Antsa sy Vavaka amin’Andriamanitra mahatoky
1 Fihirana nataon’i Etàna, Ezrahita.
2 Te hihira mandrakizay ny hatsaram-pon’i Iaveh aho:
hanambara ny fahamarinanao amin’ny taranaka rehetra, ny vavako.
3 Fa hoy aho: «Ny hatsaram-po no tranobe soa mandrakizay;
naorinao any an-danitra ny fahamarinanao.
4 Efa nanao fanekena tamin’ilay nofidikoAho;
fianianana efa nataoko tamin’i Davida mpanompoko,
5 fa te hampiorina mafy mandrakizay ny taranakao Aho,
sy hanamafy ny seza fiandriananao, hatramin’ny taranaka rehetra.»
– Selà
6 Ry Iaveh, ny lanitra mankalaza ny fahagagana ataonao,
mbamin’ny fahamarinanao eo amin’ny fiangonan’ny olona masina.
7 Fa iza any an-danitra no hitaha amin’i Iaveh?
Iza amin’ireo zanak’Andriamanitra no manahaka an’i Iaveh?
8 Mahatahotra Andriamanitra eo amin’ny fiangonam-ben’ny olo-masina,
mahatahotra ho an’ireo rehetra manotrona Azy Izy.
9 Ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika, iza no tahaka Anao?
Mahery Ianao, Iaveh, ary manodidina Anao ny fahamarinanao.
10 Ianao no mamolaka ny fianjonanjonan’ny ranomasina;
Ianao no mampitony azy raha misamboaravoara ny onjany.
11 Ianao no nanorotoro an-dRahabatoy ny faty;
sy nampiely ny fahavalonao, tamin’ny herin-tsandrinao.
12 Anao ny lanitra, Anao koa ny tany;
ny tany sy izay rehetra ao aminy, Ianao no nanorina azy.
13 Ny atsimo sy avaratra, Ianao no nahary azy.
Tabôra sy Hermônaindray mientana amin’ny Anaranao.
14 Ary fitaovana hiady ny sandrinao, dia ny heriny,
mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana.
15 Ny rariny sy ny hitsiny no hiorenan’ny seza fiandriananao,
ny famindram-po sy fahamarinana no eo anatrehan’ny Tavanao.
16 Sambatra ny vahoaka mahalala ny hobin-kafaliana,
sy mandeha amin’ny fahazavan’ny Tavanao, ry Iaveh!
17 Mifaly mandrakariva amin’ny Anaranao izy;
ary misandratra amin’ny fahamarinanao.
18 Fa Ianao no voninahiny amam-pahefany,
ary ny fanambinanao manondrotra ny herinay.
19 Satria avy amin’i Iaveh ny ampinganay;
ary avy amin’ilay Masin’i Israely ny mpanjakanay.
20 Fahiny Ianao niteny tamin’ny malalanao, tamin’ny fahitana nanao hoe:
«Izaho namonjy fanampiana ny mahery anankiray;
nanandratra zatovolahyanankiray avy eo afovoan’ny vahoaka;
21 nahita an’i Davida mpanompoko;
nanosotra azy tamin’ny diloilo masina.
22 Homba azy lalandava ny tanako;
ary hankahery azy ny sandriko.
23 Tsy hotampohin’ny fahavalo izy;
ary tsy haharesy azy ny zanaky ny tsy fahamarinana.
24 Izaho hanorotorony mpanohitra azy eo anatrehany;
sy hamely an’izay mankahala azy.
25 Homba azy ny fahamarinako aman-katsaram-poko;
ary ny Anarako no hitomboan’ny heriny.
26 Hahatrako amin’ny ranomasina ny tanany;
ary amin’ny ony ny tanany ankavanana.
27 Izy hiantso Ahy hoe: Ianao no raiko,
sy Andriamanitro ary vatolampy famonjena ahy.
28 Ary Izaho kosa hanao azy ho lahy matoa,
ambony indrindra amin’ny mpanjakan’ny tany.
29 Hitahiry ny hatsaram-poko aminy mandrakizay Aho;
ary ny fanekeko aminy tsy hivadihana.
30 Hampitoeriko haharitra mandrakizay ny taranany;
ary ny seza fiandrianany haharitra toy ny andron’ny lanitra.
31 Raha mahafoy ny lalàko ny taranany,
ka tsy mandeha araka ny fitsipiko;
32 raha mandika ny teniko izy,
ka tsy mitandrina ny didiko,
33 dia hosaziko amin’ny tsora-kazo ny fahadisoany,
ary amin’ny kapoka ny helony;
34 fa tsy hesoriko aminy ny hatsaram-poko,
ary tsy hampandainga ny toky nomeko azy Aho.
35 Tsy handika ny fanekeko Aho,
ary tsy hanova ny teny naloaky ny vavako.
36 Efa nianianako indray mandeha tamin’ny fahamasinako,
ka tsy handainga amin’i Davida Aho.
37 Haharitra mandrakizay ny taranany,
ho tahaka ny masoandro eo anoloako ny seza fiandrianany;
38 tahaka ny volana izy dia tafaorina ho mandrakizay,
ary mahatoky ny vavolombelona eny amin’ny lanitra.»
– Selà
39 Kanjo narianao sy tsy nasianao raharaha,
ary notezeranao ilay Voahosotrao!
40 Nahatofoka Anao ny fanekena tamin’ny mpanomponao,
natsipinao amin’ny tany ny satroboninahiny efa voatevateva.
41 Nazeranao ny mandany rehetra,
noravanao ny trano mimandany.
42 Izay mandalo mamabo azy avokoa,
tonga fandàtsan’ny mpiray monina aminy izy.
43 Fa nasandratrao kosa ny tanana ankavanan’ny mpampahory azy,
nampifalinao ny fahavalony rehetra.
44 Nalefitrao hihodina ny lela-tsabany,
ary tsy nanohana azy tamin’ny ady Ianao.
45 Nendahanao ny voninahiny,
ary nazeranao amin’ny tany ny seza fiandrianany.
46 Nohafohezinao ny andron’ny fahatanorany,
ary nosaforanao henatra izy.
– Selà
47 Mandra-pahoviana, ry Iaveh, no hierenao lalandava?
sy hirehitra hoatry ny afo ny hatezeranao?
48 Tsarovy ny hafohezan’ny andro iainako,
sy ny zavatra tsinontsinona naharianao ny zanak’olombelona!
49 Iza moa no velona tsy hahita fahafatesana,
ary zovy no hahafaka ny fanahiny amin’ny herin’ny Seoly?
– Selà
50 Aiza ny hatsaram-ponao fahiny, Tompo ô,
izay nianiananao tamin’i Davida, tamin’ny fahamarinanao?
51 Tsarovy, Tompo, ity latsa manjò ny mpanomponao,
fa mitondra ato amin’ny tratrako ny faniratsiràn’ny firenena aho;
52 dia ny faniratsiràn’ny fahavalonao, ry Iaveh,
faniratsirana nanoherany ny dia nandrosoan’ny Voahosotrao.
53 Hisaorana mandrakizay anie i Iaveh!
Amen! Amen!