Categories
Tobia

Tobia 1

1 I Tobiadia avy amin’ny fokon’i Neftalì, sy avy amin’ny tanànan’i Neftalì anankiray, izay any Galilea ambony, eo ambonin’i Naasôna, ao ankoatra ny lalana miankandrefana, ka eo ankavanan’ny tanànan’i Sefeta.

1. Izy lasan-ko babo

2 Lasan-ko babo izy tamin’ny andron’i Salmanazara, mpanjakan’ny Asirianina, nefa na tany am-pahababoana tany aza izy, dia tsy mba niala tamin’ny lalan’ny fahamarinana.

3 Isan’andro izy, dia nizara tamin’ireo rahalahiny, iray firenena aminy, sy babo toa azy, izay rehetra azony omena.

4 Na dia izy aza no zandriny indrindra tamin’ireo avy amin’ny fokon’i Neftalì, dia tsy mba nanao fanahin-jatovo velively izy.

5 Hany ka fony ny olona rehetra nandeha hiankohoka tamin’ilay zanak’omby volamena nataon’i Jerôbôama mpanjakan’i Israely, izy irery kosa niendaka tamin’ny be sy ny maro.

6 Nankany Jerosalema amin’ny tempolin’ny Tompo izy, niankohoka tamin’ny Tompo Andriamanitr’i Israely, ary nanolotra tsy tapaka, ny voaloham-bokany sy ny fahafolon’ny fananany.

7 Nozarainy, isan-telo-taona, tamin’ny prôselitasy tamin’ireo hafa firenena ny fahafolon-karenany rehetra.

8 Ary hatry ny fony vao tanora herotrerony izy no nitandrina izany sy ny toy izany, araka ny lalàn’Andriamanitra.

9 Nony efa lehilahy izy, dia nanambady vehivavy anankiray, iray foko aminy, atao hoe Anà,

10 ka nitera-dahy taminy, izay nomeny ny anarany, sy nampianariny hatahotra an’Andriamanitra sy hifady ny fahotana rehetra, hatramin’ny fahazazany.

11 Rehefa lasan-ko babo izy, mbamin’ny vady aman-janany, ka tonga tany Niniva, izay nisy ny iray foko aminy rehetra,

12 na dia nihinana ny hanin’ny mpanompo sampyaza ny olon-kafa rehetra, izy kosa nitahiry ny fanahiny ho madio, fa tsy mba nandoto tena tamin’ny henan’ireny, na oviana na oviana.

13 Ary noho izy tsy tapaka ny nahatsiaro ny Tompo, dia nataon’Andriamanitra nahazo fitia tamin’i Salmanazara mpanjaka izy,

14 ka nomen’io alalanaho any amin’izay rehetra tiany haleha, sady hahazo manao izay tiany hatao.

15 Ka dia nandeha namangy ny lasan-ko babo izy, sy nanome torohevitra tsara azy ireo.

16 Indray mandeha izy dia lasa nankany Ragesa, tanànan’ny Meda, nitondra vola talenta folo, avy amin’ny fanomezana beloatra nomen’ny mpanjaka azy;

17 ary teo amin’ireo vahoaka be mpiray tanindrazana aminy kosa, hitany ity lehilahy anankiray iray foko taminy, atao hoe Gabelosa, fa poritra mafy, ka natolony an’io ilay volarehetra nentiny, dia nandraisany rosia taminy izany.

18 Tatỳ aoriana ela, nony efa maty i Salmanazarampanjaka, dia i Senakeriba zanany no nanjaka nandimby azy. Nankahala fatratra ny zanak’i Israely io mpanjaka io,

19 ka nandeha namangy izay anisan’ny havany rehetra isan’andro i Tobia, nanala alahelo azy, nizarany ny fananany izy tsirairay avy, araka izay azony atao;

20 ny noana nomeny hanina, ny tsy nitafy nizarany fitafiana, ary fatratra ny fahazotoany nandevina ny maty na novonoina.

21 Fa tamin’ilay Senakeribampanjaka nandositra avy tany Jodea, nony efa voan’ny faharesena namelezan’Andriamanitra azy, noho ny teny fanevatevana nataony, dia nisafoaky ny hatezerana izy, ka maro be tamin’ny zanak’i Israely no nasainy novonoina ho faty; ary i Tobia no nandevina ny fatin’ireo.

22 Nisy olona nampandre izany ny mpanjaka, ka nasain’io hovonoina izy sy norobaina ny fananany rehetra.

23 I Tobia sy ny vadiny aman-janany anefa nitsoaka nandositra; tapitra nendahana ny fananany rehetra, nefa nahita izay hiereny tsara izy, satria maro olo-nohavanina.

24 Dimy amby efapolo andro tatỳ aorian’izany dia novonoin’ny zanany naterany ny mpanjaka. Dia nody tao an-tranony indray i Tobia, sady naverina taminy avokoa ny fananany rehetra.

Categories
Tobia

Tobia 2

2. Izy jamba

1 Tatỳ aorian’izany, tonga ny anankiray amin’ny fetin’ny Tompo, ary nanomanana sakafo lehibe tao an-tranon’i Tobia,

2 ka hoy izy tamin’ilay zanany: «Mandehana ary mitondrà mankatỳ olona vitsivitsy iray foko amintsika, izay matahotra an’Andriamanitra, hiara-misakafo amintsika.»

3 Dia lasa ilay zanany; nony niverina izy, dia nilaza taminy fa misy zanak’i Israely anankiray, novonoin’olona, ka mitsitra foana ao an-dalam-be ao. Nitsangana niaraka tamin’izay i Tobia, niala tamin’ny latabatra, navelany teo ny sakafo, tsy nihinana izy na dia kely aza; nony tonga tany amin’ilay faty izy,

4 nalainy io, dia nentiny nafenina tao an-tranony, haleviny amim-pahamalinana, rehefa maty ny masoandro.

5 Avy nanafina io izy vao nisakafo, tamin-kovitra aman-dranomaso,

6 fa tsaroany ilay tenin’ny Tompo nolazainy tamin’ny vavan’i Amôsa mpaminany hoe: «Hanjary fitolokoana amam-pisaonana ny andro fetinareo.»

7 Nony maty ny masoandro, dia nivoaka nandevina ilay faty izy.

8 Nanome tsiny azy avokoa anefa ny olona manodidina azy, nanao hoe: «Efa nodidiana hovonoina ho faty ianao noho izany ihany, ary vao afaka tamin’izany fanamelohana ho faty izany ianao, dia manomboka mandevina ny maty indray!»

9 Andriamanitra anefa no natahoran’i Tobia noho ny mpanjaka, ka nalainy ihany ny fatin’io novonoina, nafeniny tao an-tranony, dia naleviny nony alina.

10 Indray andro, nony tonga tao amin’ny tranony izy, ilay sasatra loatra avy nandevina ny maty iny, dia niretaka teo am-body rindrina; ka nosintonin-tory.

11 Mbola natory teo izy no nisy tain-tsidintsidina mbola mafana nilatsaka avy amin’ny akaniny, teo amin’ny masony roa ka tonga jamba izy.

12 Fitsapana navelan’Andriamanitra hihatra aminy izany, mba hatao fakan-tahaky ny taranaka any aoriana ny faharetany, toy ny an’i Jôba lehilahy masina.

13 Fa satria hatramin’ny fahazazany, no natahorany an’Andriamanitra, sy nitandremany ny didiny mandrakariva, dia tsy mba nanana alahelo tamin’Andriamanitra izy, tamin’izany azon-doza tonga jamba izany;

14 fa naharitra tsy azo nohozongozonina tamin’ny fahatahorana an’Andriamanitra izy, nisaotra azy isan’andro nandritra ny andro niainany.

15 Toy ny nanebahan’ireo loham-pirenena an’i Jôba, lehilahy sambatra, no nanarabian’ireo havana aman-tsakaizan’i Tobia ny fitondran-tenany,

16 nataony hoe: «Fa zary inona ity fanantenanao, tamin’ny nanaovanao fiantrana sy nandevenanao ny maty?»

17 Nanarin’i Tobia izy ireo, nataony hoe:

18 «Aza miteny toy izany fa zanaky ny olo-masina isika, ka ilay fiainana tsy maintsy omen’Andriamanitra an’izay tsy mitsoaka na oviana na oviana amin’ny firaiketam-po aminy no antenaintsika.»

19 I Anà vadiny nandeha isan’andro, nanenon-damba, ary izay mety ho azony, tamin’ny asan-tanany dia nentiny niverina hiveloman’izy ireo.

20 Toy izany no sendra nandraisan-dravehivavy zanak’osy, ka nentiny tao an-trano.

21 Nony nandre ny fibarareokan’ilay zanak’osy ny lahy, dia nanao hoe: «Jereo, fandrao zanak’osy nangalarina izany, ka avereno any amin’ny tompony, fa tsy mahazo mihinana na inona na inona avy amin’ny halatra isika, na dia mikasikasika izany akory aza.»

22 Izay, dia novalian’ny vavy an-katezerana hoe: «Miharihary fa foana tokoa ny fanantenanao; izany no vokatry ny fiantranao?»

23 Izany sy ny toy izany no teny fikizahany azy.

Categories
Tobia

Tobia 3

1 Velon-tsento i Tobia tamin’izay ka rafitra nivavaka tamin-dranomaso, nanao hoe:

2 «Marina Ianao, ry Tompo, marina avokoa ny fitsarànao, antra sy hitsiny aman-drariny, ny lalànao rehetra.

3 Koa ankehitriny, ry Tompo, tsarovy aho, aza valianao ny ratsy nataoko, ary aza tsiahivinao ao amin’ny fahatsiarovanao, ny fahotako sy ny an’ny razako.

4 Fa tsy nankatò ny didinao izahay, ka natolotra ho amin’ny fandrobana, ho amin’ny fahababoana, ho amin’ny fahafatesana sy ho amin’ny fihomehezana ary ho amin’ny fandatsana eo amin’ny firenena rehetra nanelezanao anay.

5 Ary izao, ry Tompo ô, lehibe ny famaizanao, satria tsy nitandrina ny didinao tamin’ny nataonay izahay, sy tsy nandeha tamim-pahatsorana teo anatrehanao.

6 Koa amin’izao, ry Tompo ô, ataovy izay sitraponao amiko, ary tapaho ny horaisina amim-piadanana ny fanahiko, fa izao tsara lavitra amiko ny maty noho ny velona.»

3. I Sarà

7 Tamin’izay andro izay ihany koa, tany Ekbatàna, tanànan’ny Meda, dia nandre ny fanebahan’ny iray amin’ny ankizy vavin-drainy azy, i Sarà zanakavavin-dRagoela.

8 Fa lehilahy fito no efa samy namoahana azy ho vadiny, nefa nisy demony anankiray atao hoe Asmôdeanamono an’ireo, raha vao nandeha taminy izy.

9 Ka raha niteny an’ilay ankizy vavy iny izy, noho izay hadisoany anankiray izay, dia izao no navalin’io azy: «Aza ahitanay zanakalahy na zanakavavy eto an-tany ianao na oviana na oviana, ry ilay mpamono vadinao;

10 tadiavinao hovonoina aho toy ny namonoanao azy fito lahy vadinao.» Raha nandre izany teny izany i Sarà dia niakatra tany amin’ny efitranon’ny tranony ambony rihana, ka nijanona tao hateloana, tsy nihinana na nisotro;

11 fa naharitra nivavaka sy nitaraina tamin’Andriamanitra tamin-dranomaso mba hanafaka azy amin’izany fahafaham-baraka izany.

12 Tamin’ny andro fahatelo dia notaperiny ny fivavahany, ka nisaotra ny Tompo izy nanao hoe:

13 «Hisaorana anie ny Anaranao, ry Andriamanitry ny razanay ô, fa na dia eo am-pahatezeranao aza dia mamindra fo Ianao, ary amin’ny andron’ny fahoriana dia mamela heloka an’izay miantso Anao.

14 Koa any aminao no itodihan’ny tavako, ry Tompo ô,

15 afaho amin’izao fatoram-pahafaham-baraka izao aho, fa raha tsy izany, dia esory amin’ity tany ity aho.

16 Fantatrao, ry Tompo, fa tsy mba naniry izay vady aho, ary niaro ny fanahiko tamin’ny filàn-dratsy rehetra.

17 Tsy mba nankany amin’izay lalao fijilajilana foana aho, na oviana na oviana, na mba nifanatona tamin’izay lehilahy hafahafa fitondran-tena foana.

18 Tsy mba fanarahana ny filan’ny nofoko, fa noho ny fahatahorana Anao no hany nanekeko hanambady.

19 Asa na izaho no tsy mendrika ho azy ireo, na izy ireo no tsy mendrika ho ahy, fa angamba notahirizinao ho vadin’olon-kafa aho.

20 Tsy azon’olombelona fantarina ny fisainanao.

21 Kanefa na zovy na zovy mivavaka aminao, dia mino tsy am-pisalasalana izy, fa matoa zahan-toetra ny fiainany dia hovaliam-boninahitra, raha tra-pahoriana aza ny tenany dia ho afaka, ary raha iharam-pamaizana izy dia hety hahazo famindram-po avy aminao.

22 Satria tsy mifaly amin’ny fahavoazany Ianao, fa andro tony no ampanarahinao ny tafio-drivotra; fifaliana no atondrakao manaraka ny tany aman-dranomaso.

23 Hisaorana amin’ny taona rehetra anie ny Anaranao, ry Andriamanitr’i Israely ô!»

24 Indray voahaino teo anatrehan’ny voninahitr’ilay Andriamanitra ambony indrindra ireo fitalahoana roa ireo.

25 Ny Anjely masin’ny Tompo, Rafaely, no voairaka hanasitranaan’i Tobia sy i Sarà, fa ny vavak’izy ireo dia indray notononina teo anatrehan’ny Tompo.

Categories
Tobia

Tobia 4

4. I Tobia

1 Nataon’i Tobia fa nekena ny fangatahanyka dia efa ho faty izy; koa nantsoiny hankeo aminy i Tobia zanany,

2 dia hoy izy taminy: «Henoy ny teny aloaky ny vavako, anaka, ary alatsaho ho toy ny fototra mafy ao am-ponao izy.

3 Raha avy izay handraisan’Andriamanitra ny fanahiko, dia aleveno ny vatako, hajao amin’ny andro rehetra iainanao ny reninao;

4 fa tsy maintsy tsarovanao ny fijaliana niaretany sy ny loza lehibe nila hanjò azy noho ny aminao, fony izy nitondra anao tao an-kibony.

5 Ary raha avy koa izay hahatapitra ny andro iainany, dia aleveno eo akaikiko izy.

6 Amin’ny andro rehetra iainanao, manàna an’Andriamanitra tsy miala ao an-tsainao, mitandrema tena mba tsy hinia hanao fahotana na oviana na oviana, na handika ny didin’ny Tompo Andriamanitrao.

7 Manaova fiantrana amin’ny anananao, aoka tsy havilinao tsy hijery ny mahantra na dia iray aza ny tavanao, dia tsy hiamboho anao koa amin’izany ny Tavan’Andriamanitra.

8 Aoka ho mpiantra, araka izay azonao atao ianao;

9 raha manam-be ianao manomeza be, ary raha manan-kely mitandrema tsara mba hizara izany kely izany, an-kazavam-po;

10 fa izany no hanangonanao rakitra be ho anao, rehefa avy izay andro fahaporetana.

11 Fa manafaka amin’ny fahotana rehetra sy amin’ny fahafatesana ny fiantrana, ary tsy hamela ny fanahy hidina any anatin’ny maizina.

12 Ho zary toky lehibe eo anatrehan’Andriamanitra ambony indrindra ny fiantrana, ho an’izay rehetra nanao azy.

13 Fadio avokoa, anaka, rehefa mety ho fahalotoana, ary afa-tsy amin’ny vadinao, dia aoka tsy hisy asa mahameloka haninian’ny fieritreretanao anao.

14 Aza avela hanjaka ao am-ponao, na amin’ny teninao, na oviana na oviana, ny fiavonavonana, fa io no fototra niandohan’ny ratsy rehetra.

15 Raha misy olona miasa ho anao, aloavy miaraka amin’izay ny karamany, fa aza tanana izay karaman’ny mpikarama hijanona ao aminao na dia tapak’andro kely aza.

16 Mitandrema tsara mba tsy hanao amin’ny hafa izay mahatezitra anao raha atao aminao.

17 Iaraho homana amin’ny noana sy ny mahantra ny haninao, ary ampitafio amin’izay fitafianao ny tsy mitafy.

18 Asaovy aroso ny mofo aman-divainao, amin’ny fandevenana ny olo-marina, fa aza mihinana izany na misotro akory miaraka amin’ny mpanota.

19 Milà hevitra mandrakariva amin’ny olon-kendry.

20 Misaora an’Andriamanitra amin’ny andro rehetra; mangataha Azy hitari-dalana anao, hanambina anao amin’izay kasainao hatao rehetra.

21 Mampahalala anao koa aho, anaka, fa fony ianao mbola zazakely, dia nanome vola talenta folo an’i Gabelosa, any Ragesa tanànan’ny Meda aho, ary eto an-tanako izao ny rosia taminy.

22 Ka noho izany, miomàna faingana mba handeha mankany aminy haka izany vola izany, dia avereno aminy ny rosia taminy.

23 Aza manan-tahotra, anaka. Marina fa fivelomana mahantrahantra no antsika izao, nefa hanan-karem-be isika, raha matahotra an’Andriamanitra sy mandositra ny fahotana rehetra ary manao asa soa.»

Categories
Tobia

Tobia 5

5. Ilay namana

1 Tamin’izay dia hoy ny navalin’i Tobia an-drainy: «Hataoko avokoa izay rehetra nasainao hataoko, ry dada.

2 Fa izay hahazoako mandray izany vola izany no tsy fantatro. Izany lehilahy izany tsy mahalala ahy, izy koa tsy fantatro, ka inona no famantarana homeko azy? Ny lalana mankany amin’izany tany izany aza tsy fantatro akory.»

3 Dia hoy ny navalin-drainy azy: «Eto an-tanako ny sorany, ka raha vantany vao asehonao azy dia averiny aminao ny vola.

4 Fa mandehana amin’izao aloha mitady olona mahatoky hokaramaina hiaraka aminao, mba hahazoanao izany vola izany, dieny mbola velona aho».

5 Vao nivoaka i Tobia, dia nahita tovolahy tsara tarehy anankiray, mitsangana sady mietra toa olona vonon-kandeha.

6 Tsy fantany ho Anjelin’Andriamanitra io, ka noarahabainy, dia hoy izy: «Avy aiza ianao, ry zatovo soa?»

7 Ary namaly ny Anjely nanao hoe: «Avy amin’ny zanak’i Israely aho.» Ka hoy i Tobia taminy: «Mahalala ny lalana mankany amin’ny tanin’ny Meda va Ianao?»

8 Dia hoy ny navaliny: «Fantatro, fa efa niverimberina matetika amin’ireo lalana rehetra ireo aho, ary efa niantrano tao amin’i Gabelosa rahalahintsika aho, dia ilay monina ao Ragesa, tanànan’ny Meda; miorina ao amin’ny tendrombohitr’i Ekbatàna.»

9 Ka hoy i Tobia taminy: «Aza mahafady, mba andraso kely aho; mandra-pilazako izany amin’i Dada.»

10 Dia niditra nilaza izany rehetra izany tamin-drainy i Tobia. Gaga terỳ rainy, sady nasainy nampandrosoina razazalahy.

11 Dia niditra izy ary niarahaba nanao hoe: «Ho aminao mandrakariva anie ny hafaliana!»

12 Fa hoy kosa ny navalin’i Tobia: «Hafaliana inona moa no mba mety hananako, izay izaho mitoetra ao anatin’ny haizina sy tsy mba mahita izay hazavan’ny lanitra akory.»

13 Ary hoy ity tovolahy taminy: «Matokia tsara, fa mora amin’Andriamanitra ny manasitrana anao.»

14 Raha efa izany dia hoy i Tobia taminy: «Mba azonao atao indrindra va ny hitarika ny zanako ho any amin’i Gabelosa, any Ragesa, tanànan’ny Meda? Fa rehefa tafaverina ianao dia homeko ny karamanao.»

15 «Hitari-dalana azy aho, hoy ny navalin’ny Anjely, ary hitondra azy miverina ho atỳ aminao koa.»

16 Ary hoy i Tobia taminy: «Raha sitrakao, mba lazao ahy kely, fianakavian’iza moa ianao ary fokon-jovy?»

17 Fa hoy ny Anjely Rafaely namaly azy: «Fa ny fianakaviam-pikarama ve no tadiavinao, sa ny tenan’ny mpikarama hiaraka amin-janakao?

18 Mba hahafaka ahiahy anao anefa, dia izaho no Azariasa, zanak’i Anania malaza.»

19 «Taranak’Andriana izany ianao,» hoy i Tobia taminy, «ka mifona aminao aho, noho ny naniriako hahalala izay fianakavianao.»

20 Ary hoy ity Anjely taminy: «Hotarihiko soa aman-tsara ny zanakao, dia hoentiko miverina soa aman-tsara indray.»

21 Notohizan’i Tobia izay, nataony hoe: «Ho tsara mandroso, tsara miverina anie ianareo! Ho any amin’ny lalanareo anie Andriamanitra, ary homba anareo anie ny Anjeliny.»

22 Nony voaomana ny zavatra rehetra hoentiny any amin’ny dia halehany, nanao veloma an-drainy sy reniny i Tobia, dia niara-niainga tamin’ity Anjely.

23 Nony lasa izy ireo, dia rafitra nitomany ireniny, nanao hoe: «Nesorinao tamintsika ny tohan’ny fahanterantsika, ka nampanalavirinao antsika.

24 Inay anie, Andriamanitra, ka tsy nisy na oviana na oviana izany vola nanirahanao azy izany.

25 Fa efa ampy ho antsika izao fahantrantsika izao, ary ny mahita ny zanatsika no mba harenaho antsika.»

26 Dia namaly azy i Tobia nanao hoe: «Aza mitomany, fa ho tonga soa aman-tsara ny zanatsika, ho tafaverina soa aman-tsara atỳ amintsika izy, ka hahita azy indray ny masonao.

27 Satria inoako fa misy Anjely soan’Andriamanitra anankiray momba azy, ary alamin’izay soa aman-tsara avokoa ny zavatra rehetra tonga aminy, ka ho tafaverina an-kafaliana atỳ amintsika izy.»

28 Rehefa nandre an’izany ireniny, dia tsy nitomany intsony fa nangina.

Categories
Tobia

Tobia 6

6. Ilay hazandrano

1 Dia lasa i Tobia, nanaraka azy ny alika; ary teo amin’ny ony Tigrano nijanonany voalohany.

2 Nidina ndeha hanasa tongotra kosa izy ka inty nisy hazandrano makadiry, niantoraka handrapaka azy.

3 Nivadika ny fon’i Tobia, ka niantso mafy izy nanao hoe: «Iantsampazany aho, tompoko!»

4 Fa hoy ity Anjely taminy: «Raiso amin’ny sofiny io, ka tariho ho eo aminao.» Dia nataony izany: notarihiny ho eny an-tanety ilay hazandrano, ka inty nihavatravatra teo an-tongony.

5 Ary hoy ilay Anjely taminy: «Esory ny taovan’io hazandrano io, ka tahirizo ny fony sy ny àty aman’aferony, fa fanao fanafody tsara.»

6 Notoviny izany, dia natonony ny sasany amin’ny nofony, ka nentiny teo aminy eny an-dalana, ary nasiany sira ny sisa, izay tsy maintsy hahavita azy ireo, mandra-pahatongany any Ragesa, tanànan’i Meda.

7 Fa nanontany an’ity Anjely i Tobia nanao hoe: «Raha sitrakao, ry Azariasa rahalahiko, mba lazao ahy kely: manan-kery hahasitrana inona moa ireto zavatra avy amin’ny hazandrano nasainao tahiriziko ireto?»

8 Ka hoy ilay Anjely namaly azy: «Raha sombiny kely amin’ny fony no apetrakao eo ambony vain’afo, dia maharoaka ny demony isan-karazany amin-dehilahy na amim-behivavy, ny setroka avy amin’izay, ka tsy afa-manatona an’ireo intsony izy.

9 Ary ny aferony kosa dia fanosotra ny maso voasarona fotsy matevina, ka mahasitrana azy.»

10 Dia hoy i Tobia taminy: «Aiza no tianao hialantsika sasatra?»

11 Ary hoy ny Anjely namaly azy: «Eto misy lehilahy anankiray atao hoe: Ragoela, iray foko amam-pianakaviana aminao, manan-janaka vavy anankiray atao hoe Sarà izy; ary tsy manan-janaka hafa, afa-tsy izay, na lahy na vavy.

12 Tsy maintsy ho lasanao avokoa ny fananany rehetraka tsy maintsy halainao ho vady izy.

13 Ka angataho amin-drainy izy, fa homeny anao ho vadinao.»

14 Dia hoy ny navalin’i Tobia: «Nandre lazan’olona aho fa hoe: Fito lahy no efa nanambady azy izay, nefa maty avokoa; sady demony koa indray no lazain’olona tamiko ho namono an’ireo.

15 Ka matahotra aho fandrao dia iharan’izany koa ny tenako, ary noho izaho lahitokan-dray aman-dreniko, sao dia mampidina ny fahanteran’izy ireo amin’alahelo any am-pasana.»

16 Ary hoy ny Anjely Rafaely taminy: «Mihainoa ahy, fa hatoroko anao izay ananan’ny demony fahefana.

17 Dia izay miditra amin’ny fanambadiana, nefa mamoaka an’Andriamanitra hiala ao am-pony sy ao an-tsainy mba hanarana ny filan’ny nofony, toy ny soavaly ama-mole tsy manan-tsaina; ireny no ananan’ny demony fahefana.

18 Fa ianao kosa, rehefa manambady azy, dia midira ao an’efitrano, ary miaraha-mitoetra aminy amim-pahadiovana mandritra ny hateloana, ka aza mihevitra na inona na inona, afa-tsy ny fiaraha-mivavaka aminy.

19 Amin’ny alina voalohany, ataovy amin’ny afo ny atin’ny hazandrano, dia handositra ny demony.

20 Amin’ny alina faharoa, dia ho voaray ho isan’ny fikambanan’ny patriarka masina ianao.

21 Amin’ny alina fahatelo dia horaisinao ny tso-drano nampanantenaina ny taranany hiterahanareo zanaka matanjaka. Rehefa afaka ny alina fahatelo dia raiso amim-pahatahorana ny Tompo razazavavy, ka aoka ny fanirian-janaka no hitarika anao fa tsy ny filan’ny nofo, mba hahazoanao ao amin’ny zanakao, ny tso-drano nampanantenaina ny taranak’i Abrahama.»

Categories
Tobia

Tobia 7

7. I Ragoela

1 Dia niditra tao amin-dRagoela izy ireo, ka noraisiny tamin-kafaliana.

2 Vao nahita an’i Tobia i Ragoela, dia hoy izy tamin’i Anàvadiny: «Akory izany fitovin’ity zazalahy amin’ilay zanak’olo-mianadahy amiko.»

3 Avy nilaza izany izy, dia nanao hoe: «Avy aiza moa ianareo, ry zatovo rahalahinay?» Hoy ny navalin’ireo: «Avy amin’ny fokon’i Neftalì, babo any Niniva, izahay.»

4 Ary hoy i Ragoela taminy: «Mba fantatrareo va i Tobia rahalahiko?» «Fantatray izy,» hoy izy ireo.

5 Ary raha nilaza soa betsaka momba an’i Tobia i Ragoela, dia hoy ny Anjely taminy: «Izay Tobia lazainao izay no rain’ity zazalahy ity.»

6 Niaraka tamin’izay dia nihazakazaka nankeny aminy i Ragoela ka nanoroka azy tamin-dranomaso, sy nitomany namihina ny vozony.

7 «Hotahina anie ianao, anaka, hoy izy, fa zanak’olona tsara fanahy sy tsara indrindra amin’ny olombelona, ianao.»

8 Samy latsa-dranomaso koa i Anà vadiny sy i Sarà zanany vavy.

9 Nony avy niresaka teo izy ireo, nampamono ondralahy iray i Ragoela sy nampanamboatra sakafo lehibe dia nanainga azy ireo hipetraka hisakafo.

10 Fa hoy i Tobia: «Tsy hihinana na hisotro eto aho anio, raha tsy ekenao ny fangatahako, ka omenao toky aho fa homenao ho vadiko i Sarà zanaka vavinao.»

11 Nivadika ny fon-dRagoela nandre izany teny izany, satria fantany ny nanjò azy fito lahy vadin’io, izay nanatona azy, ka raiki-panahiana sahady izy, fandrao dia idiran-doza toy izany koa ity. Mbola tao anatin’izany fisalasalana izany izy, ka mbola tsy namaly ny fangatahan’i Tobia,

12 no hoy ity Anjely taminy: «Aza matahotra ny hanome ny zanakao vavy ho vadin’ity tovolahy ity, fa tsy maintsy ho anjara vadin’io matahotra an’Andriamanitra io izy, ka izany no tsy nahazoan’ny hafa rehetra nanana azy.»

13 Dia hoy i Ragoela tamin’izay: «Tsy misalasala aho, fa efa noraisin’Andriamanitra teo anatrehany ny vavaka aman-dranomasoko;

14 ary mino aho fa Izy no naniraka anareo ho atỳ amiko, mba hanambadian’ny zanako vavy ny havany, araka ny lalàn’i Môizy.» Koa dia aza misalasala intsony fa dia omeko anao izy.

15 Dia nalainy ny tanana havanan’ny zanany vavy nataony teo amin’ny tanana havanan’i Tobia ka hoy izy; «Homba anareo anie ny Andriamanitr’i Abrahama, ny Andriamanitr’i Isaaka, ary ny Andriamanitr’i Jakôba, hanakambana anareo anie Izy, ary hampidina ny tso-dranony feno aminareo.»

16 Raha efa izany, naka taratasy izy, dia nosoratany ny fanambadian’izy ireo.

17 Vita izany, vao nandroso nanao fihinanam-be tamim-pisaorana an’Andriamanitra izy ireo.

18 Dia nantsoin’i Ragoela i Anà vadiny, nasainy nanomana efitrano hafa anankiray.

19 Ka nentiny nankao i Sarà zanany vavy, izay rafitra nitomany.

20 Fa hoy izy taminy: «Matokia tsara, anaka. Ny Tompon’ny lanitra anie hanome hafaliana anao, hisolo ny alahelo efa niaretanao.»

Categories
Tobia

Tobia 8

8. Ilay fasana nototofana

1 Nony vita ny sakafo, dia nentin’izy ireo ho ao amin’i Sarà razazalahy.

2 Tsaroan’i Tobia ny tenin’ny Anjely, ka nangalany ny atin-kazandrano tao an-kitapony, nataony teo ambony vain’afo.

3 Tamin’izay dia nosamborin’ny Anjely Rafaely ilay demonyka nafatony tany an’efitr’i Ejipta ambony.

4 Ary i Tobia kosa namporisika an-drazazavavy nanao taminy hoe: «Mitsangàna, ry Sarà, aoka hivavaka amin’Andriamanitraisika anio sy ampitso ary rahafakampitso; Andriamanitra no iraisantsika mandritra ireo andro telo ireo; rehefa afaka ny alina fahatelo dia ho velona ao amin’ny fanambadiantsika isika.

5 Fa zanaky ny olo-masina, ka tsy mahazo miray araka ny fanaon’ireo firenena tsy mahalala an’Andriamanitra.»

6 Dia nitsangana izy ireo ka niara-nivavaka tamin-kafanam-po mba hanomezany azy ny fahasalamana.

7 Hoy i Tobia: «Ry Tompo Andriamanitry ny razanay, hisaotra anao anie ny tany aman-danitra, ny ranomasina, ny loharano sy ny ony, mbamin’ny zava-boaary rehetra ao aminy.

8 Ianao no nanao an’i Adama, tamin’ny fota-tany sy nanome an’i Eva ho vadiny.

9 Ary ankehitriny, ry Tompo, fantatrao fa tsy mba ny hanarana ny filàn’ny nofoko no angalako an’ity anabaviko ity ho vadiko, fa noho ny faniriako ta hamela taranaka izay hidera ny Anaranao amin’ny toerana rehetra ihany.»

10 Ary hoy i Sarà: «Mamindrà fo aminay, Tompo ô, mamindrà fo aminay, enga anie ka ho tratra antitra ho salama tsy marofy izahay roroa.»

11 Vao maneno akoho dia nasain-dRagoela tonga ny mpanompony ka niara-nandeha taminy hihady fasana ireo,

12 fa hoy izy: «Mety hanjò an’io koa ny nanjò an’ireo fito lahy vadiny izay nandeha hanatona azy.»

13 Nony vita ny fasana, niverina nankao amin’ny vavy i Ragoela, nilaza taminy hoe:

14 «Iraho ny iray amin’ny ankizivavinao, hizaha raha maty izy, mba handevenako azy alohan’ny vaky masoandro.»

15 Dia naniraka ny iray amin’ny ankizivaviny i Anà. Nony niditra tao amin’ilay efitrano io, indreo ry zareo tsy maninon-tsy maninona samy matory avy.

16 Dia niverina izy, nilaza izany vaovao mahafaly izany. Dia nisaotra ny Tompo i Ragoela sy i Anà vadiny nanao hoe:

17 «Misaotra Anao izahay, ry Tompo Andriamanitr’i Israely, fa tsy nihatra ny loza natahoranay.

18 Namindra fo taminay Ianao, fa nampanalavirinao anay ny fahavalo manenjika anay.

19 Efa niantra ireo zanaka samy tokana Ianao, ka ataovy mitombo fisaorana Anao hatrany izy ireo, sy hanolotra sorom-piderana aminao noho ny niarovana azy, ary hahafantaran’ny firenena rehetra fa Ianao no Andriamanitra amin’ny tany rehetra.»

20 Niaraka tamin’izay dia nasain-dRagoela nototofan’ny mpanompony alohan’ny vaky masoandro ilay fasana nataony.

21 Ary nilaza tamin’ny vavy izy hanomana fihinanam-be, sy hanomana ny zavatra rehetra ilain’ny mpivahiny, momba ny vatsiny.

22 Nampamono omby vavy roa matavy koa izy sy ondralahy efatra, hanaovana sakafo ho an’ny manodidina azy rehetra, mbamin’ny sakaizany rehetra.

23 Ary niangavy mafy tamin’i Tobia i Ragoela, mba hijanona eo aminy tapa-bolana.

24 Nomen-dRagoela ho an’i Tobia ny antsasaky ny fananany rehetra, sady nandahatra an-tsoratra koa izy, fa rehefa maty izy ireo, ny antsasany sisa dia tsy maintsy ho lasan-ko fananan’i Tobia ihany koa.

Categories
Tobia

Tobia 9

9. Fampakaram-bady

1 Ary tamin’izay dia nantsoin’i Tobia ho any aminy ity Anjely nataony ho olombelona ihany, ka hoy izy taminy: «Ry Azariasa rahalahiko, masìna ianao, henoy kely ny teniko;

2 na dia hanolo-tena ho andevonao aza aho, mbola tsy ho ampy fankasitrahana ny fikarakarana rehetra nataonao.

3 Kanefa ity mbola misy zavatra anankiray angatahiko aminao koa: Makà biby mpitondra entana sy mpanompo koa, ka mandehana mankany amin’i Gabelosa, any Ragesa, tanànan’i Meda; avereno aminy ity sorany ity, dia raiso ny vola any aminy, ary angataho izy ho atỳ amin’ny fampakaram-badiko.

4 Satria ny tenanao mahalala fa isain’i dada ny andro, ka na tratra aoriana indray andro monja aza aho, dia vonton’alahelo ny fony.

5 Hitanao ihany koa anefa, ilay nataon-dRagoela niangavy mafy tamiko hijanona eto, ka tsy mahay mandà ny fiangaviany aho.»

6 Dia naka efa-dahy tamin’ny mpanompon-dRagoela i Rafaely, sy rameva roa, ka nankany Ragesa, tanànan’ny Meda. Nony nahita an’i Gabelosa izy, naveriny taminy ny taratasiny dia noraisiny avokoa ny vola;

7 ary nony efa notantarainy taminy avokoa ny zavatra rehetra tonga tamin’i Tobia, zanak’i Tobia, dia nitondra azy izy hiaraka aminy ho any amin’ny fampakaram-bady.

8 Nony niditra tao an-tranon-dRagoela i Gabelosa, indro eo am-pihinanana i Tobia, ka nitsangana niaraka tamin’izay izy, dia nifanoroka teo izy ireo, ary nitomany i Gabelosa vao nisaotra an’Andriamanitra nanao hoe:

9 «Hotahin’ny Andriamanitr’i Israely anie ianao, fa zanak’olona tsara fanahy loatra, marina sy matahotra an’Andriamanitra ary manao fiantrana betsaka.

10 Hitsororoka ho amin’ivadinao sy ireo ray aman-dreninao koa anie ny fitahiana.

11 Ho hitanao anie ny zanakareo, sy ny zanaky ny zanakareo, hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra. Ary ny taranakareo anie hotahin’ny Andriamanitr’i Israely izay manjaka amin’ny taona mandrakizay.»

12 Niara-namaly hoe: «Amen», izay rehetra teo, vao nipetraka hihinana, ary tamim-pahatahorana an’Andriamanitra no nanaovany ny fanasan’ny fampakaram-bady.

Categories
Tobia

Tobia 10

1 Nony mbola nahemotremotr’i Tobia ny fiaingany, azon’ny fampakaram-bady, dia velona ahiahy erỳ i Tobia rainy: «Avy amin’inona, hoy izy anakampo, no tratra ela ny zanako? Inona no antony mitana azy amin’izany tany izany?

2 Dia ho faty ve i Gabelosa ka tsy misy olona handraisany ny vola?»

3 Izay dia tonga velona mafy ny alahelon’izy sy i Anà vadiny, ka rafitra niara-nitomany teo izy ireo, noho ity zanany tsy tafaverina tao aminy tamin’ny fotoana voatondro.

4 Ireniny indrindra no namarin-dranomaso tsy an-kijanona nanao hoe: «Indrisy! Indrisy! anaka, inona foana re no nanirahanay anao any lavitra any, nefa ianao no fahazavan’ny masonay, tohan’ny fahanteranay, fanalana alahelonay amin’ny andro iainanay, ary hianteheranay tsy hahafaty maso anay.

5 Nanana ny zavatra rehetra izahay raha nanana anao irery, ka tsy tokony ho nataonay lavitra anay ianao.»

6 Ary hoy i Tobia taminy: «Aoka izay ny fitarainanao ary aza miahiahy, fa salama tsara ny zanatsika, sady olona tena mahatoky ilay nampandehanantsika hiaraka aminy iny.»

7 Tsy azo nampanginina anefa ravehivavy; mivoaka ny trano izy isan’andro izao, mijery atsỳ sy arỳ, mankamin’ny lalana rehetra izay azo ampoizina hiverenany, mba hahatazanany azy lavidavitra ahay raha azo atao.

8 I Ragoela anefa nilaza tamin’ny vinantony hoe: «Mijanòna eto, fa haniraka ho any amin’i Tobia rainao aho, hilaza ny fahasalamanao».

9 Namaly azy i Tobia nanao hoe: «Fantatro fa efa manisa andro ihany idada sy ineny, ka manahy erỳ ny fanahiny ao anatiny.»

10 Mbola niangavy fatratra tamin’i Tobia ihany indray anefa izy, fa tsy nisy neken’io izay nataony antony, ka natolony azy i Sarà, mbamin’ny antsasak’izay nananany rehetra, na ankizy lahy, na ankizy vavy, na biby fiompy, na rameva na ombivavy, na vola izay nananany be, dia navelany handeha izy, salama tsara sy feno hafaliana, nataony hoe:

11 «Ho eny amin’ny lalana alehanareo anie ny Anjely masin’ny Tompo, ka hitari-dalana anareo mandra-pahatonganareo soa aman-tsara any aminareo; hiadana tsara anie no aoka hahitanareo ny zavatra rehetra any amin-dray aman-dreninareo, ary hahita ny zanakareo alohan’ny hahafatesako anie ny masoko.»

12 Dia nalain-drainy sy reniny ity zanany vavy ka norohany, dia navelany handeha,

13 rehefa avy nohafatrafarany tsara hanaja rafozana, ho tia vady, ho tsara fitondra fianakaviana, hizaka tokantrano, ary hitahiry tena tsy hanan-tsiny.