Categories
Tobia

Tobia 11

10. Ny maso nahiratra

1 Nony niverina izy ireo, ka tonga tao Karàna, tanàna eo amin’ny fisasahan-dalana mankany Niniva, tamin’ny andro faha-11,

2 dia hoy ity Anjely: «Ry Tobia rahalahiko, fantatrao ny toetra nandaozanao an-drainao teo;

3 ka raha sitrakao andeha isika hialoha, fa avelao ny ankizy lahy no handeha kelikely isan’andro ato aoriana, miaraka amin’ivadinao sy ireto biby fiompinao.»

4 Nankasitrahin’i Tobia izany hevitra izany, ka hoy i Rafaely taminy: «Mitondrà eo aminao amin’ny aferon-kazandrano, fa misy hilanao an’izany»; dia naka tamin’izany afero izany i Tobia, ary niainga izy ireo.

5 Tamin’izany i Anà, nandeha isan’andro, nipetraka teo amoron-dalana, tamin’izao havoana kely izao, fa mahatazan-davitra eo.

6 Raha ilay nitily ny hiavian-janany iny indrindra izy dia indrỳ izy tazany tamy mbola lavitra, ka rehefa fantany dia lasa izy nihazakazaka nilaza tamin’ny lahy nanao hoe: «Indrỳ tamy ny zanakao.»

7 I Tobia izany, dia nilazan-dRafaely hoe: «Rehefa tonga any an-trano ianao, ny Tompo Andriamanitrao no tsaohy miaraka amin’izay dia misaora azy, vao manatona an-drainao ianao sy manoroka azy;

8 ary hosory faingana amin’ilay aferon-kazandrano nentinao ny masony, satria fantaro fa hisokatra eo no ho eo ny masony ka hahita ny hazavan’ny lanitra ny rainao, sy ho feno hafaliana amin’ny fahitana anao.»

9 Tamin’izay ilay alika nanaraka azy tany am-pivahiniana, nihazakazaka nialoha azy ireo toa hilaza ny vaovao, nanafosafo tamin’ny rambony, an-kafaliana fatratra.

10 Dia nitsangana ity ray jamba, ka rafitra nihazakazaka, fa tafintohina ny tongony ka noraisin’ny mpanompo anankiraytamin’ny tanany izy handeha hitsena an-janany.

11 Nofihininy tamin’ny tanany sy nohorokorohany izy, ary torak’izany koa no nataon’ny vadiny, dia samy latsa-dranomason-kafaliana izy mivady.

12 Nony avy nitsaoka sy nisaotra an’Andriamanitra izy ireo, dia nipetraka.

13 Niaraka tamin’izay, nalain’i Tobia ny aferon-kazandrano, ka nohosorany tamin’io ny mason-drainy.

14 Niandry sahabo ho antsasak’adiny izy, dia nisy zavatra fotsifotsy hoatra ny hoditr’atody nanomboka niala avy ao amin’ny masony.

15 Noraisin’i Tobia izay, nosintoniny hiala amin’ny mason-drainy, dia nahiratra niaraka tamin’izay izy.

16 Koa nisaotra an’Andriamanitra izy ireo, dia izy sy ny vadiny mbamin’izay rehetra nahalala azy.

17 Hoy i Tobia: «Misaotra Anao aho, ry Tompo Andriamanitr’i Israely, fa nofaizinao aho, dia nositraninao indray; ary indro mahita an’i Tobia zanako aho.»

18 Hafitoana taorian’izany, dia tonga koa i Sarà sy ny mpanompony rehetra samy salama tsara, mbamin’ny biby fiompiny aman-drameva ary ny vola rehetra tamin’ny fanambadiany, sy ilay naverin’i Gabelosa.

19 Notantarain’i Tobia tamin-drainy aman-dreniny ny soa rehetra natolotr’Andriamanitra azy, tamin’ny nataon’ity lehilahy nitari-dalana azy.

20 I Akiora sy i Nabatahavan’i Tobia koa tonga namangy azy tamin’ny soa rehetra nataon’Andriamanitra taminy.

21 Ka niara-nihinana sy nirobiroby fatratra izy ireo, nandritra ny hafitoana.

Categories
Tobia

Tobia 12

11. I Rafaely

1 Ary niantso an-janany hankeo aminy i Tobia ka nanao taminy hoe: «Inona no homentsika an’ity lehilahy masina nanaraka anao tany amin’ny dianao?»

2 Dia hoy i Tobia namaly an-drainy: «Dada ô, inona no valisoa azontsika atolotra azy? Moa misy zavatra mifanentana amin’ny fanampiana nataony?

3 Izy no nitari-dalana sy nitondra ahy niverina soa aman-tsara, ny tenany no lasa nandray ny vola tany amin’i Gabelosa, izy no nampahazo ahy vady, izay nandroahany demony, sy nahadiboka hafaliana an-drainy aman-dreniny, izy no namonjy ahy tamin’ilay hazandrano efa ndeha handrapaka ahy, izy no nampahita anao ny hazavan’ny lanitra, ary tamin’ny nataony no nahazoantsika izao soa rehetra isan-karazany izao. Koa inona àry no azontsika omena azy, hifandanja amin’izay nataony ho antsika?

4 Kanefa mangataka anao aho, ry Dada, mba hanontany azy raha mba sitrany ihany ny handray ny antsasaky ny harena rehetra nentinay.»

5 Dia nantsoin’i Tobia mianaka izy, nentiny nitokana, ka niangaviany mba hankasitraka ny handray ny antsasak’izay rehetra nentiny.

6 Tamin’izay ity Anjely niara-nitokana tamin’izy ireo nanao taminy hoe: «Misaora ny Andriamanitry ny lanitra, ary manomeza voninahitra Azy, eo anatrehan’ny manana aina rehetra, noho ny famindram-pony nataony taminareo.

7 Tsara ny tsy mamboraboraka ny zava-miafin’ny mpanjaka, fa mendrika ny hoderaina kosa ny manambara sy mampiely ny asan’Andriamanitra.

8 Ny vavaka ombam-pifadian-kanina dia tsara, ary ny fiantrana dia sarobidy noho ny volamena aman-drakitra.

9 Fa ny fiantrana manafaka amin’ny fahafatesana, ary izy no manala ny fahotana, ary mampahita ny famindram-po sy ny fiainana mandrakizay.

10 Fa izay manao fahotana sy tsy fahamarinana kosa no fahavalon’ny tenany.

11 Indro àry hasehoko anareo ny marina, ary tsy tiako ny hanafina na inona na inona aminareo.

12 Raha ianao nivavaka tamin-dranomaso sy nandevina ny maty, raha ianao nandao ny sakafonao, nanafina ny maty tao an-tranonao ny antoandro, ary nandevina azy nony alina, izaho kosa nanolotra ny vavakao tamin’ny Tompo.»

13 «Ary noho ianao sitrak’Andriamanitra, dia tsy maintsy notsapain’ny fakam-panahy ianao.

14 Fa nirahin’ny Tompo aho ankehitriny hanasitrana anao, sy hanafaka an’i Sarà vadin-janakao amin’ny demony.

15 Izaho no Rafaely, Anjely, anankiray amin’ireo fito mitsangana eo anatrehan’ny Tompo.»

16 Nony nandre izany teny izany izy ireo, dia ana foana, tera-kovitra, lavo tafahohoka tamin’ny tany.

17 Fa hoy ity Anjely taminy: «Ho aminareo anio ny fiadanana!

18 Aza matahotra, fa nony niaraka taminareo aho, dia noho ny sitrapon’Andriamanitra no niarahako taminareo; misaora Azy, ary manaova hira fiderana Azy.

19 Nataonareo fa nihinana sy nisotro niaraka taminareo aho kanefa hanina tsy hita no nohaniko sy fisotro tsy hain’ny mason’olombelona takarina.

20 Ary izao dia efa fotoana tsy maintsy iverenako any amin’Izay naniraka ahy, fa ianareo kosa misaora an’Andriamanitra, aelezo ny asany mahagaga rehetra.»

21 Avy niteny izany izy, dia nesorina teo imason’izy ireo, ka tsy hitany hojerena intsony.

22 Tamin’izay dia nihohoka tamin’ny tany izy ireo nandritra ny adiny telo, vao nisaotra an’Andriamanitra, ary nony efa nitsangana avy eo dia nitantara ny asany mahagaga rehetra.

Categories
Tobia

Tobia 13

12. I Siôna

1 Dia nisoka-bava, nisaotra ny Tompo i Tobia rainy ka nanao hoe:

«Lehibe Ianao, ry Tompo, ao amin’ny mandrakizay, ary manenika ny taona rehetra ny fanjakanao.

2 Fa mamay Ianao ary mamonjy; mitondra ho any am-pasana Ianao, ary manatsoaka avy ao; ary tsy misy olona afa-mitsoaka eo an-tananao.

3 Mankalazà ny Tompo, ry zanak’i Israely, ary miderà Azy eo anatrehan’ny firenena.

4 Fa nanely anareo ho eo amin’ny firenena tsy mahalala azy Izy, mba hitantaranareo ny asany mahagaga, sy hampahafantaranareo azy ireo fa tsy misy Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra afa-tsy Izy ihany.

5 Nofaiziny isika noho ny tsy fahamarinantsika, ary hovonjeny kosa, noho ny famindram-pony.

6 Diniho ange ny nitondrany antsika, ka misaora Azy amin-tahotra sy hovitra, ary manomeza voninahitra ny Mpanjakan’ny taona rehetra amin’ny asanareo.

7 Raha izaho, dia tiako ny misaotra azy amin’ity tany mahababo ahy ity, satria naharihariny amin’ny firenena meloka, ny voninahiny.

8 Koa mibebaha ianareo, ry mpanota, ary manaraha ny marina eo anatrehan’Andriamanitra, amim-pitokiana fa hamindra fo aminareo Izy.

9 Raha izaho, dia hifaly ao aminy amin’ny foko rehetra aho.

10 Misaora ny Tompo, ianareo rehetra izay vahoaka voafidy. Manaova andro fifaliana, ary mihirà fiderana Azy.

11 Ry Jerosalema, tanànan’Andriamanitra, nofaizin’ny Tompo ianao noho ny asan’ny tananao.

12 Omeo voninahitra ny Tompo amin’ny asa soanao, ary misaora ny Andriamanitry ny taona rehetra, mba haoriny eo aminao indray ny fitoerany masina mba haveriny eo aminao indray ny babo rehetra, dia hifaly amin’ny taona mandrakizay ianao.

13 Hamirapiratra amin’ny hazavana manjopiaka ianao, ka hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra eto an-tany.

14 Ho tonga eo aminao ny firenena avy any an-tany lavitra, hitondra fanatitra ka hitsaoka ny Tompo ao anaty mandanao, sy hihevitra ny taninao ho fitoerana masina;

15 fa hiantso ilay Anarana lehibeeo afovoanao izy.

16 Ho voaozona izay manamavo anao, ho voaheloka izay miteny ratsy anao, ary hotahina izay hanangana anao.

17 Fa ianao kosa hifaly amin’ny zanakao, satria hohasoavina avokoa izy, sady hiangona eo amin’ny Tompo.

18 Sambatra izay rehetra tia anao, sy mifaly amin’ny fiadananao.

19 Ry fanahiko, misaora ny Tompo, satria nanafaka an’i Jerosalema tanànany tamin’ny fahoriany rehetra Izy, ilay Tompo Andriamanitsika.

20 Ho sambatra tokoa aho, raha mba misy tamingako tavela, hahita ny famirapiratan’i Jerosalema.

21 Fa harafitra amin’ny vato safirasy emeraoda ny vavahadin’i Jerosalema, ary amin’ny vato sarobidy avokoa ny mandany rehetra manodidina azy.

22 Vato fotsy madio indrindra no hatao ngorodon’ny tokotaniny, ary hohiraina eny an-dalambeny ny hoe: aleloia!

23 Hisaorana anie ny Tompo, nanome izany voninahitra izany ho an’i Jerosalema, Ary hanjaka eo aminy amin’ny taona mandrakizay anie Izy. Amena!»

Categories
Tobia

Tobia 14

1 Toy izany no niafaran’ny tenin’i Tobia.

13. Niniva

Tatỳ aorian’ny nahiratany dia velona 42 taona i Tobia, ka nahita ny zanaky ny zafiny.

2 Roa amby zato taona no totalin’ny andro niainany, ary nalevina tamim-panajana tany Niniva izy.

3 Fa 56 taona izy, no tonga jamba, ary efa 60 taona izy vao nahiratra indray.

4 Lany tamin’ny hafaliana avokoa ny andro sisa rehetra niainany, ary araka ny nandrosoany tamin’ny fahatahorana an’Andriamanitra no nitomboan’ny fiadanana nankafiziny.

5 Nony efa ho faty izy, nantsoiny ho eo akaikiny avokoa i Tobia zanany sy ny zafiny, zanak’io, fito mirahalahy, ka hoy izy taminy:

6 «Efa akaiky ny faharavan’i Niniva, fa tsy maintsy tanteraka ny tenin’Andriamanitra ary ny rahalahintsika tafaely atỳ, lavitra ny tanin’i Israely dia hiverina any indray.

7 Ka hisy mponina indray ny tanin’i Israely rehetra efa zary efitra teo iny; haorina indray ny tranon’Andriamanitra efa nodorana teo iny, ary hiverina any avokoa izay rehetra matahotra an’Andriamanitra.

8 Handao ny sampiny ny firenena ka ho avy ao Jerosalema sy honina ao.

9 Hifaly ao avokoa ny mpanjakan’ny tany rehetra mitsaoka an’ilay Mpanjakan’i Israely.

10 Koa mihainoa ny rainareo, anaka, manompoa ny Tompo amim-pahamarinana, ary mikeleza aina hanao izay sitrany.

11 Hafatrafaro ny zanakareo hanaraka ny rariny, hanao fiantrana, hahatsiaro an’Andriamanitra, ary hisaotra Azy mandrakariva amim-pahamarinana sy amin’ny heriny rehetra.»

12 «Ankehitriny, anaka, mihainoa ahy, ka aza mitoetra amin’ity tanàna ity, fa amin’ny andro handevenanareo an-dreninareo eo akaikiko, amin’ny fasana iray ihany, dia miaingà hiala atỳ,

13 satria hitako fa hahatarika ny fandravana azy ny tsy fahamarinan’i Niniva.»

Ny nahafatesany

14 Koa nony maty ireniny, dia niala tany Niniva i Tobia mbamin’ny vady aman-janany sy ny zafiny ary niverina nankany amin’ny rafozany.

15 Salama tsy marofy sy tratra antitra tsara no nahitany azy, dia izy no nikarakara an’ireo sy nanirina ny masony; nahazo ny lova rehetra tamin’ny tranon-dRagoela, ary nahita ny zanaky ny zanany hatramin’ny taranaka fahadimy izy.

16 Nony efa velona 99 taona tamin’ny fahatahorany ny Tompo izy, dia tamin-kafaliana no nandevenan’ny zanany azy.

17 Naharitra tamin’ny toe-piainana tsara sy fitondran-tena masina, ny fianakaviany aman-taranany rehetra, ka notiavin’Andriamanitra sy ny olombelona ary ny tany ama-monina rehetra.