Categories
Sôfônia

Sôfônia 1

1 Ny tenin’i Iaveh izay natao tamin’i Sôfônia, zanak’i Kozì, zanak’i Godoliasa, zanak’i Amariaza, zanak’i Ezekiasa, tamin’ny andron’i Josiasa, zanak’i Amôna, mpanjakan’i Jodà.

Ny ataon’i Iaveh mialoha eo amin’izao tontolo izao

2 Hoesorikoeo ambonin’ny tany ny zavatra rehetra,

– teny marin’i Iaveh; –

3 Hoesoriko ny olombelona sy ny biby;

hoesoriko ny voromanidina sy ny hazan-dranomasina,

ary ny fanafintohinanambamin’ny ratsy fanahy;

ka haringako eo ambonin’ny tany ny olombelona,

– teny marin’i Iaveh. –

Famelezana ny fanompoan-tsampy

4 Dia haninji-tanana hamely an’i Jodà Aho,

sy hamely ny mponina rehetra ao Jerosalema,

ary haringako amin’ity fitoerana ity ny sisan’i Baala,

ny anaran’ny mpandraharahany miaraka amin’ny mpisorona.

5 Ireo miankohoka eny ambonin’ny tafon-trano,

eo anatrehan’ny tafiky ny lanitra;

sy ireo miankohoka manao fianianana amin’i Iaveh,

sady mianiana amin’ny mpanjakany;

6 sy ireo mihataka miala amin’i Iaveh,

izay tsy mitady an’i Iaveh,

ary tsy manan-draharaha Aminy akory.

7 Mangina eo anatrehan’ny Tompo Iaveh,

fa efa akaiky ny andron’i Iaveh,

satria efa nanomana soronai Iaveh,

efa nanamasina ny olo-nasainy Izy.

Famelezana ireo ambony tany amin’ny lapa

8 Ary izao no hitranga: Amin’ny andron’ny soron’i Iaveh

hofaizako ny mpanapaka

sy ny zanak’andriana,

mbamin’izay rehetra manao fitafian’ny hafa firenena.

9 Hofaizako avokoa amin’izany andro izany,

izay rehetramiezaka mihoatra ny tokonana,

ka nameno fahasahiana amam-pitaka

ny tranon’ny tompony.

Famelezana ny mpivarotr’i Jerosalema

10 Amin’izany andro izany dia izao no hatao,

– teny marin’i Iaveh: –

Hisy antsoantso hitatatata avy ao am-bavahadin’ny hazandrano;

hisy hitarainana, avy ao an-tanàna faharoa;

ary hisy kotrokotroka be avy amin’ny havoana.

11 Midradradradrà, ry mponina ao amin’ny Feta,

fa ringana avokoa ny vahoaka kananeanina,

levona avokoa izay rehetra mivesatra vola.

Famelezana ny tsy mpino

12 Izao no hatao amin’izany andro izany:

Hokarohiko amin’ny fanala i Jerosalema,

ka hofaizako ny olona mandry mifetaka amin’ny faikany,

izay manao anakampo hoe:

Tsy manisy soa, tsy manisy ratsy i Iaveh!

13 Hatolotra hobaboina, ny fananany,

ary hatolotra horavana ny tranony;

hanao trano izy, fa tsy hitoetra ao;

hamboly voaloboka izy, fa tsy hisotro divay avy amin’izany.

Ny andron’i Iaveh

14 Efa akaiky ny androlehiben’i Iaveh,

efa akaiky izy sady tamy haingana dia haingana!

Injay migàdona ny andron’i Iaveh!

Ho velon-taraina mangidy amin’izay ny olo-mahery fo.

15 Fa izany andro izany, dia androm-pahatezerana,

androm-pahoriana aman-tebiteby,

andro fahalahelovana amam-pandravana,

androm-pahamaizinana sy fanjombonana,

andro mandrahona sady manjavona mainty,

16 andron’ny trômpetra sy ny fanairana,

eo ambonin’ny tanàna mimanda, mbamin’ny nongonongona avo amin’ny manda.

17 Halatsako am-pahoriana ny olona,

ka hiraparapa toy ny jamba,

satria nanota tamin’i Iaveh izy.

Hiraraka toy ny vovoka ny rany,

ary toy ny zezika ny nofony.

18 Tsy hisy hahavonjy azy na ny volafotsiny na ny volamenany,

amin’ny andron’ny fisafoahan’i Iaveh;

holevonin’ny fahasaro-piarony avokoa ny tany;

fa hataony rava tsy misy miangana, ataony fongotra tampoka,

ny mponina rehetra amin’ny tany.

Categories
Sôfônia

Sôfônia 2

Famaranana: Fiantsoana hibebaka

1 Mitombena saina, mieritrereta ao anatinareo,

ry karazan’olona lany henatra,

2 alohan’ny hiterahan’ny biby

sy hihelenan’ny andro toy ny mololo;

alohan’ny hiharan’ny firehitry ny fahatezeran’i Iaveh aminareo,

alohan’ny hidonan’ny andron’ny fahaviniran’i Iaveh aminareo.

3 Mitadiava an’i Iaveh, ianareo manetry tena rehetra amin’ny tany,

izay efa nanaraka ny lalàny;

katsaho ny fahamarinana, katsaho ny fanetren-tena.

Ho tafaàloka angamba ianareo amin’ny andron’ny fahatezeran’i Iaveh!

Ny fahavalo any Andrefana: Ny Filistinina

4 Fa i Gazàhafoy;

i Askalôna hanjary efitra;

i Azota horoahina mitataovovonana;

ary i Akarôna hofongorana.

5 Loza ho an’ny mponina any amin’ny faritanin’ny ranomasina,

dia ny firenenan’ny Kretoà!

Efa voatonona ny tenin’i Iaveh mamely anareo

ry Kanaàna, tanin’ny Filistinina:

Ary haringako ianao ka tsy hisy mponina sisa eo aminao intsony.

6 Ny faritanin’ny ranomasina hanjary tany fiandrasana ondry

sy zohin’ny mpiandry ondry, ary valan’ondry.

7 Ho faritany ho an’ny sisa amin’ny taranak’i Jodà izany,

hiandry ny ondriny eo izy;

dia handry ao amin’ny tranon’i Askalôna nony hariva,

fa hamangy sy hanangana azy indray i Iaveh Andriamaniny.

Ny fahavalo any Atsinanana: i Moaba sy i Amôna

8 Reko avokoa ny fanevatevan’i Moaba

sy ny fanaratsian’ny taranak’i Amôna,

izay nanevateva ny vahoakako,

sy nitatra nihoby taminy teny amin’ny sisin-taniny.

9 Ka noho izany dia velona Aho,

– teny marin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: –

i Moaba hanahaka an’i Sôdôma;

ary ny taranak’i Amôna ho tahaka an’i Gômôra:

fitoerana nafoy ho an’ny amiana sy tany ihadian-tsira,

ho efitra mandrakizay.

Izay sisa amin’ny vahoakako hamabo azy,

ary izay tavela amin’ny fireneko no hahazo azy ho lovany.

10 Izany no hihatra aminy dia noho ny avonavony,

satria naneso sy niangiangy

tamin’ny vahoakan’i Iavehn’ny tafika.

11 Ho fampatahorana mafy ho azy i Iaveh,

fa hofoanany ireo andriamanitra rehetra ambonin’ny tany;

ary hiankohoka eo anatrehany

samy any amin’izay misy azy avy,

ny mponina amin’ny nosim-pirenenarehetra.

Ny fahavalo any Atsimo: i Etiôpia

12 Ianareo koa, ry Etiôpianina!…

Ho voatrobaky ny sabatro izy ireo.

Ny fahavalo any Avaratra: i Asora

13 Haninji-tanana hamely ny Avaratra koa izy,

handringana an’i Asora,

ary hahalao an’i Niniva,

ka hahatonga azy ho karankaina toy ny efitra.

14 Eo afovoany no handrian’ny biby fiompy

ny biby isan-karazany;

ny sama sy ny sokina vy

no haka fonenana any amin’ny loha andriny;

hisy feo mihira ho re eny am-baravarankely;

ary fandravana no ho eo an-tokonana,

fa efa nendahana ny peta-kazo sedera.

15 Io no ilay tanàna niravoravo,

nipetraka amin-toky nanao anakampo hoe:

Izaho, ary tsy misy afa-tsy izaho!

Ahoana no nanjariany ho efitra,

sy fonenan’ny biby!

Na iza na iza handia azy,

dia hisitrìsitra sy hanifikifi-tanana.

Categories
Sôfônia

Sôfônia 3

Famelezana an’ireo mitondra ny firenena

1 Mila loza ilay miodina sy voaloto

dia ny tanàna fampahoriana!

2 Tsy nisy feo nohenoiny akory, tsy nandray anatra izy,

tsy niankina tamin’i Iaveh,

tsy nanatona an’Andriamaniny.

3 Ao aminy, ny mpanapaka, liona mierona;

ny mpitsarany amboadia hariva,

tsy mamela na inona na inona ho tra-maraina.

4 Ny mpaminaniny vavànasady olona mamitaka;

ny mpisorony mandoto ny zava-masina

sy mandika ny lalàna.

5 Marina i Iaveh eo afovoany,

tsy misy tsy rariny ny ataony;

mamoaka ny fitsaràny isa-maraina izy

mba hanome ny fahazavana,

ary tsy diso amin’izany izy na oviana na oviana;

fa ny olona tsy tia vavaka tsy mahalala henatra!

Fianarana avy amin’ny natao tamin’ireo hafa firenena

6 Firenena maro no naringako, ka rava ny tilikambony,

nataoko lao ny arabeny, ka tsy hisy mpandia intsony;

voarava ny tanànany ka tsy misy olona intsony,

tsy misy mponina na iray aza.

7 Hoy aho: Hatahotra Ahy ahay ianao, handray ny anatra;

dia tsy ho rava ny fonenany,

araka izay rehetra notapahiko ny aminy.

Kanjo vao mainka nirotoroto izy ireo

hanimba ny asa rehetra ataony.

8 Koa andrasonareo Aho, – teny marin’i Iaveh, –

amin’ny andro hitsanganako haka babo!

Satria izao no didiko, dia ny hanangonako ny firenena,

hamoriako ny fanjakana,

hanidinako ny fahatezerako amin’izy ireo,

dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra.

Fa ny afon’ny fahasaro-piaroko

no handevona ny tany rehetra.

Ny hibebahan’ny tsy mpino

9 Fa amin’izany ny firenenahomeko molotra madio

hiantsoan’izy rehetra ny Anaran’i Iaveh

sy hanompoany Azy amim-piraisan-kina.

10 Avy any an-dafin’ny onin’i Etiôpia

ireo mpivavaka amiko, ireo naeliko, hitondra ny fanatitra ho Ahy.

Ireo sisa amin’i Israely: ambany ny osa

11 Amin’izany andro izanytsy ho henatra ho anao intsony,

ny asanao rehetra izay nanotanao tamiko;

satria amin’izany hoesoriko hiala eo aminao

ireo izay nifaly tamim-pireharehana;

ary ianao tsy hiavonavona intsony

eo an-tendrombohitro masina.

12 Havelako eo aminao

ny vahoaka ambany sy manetry tena anankiray

izay hatoky ny Anaran’i Iaveh.

13 Ny sisa amin’i Israely dia tsy hanao ny tsy marina,

na hilaza lainga,

ary tsy hahitana eo am-bavany intsony

izay lela mandainga.

Fa hihinana sy handry feizay izy ireo,

ary tsy hisy olona hanaitaitra azy.

Salamo fifaliana ao Siôna

14 Mihobia, ry zanaka vavin’i Siôna!

manaova feo firavoravoana, ry Israely!

Mifalia sy miraharahà amin’ny fonao rehetra,

ry zanaka vavin’i Jerosalema.

15 Fa ny fitsarana nanameloka anao nesorin’i Iaveh,

ny fahavalonao nentiny mihodivitra anao.

I Iaveh, Mpanjakan’i Israely, no eo aminao,

ka tsy hahita loza intsony ianao.

16 Amin’izany andro izany, izao no holazaina amin’i Jerosalema:

Aza matahotra, ry Siôna, ary aza miraviravy tanana!

17 I Iaveh, Andriamanitrao no eo aminao, mpamonjy mahery!

Ary Izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao;

hangina Izy amin’ny fitiavany;

noho ny aminao dia hisebiseby amin’ny hobin-kafaliana.

Ny hiverenan’ireo niely

18 Hovoriko ireo latsaka am-pahoriana,

tsy mahita fety lehibe hankalazaina;

satria isan’ny anao ireny, itambesaran’ny latsa.

19 Amin’izany andro izany hofaranako

ny amin’ny momba an’ireo rehetra mpampahory anao:

Hovonjeko ikala mandringa,

hangoniko ikala voaroaka,

ka hataoko be voninahitra sy malaza izy ireo,

any amin’ny tany rehetra nanakoràna azy.

20 Amin’izany andro izany, hampodiko ianareo;

ary amin’ny andro hanangonako anareo,

hataoko malaza sy be voninahitra ianareo,

any amin’ny firenena rehetra eto an-tany,

rehefa hatsahatro ny fahababoanareo,

eo imasonareo, hoy i Iaveh.