Categories
Tononkira dia Tononkira

Tononkira dia Tononkira 1

LOHATENY SY TENY VOALOHANY

1 Tononkira dia tononkira, nataon’i Salômôna.

Ny ampakarina

2 Hanoroka ahy amin’ny fanorohan’ny vavany anie izy!

Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao;

3 soa ny hanitry ny zava-manitrao,

diloilo mamerovero ny anaranao,

izany no itiavan’ny zatovo vavy anao.

4 Ento hanaraka anao aho; andao faingana isika!

Nentin’ny mpanjaka ho ao an’efitranony mitokana aho,

hientan-kafaliana sy hiravoravo aminao izahay,

hidera ny fitiavanao, mihoatra noho ny divay izahay.

An-drariny loatra ny itiavan’ny olona anao!

Ny ampakarina

5 Mainty aho, ry zanaka vavin’i Jerosalema, nefa tsara tarehy.

Sahala amin’ny lain’i Sedera, tahaka ny trano lain’i Salômôna.

6 Aza ny hamaintiko no jerena,

fa ny hainandro no nampivalomainty ahy:

tezitra tamiko ny zanak’i neny;

nasainy niandry tanimboaloboka aho,

ny tanimboaloboko, ny ahy, tsy mba nandrasako.

7 Lazao ahy, ry malalan’ny foko

izay iandrasanao ny ondrinao,

izay ampandrianao azy raha mitatao vovona ny andro,

mba tsy ho tahaka ny mpirenireny foana aho,

eny amin’ny andian’ondrin’ny namanao eny.

Antoko-mpihira

8 Raha tsy fantatrao izany, ry tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy,

mandehana manaraka ny biby fiompinao,

dia andraso eny akaikin’ny trano bongon’ny mpiandry ondry, ny zanak’osinao.

Mpampakatra

9 Amin’ny soavaly vaviko mitarika ny kalesin’i Faraôna

no ampitahàko anao, ry malalako.

10 Tsara ny takolakao voahodidin’ireo fehivozona,

soa ny vozonao, voahodidin’ireo voahangy maro andalana.

11 Ny hataonay ho anao dia rado volamena mitentim-bolafotsy.

Ampakarina

12 Raha teo amin’ny saofàny indrindra iny ny mpanjaka

no nandefa ny fofony kosa ny zava-manitro.

13 Ho ahy ny malalako, dia mira eran-kitapo kely,

izay miondana eo an-tratrako.

14 Amiko ny malalako, dia sipra iray sampaho,

any an-tanimboalobok’i Engadi!

Mpampakatra

15 Eny, tsara tarehy ianao, ry malalako; eny tsara tarehy ianao!

Masom-boromahailala, ny masonao.

Ampakarina

16 Eny, tsara tarehy ianao, ry malalako,

eny mahafinaritra ianao.

Ny farafarantsika dia farafara zava-maitso.

Mpampakatra

17 Sedera ny sakamandimbin-tranontsika;

sipresy ny peta-drindrintsika.

Categories
Tononkira dia Tononkira

Tononkira dia Tononkira 2

Ampakarina

1 Izaho, dia narsisa any Arôna,

lisy eny an-dohasaha.

Mpampakatra

2 Toy ny lisy eo afovoan’ny tsilo,

ny malalako eo amin’ny zazavavy.

Ampakarina

3 Toy ny foto-pôma any afovoan’ny hazo any an’ala,

ny malalako eo amin’ny zazalahy.

Niriko ny hipetraka eo ambanin’ny alokalony,

ary mamy ao am-bavako ny voany.

4 Nampidiriny ao an-tranon-divainyaho,

ary fitiavana no faneva atsangany ho ahy.

5 Tohano ampempam-boaloboka aho,

hatanjaho amin’ny pôma aho,

fa matim-pitia ny foko.

6 Hanondana ahy anie ny tanany havia,

ary hanohona ahy ny tanany ankavanana.

Mpampakatra

7 Ry zanaka vavin’i Jerosalema, izaho miangavy anareo indrindra,

noho ny gazela aman-tserfavavy eny an-tsaha,

aza fohazinareo, aza fohazinareo ny malalako,

raha tsy efa sitrapony.

Ampakarina

8 Injay ny feon’ny malalako, indrỳ tamy izy,

miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra;

mitsambikina amin’ny havoana.

9 Manahaka ny gazela ny malalako,

sy ny zanaky ny serfa vavy.

Indro izy eo ivohon-drindrin-tranonay

mijery eo am-baravarankely,

mijery eo amin’ny makarakara.

10 Niteny ny malalako, ka nanao tamiko hoe:

«Mitsangàna, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia!

11 Fa indro ny ririnina efa lasa;

ny ranonorana efa nitsahatra tsy misy intsony.

12 Ny voninkazo efa miposaka amin’ny tany;

ny fotoana fihirana efa tonga.

Ny feon-domohina efa re eny an-tsahantsika;

13 efa mipoitra ny voan’aviavy vao mitsimoka,

ny voaloboka mamòny efa mamerovero;

mifohaza, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia!

14 Ry voromahailalako izay mipetraka eo an-tsefatsefa-bato;

eo amin’ny fialofan’ny rindrim-bato mideza,

asehoy ahy ny endrikao,

ampandreneso ahy ny feonao,

fa mamy ny feonao,

ary mahafinaritra ny endrikao».

15 Isambory ny fosa izahay

ny fosa madinika

izay manimba ny tanimboaloboka;

fa efa mamòny ny voalobokay.

16 Ahy ny malalako, ary azy aho;

miandry ny ondriny eny amin’ny lisy izy.

17 Alohan’ny hangatsiatsiahan’ny andro,

sy hahalasanan’ny aloka,

mba miverena… Ry malalako, aoka ianao hanahaka

ny gazela na ny zanaky ny serfa vavy

eny an-tendrombohitra voatsefatsefaka.

Categories
Tononkira dia Tononkira

Tononkira dia Tononkira 3

1 Teo am-pandriako aho, nony alina,

nitady ilay malalan’ny fanahiko;

nitady azy aho, fa tsy nahita…

2 Ka hoy aho anakampoko: «Andeha hifoha aho hitetitety ny tanàna,

ny lalam-be sy ny kianja,

hitady ilay malalan’ny foko.»

Dia nitady azy aho fa tsy nahita.

3 Tojo ahy ny mpiambina izay misafo ny tanàna:

– Mba hitanareo va ilay malalan’ny foko? –

4 Vao tafahoatra an’ireo kely foana aho,

dia nahita an’ilay malalan’ny foko.

Nohazoniko izy, fa tsy navelako nandeha,

mandra-pampiditro azy any an-tranon’i neny,

sy any amin’ny efitranon’ilay nahitako masoandro.

Mpampakatra

5 Ry zanaka vavin’i Jerosalema, izaho miangavy anareo indrindra,

noho ny gazela sy ny serfa vavy eny an-tsaha,

aza fohazinareo, aza fohazinareo ny malalako,

raha tsy efa sitrapony.

TONONKALO FAHATELO

6 Iza izatomiakatra avy any an’efitra,

tahaka ny setroka mijoalajoala,

manitra mira aman’emboka,

mbamin’ny zava-manitra rehetra avy amin’ny mpandranto?

7 Iny eny, ny filanjàn’i Salômôna;

otronin-dehilahy mahery enimpolo,

avy eo amin’ireo lehilahy maherin’i Israely;

8 samy mitan-tsabatra avokoa,

ary zatra ady.

Samy eny am-balahany avy, ny sabany,

hampisava ny fahatahorana amin’ny alina.

9 Nanao filanjana ho azy i Salômôna mpanjaka,

tamin’ny hazo avy any Libàna.

10 Nataony volafotsy ny andriny,

volamena ny fiankinana, jaky ny fipetrahana;

amborodao ny eo afovoany,

asam-pitiavana avy amin’ny zanaka vavin’i Jerosalema.

11 Mivoaha, ry zanaka vavin’i Siôna, jereo i Salômôna mpanjaka,

misatroka ny satroboninahitra, nasatro-dreniny azy

amin’ny andro ampakarany vady,

amin’ny andro ifalian’ny fony.

Categories
Tononkira dia Tononkira

Tononkira dia Tononkira 4

1 Eny, tsara tarehy ianao, ry malalako; eny tsara tarehy ianao.

Masom-boromahailala ny masonao saronan’ny voalinao;

ny volonao toy ny andian’osivavy,

miantsampitsampy eny ankisolosolon’ny tendrombohitr’i Galaada.

2 Ny nifinao, toy ny andian’ondrivavy voahety,

miakatra avy any amin’ny fampandroana azy,

samy manana anaka kambana,

ary tsy misy bada izy ireo na dia iray aza.

3 Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao,

ary mahafinaritra ny vavanao;

tahaka ny voan’ampongabendanitra misasaka ny takolakao,

alokalofan’ny voalinao.

4 Tahaka ny tilikambon’i Davida ny vozonao,

izay nataony trano fitahirizam-piadiana,

ka ihantonan’ampinga arivo,

dia ny ampingan’ny mahery rehetra.

5 Tahaka ny zanaky ny gazela ny nononao roa,

tahaka ny kambana roa zanaky ny gazela iray,

izay mihinana eny amin’ny lisy.

6 Alohan’ny hangatsiatsiahan’ny andro,

sy hahalasanan’ny aloka

dia ho eny an-tendrombohitry ny mira aho,

sy ho eny amin’ny havoan’ny emboka.

7 Fa tsara tarehy indrindra ianao, ry malalako,

sady tsy misy panda aminao!

8 Avia, hiaraka amiko, avy any Libàna, ry fofom-badiko,

avia hiaraka amiko, avy any Libàna!

Topazo maso avy eny an-tampon’i Amàna,

avy eny an-tampon’i Sanirasy i Hermôna,

avy any amin’ny lavaky ny liona,

sy ny tendrombohitry ny leoparda.

9 Efa lasanao ny foko, ry havako, ry fofom-badiko,

efa lasanao ny foko tamin’ny masonao indray mijery monja,

tamin’ny singam-boahangy eo amin’ny fehivozonao!

10 Endrey izany hamamin’ny fitiavanao, ry havako voafofo,

endrey izany hatsaran’ny fitiavanao mihoatra noho ny divay;

ary mihoatra noho ny zava-manitra rehetra, ny fofon’ny hanitrao!

11 Mitete tantely ny molotrao, ry voafofo;

ny tantely sy ny ronono dia ao ambany lelanao,

ary sahala amin’ny fofon’i Libàna, ny fofon’ny fitafianao.

12 Ny anabaviko voafofo dia tanimboly voahidy,

loharano voahidy, fantsakana voaisy tombokase.

13 Ny tsirinao dia alan’ampongabendanitra,

misy sipresy sy narda,

14 narda sy safrana,

kanela sy sinamôma,

mbamin’ny hazo rehetra misy emboka,

mira sy aloesy,

mbamin’ny hazo rehetra mahavokatra diloilo manitra tsara indrindra.

15 Loharanon’ny zaridaina,

fantsakan-drano velona,

sakeli-drano mandeha avy any Libàna.

Ampakarina

16 Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra, avia ry rivotra avy any atsimo!

Mitsofa eo an-tanimboliko, hitetevan’ny hazo mahavokatra dity manitra.

Aoka hiditra ao an-tanimboliny ny malalako,

ka hihinana amin’ireo voankazony tsara tarehy!

Categories
Tononkira dia Tononkira

Tononkira dia Tononkira 5

Mpampakatra

1 Efa tafiditra ny tanimboliko aho, ry anabaviko voafofo,

efa nioty ny mirako aman-java-manitra aho;

efa nihinana ny toho-tantely aman-tanteliko aho…!

efa nisotro ny divay aman-drononoko aho…!

Mihinàna, ry sakaiza, misotroa, mimamoa, ianareo olon-tiako!

Ny Ampakarina

2 Matory aho, nefa mahatsiaro ny foko…

Injay ny feon’ny malalako! Mandondòna izy:

– Vohay aho, ranabavy, ry sakaizako,

ry voromahailalako, ry ahy tsy misy pentina;

fa vonton’ny ando ny lohako,

kotsan’ny andon’ny alina ny voloko voalantolanto.

3 Efa niala akanjo aho, ka hataoko ahoana no fiakanjo indray?

Efa nioza tongotra aho, ka hataoko ahoana no fandoto azy indray.

4 Ny malalako mampidi-tanana amin’ny loaky ny hidim-baravarana,

ka nangoraka azy ny foko.

5 Dia nitsangana aho namoha ny malalako,

ary nitete mira ny tanako,

ny mira tsara indrindra avy amin’ny rantsan-tanako,

nihanaka teo amin’ny famohan-karetsaka.

6 Namoha trano ny malalako aho;

kanjo nanjavona ny malalako; nandositra izy.

Tsy nahatsiaro tena aho raha niteny tamiko izy.

Nitady azy aho, nefa tsy nahita;

niantso azy, nefa tsy novaliany.

7 Nifanehatra tamiko ny mpiambina,

dia ireo izay nisafo ny tanàna alina;

ka nokapohiny nataony mangana aho;

nendahan’ireo mpiambina ny manda ny lambako.

8 Miangavy anareo aho, ry zanaka vavin’i Jerosalema,

raha mahita ny malalako ianareo,

ahoana no holazainareo aminy…?

– Mararim-pitia aho. –

Antoko-mpihira

9 Inona no ihoaran’ny malalanao noho ny malala hafa,

ry tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy?

Inona no ihoaran’ny malalanao, noho ny malala hafa,

no dia miangavy anay toy izao ianao?

Ampakarina

10 Ny malalako dia mandina sy menamena,

notsongaina tamin’ny iray alina.

11 Volamena madio ny lohany;

malefaka hoatra ny sampam-palafa ny volony milantolanto,

sady mangilohilo toy ny goaika.

12 Ny masony tahaka ny voromahailala amoron-tsakeli-drano,

mandro amin’ny ronono,

mipetraka amin’ny morona,

13 Ny takolany tahaka ny kisahasahan-kazo mitete dity manitra,

sy toritory fambolena hazo manitra:

lisy ny molony,

izay mitete mira faran’izay madio.

14 Ny tanany dia anja-bolamena,

voaisy vatosoa avy any Tarsisa:

ny tratrany taozavatra ivoara kanto indrindra,

voaisy safira betsaka.

15 Ny ranjony andry vatosanga,

miorina amin’ny faladia volamena madio.

Ny tarehiny tahaka an’i Libàna,

bikana toy ny hazo sedera.

16 Mamy dia mamy ny vavany,

ary mahatehotia avokoa ny tenany.

Toy izany ny malalako, toy izany ny olon-tiako,

ry zanaka vavin’i Jerosalema.

Categories
Tononkira dia Tononkira

Tononkira dia Tononkira 6

Antoko-mpihira

1 Lasa nankaiza ny malalanao,

ry tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy?

Nitodika nankaiza ny malalanao,

hiarahanay aminao hitady azy?

Ampakarina

2 Lasa nidina any an-tanimboliny ny malalako,

dia any an-kisahasahan-kazo mitete dity manitra,

hiandry ondry any an-tanimboliny,

sy hioty lisy any.

3 An’ny malalako aho, ary ahy ny malalako;

miandry ny ondriny any amin’ny lisy izy.

Mpampakatra

4 Ry malala, tsara tarehy tahaka an’i Tirsà ianao;

ary mahafinaritra tahaka an’i Jerosalema,

fa mahatahotra tahaka ny antoko-miaramila.

5 Avilio tsy hijery ahy ny masonao

fa mampitebiteby ny foko.

Ny volonao tahaka ny andian’osy

miantsampitsampy eny ankisolosolon-tendrombohitr’i Galaada.

6 Ny nifinao tahaka ny andian’ondry,

miakatra avy any amin’ny fampandroana;

samy manana anaka kambana;

ary tsy misy bada izy ireo na dia iray aza.

7 Ny takolakao tahaka ny voan’ampongabendanitra misasaka

alokalofan’ny voalinao.

8 Misy mpanjaka vavy enimpolo, vaditsindrano valopolo,

ary zatovo vavy tsy hita isa:

9 fa iray monja no voromahailalako, ahy tsy misy pentina;

vavy tokan’ny reniny,

zokim-pitian’ilay nahitany masoandro.

Ireo zatovo vavy nahita azy, niantso azy hoe: Sambatra;

ireo mpanjaka vavy amam-baditsindrano nahita azy dia nidera azy:

10 Iza moa ity vehivavy, miposaka toy ny mazava atsinanana

tsara tahaka ny volana, madio toy ny masoandro,

fa mahatahotra tahaka ny antoko-miaramila?

11 Nidina tany an-tsahan’ny noaie aho

hizaha ny ahitra eny an-dohasaha,

hizaha raha mitsimoka ny voaloboka,

raha mamòny ny ampongabendanitra.

12 Tsy fantatro, fa nentin’ny fitiavako aho niakatra

nitaingina ny kalesin’ny vahoakako be voninahitra.

Categories
Tononkira dia Tononkira

Tononkira dia Tononkira 7

Antoko-mpihira

1 Miverena, miverena ry Solamita.

Miverena, miverena, mba hijerenay anao.

Mpampakatra

Ahoana ianareo no mijery ny Solamita

tahaka ny dihy any Makanaima.

Antoko-mpihira

2 Endrey izany hatsaran’ny tongotrao misy kapa,

ry zanaka vavin’andriandahy!

Ny filefitry ny valahanao tahaka ny rado,

asan-tanan’ny mpahay zavatra.

3 Ny foitra dia kôpy kivorivory

tsy ilaozan-divay voaisy zava-manitra.

Ny kibonao toa varimbazaha mitoby,

voahodidina lisy.

4 Ny nononao roa toa zana-tserfavavy roa,

zanaka kamban’ny gazela iray.

5 Ny vozonao tahaka ny tilikambo ivoara;

ny masonao tahaka ny kamorin’iHesebona,

anilan’ny vavahadin’ity tanàna be mponina.

Ny oronao tahaka ny tilikambo any Libàna,

izay manatrika ny ilan’i Damasa.

6 Ny lohanao mipetraka eo amboninao tahaka an’i Karmela,

ny volon-dohanao tahaka ny jaky mena;

voasinton’ny fiolikoliny ny mpanjaka.

Mpampakatra

7 Soa loatra ity ianao, mahafinaritra ity ianao,

ry fitiavako ao anatin’ny fahafinaretana.

8 Ny tsangananao manahaka ny fototr’andrendry,

ary ny nononao, no toy ny sampahony.

9 Ka hoy aho: Hananika ny fototr’antrendry aho,

dia handray ny sampahony.

Aoka ny nononao ho tahaka ny sampahom-boaloboka;

ny hanitry ny fofon’ainao, ho toy ny an’ny pôma;

10 ary ny vavanao ho toy ny divay voafantina…!

Ampakarina

Izay mitsororoka moramora ho an’ny malalako,

mitsoriaka eo amin’ny molotry ny matory.

11 An’ny malalako aho,

ary atỳ amiko no alehan’ny faniriany.

12 Avia, ry malalako, andeha isika ho any an-tsaha;

andeha isika handry any amin’ny vohitra any.

13 Ho any an-tanimboaloboka, vao maraina isika,

ka ho hitantsika raha mitsiry ny voaloboka,

raha mivelatra ny tsiriny,

raha mamòny ny ampongabendanitra;

ary homeko anao ny fitiavako.

14 Mamerovero ny hanitry ny mandragora,

ary ao am-bavahadintsika avokoa ny voankazo tsara indrindra,

na ny vaovao na ny tranainy:

notahiriziko ho anao izany, ry malalako.

Categories
Tononkira dia Tononkira

Tononkira dia Tononkira 8

1 Endrey naninona re no tsy anadahiko ianao,

nitsentsitra ny nonon’ineny?

fa raha tojo anao eny ivelany eny aho, dia hanoroka anao,

nefa tsy hahazo fanesoana amin’izany.

2 Hitondra anao hiditra ao an-tranon’i neny aho,

dia hampianatra ahy ianao;

ary hampisotro anao divay voaharo zava-manitra,

dia ny ranon’ny ampongabendanitra.

3 Ny tanany ankavia manondana ahy,

ary ny ankavanany manohona ahy.

Mpampakatra

4 Miangavy anareo aho, ry zanaka vavin’i Jerosalema,

aza fohazinareo, aza fohazinareo ny malalako,

raha tsy efa sitrapony.

Antoko-mpihira

5 Iza ity vehivavy, miakatra avy any an’efitra,

mitehina amin’ny malalany?

Mpampakatra

Teo ambanin’ny hazo pôma no namohazako anao,

teo no torontoronina anao ireninao.

Teo izy no torontoronina anao, tao izy no nampahita masoandro anao.

6 Ataovy vita tombokase eo ambonin’ny fonao aho,

sy vita tombon-kase eo an-tsandrinao;

fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana,

tsy azo ifonana toy ny Seoly ny fahasaro-piaro,

mirehitra toy ny afo ny firehetany,

dia lelafon’i Iaveh.

7 Ny ranobe tsy mahay mamono ny fitiavana,

ny ony koa tsy mahasafotra azy.

Tenin’olon-kendry

Raha misy olona hividy fitiavana na amin’ny fananana rehetra ao an-tranony aza

dia tsy hahazo afa-tsy henatra foana.

Teny manindrona roa

8 Manan-jandry vavy kely

tsy mbola misy nono izahay;

ka hataonay ahoana re ity zandry vavinay

raha avy izay andro angatahan’ny olona azy?

9 Raha manda izy,

dia asianay lohamanda volafotsy;

raha varavarana izy,

dia hotampenanay hazo fisaka sedera.

Ampakarina

10 Manda aho,

ary toy ny tilikambo ny nonoko;

ka dia toy ny efa nahita fihavanana aho eo imasony.

Antoko-mpihira

11 Nanan-tanimboaloboka tao Baala Hamôna i Salômôna,

napetrany tamin’ny mpiandry voly ny tanimboaloboka.

Ary ny solom-bokatra aloa ho azy,

dia arivo sikla isan’olona.

Ampakarina

12 Ny tanimboaloboka izay ahy kosa, dia anaranako fo:

ny arivo sikla no anao anie, ry Salômôna,

ary ny roan-jato kosa, an’ny mpiandry ny voany.

Mpampakatra

13 Eh, ianao izay mitoetra eny amin’ny zaridaina,

manongilana sofina hihaino ny feonao ny namana,

mba ampandreneso izany aho!

Ampakarina

14 Mihazakazaha, ry malalako,

manahafa ny gazela

na ny zana-tserfa vavy,

eny an-tendrombohitry ny hazo mitete dity manitra!