avonavona be loatra!»

7 Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana,

na avy any an’efitry ny tendrombohitra!…

8 Tsia fa Andriamanitra no manao ny fitsarana:

ny iray aetriny, ny iray asandrany.

9 Satria eo an-tanan’i Iaveh misy kapoaka,

ka divay mandroatra miharo zava-manitra no ao.

Dia aidiny izany: eny, hotsentsefiny ny faikan’izany,

hisotro avokoa ny ratsy fanahy amin’ny tany.

10 Fa izaho kosa hitory izany mandrakizay,

hihira fiderana ny Andriamanitr’i Jakôba aho.

11 Ary ny tandroky ny ratsy fanahyrehetra hotapahiko;

fa ny tandroky ny marinakosa hasandratro.

Categories
Salamo

Salamo 76

Fiderana an’Andriamanitra mahatahotra

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin’ny zava-manenotendrena. Salamon’i Asafa. Fihirana.

2 Nilaza tena teo amin’i Jodà Andriamanitra,

malaza eo amin’i Israely ny Anarany.

3 Ao Salema ny tabernaklany,

ary ao Siôna ny fonenany.

4 Teo Izy no nanapatapakany tsipìka manelatra,

ny ampinga, ny sabatra, ary ny ady.

– Selà

5 Mamirapiratra Ianao, eo amin’ny fiandriananao,

eo an-tendrombohitra iantorahanao amin’ny rembinao.

6 Voababo ireo malaza be herim-po;

renoky ny torimasony izy ireo,

tsy nahay nampiasa ny tanany ireo olo-mahery.

7 Vao nanambana Ianao, ry Andriamanitr’i Jakôba,

dia nitsatoka tsy nahahetsika ny kalesy aman-tsoavaly.

8 Eny, mahatahotra Ianao!

Iza no mahajanona eo anatrehanao, raha mipoaka ny hatezeranao!

9 Namoaka didim-pitsarana avy any an-tampon’ny lanitra Ianao;

nihorohoro sy nangina ny tany,

10 nony nitsangana hitsara Andriamanitra;

sy hamonjy ny olo-mahantra rehetra amin’ny tany.

– Selà

11 Ka dia hody voninahitra ny fisafoaky ny olombelona,

sy ny sisam-pahatezerany.

12 Manaova voady ianareo,

ka efao amin’i Iaveh Andriamanitra izany,

aoka hitondra fanatitra ho an’Andriamanitra mahatahotra,

izay rehetra manodidina azy.

13 Manongana ny reharehan’ny manam-pahefana Izy,

ary mahatahotra ny mpanjakan’ny tany.

Categories
Salamo

Salamo 77

Fandinihana ny andro lasan’i Israely

1 Ho an’ny mpampianatra hira… Iditona. Salamon’i Asafa.

2 Miakatra ho any amin’Andriamanitra ny feoko,

ka mitaraina aho;

miakatra ho any amin’Andriamanitra ny feoko:

aoka hihaino ahy anie Izy.

3 Mitady ny Tompo, amin’ny andron’ny fahoriako aho;

manandra-tanana tsy mety vizana aho, nony alina;

lavin’ny fanahikoavokoa ny fampiononana.

4 Mahatsiaro an’Andriamanitra aho, dia misento;

mieritreritra aho dia reraka ny fanahiko.

– Selà

5 Hazoninao misokatra ny hodi-masoko;

ary tsy mahateny aho, azon’ny tebitebiko;

6 ka eritreretiko izany andro taloha,

mbamin’ny taona fahizany.

7 Tsaroako ny hirako tamin’ny alina;

dia mandinidinika ao am-poko aho,

ary hoy ny fanontanian’ny saiko:

8 Dia hanary mandrakizay ve ny Tompo,

dia tsy hankasitraka intsony ve Izy?

9 Tapitra mandrakizay va ny famindram-pony?

Tapaka teo va ny fampanantenany momba ny taona ho avy?

10 Hadinon’Andriamanitra va ny famindram-pony?

Notsoahany noho ny fahatezerany va ny indrafony?

– Selà

11 Hoy aho: «Izao no dia mankararirary ahy:

niova ny tanana ankavanan’Andriamanitra!»

12 Te-hampahatsiaro ny asan’i Iaveh aho

fa mahatsiahy ny asanao mahagaga fahiny.

13 Tiako ny mieritreritra ny asanao rehetra,

sy mandinika ny zava-dehibe nataonao.

14 Andriamanitra ô, masina ny lalanao,

zovy moa no Andriamanitra lehibe tahaka ny Andriamanitsika.

15 Ianao no Andriamanitra mahavita fahagagana,

naneho ny herinao tamin’ny firenena Ianao.

16 Navotanao tamin’ny sandrinao ny vahoakanao,

dia ny taranak’i Jakôba sy i Josefa.

– Selà

17 Nahita Anao ny rano, ry Andriamanitra ô,

nahita Anao ny rano dia nangovitra;

nihoviotrovotra ny hantsana.

18 Nandatsaka ny ranony ny rahona,

nikotrokotroka ny feon’ny rahona,

dia nifanaretsaka hatraiza hatraiza

ny zana-tsipìkanao.

19 Nanakoako tao amin’ny tadio ny varatrao,

nanazava izao tontolo izao ny tsela-baratra;

nihoron-koditra sy nihorohoro ny tany.

20 Lalana nalehanao ny ranomasina,

sakeli-dalana nombanao ny ranobe,

ka tsy nisy nahafantarana ny dianao.

21 Nitondra ny vahoakanao, toy ny biby fiompy, Ianao

tamin’ny tanan’i Môizy sy i Aarôna.

Categories
Salamo

Salamo 78

Fianarana horaisina amin’ny tantaran’i Israely

1 Fihirana nataon’i Asafa.

Henoy ny fampianarako, ry vahoakako,

atongilano amin’ny tenin’ny vavako, ny sofinao.

2 Hiloa-bava hilaza oha-teny aho,

hamoaka ny zava-miafinatamin’ny fahataloha aho.

3 Izay efa renay sy nianaranay,

izay efa nambaran’ny razantsika taminay,

4 dia tsy mba afeninay amin’ny zanany.

Fa holazainay amin’ny taranaka ho avy ny fiderana an’i Iaveh,

mbamin’ny heriny amam-pahagagana nataony.

5 Nametraka fitsipika teo amin’i Jakôba Izy,

nanisy lalàna amin’i Israely;

ka ny razantsika nasainy nampianatra izany amin’ny zanany,

6 mba ho fantatry ny taranaka ho avy,

dia ny zaza mbola hateraka sy hiposaka,

ka hotantarain’izy ireo indray izany, amin’izay zanany.

7 Amin’izany dia hametraka ny fitokiany amin’Andriamanitra izy,

tsy hohadinoiny ny asan’Andriamanitra,

sy hotandremany ny didiny;

8 dia tsy hanahaka ny razany

izay taranaka maditra sy miodina,

taranaka manana fo mivadibadika,

sy fanahy tsy miraikitra amin’Andriamanitra.

9 Ireo taranak’i Efraima, mpandefa tsipìka mahay,

dia niamboho tamin’ny andro niadiana;

10 tsy nitandrina ny faneken’Andriamanitra,

nandà tsy handeha araka ny lalàny,

11 nanadino ny zava-mahagaga nasehony azy ireo.

12 Dia nanao fahagagana teo anatrehan’ny razany Izy,

tany amin’ny tany Ejipta, tao an-tsahan’i Tanisa,

13 nampisaraka ny ranomasina hampandehanany azy ireo;

nitana ny rano mitsangana toy ny antontan-javatra miavosa.

14 Nitarika azy tamin’ny rahona nony andro,

ary tamin’ny afo mazava mandritra ny alina.

15 Namaky ny vatolampy tany an’efitra,

dia nomeny hosotroiny toy ny rano migorodana.

16 Nampiboiboika sakeli-drano tamin’ny vatolampy Izy,

dia nampandeha rano mandriaka be.

17 Nefa izy ireo mbola nanohy ny nanota taminy,

sy nikomy tamin’ny Avo indrindra tany an’efitra.

18 Naka fanahy an’Andriamanitra tao am-pony izy ireo,

nangataka hanina araka ny fitsiriritany.

19 Niteny nanohitra an’Andriamanitra izy nanao hoe:

«Hahavoatra latabatraatỳ an’efitra va Andriamanitra?

20 Indro efa nikapoka ny vatolampy Izy dia nandeha ny rano,

ary nibosasaka ny ranon-driaka;

ho azony atao koa va ny manome mofo

na manome hena ho an’ny vahoakany?»

21 Nahare izany i Iaveh ka tezitra,

ka nisy afo nirehitra namely an’i Jakôba,

ary nisy hatezerana nipoitra namely an’i Israely,

22 satria tsy nino an’Andriamanitra izy ireo,

ary tsy natoky ny famonjeny.

23 Kanefa nandidy ny rahona any ambony Izy,

ary nanokatra ny varavaran’ny lanitra.

24 Nandatsaka mana teny aminy hamelona azy Izy,

ary varin’ny lanitra no nomeny azy.

25 Dia samy nihinana ny mofon’ny maheryizy;

nandefa hanina taminy Izy, ka nataony voky izy ireo.

26 Nampifofofofo ny rivotra avy atsinanana teny an-danitra Izy,

nitarika ny rivotra avy atsimo tamin’ny heriny Izy;

27 dia nandatsaka hena, toy ny vovoka, teny aminy,

sy vorona manana elatrahoatry ny fasiky ny ranomasina.

28 Nalatsany teny afovoan’ny tobiny ireny,

manodidina ny lainy.

29 Dia nihinana izy ireo, ka nivoky loatra;

nomen’Andriamanitra azy izay niriny.

30 Raha mbola tsy nanarana ny fahalianany izy ireo,

sady mbola teo am-bavany ny haniny,

31 dia nihatra tamin’izy ireo ny hatezeran’Andriamanitra;

nojanjanany ho faty ireo nivoky indrindra,

naripany koa ny zatovolahin’i Israely.

32 Taorian’izany rehetra izany, mbola nanota ihany izy ireo,

ka tsy nino ny fahagagana nataony.

33 Ka nataony levona toy ny fofon’aina ny androny,

ary notaperiny tampoka ny taonany.

34 Nony nasiany tamin’ny fahafatesana izy ireo vao nitady Azy,

niverina izy ka dodona hahita an’Andriamanitra indray;

35 nahatsiaro fa Andriamanitra no Vatolampiny,

ary ny Avo indrindra no Mpanavotra azy.

36 Kanjo namitaka Azy tamin’ny teniny izy ireo,

ary nandainga taminy ny lelany;

37 fa ny fony tsy mba niorina taminy;

izy ireo tsy nitandrina ny fanekeny.

38 Mamindra fo anefa Izy;

mamela ny fahotana ary tsy mandringana;

nanindry ny hatezerany matetika,

ary tsy nanarana ny fahavinirany rehetra.

39 Notsarovany fa izy ireo dia nofo ihany,

fofon’aina mandalo dia tsy miverina intsony.

40 Impiry akory moa izy ireo no niodina taminy tany an’efitra,

nampahatezitra Azy tany amin’ny tany mangingina!

41 Naka fanahy an’Andriamanitra tsy an-kijanona izy ireo,

ary nihantsy an’ilay Masin’i Israely!

42 Tsy tsaroany intsony ny heriny,

ny andro nanafahany azy tamin’ny mpampahory,

43 izay nanehoany ny fahagaganytany Ejipta,

ny asany mahagaga tany an-tsahan’i Tanisa.

44 Nanova ny oniny ho ra Izy,

ka tsy azony nosotroina ny reniranony.

45 Nalefany hamely azy ireo ny moka izay nihinana azy,

ary ny sahona izay nahafaty azy.

46 Natolony ho an’ny valala ny vokatry ny taniny,

dia ho an’ireny andiany maro be, ny vokatry ny asany.

47 Nolevoniny tamin’ny havandra ny voalobony,

ary tamin’ny vongan-kavandra ny aviaviny.

48 Nafoiny ho an’ny havandra ny biby fiompiny,

ary hoasian’ny varatra ny andiam-bibiny.

49 Nalefany hamely azy ny afon’ny fahatezerany,

dia ny fahavinirana, fisafoahana, ary fampahoriana,

tafik’Anjely mitondra loza avokoa.

50 Nanampatra ny fahatezerany rehetra Izy,

ka tsy namonjy ny fanahin’izy ireo tamin’ny fahafatesana,

nanolotra ny ain’izy ireo tamin’ny fandringanana.

51 Namely ny lahimatoa rehetra tany Ejipta Izy,

dia ny santatry ny fahatanjahana tao an-dain’i Kama.

52 Nampandeha toy ny ondry, ny vahoakany,

nentiny tany an’efitra toy ny andiam-biby fiompy.

53 Notarihiny tamim-pahalalana izy ireo, ka tsy nanan-java-mahatahotra,

ary ny fahavalony kosa natelin’ny ranomasina.

54 Nentiny izy ho tonga hatrany an-tsisin-taniny masina,

hatrany an-tendrombohitra azon’ny tanany ankavanana.

55 Noroahiny teo anatrehan’izy ireo ny firenena,

dia nozarainy ho azy ireo tamin’ny filokana ny zara lovany,

ary nampitoeriny tao an-dainy ny fokon’i Israely.

56 Na dia izany aza,

mbola naka fanahy sy nihantsy an’Andriamanitra Avo indrindra ihany izy ireo,

ka tsy nitandrina ny didiny.

57 Fa niodina sy nivadika toy ny razany izy ireo,

nibirioka toy ny tsipìka mandainga.

58 Nampahatezitra Azy, tamin’ny fitoerana avony;

nampahasaro-piaro Azy, tamin’ny sampiny.

59 Tezitra Andriamanitra nandre izany,

tonga tsy tiany mainty i Israely.

60 Tsy nankasitrahiny ny fonenany tao Silô,

dia ny lay izay nonenany tao amin’ny olombelona.

61 Natolony ho babo ny heriny;

ary ho eo an-tanan’ny fahavalo ny fiandrianany.

62 Nafoiny ho an’ny sabatra ny vahoakany,

ka tezitra tamin’ny lovany Izy.

63 Nolevonin’ny afo ny zatovolahiny,

ary tsy nahare ny hiram-panambadiana ny zatovovaviny.

64 Lavon’ny sabatra ny mpisorony,

ary tsy nigogogogo ny mpitondratena tany aminy.

65 Nifoha, tahaka ny olona natory, ny Tompo,

sahala amin’ny mpiady mahery leon-divay.

66 Dia nasiany avy eo aoriana ny fahavalony,

ka nataony afa-baraka mandrakizay.

67 Tsy tiany kosa anefa ny lain’i Josefa,

ary nariany ny fokon’i Efraima.

68 Fa ny fokon’i Jodà no nofidiny,

dia ny tendrombohitr’i Siôna izay efa tiany.

69 Dia naoriny ny fitoerany masina, toy ny havoana manakatra ny lanitra,

tahaka ny tany naorina ho mandrakizay.

70 Nifidy an’i Davida mpanompony Izy,

ary nanesotra azy any am-balan’ny ondry;

71 naka azy teny am-piandrasana reniondry,

mba hiandry an’i Jakôba vahoakany,

sy i Israely lovany.

72 Dia nitarika azy araka ny fahitsian’ny fony, i Davida,

ary nitondra azy tamin’ny tanana kinga.

Categories
Salamo

Salamo 79

Fitarainan’ny firenena

1 Salamon’i Asafa.

Ry Andriamanitra ô, ibosesehan’ny firenena ny lovanao,

ka ny tempolinao masina nolotoiny;

i Jerosalema nataony korontam-bato;

2 Ny fatin’ny mpanomponao, natolony hohanin’ny voromanidina,

ary ny nofon’ny mpino Anaoho an’ny bibin’ny tany.

3 Nataony nandriaka, hoatra ny rano, ny rany,

manodidina an’i Jerosalema,

sady tsy nisy olona handevina azy ireo akory!

4 Tonga fandàtsan’ny mpifanakaiky aminay izahay,

sady fihomehy amam-paneson’ny manodidina anay.

5 Mandra-pahoviana, ry Iaveh, no hisafoaka hanontolo fo Ianao,

sy hirehetan’ny hatezeranao hoatra ny afo?

6 Amparo amin’ny firenenatsy mahalala Anao ny hatezeranao,

sy amin’ny fanjakana tsy miantso ny Anaranao.

7 Fa ireny no efa nandany an’i Jakôba,

sy nandrava ny fonenany.

8 Aza dia tsarovana aminay ny heloky ny razanay,

ary aoka ho avy faingana hitsena anay ny fiantranao,

fa mihoa-pampana ny fahorianay.

9 Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay,

noho ny voninahitry ny Anaranao.

10 Nahoana ny firenena no dia hilaza hoe: «Aiza izay Andriamanitr’izy ireo?»

Aoka ho fantatra eo amin’ny firenena sy ho hitany maso,

ny valim-bonoana hamalianao ny fandatsahana ny ran’ny mpanomponao.

11 Aoka hiakatra hatrany aminao ny fitarainan’ny voababo,

vonjeo araka ny herin-tsandrinao ireo efa mila ho faty.

12 Azerao impito eo an-tratran’ireo mifanila toerana aminay,

ny fanaratsiana nafitsony Anao, Tompo ô!

13 Ary izahay, vahoakanao, sy ondry amin’ny tanim-bilonao kosa,

dia hanome voninahitra Anao mandrakizay;

hitory ny fiderana Anao amin’ny taona mifandimby.

Categories
Salamo

Salamo 80

Fivavahana mba hiarenan’i Israely

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Lisin’ny vavolombelona. Salamon’i Asafa.

2 Ry mpiandry an’i Israely ô, mihainoa!

Ianao izay mitondra an’i Josefatoy ny andian’ondry,

Ianao izay mipetraka eo amin’ny Kerobima, misehoa amin’ny voninahitrao.

3 Eo anoloan’i Efraima, i Benjamina, i Manase,

fohazy ny herinao, ka avia hamonjy anay.

4 Ry Andriamanitra ô, ampodio izahay amin’ny toetranay taloha;

ampamirapirato ny Tavanao, dia ho voavonjy izahay.

5 Ry Iaveh Andriamanitry ny tafika,

mandra-pahoviana no mbola ho tezitra amin’ny fivavahan’ny vahoakanao Ianao?

6 Efa novelominao tamin’ny mofon-dranomaso izy,

ary efa nampisotroinao ranomaso havozona.

7 Efa nataonao ho fifandiran’ireo mifanila toerana aminay izahay;

ka efa ihomehezan’ny fahavalonay izahay.

8 Ry Andriamanitry ny tafika ô ampodio amin’ny toetranay taloha izahay,

ampamirapirato ny Tavanao, dia ho voavonjy izahay.

9 Misy voaloboka nongotanaotany Ejipta;

nandroaka ny firenena Ianao, hambolenao azy.

10 Nataonao malalaka ny fitoerana eo anoloany,

dia namàka lalina sy nameno ny tany izy.

11 Ka nanarona ny tendrombohitra ny alokalony,

nanarona ny sederan’Andriamanitra ny sampany;

12 nisandrahaka hatrany amin’ny Ranomasina nyrantsany,

ary hatrany amin’ny Onyny sakeliny.

13 Nahoana no dia noravanao ny fefiny,

ka izay mandalo rehetra, manimba azy avokoa?

14 Ny lambo avy any an’ala mandrapaka azy;

ary ny biby any an-tsaha manao azy ho fihinany.

15 Ry Andriamanitry ny tafika, miverena,

mitsinjova eny an-danitra, ary jereo,

ka diniho ity voaloboka!

16 Arovy izay nambolen’ny tananao ankavanana,

sy ny zanaka izay nofidinao ho Anao!…

17 Main’ny afo izy, sady voakapa;

levona avokoa izay handrinin’ny Tavanao.

18 Aoka ny tananao ho amin’ny olon’ny tananao ankavanana,

amin’ny zanaky ny olona nofidinao ho Anao.

19 Dia tsy hanohitra Anao intsony izahay;

velomy indray izahay, dia hiantso ny Anaranao.

20 Ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika, ampodio amin’ny toetranay taloha izahay,

ampamirapirato aminay ny Tavanao, dia ho voavonjy izahay.