Categories
Tito

Tito 1

Fiarahabana

1 Izaho Paoly, mpanompon’Andriamanitra sy Apôstôlin’i Jesoa Kristy momba ny finoan’ny olom-pinidin’Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay mahasoa ny fanahy,

2 noho ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga, talohan’ny taona rehetra,

3 fa tamin’ny fotoana voatendriny no nampiharihariany ny teniny tamin’ny fitorian-teny izay napetraka tamiko araka ny didin’Andriamanitra Mpamonjy antsika:

4 dia mamangy an’i Tito, zanako malala amin’ny finoana iombonantsika; ho ao aminao anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.

Fametrahana an’ireo Pretra

5 Ny antony namelako anao tany Kreta dia ny mba hamitanao ny fandaminana ny zavatra rehetra, sy hanendrenao Pretra isan-tanàna, araka ny nandidiako anao:

6 dia olona tsy manan-tsiny, nanambady indray mandeha ihany, sady mpino ny zanany no tsy ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy, na maditra.

7 Fa ny miadidy ny Eglizy, dia mpitandrin’Andriamanitra, ka tsy maintsy ho olona tsy manan-tsiny, tsy miavonavona, tsy mora tezitra, tsy tia divay loatra, tsy mpikapoka, tsy mpila vola;

8 fa ho tsara fandray vahiny, mazoto manao soa, malina, marina, masina, mahafehy tena,

9 mitana mafy ny teny marina nampianarina azy, mba hahaizany mamporisika araka ny fampianarana marina, sy handresy lahatra izay manohitra izany.

Fanoherana an’ireo mpampianatra sandoka

10 Fa maro no manohitra sy mpanao laha-pahitra ary manambosy ny sasany, indrindra fa amin-dry zareo voafora,

11 ka tsy maintsy tampenam-bava ireny, fa manakorontana fianakaviana maro, sy mampianatra ny tsy mety mba hilany vola.

12 Hoy ny anankiraytamin’izy ireny, izay ataony ho mpaminaniny: «Ny olona any Kreta dia fandainga lalandava, biby masiaka, kamo be tenda.»

13 Filazana marina izany. Ka asio mafy izy ireo mba ho marim-pinoana,

14 sy tsy hihaino izay anganongano foanan’ny Jody, na ny didin’ny olona mihataka amin’ny fahamarinana.

15 Madio ny zavatra rehetra amin’ny olona madio; fa amin’ny olona maloto sy tsy mino kosa, dia tsy misy madio na inona na inona, fa voaloto avokoa na ny sainy na ny fieritreretany.

16 Manao azy ho mahalala an’Andriamanitra izy ireo, nefa mandà Azy amin’ny asany, satria olona vetaveta sy manohitra ary tsy mahavita asa soa na inona na inona.

Categories
Tito

Tito 2

Adidy manokana amin’ny sokajin’ny mpino sasany

1 Fa ianao kosa, milazà mety araka ny fampianarana marina;

2 amin’ny lehilahy lehibe, mba hahalala onony, mendrika, malina, mijoro tsara amin’ny finoana sy amin’ny fitiavana ary amin’ny fandeferana;

3 amin’ny vehivavy lehibe kosa, mba hiseho maotona sy masina, tsy mpanendrikendrika, tsy andevozin’ny divay be, fa mpampianatra ny zavatra tsara,

4 mba ho afa-manoro ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny aman-janany,

5 hahonon-tena, ho madio fitondran-tena, hikarakara ny tokantranony, halemy fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenan-dratsy ny tenin’Andriamanitra.

6 Amporisiho toy izany koa ny tovolahy mba ho hendry,

7 ka ny tenanao no misehoa ho fakan-tahaka ny asa tsara rehetra amin’ny zavatra rehetra; aoka ny fampianaranao ho madio, maotona,

8 marina, ary tsy manan-tsiny, mba ho menatra ny mpanohitra antsika, fa tsy hahita kilema hanesoana antsika.

9 Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony, hanao izay mahafaly azy amin’ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly foana,

10 tsy hangala-tety, fa hiseho ho olo-mahatoky tokoa, mba hahazo voninahitra amin’ny zavatra rehetra ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika.

Fototra ara-pinoana iorenan’ireo zavatra takina ireo

11 Fa efa niseho ny fahasoavan’Andriamanitra, loharanom-pamonjena ho an’ny olona rehetra,

12 mampianatra antsika hamela ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filàn’izao tontolo izao, fa ho velona amin’ity fiainana ity manana ny toetr’olona mahalala onony, marina, tia vavaka,

13 miandry ny fahasambarana antenaintsika sy ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy,

14 Izay nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany ho an’ny Tenany ny vahoaka izay ho Azy tokoa sady fatra-pitia ny asa soa rehetra.

15 Izany no tsy maintsy hotorìnao sy hamporisihanao ary hananaranao amim-pahefana lehibe. Aza avela hisy olona maneso anao.

Categories
Tito

Tito 3

Adidin’ny mpino amin’ny ankapobeny

1 Ampahatsiarovy ny mpino fa adidin’izy ireo ny manaiky ny mpanapaka sy ny manam-pahefana, ka tsy maintsy manoa azy ireo izy sy vonon-kanao ny asa soa rehetra,

2 tsy hilaza ratsy olona, tsy hifanditra, fa hifanaraka sy hampiseho halemem-panahy lehibe amin’ny olona rehetra.

3 Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon’ny faniriana amam-pilàn-dratsin’ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa.

4 Saingy nony niseho ny famindram-po amam-pitiavan’Andriamanitra Mpamonjy antsika olombelona,

5 dia tsy noho ny asan’ny fahamarinana nataontsika, fa noho ny famindram-pony; Izy no namonjy antsika tamin’ny fanasananahaterahantsika indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina,

6 Izay nampidininy be dia be tamintsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika;

7 mba hohamarinin’ny fahasoavana isika ka ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay.

Torohevitra manokana ho an’i Tito

8 Teny marina tokoa izany ka tiako hoanterinao tsara ny filaza azy, mba hikely aina amin’ny fanaovana asa soa izay mino an’Andriamanitra. Izany no tsara sy mahasoa ny olona.

9 Fa raha ny amin’ny fandinihan-javatra tsy misy heviny kosa, mbamin’ny tantaram-pirazanana, ny fifandirana, ny ady hevitra foana momba ny Lalàna, dia ialao ireny, fa sady tsy mahasoa no zava-poana.

10 Ny olona tia fisarahan-kevitra koa ialao rehefa nanarinao tsy zaka, indray maka na indroa,

11 satria fantatrao fa efa ratsy mihitsy ny toy izany sady manota, fa ny tenany aza no manameloka azy.

Hafatra sy firariana ary veloma

12 Rehefa maniraka an’i Artemasy na i Tisìko atỳ aminao aho, dia tongava faingana atỳ amiko atỳ Nikôpôlisy, fa mikasa handany ny ririnina any aho.

13 Vonony tsara izay ilain’i Zenasy mpahay ny Lalàna sy i Apôlô amin’ny diany, mba tsy hisy tsy ampy izay ilainy.

14 Aoka ny havantsika iray finoana koa hianatra hanao asa soa mba ho afa-manampy rehefa misy mahaporitra, fandrao olona tsy misy vokany izy.

15 Manao veloma anao avokoa izay rehetra tia antsika amin’ny finoana. Ho ao aminareo rehetra anie ny fahasoavana.